Wiki

Ny wiki dia fitaovana ahafahana mandavorary votoatin'ny sehatra iray amin'ny tranonkala ka ahafahan'ny mpitsidika rehetra nomena alàlana hanova ny votoatin'ny pejy ao anatiny. Manamora ny fiaraha-manoratra lahatsoratra ny wiki, koa rehefa olona maromaro no miara-mamolavola lahatsoratra iray dia tena ahitana tombontsoa ny mampiasa wiki. I Ward Cunningham no namorona ny wiki voalohany tamin'ny taona 1995, tamin'ny ampahan'ny sehatra iray miresaka momba ny programmation informatika, ary WikiWikiWeb no anarana nomeny an'izany. Avy amin'ny teny hawaianina hoe wiki wiki, izay midika hoe « maikamaika » na « informel » no nahazoana ny teny hoe « wiki ». Ampy fahamatorana ny wiki taty amin'ny taona 2000 ary efa nifandray tamin'ny Web 2.0 ihany koa. Ny raki-pahalalana Wikipedia izay niforona ny taona 2001 no nanjary sehatra wiki be mpitsidika indrindra eran-tany.

WikiWiki
Takelaby Wiki Wiki ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Honolulu

Fiasany ara-teknika

Ny mampiavaka ny wiki amin'ny fitaovana fitantanana votoatin-tsehatra hafa dia mitovy ny fahafahan'ny olona tsirairay manana alàlana amin'izany hanova ny votoatin'ny pejy, ary tsy voafetra ny fanovàna ataony amin'izany kanefa tsy miteraka lesoka eo amin'ny sehatra amin'ny ankapobeny : afaka manitsy tsipelina iray diso na faingo tokana monja izy nefa koa afaka mamafa ny votoatin'ny pejy iray manontolo. Ao anatin'ny wiki dia namoraina ny famoronana pejy sy ny fanaovana rohy. Ny lasitra itoeran'ny votoatin'ny pejy izay misy ny fampahalalana ankapobeny sy mombamomba ny sehatra ihany no tsy afaka ovaina.

Fanovàna

Ny mpivoivoy tranonkala mahazatra (navigateur) ihany no fitaovana ampiasaina hijerena sy hanovana ny lahatsoratra. Misy endrika roa no ahafahana mahita ny pejy : mijery fotsiny na ny fahafahana manova ny votoatiny. Amin'ny fanovàna ny pejy, dia miseho ao anaty fisy (formulaire) ny lahatsoratra. Miampy tetika fanoratra (syntaxe) vitsivitsy izany, izay antsoina koa hoe wikitext, ahafahana mamboatra ny endriky ny lahatsoratra, manisy rohy, manampy sary. Raha oharina amin'ny fango HTML dia mora ianarana kokoa io fomba iray io.

Misy koa anefa wiki vitsivitsy izay mampiasa interface WYSIWYG fa tsy wikitext.

Fitantanana ny fanovàna

Tehirizin'ny wiki ny mombamomba ny fanovàna rehetra (ny votoatin'ny lahatsoratra, ny daty nanovàna azy, ny olona nanova azy). Azo atao araka izany ny manaraka ny fivoaran'ny pejy anankiray, na ny manafoana fanovana anankiray ka mamerina ny lahatsoratra amin'ny endriny teo aloha. Azo arahi-maso ihany koa ny fandraisan'anjaran'ny mpitsidika. Farany dia aza atao koa ny manaraka indray mijery sy amin'ny fotoana rehetra ny fiainan'ny sehatra iray manontolo. Ireo fampahalalana rehetra ireo dia tehirizina ao anaty banky angona avokoa amin'ny ankapobeny.

Tsy ny pejy rehetra kosa anefa mazava ho azy ny azo ovaina, ary anisan'ny tsy azo ovaina ny pejy ahitana ireo fanaraha-maso ireo. Misy koa pejy hafa natokana ho an'ny mpitantana ihany, ka tsy afaka ovàna, toy ny pejy handinihana ny rohy, ny pejy mampifandray amin'ny système (fidirana, mombamomba ny mpitsidika, fanovàana anarana pejy, fandefasana rakitra).

