Senakeriba


I Senakeriba na Sankeriba dia mpanjakan'i Asiria tamin'ny taona 705 hatramin'ny 681. Zanak'i Sargona II izay niara-nanapaka taminy fony fahavelon'io izy.

Boky faharoan'ny Mpanjaka

Ny Boky faharoan'ny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana na ara-tantara. Ao amin’ny Tanakh izy dia isan’ireo bokin'ny mpaminany. Manohy ny tantaran’ny Fanjakan'i Joda sy ny an'i Isiraely izay niantomboka tao amin’ny Mpanjaka voalohany ity boky ity.

Io boky io dia mitantara ny nanjakan’ireo mpanjaka tsirairay hatramin’i Ahazia (na Okoziasa) ka hatramin’ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda. Aseho tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy ny an'i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Ny Fanjakan’i Isiraely dia rava voalohany ka ny Asiriana no nahavita izany, fa ny Fanjakan’i Joda kosa no rava farany tokony ho 130 taona taorian’izany tamin’ny fanafihan’ny Babiloniana.

Asehon’ny boky fa navela ho rava ny Fanjakan’i Israely sy ny Fanjakan’i Joda noho izy ireo nanjakan’ny tsy finoana an’Andriamanitra. Talohan’izany dia nandefa mpaminany Andriamanitra mba hananatra ny vahoaka sy ireo mpanjaka tsy hanompo andriamani-kafa fa hiverina amin’ny finoana marina, nefa tsy nisy vokany firy izany.

Edoma

I Edoma dia anaran'ny firenena tao atsimon'ny Ranomasina Maty ao amin'ny tapany atsimon'i Israely sy Jordania ankehitriny. Araka ny Baiboly dia taranak'i Esao (izay antsoina hoe Edoma koa) ny mponin'i Edoma izay atao hoe Edomita, dia i Esao izay lahimatoan'i Isaka sady kambana tamin'i Jakoba razamben'ny Israelita.

Toy ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy dia nipoitra tamin'ny Andron'ny Vy ny Fanjakan'i Edoma ka naharitra hatramin'ny taonjato faha-8 sy faha-6 tal. J.K.

I Edoma sy i Israely dia samy tao Palestina tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. ka i Edoma tao atsimon'i Israely sy Moaba.

Tsy nifanaraka i Edoma sy ny firenena hafa nanodidina azy fa niady matetika niady tamin'ny Fanjakan'i Jodà sy tamin'ny Fanjakan'i Moaba. Mety nanana mpanjaka talohan'i Israely i Edoma, nefa teo anelanelan'ny taonjato faha-10 sy faha-6 tal. J.K. dia nanjakan'ny Fanjakan'i Israely na ny an'i Jodà matetika izy.

Ny Boky voalohan'ny Mpajaka ao amin'ny Baiboly dia miresaka ny amin'ny andriandahy edomita atao hoe Hadada izay nataon'ny mpanjaka Davida sesitany sady niady tamin'ny mpanjaka Solomona taty aoriana amin'ny fifehezana ny lalana mankany amin'ny seranan'i Eilata sy mankany amin'ny toeram-pitrandraham-barahina ao.

Tamin'ny vanimpotoana najakazakan'ny Asiriana sy ny Babiloniana no tena nampamirapiratra ny Edomita. Tamin'ny tapany faran'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nanjaka tao amin'ny tapany atsimon'i Palestina i Edoma. Io no atao hoe Idomea tamin'ny fotoana nampatanjaka ny kolontsaina grika (helenika). Avy ao Idomea i Heroda Lehibe izay nanapaka tao Jerosalema taty aoriana.

Fahababoana tany Asiria

Ny fahababoana tany Asiria na sesitany tany Asiria dia fotoana teo amin'ny tantaran'i Israely taloha sy i Joda izay nanaovan'ny Asiriana sesitany olona israelita anarivony avy tao amin'ny Fanjakan'i Israely avaratra (Samaria). Isan'ireo famindram-ponenana maro izay nataon'ny Empira asiriana vaovao izany. Ny Fanjakan'i Israely avaratra dia babon'ilay mpanjakan'i Asiria atao hoe Teglatfalasara III (na Tiglato-pilesera) sy i Salmanazara V (Salmanesera). Ny mpanjaka asiriana faramparany, dia i Sargona II sy ny zanany mpandimby azy Senakeriba, dia tompon'andraikitry ny fiafaran'ny roapolo taona naharava ny Fanjakan'i Israely any avaratra nonenan'ny foko folon'i Israely, na dia tsy afaka nandrava ny Fanjakan'i Jodà any atsimo aza izy ireo. Natao fahirano i Jerosalema nefa tsy azon'ny mpanao fahirano. Ireo foko nataon'i Asiria sesitany no atao hoe "Foko folo very" taty aoriana.

Farao

Ny farao na faraona dia ny mpanjakan'i Egipta tamin'ny Andro Taloha. Ao amin'ny Baiboly dia lasa anaran-tsamirerin'ny mpanjakan'i Egipta ny teny hoe Farao na Faraona. 345 ny isan'ny farao fantatra anarana izay nifandimby nanjaka nandritra ny taonarivo telo, teo anelanelan'ny taona 3150 tal. J.K. sy 30 tal. J.K. (taona nahataperan'ny fahaleovan-tenan'i Egipta izay azon'ny Fanjakana romana). Sady mpanjaka ny farao no natao hoe koa andriamanitra sady mpisorona. Ny malaza indrindra amin'ireo farao ireo dia ilay resahina ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ao amin'ny Baiboly, dia ilay mpanjaka voalaza fa nanohitra ny fikendren'Andriamanitr'i Mosesy sady heverina ho i Ramses II (na Rameses II).

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.