Paska

Ny Paska na Paka dia fety ankalazana sy ahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesosy ho velona araka ny voasoratra ao amin'ny Testamenta Vaovao, izay niseho tamin’ny andro fahatelo taorian'ny nanomboan’ny Romana azy tamin’ny hazo fijaliana tao Kalvary tamin'ny taona 30[1][2]. Isan'ny fety malaza indrindra eo amin’ny fivavahana kristiana ny Paska. Fety miovaova daty ny Paska: eo anelanelan’ny 22 Marsa sy 25 Avrily. Afa-tsy ho an’ny Fiangonana tatsinanana izay mankalaza azy araka ny tetiandro joliana amin'ny fotoana mampitovitovy faharetana ny andro sy ny alin’ny lohataona amin’ny 21 Marsa (ekinoksa).

Matthias Grünewald Isenheimer Altar Auferstehung

Fiforonan-teny

Ny teny hoe paska na paka dia avy amin’ny teny latina hoe pascha (vakina hoe: paska) izay azo avy amin’ny teny grika hoe πάσχα / paskha, izay avy amin’ny teny arameana hoe  פסחא / paskha sy ny  teny hebreo hoe פֶּסַח / pesakh izay midika hoe: "mandalo eo ambony". Io teny io dia nenti-nanondro ny fety jiosy izay ahatsiarovana ny fivoahan’izy ireo avy any Egipta.

Tamin’ireo taona 50 i Paoly dia nanoratra tao Efesosy na Efezy ho an’ireo Kristiana ao Korinto (1Korintiana 5:7) ka nanondro an’i Kristy amin’ny teny hoe "paska", sady mety tsy ho ny Kristiana tao Efesosy sy Korinto ihany no nandre izany fampitahana ny Eksodosy toko faha-12 amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty izany[3].

Ny Paska teo amin’ny Fiangonana tany amboalohany

Ny Kristiana voalohany, na Jiosy na Jentilisa, dia nahalala ny fisian’ny tetiandro hebreo (Asa 2.1; 12.3; 20.6; 27.9, 1Kor. 16.8). Ny Jiosy Kristiana, izay nankalaza voalohany ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia nampifandray ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Jesosy sy ny nitsanganany amin’ny Paska jiosy.

Fantatra fa teo antenantenan’ny taonjato faha-2 dia nisy fankalazana feno ny Paska nataon’ny Kristiana. Angamba ny loharano tranainy indrindra izay miresaka ny amin’ny Paska kristiana dia Toriteny momba ny Paska teo antenantenan’ny taonjato faha-2 izay heverina fa nataon’i Melito avy any Sardisy, izay nilaza ny maha efa tsara orina an'io fety io[4]. Ny fahatsiarovana ireo maritiora dia nanomboka niseho nazava tamin’izany fotoana izany ihany koa[5].

Raha ny Andron'ny maritiora (amin’ny ankapobeny ny andro tsirairain’ny maritiora) dia nankalazaina amin’ny daty raikitra ao amin’ny tetiandro manara-masoandro isan-tanàna, ka noraiketina amin’ny alalan’ny tetiandro jiosy izay manaraka ny fihodin’ny volana sy ny masoandro ny datin’ny Paska kristiana. Izany dia nifanaraka tamin’ny fankalazana ny Paska kristiana izay nampidirin’ny Kristiana nandritra ny fisiany voalohany, tamin’ny vanimpotoana jodeo-kristiana, nefa tsy nahatonga izany resaka izany tsy hisy mampisalasala[6].

Ilay mpahay tantara atao hoe Sokratesy Skolastikosy (taona 380--450) dia mihevitra fa ny fankalazan’ny fiangonana ny Paska dia natao mba hampaharitra ny fanaony, "sahala amin’ny fanao hafa izay noforonina", izany hoe na i Jesosy na ny Apostoly dia tsy nandidy ny mpanaraka azy hihazona izany fety izany na ny fankalazana hafa. Na dia nanoritsoritra ny antsipiriany amin’ny fankalazana ny Paska ho nipoitra avy amin’ny fombafomba isan-toerana voafaritra iray aza io mpanoratra io, dia nanamafy fa nankalazain’ny Kristiana rehetra tamin’izay fotoana izany io fety io [7].

