Ranomasina Egea

Ny Ranomasina Egea dia ranomasina anaty tany ao amin'ny lembalemba mediteraneana eo anelanelan'i Eoropa sy Gresy ao andrefana, sy i Azia sy i Torkia ao atsinanana. Mivelatra hatrany amin'ny morontsiraka traka sy ny andilan-tanin'i Dardanela ao avaratra hatrany Kreta ao atsimo izy. Atao hoe Αιγαίο Πέλαγος / Aigaio Pélagos izy amin'ny teny grika.

Aegeansea
Sary an-tsatelitan'ny Ranomasina Egea
Anatolia

I Azia Minora na Asia Minora na Anatolia dia faritra tao Azia izay mifanandrify amin'ny ampahany lehibe amin'i Torkia ankehitriny. Saikanosin'ny faritra Atsinanana Akaiky izy ka hodidinin'ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo sy ny Ranomasina Mainty ao avaratra sy ny Ranomasina Egea ao andrefana ary ny onin'i Eofrana sy ny tandavan-tendrombohitra Taorosy ao antinanana.

Faritra ao amin'ny tendrony adrefana amin'i Azia i Anatolia. Ara-jeografia dia anondroana ny faritra ao andrefan'ny tsipika Tchorokhi-Oronte, izay avy any amin'ny Ranomasina Mediteranea mankany amin'ny Ranomasina Mainty, ary sarahan'ny Ranomasin'i Marmara amin'i Eoropa avy ao avaratra-andrefana. Ara-politika kosa dia andondroana ny faritra aziatikan'i Torkia i Anatolia. Ny 97%n'ny tanin'i Torkia dia ao Anatolia fa ny 3% monja no ampahan'i Eoropa, ao Trakia atsinanana.

Antiokosy III Megasy

I Antiokosy III Megasy dia mpanjaka seleokida nanapaka an'i Siria tamin'ny taona 223 hatramin'ny 187 tal. J.K. izay nandimby ny rahalahiny Seleokosy III.

Ny mpanjaka Seleokosy II no rain'i Antiokosy III. Teraka tamin'ny taona 242 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Laodike II no reniny ary i Laodike III no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy IV, i Antiokosy IV, i Laodike IV (izay vady nifandimbiasan'ny anadahiny telo), i Kleopatra I (izay lasa mpanjakavavin'i Egipta taty aoriana) ary i Antiokisy III izy.

Lasa firenena nanompo azy i Partia sy i Baktriana ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i Palestina iray manontolo sy i Libàna tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia) izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny Ranomasina Mediteranea.

Saika handroba ny herena ao amin'ny tempoly tao Elimaida (na Elimaisy) i Antiokosy III, mba handoavany onitra hono, nefa nikomy ny mponina tao amin'io tanàna io ka namono azy tahaka ny famono jiolahy tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Seleokosy IV no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Efesosy

I Efesosy na Efeso na Efezy dia iray amin'ireo tanana tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin'ireo tanan-dehibe grika tany Azia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Ionia. Atao hoe Ἔφεσος / Éphesos izy amin'ny teny grika fa Ephesus kosa amin'ny teny latina ary Apaša amin'ny teny hitita (na heteana).

Na dia any amin'ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin'ny sisin-dranomasina, eo akaikin'ny tanànan'i Selçuk sy Kuşadası ao amin'ny tapany andefan'i Torkia ankehitriny aza ny sisam-paharavan'i Efesosy dia isan'ireo seranan-tsambo lehibe tao amin'ny Ranomasina Egea (grika: Αιγαίο Πέλαγος / Aigaio pélagos) izy; tao akaikin'ny fivarinan'ny ony anatoliana atao hoe Kaistrosy (grika: Κάϋστρος / Kaustros) izy.

Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisiosy, izay natokana ho an'ny andriamanitra Artemisy (grika: Ἄρτεμις / Ártemis) mpiahy ny tanàna, dia isan'ireo Zava-mahagaga Fito eto amin'izao tontolo izao sady isan'ireo nampalaza an'i Efesosy, ary tao amoron-drano no nisy azy.

Vokatry ny tany nentin'ny onin'i Kaistrosy sy ny fiovaovan'ny toetany ary angamba ny horohorontany no nahatonga ny fikisahan'ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran'ny fasika ny serana-tsambon'ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.

