Vondrona Eoropeana

Vondrona anelanelan'ny Governemanta maro ny Vondrona Eorôpeanina (VE). Misy firenena 28 ao anatiny.

Voaforona tamin'ny 7 febroary 1992 izy, tamin'ny nahasoniavan'ny ny firenena eorôpeanina 12 avy ny dinan'i Maastricht, efa mpikambana ny CEE na EEC .

European Union main map
saritan'ny Vondrona Eoropeanina

30,82% ny PIB eto an-tany dia any Eoropa no misy azy, io no tsena ekônomika ngeza indrindra eto an-tany. Union douanière ny Vondrona Eorôpeanina, ary misy firenena 15 nahamafy ny fiaraha-miasa ao anatin'ny fikambanana ara-bola sy ara-toekarena, ilay faritra Euro. Misy firenena mampiasa miaraka ilay vola tokana ny Euro (€)

Flag of Europe
Saina ny Vondrona Eoropeanina, nitazomin'ny fikambanana ilay saina misy kitana 12

Tantara

Ny CEE

Niteraka ny CEE tamin'ny voasonia tamin'ny 25 Martsa 1957 tany Roma any amin'ny Capitole ; hita ohatran'ny tsena iraisana izy.

Ny Vondrona Eoropeanina

Jereo Koa/Amboary

Rohy Ivelany

Banky Foibe Eoropeana

Ny Banky foibe eoropeana dia ny banky foiben'ny vondrona eoropeana. Ny toerana foibeny dia any Frankfurt am Main any Alemaina. Ny tanjon'ny Banky foibe eoropeana dia mitazona ny vidin'entana hitombina, mba tsy ho mahery ny roa isan-jato ny fiakaran'ny vidin-javatra. Izy io dia mandrindra ny politika ara-bolan'ny firenena eo amin'ny faritra euro. Amin'izao fotoana izao, ny Banky foibe eoropeana dia banky lehibe indrindra eto an-tany.

Ny Banky foibe eoropeana dia niforona teo aorian'ny fifaneken' Amsterdam tamin'ny 1998, ny foibeny dia ao Frankfurt. Ny filohany ankehitriny dia i Jean-Claude Trichet.

Danmarka

I Danmarka dia firenena any Eoropa ao anatin'ny Vondrona eoropeana ary ao anain'ny heba Schengen.

Ny renivohiny dia Kaopenagy. An'i Danmarka koa ny Groenlanda.

Euro

Ny euro dia ny sandam-bola ofisialin'ny firenena mpikambana 19 ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ary vola tokana sy iraisan'ireo firenena 19 ireo. Ny fikambanan'ny firenena rehetra mampiasa ny vola euro dia atao hoe faritra euro.

Ankoatran'ny firenena ao amin'ny faritra euro, misy firenena ao Eoropa mampiasa ilay sandam-bola na dia tsy vola ofisialy any amin'ny fireneny aza ny euro, ny Montenegro sy ny Kosovo ohatra mampiasa azy, noho ny fianjadian'ny faritra euro.

Ny euro dia nanomboka niasa tamin'ny 1999 ary nandimby ny ECU (European Currency Unit), sandam-bola eoropeana noforonina tamin'ny 1979. Ankehitriny, izy izao ny sandam-bola faharoa miasa indrindra eto an-tany ary voalohany amin'ny isan'ny vola taratasy voaprinty (610 miliara euro).

Fanjakana Mitambatra

Ny Fanjakana Mitambatra na Fanjakana Mitambatr'i Britaina sy Irlanda Avaratra, dia fanjakana mahaleotena ao Eoropa andrefana niorina tamin'ny 1801. Ireo fanjakana nanorina ilay Fanjakana Mitambatra dia i Britaina Be (Great Britain) (Englanda, Ekôsy, ary Valesa) sy i Irlandy Avaratra.

Sahabo 66,921,307 amin'ny 2019 ny mponina. Anglisy ny teny ofisiely. Renivohitra ny antanandehibe London.

Faritra euro

Ny faritra euro dia vondrona ara-tsandam-bola izay isian'ireo firenen'ny Vondrona Eoropeana izay mampiasa ny vola euro ho vola tokana. Firenena 19 izay miisa eo amin'ny 322 tapitrisa mponina eo ho eo no ao amin'ny faritra euro ny 1 Jannoary 2011. Firenena iraika ambin'ny folo no namorona io fairtra io tamin'ny 1999 : Alemaina, Aotrisy, Belzika, Espaina, Finlandy, Frantsa, Irlanda, Italia, Loksamborga, Nederlandy ary Portogaly. Tafiditra ao amin'ny faritra euro ireo firenena toy i Grisy (2001), Silaovenia (2007), Kipra ary Malta (2008), Silaovakia (2009) ary Estonia (2011).

