Tabernakely

Ny tabernakely, izay atao hoe koa tranolain'ny fihaonana, dia tranolay nisy ny Fiaran'ny Fanekena tamin'ny andron'i Mosesy (na Moizy). Ny nikarakara ny fanorenana azy dia i Beseleela izay notondroin'Andriamanitra tamin'i Mosesy.

Ny teny hebreo ilazana ny tabernakely dia ny hoe משכן / mishkan, izany hoe "fonenana" na אוהל מועד / izay midika hoe "tranolay fihaonana". Teo amin'ireo Hebreo dia toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ny tabernakely taorian'ny fivoahan'izy ireo avy tany Egipta sy tamin'ny nakan'izy ireo ny tany Kanaana izay tantaraina ao amin'ny Bokin'ny Mpitsara, mandra-pahavitan'ny Tempoly tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. Avy amin'ny teny latina hoe tabernaculum izay midika hoe "tranolay" na "tranotomboka" ny hoe tabernakely.

Ao amin'ny Testamenta Taloha dia voalaza fa fonenan'Andriamanitra vonjimaika ny tabernakely sady toerana fihaonan'ny vahoakany. Fonenana hita maso eo amin'ny firenena nanao azy ho andriamaniny, araka ny Bokin'ny Eksodosy (Eksaody) (Eks. 25.8).

Stiftshuette Modell Timnapark
Fakana tahaka ny tabernakely, ao amin'ny valanjavaboary ao Timlna any Negev any Israely.
Bokin'i Ezra

Ny Bokin'i Ezra na Bokin'i Esdrasa dia boky ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana. Mitantara ny fiverenan’ireo babo an-tanidrazana voalohany avy any Babilona, ny nahavitana ny Tempoly vaovao ao Jerosalema, ny iraka notanterahin’i Ezra tao Jerosalema ary ny ezaka nataony hanadiovana ireo Jiosy (na Jody) nanambady vehivavy tsy Jiosy ny Bokin’i Ezra. Mampiseho ny fomba nampihamatanjaka ireo rafitry ny fivavahana jiosy niforona nandritra ny Fahababoana, dia ny sinagoga, ny famakiana ireo Bokin'ny Lalàna sy ny Bokin’ny Mpaminany, ny mpanoradalàna, ny Sinedriona, sns koa io boky io.

Bokin'i Nehemia

Ny Bokin’i Nehemia dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Mitantara ny fikasan’i Nehemia hanangana ny manda efa nirodana indray ny boky. Araka ny voasoratra ao dia nanendry an’i Nehemia ho governoran’i Joda i Artakserksesy, mpanjakan'i Persia, mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka izany, dia Jiosy (na Jody) sasany sy ireo governoran’ny tanàna nifanakaiky taminy. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsosialy sy ara-pivavahana i Nehemia. Tanatin’ny roa ambin’ny folo taona no nanatanterahany izany rehetra izany. Rehefa niverina tao Jerosalema indray izy dia nahita fa nikorosy fahana ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny fanambadiana vehivavy hafa firenena, ka nitoetra tao Jerosalema i Nehemia mba hampihatra indray ny Lalàn’i Mosesy.

Bokin'ny Eksodosy

Ny Bokin'ny Eksodosy na Bokin'ny Eksaody dia boky faharoa ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay mitantara ny fanafahana ireo Hebreo (na Hebrio) avy any Ejipta sy ny fivezivezeny tany an-tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra Sinay.

Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io. Isan'ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly) ny Eksodosy.

Davida (mpanjaka)

Davida dia mpajakan'i Israely teraka tokony ho tamin'ny taona 1040 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 970 tal.J.K. tao Jerosalema. Araka ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly dia mpanjaka faharoan'i Israely nandimby an'i Saoly (na Saola) i Davida teo anelanelan'ny taona 1000 sy 970 tal. J.K. Taranany ireo mpanjakan'i Jodà nifandimby. I Davida no mpanjaka nahatanteraka ny firaisan'ny Israelita rehetra sady nanao an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany. Amin'ny Kristiana dia tandindn'ny Mesia izy. Ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka ary ny Boky voalohan'ny Tantara no tena ahitana ny tantarany ao amin'ny Baiboly.

