Zelota

Ny Zelota dia firehana na antoko ara-politika sy ara-pivavahana jiosy izay nalaza tamin'ny fanoherana ny Romana tao Jodea (na Jodia) tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K. ka namporisika ny vahoaka jiosy tao amin'ny faritanin'i Jodea hikomy amin'ny Fanjakana romana sady handroaka azy amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana. Ireo Zelota ireo no lohany tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny Fikomiana lehibe (hebreo: המרד הגדול / ha-Mered ha-Gadol) nataon'ny Jiosy tamin'ny taona 66 hatramin'ny taona 70 taor. J.K.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Zelota dia avy amin'ny teny grika hoe ζηλωτής / zêlôtês (raha tokana) sy ζηλωταί / zêlôtai (raha maro). Atao hoe קנאים / Qana'im izany amin'ny teny hebreo. Ny teny hoe zelota dia ilazana "izay mafana fo" ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Torah.

Tantaran'ny Zelota

Ny Zelota dia niseho ho vondrona politika miavaka tamin'ny andron'i Heroda Lehibe (nanapaka teo anelanelan'ny taona 37 sy 4 tal. J.K.). Nantsoina hoe Galileana (na Galiliana) koa izy ireo. Tamin'ny taona 6 taor. J.K., rehefa notapahin'ny governemanta mivantana i Jodea ka nandidy i Koirinio (na Kirinio na Kireniosy, izay jeneraly sy mpandraharaham-panjakana romana) ny tsy maintsy hanaovana fanisam-bahoaka mba hamaritana ny hetra halaina. Izany fanisam-bahoaka izany dia fandikana zavatra andrarana ao amin'ny Baiboly (Andriamanitra irery ihany no afaka manisa ny fanahin'olombelona).

Niantso ho amin'ny fikomiana ny Zelota notarihin'i Jodasy avy any Galilea. Ny fanekena ny fahefan'ny emperora romana, izay jentilisa mpanompo sampy, hoy izy ireo, dia midika fandavana ny fahefan'Andriamanitra sady fanekena ny fanandevozana. Amin'izy ireo dia fandotoana ny Tany nampanantenaina ny fisian'ny Romana ao Palestina. Ny fikomiana nataon'ny Zelota tamin'ny taona 6 taor. J.K. dia nalaky nitsahatra noho ny famaizana. Maro amin'izy ireo no novonoina, ka isan'izany angamba i Jodasy Galileana, nefa ny hafa nanohy nitory ny fanoherana tanteraka ny Romana.

Nihamafy ny fanoherana ka nisy antokon'ny Zelota atao hoe Sikary (na Sikera) izay nampiasa ny asa fampihorohoroana ka namono Romana sy Jiosy heveriny na nahiahiny fa niray tsikombakomba tamin'ny manampahefana romana. Nesorin'ny Zelota ilay voromahery volamena nataon'i Heroda teo amin'ny Tempoly Faharoa.

Ny iray amin'ny mpianatr'i Jesosy atao hoe Simona, dia isan'ny Zelota (Lioka 6.15). Araka an'i Flavio Josefa, ny Zelota dia nandray anjara lehibe tamin'ny famporisihana sy ny fanohanana ny tolom-bahoaka jiosy hanoherana ny Romana izay nanomboka tamin'ny taona 66 taor. J.K. Na dia nanohy ny fanenjehana sy ny famonoana ny antoko jiosy hafa aza ny Zelota, dia niaro amin-kerim-po an'i Jerosalema ambara-pahatongan'ny faharavan'io tanàna io tamin'ny taona 70 taor. J.K.

Israel-2013-Aerial 21-Masada
Sarin'i Masada nalaina teny ambony

Nanohitra sy niady tamin'i Tito (emperora romana) amin-kerim-po izy ireo nandritra ny fahirano sy taorian'ny nahazoan'ny Romana an'i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. Tapa-kevitra ny Romana nanombo tamin'ny hazo filaliana ireo izay efa migadra any am-ponja. Nisy koa vondrona zelota niaro ny tobim-pamaharana jiosy atao hoe Masada (hebreo: מצדה / Mitsada) izay nataon'ny tafika romana fahirano hatramin'ny taona 73 taor. J.K. sady nisafidy ny famonoan-tena toy izay hitolo-batana. Maro ny nisafidy ny hiaraka mamono tena tamin'ny alalan'ny fitrobaran-tena tamin'ny fitaovam-piadiana, na tamin'ny alalan'ny fianjerana avy eny amin'ny tobin'i Masada.