Finlandy

I Finlandy dia firenena any Eoropa Avaratra ao amin'ny Vondrona Eoropeana hatry ny taona 1995.

Ny Finlandy dia manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika, indrindra eo amin'n gôlfan'i Bôtnia ary ny gôlfan'i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an'i Finlandy dia any ivelan'ny tanjona Skandinava, any avaratra andrefan'i Rosia ary any atsinanan'i Soeda ; ny faritra avaratr'i Finlandy dia any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika.

Io toerana io dia tratra ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina, ny 5,3 tapitrisa mponina isain'ny demôgrafiam-pirenena dia manao an'i Finlandy firenena anisan'ny firenena kely hakitroky ny mponina indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan'ny olona mipetraka any Finlandy dia mipetraka any atsimony, misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna lehibe, toy Espoo sy Vantaa, ao amin'ny Faritanin-drenivohitra. Ny finlandey dia manana teny ofisialy roa, ny teny finoa ary ny teny soedoa, ary ao anatin'ireo teny ireo, Suomi sy Finland ny anaram-pirenena.

Nandritry ny ela, ny Finlandy dia entin'ny Fanjakan'i Soeda mifanila aminy, namorona ny renivohitra voalohany, Turky, ny Finlandy dia mbola voamariky ny ady nampifanohitra azy tamin'i Rosia, tanjaka imperialista nampalasa azy diose rosy mizaka tena tamin'ny 1809 ; tamin'ny taonjato faha roapolo ny Finlandy vao nahazo fahaleovantena tamin'i Rosia tao aorian'ny ady an-trano tamin'ny 1917.

Fiteny alemana

Ny fiteny alemàna dia isan'ireo fiteny indo-eoropeana ao amin'ny sampana andrefan'ireo fiteny jermanika. Noho izy io manana fitenim-paritra maro dia lasa fiteny-tafo (Dachsprache) ny fiteny alemàna. Atao hoe Deutsch, vakina hoe /ˈdɔʏtʃ/, io fiteny io amin'ny fiteny alemàna.

Nanomboka tamin'ny tapany voalohany amin'ny Andro Antenantenany ny tantaran'ny fiteny alemàna amin'ny maha fiteny miavaka amin'ny fiteny jermanika andrefana hafa azy, tamin'ny vanim-potoana faharoan'ny fiovan-drenifeo.

Amin'izao taonjato faha-21 izao dia misy mpiteny any amin'ny 100 000 000 ny ny fiteny alemàna izay miparitaka ao Eoropa, ka mahatonga azy ho fiteny be mpampiasa indrindra ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Ny fiteny alemana dia fiten'ny olona any Alemaina, Soisa, Aotrisy, Belzika, Loksemborga ary Italia.

Fiteny danoa

Ny fiteny danoa dia fiteny jermanika tenenin'ny Danoa indrindra ao Danemarka. Io no fiteny ofisialin'i Danemarka sy ny Nosy Feroe (izay mitovy sata amin'ny fiteny feroiana), sady fiteny ofisiamin'ny Vondrona Eoropeana. Ny mpiteny norveziana dia afaka mahazo ny tian'ny mpiteny danoa sy soedoa holazaina sady ampianarina ho fiteny faharoa io fiteny io any Islandy izay niankina tamin'i Danemarka taloha.

Fiteny frantsay

Ny fiteny frantsay dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana (vondrona avy amin'ny fiteny latina taloha - izay ahitana ny espaniola, italianina, sns.) tenenina any Frantsa sy any ampitan-dranomasina aza sy any any Belzika (any Valônia ary any Bruxelles), any Monaco, any Kanada (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan'ny teny ofisialin'i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa any Etazonia (ao Louisiane indrindraindrindra), any Haïti, any Seisela, any amin'ny Nosy Maorisy, any Vanuatu ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ireo mpiteny frantsay avy any Afrika, indrindraindrindra ao amin'ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ara-pehibe Frantsay, Madagasikara).

Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatra ny any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, firenena be mponina indrindra manerana ny frankôfônia ary anisan'ireo firenena 29 mampiasa ny teny frantsay ho teny ofisialy irery na ofisialy miaraka, ny ankamaroan'ny firenena ao Afrika Andrefana. Ireo firenena ankehitriny mampiasa ny fiteny frantsay ireo dia zanatany frantsay ary zanatany beljianina taloha. Vitsy ihany ireo olona nobeazina tamin'ny fiteny frantsay any Afrika, indrindra any Côte d'Ivoire na any Gabon; ireo olona ireo dia matetika mipetraka eny ambonivohitra.

