Raki-pahalalana

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona.[1] Ny raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy ny Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Histoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (an-tranonkala na amin'ny CD), toy ny Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium.

Naturalishistoria
Naturalis Historia, raki-pahalalana voalohany (fanontana ny taona 1669 io natolotra io)

Fanoratana

Amin'ny teny malagasy, maro ireo fomba fanoratana ny teny raki-pahalalana : azo soratana hoe rakipahalalana (tsy misy tsipi-panohizana na diakritika) na raki-pahalalàna (misy tsipi-panohizana ary diakritika). Ekena fa misy avokoa ireo fanoratan antenantenan'ny tranga voalaza teo aloha (izay misy tsipi-panohizana na/sy diakritika).

Tantara

Pliniosy Be Taona

Ny asa fanaovana rahalalana voalohany izay fantatra amin'izao fotoana izao, dia ny Naturalis Historia izay nosoratan'i Pliniosy Be Taona, olom-pirenena romana niaina tamin'ny taonjato volalohany tal. J.K. Nanatambatra asa soratra misy toko fito amin'ny telopolo izay mikasika ny tantara natoraly, ny zavakanto, ny maritrano, ny haitsabo (médecine), ny jeôgrafia, ny jeolojia ary ny fiendriky ny tontolo manodidina azy izy. Ao amin'ny sasintenin'ny bokiny izy nanatambatra fisehoan-javatra roa alina, avy amin'ny asa soratry ny mpanoratra hafa miisa maherin'ny roanjato, mbola nampiany fisehon-javatra hafa araka ny traikefany. Nivoaka tamin'ny taona 77 na 79 tal. J.K. teo ilay asa soratra, na dia tsy tapitra ny namarana ny asa fanaporofoana alohan'ny fahafatesany izy noho izy maty tamin'ny fipoahan'ny afotroa Vesovio tamin'ny taona 79 tal. J.K.

Arabo ary Persana

Ny firaketam-pahaizana miozolmana voalohany tamin'ny Andro Antenantenany dia ahitana asa mampahazo, ary fanitarana ny antsoina ankehitriny hoe fomba siantifika, fomba ara-tantara, ary fitanisana. Teo amin'ny 960 teo ho eo, ny Mpiralahy fo madio[2], fikambanana filôzôfy miafina any Basora[3], dia lasa nanoratra ny raki-pahalalan'ny Mpiralahy fo Madio. Anisan'ny asa malaza ny raki-pahalalan'ny siansa nosoratan'i Aby Bakr Al-Razi, ny Al-kindi an'i Motazily, ary ny firaketana momba ny haitsabo nosoratan'i Ibn Sina, izy nofotorana nandritra ny taonjato maro.

Isidoro de Sevila

Isidoro di siviglia, etimologie, fine VIII secolo MSII 4856 Bruxelles, Bibliotheque Royale Albert I, 20x31,50, pagina in scrittura onciale carolina
Etymologiæ, raki-pahalalana nosoratan'i Isidoro de Sevila tamin'ny taonjato fahafito

I Isidoro de Sevila (560-636), eveka niaina tamin'ny taonjato fahafito tao Hispalis (Sevila) no mpanoratra ny raki-pahalalana voalohan'ny Andro Antenantenany. Ny raki-pahalalana nosoratany tamin'ny taona 630, izay mitondra ny anarana ahoe Etymologiæ, dia fitambaram-boky roapolo, izay ahitana fanadihadiana momba ny fiforonan'ny teny anaty toko 448. Io boky io dia tiany hitahirizina sy hampitana ny fahaizana tamin'ny Andro Antenantenany sy ny kolontsaina klasika izay andalam-pahaverezana. Nalaza be ilay bokiny ary naverina natonta impolo io bokiny io teo anelanelan'ny taona 1470 sy 1530, izay mari-palazany hatramin'ny Andron'ny Fanavaozana (frantsay: Renaissance). Somary mahafanina ihany ny fomba famaritany ny fiforonan-teny: hazavainy amin'ny alalan'ny teny mifanakaiky ara-peo aminy ny teny iray (Rex a recte agento, "mpanjaka no antsoina ilay mahitsy fanao"). Ny tanjon'ireo etimolojia (izay nihomezan'ny manam-pahaizana tamin'ny Renaissance) ireo hono dia mikendry ny fanamorana ny fahazona ny famaritana ao an-tsain'ny mpamaky. Nandray anjara tamin'ny fiharetan'ny asa soratry ny Andro Antenantenany tamin'ny alalan'ny fitanisany azy.

