Toe-karena

Ny toe-karena na ekonomia dia siansa mikasika ny fanamboarana, fizaràna, fifanakalozana ny entana ary sampandraharaha. Dinihan'ny siansa ekonomika ny 'toe-karena miankina amin'ny teôria ekonomika.

Afrika Atsimo

I Afrika Atsimo dia firenena ao amin'ny faritra atsimon'i Afrika. Mizara sisin-tany amin'i Namibia, i Botsoana, i Zimbaboe, i Mozambika ary i Soazilandy izy. I Lesoto indray dia firenena rakotra tanteraka ao anatin'ny Firenena ao Afrika tatsimo.

Miisa eo amin'ny 48.7 tapitrisa eo ho eo (araka ny lazain'ny census tamin'ny taona 2008) ny mponina ao.

Be harena an-kibon'ny tany i Afrika Atsimo (volamena, diamondra sns.), ireo harena ireo no anisan'ny mahatonga azy ho firenena matanjaka indrindra ao Afrika.

Aostralia

Aostralia, izay mitondra ihany koa ny anarana Commonwealth an'i Aostralia (amin'ny teny anglisy Commonwealth of Australia) dia firenena ao min'ny ila-bolantany atsimo. Ao Oseania, i Aostralia dia ny firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra. Ao amin'ny Commonwealth an'i Aostralia dia ahitana an'i Tasmania ary nosy hafa maro ny Ranomasimbe Atsimo, Pasifika ary Indianina. Ny firenena manodidona azy dia i Indonezia, Timor Atsinanana, ary Papoazia Ginea Vao any avaratra, i Nouvelle-Calédonie any avaratra atsinanana, Zelandy Vaovao any atsimo atsinanana ary ny Tany frantsain'ny nosy Kerguelen any andrefan'ny nosy aostralianina Heard ary McDonald.

Aotrisy

Ny Aotrisy na Repoblikan’ Aotrisy, dia firenena any eoropa ampivoany, tsy manana amorontsiraka, voafaritry n Soisa sy ny Liechtenstein any andrefana, ny Italia sy ny Slovenia any atsimo, ny Hongaria sy ny Slovakia any atsinanana ary ny Alemaina any ny Repoblika Tseky any avaratra. Firenenan’ny Vondrona Eoropeanina mampiasa ny sandam-bola Euro. Vienne ny renivohiny ary ny teny ofisialiny dia fiteny Alemana.

Brazila

Ny Brazila (Brasil amin'ny teny portogey), na Repoblika federalin'i Brazila, dia firenena ngeza indrindra ary mivelatra indrindra an' Amerika latina. Miaraka amin'ny velarantany 8 547 400 km² sy miaraka amin'ny isam-ponina miisa mahery ny 190 tapitrisa mponina, io ny firenena faha dimy amin'ny lafin'ny velarantany sy amin'ny lafin'ny isam-ponina. Amin'ny 2008, ny Brazila dia hery ara-piharian-karena faha 11 miaraka amin'ny PIB 1 572 839 Md USD, eo aorian' Espaina na 2,42%-n'ny PIB-n'ny tontolo. Maka ny antsasan'ny velaran' Amerika Atsimo izy ary mizara sisin-tany amin'ny firenena rehetra ao Amerika Atsimo afats'i Silia sy ny Ekoatera.

Ny Brazila dia zanatany portogey voalohnay mandritry ny taonjato maro, ankehitriny, io irery no lovan'ny Portogaly any amerika, amin'ny fisehon'ny kolontsaina sy ny teny ofisialy, ny teny portogey.

Firenena katôlika sy miteny portogey ngeza indrindra, mpikamban'ny CPLP izy. Ny fiteny portogey dia teny voalohany any Amerika Atsimo noho ny demôgrafia brazilianina.

Chicago

Ny Chicago dia ny Illinois, any Etazonia Tamin'ny fanisana tamin'ny taona 2010, nisy olona 2 695 598 mahery tany,

Denver

Denver (amin'ny fiteny anglisy Denver [ˈdɛnvɚ]) dia renivohitr'i Colorado, etazonia. Izy no tanàna ngeza indrindra any Colorado, ny tanànan-dehiben'i Denver dia miisa 2,9 tapitrisa.

Any ampivoany-andrefan'i Etazonia Denver, amin'ny lohasaha ny South Platte, any andrefan'ny Tany Lemaka, 30 kilometatra any antsinanan'i Front Range ilay tanàna. Ny solonanaran'i Denver koa dia Mile-High City satria 1 mily ( 1609 m ) ny haabo an'ilay tanàna.

