Sinagoga

Ny sinagoga dia trano fivavahan'ny Jiosy na ny Samaritana isan-toerana. Ny tena niandohan'ny sinagoga, izany hoe ny toerana fivorian'ny mpino izay tafasaraka tamin'ny fivavahana ao amin'ny Tempoly, dia mety tamin'ny andron'ny mpaminany na tamin'ny andron'ny mpianatr'ireo mpaminany ireo (jereo ny ao amin'hy Bokin'i Isaia (Isa. 8.16 sy ny manaraka). Tamin'ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagoga, nefa nihamasina niandalana izy[2]. Teraka niaraka tamin'ny asan'i Ezra (na Esdrasa), amin'ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny jodaisma azy, ny sinagoga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagoga ka nahatonga ny teny hoe Sinagoga hanondro am-panoharana ny rafitry ny jodaisma, izay mifanohitra amin'ny Fiangonana kristiana[3].

Amin'ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagoga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny Bokin'ny Torah. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagoga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an'ny fandinihana (hebreo: בית מדרש / Beit midrash "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an'ny fivavahana fotsiny aza ny sinagoga tamin'ny voalohany dia nanjary toerana misy ny Talmud Torah, izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an'ny zaza izany na ho an'ny olon-dehibe. Izany fanjakan'izany anjara asa vaovaon'ny sinagoga izany no nahatonga an'i Filo avy any Aleksandria[4] sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny Jiosy any amin'ireo firenena askenazy miteny idisy izay manondro ny sinagoga amin'ny teny hoe didaskaleia na scuola na שול / shul, izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagoga, nefa tsy amin'ny fomba ara-penitra, indrindra any amin'ireo faritra askenazy[5].

Mampiasa ny teny hoe προσευχή / proseukhê ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao (amin'ny teny grika).

Synagogue Yohanan ben Zakkaï
Ny ao antin'ny Sinagoga Yohanan ben Zakkaï, iray amin'ireo sinagoga efatra sefarada[1] ao Jerosalema.

Teny iantsoana ny sinagoga

Ny teny hoe sinagoga (misy koa ny manoratra hoe synagoga) dia fanagasiana ny teny grika hoe Συναγωγή / Sunagôgê izay midika hoe "fiangonana" "fivoriana", izay fandikana grika ny teny hebreo hoe בית כנסת / beit kneset izay midika hoe "trano fivoriana" na "trano fiangonana" na בית תפילה‬ / bet tefila "trano fivavahana". Amin'ny teny idisy[6] dia atao hoe : שול / shul, fa amin'ny teny teny ladino[7] dia אסנוגה / esnoga na קהל / kahal.

Ny sinagoga araka ny literatiora

Ao amin'ny Testamenta Taloha

Na ny teny na ny hevitry ny hoe "sinagoga" dia tsy hita ao amin'ny Pentateoka na Torah (na dia milaza ny lovantsofin'ny Raby[8] sy i Filo avy any Aleksandria[9] ary i Flavio Josefa[10] fa ny sinagoga dia efa nisy tamin'ny andron'i Mosesy). Tsy voaresaka ao ihany koa ny amin'ny fiaraha-mivavaka, ka ny toeram-panaovana fanompoam-pivavahana voaresaka ao dia ny Tabernakely, izay fitoerana masina azo enti-mandehandeha sy mirakitra ny Fiaran'ny Fanekana ao amin'ny efitra atao hoe "masina indrindra". Io Fiaran'ny Fanekena io dia napetraka tao amin'ny Tempolin'i Solomona koa izay namboarina hitehirizana azy maharitra[11].

Ny firesahana voalohany ny amin'ny fivoriam-pivavahana ivelan'ny Tempoly dia hita ao amin'ny Bokin'i Isaia (Is. 8.16): vondron'ny mpianatra nivory niaraka tamin'ny mpaminany Isaia mba hihaino ny tenin'Andriamanitra sy ny Torah. Izany koa no miseho ao amin'ny Bokin'i Ezekiela (Ezek. 8.1) izay ahitana ny loholona ao Joda mivory ao an-tranon'i Ezekiela. Ny Salamo 74.8 izay dangamba nosoratana tamin'ny fahababoana voalohany, dia milaza ny amin'ny ivotoerana atokana ho an'Andriamanitra ao amin'ny firenena.

