Tanakh

Ny Tanakh, Tanak na Thanak izay atao hoe koa Baiboly hebreo dia fitambaran'ny boky mitovy amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta ka ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma).

Entire Tanakh scroll set
Ny Tanakh

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Tanakh (תַּנַ"ךְ), Thanak na Tanak dia fanafohezana ny andian-teny hebreo hoe Tôrah (תּוֹרָה) sy Nevi'im (נְבִיאִים) ary Ketûvim (כְּתוּבִים). Ireo dia manondro ny fizaràna telo hita ao amin'ny Baiboly hebreo. Ny hoe Tôrah dia azo adika hoe "lalàna"; ny Nevi'im (na Nebi'im) dia azo adika hoe "mpaminany (maro)" ary ny hoe Ketûvim (na Ketûbim) dia azo adika hoe "soratra (maro)".

Firafitry ny Tanakh

Mizara telo ny Tanakh, dia ny Tôrah ("lalàna") sy ny Nevi'im ("mpaminany") ary ny Ketuvim ("soratra"). Tsy mifanandrify tanteraka amin'ny fizaràn'ny Kristiana ny Testamenta Taloha izany. Misy boky 24 ny ao amin'ny Tanakh. Ny boky iray ao amin'ny Tanakh dia mety hisaraka roa na maro ao amin'ny Baiboly kristiana. Ao amin'ny Torah ihany izany no tsy mitranga. Ny anaran'ireo boky ao amin'ny Tanakh dia manomboka amin'ny teny hebreo hoe Sefer izay adika hoe "boky" na "horonana" ("horonam-boky").

Ny Torah

Ny Torah (תּוֹרָה "Lalàna") dia ahitana boky dimy, ireo atao hoe Boky dimin'i Mosesy. Toy izao avy ny anaran'ireo boky ireo amin'ny teny hebreo ary ny fifanandrifian'ny anarana ao amin'ny Tôrah sy ny Pentateoka:

Ny Nevi'im

Ny Nevi'im (נְבִיאִים "Mpaminany") dia mizara roa: ny Nevi'im rishonim (נביאים ראשונים "mpaminany taloha") sy ny Nevi'im aharonim (נביאים אחרונים "mpaminany farany" na "mpaminany taoriana"). Misy boky efatra ny ao aminan'ny Nevi'im rishonim ka ireto avy izy ireo:

  • Sefer Yehoshua na Yehoshua : Josoa

Ny bokin'ny mpaminany sisa rehetra dia ao amin'ny vondron'ireo atao hoe Nevi'im aharonim; ireto avy izy ireo:

  • Sefer Yeshayahu na Yeshayahu : Isaia
  • Sefer Yirmeyahu (bokin'i Jeremià") na Yirmeyahu Jeremia

Ny bokin'ny mpaminany 12 voalaza etsy ambony sady atao hoe Trei Assar dia ireto avy:

  • Sefer Yoel na Yoel : Joela
  • Sefer Ovadiyah na Ovadiyah : Obadia
  • Sefer Yohnah na Yohnah : Jona
  • Sefer Mikhah na Mikhah : Mika
  • Sefer Nakhum na Nakhm : Nahoma
  • Sefer Khavakuk na Khavakuk : Habakoka
  • Sefer Tsefaniyah na Tsefaniyah : Zefania
  • Sefer Khaggai na Khaggai : Hagay
  • Sefer Zekhariyah na Zekhariyah : Zakaria

Ny Ketuvim

Ny Ketûvim (כְּתוּבִים "Soratra") dia misy boky 11. Ireto avy izany:

Jereo koa

Rohy ivelany

Anjely

Ny anjely, araka ny fivavahana sy fedrà maro, dia zava-manan'aina any an-danitra, izay irahin'Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin'ny tany sady ho mpampita ny hafatra sy ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny olona.

Mety hampianatra, hanome vaovao, na hanome baiko avy amin’Andriamanitra ny anjely. Mety ho tsara na ratsy ny anjely, ka ny ratsy dia atao hoe Devoly sy demony (na demonia) fa ny tsara kosa dia atao hoe anjely fotsiny. Miresaka momba ny anjely ny soratra masin'ny Jiosy (Tanakh) sy ny an'ny Kristiana (Baiboly) ary ny an'ny Silamo (Kor'any). Ny taranja teolojika ianarana ny amin'ny anjely dia ny anjelolojia.