Ny datin’ny Paska

Andro Alahady eo anelanelan’ny 22 Marsa sy 25 Avrily ny andro ankalazana ny Paska. Amin'ny ankapobeny dia tsy mitovy ny andro ankalazana ny Paska ho an’ny Kristiana tandrefana izay mampiasa ny tetiandro gregoriana sy ny Kristiana tatsinanana izay mampiasa ny tetiandro joliana. Ireto ny andro ankalazana ny Paska amin’ny taona 2017 sy 2018 ary 2019 ho an’ny Kristiana tadrefana: 16 Avrily 2017 sy 1 Avrily 2018 ary 21 Avril 2019. Ireto kosa izy ho an'ny Kristiana tatsinanana : 16 Avrily 2017 sy 8 Avrily 2018 ary 28 Avril 2019.

Datin’ny Paska 2000-2040

Tetiandro gregoriana

Taona Tandrefana Tatsinanana
2000 23 avrily 30 avrily
2001 15 avrily (itovizana)
2002 31 marsa 5 mey
2003 20 avrily 27 avrily
2004 11 avrily (itovizana)
2005 27 marsa 1 mey
2006 16 avrily 23 avrily
2007 8 avrily (itovizana)
2008 23 marsa 27 avrily
2009 12 avrily 19 avrily
2010 4 avrily (itovizana)
2011 24 avrily (itovizana)
2012 8 avrily 15 avrily
2013 31 marsa 5 mey
2014 20 avrily (itovizana)
2015 5 avrily 12 avrily
2016 27 marsa 1 mey
2017 16 avrily (itovizana)
2018 1 avrily 8 avrily
2019 21 avrily 28 avrily
2020 12 avrily 19 avrily
2021 4 avrily 2 mey
2022 17 avrily 24 avrily
2023 9 avrily 16 avrily
2024 31 marsa 5 mey
2025 20 avrily (itovizana)
2026 5 avrily 12 avrily
2027 28 marsa 2 mey
2028 16 avrily (itovizana)
2029 1 avrily 8 avrily
2030 21 avrily 28 avrily
2031 13 avrily (itovizana)
2032 28 marsa 2 mey
2033 17 avrily 24 avrily
2034 9 avrily (itovizana)
2035 25 marsa 29 avrily
2036 13 avrily 20 avrily
2037 5 avrily (itovizana)
2038 25 avrily (itovizana)
2039 10 avrily 17 avrily
2040 1 avrily 6 mey

Tantaran’ny datin’ny Paska kristiana

Ny Paska no fety voalohany ankalazaina araka ny tetiandro litorjika kristiana (na taom-piangonana) efa azo hamarinina nanomboka tamin’ny taonjato faha-2 izany. Tsarovana amin'izany ny fiaraha-misakafo farany sy ny fijalian’i Jesosy ary ny fitsanganany ho velona[8]. Samy manana ny fomba fankalazany ny fetin’ny Paska ny fiangonana tany aloha. Ny sasany amin’ireo Rain'ny Fiangonana dia nankalaza ny Paska kristiana tamin’ny andro ankalazana ny Paska jiosy, indrindra ireo fiangonana siriaka izay manaraka ny fomba nolovaina araka ny Evanjelin’i Joany izay manao ny fanomboana an’i Kristy ho fanatitry ny Paska[9].

Ireo tao amin’ny Fiangonan’i Roma kosa dia nankalaza ny Paska amin’ny Alahady manaraka ny Paska jiosy, ka mampisongadina ny Fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ny ampitson’ny andro Sabata[10].

Tamin’ny taona 387, i Epifana avy any Salamina dia nilaza ny fisian’ny vondrona roa izay mankalaza ny Paska amin’ny daty tsy miova, dia ireo manaraka ny "angano" jiosy, sy ireo izay nitoetra tao Kapadokia, izay nankalaza ny Paska tamin’ny 8 kalendan’ny Avrily (25 Marsa)”. Nambarany mazava fa nilaza ho nahita ny daty tena izy nahafaty an’i Jesosy tao amin’ny loharano kristiana ireo olona ireo. Nefa tsy nanaiky izany daty izany i Epifana sady nilaza fa nisy soratra hafa izay nanondro ny faha-15n’ny kalendan’ny Avrily (18 Marsa) na ny faha-10n’io kalenda io (23 Marsa). Nilaza koa i Epifana fa ny 13n’ny kalendan’ny Avrily (20 Marsa) no tena izy, araka ny kajy nataony [10].

