Sefarada

Ny Sefarada na Jiosy sefarada dia iray amin'ireo fizarana lehiben'ny vahoaka jiosy araka ny toerana niaviany ka manondro ny Jiosy tamin'ny Andro Antenantenany nonina tao amin'ny saikanosy Iberika (Espaina indrindraindrindra) sy tao Afrika Avaratra ary manondro koa ny taranak'izy ireo, izany hoe ny fitambaran'ny vahoaka jiosy tsy Askenazy.

Ny Jiosy tao amin'ny faritra be Kristiana tao amin'ny saikanosy Iberika dia voenjika mafy, tsy nitovy amin'ireo Jiosy tamin'ny faritra be Miozolmana, ka nitsoaka avy ao tamin'ny taona 1492 taorian'ny nahazoan'ny Kristiana ny faritra sisa farany nisy Miozolmana sy tamin'ny fanambarana an'i Espaina. Nitsoaka nankany Afrika Avaratra sy tany amin'ireo fari-tany any atsinanana amin'ny Empira otomàna izy ireo, avy eo nanorina vondron'olona maro tany Frantsa, tany Holanda, tany Angletera, tany Italia, tany ami'ireo Balkàna, sns.

Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia ny fiteny jodeo-kastilàna, atao hoe fiteny ladino. Manaraka ny fomban'ny Jiosy babiloniana izy ireo, fa tsy tahaka ny Askenazy izay mifikitra amin'ny fomban'ny Jiosy palestiniana.

Anondroana ireo Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any Atsinanana Akaiky miteny arabo sy persàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin'ny faritra eoropeana koa ny teny hoe Sefarada. Ny ankamaroan'izy ireo dia nanaraka ny fomba jiosy babiloniana noho ny fifampikasohany amin'ny Sefarada, ka izany no antony anondroana azy ireo amin'ny anarana hoe Sefarada koa.

Jereo koa

Askenazy

Ny Askenazy dia iray amin'ireo fizaràna lehiben'ny vahoaka jiosy izay navahana noho ny toerana niaviany sy ny fombam-pivavahana aman-kolontsaina arahiny. Ny vahoaka jiosy maro anisa manampy an'io dia ny Sefarada.

Ny teny hoe Askenazy dia nampiasaina tamin'ny Andro Antenantenany mba hanondroana ny vahoaka jiosy nonina tao Eoropa Avaratra, avy any Afovoany ka hatrany Atsinanana ary koa anondroana ny taranany na dia tsy mipetraka amin'ireo faritra ireo aza. Tamin'ny taonjato faha-10 no nampiasana voalohany ny anarana hoe Askenazy hanondroana an'i Alemaina izay nanombohan'ny vondrom-bahoaka jiosy maro niorim-ponenana. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, any Polonia sy any Litoania ary any Rosia tamin'ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin'ny Jiosy askenazy ny nifindra monina any Amerika Avaratra sy tany Israely tamin'ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin'ny fiteny jodeo-alemàna atao hoe fiteny idisy ny Askenazy.

Bene Israely

Ny Bene Israely dia iray amin'ireo vondrona jiosy telo niaina tany India hatramin'ny tapany faharoan'ny taonjato faha-20. Ny Bene Israely no vahoaka maro anisa indrindra amin'ireo Jiosy monina any amin'ny zana-kontinenta indiana, sady izy ireo no mahamaro ireo antsoina hoe Jiosin'i Bombay.

Taorian'ny nahafantarany ny jodaisma tamin'ny taonjato faha-19 dia nifindra monina avy any amin'ny tanàna kely any Konkan nankany amin'ireo tanàn-dehibe akaiky azy ny Bene Israely, ka isan'ireo tanàna ireo i Mumbai , i Pune, i Ahmedabad ary i Karachi . Araka ny lovantsofin'ny Bene Israely, taorian'ny taonjato nandehandehanana namakivaky an'i Israely ao Azia Andrefana, ny razamben'izy ireo dia nifidra tanyIndia ka nifangaro tsikelitsikely tamin'ny vahoaka manodidina, nefa nihazona ny fomba mampiavaka ny Jiosy. I David Rahabi, izay Jiosy indiana, dia nahita ny Bene Israely tamin'ny taonjato faha-18 ka nahamarika ny fomba amam-panao jiosy teo amin'izy niainan'izy ireo.