Fokon'i Zebolona

Ny fokon'i Zabolôna na fokon'i Zebolona dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.

Jiosy

Ny Jiosy na Jody dia ireo Zanak'i Israely niaina taorian'ny fahababoana tany Babilona, na ny olona manaraka ny fivavahana jodaisma. Israely no tany fiavian'ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia nomen'i Iahveh Andriamanitra azy ireo io tany io. Taty aoriana anefa dia niparitaka eran-tany ny Jiosy nefa tafaverina tao Israely indray ny sasany aminy ka nanorina ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Miisa any amin'ny 14 000 000 ny Jiosy amin'izao.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Litorjia

Ny litorjia dia ny fitambaran'ny fombafombam-pivavahana sy ny lanonana ary ny vavaka atokana ho amin'ny fanompoam-pivavahana ho an'ny andriamanitra iray na maro, izay mety ho voafaritry ny fitsipika ao amin'ny soratra masina na ny lovantsofina. Ny teny hoe litorjia dia matetika ampiharina amin'ny fivavahana kristiana hanondroana ny fanompoam-pivavahana azon'ny sarambaben'ny mpino atrehina sady naorin'ny Fiangonana iray ara-dalàna.

Samaritana

Ny Samaritana dia vahoaka monina ao Israely sy Sisjordania ka ao Samaria, tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i Palestina, no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho Jiosy izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny Israelita fahiny nonina tao amin'ny Fanjakan'i Israely tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny Testamenta Vaovao dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny Fanjakan'i Israely amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy.

Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny fivavahana jiosy azy manokana, atao hoe samaritanisma, ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly ihany (atao hoe Pentateoka), fa tsy ny Baiboly hebreo manontolo, no ekeny ho Soratra Masina. Ny tendrombohitra Gerizima no tendrombohira masina fa tsy i Ziona na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny abidy samaritana izay tsy mitovy amin'ny abidy hebreo. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.

Ny Samaritana dia mihevitra fa taranaky ny foko folo lazaina fa very, indrindra fa ireo foko roan'i Josefa, dia ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Efraima, ary koa ny fokon'i Levy.

Sinagoga

Ny sinagoga dia trano fivavahan'ny Jiosy na ny Samaritana isan-toerana. Ny tena niandohan'ny sinagoga, izany hoe ny toerana fivorian'ny mpino izay tafasaraka tamin'ny fivavahana ao amin'ny Tempoly, dia mety tamin'ny andron'ny mpaminany na tamin'ny andron'ny mpianatr'ireo mpaminany ireo (jereo ny ao amin'hy Bokin'i Isaia (Isa. 8.16 sy ny manaraka). Tamin'ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagoga, nefa nihamasina niandalana izy. Teraka niaraka tamin'ny asan'i Ezra (na Esdrasa), amin'ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny jodaisma azy, ny sinagoga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagoga ka nahatonga ny teny hoe Sinagoga hanondro am-panoharana ny rafitry ny jodaisma, izay mifanohitra amin'ny Fiangonana kristiana.

Amin'ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagoga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny Bokin'ny Torah. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagoga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an'ny fandinihana (hebreo: בית מדרש / Beit midrash "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an'ny fivavahana fotsiny aza ny sinagoga tamin'ny voalohany dia nanjary toerana misy ny Talmud Torah, izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an'ny zaza izany na ho an'ny olon-dehibe. Izany fanjakan'izany anjara asa vaovaon'ny sinagoga izany no nahatonga an'i Filo avy any Aleksandria sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny Jiosy any amin'ireo firenena askenazy miteny idisy izay manondro ny sinagoga amin'ny teny hoe didaskaleia na scuola na שול / shul, izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagoga, nefa tsy amin'ny fomba ara-penitra, indrindra any amin'ireo faritra askenazy.

