Saikanosy Iberika

Ny Saikanosy Iberika na Iberia, dia saikanosy any atsimo andrefan'i Eoropa. Ny firenena sy zanatany ao amin'ny saikanosy Iberika dia i Portogaly, i Espaina, i Andora, i Gibraltara ary faritany kely an'i Frantsa Atsimo. Anisan'ny saikanosy telon'i Eoropa Atsimo ny Saikanosy Iberika ary izy no any andrefana indrindra amin'ireo. Ny Saikanosy Iberika dia voafaritry ny Pirenea any Avaratra, ny Andilan-dranomasina Gibraltara any atsimo, ny ranomasimbe Atlantika any andrefana ary ny Ranomasina Mediteranea any atsinanana. Manakaiky ny kontinenta afrikanina ny Saikanosy Iberika any atsimo ary ny Andilan-dranomasina Gibraltara fotsiny no manasaraka azy. Ny Saikanosy Iberika dia manana velarantany 582 860 km2, ary izy no Saikanosy faharoa any Eoropa.

Anarana

Anarana Grika

Ny anarana hoe Iberia dia avy amin'ny teny grika taloha hoe Ἱβηρία / Ibēría araka ny jeografy grika tamin'ny andron'ny Empira Romana mba hanono ny Saikanosy Iberika fantatsika ankehitriny. Io anarana io dia tsy nampiasaina mba handroana firenena ara-politika na foko manana fiteny iray. I Iberia araka an'i Strabos dia voafaritr'i Keltikē amin'i Pirenea. Ary ny bolongantany any atsimony ny Iberika.

Anarana romana

Tamin'ny fihaanan'ny Romana tamin'ny jeografy grika, nampiasainy ny teny hoe Iberia rehefa miresaka momba ny Saikanosy Iberia sy ny mponiny lazaina hoe Ibera (na Iberiana). Tamin'ny taona 200 tal. J.K. ny soratra voalohany hita miresaka momba an'i Iberia, nosoratan'ny mpanoratra tononkalo latina Kointo Enio (latina: Quintus Ennius). Efa mahafantatra tsara an'i Iberia ny Romana tamin'ny ady lavalava tamin'i Kartago. Ny jeografy romana sy ny mpanoratra prôzy tamin'ny fotoanan'ny Repoblika Romana dia nanao an'ilay Saikanosy hoe Hispania.

Tamin'ny Romana nanomboka nahita tombontsoa tamin'ny fananan'i Kartago taloha, nanomboka nampiasain'ny Romana ny teny hoe Hispania Citerior ("Hispania Akaiky") sy Hispania Ulterior ("Hispania Lavitra") fa tamin'izany fotoana izany, ny lazaina hoe Hispania Ulterior dia faritany misy an'ny Portogaly, ny Celtiberia, ny Betìka (Betica), ny Kantabria (Cantabria), ary ny Vaskona (Baska) ankehitriny. Hoy i Strabona, miara-mampiasa ny teny hoe Iberia sy Hispania ny Romana, samy akaiky sady samy lavitra ny elanelan'izy ireo. I Strabona dia niaina tamin'i Iberia voazara faritany Romana, misy faritany an'ny Loholona romana ary ny faritany hafa "an'ny emperora romana". Ny faritan'i Baetia ihany no "an'ny vahoaka". Mihamanan-danja ny fiteny latina any amin'ny faritan'ny Saikoanosin'i Iberia, afatsy ny fiteny baska, voaaron'ny Pirenea.

Jeografia

Iberian Peninsula antique map
Sarinntany maneho ny sisintany sy ny antsipiriany topografikan'ny Saikanosy Iberika. Tao amin'ny Robert Wilkinson's General Atlas, tamin'ny 1794 tany ho any

Ny sisin'ny tanjona Iberika dia, any atsimo, ny tanjona Tarifa (36°00′15″N 5°36′37″W / 36.00417°N 5.61028°W

), ary any avaratra ny Estaca de Bares (43°47′38″N 7°41′17″W / 43.79389°N 7.68806°W

). Ny halavitry ny refi-paribolana roa ireo dia misy 865 km. Ny tanjona any andrefana indrindra dia any Cap de Creus any Portogaly any atsinanana (42°19′09″N 3°19′19″E / 42.31917°N 3.32194°E

), ary 38°46′51″N 9°29′54″W / 38.78083°N 9.49833°W

any andrefana. Ny halavitr'ireo tanjona roa ireo dia misy 1155 km.