Ny mpahay tantara sasany dia manamarika fa ny razamben'ny Bene Israely dia isan'ny iray amin'ireo foko verin'i Israely . Ny manampahefana jiosy anefa tsy manaiky ny Bene Israely ho iray ami'ireo foko very. Tamin'ny taona 1964 dia nanambara ny fikambanan'ny raby ao Israely fa Jiosy tanteraka ny Bene Israely .

Ny Report of the High Level Commission on the Indian Diaspora (2012) dia nandinika ny fiainana tao Israely ho an'ny Bene Israely ka nahita fa ny tanànan'i Beerseba ao amin'ny tapany atsion'i Israely, no ahitana ny ankabetsahan'ny vahoaka Bene Israely, ka any Ramla no tena maro azy ireo. Karazana vaovao amin'ny fianakaviana miparitaka amim-pirenena samihafa izy ireo. Amin'ny ankapobeny dia dia mandray anjara loatra amin'ny resaka politika ny Bene Israely. Tsy nisy fifandraisana ara-toekarena hentitra amin'i India izy ireo sady vofetra ny satany ara-politika ao Israely. Ireo Jiosy avy any India ireo dia kilasina ho Sefarada; nikambana tsara tamin'ny vahoaka sefarada ao Israely izy ireo .

Beta Israely

Ny Beta Israely dia vahoakan'i Etiopia izay antsoina hoe Falasha koa tany aloha. Atao hoe Jiosy etiopiana izy ireo ao Israely. Ny Beta Israely sasany, sy ny manampahaizana jiosy maro, dia mihevitra fa taranaky ny fokon'i Dana izy ireo, tsy araka ny tantara nifandovana izay milaza azy ireo fa taranaky ny mpanjakavavin'i Saba (na Seba) . Ny fomban'ny Beta Israely dia mifandray amin'i Jerosalema hatramin'izay.

Ny fiavian'ny Beta Israely dia tsy tena voafaritra mazava. Nonina ao amin'ny tapany avaratr'i Etiopia izy ireo nandritra ny taonjato maro, indrindra ao amin'ny faritanin'i Gondar sy ny faritanin'i Tigre. Nanangana fanjakana madinika maro mahaleotena izy ireo ka tsy rava izany raha tsy tamin'ny taonjato faha-17, tamin'ny naharesen'ny fanjakan'i Etiopia azy ireo ary lasa vahoaka vitsy anisa nailikilika tsy afaka manana tany sady ampangaina ho manana fijery mitondra loza.

Ny fanadihadiana ny fototarazo dia naneho fa taranaka Etiopiana izy ireo, nefa tamin'izao taonjato faha-21 izao dia nisy fanadihadiana hafa izay naneho fa mety taranaky ny Jiosy niaina tany amin'ny taonjato faha-4 na faha-5 izy ire, angamba tao Sodàna . Ny Beta Israely dia nifandray amin'ny vahoaka jiosy tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-20. Tamin'ny taona 1973 i Ovadia Yosef, ilay raby lehibe sefarada, raha nifototra tamin'ny Radbaz sy ny fitantarana hafa, dia nanambara fa Jiosy ny Beta Israely ka tokony ho entina any Israely. Roa taona taty aoriana dia nohamafisi'ny manampahefana hafa izany fanambaràna izany, indrindra ny raby askenaza Shlomo Gioren.

Ny fivavahana jiosy tandrefana dia nifampikasoka tamin'ireo Beta Israely tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-20 dia voafaritra amin'ny fomba lalina sady nisongadina ny maha izy azy ny Beta Israely ka nahatonga azy ireo hihevitra ny tenany ho Jiosy amin'izay fa tsy ho Beta Israely fotsiny.

