Repoblikan'i Kiprosy

Ny Repoblikan'i Kiprosy dia firenena mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeanina arỳ antsinananan'ny Ranomasina Mediteranea.

Tamin'ny taona 1974, ilay silaka avaratran'ilay nosy eo avelan'ny tsipika maintso, lasan'ny torkia sy teneniny hoe an'azy. Lasa Repoblika hafa io amban'ny anarana Repoblika Torkan'i Kipra Avaratra. Nihiditra tao anatin'ny faritra Euro ny Kipra tamin'ny 1 Janoary 2008

Ekonomia

Ny Kipra no faritany tena manana arena indrindra tao anatin'ny firenena 10 nihitra tao anatin'ny firaisana Eoropeanina tamin'ny 2004, ny PIB/olona iray-ny dia 18.900 €

Tamin'ny taona 2007, ny fitsongan'ny ekonomia dia manakainin'ny 4,4 % ny isan-olona tsy miasa 2,2 % sy fiakaram-bidy fiainana 2,2 %. Kanefa ny Kipra dia tsy ao ivelan'ny fanakorontanana ekônomika misy eto an'tany. i Charilaos Stravrakis niteny tamin'ny taona 2007 hoe ny fitsongan'ny ekonomia nihidina 3,5% isa-taona.

Demografia

Cyprus-demography
Demôgrafian'i Kipra, mari-drefy : 100 000:1

Jereo Koa/amboary

Nosin'i Kiprosy

Ilay Nosin'i Kiprosy (Κύπρος amin'ny teny grika ; Kıbrıs amin'ny teny Tiorka) dia nosy ao anatin'ny Mediteranea atsinanana, izy dia eo akaikin'ny Siria sy eo antsimo ny Anatolia (any torkia).

Mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeanina ilay silaka antsimon'ilay nosy. Misy mponina 1.300.000 no miaina ao. Ny grika no tena betsaka indrindra ao anatin'i Kiprosy iray mantolo, misy koa moa olona Britanika mipetraka ao anatin'ny base militaire, ary ireo basy militaire ireo dia amban'ny fitondran'ny Nosy Britanika.

Ilay silaka avaratra dia efa nahazo fahaleovantena tamin'ny taona 1974. Tamin'io no nisy Kiprosy anaky roa, ary voasaraka izy ireo amin'ilay « tsipika Attila ».

Misy ny Repoblika Kipriôty dia ilay repoblika tena fantatrin'ny komonitia internasionaly. Manana fipetrahan'ny UN izy ary mpikambanan'ny Vondrona Eoropeanina (EU). Tokony manjaka ao anatin'ilay nosy iray mantolo izy kanefa izy eo antsimo ihany no tena manana hasinaIlay faritra avaratra dia miteny hoe Repoblika Tiorka ny Kiprosy (RTCN), izy dia ny Torkia ihany no mafantatra azy ; ny mpòninany dia ny kipriôty avy any Torkia, sy ny Tiorka avy amin'ny fanjanatany tamin'ny taona 1974. Tamin'ny taona 2004, ny fikambanana ny kaonferansa islamika nanomeha an'ilay firenena ilay staty nà mpijery amban'ny Firenena Tiorka ny Kiprosy. Ny Azerbaijana sy ny Pakistana ihany no mahita an'io firenena io otran'ny firenena.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.