Sina

Nanomboka tamin'ny Boky Lehibe Efatry ny Song (宋四大書; pinyin: Sòng sì dà shū) izay natambatra tamin'ny taonjato faharaika ambin'ny folo ny tantaran'ny raki-pahalalana tany Sina. Ilay raki-pahalalan'ny Song, dia asasoratra lehibe ho an'izany fotoana izany. Ny raki-pahalalana tafarany, ny Sokatra Voalohan'ny Birao Fanangonana, dia ahitana sinôgrama 9,4 tapitrisa anaty boky miisa arivo. Maro ny raki-pahalalana nandritra ny tantaran'i Sina, miaraka amin'ny raki-pahalalan'i Shen Kuo (1031-1095) amin'ny Mengxipitan nosoratana tamin'ny taona 1088. Misy koa ny raki-pahalalana nosoratan'ny mpamorona sady agrônôma Wang Zhen (niasa nandritry ny taona 1290 hatramin'ny taona 1333) izay nanoratra ny boky Nong Shu tamin'ny taona 1313; sy ny Tiangong Kaiwu nosoratan'i Song Yingxing (1587-1666), izay nomen'i Joseph Needham solon'anarana hoe "Diderot an'i Sina".[4]

Ny mpanjakabe sinoa Yongle ao amin'ny dinastia Ming, dia nanafehy ny tontan'ny Raki-pahalalan'i Yongle, anisan'ny raki-pahalalana lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'i Sina, izay tapitra tamin'ny taona 1408; anitana sinôgrama miisa 370 tapitrisa anaty boky miisa arivo sy iray alina nosoratin-tanana; ny efajato amin'ireo boky ireo sisa no eo am-pelantanana amin'izao fotoana izao.

Taonjato faha-19

Araka ny gazety anglisy iray nivoaka tamin'ny taona 1809, dia azo antsoina hoe "taonjaton'ny raki-pahalalana" ny taonjato faha-19. Te hanana raki-pahalalana amin'ny tenim-pireneny daholo ny firenena maro, ary tsy resaka firehareham-pirenena fotsiny izy io fa tombontsoa ho an'ny firenena ihany, satria ny fampielezana ny fahalalana amin'ny vahoaka dia ilaina amin'ny fivoarana ara-toekarena sy ara-pahaizan'ny firenena iray. Izany hetsika fampielezana izany koa dia tohanan'ny fihabetsahan'ny olona mahay mamaky teny sy ny fivoaran'ny fanontana pirinty izay mampidina ny vidin'ny boky sady mampidi-bola[5] ho an'ny mpanonta pirinty.

Alemaina

Tany Alemaina, ny raki-pahalalana nalaza indrindra dia ny Brockhaus Enzyklopädie izay natonta tamin'ny taona 1808, ary, noho ny fahombiazany, dia naverina natonta hatramin'ny taona 2005. Ny Allgemeine Enzyklopädie der Wissenschaften und Künste nosoratan'i Ersch sy Gruber izay tsy vita (boky miisa 167 izay nivoaka teo anelanelan'ny taona 1818 sy 1879).

Sina

Navoakan'i Wei Song tamin'ny taona 1834 ny Yishi Jishi (壹是紀始) izay voazara toko 22 manana lohahevitra 2 000; naverina natonta tamin'ny taona 1888 sy 1891 ilay raki-pahalalana.

Taonjato faha-20 ary faha-21

Nanomboka nivoaka tamin'ny taona 1920 ny raki-pahalalana ho an'ny daholobe sady mora vidy.

Tao Etazonia, nahitana ny fipoiran'ny raki-pahalalana ho an'ny daholobe ny taona 1950-1960. Ny malaza indrindra amin'izy ireo dia ny World Book sy ny Funk and Wagnalls.

Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-20 no nipoiran'ireo raki-pahalalana amin'ny CD-ROM izay azo vakiana amin'ny alalan'ny solosaina: ny Encarta an'i Microsoft nalefa tamin'ny taona 1993, dia ohatra iray amin'ny raki-pahalalana tsy misy boky voaprinty sahala aminy sady tsy natonta taratasy. Noho ny fahombiazan'ny raki-pahalalana hafa eo amin'ny tsenan'ny raki-pahalalana tsy voatonta taratasy dia najanon'ny Microsoft ny raki-pahalalana Encarta tamin'ny taona 2009.