Nanapaka ny Konsily tao Nikea tamin’ny taona 325 fa ny fikajiana ny datin’ny Paska dia atao manaraka fitsipika raikitra[11]. Noho izany, “ny Paska dia ny Alahady manaraka ny faha-14 andron’ny Volana izay mahatratra izany fe-potoana izany amin’ny 21 Marsa na avy hatrany dia manarakaraka izany”, izany hoe ny Alahady manaraka ny fenomanana voalohany mandritra na aorian’ny ekinoksa (fotoana mampitovy ny halavan’ny andro sy ny alina) amin'ny lohataona. Nisy olana nitranga taty aoriana, dia ny tsy fitovian’ny fanao teo amin’ny Fiangonana tandrefana sy ny Fiangonana tatsinanana. Tamin’ny taona 1582 dia nandray ny tetiandro gregoriana ny Tandrefana hanaovany ny fikajiana ny datin’ny Paska, nefa ny Tatsinanana nanohy ny fampiasana ny tetiandro joliana izay efa nampiasaina hatramin’izay.

Ny fikajiana ny datin’ny Paska, izay fantatra amin’ny anarana hoe kompoty (frantsay: comput), dia sarotra. Misy ny tabilao mahazatra fahizay, nefa misy koa ny algoritma izay ara-matematika kokoa ahafahana mikajy izany. Ny voalohany dia fomba fiasa novolavolain’i Carl Friedrich Gauss izay ahitana fahadisoana vitsivitsy: tamin’ny 1954 (ny raikipohy dia nanome ny 25 Avrily raha tokony ho ny 18 Avrily) ary tamin’ny 1981 (ny 26 Avrily raha tokony ho ny 19 Avrily). Maro koa ireo matematisiana izay namolavola raikipohy hafa.

Nandroso fanavaozana ny fomba fikajiana ny datin’ny Paska ny Konsily Ekiomenikan’ny Fiangonana tamin’ny fivoriana tampony tao Alepa ao Siria tamin’ny taona 1997. Izany fanovana izany dia voalaza fa afaka manafoana ny fahasamihafan’ny daty eo amin’ny Fiangonana tandrefana sy ny Fiangonana tasinanana[12]; izany koa dia tokony nampiharina nanomboka tamin’ny 2001, nefa tsy nahomby izany.

Nisy ny vondrona mpivavaka sasany izay nisafidy ny hankalaza ny Paska kristiana mifanaraka amin’ny datin'ny Paska jiosy, izany hoe amin’ny faha-14n'ny volana Nisana izany ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra (Andro Fahafito) sy ny sasany amin’ireo Batistan’ny Andro Fahafito. Ny Vavolombelon'i Jehovah manokana dia tsy mankalaza Paska fa mankalaza ny ataony hoe Fahatsiarovana (anglisy: memorial)[13].

Ny Paska araka ny Baiboly

Ny Paska araka ny Testamenta Taloha

Milaza ny Baiboly hebreo (Tanakh) fa nahazo baiko tamin’Andriamanitra ny Zanak’i Israely hamono zanak’ondry tsy misy kilema sady hanosotra ny ran'ilay zanakondry amin’ny tolam-baravarana, amin’izay dia handalo fotsiny eo ambonin’ny varavaran’ny Hebreo - fa tsy hijanona eo - ny hery izay hamono ny voalohan-teraky ny Egiptiana amin’ny fahatongavan’ny loza fahafolo. Dia nanao toy izay tokoa ireo Hebreo ireo. Ankalazaina sy tsarovan’ny Jiosy isan-taona izany zavatra izany ka ataony hoe fetin’ny Pesakh (Paska jiosy). Ny Fijalian’i Jesosy dia niseho tamin’ny fotoana fankalazana izany fety izany, araka ireo Evanjely, ka izany no mahatonga ny Kristiana nandray io fety io ho azy satria aminy dia mitovy amin’ny zanak’ondry novonoina hanavotra ny olona rehetra amin’ny fahotany i Kristy voavono.

Ny Paska jiosy dia entina hahatsiarovana ny fivoahan’ny Zanak’i Israely avy any Egipta fa ny Paska kristiana kosa dia fahatsiarovana ny niarahan’i Jesosy nisakafo farany tamin’ny mpianany, ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty.

