Tononkiran'i Solomona

Ny Tononkiran'i Solomona na Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana dia boky ao amin'ny Baiboly ao amin'ny Testamenta Taloha izay mitantara ny resaka ifanaovan'ny mpifankatia mifampitaona sy mifaneho ny fitiavany sy ny faniriany. Tantara an'ohatra ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany izany ho an'ny Jiosy sy ny Kristiana.

Gustave Moreau - Song of Songs (Cantique des Cantiques) - Google Art Project
Tononkira Fanaperana, nataon'i  Gustave Moreau, 1893

Anaran'ny boky

Ny hoe Tononkiran'i Solomona dia teny malagasy andikana ny teny grika hoe ᾎσμα ᾈσμάτων / Aisma Aismátôn sy ny teny hebreo hoe שיר השירים / Shir ha-Shirim ao amin'ny Baiboly protestanta. Tsy dikan-teny ara-bakiteny izany. Ny hoe Tononkira dia Tononkira no manakaiky indrindra ny anaran'ny boky amin'ny teny hebreo. Ny hoe Shir ha-Shirim dia enti-milaza ny hatsarana fara-tapony ananan'ilay tononkira (shir), "tononkira tsara indrindra" no azo andikana izany. Tononkiran'i Solomona no iantsoana ilay boky ao amin'ny Baiboly protestanta fa Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana kosa ao amin'ny Baiboly katolika.

Famintinana sy fivoasana ny boky

Fanangonana tonon-kira sy tonon-kalo ny Bokin'ny Tononkira Fanaperana izay mampiresaka lehilahy iray sy vehivavy iray ny amin'ny fifankatiavan'izy ireo. Indraindray izy roa dia mifamaly resaka fa indraindray koa dia miresaka amin'ny namany avy ka mahatsiahy ny fifandraisany sy ny fisakaizany.

Ny mpanao fivoasana ny boky dia samy nanana ny fomba fandraisany ny zavatra voalaza ao:

  1. I Solomona, hoy ny sasany, io lehilahy miteny io.
  2. Nentina teo an-dapan'i Solomona ilay vehivavy nefa efa raiki-pitia tamin'olon-kafa izay tafakambana aminy ihany tamin'ny farany.
  3. Mety nampiasaina tamin'ny fotoana ankalazana fanambadiana teo amin'ny Israelita tany aloha ireo tonon-kira na tonon-kalo ireo, raha tsy nanana heviny teolojika.
  4. Ilay lehilahy sy ilay vehivavy dia sarin'Andriamanitra sy ny Vahoakany (Ny Kristiana dia mampitaha ilay lehilahy sy ilay vehivavy amin'i Kristy sy ny Fiangonana).

Fizaràn'ny boky

Azo zaraina telo ny Tononkira Fanaperana:

- Ny fiaraisam-po eo amin'ireo mpifankatia (1.1 -- 2.7)

- Mitady ny olon-tiany ilay mpampakatra (2.8 -- 3.5)

- Lahateny fanehoam-pitiavana miredareda (3.6 -- 8.14)

Toy izao ny antsipiriany:

Ny fiaraisam-po eo amin'ireo mpifankatia (1.1 -- 2.7)

  • Tsara lavitra noho ny divay ny fitiavana (1.1-17)
  • Mahatonga ny zavatra rehetra hahafinaritra ny fitiavana (2.1-27)

Lahateny fanehoam-pitiavana miredareda (3.6 -- 8.14)

  • Ny fampakaram-bady (3.6-5.1)
  • Tsara noho ny hafa rehetra ilay olon-tiana (5.2-7.13)
  • Izaho sy ianao (8.1-14)

Jereo koa

Baiboly

Ny Baiboly dia ilay boky inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ho tenin'Andriamanitra. Ny Baibolin'ny Jiosy na Baiboly hebreo, izay tsy ahitana afa-tsy ny Testamenta Taloha, dia atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran'ireo boky voasoratra talohan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran'ireo boky voasoratra taorian'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin'ny fomba samy hafa ny boky ao amin'ny Baiboly.