Morontsiraka

Ny halavan'ny morontsiraky ny Saikanosy Iberika dia 3 313 km, ka 1660 km amin'ny morontsiraka mediteraneanina ary 1653 km amin'ny morontsiraka atlantika.

Tendrombohitra

Ny tendrombohitra ao amin'ny Saikanosy Iberika dia somary mifanitsy. Manao atsinanana-andrefana ny akabeazan'ny tendrombohitra avo any amin'ny Saikanosy Iberika. Ny mampisy io zavatra io dia ny tantara jeôlôjikan'ilay saikanosy. Ny tendrombohitra dia i Pireneo, miampita ny andilan-tannin'ilay saikanosy, tsy misakana ny fandehanana any amin'ny tanjona raha tsy avy amin'ny morontsiraka, ny tendrombohitra kantabrika, any amin'ny faritra avaratry ny Saikanosy Iberika, i Sierra de Guadarrama, i Sierra de Gredos, i Sierra de Gata ary i Serra da Estrella; any atsimo indray misy an'i Sierra Morena sy i Sierra Nevada.

Renirano

Tanana lehibe

Ny tanàna ngeza indrindra any amin'ny Saikanosy Iberika dia Madrid, i Barcelone, i Lisbonne, i Valencia, i Porto, i Seville, i Bilbao, i Zaragoza, i Braga, i Coimbra, i Malaga, i Vigo ary i Valladolid.

Misy tanàna hafa vitsy mponina fa manan-danja ara-kolontsaina ao amin'ny saikanosy.

Tantara

Efa nisy 1 tapitrisa taona tsy latsaka izay ny olona no nanomboka nipetraka teo amin'ny Saikanosy Iberika, araka ny sisan-taolam-paty hita teo Atapuerca.

Jereo koa

Endolzansy

Ny endolzansy na indolzansa na indolzansy dia fanao ao amin'ny Fiangonana katolika romana izay mamela manontolo na ampahany eo anatrehan' Andriamanitra ny sazy (atao hoe "fivalozana") solon' ny fahotana efa nahazo famelana.

Ny manampahefana ao amin' ny Fiangonana no manome ny endolzansy ary izany dia heverina fa endrika isehoan' ny fanelanelanana ny mpino amin' Andriamanitra, izay angatahin' ny Fiangonana iray manontolo amin' ny alalan' ny litorjia sy ny vavaka ataony, mba hampisy fampihavanana ny iray amin' nympino ao aminy izay mbola velona na efa maty.

Raha fanao matetika ny manome endolzansy tamin' ny andro fahiny dia mbola misy izany amin' izao fotoana izao na dia mahalana kokoa.

Espaina

I Espaina dia firenena eoropeana ao amin'ny saikanosy Iberika, ao atsimon'i Eoropa. Ny renivohiny dia i Madrid, ary ireo firenena manodidina azy dia i Frantsa ary Andôra any avaratra ary Pôrtogaly any andrefana.

I Espaina no firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra ao amin'ny saikanosy Iberika. Tamin'ny taona 2009, 46 tapitrisa mponina no isam-poniny izany hoe firenena faha-29 be mponina indrindra eo anivon'izao tontolo izao, hery mpanjanaka faharoa antitra indrindra aorian'i Pôrtogaly. Ary ny ny fiteniny, noho izy hery mpanjanaka taloha, dia anisan'ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany.

Jiosy

Ny Jiosy na Jody dia ireo Zanak'i Israely niaina taorian'ny fahababoana tany Babilona, na ny olona manaraka ny fivavahana jodaisma. Israely no tany fiavian'ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia nomen'i Iahveh Andriamanitra azy ireo io tany io. Taty aoriana anefa dia niparitaka eran-tany ny Jiosy nefa tafaverina tao Israely indray ny sasany aminy ka nanorina ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Miisa any amin'ny 14 000 000 ny Jiosy amin'izao.