Baiboly

Ny Baiboly dia ilay boky inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ho tenin'Andriamanitra. Ny Baibolin'ny Jiosy na Baiboly hebreo, izay tsy ahitana afa-tsy ny Testamenta Taloha, dia atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran'ireo boky voasoratra talohan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran'ireo boky voasoratra taorian'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin'ny fomba samy hafa ny boky ao amin'ny Baiboly.

Bokin'i Ezekiela

Ny Bokin’i Ezekiela dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Milaza fitsarana sy fandrahonana ny Israelita ny faminaniana raha mbola tsy rava ny Fanjakan’i Joda, fa faminaniana ny fanamelohana ireo firenena mpampahory ny vahoakan’Andriamanitra sy fanantenana ny hiverenan’ny voninahitr’i Israely kosa no votoatin’ny faminanianana nandritra ny Fahababoana tany Babilona. Ho tsaraina amin’ny asa nataony avy ny olombelona tsirairay sady hisy ny fitsanganan’ny maty ho velona. Haorina fanindroany ny Tempoly. Izany dia fahitana apokaliptika.

Isan'ny atao hoe Mpaminany lehibe ao amin'ny sokajin'ny Bokin'ny mpaminany ao amin'ny Baiboly ny Bokin'i Ezekiela, fa isan'ireo atao hoe Nevi'im aharonim ("Mpaminany taoriana") izy ao amin'ny fizaràna faharoan'ny Tanakh atao hoe Nevi'im.

Bokin'i Joba

Ny Bokin'i Joba dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha, ao amin'ny Baiboly, sy ao amin'ny Tanakh, boky masin'ny Jiosy, izay mahakasika ny fiainan'ny lehilahy iray atao hoe Joba izay tsy niala tamin'ny finoana an'Andriamanitra na dia teo aza ny fahoriana lehibe nianjady aminy vokatry ny nataon'i Satana mpiampanga.

Bokin'i Josoa

Ny Bokin'i Josoa na Bokin'i Jôsoe dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sy ao amin'ny boky masin'ny Jiosy (Tanakh). Mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra ny razambeny, dia i Kanana, ny Bokin'i Josoa. Maneho ny tsy fivadihan'Andriamanitra amin'ny fampanantenana nataony io boky io. Asehony koa anefa fa izay mivadika amin'Andriamanitra dia ho resy. Amin'ny teny fohy dia maneho ny fitondrana sy ny famonjen'Andriamanitra ny olony ilay boky.

Ny Bokin'i Josoa dia isan'ireo atao hoe bokim-pitantarana na boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly kristiana, fa bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana (hebreo: Nevi'im) kosa izy ao amin'ny Tanakh, izay manasokajy azy ho isan'ireo "mpaminany taloha". Tokony ho tany an-tenantenan'ny taonjato faha-10 tal. J.K. no nanoratana ny ankabeazan'ny lahatsoratra hita ao amin'ny boky.

Bokin'i Mikà

Ny Bokin'i Mikà na Bokin'i Mika na Bokin'i Mikea dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Isan’ireo atao hoe Mpaminany madinika roa ambin’ny folo izay zana-tsokajin’ny Bokin'ny mpaminany ao amin’ny Baiboly kristiana sy isan’ireo ao amin’ny Nevi'im ao amin’ny Tanakh. Natao hamerina ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana ara-tsosialy ny mpaminany Mikà na Mika na Mikea. Ny boky dia mirakitra faminaniana natokana ho an’i Samaria renivohitry ny Fanjakan’i Israely ary ho an’i Jerosalema renivohitry ny Fanjakan’i Jodà, satria tsy nitondra ny fireneny hanompo an’Andriamanitra ny mpitondra tao fa nanompo andriamani-kafa sady nifetsy sy nangalatra ny fananan’ny malahelo. Hovalian’Andriamanitra noho izany i Israely sy i Jodà. Nefa nampanantena Andriamanitra fa amin’ny andro ho avy, ny vahoakan’i Israely sy ny an’i Jodà dia hiverina amin’Andriamanitra ary ny mpanjaka hotendreny dia hanao izay hampiadana ny vahoaka sahala amin’ny mpiandry ondry izay mikarakara ny ondriny sady hitondra fiadanana amin’ny tany rehetra.