Baiboly amin'ny teny malagasy

Ny Baiboly amin'ny teny malagasy dia dikan-tenin'ny Baiboly amin'ny teny malagasy ampiasain'ny fiangonana miteny malagasy amin'ny fotoam-pivavahana, indrindra fa ny eto Madagasikara. Amin'izao fanombohan'ny taonjato faha-21 izao dia maro ny dikan-tenin'ny Baiboly amin'ny teny malagasy azo vakina, ka tsy amin'ny teny malagasy ofisialy ihany iany fa misy amin'ny fitenim-patitra koa. Manana ny lanjany eo amin'ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara sy ny tantaran'ny Firenenana malagasy ny Baiboly.

Isan'ny mampiavaka ny Baiboly amin'ny teny malagasy ny tsy fisian'ny fifanarahan'ny mpandika teny amin'ny fanagasiana ireo teny grika sy hebreo.

Baiboly protestanta

Ny Baiboly protestanta dia Baiboly kristiana araka ny fandikan-tenin’ny Protestanta izay sady vokariny no ampiasainy indrindraindrindra amin'ny fotoam-pivavahana. Ny ao amin'io Baiboly io dia ahitana bokin'ny Testamenta Taloha miisa 39 (araka ny kanônan'ny Baiboly hebreo izay ataon'ireo fiangonana katolika sy ortodoksa hoe prôtôkanônika) sy ireo boky 27 ao amin'ny Testamenta Vaovao ka manome ny fitambarany ho boky 66. Tsy ahitana ireo boky atao hoe deoterôkanônika ao amin'ny Testamenta Talohan'ny Baiboly katolika sy ortodoksa ny ao amin'ny Baiboly protestanta. Noraiketina izany fanao izany araka ny fanapahan-kevitry ny British and Forein Bible Society tamin'ny taona 1825.

Bokim-pahendrena (Baiboly)

Ny bokim-pahendrena, atao hoe koa hagiografa, dia fitambarana boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana, izay mirakitra lahatsoratra miendrika tononkalo, tonon-kira, ohabolana ahitana fotokevitra misy fisainana lalina momba ny fiainan'ny zanak'olombelona, ny fifandraisany amin'Andriamanitra. .

Ireto avy ireo boky ireo: ny Joba (na Jôba), ny Salamo, ny Ohabolana, ny Mpitoriteny (na Kôhelety), ary Tononkiran'i Solomona (Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana). Ny Baiboly Katolika dia ahitana bokim-pahendrena deoterokanonika dia ny Fahendren'i Salomona (na Fahendrena) sy ny Ekleziastika (na Siràka).

Ny boky ataon'ny Kristiana hoe bokim-pahedrena dia tafiditra ao amin'ny ataon'ny Jiosy hoe Ketuvim ("Soratra"), nefa tsy ny "Soratra" rehetra no ataon'ny Kristiana hoe "bokim-pahendrena", satria ny Ketuvim dia ahitana koa boky ara-tantara (Bokin'i Estera, Bokin'i Rota, Boky voalohan'ny Tantara ary Boky faharoan'ny Tantara) ary bokin'ny mpaminany (Bokin'i Ezra sy Bokin'i Nehemia ary ny Bokin'i Daniela) koa.

Bokin'i Joba

Ny Bokin'i Joba dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha, ao amin'ny Baiboly, sy ao amin'ny Tanakh, boky masin'ny Jiosy, izay mahakasika ny fiainan'ny lehilahy iray atao hoe Joba izay tsy niala tamin'ny finoana an'Andriamanitra na dia teo aza ny fahoriana lehibe nianjady aminy vokatry ny nataon'i Satana mpiampanga.

