UNESCO

Ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina na UNESCO dia fikambanana iraisam-pirenena sampanan'ny Firenena Mikambana. Hoy ny UNESCO ny tanjona dia ny hanampy foana ny fiadanana sy ny filaminana. Tokony hanao izany amin'ny alalan'ny fifanampian'ny firenena, amin'ny alalan'ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolontsaina. Izany dia natao hanampiana ny firenena hafa hanaraka ny fanjakana tan-dalàna sy ny zon'olombelona. Manampy izany ihany koa mampirisika ny fahafahana sasany izay ao amin'ny Dinan'ny Firenena Mikambana.

Jereo koa

Ambohimanga

18.733330°S 47.566670°E / -18.733330; 47.566670

Ambohimanga dia anisan'ny vohitra masina roa ambin'ny folo ao Imerina. Miala dimy ambin'ny folo kilometatra an'Antananarivo no misy azy. Toerana fonenan'ny mpanjaka sy ny mponina taloha amin'ny faritr'Imerina. Manana tantara sy tahiry maro io toerana io. Nanomboka tamin'ny taona 2001 dia toerana ao anatin'ny tahiry iraisam-pirenena UNESCO ity (UNESCO World Heritage Site). Misy ny rova azo tsidiana. Tao amin'io tanàna io no nahaterahan'Imboasalama izay lasa Andrianampoinimerina taty aoriana. Mifefy tamboho izay vita amin'ny akoran'atody io Rova io.

Andriamasinavalona

Ny mpanjaka Andriamasinavalona (1675-1710) izay fantatra amin'ny anarana Andrianjakanavalondambo, dia mpanjakan'Imerina. Nitondra fiovana lehibe tamin’ny lafiny ara-tsosialy, ara-politika ary ara-toe-karena tao Imerina ilay mpanjaka. Ny lehibe indrindra tamin’ny zavatra nentiny dia ny fanitarana ny tany anjakany ary ny fampiadanana ary fampiraisana ny tanin’andriana a izay raikitra tanaty ady ary herisetra. Antananarivo no anarana nomeny ny renivohiny ary niitatra avy teo amin’ny toerana nametrahany ny lapan’ny mpanjaka teo amin’ny vohitr’i Analamanga ny tanàna. Nitaky ny vohitra nomeny anarana ho Ambohimanga i Andriamasinavaloha ary napetrany tao ny zanany Andriantsimitoviaminandriana. Lasa Toeran-dova Eran-tany (World Heritage Site) an’i UNESCO ilay vohitr’Andriana.

Andro iraisam-pirenen'ny teny nibeazana

Ny andro iraisam-pirenen'ny teny nibeazana dia nambarain'i UNESCO ny 21 Febroary 2000, ary ankalazain'ny firenena mpikambana amin'io daty io mba hanohana ny fahasamihafana ara-piteny, ary ara-kolontsaina.

Ani (Taratasy Georgianina)

Ani (asomtavruli Endrika:Script, nuskhuri Endrika:Script, mkhedruli ა) is the 1st letter of the three Georgian scripts.Ao amin'ny rafi - zeorziana tarehimarika io dia manana ny lanjany 1.Ani matetika maneho ny hanokafana foibe unrounded zanatsoratra /a/, toy ny fanononana teny nyEndrika:Angle bracket ao amin'ny "fnyapokalypsy".

Ankizy

Ny Ankizy dia olombelona manana nofo sy ra, na vavy na lahy. Manomboka eo amin'ny fotoana nahaterahany hatramin'ny fahalebeazany no tena maha ankizy ny olombelona, izany hoe mifarana eo amin'ny faha 18 taona. Tezaina manaraka ny fitsipika apetraky ny Ray aman-dReny ny ankizy, ary beazina amin'ny fomba tsara sady modely izy.

Tokony manana zo feno ary voahaja ny ankizy rehetra.

Bauhaus

Ny teny hoe ankehitriny indray (mikraoba. Staatliches ankehitriny indray dia na ny ankehitriny indray) dia manondro ny kanto sy ny architectural sekoly naorina tamin'ny Walter Gropius sy ny mandroso eo amin'ny vanim-potoana 1919-1933 tao Alemaina.

Fahaizana mamaky sy manoratra

Ny fahaizana mamaky sy manoratra dia ny fahafahana mampiasa fiteny an-tsoratra. Amin'izao fotoana izao, ny «fahaizana mamaky sy manoratra» dia fahaizana mifehy ny fanisana, ny fanoratana, ny famakiana ary fahalalana ny dikan'ny sary amin'ny kolontsaina iray. Ao amin'ny firenena mandroson'ny OCDE, dia aitatra amin'ny fahaizana mifehy teknolojia ary fahaizana manadihady zava-misy sarotra ny fahaizana mamaky sy manoratra.