Bney Menase

Ny Bney Menase dia vahoaka aziatika any amin'ireo fanjakana any amin'ny tapany avaratra atsinanan'i India, any amin'ny sisin-tany birmana, dia i Manipur sy i Mizoram, izay fantatra amin'izao fa manam-piaviana jiosy. Hatramin'ny taonjato faha-20 ka hatramin'izao dia ny vondrona atao hoe Chin sy Kuki ary Mizo ao amin'io faritra io no milaza ny tenany fa taranaky ny iray amin'ireo foko folo verin'i Israely ka nadray ny jodaisma ho fivavahany. Tamin'ny faran'ny taonjato faha-20 ny raby Eliyahu Avichail, ao amin'ny vondrona Amishav, dia nanome anarana ireo olona ireo hoe Bnei Menashe ("zanak'i Manase"), araka ny fitantaran'izy ireo ny maha taranak'i Manase azy. Ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ireo fanjakana roa resahina eo ambony ireo, izay miisa maherin'ny 3 700 000 sady manana ny fomba amam-panao azy ireo tsirairay, dia tsy manao ny tenan'izy ireo ho taranaka israelita.

Ny ankamaroan'ny Bney Menase dia nanaraka ny fivavanana kristiana. Nefa tamin'ny taona 1951 dia nilaza ny iray amin'ny mpitarika azy fa nahita tamin'ny nofy ny maha tanindrazan'ny vahoanany an'i Israely. Efa hatramin'ny taona 1950 izy ireo no nanambara fa taranaky ny fokon'i Manase izay nitady fialofana tany amin'ny faritra faran'izay lavitra any Azia. Hatramin'ny faran'ny taonjato faha-20 no mankaty dia misy ny nandray ilay hevitra manao azy ireo ho Jiosy, nefa mitohy ny finoan'izy ireo ny maha Mesia an'i Jesoa (Jodaisma mesianika). Nanomboka tamin'ny taona 1970 ny Bney Menase dia nianatra sy niaina ny jodaisma noho izy ireo maniry ny hiverina amin'izay inoany fa fivavahan-drazany. Araka ny Shavei Israel (fikambanana israeliana mitady ireo foko folo very) dia miisa 10 000 eo ho eo ny Bney Israely.

Tamin'ny Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny raby lehibe sefarada ao Israely (Rabbi Shlomo Amar) dia resy lahatra ny amin'ny maha taranak'i Israely ny Bney Menase, ka nanaiky ny fitakian'izy ireo ny maha taranaka jiosy.

Ny 1000 amin'izy ireo dia monina ao Israely amin'izao fotoana izao, sady efa niova finoana ho amin'ny jodaisma. Ny 7000 hafa dia mbola monina any Mizoram (fanjakana any India avaratra atsinanana) miandry ny fiovam-pinoany ho amin'ny jodaisma ofisialy.

Fiteny ladino

Ny fiteny ladino na fiteny jodeo-espaniola dia fiteny avy amin'ny fifangaroan'ny fiteny kastilàna tranainy (ny fiteny espaniola) sy ny fiteny hebreo. Maro ny Jiosy sefarada taranak'ireo Jiosy voaroaka avy any Espaina tamin'ny taona 1492 izay miteny ladino ao amin'ny faritra midadasika amin'ny tany lemaka manodididina ny Ranomasina Mediteranea. Ny fiteny jodeo-espaniola dia tsy tokony hafangaro amin'ny fiteny jodeo-katalàna mifanakaiky aminy, ary ny hoe fiteny ladino dia tsy tokony hafangaro amin'ny fiteny ladîna, izay fiteny reto-romana tenenin'ny olona ao amin'ny Dolomita italiana.

Foko folo very

Ny foko folo very, araka ny Baiboly hebreo, dia foko nonina tao amin'ny Fanjakan'i Israely, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe Fanjakan'i Samaria, talohan'ny faharavan'ity fanjakana ity tamin'ny 722 tal. J.K. ka tsy hita intsony hatramin'izay.

Horonam-boky dimy

Misy dimy ireo boky atao hoe חמש מגילות / Hamesh Megillot, ao amin'ny Baiboly hebreo, ao amin'ny sokajy Ketuvim ("Soratra"), izay midika hoe "horonam-boky dimy", dia ireto avy :

Sefer Shir Hashirim (ספר שִׁיר הַשִּׁירִים) (Tononkira Fanaperana)Sefer Ruth (ספר רות) na Megillat Ruth (מגילת רות) (Rota)Sefer Eikhah (ספר אֵיכָה) (Fitomaniana)Sefer Qoheleth (ספר קֹהֶלֶת) (Mpitoriteny)Sefer Ester (ספר אסתר) na Megillat Ester (מגילת אסתר) (Estera)Ny Bokin'i Estera no malaza indrindra amin'izy dimy ka atao hoe Ha Megila fotsiny.