Bokin'ny Ekleziastika

Ny Bokin'ny Ekleziastika na Fahendren'i Bena Siràka dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly katolika sy ortodoksa izay voasokajy ho isan'ireo bokim-pahendrena. Ny lohahevi-dehiben'ny boky dia ny Fahendrena izay anaovan'ny mpanoratra fitanisana ohabolana sy famelabelarana voalamina. Ny fatahorana an'Andriamanitra no fisehoan'izany Fahendrena izany. Izany dia nataon'ny mpanoratra mba hanoherany ny fihanaky ny kolontsaina grika (indrindra ny filozofia) izay mila hanototra ny kolontsaina sy ny fivavahana jiosy nolovana tamin'ireo razana. Ny Fahendrena dia sady reny no vady no anabavy ka ny fikatsahana azy dia fikatsahana an'Andriamanitra ary ny fiainana miaraka aminy dia fiainana miaraka amin'Andriamanitra.

I Jesoa zanak'i Siràka (hebreo: Yeshua ben Sira) no atao hoe nanoratra an'io boky io tamin'ny fiteny hebreo. Ny zafikeliny no nandika an'ilay boky ho amin'ny fiteny grika.

Ny Jiosy ny ny Protestanta dia tsy manao an'io boky io ho filamatry ny finoana (kanônika) fa mihevitra azy ho tsara vakina ihany.

Bokin'ny Fahendrena

Ny Fahendren'i Salomona na Bokin'ny Fahendrena dia boky ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa izay voasokajy ao amin'ireo boky deoterokanonika. Mamaly ny fahendrena ivelan'ny fivavahana jiosy, indrindra fa ny filozofia grika, ity boky ity. Miresaka ny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty sy ny famoronana vaovao ny mpanoratra sady manambara fa tsy ho mety maty sady tsy ho mety lo ny fanahin'olombelona. Milaza ny valisoa ho azon'ny olo-marina sy ny sazy hoan'ny olon-dratsy koa ny boky ary asehony fa famirapiratan'ny fahasambarana mandrakizay ny Fahendrena izay maneho ny hatsaram-pon'Andriamanitra. Ny Protestanta dia manakilasy ny boky ho apokrifa. Tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo koa ny Bokin'ny Fahendrena.

Bokin'ny Mpitoriteny

Ny Bokin'ny Mpitoriteny na Bokin'ny Kôhelety na Bokin'ny Eklesiasta dia boky hita ao amin'ny Baiboly ao amin'ny Testamenta Taloha izay miresaka momba ny mahazava-poana ny fiainan'ny olombelona mbamin'ny asa izay ataony raha tsy miaraka amin'ny fatahorana an'Andriamanitra.

Bokin'ny Ohabolana

Ny Bokin'ny Ohabolana na Ohabolana dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha, ao amin'ny Baiboly, izay tafiditra ao amin'ireo boky atao hoe "Soratra masina" (Hagiografa) na Ketuvim (na Ketubim) ao amin'ny Baiboly jiosy na Tanakh. Ny Bokin'ny Ohabolana dia fanangonam-pitenenana izay nampiasaina teo amin'i Israely tany aloha mba hampianarana ny vahoakan'Andriamanitra ny fomba tokony hiainany ao amin'ny fahamarinana araka ny Fahendrena.

Nosoratana hanana endrika tononkalo ny ohabolana, sahala amin'ny salamo. Ahitana teny mirakitra fahendrena nentin-drazana ao, toy ny oha-pitenenana fohifohy isan-karazany sy tononkalo koa izay mahakasika ny fitondran-tena araka an'Andriamanitra sy fitsikerana ny fisainana ratsy mbamin'ny asa ratsin'ny olona ary maneho ny vokatr'izany.

Isan'ireo lohahevitra voizin'ny Bokin'ny Ohabolana ny maha fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fahendrena, dia ny fahendrena izay tokony hananan'ny olona amin'ny fotoana sy toerana rehetra ary amin'ny sehatra rehetra. Ampianariny ny tokony hanaovana sy hitiavana ny rariny sy ny fanetren-tena ary ny fananana toetra mahatoky. Tsy manavaka saranga ny ohabolana fa mahakasika ny sokajin'olona rehetra.

Bokin'ny Salamo

Ny Bokin'ny Salamo, na Salamo, dia boky ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Taloha izay misy amboaran-kira sy tononkalo fiderana an'Andriamanitra miisa 150. Voasokajy ho bokim-pahendrena izy ao amin'ny Baiboly kristiana. Voasokajy ho isan'ireo atao amin'ny teny hebreo hoe Ketuvim ("Soratra") izy ao amin'ny Tanakh.