Ny Paska ao amin’ny Testamenta Vaovao

Araka ireo Epistily

Ny Testamenta Vaovao dia milaza fa ny fitsanganan’ny Jesosy tamin’ny maty, izay tsarovana sy ankalazaina amin’ny andron’ny Paska, no fototry ny finoana kristiana (1Kor. 15.12-20). Ny fitsanganana amin’ny maty no nahatonga ny finoana an’i Jesosy ho ilay Zanak’Andriamanitra mahery (Rom. 1.4) ary porofo ilazan'ny Kristiana izany fa hitsara izao tontolo izao amim-pahamarinana Andriamanitra (Asa 17.31). Ho an’izay mino ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany ho velona, “ny fahafatesana dia voatelina ka resy” (1Kor. 15.20-26; 1Kor. 15.54-57). Ny olona izay misafidy ny hanaraka an’i Jesosy dia hahazo “fahaterahana vaovao ho amin’ny famonjena velona amin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty”. (1Pet. 1.3). Noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay manaraka an’i Jesosy dia hitsangan-ko velona ara-panahy miaraka aminy sahady ka tokony handeha amin’ny lalam-piainana vaovao sady handray ny famonjena mandrakizay. (Rom. 6.1-9; 1Pet. 1.3-4).

Ny Paska kristiana dia mifandray amin’ny Paska jiosy sy ny Fivoahan’ny Zanak’i Israely avy tao Egipta izay voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny alalan’ny fiarahan’i Jesosy nisakafo farany tamin’ireo mpianany, ny fijaliany ary ny fanomboana azy tamin’ny hazo fijaliana izay nialoha ny fitsanganany ho velona[14]. Araka ny Testamenta Vaovao, i Jesosy dia nanome ny sakafon’ny Paska jiosy heviny vaovao, araka ny niseho tao amin’ny efitrano ambony nandritra ny fisakafoanana farany izay nomaniny sy ny mpianany mialoha sy ho an'ny fahafatesany[15]. Ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay iray kapoaka dia ny nofony izay hatao sorona sy ny rany izay halatsaka. I Paoly dia niteny hoe: “Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika” (1Kor. 5.7), izany dia mampahatsiahy ny fepetry ny Paska jiosy izay mandidy ny Israelita mba tsy hitahiry masirasira (na lalivay na leviora) ao an-trano sady fanoharana an’i Jesosy ho ilay Zanak’ondrin’ny Paska (Apok. 5.6; 1Pet. 1.19; 1Pet. 1.2).

Araka ireo Filazantsara

Ny fivoasan’ny Vaovao Mahafaly araka an’i Joany dia i Jesosy, amin’ny maha Zanak’Ondrin’ny Paska azy - dia nohomboana tamin’ny hazo fijaliana sahala amin’izay nitranga tamin’ny zanak’ondrin’ny Paska jiosy izay vonoina any amin’ny Tempoly, amin’ny tolakandron’ny faha-14n’ny volana Nisana (Eks.12-6). Izany fivoasana izany, na dia izany aza, dia tsy mifanaraka amin’ny filaharana ara-potoan’ny zavatra voatantara ao amin’ny Filazantsara sinoptika. Izany dia midika fa ny soratra izay nadika ara-bakiteny hoe “ny fiomanana amin’ny Paska” ao amin’ny Filazantsaran’i Joany (Joa. 19.14) dia manondro ny faha-14 Nisana (andro fiomanana ho an’ny Paska jiosy) sady tsy voatery hanondro ny Andro Fahenina  (hebreo: יום שלישי  / Yom Shlishi “Andro fahenina”) (Zoma, andro fanomanana ho amin’ny herinandro Sabatan’ny Paska jiosy) (Eks. 12:18; Joa. 13.2; Joa. 18.28; Joa. 19.14) ary ilay takin’ny mpisorona ho madio mba “hihinana ny paska” (izany hoe ilay sakafon’ny Paska jiosy) (Joa. 18.28) izay mampahatsiahy ny fihinanana ny zanak’ondrin’ny Paska jiosy, fa tsy ho an’ny fanatitra ataon’ny sarambaben’olona izay tanterahina amin’ireo andron’ny Mofo tsy misy masirasira (Lev. 23.8).