Honolulu, Hawaii

Ny Honolulu dia renivohitra ny Hawaii, any Etazonia Tamin'ny fanisana tamin'ny taona 2010, nisy olona 374 658 mahery tany, Honolulu no tanàna lehibe indrindra any Hawaii, aorian'i ny Pearl City, Hilo, Kailua, Waipahu, sy Kaneohe.

Indianapolis, Indiana

Ny Indianapolis dia renivohitra ny Indiana, any Etazonia Tamin'ny fanisana tamin'ny taona 2010, nisy olona 839 489 mahery tany, Indianapolis no tanàna lehibe indrindra any Indiana, aorian'i ny Fort Wayne, Gary , Evansville, Hammond, Bloomington sy South Bend.

Indonezia

Indonezia, na Repoblikan' Indonesia (amin'ny fiteny indonezianina Republik Indonesia), dia firenena eo anelanelan-kontinentan' Azia Atsimo Asinanana sy Oseania. Ny firenena Indonezianina dia tamba-nosy manana nosy 17 500, io no tamba-nosy lehibe ary mivelatra indrindra eto an-tany. Ny isam-poniny dia 240 tapitrisa mahery, firenena fahefatra be mponina indrindra i Indonezia ary firenena mozilmana voalohany indrindra amin'ny lafin'ny isan'ny mpino. Ny Indonezia dia Repoblika Demokratika tsy manana fivavaham-panjakana. Jakarta no renivohi-pirenena ary anisan'ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany.

Tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K., ny tamba-nosy indonezianina dia faritany anjadian'ny kolontsaina hindoista avy any India ary ny kolontsaina avy any avarany. Ny lehiben'ny tanàna-fanjakàna eo amin'ny morontsiraka indonezianina dia nisafidy ny endrika ara-kolontsaina sy ara-pinoana ary ara-politika indianina (hindoa). Ary hatry ny taonjato faha valo, nikisaka tany amin'ny fanjakan'i Srivijaya, fanjakana iray lehibe nisy tao atsimon'i Nosy Somatra, ny afovoan'ny fifandraisan'i Azia Atsimo sy Atsinanana. Teo Java indray dia nivoatra ny kolontsain'ny mponina mpamboly vary (noho ny fisian'ny fanjakana ary ny fianjadian'ny haifomba Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangam-batom-pinoana. Teo no fanombohan'ny taona klasika indonezianina.

Ny lakandranon'i Melaka dia lasa toerana be mpandeha sambo satria mankeo ny ankabeazan'ny landy hovarotana any Azia Andrefana sy any Eoropa. Ny tamba-nosy Indonezianina dia mampiharo amin'ny fanaparitahana iraisam-pirenena anjakazakan'ny mpivarotra mozilmana. Mivadika slamo hatrany ny pritsin'ny seranana.

Tamin'ny taonjato faha-16, tamin'ny taonan'ny Fahitam-baovao tany Eoropa Andrefana noho ny fahitana kaontinenta vaovao, hitady lalana hankany Azia Atsimo sy Atsinanana ny hery am-pihariankarena eoropeana, mitady ny lalana hahafahany mividy episy ny eoropeana. Tamin'ny 1511, resin'ny sambo portogey ny Malay tao Melaka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ka toraka noho izany ny fivarotana landy sy episy. Ny Holandey no nandresy ny Portogey tao Melaka tamin'ny 1605 ary nanomboka nozanahan'ny Holandey i Indonezia nanomboka tamin'io taona io. Taona amam-polony tety aoriana, nanomboka nanjanaka nipetraka tany amin'ny Nosin'i Java ny Holandey ary nataony ho renivohitra ny tanànan'i Jayakarta, novainy anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pifandimbiasan'ny fanjakan'i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin'ny mpanjanatany holandey. Tamin'ny taonjato faha-19, manomboka ny fitsentsefana ara-toekarena ataon'ny mpanjanatany holandey, ary mametraka ny lalàny eo amin'ny tamba-nosy. Ka nipoitra tamin'ny taonjato faha-20 ny fihetsehan'ny olona tia tanindrazana. Tamin'ny 1945, i Sukarno ary i Mohammad Hatta dia niady ary nanambara ny fahaleovantenan' Indonezia. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin'ny 1945 ka politika sosialista no nataony ka nihanahantra dia nahantra ny indonezianina tamin'ny taona 1950. Teo aorian'ny zava-nitranga tamin'ny 1965-1966, naka ny fahefana i Suharto. Nandritry ny fanjakany, nisy ny fivoarana ara-toe-karena, fa nampitodika ny Indonezia tany amin'ny demokrasia ny fialan'i Suharto tamin'ny 1998.