Araka ny Mishnah

Mety azo heverina ny nitomboan'ny sinagoga isa taorian'ny nandravana ny Tempoly faharoa: araka ny lovantsofin'ny raby voarakitra ao amin'ny Mishnah (hebreo: משנה)[12] (nangonina tamin'ny taona 200 eo ho eo, maherin'ny taonjato iray taorian'ny nandravana ny Tempoly faharoa), dia tsy maintsy ahitana batlanim folo farafahakeliny ny tanan-dehibe iray, fa raha tsy izany dia tanàna madinika izy; ny batlan dia olona niala tamin'ny asa aman-draharahany mba hanokana ny androny amin'ny fivavahana. Ny Mishnah dia mampianatra fa misy sinagoga amin'ny toerana rehetra izay ahitana minyan[13] izay afaka mivory na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona mba hivavaka raha misy lehilahy folo fara-fahakeliny.

Ao amin'ny Testamenta Vaovao

Ny Asan'ny Apostoly dia manambara koa fa ny sinagoga hita isan-tanàna dia efa nisy teo hatramin'ny taona maro (Asa 15.21), sady mitanisa sinagoga maro, ka ny sasany an'ireo olona afaka, ny sasany an'ny Kireniana ary ny hafa an'ireo Aleksandrina. Ny Talmud dia miresaka ny amin'ny sinagoga maro tany Mesopotamia, ka isan'izany ny tao Nehardea, ary sinagoga mihoatra ny 400 tao Jerosalema talohan'ny nandravana ny Tempoly faharoa, nefa ireo Evanjely dia miresaka ny amin'ny sinagogan'i Nazareta (Matio 13.54; Marka 6.2; Lioka 4.16) sy ny an'i Kapernahoma (Marka 1.21; Lioka 7.5; Joany 6.59). Nitoriteny tao amin'ireo sinagoga tao Damaskosy (Asa 9.20) sy tao Salamina any Kiprosy (Asa 13.5) sy tao Antiokia (Asa 13.14) sns i Paoly.

Ny faharavan'ny Tempoly faharoa dia nampitombo ny lanjan'ny sinagoga, satria tao amin'izy ireo no nanohizana ny fomba fanao tao amin'ny Tempoly afa-tsy ny fanaovana sorona, ary tao koa no afaka mivory ny minyan izay ahitana lehilahy folo. Nihamaro noho izany ny sinagoga tany am-pielezana. Ny sinagogan'i Aleksandria resahina ao amin'ny Talmud dia lehibe dia lehibe satria ny manoro ny mpiangona amin'ny alalan'ny fanofahofana lamba ny mpihira rehefa hampanonona ny "Amen".