Ny hevitry ny fiangonana sasany ny amin’ny fankalazana ny Paska

Ny Fiangonana katolika romana sy ny Fiangonana ortodoksa dia mankalaza ny Paska kristiana. Raha ny momba ny fankalazana ny fetim-piangonana toy ny Krismasy sy ny Advento, dia maro amin’ny fomban’ny Fiangonana Tandrefana nifandovana no efa niova na navelan’ireo fiangonana nipoitra avy tamin’ny Reformasiona Protestanta, izay ataon'ireo antokom-pivavahana kristiana mihevi-tena ho mpandala ny fomba tsy mifangaroharo fa fomban’ny mpanompo sampy na miendrika fanompoana ny Papa ka efa niova be[16]. Na dia izany aza, ny sasany amin’ireo fiangonana avy tamin’ny Reformasiona (ny Loterana, ny Metodista, ny Anglikana, ohatra), dia nisafidy ny hihazona ny ankabeazan’ny fankalazana ny Taom-piangonana izay efa nisy miaraka amin’ireo antsipiriany maro amin’ireo fomba efa nifandovàna. Ao amin’ny Fiangonana Loterana, ohatra, dia tsy ny Herinandro Masina ihany, fa ny Krismasy sy ny Paska ary ny Pentekosta koa dia nohajaina miaraka amin’ny fankalazana telo andro (ilay andro voatondro sy ny andro roa manaraka; latina: triduum).

Ny Quakers sy ny Kongregasionalista ary ny Presbiteriana

Ny Fiangonana Protestanta sasany kosa indray dia nanana ny fomba fandraisany izany fety izany, dia ireto: ny ankamaroan’ny Anabatista, ireo atao hoe Quakers (“Mpangovitra”), ny Kongregasionalista, ny Presbiteriana milaza tena ho mpandala ny madio dia mihevitra ireo fankalazana ireo ho zava-betaveta[17]. Ny tsy fankalazany ny Paska dia miorina amin’ny ampahany amin’ny fivoasany ny 2Kor. 6.14-16[18] sy amin’ny ampahany amin’ny fiheverany amin’ny ankapobeny fa, raha fomba fanaon’ny fiangonana na ny fankalazana fety iray no tsy voasoratra ao amin’ny Baiboly, izany fomba na fankalazana izany dia tsy maintsy ho zavatra noforonina taty aoriana ary tsy tokony ho raisina ho fomba na finoana kristiana marina, noho izany dia tokony ho heverina ho tsy misy ilana azy na fahotana mihitsy aza.

Ny Restored Church of God

Ny antokom-pivavahana sahala amin’ny Restored Church of God (“Fiangonana’Andriamanitra Nohavaozina”) dia tsy manaiky ny fankalazana ny Paska, satria ataony fa avy amin’ny fomban’ny mpanompo sampy izay mankalaza ny fetin’ny lohataona noraisin’ny Fiangonana Katolika Romana izany[19].

Ny Vavolombelon’i Jehovah

Ny Vavolombelon'i Jehovah dia manana fomba fijery sahalahala amin’izany ihany, ka manao isan-taona ny fahatsiarovana ny "Sakafo harivan'ny Tompo" sy ny nanomboana an’i Kristy amin’ny takarivan’ny faha-14n’ny volana Nisana (araka ny kajy ataony izay mivoaka avy amin’ny tetiandro hebreo). Fahatsiarovana ihany no tokony hatao, hoy izy ireo, araka ny voalaza ao amin’ny Lioka (Lio. 22. 19-20) sy ny Korintiana (1Kor 11.26) izay mandidy ny hahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy fa tsy ny nitsanganany tamin’ny maty[20], ary izy ireo dia manao an’izany isan-taona, sahala amin’ny Jiosy izay mankalaza ny Paska jiosy isan-taona.

Ny Religious Society of Friends (Quakers)

Ny Religious Society of Friends (Quakers), dia tsy mankalaza na mahatsiaro ny Paska na ny fety rehetra ataon’ireo Kristiana hafa, fa mihevitra fa "ny andro tsirairay dia andron'ny Tompo", ary ny fanomezan-danja manokana ny andro iray mihoatra noho ny hafa dia maneho fa azo anaovana zavatra tsy mifanaraka amin’ny maha Kristiana ireo andro hafa ireo[21]. Nandritra ny taonjato faha-17 sy faha-18 ny Quakers dia nenjehina noho izy ireo tsy mankalaza fety kristiana[22].