Any Frantsa, ny fiteny frantsay dia anisan'ny famantarana ny maha-frantsay: teny frantsay no teny ofisialin'ny Repoblika frantsay (andininy faharoan'ny lalampanorenan'ny 1958). Fitaovana iparitahan'ny kolontsaina frantsay manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampanam-boambolana frantsay koa ny fiteny frantsay, tamin'ny didi-panjakan'ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampananam-boambolana ny fiteny frantsay.

Ny isan'ny mpiteny frantsay manerana izao tontolo izao dia 220 tapitrisa eo ho eo, 72 tapitrisa amin'ireo no mahaihay miteny frantsay (fanakaikezaana nataon'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Frankôfônia: 2010), teny fahenina be mpiteny indrindra ny fiteny frantsay. Anisan'ny teny ofisiany enina an'ny Firenena mikambana (miaraka amin'ny fiteny anglisy) ary teny ofisialy na teny fiasan'ny fikambanana iraisam-pirenena na fikambanam-pirenena. Noho izy teny ofisialin'i Frantsa, firenena mpikamban'ny Vondrona Eoropeana, teny ofisialin'ny Vondrona Eoropeana koa ny fiteny frantsay.

Talohan'ny Ady lehibe voalohany, teny fiasan'ny fianankaviana nanjaka tany Eoropa ny fiteny frantsay; ary fiteny ampiasain'ny diplômata rehefa mihaona.

Fiteny hongariana

Ny fiteny hongariana (na fiteny hongroa) (magyar nyelv) dia tenim-pirenena any Hongaria. 14 tapitrisa eo ho eo no isan'ny olona miteny hongariana manerana an'i Eoropa.

Fiteny italiana

Ny fiteny italiana dia ny fiteny tenenina ao Italia, San Marino ary Vatican.

Fiteny litoanianina

Ny fiteny litoanianina dia teny ibeazan'ny mponina litoanianina. Io fitney io dia manana sata teny ofisialy any Litoania ary amin'ny Vondrona Eoropeana. Ny isan'ny litoanianina manana ny teny litoanianina ho teny nibeazana dia isaina eo amin'ny 2,9 tapitrisa ao Litoania ary 3 hetsy any ivelany. Ny teny litoanianina dia akaikin'ny fiteny Letôna, na dia tsy mifankahazo aza ireo ny mpitenin'ireo teny roa ireo. Soratana amin'ny alalan'ny abidy latina ny fiteny litoanianina. Ny mahasamihafa ny fiteny litoanianina amin'ny fiteny eoropeanina ankehitriny dia izy io manana endrika mifanakaiky amin'ny fiteny prôtô-indo-eoropeana, endrika izay verin'ny fiteny indô-eoropeana sasany.

Fiteny nerlandey

Ny fiteny nerlandey dia fiteny any Nederlandy. Izy io dia manana sata ofisialy ao Nederlandy, Sorinama ary ao amin'ny faritra avaratr'i Beljika (Flandre). Eo amin'ny 22 tapitrisa no miteny nerlandey erak'izao tontolo izao.

Frantsa

Frantsa na Repoblika Frantsay (amin'ny teny frantsay: République Française) dia firenena mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeana. Any Eoropa andrefana no misy azy. Manana zanatany maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin'izy ireo dia i Guyane Française.

Ny renivohiny, Paris, dia anisan'ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan'ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-belarana 675 417 km2 i Frantsa raha isaina ny fivelaran'ny zanatany. Ny isan'ny mponiny dia miisa 65,1 tapitrisa tamin'ny 1 Janoary 2009.

Ny teny frantsay no tenim-pirenenan'i Frantsa. Kanefa ny teny hafa tenenina any frantsa dia miisa dimy ambin'ny folo raha isaina ny teny tenenin'ny vahiny. Any Frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian'i Repoblika Demokratikan'i Kongo.

Ny fiangonana any Frantsa dia fiangonana katôlika, 51-64 isan-jaton'ny Frantsay no vita batemy. Fa milaza ho agnôstika ny 32 isan-jaton'ny Frantsay, ary mitovy isa ny isan'ny tsy mpino.

Ny endriky ny toe-karenan'i Frantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan'ny firenena teo aorian'ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin'ny torkareny. Fa tamin'ny 1980, nisy fanavaozana be dia be natao mba hivarotana ny orinasam-panjakana amin'ny tsy miankina. Tamin'ny 2008, i Frantsa no firenena matanjaka fahadimy eo an-tany, eo i Etazonia, i Japana, i Sina ary i Alemaina.