Mampiasa olona mpanoratra lahatsoratra ny raki-pahalalana tsotra, izany hoe olona nianatra sy manam-pahaizana, mananana zon'ny mpamorona izay mamehy ny fiparitahany sy ny asa mety mifototra aminy.

Avy amina asa nataon'ny nialoha azy ny ao amin'ny raki-pahalalana tamin'ny taonjato faha-19, ka noho izany maro ireo raki-pahalalana izay ahitana tsy fanajana ny zon'ny mpamorona.

Tamin'ny taona 2007, ny fanontana tamin'ny taona 1911 ny Encyclopaedia Britannica, raki-pahalalana voatonta taratasy, izay tsy mihatra amin'ny votoatiny intsony, dia anisan'ny raki-pahalalana malalaka voatonta taratasy manana votoatiny malalaka amin'ny teny anglisy.

Raki-pahalalana malalaka

Wikipedia-logo-v2
I Wikipedia no raki-pahalalana voalohany manana votoatiny foronin'ny mpampiasa azy

Nivoaka tamin'ny Interpedia natao teo amin'ny Usenet tamin'ny taona 1993 ny raki-pahalalana dijitaly malalaka voalohany, izay azo alaina ary sintomina (anglisy: download) eo amin'ny vohikala Usenet. Mahazo mandefa votoatiny avokoa ny olona tsirairay tsy an-kanavzka. Tetikasa hafa sahala amin'izany ny Everything2 sy ny Open Site. Tamin'ny taona 1999 dia nikasa hamoaka ny GNUPedia, raki-pahalalana azo vangiana eo amin'ny Tranonkala, i Richard Stallman.

Tsy nisy raki-pahalalana naharitra sy matanjaka teo amin'ny Aterineto talohan'ny Nupedia sy ny Wikipedia. Lasa raki-pahalalana lehibe indrindra eran'izao tontolo izao ny Wikipedia tamin'ny taona 2004, tamin'ny lahatsoratra faha telo hetsy ny tetikasa.[6]. Tamin'ny faran'ny taona 2005, roa tapitrisa no isan'ny lahatsoratra voaforona sy voasoratra eo amin'ny Wikipedia, amin'ny fiteny maherin'ny valopolo. Tamin'ny 2009, folo tapitrisa ny lahatsoratra tao amin'ny Wikipedia; telo tapitrisa amin'ny fiteny anglisy, fito tapitrisa tamin'ny fiteny miisa 250 hafa. Nanomboka tamin'ny taona 2003 dia nipoitra ny raki-pahalalana malalaka toy ny Baidu Baike sy ny Hudong amin'ny fiteny sinoa, na ny raki-pahalalana Citizendiym sy ny Knol amin'ny fiteny anglisy.

Raki-pahalalana

Ny raki-pahalanana lehibe indrindra amin'ny fiteny malagasy dia ny Wikipedia amin'ny teny malagasy, izay manana lahatsoratra maherin'ny valo alina (2018), ny faharoa, dia ny Rakibolana Rakipahalalana natontan'ny Akademia Malagasy.

Tondro

Ny raki-pahalalana ankehitriny dia raki-bolana manana famaritan-teny nitarina sahala amin'ireo raki-pahalalana nipoitra tamin'ny taonjato faha-18.

Raki-pahalalana an-tranonkala

Ny raki-pahalanana an-tranonkala malaza indrindra dia ny Wikipedia, tranonkala fahafito be mpamangy indrindra izay manana sampanana amin'ny fiteny maherin'ny 250. Ny mahasamihafa an'i Wikipedia amin'ny raki-pahalalana hafa dia izy manana votoatiny azo ovaovaina m-pahalalahana.