Famantarana ny mpitsidika

Tsy voatery hoe afaka ovain'ny daholobe daholo akory ny wiki rehetra ; indraindray mety hotakiany ny fisoratana anaran'ny mpitsidika. Ary ho an'ny wiki misokatra ho an'ny daholobe aza dia misy teknika ampiasaina hiadiana amin'ny fanovana tsy irina.

Rehefa avelan'ny wiki iray manova ny votoatin'ny pejy ao anatiny ny mpikambana tsy misoratra anarana, dia ny adiresy IP-n'ilay mpitsidika no amantarany azy. Na izany na tsy izany dia azo atao ny manokatra kaonty sy miditra amin'ny alàlan'ny solonanarana sy tenimiafina.

Fiasany ho an'ny olombelona

Ny wiki iray misokatra ho an'ny daholobe dia karakarain'ny fiaraha-moni-mpitsidika na fikambanan'ny mpampiasa azy mandavanandro, ary manatratra tanjona tokana ireo olona ireo. Raha vao misy fampahalalana miova, dia avy manara-maso an'izay ny mpandray anjara mavitrika liana amin'ny pejy novaina, ary manitsy ny diso na manampy fampahalalàna raha ilaina. Araka izany, vetivety ihany dia hita sy voafafa ny fisomparana maro izay mety hisy hanao. Ankoatra an'izay dia misy antanantohatra ihany koa ny fahefana ananan'ny mpitsidika. Misy mpitsidika sasany manam-pahefana hamafa na hanidy pejy iray mba tsy ho azo ovaina intsony, na koa manakana ireo mpikambana tsy mitondra soa ho an'ny tetikasa. Amin'ny ankapobeny dia mora sy vetivety kokoa ny manafoana ny fisomparana anankiray noho ny herim-po sy fotoana lany nanaovana azy.

Ny fahombiazan'i Wikipedia dia maneho fa ny fiaraha-miasan'ny olona maromaro resy lahatra amin'ny tanjona iray dia ampy hahavitana sehatra wiki iray lehibe, tsara kalitao ary be mpitsidika. Nefa ireo sehatra wiki misokatra ho an'ny daholobe fa tsy ampy fanaraha-maso kosa dia vetivety dia lasibatry ny fisomparana sy ny spam.

Bibliographie

  • Jérôme Delacroix, Les wikis. Espaces de l'intelligence collective, M2 Editions, Paris, 2005

Jereo koa

Endrika:Wiktionnaire

  • Lisitry ny Wiki voakilasy araky ny hevi-dehibe
  • Lisitry ny rindrankajy Wiki
  • Fametrahana ny rindrankajy Mediawiki hanaovana sehatra wiki
  • les wikis ont dix ans -- Jery todika momba ny taona 2005, nosoratan'ny mpampiasa wiki maromaro.

Wikis maro samihafa

Wiki amin'ny teny malagasy sy momba an'i Madagasikara

Ny nahazoana ity lisitra ity dia nokarohina tamin'ny fitaovana fikarohana sehatra izay sehatra ahitana ny teny hoe wiki, malagasy sy amin'izany

teny sehatra rindrankajy wiki
Wikipedia MediaWiki
Tetikasa fanorona (Torolàlana amin'ny famolavolana rindrankajin' ilay lalaon-tsaina malagasy malaza atao hoe fanorona) Wikini
Wiki infogasy: Sehatra wiki ahitana lahatsoratra sy dikan-teny momba ny informatika DokuWiki
openformats.org Famporisihina ny fampiasàna format malalaka WikkaWiki
wiki.serasera.org: Wikianja, wiki ho ampiasain'ny mpikambana ao amin'ny serasera.org MediaWiki
hatsiklo.pedia.ws : Uncyclopedia amin'ny teny malagasy. MediaWiki