Ny Anarana Masina sy ny Fiangonana Velon’Andriamanitra

Ny Kristiana sasany dia mahatsapa fa ny Paska dia zavatra tokony ho heverina amin-kafaliana: tsy fanamarihana ilay andro ihany, fa fahatsiarovana sy firavoravoana amin’ilay zava-nitranga tsarovana, dia ny fahagagana ny amin’ny nitsanganan’i Kristy ho velona. Noho izany, izy ireo dia mampianatra fa ny andro tsirairay sy ny sabata rehetra dia tokony ho masina avokoa, ao amin’ny fampianaran’i Kristy. Ny Hebreo-Kristiana, ny Anarana Masina (Holy Name), ary ny antokom-pivavahan’i Armstrong (sahala amin’ny Fiangonana Velon’Andriamanitra (Living Church of God) dia tsy manaiky ny Paska kristiana fa mankalaza kosa ny Paska jiosy amin’ny 14 Nisana. Izany dia marina ho an’ny vondrona Kristiana izay mankalaza ny Voaloham-Bolana (na Tsinam-bolana) na ny Sabata Lehibe isan-taona ho fanampin’ny Sabatan’ny andro fahafito (ankalazaina manomboka amin’ny Zoma hariva hatramin’ny Asabotsy hariva). Tohanany araka ny soratra masina izany amin’ny fampahatsiahivany ny ao amin’ny Kolosiana (Kol. 2.16-17): "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy."

Jereo koa:

Tsiahy:

  1. Bernard Trawicky, Ruth Wilhelme Gregory (2000). Anniversaries and Holidays. American Library Association. ISBN 9780838906958.  "Easter is the central celebration of the Christian liturgical year. It is the oldest and most important Christian feast, celebrating the Resurrection of Jesus Christ. The date of Easter determines the dates of all movable feasts except those of Advent."
  2. Aveni, Anthony (2004). "The Easter/Passover Season: Connecting Time's Broken Circle", The Book of the Year: A Brief History of Our Seasonal Holidays. Oxford University Press. pp. 64–78. ISBN 0-19-517154-3.
  3. Karl Gerlach (1998). The Antenicene Pascha: A Rhetorical History. Peters Publishers. p. 21. ISBN 9789042905702. For while it is from Ephesus that Paul writes, "Christ our Pascha has been sacrificed for us," Ephesian Christians were not likely the first to hear that Ex 12 did not speak about the rituals of Pesach, but the death of Jesus of Nazareth.”)
  4. Melito of Sardis. "Homily on the Pascha". Kerux. Northwest Theological Seminary. Retrieved 28 March 2007.
  5. Cheslyn Jones, Geoffrey Wainwright, Edward Yarnold, and Paul Bradshaw, Eds., The Study of Liturgy, Revised Edition, Oxford University Press, New York, 1992, p. 474.
  6. Cheslyn Jones, Geoffrey Wainwright, Edward Yarnold, and Paul Bradshaw, Eds., The Study of Liturgy, Revised Edition, Oxford University Press, New York, 1992, p. 459:"[Easter] is the only feast of the Christian Year that can plausibly claim to go back to apostolic times ... [It] must derive from a time when Jewish influence was effective ... because it depends on the lunar calendar (every other feast depends on the solar calendar)."
  7. Socrates, Church History, 5.22, in . Retrieved 28 March 2007.
  8. Michel Rouche, Les origines du christianisme 30-451, Hachette, p. 48.
  9. Pâque juive et Pâques chrétienne : un même calendrier ? [archive] Article de Jean-Paul Michaud sur le site Interbible
  10. 10,0 et 10,1 Pierre Maraval, Le christianisme de Constantin à la conquête arabe, p. 236-238.
  11. Christian Bonnet et Bertrand Lançon, L'Empire romain de 192 à 325, Ophrys, 1998, p.242.
  12. Site du Conseil Œcuménique des Églises [archive]
  13. Stras.info [archive]
  14. Vicki K. Black (1 July 2004). Welcome to the Church Year: An Introduction to the Seasons of the Episcopal Church. Church Publishing, Inc. ISBN 9780819219664.
  15. Vicki K. Black (1 July 2004). Welcome to the Church Year: An Introduction to the Seasons of the Episcopal Church. Church Publishing, Inc. ISBN 9780819219664.
  16. Otto, Diane L. (2007). Guess What I Discovered on the Way to Church?. Xulon Press. p. 413. ISBN 978-1-60266-349-7.
  17. Daniels, Bruce Colin (1995). Puritans at Play: Leisure and Recreation in Colonial . Macmillan, p. 89, ISBN 978-0-31216124-8.
  18. "14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? 15 Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? 16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko."
  19. Pack, David. "The True Origin of Easter". The Restored . Archived from the original on . Retrieved 24 March 2011.
  20. "Easter or the Memorial—Which Should You Observe?". Watchtower Magazine. Bible and Tract Society of . . Retrieved 11 April 2014.
  21. Jereo: Quaker Faith & practice of Britain Yearly Meeting, Paragraph 27:42.
  22. Quaker life, December 2011: "Early Quaker Top 10 Ways to Celebrate (or Not) "the Day Called Christmas" by Rob Pierson Archived 6 February 2012 at the Wayback Machine.
Fahababoana tany Asiria