Ankoatran'ny Wikipedia, ireo raki-pahalalana an-tranonkala dia ny Encarta, raki-pahalanana andoavam-bola izay nikatona tamin'ny taona 2009 noho ny fahombiazan'ny Wikipedia.[7]

Tsiahy

  1. Encyclopedia
  2. Ikhwan al-Safa
  3. P.D. Wightman (1953), The Growth of Scientific Ideas
  4. Needham, Volume 5, Toko 7, 102.
  5. ((en)) Richard Yeo, Encyclopaedic Visions, Cambridge (U.K.), Cambridge University Press, 2001
  6. http://linuxreviews.org/news/2004/07/07_3000k/
  7. http://www.lefigaro.fr/societes/2009/04/01/04015-20090401ARTFIG00360-microsoft-referme-son-encyclopedie-en-ligne-.php
  1. Encyclopedia
  2. Ikhwan al-Safa
  3. P.D. Wightman (1953), The Growth of Scientific Ideas
  4. Needham, Volume 5, Toko 7, 102.
  5. ((en)) Richard Yeo, Encyclopaedic Visions, Cambridge (U.K.), Cambridge University Press, 2001
  6. http://linuxreviews.org/news/2004/07/07_3000k/
  7. http://www.lefigaro.fr/societes/2009/04/01/04015-20090401ARTFIG00360-microsoft-referme-son-encyclopedie-en-ligne-.php
Boky

Ny boky dia zavatra azo tsapain-tanana mitahiry ny fampahalalana amin'ny alalan'ny pejy taratasy voaprinty nakambana ary nasiana fonony henjana. Ao amin'ny pejim-boky dia mety ahitana sarisary.

Mety firaketana fampahalalana mikasika ny zavatra tokana na maro ny boky. Ny Baiboly, ny Iliady ary ny Odisey izao ohatra dia boky iray ahitana tantara maro. Ny boky raki-pahalalana dia matetika ahitana lahatsoratra nosoratan'olona maro, ary atonta printy ka tsinjaraina ho boky maro.

Ireo olona tsy afaka mamaky ny lahatsoratry ny boky na tsy afaka mamaky teny dia antsoina hoe "bado".

Citizendium

Citizendium dia raki-pahalalana malalaka eo amin'ny aterineto izay mampiasa ny teknolojia Wiki. I Larry Sanger no namorona azy io, izay anisan'ny mpamorona an'i Wikipedia ihany koa tamin'ny taona 2001.

Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana

Ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana na Enciclopedia Espasa-Calpe dia raki-pahalalana espaniola lehibe ny taonjato faha-20.

Evanjelin'i Nikodemo

Ny Evanjelin'i Nikodemo, na Filazantsaran'i Nikodemosy, sy ny Asan'i Pilato dia anaran'ny evanjely apokrifa nosoratana amin'ny teny grika tamin'ny taonjato faha-4. Ao amin'ny endriny voalohany dia mitantara ny fitsarana sy ny fahafatesan'i Jesosy izy, avy eo ny fitsanganany tamin'ny maty (amin'ny alalalan'ny fitantaran'i Josefa avy any Arimatea sy ny Galiliana telolahy). Ampahatsiahiviny ny evanjely kanonika sady manamafy ny fanatanterahan'ny faminanian'ny Testamenta Taloha izy.

Ao amin'ny fandikana an'io evanjely io amin'ny teny latina dia notovanana ny fitantarana ny fidinan'i Jesosy tany amin'ny fiainantsihita. Nisy akony teo amin'ny kolontsaina tandrefana ny Evanjelin'i Nikodemo; matetika dia anaovana fampahatsiahivana ny andalana ao aminy tamin'ny Andro Antenantenany, na tao amin'ny raki-pahalalana tamin'izany fotoana izany na tao amin'ny boky fitantarana na tao amin'ireo boky fampianarana mitoriteny. Isan'ny nipoiran'ny fitantarana ny Graal izy.

Kiwix

Kiwix dia rindra malalaka (logiciel libre raha amin'ny teny frantsay), io fitaovana io dia ahafahana mijery na miditra amin'ny pejy web izay tsy mila aterineto. Noho izany dia natao ampiasain'ireo mampiasa raki-pahalalana wikipedia amin'ny toerana tsy misy rezô izy io. Tehirizina ao amin'ny karta SDHC tsotra ilay izy, ary tamin'ny daty 1 Febroary 2013 no nivoahany voalohany, io fitaovana io dia niakatra 97% ny olona nampiasa azy tao amin'ny tranokala SourceForge.net no nahazahoana izany salanisa izany.

Larry Sanger

Lawrence Mark Sanger, na antsoina hoe Larry Sanger (teraka tamin'ny 16 Jolay 1968 tao Bellevue, Washington).