Loharano sy fanamarihana

  1. Jiosy sefarada na Sefarada: Jiosy monina na tarak'ireo Jiosy nonina tao amin'ny Saikanosy Iberika (Espaina sy Portogaly indrindraindrindra).
  2. Dominique Iogna-Prat et Gilles Veinstein, "Lieux de culte, lieux saints dans le judaïsme, le christianisme et l’islam : Présentation" [tahiry], Revue de l’histoire des religions, no 4 | 2005.
  3. "Synagogue" [tahiry], Encyclopædia Britannica (1911) (notsidihina 28 Aogositra 2007)
  4. Philo, Spec. 2.61–62
  5. Ny Askenazy dia ireo Jiosy ao Eoropa afovoany sy atsinanana.
  6. Ny fiteny idisy (hebreo: ייִדיש na יידיש na אידיש / yiddish) dia fiten'ireo jiosy any Eoropa afovoany sy atsinanana na Askenazy.
  7. Ny fiteny ladino dia fiteny espaniolan'ny Jiosy izay fifangaroan'ny fiteny espaniola sy fiteny hebreo.
  8. Targoman'i Jerosalema momba ny Eksodosy 18.20 sy ny 1Tantara 16.39; Rachi et Radak momba ny Jeremia 39.8, ny "tranon'ny vahoaka" (bet amma amin'ny teny arameana) izay milaza ny sinagoga.
  9. Filo avy any Aleksandria, De Vita Mosis III, 27
  10. Flavio Josefa, Contra Apionem II, 17
  11. Ny teny grika hoe συναγωγή / sunagôgê dia ampiasaina nanaomoka tamin'ny Septoajinta mba handikana ny teny hebreo hoe קָהָל / qahal. Mitranga matetika io teny io satria miseho mihoatra ny in-100 ao amin'ny Pentateoka. Hita ao amin'ny Gensisy 28.3 ohatra io teny io ka adika amin'ny teny hoe fiangonana (fiangonan'ny vahoaka) sy ny Genesisy 35.11.
  12. Ny Mishna (hebreo: משנה / mishna "famerimberenana") dia loharano avy amin'ny raby voalohany sy manan-danja indrindra nangonina avy amin'ny fanangonana ireo lalàna jiosy voatahiry am-bava.
  13. Ny minyan (hebreo: מִנְיָן / minyan na מִניָנִים / minyanim) dia ny isa farany ambany (lehilahy lehibe folo) ilaina raha hanonona ireo vavaka manan-danja amin'ny fotoam-pivavahana na lanonana (fora, fampakaram-bady, fisaonana, sns).
Bokin'i Ezra

Ny Bokin'i Ezra na Bokin'i Esdrasa dia boky ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana. Mitantara ny fiverenan’ireo babo an-tanidrazana voalohany avy any Babilona, ny nahavitana ny Tempoly vaovao ao Jerosalema, ny iraka notanterahin’i Ezra tao Jerosalema ary ny ezaka nataony hanadiovana ireo Jiosy (na Jody) nanambady vehivavy tsy Jiosy ny Bokin’i Ezra. Mampiseho ny fomba nampihamatanjaka ireo rafitry ny fivavahana jiosy niforona nandritra ny Fahababoana, dia ny sinagoga, ny famakiana ireo Bokin'ny Lalàna sy ny Bokin’ny Mpaminany, ny mpanoradalàna, ny Sinedriona, sns koa io boky io.

Didy Folo

Ny Didy Folo dia fitambaran-tsoratra mirakitra toromarika momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana izay hita ao amin'ny Baiboly sady voalaza ao fa nosoratan'ny "tanan'Andriamanitra" tamin'ny vato fisaka sy nomeny an'i Mosesy (na Môizy) tao amin'ny tendrombohitra Sinay (na Horeba). Amin'ny teny hebreo dia atao hoe עֲשֶׂרֶת הַדִּבְּרוֹת / ʿAsereth ha-Diberoth izay midika hoe "teny folo" ny Didy Folo, ary amin'ny teny grika dia δεκάλογος / dekálogos izay midika hoe "teny folo" ihany koa (Jereo: Eksodosy 34:28; Deoteronomy 4:13).

Epistily nosoratan'i Jakoba

Ny Epistily nosoratan'i Jakoba na Epistola nosoratan'i Masindahy Jakoba na Taratasy nosoratan'i Masindahy Jakoba dia boky ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly kristiana izay isan'ireo atao hoe epistily. Mitonon-tena ho i Jakoba ny mpanoratra azy ary nosoratany "ho an'ny foko roa ambin'ny folo" izany. Isan'ireo atao hoe Epistily katolika io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an'ny fiangonana sy ny olona rehetra. Tokony ho teo anelanelan'ny taona 49 sy 132 no nanoratana azy. Tamin'ny taonjato faha-2 vao nekena ho isan'ny kanonan'ny Baiboly kristiana tanteraka ny Epistilin'i Jakoba na dia efa nampiasain'ny ankamaroan'ny fiangonana kristiana ankapobeny aza izy talohan'izany fotoana izany.