Jereo koa

Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma

Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma

Apostoly roa ambin'ny folo

Apostoly no ilazana ireo mpianatra roa ambin'ny folo nosafidin'i Jesoa manokana hamita iraka, dia i Petera, i Andrea, i Jakoba zanak'i Zebedio, i Jaona, i Filipo, i Bartolomeo, i Tomasy, i Matio, i Jakoba zanak'i Alfeo, i Joda, i Simona Zelota ary i Jodasy.

Boetosiana

Ny Boetosiana dia ireo mpikambana ao amin'ny fikambanana jiosy tamin'ny faramparan'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa. Amin'ny lovatsofina rabinika dia manam-pifandraisana akaiky amin'ny Sadoseo (na Sadoseanina) ny Boetosiana na fivoaran'ny Sadoseo. Mety ho momba ny fianakaviana mpisoron'i Boetosy ny fikambanana boetosiana, nefa mbola tsy mifanaraka ny amin'izany ny mpikaroka. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe בייתוסים / baitôsîm izy ireo.

Elkasaita

Ny Elkasaita na Elkesaita na Helkasaita na Elkesaiana dia ireo tao amin'ny fikambanana ara-pivavahana jodeo-kristiana batista sinkretika manam-pirehana gnostika izay sady isan'ny jodaisma amin'ny ankapobeny amin'ny lafiny sasany, no isan'ny jodaisma nazoreana. Io anarana io dia avy amin'ny anaran'ilay olona heverina fa namorona azy atao amin'ny teny grika hoe Ἠλχασαΐ / Elkhasai na Ἠλξαί / Elksai na Ελκεσαΐ / Elkesai.

Jakoba ilay Marina

I Jakoba ilay Marina na Jakoba rahalahin'i Tompo na Jakoba fotsiny dia Jiosy avy any Galilea, izay isan'ny ireo atao hoe rahalahy efatr'i Jesosy araka ny voalazan'ny Evanjelin'i Matio (Mat. 13.55). Tamin'ny taona 61 na 62 no nahafatesany. Mety ho izy ilay atao hoe Jakoba rahalahin'i Joda ao amin'ny Evanjelin'i Joany sy ny Evanjelin'i Matio (Joa. 1.1; Mat. 13.55), izany hoe i Joda Zelota izay atao hoe koa rahalahin'i Jesosy ao amin'ny soratra kristiana maro hatramin'izay ka hatramin'ny taonjato faha-6. Izy roa ireo dia lazaina koa fa rahalahin'i Simona Zelota. Miady hevitra ny amin'ny maha apostoly an'i Jakoba ilay Marina anefa ny mpahay tantara, izay mihevitra fa tokony tsy hampitovina amin'i Jakoba zanak'i Alfeo izy.

Nisahana anjara asa lehibe tamin'ny fitarihana i Jakoba ilay Marina teo amin'ny lafiny fanelanelanana ny fifanolanana nisy nandritra ny Konsily natao tao Jerosalema sy ny fandrindrana ny asan'ny Apostoly sy ny an'ireo mpitoriteny mitety vohitra. Ny fandroahana ny mpisoronabe Hanan ben Hanan (vao avy notendrena) izay nampamono azy dia azo heverina fa manambara ny maha olona nanana ny maha izy azy teo amin'ny fiarahamonina tao Jerosalema.

Tsy dia nisongadina firy izy teo amin'ny kovantsofina kristiana, indrindra teo amin'ny Fiangonana latina tandrefana, angamba noho ny filazana azy ho rahalahin'i Jesosy izay tsy mifanaraka amin'ny foto-pampianarana ny amin'ny maha virijiny mandrakizay an'i Maria renin'i Jesosy. Noho izany dia noheverina ho zana-kavan'i Maria na i Josefa izy. Tamin'ny faran'ny taonjato faha-4, taorian'ny Konsily natao tao Nikea, dia nanao tolo-kevitra ny hiheverana an'i Jakoba ilay Marina ho zanak'i Maria avy any Klopasy i Hieronimo (Jerôma). Ampitovina amin'i Jakoba Zandriny i Jakoba ilay Marina, nefa izany vahaolana izany dia tsy noraisin'ny Fiangonana tatsinanana.

Ny lovantsofina dia manao an'i Jakoba ilay Marina ho ilay nanoratra ny Epistilin'i Jakoba izay midera ny malahelo sady manambara ny ho fangovitan'ny manan-karena.