Rakibolana Wiki

Rakipahalalana wiki

  • Wikipedia
  • ((fr)) Wikinations.be
  • ((en)) Susning.nu
  • ((fr)) Enciclopedia Libre (rakipahalalana espaniôla)
  • Jurispedia (rakipahalalana momba ny fitsarana)
  • ((en)) Internet-Encyclopedia
  • ((en)) SourceWatch
  • ((fr)) Ekopedia (tetikasa rakipahalalana mikirakira ny teknika amin'ny fiainana)
  • ((fr)) WikiF1 (rakipahalalana natokana ho an'ny spaoro fiarakodioa sy ny familiana Formule 1)
  • ((fr)) WikiKto (rakipahalalana katôlika malalaka)
  • ((fr)) Wiki Gamers (rakipahalalana momba ny lalao stratejia)
  • ((en)) Wowwiki (rakipahalalana momba ny MMORPG World of Warcraft)
  • ((fr)) Wikiberal (rakipahalalana liberal)
  • ((fr)) GeneaWiki rakipahalalana momba ny firazanana (généalogie)
  • ((fr)) Kestudy : lesona maimaim-poana amin'ny taranja rehetra

Annuaires wiki

  • WikiIndex -- wiki-n'ny wiki. Tarihin'i Mark Dilley, tetikasa iray hamoronana annuaire-n'ny wiki eran-tany, sokajiana araka ny toetra maro (tenim-pirenena, karazana, votoatiny, ...).
  • Wikia
  • Web-Québec (répertoire Web malalaka)

sehatra wiki hafa

  • WikiPoll Wiki de sondages d'opinion
  • Wikinsider mpitari-dàlana eo amin'ny sehatry ny hôtely, trano fisakafoanana, bar, club, fivarotana
  • Wikisource Tranomboky nomerika malalaka
  • Wikispecies (amin'ny tenim-pirenena maro)
  • Wikibooks (amin'ny tenim-pirenena maro)
  • ((fr)) Wikituto.org (tutoriaux)
  • Wikipen (amin'ny tenim-pirenena maro) Atrikasa fanoratana ifarimbonana sy malalaka
  • Unplugged Café wiki miteny frantsay voalohany miresaka ny gitara
  • WikiMapia : Système d'information géographique

Rindrankajy wiki (na motera wiki)

Araka ny anarany, ny rindrankajy wiki dia rindrankajy ahafahana manao sehatra amin'ny tranonkala mifototra amin'ny wiki.

Fiaraha-monin'ny mpampiasa wiki

  • CraoWiki (fikambanana lehibe an'ny mpampiasa wiki miteny frantsay)
  • CommunityWiki (wiki miresaka momba ny lohahevitra mahakasika ny fivondronan'ny mpampiasa wiki na eo anivon'ny tranonkala na any ivelany : fitantanana, fampianarana, fifandirana, fanelanelanana, kabary ara-teknika, sns.)
  • Meatball Wiki amin'ny teny frantsay
  • wikicities

Sehatra ahitana fampahalalana momba ny wiki

  • leswikis.com Sehatra wiki iray ahitana fampahalalana momba ny wiki
  • PointWiki -- blaogy miteny frantsay ifarimbonana natokana ho an'ny vaovao momba ny wiki

Sehatra anglisy

Broken/Muro Bot

Hi! I'm a bot operated by the user Muro de Aguas, who is a sysop of the Spanish Wikipedia. Report any errors here.

Citizendium

Citizendium dia raki-pahalalana malalaka eo amin'ny aterineto izay mampiasa ny teknolojia Wiki. I Larry Sanger no namorona azy io, izay anisan'ny mpamorona an'i Wikipedia ihany koa tamin'ny taona 2001.

Devanagari

Ny devanāgarī (sanskrity : देवनागरी) dia soratra ampiasain'ny Sanskrity, ny hindi, ny Marathi sns. Io ny soratra tena miasa any Indy sy any Nepaly

DokuWiki

DokuWiki dia rindrankajy wiki iray nosoratan'i Andreas Gohr tamin'ny PHP ho fanampiana ireo orinasa mila fitaovana hanamboarana documentation. Tsy mila banky angona izy satria anaty rakitra teksta tsotra no tehiriziny ny votoatin'ny pejy. Mitovitovy amin'ny ampiasain'i MediaWiki ny fitsipi-panoratana, izay tsotra nefa matanjaka ary azo antoka fa mety vakiana na ivelan'ny wiki aza. Ny GPL no lisansy mitondra azy.