Bokin'i Nahoma

Ny Bokin'i Nahoma dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana voasoratra tamin’ny taonjato faha-7 tao Jerosalema. Ao amin’ity boky ity ny mpaminany Nahoma dia manambara ny hitsarana sy ny hanamelohana an’i Ninive renivohitr’i Asiria (na Asora) noho ny fangejany ireo firenen-kafa. Maneho anefa i Nahoma fa Andriamanitra hamindra fo amin’izay miverina aminy. Fanehoan’Andriamanitra ny famindram-pony amin’ny olona ny fanasaziana ny fahavalony sy ny famotsorany ny vahoakany ho afaka amin’ny fifehezan’ny fahavalony. Vitan’Andriamanitra izany satria izy no mpanapaka ny tany rehetra.

Bokin'i Obadia

Ny Bokin’i Obadia na Bokin'i Abdiasa dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Iray amin’ireo atao hoe "mpaminany madinika" ao amin’ny Baiboly izy sady io boky io no fohy indrindra amin’ireo bokin’ny Testamenta Taloha satria tsy ahitana afa-tsy toko tokana misy andininy 21. Maminany i Obadia (na Abdiasa) ny amin’ny hitsaran’Andriamanitra ny Fanjakan’i Edoma izay harodana sy ny amin’ny famaliana izay hataon’i Israely amin’io fanjakana io. Nefa hihatra amin’ny firenena rehetra izany fitsarana izany any amin’ny andron’i Iahveh.

Bokin'i Rota

Ny Bokin’i Rota dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha, ao amin’ny Baiboly, sy ao amin’ny Tanakh, boky masin'ny Jiosy. Mitantara ny fiainan’ny fianakaviana iray tamin’ny andron’ny mpitsara ny boky, ka manasongadina ny fifikiran’ny vehivavy moabita iray, atao hoe Rota, amin’ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ny firenena hafa aza, noho ny niterahany ny razamben’i Davida mpanjaka.

Avondrona ao amin’ny atao hoe boky ara-tantara ny Bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly kristiana fa isan’ireo atao hoe Ketuvim ("soratra") kosa ao amin’ny boky masina hebreo Tanakh. Atao hoe מגילת רות / Megilath Ruth ("horonam-bokin’i Rota") io boky io ao amin’ny Tanakh.

Bokin'i Zefania

Ny Bokin'ny Zefania na Bokin'i Sôfônia dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Io boky io dia mirakitra ny faminanian’i Zefania na Sôfônia. Nieritreritra ny vahoakan’i Joda fa amin’ny andro ho avy dia hahatonga azy ireo ho firenana matanjaka Andriamanitra ka ho afaka mandresy ireo fahavalony sy hampanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana. Diso anefa ny fiheverany, fa hosazin’Andriamanitra ny vahoakan’i Joda sy ny firenena rehetra izay tsy nanaja azy. Izany no andro fitsarana, andron’i Iahveh. Ny hany fomba hanafahana an’i Joda dia ny fanajana an’Andriamanitra sy ny fivavahana aminy irery ihany.

Isan'ireo atao hoe mpaminany madinika roa ambin'ny folo ao amin'ny sokajy Bokin'ny mpaminany amin'ny Baiboly kristiana i Zefania fa ao amin'ny Nevi'im kosa izy ao amin'ny Tanakh.

Bokin'ny Genesisy

Bokin'ny Genesisy na Bokin'ny Jenezy na Bokin'ny Genesý (izay hafohezina amin'ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý) no iantsoana ny boky voalohany ao amin'ny Baiboly. Mitantara ny famoronan'Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin'ny safodrano tamin'ny andron'i Noa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny Tilikambon'i Babela. Miresaka momba ireo Razamben'ny Israelita (patriarka) toa an'i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa koa io boky io.

Ny lovantsofina hatramin'izay dia milaza fa i Mosesy na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy izay isan'ny Pentateoka na ny Torah ao amin'ny Baiboly jiosy (na Tanakh), nefa ny fikarohana ankehitriny tsy miombon-kevitra amin'izany.

Bokin'ny Mpitsara

Ny Bokin'ny Mpitsara dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady ao amin'ny boky masin'ny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataon'ireo mpitsara voatendrin'Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany Kanana taorian'ny nahafatesan'i Josoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan'ireo mpitsara ireo sy ny fangejan'ny firenena hafa ny Zanak'i Israely noho ny fialany an'Andriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isan'ireo atao hoe bokin'ny mpaminany ny Bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Tanakh, fa voasokajy ho bokim-pitantarana na boky ara-tantara kosa izy ao amin'ny Baiboly kristiana.

