Talmodan'i Babilona

Ny Talmodan'i Babilona dia asasorara misy ny fivoasana ny Soratra Masin'ny jodaisma izay nangonina tamin'ny taonjato faha-6 tao amin'ny diaspora jiosy tany Babilonia. Iray amin'ny Talmoda roa izy ka ny faharoa dia ny Talmodan'i Jerosalema. Ny famelabelarana ao amin'ny Talmodan'i Babilona dia nalamina ho vondron-kevitra enina, sahala amin'ny Misnà, atao hoe amin'ny teny hebreo hoe sedarim. Ny vondron-kevitra tsirairay dia mamahavaha lohahevitra foibe miaraka amin'ny lohahevitra maro hafa koa.

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe תלמוד בבלי /Talmud Bavli ny Talmodan'i Babilona.

Talmud set
Talmodan'i Babilona
Demony

Ny demony na demonia, araka ny finoan'ny fivavahana maro, dia zavaboary tsy hita maso manana hery ratsy mahatonga ny fahaverezan'ny olombelona entiny hanao ny ratsy. Ao amin'ireo fivavahana abrahamika dia iantsoana ireo fanahy na anjely nanaraka an'i Satana na Devoly nikomy tamin'Andriamanitra ny demony. Ao amin'ireo fivavahana ireo sy ny fivavahana maro hafa koa dia heverina fa afaka petraka amin'olona ny demony ka ilana ny famoahana na ny fandroahana azy. Ny anarana hoe Demony koa dia matetika asolo ny hoe Satana na Devoly, indrindra rehefa ampiasaina hilazana zavatra tokana sy ialohavan'ny mpanoritra "ny" na "ilay" ("ny demony", "ilay demony"). Ny sampan'ny teolojia andalinana ny fomba sy ny fahefana ary ny ambaratonga misy eo amin'ny samy demony dia ilay taranja atao hoe demonolojia, izay zana-taranjan'ny anjelolojia, amin'ny maha anjely potraka azy ireo. Tsy ao amin'ny fivavahana jiosy sy kristiana ary silamo ihany no iresahana ny demony fa amin'ny okoltisma sy ny literatiora ary ny fedrà sasany koa.

Fiteny arameana

Ny fiteny arameana (na aramaika) dia iray amin'ireo vondrom-piteny hamito-semitika. Misy koa ny manoratra hoe arameo tahaka ny hoe hebreo sy ny hoe aramianina na arameanina. Amin'io fianakaviam-piteny hamito-semitika (na afro-aziatika) io dia isan'ny sampana semitika ny fiteny arameana. Raha ny tena marina dia ampahan'ny fianakaviam-piteny semitika atsimo-andrefana ny fiteny arameana, izay mahafaoka koa ireo fiteny kananeana toy ny fiteny hebreo sy ny fiteny fenisiana (foinikiana na koa foenikiana) ary ny fiteny ogaritika. Ny abidy arameana dia noraisin'ireo fiteny hafa sady razan'ny abidy hebreo sy ny abidy arabo, ary koa ny abidy kharoshity ao avaratra-andrefan'i India, ary mety ho razan'ny abidy brahmy koa.

Nandritra ny 3100 taon'ny tantara voasoratra dia nampiasaina ho fitenim-panjakan'ny empira sy fiteny amin'ny fanompoam-pivavahana ny fiteny arameana. Isan'ireo fiteny andavanandro tao Palestina nandritra ny fotoan'ny Tempoly Faharoa (539 tal. J.K. - 70 taor. J.K.), fiteny niresahan'i Jesoa-Kristy , fitenin'ny ampahany be ao amin'ny Bokin'i Daniela sy ny Bokin'i Ezra (na Esdrasa) ao amin'ny Baiboly, ary fiteny nampiasaina indrindra ao amin'ny Talmoda. Nefa, ny fiteny jodeo-arameana dia hafa noho ny fananany toetra sy fitsipiteny miavaka.

Ny tantara lavan'ny fiteny arameana sy ny fampiasana azy amin'ny fomba isankarazany dia nanjary niteraka ny fiforonan'ny fitenim-paritra maro, izay heverina indraindray ho tena fiteny mahaleotena. Noho izany, tsy nisy ny atao hoe fiteny arameana marin-toerana sy tsy miova. Ny vanim-potoana tsirairay sy ny faritra tsirairay dia samy nanana ny karazam-piteny arameanany avy. Nanao ny arameana ho fitenim-pivavaha ny Fiangonana Tatsinanana, amin'ny endriny atao hoe siriaka, izay karazana fiteny arameana nampielezana ny fivavahana kristiana tatsinanana. Ireo fiangonana ireo dia nampiasa ny arameana na karazana arameanam-paritra.