Iràna

Iràna (amin'ny fiteny persana: ایران‎ [ʔiˈɾɒn]) na Repoblika Islamikan'i Iràna (ami'ny fiteny persana: جمهوری اسلامی ایران‎, Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān) dia firenena ao Azia Andrefana. Ny anarana "Iran" dia avy amin'ny fiteny persana izay midika "Tanin'ny Arianina", ary efa nampiasain'ny foko persiana hatry ny taona taloha, tamin'ny fotoan'ny Sasanida.

Iràna dia firenena faha-18 mivelatra indrindra (velarantany: 1,468 tapitrisa kilometatra toradroa); ny isan'ny mponiny dia 75 tapitrisa. Any avaratra, ny firenena manodidina azy dia Armenia, Azerbaijàna, Torkmenistàna; any atsimo dia misy ny Helodrano Persika; any andrefana, ireo firenena manodidina azy dia Iràka, Torkia; any atsinanana dia voadidin'i Pakistàna ary Afganistàna ilay firenena. Ny renivohiny dia i Teheran; ny anaran'ny sandam-bola dia Rial; ny kalandrie ofisialy dia ny kalandrie persana ary ny teny ofisialy dia ny fiteny persana.

Ny fiantsoan'ny tandrefana an'i Iràna dia Persia nanomboka tamin'ny Andro Taloha hatramin'ny taona 1935. I Reza Shah no nanova azy ho Iràna tamin'io taona io amin'ny alalan'ny fangatahana ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an'ilay firenena hoe "Iràna".

Kolombia

Ny Kolombia, na repoblikan'i Kolombia, (amin'ny fiteny espaniola : República de Colombia), dia firenena any avaratra andrefan'ny Amerika Atsimo. Izy irery ny firenena manana amorontsirata amin'ny Ranomasina Karaiba sy amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Bogotá ny renivohiny, fiteny espaniola ny teny ofisialiny ary peso ny vola ampiasainy. Ny kolombia dia firenena miteny espaniola ngeza indrindra eo aorian'ny Meksika sy ny Espaina.

Meksika

Ny Meksika na Mekisiko, afaka tenenina ihany koa hoe firenena mivondron'i Meksika, dia firenena any amerika avaratra. Any avaratr'i Meksika dia misy ny Etazonia ary any antsimo misy an'i Beliza sy Guatemala. 107 tapitrisa ny isan'ny olona miaiana any Meksika (20 tapitrisa any amin'ny tananan'i Mexico).

Môsikao

I Môsikao na Moscou (amin'ny fiteny rosy Москва, Môsikao, IPA : /mɐˈskva/) dia renivohitra ny Federasionan'i Rosia ary tanàna ngeza indrindra any Eoropa.

Eo amin'ny renirano Moskova ny misy an'i Môsikao, mitovy anarana amin'ilay renirano ilay tanàna amin'ny fiteny rosy. Eo amin'ny distrika ampivoany, amin'ny lafy eoropeaninan'i Rosia ny misy an'i Môsikao.

Môsikao dia ny tanàna ngeza indrindra any Eoropa amin'ny isam-poniny mahatratra 10,22 tapitrisa mahery ao an-drenivohitra ary 14,74 tapitrisa raha isaina ny ambanivohitra. Renivohitra ara-toe-karena, ara-politika sy ara-pahaizan'i Rosia ny Môsikao, ary 8,9% ny olona any Rosia miaina any Môsikao.

Betsaka ny fandraisana anjaran'ny tanànan'i Môsikao ao amin'ny tantaran'ny Rosia : Renivohitra ny Grand-Duché-n'i Môsikao izy, ary lasa renivohitra ny Empira Rosy ; nafindran'i Pierre le Grand (Petera Ilaibe) tany Saint-Petersbourg ny renivohitra ; very lanja ny tanànan'i Môsikao hatramin'ny taona 1918 ; Lasa renivohitry ny URSS Môsikao tamin'ny taona 1918. Fantatra amin'ny fanam-pananana ara-maritrano i Môsikao : ao ny Kremlin miaraka amin'ny fehivolany, ny katedraly St Basile eo amin'ny Kianja Mena, ny katedralin'i Kristy Mamonjy sy ny Sera Stalinianina Fito. Any Môsikao ny foiben'ny Patriarkan'ny fiangonana Ortodoksa Rosy an'ny monasteran'i Danilov. Eo amin'ny toeran'ny Kremlin sy ny Kianja Mena ny ampovoan'i Môsikao.