Mampiasa ny teny hoe προσευχή / proseukhê ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao (amin'ny teny grika).

Sokota

Ny Sokota na Fetin'ny Tebernakely dia fety jiosy ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian'Andriamanitra ny Zanak'i Isiraely tamin'ny nivoahany avy any Egipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian'ny fivoahana avy tany Egipta, ary iravoravoana amin'ny fahataperan'ny tsingerin'ny fotoam-pambolena amin'ny taona. Ankalazaina manomboka amin'y 15 hatramin'ny 21 na 22 Tishri ny Sukkot.

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe חַג הַסֻּכּוֹת / Hag ha-Sukkot izay midika hoe "fetin'ny trano lay" na "fetin'ny tabernakely" io fety io.

Solomona

I Solomona na Salômôna dia mpanjaka fahatelo tao Israely nandimby an'i Davida teo anelanelan'ny taona 970 sy 931 tal. J.K. Ny Baiboly no ahitana ny ankabeazan'ny tantaran'i Solomona, izay voalaza fa mpanjaka hendry, araka ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Nanjakan'ny fandriam-pahalemana sady nanan-karena ny fanjakany ary izy no voalazan'ny Baiboly fa nanorina ny Tempolin'i Jerosalema voalohany izay atao hoe Tempolin'i Solomona izay natolony ho an'i IHVH Andriamantr'i Israely (1Mpanj. 5.3; 8.20).

Teraka tamin'ny taona 1011 tal. J.K. tao Jerosalema ary maty ny tamin'ny taona 931 tal. J.K. tao ihany koa izy. I Davida no rain'i Solomona. Ny vadiny dia Naama, zanakavavin'ny farao Siamona. Ny zanany dia i Rehoboama sy i Menelika I.

Maro ireo boky izay lazain'ny lovantsofina fa nosoratan'i Solomona ka ny fantatra indrindra dia ireo ao amin'ny Baiboly, dia ny Bokin'ny Ohabolana sy ny Tononkiran'i Solomona ary ny Bokin'ny Mpitoriteny. Ao koa ireo boky apokrifa izay mitondra ny anarany.

Taom-piangonana

Ny taom-piangonana na tetiandro litorjika kristiana na kalandrie litorjika kristiana na taona litorjika dia tetiandro manondro ny daty raikitra na miovaova ankalazana ny fetim-piangonana na ahatsiarovana ny zava-dehibe niseho teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristiana ary ny daty ahatsiarovana ny olomasina isan-karazany.

Avy amin'ny datin'ny Paska (izay miovaova) sy ny datin'ny Noely (izay tsy miova) no iaingan'ny fitsipika ahafahana mamantatra ny fotoana litorjika sy ny daty ankalazana ny fety litorjika hafa rehetra. Nivoatra ny tetiandro litorjika nandritra ny taonjato maro nisian'ny fivavahana kristiana ka niteraka fahasamihafana isam-piangonana izany (tetiandro litorjika katolika, ortodoksa, protestanta, sns.).

Ny firavoravoana sasany dia miseho amin'ny daty gregoriana raikitra tsy miova, isan'izany ny Noely, nefa ny sasany miovaova daty, tahaka ireo izay miankina amin'ny andro fankalazana ny Paska. Ireto avy ireo fety lehibe ao amin'ny taom-piangonana: ny Advento (na Fiaviana), ny Noely (na Krismasy), ny Epifania, ny Zoma masina, ny Paska (na Paka), ny Adro niakarana, ny Pentekosta ary ny Trinite.

Misy loko litorjika manavaka azo ampifandraisina amin’ny fizaran-taona samihafa ao amin’ny taona litorjika. Ny datin’ny fety dia miova kely eo amin’ny fiangonana samihafa, na dia mitovy ihany amin’ny ankapobeny ny fifanarakarahana sy ny anton’izany.