Epistily voalohany ho an'ny Korintiana

Ny Epistily voalohany ho an'ny Korintiana na Tararasy voalohan'i Masindahy Paoly ho an'ny Kôrintianina dia boky ao amin'ny Baiboly ao amin'ny Testamenta Vaovao izay isan'ireo atao hoe epistily. Taratasy voalohany nalefan'ny Apostoly Paoly ho an'ny fiangonana kristiana tany Korinto izany. Teo anelanelan'ny taona 50 sy 57 no nanoratany azy.

Fariseo

Ny Fariseo dia ireo Jiosy amin'ny antoko iray tao Jodea nandritra ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa, izany hoe tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe farisaisma na farizianisma ny firehan-kevitra ara-pivavahan'izy ireo. Maro ny fampianaran'ny Fariseo izay tafakambana ao amin'ny lovatsofin'ny Raby. Miavaka ny fampianaran'ny Fariseo noho izy mifototra amin'ny Torah am-bava mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin'ny Fariseo dia ny boky nosoratan'i Flavio Josefa sy ny Testamenta Vaovao ary ny soratr'ireo Raby.

Jiosy

Ny Jiosy na Jody dia ireo Zanak'i Israely niaina taorian'ny fahababoana tany Babilona, na ny olona manaraka ny fivavahana jodaisma. Israely no tany fiavian'ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia nomen'i Iahveh Andriamanitra azy ireo io tany io. Taty aoriana anefa dia niparitaka eran-tany ny Jiosy nefa tafaverina tao Israely indray ny sasany aminy ka nanorina ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Miisa any amin'ny 14 000 000 ny Jiosy amin'izao.

Jiosy igbo

Ny Jiosy igbo na Jiosy ibo dia isan'ny foko igbo ao Nizeria izay manaraka ny fivavahana jiosy sady milaza ny tenany fa tavy amin'ny fifindra-monin'ny Hebreo sy ny Jiosy taty aoriana, avy tany Afrika Avaratra sy tany Egipta ka nankany Afrika Andrefana. Ny lovantsofina ao amin'ireo Igbo ireo dia mitantara fa io fifindra-monina io dia niseho tany amin'ny 1500 taona tany aloha. Ny ankamaroan'ny Jiosy anefa dia tsy mihevitra ny Igbo ho tena Jiosy.

Ny Igbo dia milaza ny tenany fa avy amin'ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Naftaly sy ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Levy sy ny fokon'i Zebolona ary ny fokon'i Gada. Izany fiheverana izany anefa tsy voamarin'ny fandalinana tsara ny tantara. Ny mpahay tantara dia nandinika ny literatiora ara-tantaran'i Afrika Andrefana tamin'ny vanimpotoan'ny fanjanahantany sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin'izany fiheverabna izany ho an'ireo olona manohana sy nanoratra izany .

Amin'izao fotoana izao dia misy sinagoga miisa 26 ny any Nizeria ary ny vahoaka jiosy igbo dia heverina fa miisa 40 000 any ho any, raha miisa 140 000 000 ny Nizeriana. Ny Igbo any Abuja no betsaka indrindra ary no ahitana ny singogan'i Gihon sy ny an'i Port Harcourt ao amin'ny tapany atsimon'i Nizeria. Ny fivavahan'ny Jiosy igbo dia tarihin'ny raby Hoxard Gorin.

Tsy ny Jiosy igbo ihany no foko ao Nizeria miaiky ny tenany fa taranaka jiosy, fa ao koa ny foko hafa izay samy manaraka ny jodaisma ka ny sasany aminy dia ao amin'ny foko Iôroba.