Jiosin'i Elefantina

Ny Jiosin'i Elefantina na Jodin'i Elefantina dia vahoaka jiosy na jody tany Egipta tamin'ny vanimpotoan'ny Persiana akemenida (taonjato faha-5 tal. J.K.) izay nonina teo amin'ny nosy Elefantina izay nantsoina hoe Yeb tamin'izany fotoana izany. Ny nosy Elefantina dia nosin'i Egipta eo afovoan'ny renirano Nily manoloana ny tananan'i Assouan izay ikambanany. Ireo Jiosy tao Elefantina ireo dia nanaraka ny jodaisma nefa nanana ny nampiavaka azy manokana.

Joda

Ny anarana hoe Joda na Jodà dia anarana be mpitondra. Ao amin'ny Baiboly sy ao amin'ny lovantsofina Kristiana dia maro ny olona mitondra io anarana io.

Ao amin'ny Testamenta Taloha:

I Joda na Jodà zanak'i Jakoba

Ny fokon'i Jodà (na Joda)

Ny Fanjakan'i Jodà izay atao hoe Jodà (na Joda) ihanyAo amin'ny Testamenta Vaovao sy ny lovantsofina kristiana:

Joda Zelota na Jodasy Zelota izay atao hoe koa Tadeo avy any Edesa

Joda Tadeo na Jodasy Tadeo

Ny mpanoratra ny Epistilin'i Joda

Joda Tadeo

I Joda na Joda Tadeo na Joda zanak'i Jakoba dia iray amin'ireo mpianatr'i Jesoa roa ambin'ny folo lahy.

I Joda dia atao hoe koa Joda zanak'i Jakoba na Jodasy zanak'i Jakoba na Joda Tadeo na Jodasy Tadeo. Ἰούδας Ἰάκωβος / Ioudas Iakôbos amin'ny teny grika. Tsy afangaro amin'i Jodasy Iskariota i Jodasy Tadeo (Ἰούδας Θαδδαιος / Ioudas Thaddaios amin'ny teny grika).

Joda Zelota

I Joda Zelota izay atao hoe koa Aday na Tadeo avy any Edesa dia mpiantr'i Jesosy. Araka ny lovantsofina dia nitory ny vaovao mahafaly tany amin'ny faritr'i mesopotamia, indrindra tany Edesa sy any amin'ny Fanjakan'i Armenia. Tsy eken'ny Fiangonana katolika anefa izany filazana fa i Joda Zelota no nampiely ny vaovao mahafaly tany izany.

Tsy mazava tsara ny amin'i Joda Zelota satria mifanipaka ireo lovantsofina momba azy. Ny lovantsofina tatsinanana dia manao azy ho nanorina ny Fiangonana ao Edesa ka isan'izany ny Fiangonana nestoriana. Ny lovantsofina armeniana kosa milaza fa izy no nanorina ny Fiangonan'i Armenia voalohany niaraka tamin'ny apostoly Bartolomeo (Bartelemy). Toherin'ny mpanao tsikera ara-tantara izany satria zavatara noforonina natao hanomezana fiaviana apostolika ny Fiangonan'i Armenia.

Ho an'ny lovatsofin'ny Fiangonana tatsinanana ny ny ampahany amin'ny Katolika dia tsy iza i Joda Zelota fa i Tadeo ihany, izay atao hoe Jodasy zanak'i Jakoba araka ny hita ao amin'ny Evanjelin'i Lioka sy ny Asan'ny Apostoly (Lio. 6.16; Asa 1.14) na Jodasy Tadeo. Ho an'izy ireo dia izy ilay atao hoe "rahalahin'i Jesosy" izay mitondra anarana sy fanampin'anarana mitovy. Ho an'ny Ortodoksa sy ny Nestoriana dia rahalahy tsy iray tampo amin'i Jesosy fa zanak'i Josefa tamim-behivavy hafa tsy i Maria i Joda Zelota. Ny Katolika kosa mihevitra fa zana-drahavavy tsy iray tampo amin'i Maria antsoina hoe Maria Jokobe tamin'ny rahalahin'i Josefa atao hoe Klopasy i Joda Zelota.

Ny lovatsofina katolika sasany dia manao an'i Joda Zelota ho sady tsy rahalahin'i Jesosy no tsy ilay apostoly mitovy anarana aminy fa isan'ny mpianatr'i Jesosy, ao amin'ireo atao hoe "mpianatra fitopolo".