Pôrtogaly

I Pôrtogaly na Repoblikan'i Pôrtogaly dia firenena ao amin'ny faritra atsimon'i Eoropa, ao amin'ny tapany andrefan'ny Saikanosy Iberika.

Mizara sisin-tany amin'i Pôrtogaly ao avaratra sy atsinanany i Espaina; ary i Atlantika no mamaritra ny sisin-taniny aty atsimo sy andrefana. Ny tangoro-nosin'i Asaoro sy Madera dia isan'ny tafiditra ao amin'ny tanin'i Pôrtogaly. Mpikambana ao anatin'ny Vondrona Eoropeanina hatramin'ny taona 1986 i Pôrtogaly.

Sefarada

Ny Sefarada na Jiosy sefarada dia iray amin'ireo fizarana lehiben'ny vahoaka jiosy araka ny toerana niaviany ka manondro ny Jiosy tamin'ny Andro Antenantenany nonina tao amin'ny saikanosy Iberika (Espaina indrindraindrindra) sy tao Afrika Avaratra ary manondro koa ny taranak'izy ireo, izany hoe ny fitambaran'ny vahoaka jiosy tsy Askenazy.

Ny Jiosy tao amin'ny faritra be Kristiana tao amin'ny saikanosy Iberika dia voenjika mafy, tsy nitovy amin'ireo Jiosy tamin'ny faritra be Miozolmana, ka nitsoaka avy ao tamin'ny taona 1492 taorian'ny nahazoan'ny Kristiana ny faritra sisa farany nisy Miozolmana sy tamin'ny fanambarana an'i Espaina. Nitsoaka nankany Afrika Avaratra sy tany amin'ireo fari-tany any atsinanana amin'ny Empira otomàna izy ireo, avy eo nanorina vondron'olona maro tany Frantsa, tany Holanda, tany Angletera, tany Italia, tany ami'ireo Balkàna, sns.

Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia ny fiteny jodeo-kastilàna, atao hoe fiteny ladino. Manaraka ny fomban'ny Jiosy babiloniana izy ireo, fa tsy tahaka ny Askenazy izay mifikitra amin'ny fomban'ny Jiosy palestiniana.

Anondroana ireo Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any Atsinanana Akaiky miteny arabo sy persàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin'ny faritra eoropeana koa ny teny hoe Sefarada. Ny ankamaroan'izy ireo dia nanaraka ny fomba jiosy babiloniana noho ny fifampikasohany amin'ny Sefarada, ka izany no antony anondroana azy ireo amin'ny anarana hoe Sefarada koa.

Sinagoga

Ny sinagoga dia trano fivavahan'ny Jiosy na ny Samaritana isan-toerana. Ny tena niandohan'ny sinagoga, izany hoe ny toerana fivorian'ny mpino izay tafasaraka tamin'ny fivavahana ao amin'ny Tempoly, dia mety tamin'ny andron'ny mpaminany na tamin'ny andron'ny mpianatr'ireo mpaminany ireo (jereo ny ao amin'hy Bokin'i Isaia (Isa. 8.16 sy ny manaraka). Tamin'ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagoga, nefa nihamasina niandalana izy. Teraka niaraka tamin'ny asan'i Ezra (na Esdrasa), amin'ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny jodaisma azy, ny sinagoga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagoga ka nahatonga ny teny hoe Sinagoga hanondro am-panoharana ny rafitry ny jodaisma, izay mifanohitra amin'ny Fiangonana kristiana.

Amin'ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagoga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny Bokin'ny Torah. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagoga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an'ny fandinihana (hebreo: בית מדרש / Beit midrash "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an'ny fivavahana fotsiny aza ny sinagoga tamin'ny voalohany dia nanjary toerana misy ny Talmud Torah, izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an'ny zaza izany na ho an'ny olon-dehibe. Izany fanjakan'izany anjara asa vaovaon'ny sinagoga izany no nahatonga an'i Filo avy any Aleksandria sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny Jiosy any amin'ireo firenena askenazy miteny idisy izay manondro ny sinagoga amin'ny teny hoe didaskaleia na scuola na שול / shul, izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagoga, nefa tsy amin'ny fomba ara-penitra, indrindra any amin'ireo faritra askenazy.

Mampiasa ny teny hoe προσευχή / proseukhê ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao (amin'ny teny grika).

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.