Jimmy Wales

I Jimmy Wales, avy amin'ny anarany Jimmy Donal Wales, tenenina hoe Jimbe Wales, teraka tamin'ny 7 Aogositra 1966 tany Huntsville, Alabama, dia mpivarotra Amerikanina. Anisan'ny mpamorona ny FAI Bomis sy ny raki-pahalalàna malalaka wiki sy tsy andoavam-bola Wikipedia izy, izy koa no namorona ny fikambanana Wikimedia sy ny orinasa Wikia.

Linux

Ny Linux dia rindrankajy mpandrindra (sokajy mpandrindra milina na operating system)ny milina fikajiana na mpikajy namboarin'i Linus Torvalds. Ny mampalaza azy dia ny fampiasana azy maimaimpoana (free software)sy ny fanovana azo ataon'ny rehetra (open source).

MediaWiki

MediaWiki dia rindrankajy wiki iray manana ny lisansy GNU General Public License na GPL. Nosoratana tamin'ny PHP ary mitaky banky angona MySQL. Tany am-boalohany dia ho an'i Wikipedia, raki-pahalalana malalaka mampiasa wiki, no namoronana azy, fa ankehitriny kosa dia efa fitaovana fanta-daza sy be mpampiasa, iray amin'ireo ankafizin'ny mpampiasa wiki indrindra. Ankehitriny ohatra, dia ny tetikasa rehetra an'ny Wikimedia Foundation, ny wikis rehetra ao amin'i Wikia, ary wiki ngeza maro no mampiasa azy. Fantatra koa fa misy orinasa mampiasa azy hizarana fampahalalana anatiny na ataony CMS. Iray hosinganina amin'ireny i Novell.

Maro ny zavatra vitan'i MediaWiki, ary afaka tovanana ihany koa izany fitaovana miaraka aminy izany. Noho ny lanja lehibe ananan'ny fampiasana tenim-pirenena maro amin'ireo tetikasa Wikimedia dia niitatra tany amin'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa io lanjan'ny fahafahana mampiasa tenim-pirenena maro io. Ireo teny sy fanazavana ifandraisan'ny mpitsidika sy ny solosaina dia voadika ampahany na manontolo amin'ny tenim-pirenena mihoatra ny 70, ary mbola afaka ovain'ny mpitantana ny sehatra izany avy eo na hatsarainy (eo anivon'ny wiki ihany no anaovany izany fanovàna izany). Ary satria koa iray amin'ireo sehatra ngeza indrindra eran-tany i Wikipedia, dia lahasa iray ho an'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa ny momba ny cache sy replication amin'ny banky angona.

Ohabolana

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.

Eto amin'ity wiki-pahalalàna ity, dia napetraka ao anaty fizarana iray ao anaty pejy iray ny ohabolana fantatra mahakasika iny pejy iny.

Rindrankajy wiki

Ny Rindrankajy wiki dia rindrankajy voasokajy ao amin’ny sistema fitantanana votoatiny afahana manamboatra wiki, sehatra an-tranonkala azo tsidihina sy ovaina avy amin’ny alalan’ny rindrankajy fitsidihana pejy.

Sakafo malagasy

Hoy ny ohabolana malagasy hoe "Ny kibo tsy mba lamosina, ary ny tsinay tsy mba vatsy". Ka ireto misy karazana sakafo vitsivitsy, sakafo malagasy atolotra anareo.

Uncyclopedia

Uncyclopedia, mitonon-tena ho « raki-pahalalan'ny fampahalalana diso », dia miavaka amin'ny raki-pahalalana fahita, satria izy dia ahitana fampahalalana iniana atao ho tsy marina na mivilana sy mahatsikaiky. Hala-tahaka an'i Wikipedia izy, nefa tsy amin'ny fomba mahasosotra fa mampihomehy, ary milaza aza izy fa ny Wikipedia no naka tahaka azy, na dia izy aza no nisy taorian'ny Wikipedia.

WikiNi

WikiNi dia rindrankajy malalaka wiki anankiray fehezin'ny lisansy BSD manome fomba tsotra, mahomby sy haingana ahafahana mamorona sy mitantana sehatra iray amin'ny tranonkala na amina tranonkala anatina orinasa iray. Maimaim-poana izy sady azo ovaina sy zaraina arak'io lisansy mifehy azy io ihany koa.