Bokin'ny Salamo

Ny Bokin'ny Salamo, na Salamo, dia boky ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Taloha izay misy amboaran-kira sy tononkalo fiderana an'Andriamanitra miisa 150. Voasokajy ho bokim-pahendrena na soratra masina izy ka isan'ireo atao amin'ny teny grika hoe ἅγιογραφία / hagiographia ("soratra masina"). Voasokajy ho isan'ireo atao amin'ny teny hebreo hoe Ketuvim ("soratra") izy ao amin'ny Tanakh.

Boky faharoan'ny Tantara

Ny Boky faharoan’ny Tantara na Tantara faharoa dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin'ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma. Ampahany amin'ny boky nozaraina roa io boky io, dia ny Bokin'ny Tantara, ka ny tapany voalohany dia ny Boky voalohan'ny Tantara.

Manomboka amin'ny tantaranan'ny fanjakan'i Solomona ny boky. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa: Fanjakan’i Jodà any atsimo sy Fanjakan’i Israely any avaratra. Derain'ny mpanoratra ho ilay mpanjaka tonga lafatra i Solomona (na Salômôna) ao amin’ny boky. Voaresaka ao amin'ny Boky faharoan’ny Tantara fa ny vahoakan’i Israely dia vahoaka mpanota sady tsy niverina tamin’Andriamanitra. I Hezekia (na Ezekiasa) sy i Josia (na Josiasa) no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.

Ketuvim

Ny Ketuvim na Ketubim ("soratra") dia fitambaran’ireo boky iraika ambin’ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin’ny Baiboly hebreo (na Tanakh).

Septoaginta

Ny Septoaginta na Septanta na Septoajinta izay hafohezina amin'ny tarehimarika romana hoe LXX (midika hoe "fitopolo"), dia dikan-tenin'ny Baiboly jiosy amin'ny fiteny grika koine. Niitatra ny zavatra tondroin'ny teny hoe Septoaginta ka nahafaoka ny ny dikan-tenin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) manontolo fa tsy ny Torah ihany. Ny Jodaisma anefa tsy nandray ny Septoaginta fa nitoky tamin'ny Baiboly amin'ny teny hebreo ihany, sy amin'ny dikan-teny grika na arameana (Targoma) manakaiky kokoa ilay amin'ny teny hebreo.

Araka ny lovantsofina taterin'ny Taratasin’i Aristea tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K., ny fandikan-teny ny Torah hono dia notanterahin'ny mpandika teny miisa 72 tao Aleksandria, tokony ho tamin'ny taona 270 tal. J.K. araka ny fangatahan'i Ptolemeo II.

Mampiavaka ny Septoaginta amin'ny Tanakh ny fanoloana ny teny hebreo hoe יהוה‬ / Ihwh (ilay nogasina hoe Jehovah na Iahveh) ho Kύριος / Kúrios fotsiny amin'ny teny grika (izay midika hoe "Tompo").

Soratra Masina

Ny Soratra Masina dia ireo teny voasoratra sy notenenin'ireo olomasin'Andriamanitra notsilovin'ny Fanahy Masina. Amin'ny fivavahana jiosy sy ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao dia ny Tanakh (Testamenta Taloha hebreo) no lazainy hoe Soratra Masina fa amin'ny Kristiana dia ny Baiboly manontolo (Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao) no Soratra Masina. Azo aitatra ny hevitr'io andian-teny hoe Soratra Masina io ka mahafaoka ny boky masin'ny fivavahana tsirairay.

Testamenta Taloha

Atao hoe Testamenta taloha ny fitambaran'ny boky ao amin'ny Baiboly voasoratra talohan'i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mampiasa an'io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin'ny Baiboly, izay voasoratra talohan'i Jesoa Kristy sady antsoin'ny Jiosy hoe Tanakh. Ny Vavolombelon'i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe "Soratra Hebreo sy Aramianina".

Torah

Ny Torah (תּוֹרָה), izay midika hoe "lalàna", dia fitambaran’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly amin'ny teny hebreo (Tanakh). Izy no fizaràna voalohany ao amin'ny Tanakh, eo alohan'ny Nevi'im sy ny Ketuvim. Atao hoe "Boky dimin'i Mosesy (na Moizy)" izy ireo. Ao amin'ny Baiboly kristiana dia ireto ireo boky ireo: ny Genesisy (na Jenezy) sy ny Eksodosy (na Esaody) sy ny Levitikosy (na Levitika) sy ny Nomery (na Fanisana) ary ny Deoteronomia (na Deoteronomy). Ny fitambaran’ireo no tondroina amin’ny hoe Pentateoka na Boky dimin’i Mosesy ao amin’ireo asa soratra kristiana.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.