Araka ny lovantsofina, rehefa avy nitoriteny tao amin'ny faritr'i Palestina i Joda Zelota dia nankany amin'ny taninan'ny Arabo, tany Siria, tany Mesopotamia ary tany Armenia. Ny fitantarana dia milaza fa niara-niasa tamin'i Simona Zelota izay nahita azy tao Mesopotamia izy, rehefa avy nitory teny "tany Barbaria", izany hoe tao amin'ny faritr'i Etiopia.

Mifanipaka ny lovantsofina ny amin'ny toerana nahafatesan'i Joda Zelota. Ny ankamaroan'ny Kristiana dia milaza fa maty maritiry tany Persia izy. Ny loharano armeniana kosa milaza fa novonoina tao amin'ny tananan'i Maku izay mbola teo ambany fifehezan'ny Fanjakan'i Armenia (ao avaratr'i Iràna ankehitriny) izy. Misy koa ny lovantsofina milaza fa nisy olona atao hoe Tadeo izay nalevina tao Beirota, ka ataon'ny Fiangonana katolika fa ny apostoly Tadeo izany.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Jodasy

Ny anarana hoe Jodasy dia anarana be mpitondra. Ao amin'ny Baiboly sy ao amin'ny lovantsofina Kristiana dia maro ny olona mitondra io anarana io.

Joda Zelota na Jodasy Zelota izay atao hoe koa Tadeo avy any Edesa

Joda Tadeo na Jodasy Tadeo

Jodasy Iskariota

Jodasy Makabeo

Jodasy Iskariota

I Jodasy na Jodasy Iskariota dia iray amin'ireo mpianatr'i Jesosy roa ambin'ny folo lahy. Izy ilay namadika an'i Jesosy ka nanamora ny fisamborana azy.

Masada

I Masada dia toerana voaaro manda any Palestina tamin'ny Andro Taloha izay niorina teo ambony vato granita an-tampon-tendrombohitra eo amin'ny tevana atsinanan'ny tany efitr'i Jodea. tokony ho 50 km any atsimo-atsinanan'i Jerosalema. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מצדה / Mitsada, izay midika hoe "toerana voaro manda", io toerana io.

Mpanoradalàna

Ny mpanoradalana dia vondron'olonkendry niasa nandritra ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa. Ny vanimpotoana niasany dia mety nandritra ny an'ny Fivoriam-be izay niantomboka tamin'ny andron'i Ezra na Esdrasa, izay sady lohan'ny mpanoradalana no filoha voalohan'ny Fivoriam-be, ka nifarana tamin'ny andron'i Simona ilay Marina. Ny anjara asan'izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan'ny vahoaka ny Tanakh sady manazava izany. Atao hoe סופרים / Soferim izy ireo amin'ny teny hebreo.

Ny mpanoradalàna tamin'ny voalohany dia ireo mpanao dika mitovy ny bokin'ny Lalàna (Torah) na mpitantsoratra, nefa niova miandalana ho mpitantsoratry ny tanàna na mpitantsora-panjakana izany taty aoriana. Olona mivelona amin'ny fanoratana ny mpanoradalàna izay matetika manao fivoasana ara-bakiteny ny Lalàna sady nampifantoka ny asany tamin'ny fandinihana ny Soratra Masina. Misy ny mpanoradalàna fariseo sy ny mpanoradalàna sadoseo ka tsy mitovy no matetika mifanohitra ny fomba fanaovany fivoasana ny Lalàna sy ny fitsipika ao amin'ny fivavahana sy fiarahamonina jiosy. Taorian'ny faharavan'ny Tempoly Faharoan'i Jerosalema dia ny mpanoradalàna no lasa nitahiry ny fivavahana jiosy.

Nazoreana

Ny Nazoreana na Nazareana dia vondrona ara-pivavanana jiosy mesianika tsy dia fantatra loatra, izay fanta-pisiana tamin'ny taonjato voalohany. Ity vondrona ity dia manaiky an'i Jesosy ho Mesia nefa manaja ny lalàm-pivavahan'ny Jiosy. Tsy mino ny maha Andriamanitra an'i Jesosy anefa izy ireo. Atao hoe Ναζωραῖος / Nazôraios izy ireo amin'ny teny grika fa נוצרים / Notzrim amin'ny teny hebreo.

Taty aoriana dia niantsoana antoko na sekta jodeo-kristiana niaina tamin'ny taonjato faha-4 izay nitandrina fatratra ny Lalàn'i Mosesy sy nino ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy ny anarana hoe Nazareana na Nazoreana. Tsy nanaiky ny Epistilin'i Paoly izay mampianatra ny tsy tokony hitandremana ny Lalàna jiosy izy ireo.