Joany apostoly

I Joany na Jaona na Johany dia isan'ireo mpianatr'i Jesoa (na Jesosy) roa ambin'ny folo lahy. Atao hoe Joany zanak'i Zebedio koa izy sady rahalahin'i Jakoba zanak'i Zebedio. Mpanjono ny asany. Misy ny mpandinika mihevitra fa i Joany apostoly dia tsy iza fa i Joany evanjelista ihany. Ao koa anefa ireo mandà izany. Fanampin'izany dia heverin'iretsy farany fa tsy olon-tokana no nanoratra ny Filazantsaran'i Jaona.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Jodaisma helenistika

Ny jodaisma helenistika dia endriky ny fivavahana jiosy izay vokatry ny fihaonan'ny fivavahana hebreo amin'ny kolontsaina grika izay heverina fa nanomboka tamin'ny nanjakan'i Aleksandra Lehibe. Izany endriky ny jodaisma izany no nipoiran'ny vahoaka jiosy atao hoe Romaniota ary izy koa no nampiditra ny fihetsiketsehan'ny jodaisma miankina amin'ny sinagoga fa tsy amin'ny tempoly tamin'ny Andro Taloha.

Kafarnahoma

I Kafarnahoma na Kapernaomy dia tanana kely onenana mpanjono ao amin'ny faritanin'i Galilea (na Galilia), eo ampita avaratra-andrefan'ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy izay atao hoe koa Genesareta na Jenezareta) ao amin'ny tapany avaratry ny Fanjakan'i Israely. Tamin'ny fitondran'ireo Hasmoneana, dia teo anelanelan'ny 6 sy 10 ha ny velaran'ity tanàna ity ary miisa 1 700 eo ho eo ny mponina ao aminy .

Levy (zanak'i Jakoba)

I Levy (hebreo: לֵּוִי‎ / Levi na Lewi) dia olona resahina ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Genesisy. Zanakahahy fahatelon'i Jakoba izy. I Lea no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). Ny taranak’i Levy no atao hoe fokon'i Levy na Levita izay nisahana ny asam-pisoronana tao amin’ny Zanak’i Israely.

Zafin’i Abrahama sy i Isaka i Levy. Nizara ho fianakaviana telo ny taranak’i Levy tamin’ny andron’ny fahandevozana tao Ejipta, dia ny fianakavian’i Gersona sy ny an’i Kehaty (na Kohaty) ary ny an’i Merary. I Levy no rain’i Iokebeda (vehivavy) izay niteraka an’i Miriama sy i Mosesy ary i Arona tamin’i Amrama (zafin’i Levy). I Robena sy i Simeona sy i Joda sy i Isakara ary i Zebolona no rahalahiny iray reny aminy ary i Dina no anabaviny iray reny aminy.

Nandray anjara tamin’ny famonoana ireo lehilahy tao an-tananan-dry Sikema (na Sekema), noho ity farany nandry an-keriny tamin’i Dina, izy niaraka tamin’i Simeona (Gen. 34.25-26) ka nozonin-drainy noho izany (Gen. 49.7).Nisahana ny anjara asa mpisorona sy ny fitsarana sy ny fampitana ny fahalalana (indrindra ny fahalalana ny Torah) amin’ny Israelita rehetra ny Levita ka miaro azy ny foko 11 sisa.

I Mosesy no Levita fantatra indrindra teo amin’ireo Hebreo; rahalahiny I Arona izay nanjary mpisoronabe voalohany teo amin’i Israely.

I Levy no lohan’ny fianakavian’ny mpisorona ka noho izany dia tsy nahazo anjara tany manokana tamin’ny fizarana tany tao Kanana ny fokon’i Levy (ny Levita). Nisy tanàna miisa 48 anefa nonenany sy nananany fahefana ara-politika sy ara-toekarena eran’ny tanin’i Israely. Nanana tombotsoa manokana ny Levita ka hita hatrany amin’ny fanompoana ao amin’ny sinagoga mandraka ankehitriny izany.

Malakia

I Malakia na Malaky dia mpaminany israelita tamin’ny taonjato faha-5 izay heverina, araka ny lovantsofina, fa nanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly izay mitondra ny anarany, dia ny Bokin’i Malakia.