Bokin'ny mpaminany (Baiboly)

Ny bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana dia fitambarana boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay inoan'ny Kristiana fa nosoratan'ny mpaminany nahazo tsindrimandry na fanilovana avy amin'Andriamanitra. Fanasokajiana ao amin'ny Baiboly kristiana io ka tsy tokony hafangaro amin'ny hoe "Mpaminany" na Nevi'im ao amin'ny Baiboly hebreo. Misy sokajy roa ny bokin'ny mpaminany, dia ny atao hoe "mpaminany lehibe" sy ny hoe "mpaminany madinika". Ny Baiboly hebreo dia manasokajy ny "Mpaminany" ho "Mpaminany taloha" (Nevi'im rishonim) sy "Mpaminany taoriana" (Nevi'im aharonim). Misy boky ataon'ny Kristiana ho isan'ny bokin'ny mpaminany izay sokajin'ny Jiosy ao amin'ny hoe Ketuvim ("Soratra"), toy ny Bokin'i Daniela, ohatra; ary misy boky izay ataon'ny Jiosy hoe "Mpaminany" izay voasokajy ho boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly kristiana, toy ny Bokin'i Josoa hatramin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka. Ny ataon'ny Kristiana hoe bokin'ny mpaminany dia ireo ataon'ny Jiosy hoe "Mpaminany taoriana" miampy ny Bokin'i Daniela sy ny Bokin'ny Fitomaniana (ary ny Bokin'i Baroka, ao amin'ny Baiboky katolika sy ny Baiboly ortodoksa).

Boky amin'ny anaran'i Salomona

Ny boky amin'ny anaran'i Salômôna na boky amin'ny anaran'i Solomona dia boky ao amin'ny Baiboly izay mety ho kanonika na deoterokanonika na ivelan'ny Baiboly ka atao hoe apokrifa na pseodepigrafa. Nampitondrain'ny olona nanoratra azy na ny olona taty aoriana ny anaran'i Salômôna na Solomona izy ireo.

Ireto avy ireo boky ireo:

Ny Tononkiran'i Solomona (na Tononkira Fanaperana)Ny Salamon'i SolomonaNy Fahendren'i Solomona (na Bokin'ny Fahendrena)Ny Testamentan'i SolomonaNy Antsan'i SolomonaNy Tantaran'i SolimanaNy Tononkiran'i Solomona (na Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana) dia kanonika ao amin'ny Baiboly hebreo (na Tanakh) sy ny Baiboly protestanta fa protokanonika kosa ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa. Ny Fahendren'i Solomona (na Bokin'ny Fahendrena) dia deoterokanonika ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa fa apokrifa kosa ho an'ny Protestanta. Ny Testamentan'i Solomona sy ny Antsan'i Solomona dia boky apokrifan'ny Testamenta Taloha fa ny Tantaran'i Solimana kosa dia boky apokrifan'ny Testamenta Vaovao.

Boky protokanonika

Ny boky protokanonika dia ireo boky ao amin'ny Testamenta Taloha izay hita koa ao amin'ny Baiboly hebreo (Tanakh) sady voaray ho boky kanonika (filamatry ny finoana) nandritra ny fotoana niforonan'ny fivavahana kristiana. Ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa dia mifameno amin'ny boky deoterokanonika, izay tsy kanonika fa apokrifa ao amin'ny Baiboly protestanta, ny boky protokanonika. Miisa 39 ireo boky ireo ao amin'ny Baiboly krostiana ampiasain'ny ankamaroan'ny fiangonana, ka ny ny 24 dia hita ao amin'ny Tanakh.

Kanonan'ny Baiboly

Kanona na Kanôna no iantsoana ny lisitra na fitambaran'ireo boky inoan'ny Jiosy na ny Kristiana ho Soratra Masina ka mitambatra ao amin'ny Baiboly ampiasainy. Ny fivavahana na fiangonana tsirairay dia mety samy manana ny kanonany. Misy ohatra ny kanonan'ny Baiboly hebreo, ny kanonan'ny Baiboly protestanta, ny kanonan'ny Baiboly katolika sy ny sisa.