Sadoseo

Ny Sadoseo dia ireo mpikambana amin'ny antoko iray amin'ny efatra lehibe amin'ny firehan'ny fivavahana jiosy tamin'ny Andro Taloha tao Jodea tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K. Tsy inoany ny fitsanganan-ko velona. Tsy ekeny koa ny lovatsofin'ny Fariseo izay maneho fomba fijery ntaolo kokoa ny lalàna sy ny fivavahana.

Sikara

Ny Sikara dia ireo olona ao amin'ny antoko jiosy mpanidrahindra tanindrazana amin'ny fomba fara tampony izay niezaka ny handroaka ny Romana sy Jiosy mpomba azy ireo hiala an'i Jodea (na Jodia).

Ny teny hoe sikara (latina: Sicarii) dia avy amin'ny teny latina hoe sica, antsy fohy marani-droa mifaingoka afenina ao anaty akanjo, izay fitaovam-piadiana tian'ny Jiosy mpamono ireo Jiosy hafa miara-miasa amin'ny Romana, na mamono ireo Jiosy niova finoana ka tsy mety forana. Ny hoe Sikara izany dia midika ara-bakiteny hoe "olona mitondra sica". Amin'ny teny grika dia atao hoe Sikaroi ny Sikara. Amin'ny teny hebreo vaovao kosa dia atao hoe סיקריים / Siqari'im izy ireo. Teny fanaratsiana mety avy amin'ny tenin'ireo Romana ny teny hoe Sicarii izay nampiasan'i Flavio Josefa tamin'ireo taona 50 hanondroany vondrona jiosy izay tsy fantatra na naman'ny Zelota na tsia. Talohan'ny Fikomiana Lehibe nataon'ny Jiosy tamin'ny taona 66 dia niavaka izy ireo noho ny fanaony izay namono ireo Jiosy miara-miasa amin'ny Romana, ka heverina fa endrika taloha nisehoan'ny asa fampihorohoroana ara-politika izany.

Araka ny nosoratan'i Flavio Josefa dia nikambana tamin'ny fianakavian'i Jodasy Galileana mpanorina ny "Filozofia fahefatra" ny lohandohany teo amin'ireo Sikara, ka misy amin'ny mpandinika ny miresaka ny amin'ny dinastian'ny mpikomy. Tamin'ny Fikomiana lehibe tamin'ny taona 66 dia nandray anjara betsaka izy ireo. Taorian'ny namonoan'olona an'i Menahema zanaka na zafin'i Jodasy Galileana anefa dia toa tsy nanao afa-tsy ny nifehy ny toeram-pamaharana atao hoe Masada sy amin'ny fanafihana eny amin'ny manodidina azy izy ireo. Tamin'ny taona 90 tamin'ny fanapahan'i Domitiano dia lazain'i Flavio Josefa fa nitarika ny famaharana tao amin'i Masada i Eleazara zanak'i Jairo (zafin'i Jodasy Galileana). Izany no fisehoan'ny faran'ny fikomian'ny Jiosy izay nisafidianan'ny Sikara rehetra ny famonoan-tena toy izay ny hosamborin'ny Romana, dia nifarana teo ny fihetsiketsehan'izy ireo tamin'ny taona 74.

Simona Zelota

I Simona Zelota dia iray amin'ireo mpianatr'i Jesoa. Tsy afangaro amin'i Simona Petera izy. Ny hoe zelota dia azo adika hoe "mafana fo" na "saro-piaro".

Tadeo

Maro ny olona mitondra ny anarana hoe Tadeo:

I Joda Tadeo na Jodasy Tadeo na Joda zanak'i JakobaI Tadeo avy any Edesa izay atao hoe koa Joda Zelota na Jodasy Zelota

Tantaran'ny vahoaka jiosy

Ny tantaran'ny vahoaka jiosy dia tantaran'ny Jiosy na vahoakan'i Israely izay maharitra eo amin'ny 3 000 taona eo, nanomboka tamin'ny taona 1200 tal. J.K. hatramin'izao fotoana izao. Ny firesahana voalohany ny fisiany ivelan'ny fitantaràn'ny Baiboly dia hita amin'ny tsangambaton'i Merenptah izay naorina tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. Araka ny lovantsofina jiosy dia i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba no nipoiran'izy ireo.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.