Septoaginta

Ny Septoaginta na Septanta na Septoajinta izay hafohezina amin'ny tarehimarika romana hoe LXX (midika hoe "fitopolo"), dia dikan-tenin'ny Baiboly jiosy amin'ny fiteny grika koine. Niitatra ny zavatra tondroin'ny teny hoe Septoaginta ka nahafaoka ny ny dikan-tenin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) manontolo fa tsy ny Torah ihany. Ny Jodaisma anefa tsy nandray ny Septoaginta fa nitoky tamin'ny Baiboly amin'ny teny hebreo ihany, sy amin'ny dikan-teny grika na arameana (Targoma) manakaiky kokoa ilay amin'ny teny hebreo.

Araka ny lovantsofina taterin'ny Taratasin’i Aristea tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K., ny fandikan-teny ny Torah, hono, dia notanterahin'ny mpandika teny miisa 72 tao Aleksandria, tokony ho tamin'ny taona 270 tal. J.K. araka ny fangatahan'i Ptolemaiosy II.

Mampiavaka ny Septoaginta amin'ny Tanakh ny fanoloana ny teny hebreo hoe יהוה‬ / Ihwh (ilay nogasina hoe Jehovah na Iahveh) ho Kύριος / Kúrios fotsiny amin'ny teny grika (izay midika hoe "Tompo").

Targoma

Ny Targoma dia dikan-teny arameana am-bava somary ara-bakiteny amin'ny ampahan'ny Baiboly hebreo ampiasaina ao amin'ireo sinagoga tany Palestina sy Babilona. Taorian'ny fahababoana babiloniana tamin'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nosoloan'ny fiteny arameana ny fiteny hebreo ka nilaina ny hanazava ny hevitry ny Baiboly hebreo. Vitsivitsy amin'ireo Targoma am-bava maro no sisa voasoratra amin'izao fotoana izao, ka isan'ireo:

ny targoma avy ao Jodea: targoma amin'ny Torah, izay fantatra amin'ny anarana hoe Targoman'i Onkelosy (Targum Onkelos), sy ny targoma amin'ny Mpaminany (Nevi'im) atao hoe Targoman'i Jonatana (Targum Yonathan);

ny targoma voasoratra taty aoriana kokoa sady tsy feno atao hoe Targoman'i Jerosalema (Targum Yerushalmi) izay momba ny Pentateoka (na Torah);

ary ny targoma amin'ny amin'ny Salamo, ny Joba, ny Ohabolana, ny targoma dimy atao hoe Megilà, izany hoe "sora-tanana", dia ny Tononkira dia Tononkira, ny Rota, ny Fitomaniana, ny Estera, ny Mpitoriteny (na Eklesiasta), ny Tantara, ary ny fanampin'ny Bokin'i Estera.Atao hoe תרגום / targum ny targoma amin'ny teny hebreo.

Tempolin'i Jerosalema

Ny Tempolin'i Jerosalema, araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin'ny Israelita tao Jerosalema mba hampitoerana ny Fiaran'ny fanekena. Noravan'ny tafik'i Babilona izy ary natsangana indray teo ambany fitarihan'i Ezra (na Esdrasa) fitopolo taona taty aoriana ary farany naravan'ny Romana tanteraka tamin'ny taona 70 taor. J.K.

Hita ao amin'ny Bokin'ny Mpanjaka ao amin'ny Baiboly ny antsipiriany momba ny Tempoly voalohany. Nampahafantarin'Andriamanitra mialoha ny mpanjaka Davida fa ny taranany no hanamboatra io tempoly io, araka ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam. 7), ary vita izany tamin'ny andro nanjakan'i Solomona izay nanatanteraka ny fanorenana araka ny toromarika nomen'Andriamanitra. I Hirama, mpanjakan'i Tiro no nanome ny hazo sedera sy kipresy sy ny volamena ary ny olona ilaina amin'ny fanamboarana ny tempoly.

Ny anarana omena ny tempoly ao amin'ny Baiboly hebreo dia Beit IHVH ("Tranon'i Iahveh") na Beit HaElohim ("Tranon'Andriamanitra") na Beiti ("Tranoko") na Beitekhah ("Tranonao"). Ao amin'ny literatiora rabinika dia atao hoe Beit HaMikdash ("Trano Masina" na "Tempoly Masina").