Ao Afrika sy ao Sahara no tena manana tahan-tsifahaizana mamaky sy manoratra eto amin'izao tontolo izaio. Ao amin'ireo firenena ireo dia telopolo isan-jaton'ny lehilahy ary efapolo hatramin'ny dimampolo isan-jaton'ny vehivavy n tsy mahay mamaky na manoratra, araka ny famaritana napetraky ny FM (Firenena Mikambana). Anisan'ny mahatondra ny tsifahaizana mamaky sy manoratra ny tsi filàn'ny olona izany fahaizana izany amin'ny fiainany mandavanandro. Ao koa ny anjaran'ny kolontsina, toy ny kolontsaina izay manana fomban-drazana am-bava. Ny foko izay miaina amin'ny fiompiana omby izao ohata dia mety tsy mila mahay mamaky teny sy manoratra.

Fanatontoloana

Ny atao hoe fanatontoloana dia ny fampiombonan-tsena sy ny fampihavanana ny olona, ​​indrindra vokatry ny fanalalahana ny tsena, ny fampandrosoan'ny fitateran'olona sy ny entana, ary ny fiantraikan'ny teknolojian'ita sy fifandraisana maneran-tany .

Taorian’ny faharavan’ny vondrona Tatsinanana, dia nipetraka ny lamina vaovao maneran-tany nanomboka ny taona 1991. Ny rafitra kapitalista sy ny fifanankalozana malalaka no nanjaka teto anivon’izao tontolo izao. Vokatr'izany dia, niha-niroborobo sy nahazo laka maneran-tany ihany koa ny Fanatontoloana.

Fiteny bretona

Ny fiteny bretona dia fiteny seltika tenenin'ny olona miisa 172 000 ao Britaina ao Frantsa tamin'ny taona 2009. Ao amin'ny vondrom-piteny seltika britonika ny fiteny bretona. Isan'ireo fiteny atahorana tsy hisy mpiteny intsony ny fiteny bretona araka ny tatitry ny UNESCO. Fiteny indo-eoropeana ny fiteny bretona.

ISCED

Ny Fenitra Iraisam-pirenena Fanasokajiana ny Fanabeazana (ISCED, ahonternational Standard Classification ny Education) no namorona ny UNESCO ho an'ny fanasokajiana sy ny fanendrena ny sehatra ny fampianarana sy ny fanabeazana rafitra.

Kapadokia

I Kapadokia na Kapadosa dia faritra ara-tantara tao Torkia izay hita tao amin'ny faritra afovoan'i Anatolia. Tamin'ny taona 1985 ny UNESCO dia nanoratra azy ho isan'ieo toerana arovana sy vakoka ho an'ny olombelona. Atao hoe Καππαδοκία / Kappadokia izy amin'ny teny grika ary Կապադովկիա amin'ny teny armeniana. Ny Torka dia miantso azy hoe Kapadokya.

Malacca

Malacca, na Melaka amin'ny fiteny malay dia faritany mizaka tena fahatelo kely indrindra any Malaizia, eo aorian'i Perlis sy Penang, any atsimon'ny tanjona Malay no misy azy. Ny faritan'i Malacca dia mizara sisin-tany amin'ny faritan'i Johor any atsimo. Ny renivohiny dia Malacca, ny tanàna aloha dia voasokajin'i UNESCO ao amin'ny Fananan'ny Tontolo hatry ny 7 Jolay 2008.

Nosin'i Paska

Ny Nosin'i Paska (amin'ny fiteny espaniola Isla de Pascua, ary amin'ny fiteny rapa nui Rapa Nui midika « Rapa Be ») dia nosy manirery ao atsimo andrefan'ny Ranomasimbe Pasifika, fantatra manokana amin'ny sarivongany ngeza be (ny moai) sy ny fanoratana oseanianina, ny rôngôrôngô.

Ilay nosy dia 3 700 kilometatry ny amorontsiraka silianina ary efatra arivo kilometratry ny Tahiti. Ny nosy akaiky indrindra dia ny nosy Pircairn roa arivo kilometatra any andrefana. Ny endrik'ilay nosy dia telo zoro, mirefy 23 kilometraka fara faha-betsany, ny velarantaniny dia 162 km². Ny isam-ponina dia 3 304 mponina tamin'ny 2002. Ny renivohiny dia Hanga Roa.

Ny eoropeanina nihazana ny nosin'i Paska voalohany dia ilay mpitondra sambo Jakob Roggeveen, tamin'ny andron'i Paska tamin'ny 5 Aprily 1722, ary niisa efatra arivo mponina ilay nosy tamin'izany fotoana izany. Lasan' Espaina ilay nosy tamin'ny 1770 ary lasa fananana silianina tamin'ny 1888.

Hatry ny 1995, nosoratan'ny UNESCO ao amin'ny fananan' Olmbelona ny haren-tsain'ny Nosin'i Paska. Ny valan-javaboahary, tsindraindray iambesana, manodidin'ny dindona.