Antsoin'ny mponina Rosy "Матушка Москва" (« Matuška Môsikao ») (Reny Môsikao) ny tananan'i Môsikao.

Foiben'ny oniversite maromaro ny tanàna, tany no nisy ny Kilalao Olimpika tamin'ny 1980.

Ankehitriny, manan-danja be ny tananan'i Môskao ao amin'ny toe-karenan'i Rosia, mahavokatra ny 25%n-ny PIB n'ny federasiona izy. Lasa « Géante Capitaliste » i Môsikao teo aorian'ny andro komonista ary efa manan-danja i Môsikao eo amin'ny toekarena eoropeanina. Ny faribohitr'i « Môsikao-City » ny evan'ny fiovan'ny Môsikao. Fa tsy nandeha tsy nisy olana io fiovàna io. Ny elanelana ara-toe-karenan'ny olona dia lasa nihabetsaka avy hatrany : Misy silaka manan-karena ary miha-manan-karena, ary misy ny mahantra miahamahantra.

Paris

Paris [paʁi] dia tanàna renivohitr'i Frantsa. Izy ny tanàna ngeza indrindra any Frantsa, izy ny renivohi-toeran'i Île-de-France, ary Paris intra-muros irery no Commune-Departement any Frantsa. Eo amin'ny vondro-milefaka voalohany indrindra ny la Seine i Paris, eo ampivoan'ny Bassin Parisien, any anirany no misy ny vinanindrano anelanelan'ny Marne sy ny Seine. Any anavan'i Paris no misy ny Oise. Parizianina any anaran'ny olona mipetraka any Paris.

Tamin'ny taonjato faha 17, Paris ny renivohitry ny fahefana voalohany eoropeana, tamin'ny taonjato faha 18 izy renivohitra ara-kolontsain'i Eoropa ary tamin'ny taonjato faha 19 izy renivohitra ny taozavatra sy ny fahafaliana. Tamin'ny 2008, raha kaontiana daholo ny trano ipetrahana rehetra, 28 tapitrisa ny isan'ny mpandendeha tao Paris, araka ny lazain'ny Office de Tourisme sy ny Kongresa ny renivohitra frantsay.

Paris ny renivohitra ara-toe-karenan'i Frantsa.

Philadelphia

Ny Philadelphia dia tanàna iray any Pennsylvania, any Etazonia. Tamin'ny fanisana tamin'ny taona 2010, nisàna olona 1 526 006 mahery tany.

Polonia

I Polonia (Polska amin'ny fiteny poloney) dia firenena ao Eoropa (Eoropa Atsinanana) afovoany. Ny renivohiny dia Varsôvia ary ny isam-poniny dia eo amin'ny 38,5 tapitrisa mponina eo ho eo. Firenena ao amin'ny Vondrona Eoropeanina i Polonia nanomboka tamin'ny 2004 ary ao amin'ny Erana Schengen izy.

Sandam-bola

Ny sandam-bola dia ny sanda na lanjan'ny vola avy amin'ny firenena iray mankamin'ny firenena hafa.

Tailandy

Ny Tailandy (amin'ny fiteny thai : pratet thaï ประเทศไทย), na Fanjakan'i Tailandy, dia firenena any atsimo atsinanan'i Azia. Ny velarantaniny dia misy eo amin'ny 514 000 km2 eo ho eo ; Ary ny isam-poniny dia 65 tapitrisa, araka ny fanisana natao tamin'ny taona 2008.

Niova anarana ilay fanjakana tamin'ny 1949 : Siam no anarany taloha. Ny Tailandy dia mizara sisintany amin'i Mianmara any andrefany, amin'i Malaizia any atsimo, Amin'i Kambodia any atsinanana ary amin'ny Laôsa any avaratra atsinanana. Fanjakana ara-dalam-panorenana ny Tailandy hatry ny taona 1932.

Ny renivohitr'i Tailandy dia Bangkok (Krungthep - กรุงเทพฯ, « Tanànan'ny Anjely »). Ny fiteny thai no teny ofisialy any Tailandy ary ny Baht no sandam-bola.

Trenton, New Jersey

Ny Trenton dia renivohitra ny New Jersey, any Etazonia Tamin'ny fanisana tamin'ny taona 2010, nisy olona 84 913 mahery tany, Trenton no tanàna lehibe indrindra any New Jersey, aorian'i ny Newark, Jersey City, Paterson sy Elizabeth.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.