Grisy

I Grisy (na Repoblika Helenika) dia firenena any Eoropa atsimo, firenena amin'ny farany atsimon'i Balkana. Athina no renivohiny.

Ny velarantan'i Grisy dia 131 957 kilometatra toradroa, mizara sisintany amin'i Albania, Makedonia (Repoblika Iogôslavan'i Makedonia Fahiny), Biolgaria, Torkia ary Albania.

Firenena mpikamban'ny Vondrona Eoropeana i Grisy hatry ny taona 1981 ary mpikamban'ny faritra euro hatry ny taona 2001.

Irlanda

I Irlanda na Irlandy na Repoblikan'i Irlandy dia firenena ao Eoropa izay ao amin'ny ampahany be amin'ny Nosin'i Irlandy ao amn'ny Ranomasimbe Atlantika avaratra. Azy ny 26 amin'ny komtea ao amin'io nosy io ka ny enina sisa dia amitambatra amin'i Irlandy Avaratra izay mitambara amin'ny Fanjakana Mitambatra (anglisy: United Kingdom). Amin'ny teny irlandey dia atao hoe Éire na Poblacht na hÉireann io firenena io, fa amin'ny teny anglisy kosa dia Ireland na Republic of Ireland. Ny renovohiny dia i Dublin izay atao amin'ny teny irlandey hoe Amhrán na bhFiann. Mikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana i Irlandy. Manana velarana 70 273 km2, i Irlandy sady misy mponina 5 011 102 tamin'ny taona 2017.

Marôka

Ny Marôka, na amin'ny toetra ofisialy Fanjakan'i Marôka (amin'ny fiteny arabo : المملكة المغربية) dia firenena any avaratra andrefan'i Afrika, ao amin'ny vondron'i Magreba. Ny renivohiny dia Rabat. Voafaritry ny ranomasimbe Atlantika ny Maroka any andrefana, ny ranomasina Mediteranea any avaratra atsinanana ary voafaritry ny detroit-n'i Gibraltar any avaratra. Ny Maroka dia mizara sisintany amin'ny Aljeria, amin'ny Sahara Andrefana any atsimo, amin'ny Maoritania any atsimo atsinanana raha tsy rarahina ny Sahara Andrefana.

Ny Maroka dia fanjakana ara-dalampanorenana, ny mpanjakan'i Maroka ankehitriny dia i Mohammed VI, anisan'ny fanjakana antitra indrindra eto an-tany ny fanjakan'i Maroka. Mpikambanan'ny vondron'i Magreba arabo, ny Francophonie ary Organisation de la Conference Islamika ny Maroka. Tsy mpikambanan'ny Vondrona Afrikana ny Maroka, fa te-hanamafy ny fifandraisany amin'ny Vondrona Eoropeana. Tamin'ny 1987, nanandrana niditra tao amin'ny CEE ny Maroka, fa tsy tafiditra ; nahazo « statut avancé » ny Maroka tamin'ny Vondrona Eoropeanina. Tamin'ny 15 Mey 2009, niditra tamin'ny Centre Nord-Sud du Conseil de l'Europe ny Maroka.

Nederlandy

Ny Nederlandy dia firenena any Eoropa Andrefana. Mihoatra ny 17 tapitrisa ny olona miaina ao. Ho any avaratra sy andrefan'ny Nederlandy dia ny Ranomasina Avaratra. Ny any atsinanana dia ny Alemaina ary any atsimo dia Belzika. Ny Nederandy dia iray amin'ireo firenena izay nanomboka ny Vondrona Eoropeana. Olona izay miaina any Nederlandy dia antsoina hoe "Anarana". Ny fitenin'ny Nederlandy antsoina koa hoe Holandey. Ny tena renivohitry ny Nederlandy dia Amsterdam. Izany anefa, dia tsy ny toerana izay misy ny governemanta mipetraka. Amin'ny Antenimeram-Pirenena (ao amin'ny fiteny nerlandey: 'Tweede Kamer') dia any La Haye.

Polandball

Polandball, izay fantatra amin'ny anarana hafa countryball (baolim-pirenena), dia karazana meme amboarin'ny mpiampiasa ny aterineto izay avy ao amin'ny sokajy /int/ ny petra-tsary alemàna Krautchan.net tamin'ny faramparan'ny taona 2009. Ny countryball dia maneho baolina miloko ny saim-pirenena, saim-paritra na sain'ny fikambanana iraisam-pirenena (Firenena mikambana, Vondrona Eoropeana).

Ny Countryball dia natao ho fanehoana mampiomehy ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.