Io nosy io, ny nosy any andrefana indrindran'ny ranomasimbe Pasifika, dia nosy malaza amin'ny dindona megalitika navelan'ny Rapanui (haifomba paskoana voalohany) : Ny Moai ; sarivongan'olona miisa sivinjato manerana ny nosy, vita bazalta, manan-kalava efa-metatra (eo ho eo), dia lazaina hoe moai

Québec (tanàna)

Quebec dia tanàna renivohi-paritanin'i Quebec, anisan'ny faritany any atsinanan'i Kanada. Ny antenimieran'i Quebec dia mipetraka ao miaraka amin'ny akabeazan'ny fikambanam-paritany. Ny fivondronan'ny Vieux-Québas dia ao amin'ny lisitry ny Haren-tsaina izao tontolo izao an'ny UNESCO hatry ny 1985. Ny tanànan'i Quebec ihany koa ny tanàna voafefy any Amerika Avaratra.

Ny tanànan'i Quebec dia anisan'ny tanàna lehibe any atsinanan'i Quebec, eo anivon'ny toerana misy mipetraka any Quebec, eo amoron'ny Saint-Laurent. I Samuel de Champlain no namorona ilay tanàna tamin'ny 1608 ; ary izy no renivohitry ny Frantsa Vao, ny Kanada-Ambany, ary, nandritry ny taona fohy, renivohitry ny Kanada ; ny anarana hafa omena an'i Quebec dia « Vieille Capitale » (« Renivohitra Taloha »).

Hatry ny 2001, ny tanànan'i Quebec dia tanàna kanadianina anisan'ny mandroso indrindra eo aorian'ny Calgary, Edmonton sy Saskatoon. Vitsy dia vitsy ny isan'ny olona tsy miasa. Ny asa mivoatra dia ny biôteknôlôjia, ny taozava-baventy, ny fizahantany, ny siansa momban'ny fiainana, ny fahasalamana ary ny sakafo, ny toky sy ny teknôlôjia ampiasina. Izy koa seranana lehibe : ny seranany dia fahatelo any Kanada amin'ny resaka tonnage.

Rainilaiarivony

Rainilaiarivony dia praiminisitra malagasy teraka tamin'ny 1828 tao Antananarivo ary maty tamin'ny taona 1896 tany Alzeria.

Izy io no nandimby ny rahalahiny Rainivoninahitriniony izay praiminisitra talohany nandritry ny telo ambin'ny folo taona.

Amin'ny maha-praiminisitra azy dia nitady ny nampihatsara ny fandraharahan'ny fanjakana izy ary koa mampihamafy ary miaro an'i Madagasikara amin'ireo finiavana politikan'ny britanika ary frantsay. Nalahany ary nataony ho matihanina ny tafika, nataony ho tsy maintsy atrehana ny sekolim-baoaka, ary namoaka lalàna mifototra amin'ny lalàna anglisy izy. Nofeheziny tsimoramora ny fanao toa ny fanandevozana, fakàna vady maro ary fandroaham-bady. Namoaka lalàna mikasika ny fivadihan'ny Fanjakana ho kristianina izy tamin'ny andro nanjakan'i Ranavalona II. Izy ihany koa no nitondra ny tafika malagasy tamin'ireo ady nifanaovan'ny Hova sy ny Frantsay, ary naharo ny firenena hatramin'ny taona 1895. Na dia nihazona azy ho sarobidy aza ny Frantsay dia nesoriny teo amin'ny toerany i Rainilaiarivony izay natao sesitany ho any Aljeria frantsay, tany izay niambohoany tamin'ny volana Aogositra 1896.

Ralambo

Ralambo dia mpanjaka tao Imerina izay nanjaka tamin'ny taona 1575 hatramin'ny taona 1610. Nandimby an-drainy Andriamanelo mpanjakan'i Alasora izy ka nanohy ny fikasan-drainy hamory ny faritra rehetra manodidina an'Antananarivo izay nomeny ny anarana hoe Imerina-Ambaniandro.

Tenerife

Tenerife dia nosy iray ao amin'ny Nosy Kanaria (Espaina). Manana faritra iray ny 2,034.38 kilometatra toradroa sy ny mponina 891.111 mponina. Izy io no nosy be mponina indrindra ao Espaina, izany ihany koa ny nosy lehibe indrindra ao amin'ny vondronosy. Ny renivohitry ny nosy dia Santa Cruz de Tenerife, izay ihany koa ny renivohitry ny Nosy Kanaria.

Tenerife no Teide volkano amin'ny 3.718 metatra no tendrombohitra avo indrindra ao Espaina sy ny fahatelo lehibe indrindra eto an-tany volkano avy amin'ny faladiany teo amin'ny ranomasina tany. Teide National Park dia iraisam-pirenena UNESCO. Ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin'ny nosy dia San Cristóbal de La Laguna, izay ihany koa ny iraisam-pirenena. Ny faritra Anaga dia Biosphere Reserve.

Tsingy

Tsingy na Tsingin'ny Bemaraha dia toerana any andrefan'ny nosy Madagasikara. Toerana atokana nohon'ny endriny sy ny zavatra misy ao aminy. Nanomboka tamin'ny taona 1990 dia tafiditra ao anatin'ny tahiry iraisam-pirenena UNESCO izy.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.