Jiosy

Ny Jiosy na Jody dia ireo Zanak'i Israely niaina taorian'ny fahababoana tany Babilona, na ny olona manaraka ny fivavahana jodaisma. Israely no tany fiavian'ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia nomen'i Iahveh Andriamanitra azy ireo io tany io. Taty aoriana anefa dia niparitaka eran-tany ny Jiosy nefa tafaverina tao Israely indray ny sasany aminy ka nanorina ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Miisa any amin'ny 14 000 000 ny Jiosy amin'izao.

Jiosy Mitsrahima

Ny Jiosy Mitsrahima na Mitsarahima izay dia ireo taranaky ny Jiosy any Atsinanana Akaiky, any Kaokazy hatrany Azia Afovoany ary any India izay misy fizarana ara-poko sy ara-kolontsaina maro ka tsy tokam-bolo loatra miohatra amin'ny Askenazy sy ny Sefarada. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מזרחים / Mizra'him, izay midika hoe "Tatsinanana" izy ireo. Atao hoe עֲדוֹת-הַמִּזְרָח / Edot HaMizra'h ("Vahoaka any Atsinanana") koa izy ireo. Tafiditra ao anatin'izy ireo koa ny Jiosy arabo izay Jiosy mialokaloka any amin'ireo firenenan arabo, ary ireo Jiosy avy amin'ny faritra iantraikan'ny kolontsaina sy ny fiteny jiosy (kaokaziana sy torka sy korda ary persana indindra). Isan'izy ireo noho izany ny Jiosy ao Afrika Avaratra, any Iràka, ny Iemena, any Iràna, any Bukhara,any India, any Jeorjia, any Kaokazy ary any Kordistàna. Na dia samy hafa fiaviana azy izy ireo dia avy amin'ny Talmodan'i Babilona ny lalàna mifehy azy rehetra ireo. Ny fombam-pivavahany dia manakaiky ny an'ny Jiosy sefarada sy ny Jiosy Magrebina.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Sinagoga

Ny sinagoga dia trano fivavahan'ny Jiosy na ny Samaritana isan-toerana. Ny tena niandohan'ny sinagoga, izany hoe ny toerana fivorian'ny mpino izay tafasaraka tamin'ny fivavahana ao amin'ny Tempoly, dia mety tamin'ny andron'ny mpaminany na tamin'ny andron'ny mpianatr'ireo mpaminany ireo (jereo ny ao amin'hy Bokin'i Isaia (Isa. 8.16 sy ny manaraka). Tamin'ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagoga, nefa nihamasina niandalana izy. Teraka niaraka tamin'ny asan'i Ezra (na Esdrasa), amin'ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny jodaisma azy, ny sinagoga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagoga ka nahatonga ny teny hoe Sinagoga hanondro am-panoharana ny rafitry ny jodaisma, izay mifanohitra amin'ny Fiangonana kristiana.

Amin'ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagoga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny Bokin'ny Torah. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagoga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an'ny fandinihana (hebreo: בית מדרש / Beit midrash "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an'ny fivavahana fotsiny aza ny sinagoga tamin'ny voalohany dia nanjary toerana misy ny Talmud Torah, izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an'ny zaza izany na ho an'ny olon-dehibe. Izany fanjakan'izany anjara asa vaovaon'ny sinagoga izany no nahatonga an'i Filo avy any Aleksandria sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny Jiosy any amin'ireo firenena askenazy miteny idisy izay manondro ny sinagoga amin'ny teny hoe didaskaleia na scuola na שול / shul, izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagoga, nefa tsy amin'ny fomba ara-penitra, indrindra any amin'ireo faritra askenazy.

Mampiasa ny teny hoe προσευχή / proseukhê ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao (amin'ny teny grika).

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.