Tempoly Faharoa

Ny Tempoly faharoa eo amin'ny fivavahana jiosy dia ny Tempolin'i Jerosalema naorina tamin'ny taona taona 536 tal. J.K. sady vita tamin'ny taona 515 tal. J.K., taorian'ny fahababoan'ny Jiosy tany Babilona izay nasolo ny Tempoly voalohany (atao hoe Tempolin'i Solomona) noravan'ny Babiloniana tami,'ny taona 586 tal. J.K. Narodan'ny Romana izany tempoly izany tamin'ny taona 70 taor. J.K.

Tendrombohitra Garizima

Ny tendrombohitra Garizima na tendrombohitra Gerizima dia tendrombohitra ao Jordania Andrefana eo akaikin'i Nablosa ao amin'ilay faritra atao hoe Samaria ao amin'ny Baiboly. Io tendrombohitra io dia toerana masina ho an'ny Samaritana. Voasoratra ao amin'ny Torah samaritana io tendrombohitra io fa tsy hita ao amin'ny Torah jiosy.

Amin'ny fiteny hebreo samaritana izy dia atao hoe Ar-Garzim io tendrombohitra io, amin'ny fiteny arabo dia جبل جرزيم / Jabal Jarizīm, na جبل الطور‎ / Jabal et Tur, amin'ny fiteny hebreo jiosy kosa dia הַר גְּרִיזִּים / Har Gerizim.

Mirefy 881 metatra ny tendrombohitra Garizima ary mideza dia mideza ny ao amin'ny tahezany avaratra sady rakotra ahitra ny tampony. Isan'ireo tendrombohitra avo indrindra ao Jordania Andrefana sy ao Israely izy. Misy loharano mangatsiatsiaka mivoaka ny eny amin'ny fotony rehefa lohataona. Tanàna madinika roa no miorina eo amin'ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har Brakha (tanàna jiosy) (hebreo: הַר בְּרָכָה, izay midika hoe "Tendrombohitry ny Fitahiana").

Teolojia

Ny teolojia dia taranja na vondron-taranja atao hianarana sy hahalalana ny amin'Andramanitra, na ny amin'ny hoe "andriamanitra", amin'ny alalan'ny fandraisan'anjaran'ny fisainan'olombelona ho enti-manazava sy handaminana bebe kokoa izay zavatra fantatra tamin'ny alalan'ny fanambaràna ka miantefa amin'ny finoana.

Na dia tao amin'ny fivavahana kristiana aza no tena nahafantarana ny fanaovana teolojia dia maro koa ireo fivavahana manao telojia ka isan'izany ny fivavahana silamo sy ny jodaisma. Tsy ny tontolon'ny fivavahana ihany no ahitana teolojia fa ahitana azy koa ny taranja filozofia toy ny sampan-taranja metafizika (dia ilay atao hoe onto-teolojia). Tsy ny finoana rehetra koa tsy akory no manaiky ny fanaovana teolojia fa misy ireo izay mitsipaka an'izany ka mihevitra fa tsy mety hifangaro amin'ny zavatra momba ny finoana na hanampy zavatra hafa tsy araka ny fanambaràna tokony hiantefa amin'ny finoana ny teolojia.

Amin'izao fotoana izao dia maro ny sekoly sy oniversite ianarana teolojia nefa ny sasany dia tsy miankina amin'antokom-pivavahana ka ny mpianatra sy ny mpampianatra ao dia tsy voatery ho olona mino.

Fomba fiasa voasaina no entina manao ny fanakarana ny momba an'Andriamanitra sy ny manodidina azy ao amin'ny teolojia hany ka nisy fotoana tsy niaingan'ny mpanao teolojia tamin'ny Soratra Masina, izay vokatry ny fanambaràna, hanakarana ny tontolon'Andriamanitra fa tamin'ny fisainany irery ihany.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.