Ny fiteny arameana vaovao dia ampiasaina ho fiteny voalohany ao amin'ny vondro-mponina madinika miparitaka ka mitoka-monina ny ankamaroany, izay Kristiana na Jiosy, sy ampiasain'ny foko mandeana any Azia Atsinanana – ny ankamaroany, ireo Asiriana, dia mampiasa ny fiteny arameana amin'ny endriny vaovao, asiriana arameana vaovao, kaldeana arameana vaovao – ; izy rehetra dia mbola mampiasa fiteny natanjaka ifaneraseran'ny olona tsy mitovy fiteny. Ireo fiteny arameana ireo dia heverina ho fiteny andalam-panjavonana amin'izao fotoana izao.

Gemarà

Ny Gemarà, amin'ny jodaisma, dia fivoasana sy fanaovana hevi-teny isan'ny mamorona ny Talmoda, dia ny Talmodan'i Babilona sy ny Talmodan'i Jerosalema. Ny Misnà amin'ny teny hebreo sy ny Gemarà amin'ny teny arameana no mitambatra mamorona ny Talmoda. Ny Gemaràn'ny Talmodan'i Babilona dia nosoratana tamin'ny fiteny arameana atsinanana fa ny Gemaràn'ny Talmodan'i Jerosalema kosa dia nosoratana tamin'ny fiteny arameana andrefana. Ny Gemaràn'ny Talmodan'i Babilona no feno sy voalamina indrindra. Ny Gemarà dia ahitana ireo ady hevitra sy ny fanazavana ary ny famelabelarana ny Misnà, izay mampifandray azy mazava kokoa amin'ny Tanakh.

Jiosy Mitsrahima

Ny Jiosy Mitsrahima na Mitsarahima izay dia ireo taranaky ny Jiosy any Atsinanana Akaiky, any Kaokazy hatrany Azia Afovoany ary any India izay misy fizarana ara-poko sy ara-kolontsaina maro ka tsy tokam-bolo loatra miohatra amin'ny Askenazy sy ny Sefarada. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מזרחים / Mizra'him, izay midika hoe "Tatsinanana" izy ireo. Atao hoe עֲדוֹת-הַמִּזְרָח / Edot HaMizra'h ("Vahoaka any Atsinanana") koa izy ireo. Tafiditra ao anatin'izy ireo koa ny Jiosy arabo izay Jiosy mialokaloka any amin'ireo firenenan arabo, ary ireo Jiosy avy amin'ny faritra iantraikan'ny kolontsaina sy ny fiteny jiosy (kaokaziana sy torka sy korda ary persana indindra). Isan'izy ireo noho izany ny Jiosy ao Afrika Avaratra, any Iràka, ny Iemena, any Iràna, any Bukhara,any India, any Jeorjia, any Kaokazy ary any Kordistàna. Na dia samy hafa fiaviana azy izy ireo dia avy amin'ny Talmodan'i Babilona ny lalàna mifehy azy rehetra ireo. Ny fombam-pivavahany dia manakaiky ny an'ny Jiosy sefarada sy ny Jiosy Magrebina.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Sefarada

Ny Sefarada na Jiosy sefarada dia iray amin'ireo fizarana lehiben'ny vahoaka jiosy araka ny toerana niaviany ka manondro ny Jiosy tamin'ny Andro Antenantenany nonina tao amin'ny saikanosy Iberika (Espaina indrindraindrindra) sy tao Afrika Avaratra ary manondro koa ny taranak'izy ireo, izany hoe ny fitambaran'ny vahoaka jiosy tsy Askenazy.

Ny Jiosy tao amin'ny faritra be Kristiana tao amin'ny saikanosy Iberika dia voenjika mafy, tsy nitovy amin'ireo Jiosy tamin'ny faritra be Miozolmana, ka nitsoaka avy ao tamin'ny taona 1492 taorian'ny nahazoan'ny Kristiana ny faritra sisa farany nisy Miozolmana sy tamin'ny fanambarana an'i Espaina. Nitsoaka nankany Afrika Avaratra sy tany amin'ireo fari-tany any atsinanana amin'ny Empira otomàna izy ireo, avy eo nanorina vondron'olona maro tany Frantsa, tany Holanda, tany Angletera, tany Italia, tany ami'ireo Balkàna, sns.

Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia ny fiteny jodeo-kastilàna, atao hoe fiteny ladino. Manaraka ny fomban'ny Jiosy babiloniana izy ireo, fa tsy tahaka ny Askenazy izay mifikitra amin'ny fomban'ny Jiosy palestiniana.

Anondroana ireo Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any Atsinanana Akaiky miteny arabo sy persàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin'ny faritra eoropeana koa ny teny hoe Sefarada. Ny ankamaroan'izy ireo dia nanaraka ny fomba jiosy babiloniana noho ny fifampikasohany amin'ny Sefarada, ka izany no antony anondroana azy ireo amin'ny anarana hoe Sefarada koa.

Talmoda

Ny Talmoda dia fanangonan-dalàna izay ahitana ny fivoasana ny Torah. Ny Talmoda dia fitambaran'ny fehezan-dalàna atao ho Misnà (hebreo: מִשְׁנָה / Mishnah) sy ny fivoasana ny Misnà atao hoe Gemarà (hebreo: גמרא / Gemarah). Ny zavatra ao amin'ny Talmoda izay mikasika ny fanapahan-kevitry ny raby momba ireo zavatra mahakasika ny lalàna nefa misy tsy itovizan-kevitra no mamorona ny atao hoe Halakà (hebreo: הֲלָכָה / Halakha), ary ny angano sy fitantarana madinika ampiasaina ho enti-manome ohatra momba ny lalàna dia atao hoe Agadà (hebreo: אגדה / Agadah).

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe תַּלְמוּד / Talmud, izay moidika hoe "fandalinana" ny Talmoda.

Misy karazany roa ny Talmoda, dia ny Talmodan'i Palestina sy ny Talmodan'i Babilona. Ikambanan'ireo endrika roan'ny Talmoda ireo ny Misnà, nefa samy manana ny Gemaràny izy roa ireo. Ny Talmodan'i Palestina, izay atao hoe koa Talmodan'i Jerosalema, dia nosoratan'ny manampahaizana jiosy tao Palestina teo anelanelan'ny tanonjato faha-3 taor. J.K. sy ny fiantombohan'ny taonjato faha-5. NyTalmodan'i Babilona dia vita soratra tamin'ny taonjato faha-5. Izy no lasa soratra manam-pahefana noho ireo sekolin'ny raby tany Babilona tsy ravan'ny zava-niseho rehetra mandritra ny taonjato maro, raha miohatra amin'ny an'i Palestina.

Ny Talmoda, amin'ny hevitra mifintin'io teny io, dia ireo asa soratry ny manampahaizan'ny Talmoda, sy ny fivoasana ataony dia fandraisanana anjara lehibe indrindra amin'ny literatioran'ny raby teo amin'ny tantaran'ny jodaisma. Isan'ny malaza indrindra ilay atai hoe Mishna Torah nosoratan'ilay raby sy filozofa ary dokotera jiosy espaniola atao hoe Mimonida. Famintinana ny literatiora rabinika momba ny lalàna tamin'ny androny izany. Ny fivoasana fantatra indrindra dia ny an'ny Talmodan'i Babilona izay fantatra noho ny asan'ny raby atao hoe Shlomo ben Itzhak na Rashi sy ireo manampahaizana jiosy atao hoe tosapista izay niaina tao Frantsa sy tao Alemaina teo anelanelan'ny taonjato faha-12 sy faha-15, ka isan'izy ireo ny zafikelin'i Rashi.

Talmodan'i Jerosalema

Ny Talmodan'i Jerosalema, izay antsoina hoe koa Talmodan'i Palestina na Talmodan'i Israely, dia fanangonan-dahatsoratra mirakitra ny fivoasana ny Misnà sy ny ady hevitra ny amin'izany izay nosoratan'ireo raby tao Palestina hatramin'ny taonjato faha-2 ka hatramin'ny taonjato faha-5. Tsy tao Jerosalema akory no nanoratana an'io Talmoda io fa tany Galilea ny ankamaroany. Manampy ny Talmodan'i Babilona ny Talmodan'i Jerosalema nefa io voalohany io no tena ampiasaina ao amin'ny fivoasan'ny jodaisma ny Torah.

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe תַּלְמוּד יְרוּשַׁלְמִי / Talmud Yerushalmi ny Talmodan'i Jerosalema.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.