Wikibolana

Ny Wikibolana (avy amin'ny fitambaran'ny teny wiki sy rakibolana; fanagasiana ny teny Wiktionary izay avy amin'ny fitambaran'ny teny wiki sy dictionary) dia tetikasa iray ny Wikimedia Foundation. Ny tanjon'io tetikasa an'i Wikimedia Foundation io dia mamorona raki-bolana malalaka, izany hoe raki-bolana azo ovaina malalaka ary manana votoatiny azo zarazaraina araka ny lisansa malalaka Creative Commons.

Ny antom-pisian'ny raki-bolana Wikibolana dia manao raki-bolana mamisavisan'ny teny rehetra ampiasain'ny fiteny malagasy, na manome dikan-teny amin'ny teny malagasy ny teny iditra amin'ny fiteny vahiny. Amin'ny farany, ny tetikasa wikibolana dia tokony manome haiendriteny amin'ny fiteny wolof an'ny teny ampiasain'ny fiteny inuktitut.

Ny wikibolana amin'ny fiteny malagasy dia sampana amin'ny teny malagasy an'io tetikasa io, dikan'izany ao aminy no misy ny teny ary ny fanazavana mikasikan'ny teny amin'ny fiteny malagasy. Fa ao avokoa ny tenin'ny fiteny rehetra ary azo hazavaina na dikaina izy ao.

Ny fanazavana ny teny iditra dia feno miaraka amin'ny etimolojia, ny fanononana, ny dikan-teny ary ny isan'ny teny mitovy dika. Ary ny matoanteny dia manana ny pejy mikasika ny fitanisana azy.

Wikimedia Commons

Mediateky an-tranonkala ny Wikimedia Commons. Nataon'i Wikimedia Foundation sy commons.

Voaangona ao ny media isan-karazany (sary, sary mihetsika, mozika, lahatsoratra an-tsoratra sy lahatsoratra tenenina.... Misy ilàna azy ny daholo ny sary sy ny sary mihetsika rehetra.

Wikipedia

Wikipedia (avy amin'ny teny hawaiianina: wiki; ) dia tranonkala iraisam-pirenena Web azo ampiasaina maimaimpoana. Wiki izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary ny sehatra (website) Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Ny teny hoe Wikipedia dia fitambaran'ny teny roa wiki sy pedia (fanafohezana ny hoe encyclopedia). Ny Wikipedia dia nosoratan'olona te-hanampy nefa tsy terena na karamaina.

Wikispecies

Ny Wikispecies dia an-tserasera wiki-tetikasa tohanan'ny ny Wikimedia Foundation. Ny tanjona dia ny hanangana ny heviny lisitry ny maimaim-poana afa-po ny rehetra isan-karazany , ary dia natao bebe kokoa tao ny mpahay siansa noho ny ankapobeny.Miasa amin'izao tontolo izao azo ny fahazoan-dalana avy amin'ny GNU sy ny CC-BY-SA 3.0.

Nanomboka ny volana septambra 2004, mpikaroka manerana izao tontolo izao asaina mandray anjara, ny tetikasa efa lasa ny rafitra ao anatin'izany ny azon'ny mponina any ivelan'i ny Linnaeus amin'ny rohy mankany amin'ny ampy ny Wikipedia ny manavaka ny karazam-biby amin'ny aprily 2005.

WikkaWiki

WikkaWiki dia Rindrankajy wiki iray tena kely habe, fanaovana sehatra amin'ny tranonkala, nosoratana tamin'ny PHP ary mampiasa banky angona MySQL hitehirizana ny pejy. Iray amin'ireo solofon'ilay rindrankajy WakkaWiki izy, fa nampiana singa maro hafa vaovao. Namboarina ho haingam-piasa, azo itarina ary azo antoka izy, ary ny lisansy GPL no anaparitahana azy.

Zavaboary

Ny zavaboary dia tontolo tsy nokasihan'ny olombelona. Ny teny mifanohitra amin'ny teny « zavaboary » dia « tontolo namboarina », izany hoe tontolo namboarin'ny olombelona toy ny saha, ny trano na ny tanàna.

Ho an'ny olona vitsivitsy, misy hasarotana eo amin'ny teny « ara-javaboary », satria ny zavaboary dia matetika voakasiky ny hetsikan'ny olombelona, na avy hatrany na tsia.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.