Kserksesy I

I Kserksesy I, izay atao hoe Ahasoerosy na Asoerosy ao amin'ny Baiboly, dia mpanjaka isan'ny fianakavia-mpanjaka akemenida. Teraka tamin'ny taona 519 tal. J.K. sy maty tamin'ny taona 465 (na 475) tal. J.K. izy. I Manetona dia miantso an'iompanjaka io hoe Kserksesy Lehibe sady milaza fa nanjaka nandritra ny 21 taona izy. I Kserksesy I dia nanjaka tamin'ny empira nivelatra hatrany amin'ny reniranon'i Indosy ka hatrany amin'ny Ranomasina Egea, hatrany amin'ny Sir-Daria kahatrany amin'ny Helodrano Persika sy any amin'ny renirano Nily, ka tafiditra ao i Egipta nandritra ny dinastia faha-27. I Dariosy I nonanjaka teo alohany ary i Artakserksesy I no nandimby azy teo amin'ny fanjakana.

Amin'ny teny persiana taloha dia atao hoe Kshayarsha izy, amin'ny teny persàna dia خشایارشا / Ksashâyârshâ.

Darikosy I no rainy ary i Atosa no reniny. I Amestrisy no anaram-badiny. Ireto ny zanany: Artakserksesy I, Histaspesy, Artariosy, Titraostesy, Rodogina (vavy), Dareiaia, Akemenesy, Amitisy, ary Ratasaha.

Ptolemaiosy I

I Ptolemaiosy I, izay atao hoe Ptolemaiosy I Sotera, dia jeneraly makedonianan'i Aleksandra Lehibe sady iray amin'ireo zanaka afaka mandimby ny mpanjaka (atao hoe διάδοχος / diádokhos amin'ny teny grika). Voantendry ho satrapan'i Egipta izy tamin'ny fizaràna ny empiran'i Aleksandra tamin'ny taona 323 tal. J.K. nandray anjara tamin'ny ady ara-tafika nifanaovan'ireo diadoka izy ka nifanandrina tamin'i Antigonosy Tokamaso sy tamin'ny zananilahy Demetriosy Poliortketosy.

Ranomasin'i Marmara

Ny Ranomasin'i Marmara dia ranomasina hita eo anelanelan'i Eoropa Atsinana sy i Azia Minora (na Anatolia) izay mampitohy ny Ranomasina Mainty amin'ny Ranomasina Mediteranea (na ny Ranomasina Egea, raha ny marimarina kokoa). Manana velarana mirefy 11 500 km2 izy ary mahatratra 1 261 m ny halaliny. Manamorona azy ao atsimo i Torkia ary mipetraka eo amin'ny toerana misy hantsana izay miteraka horohorontany matetika. Mifandray amin'i Ranomasina Mainty ao avaratra izy amin'ny alalan'i Bosfora ary amin'ny Ranomasina Egea amin'ny alalan'ny andilan-tany Dardalenela. I Propontida (grika: Προποντίδα / Prompotida) na Propontisy (grika: Προποντίς / Prompotis) no niatsoana azy taloha.

Ranomasina Mainty

Ny Ranomasina Mainty dia ranomasina ao atsimo atsinanan'i Eoropa. Ny tany mamaritra azy dia i Anatolia ary i Kaokazy. Mifandray amin'ny Ranomasimbe Atlantika amin'ny alalan'ny Ranomasina Egea ary ny Ranomasina Mediteranea ilay ranomasina. Ny ranomasina hafa mifandray amin'ny Ranomasina Mainty dia ny ranomasin'i Azov, amin'ny alalan'ny Andilan-tanin'i Kerch .

Mifandray amin'ny Ranomasina Mediteranea ilay ranomasina amin'ny alalan'ny Andilandranon'i Dardanela sy ny Andiklandranon'i Bosifaoro izay ahitana ny tanànan'i Istanbul any Torkia.

Ireo tanàna lehibe hita eo moron'ny Ranomasina Mainty: i Batumi, i Burgas, i Constanța, i Giresun, i Hopa, i Istanbul, i Kerch, i Mangalia, i Năvodari, i Novorossiysk, i Odessa, i Ordu, i Poti, i Rize, i Samsun, i Sevastopol, i Sochi, i Sukhumi, i Trabzon, i Varna, i Yalta ary i Zonguldak.

Torkia

I Torkia, na Repoblika Torka (amin'ny fiteny tiorka: Türkiye Cumhuriyeti) dia firenena iray eo amin'ny faritra andrefan'i Azia Andrefana ary amin'ny farany atsinanan'i Eoropa. Izy io dia mizara sisin-tay amin'i Grisy, Biolgaria, Jeôrjia, Armenia, Azerbaijana, Iran, Irak ary Siria. Ny fiteny tiorka no teny ofisialin'i Torkia. Ny anaran'ny ranomasina manodidina azy dia ny ranomasina Mainty, ranomasin'i Marmara, ny ranomasina Egea ary ny ranomasina Mediteranea.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.