Izy dia tera-tany Amerikana manana diplôma amin'ny filozofia sady anisany angady nananana sy vy nahita ny raki-pahalalana wikipedia voalohany.

MediaWiki

MediaWiki dia rindrankajy wiki iray manana ny lisansy GNU General Public License na GPL. Nosoratana tamin'ny PHP ary mitaky banky angona MySQL. Tany am-boalohany dia ho an'i Wikipedia, raki-pahalalana malalaka mampiasa wiki, no namoronana azy, fa ankehitriny kosa dia efa fitaovana fanta-daza sy be mpampiasa, iray amin'ireo ankafizin'ny mpampiasa wiki indrindra. Ankehitriny ohatra, dia ny tetikasa rehetra an'ny Wikimedia Foundation, ny wikis rehetra ao amin'i Wikia, ary wiki ngeza maro no mampiasa azy. Fantatra koa fa misy orinasa mampiasa azy hizarana fampahalalana anatiny na ataony CMS. Iray hosinganina amin'ireny i Novell.

Maro ny zavatra vitan'i MediaWiki, ary afaka tovanana ihany koa izany fitaovana miaraka aminy izany. Noho ny lanja lehibe ananan'ny fampiasana tenim-pirenena maro amin'ireo tetikasa Wikimedia dia niitatra tany amin'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa io lanjan'ny fahafahana mampiasa tenim-pirenena maro io. Ireo teny sy fanazavana ifandraisan'ny mpitsidika sy ny solosaina dia voadika ampahany na manontolo amin'ny tenim-pirenena mihoatra ny 70, ary mbola afaka ovain'ny mpitantana ny sehatra izany avy eo na hatsarainy (eo anivon'ny wiki ihany no anaovany izany fanovàna izany). Ary satria koa iray amin'ireo sehatra ngeza indrindra eran-tany i Wikipedia, dia lahasa iray ho an'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa ny momba ny cache sy replication amin'ny banky angona.

Tantara Voajanahary

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoratan'i Pliniosy Ilaibe, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny versiona tanteraka ary ny fanontana nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469, izay tsy dia nisy nahalala. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo.

Uncyclopedia

Uncyclopedia, mitonon-tena ho « raki-pahalalan'ny fampahalalana diso », dia miavaka amin'ny raki-pahalalana fahita, satria izy dia ahitana fampahalalana iniana atao ho tsy marina na mivilana sy mahatsikaiky. Hala-tahaka an'i Wikipedia izy, nefa tsy amin'ny fomba mahasosotra fa mampihomehy, ary milaza aza izy fa ny Wikipedia no naka tahaka azy, na dia izy aza no nisy taorian'ny Wikipedia.

Wiki

Ny wiki dia fitaovana ahafahana mandavorary votoatin'ny sehatra iray amin'ny tranonkala ka ahafahan'ny mpitsidika rehetra nomena alàlana hanova ny votoatin'ny pejy ao anatiny. Manamora ny fiaraha-manoratra lahatsoratra ny wiki, koa rehefa olona maromaro no miara-mamolavola lahatsoratra iray dia tena ahitana tombontsoa ny mampiasa wiki. I Ward Cunningham no namorona ny wiki voalohany tamin'ny taona 1995, tamin'ny ampahan'ny sehatra iray miresaka momba ny programmation informatika, ary WikiWikiWeb no anarana nomeny an'izany. Avy amin'ny teny hawaianina hoe wiki wiki, izay midika hoe « maikamaika » na « informel » no nahazoana ny teny hoe « wiki ». Ampy fahamatorana ny wiki taty amin'ny taona 2000 ary efa nifandray tamin'ny Web 2.0 ihany koa. Ny raki-pahalalana Wikipedia izay niforona ny taona 2001 no nanjary sehatra wiki be mpitsidika indrindra eran-tany.

Wikipedia

Wikipedia (avy amin'ny teny hawaiianina: wiki; ) dia tranonkala iraisam-pirenena Web azo ampiasaina maimaimpoana. Wiki izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary ny sehatra (website) Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Ny teny hoe Wikipedia dia fitambaran'ny teny roa wiki sy pedia (fanafohezana ny hoe encyclopedia). Ny Wikipedia dia nosoratan'olona te-hanampy nefa tsy terena na karamaina.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.