Solomona

I Solomona na Salômôna dia mpanjaka fahatelo tao Israely nandimby an'i Davida teo anelanelan'ny taona 970 sy 931 tal. J.K. Ny Baiboly no ahitana ny ankabeazan'ny tantaran'i Solomona, izay voalaza fa mpanjaka hendry, araka ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Nanjakan'ny fandriam-pahalemana sady nanan-karena ny fanjakany ary izy no voalazan'ny Baiboly fa nanorina ny Tempolin'i Jerosalema voalohany izay atao hoe Tempolin'i Solomona izay natolony ho an'i IHVH Andriamantr'i Israely (1Mpanj. 5.3; 8.20).

Teraka tamin'ny taona 1011 tal. J.K. tao Jerosalema ary maty ny tamin'ny taona 931 tal. J.K. tao ihany koa izy. I Davida no rain'i Solomona. Ny vadiny dia Naama, zanakavavin'ny farao Siamona. Ny zanany dia i Rehoboama sy i Menelika I.

Maro ireo boky izay lazain'ny lovantsofina fa nosoratan'i Solomona ka ny fantatra indrindra dia ireo ao amin'ny Baiboly, dia ny Bokin'ny Ohabolana sy ny Tononkiran'i Solomona ary ny Bokin'ny Mpitoriteny. Ao koa ireo boky apokrifa izay mitondra ny anarany.

Tanakh

Ny Tanakh, Tanak na Thanak izay atao hoe koa Baiboly hebreo dia fitambaran'ny boky mitovy amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta ka ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma).

Testamenta Taloha

Atao hoe Testamenta taloha ny fitambaran'ny boky ao amin'ny Baiboly voasoratra talohan'i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mampiasa an'io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin'ny Baiboly, izay voasoratra talohan'i Jesoa Kristy sady antsoin'ny Jiosy hoe Tanakh. Ny Vavolombelon'i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe "Soratra Hebreo sy Aramianina".

Testamentan'i Salomona

Ny Testamentan'i Salomona na Testamentan'i Solomona dia lahatsoratra apokrifa izay atao hoe nosoratan'i Salomona na Solomona, nefa voasoratra tamin'ny taonjato voalohany.

Io boky io dia tsy hita afa-tsy ao amin'ireo loharano apokrifa kristiana. Tsy hita ao amin'ny Tanakh na ao amin'ireo loharano jiosy hafa izy. Tantarainy ny fomba nanamboaran'i Solomona ny Tempoly tamin'ny fibaikoany ireo demony tamin'ny alalan'ny peratra majika izay nampindramin'ny arikanjely Mikaela azy. Miresaka momba ny arikanjely hafa toa an'i Oriela koa io soratra io. Ahitana tantara izay mety ho loharano nahazoana ilay angano atao hoe Ny Fanahin'ny tavoahangy ka ny fantara indrindra dia ny tantaran'i Aladîna na ilay Jiro mahagaga .

Volgata

Ny Volgata dia dikan-tenin’ny Baiboly kristiana amin’ny teny latina nataon’i Hieronimo (na Md Zerôma na Jerôma) teo anelanelan’ny taona 390 sy 405 avy tamin’ny lahatsoratry ny Tanakh (Baiboly jiosy) amin’ny teny hebreo sy avy amin’ny lahatsoratry ny Testamenta Vaovao amin’ny teny fototra grika. Nasolo ireo dikan-teny latina maro hafa atao hoe Vetus Latina (“Latina antitra” izany hoe “Baiboly latina antitra”) izy io satria iretsy farany nadika avy amin’ny Septoaginta (na Septanta) izay dikan-tenin’ny Tanakh amin’ny teny grika. Tamin’ny fotoanandrony dia nankasitrahan’ny Kristiana kokoa ny Volgata noho izy nadika avy amin’ny teny fototra. Ny Volgata no boky voatontan’i Gutenberg voalohany (taona 1454) izay nahitana andalana miisa 42 isam-pejy.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.