Tempolin'i Jerosalema

Ny Tempolin'i Jerosalema, araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin'ny Israelita tao Jerosalema mba hampitoerana ny Fiaran'ny fanekena. Noravan'ny tafik'i Babilona izy ary natsangana indray teo ambany fitarihan'i Ezra (na Esdrasa) fitopolo taona taty aoriana ary farany naravan'ny Romana tanteraka tamin'ny taona 70 taor. J.K.

Hita ao amin'ny Bokin'ny Mpanjaka ao amin'ny Baiboly ny antsipiriany momba ny Tempoly voalohany. Nampahafantarin'Andriamanitra mialoha ny mpanjaka Davida fa ny taranany no hanamboatra io tempoly io, araka ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam. 7), ary vita izany tamin'ny andro nanjakan'i Solomona izay nanatanteraka ny fanorenana araka ny toromarika nomen'Andriamanitra. I Hirama, mpanjakan'i Tiro no nanome ny hazo sedera sy kipresy sy ny volamena ary ny olona ilaina amin'ny fanamboarana ny tempoly.

Ny anarana omena ny tempoly ao amin'ny Baiboly hebreo dia Beit IHVH ("Tranon'i Iahveh") na Beit HaElohim ("Tranon'Andriamanitra") na Beiti ("Tranoko") na Beitekhah ("Tranonao"). Ao amin'ny literatiora rabinika dia atao hoe Beit HaMikdash ("Trano Masina" na "Tempoly Masina").

Tempolin'i Solomona

Ny Tempolin'i Solomona (hebreo: מקדש שלמה / Mikdash Shlomo), na Tempoly Voalohany araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin'i Solomona mpanjaka tao Jerosalema tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. (taona 957 tal. J.K.) mba hampitoerana ny Fiaran'ny fanekena. Noravan'ny tafik'i Babilona izany tempoly izany. Nasolo an'ilay Tabernakely namboarina tany an-tany efitr'i Sinay ny Tempoly, araka ny Bokin'ny Deoteronomia (Deo. 12.2-27).

Tempoly Faharoa

Ny Tempoly faharoa eo amin'ny fivavahana jiosy dia ny Tempolin'i Jerosalema naorina tamin'ny taona taona 536 tal. J.K. sady vita tamin'ny taona 515 tal. J.K., taorian'ny fahababoan'ny Jiosy tany Babilona izay nasolo ny Tempoly voalohany (atao hoe Tempolin'i Solomona) noravan'ny Babiloniana tami,'ny taona 586 tal. J.K. Narodan'ny Romana izany tempoly izany tamin'ny taona 70 taor. J.K.

Tetiandro hebreo

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy sy ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny Volana sy ny Masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'i Metona. Avy amin'io tetiandro io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.

Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355. Marihina fa ny salan'ny taona manaraka ny fihodin'ny Masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4 eo ho eo.

Tetiandro samaritana

Ny tetiandro samaritana dia tetiandro ampiasain'ny vahoaka atao hoe Samaritana. Ny Samaritana dia milaza ny tenany ho taranaka ny Istaelita nonina tao amin'ny Fanjakan'i Israely avaratra izay resahina ao amin'ny Baiboly. Nisaraka tamin'ireo Jiosy izy ireo tamin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. Mampiasa ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly) izy ireo, nefa ny fivavahana arahiny dia manana ny mampiavaka azy amin'ny jodaisma, ka isan'izany ny tetiandro ampiasain'izy ireo izay tsy mitovy amin'ny tetiandro jiosy.

Tetiandro manara-bolana sy masoandro ny tetiandro samaritana ka sahalahala amin'ny tetiandro hebreo ka ahitana taona manara-masoandro sy volana manara-bolana ary herinandro misy fito andro (izay manomboka amin'ny Alahady).

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.