Ny fahababoana tany Asiria na sesitany tany Asiria dia fotoana teo amin'ny tantaran'i Israely taloha sy i Joda izay nanaovan'ny Asiriana sesitany olona israelita anarivony avy tao amin'ny Fanjakan'i Israely avaratra (Samaria). Isan'ireo famindram-ponenana maro izay nataon'ny Empira asiriana vaovao izany. Ny Fanjakan'i Israely avaratra dia babon'ilay mpanjakan'i Asiria atao hoe Teglatfalasara III (na Tiglato-pilesera) sy i Salmanazara V (Salmanesera). Ny mpanjaka asiriana faramparany, dia i Sargona II sy ny zanany mpandimby azy Senakeriba, dia tompon'andraikitry ny fiafaran'ny roapolo taona naharava ny Fanjakan'i Israely any avaratra nonenan'ny foko folon'i Israely, na dia tsy afaka nandrava ny Fanjakan'i Jodà any atsimo aza izy ireo. Natao fahirano i Jerosalema nefa tsy azon'ny mpanao fahirano. Ireo foko nataon'i Asiria sesitany no atao hoe "Foko folo very" taty aoriana.

Fankalazana ny Fiakaran'i Jesosy

Ny Fiakaran'i Jesosy na Fiakaran'i Jesoa na Fiakarana fotsiny na Andro niakarana dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny andro niakaran'i Jesosy Kristy any an-danitra efapolo andro aorian'ny Paska ary folo andro alohan'ny fankalazana ny nilatsahan'ny Fanahy Masina, dia ny Pentekosta. Manamarika ny fihaonana farany teo amin'i Jesosy sy ireo mpianany taorian'ny Fitsanganany tamin'ny maty izany. Famantarana ny fomba vaovao anatrehan'i Jesosy Kristy, izay tsy ho hita intsony ara-batana eto amin'ity tontolo tsapa ity ny Fiakaran'i Jesosy. Mialoha lalana ny fiainana mandrakizay ho an'ny Kristiana izany.

Ny Alakamisin'ny andro niakarana dia ankalazaina eo anelanelan'ny 30 Avrily sy 3 Jona ho an'ny fiangonana manaraka ny tetiandro gregoriana. Ny nifidianana ny andro Alakamisy dia fanarahana ny voalaza ao amin'ny Filazantsara (Marka sy Lioka) sy ny Asan'ny Apostoly (Mar. 16.19; Lio. 24.51; Asa 1.2), nefa misy ny fiangonana izay misafidy ny andro Alahady manaraka an'io.

Fiteny tahisiana

Ny fiteny tahisiana dia fiteny aostroneziana iray tenenina any Tahiti.

Anisann'y fiteny tahisiana izy io, izay fiteny polineziana. Ny vondron-teny misy azy dia ny fiteny polineziana tatsinanana, izay niparitaka erak'i Polinezia avy teo amin'ny tambanosin'i Samoa. Ny fiteny hafa ao anatin'io vondrona misy ny fiteny tahisiana io dia ny fiteny maori, ny fiteny rapa nui (fitenin'ny nosin'i Paska) ary ny fiteny hawaianina.

Ny toerana itenenana ny fiteny tahisiana dia ny Îles de la Société ary any Tahiti indrindra indrindra.

Fitsanganan'i Jesosy ho velona

Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona na fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia isan'ireo tenim-pinoana (na dogma) fototra eo amin'ny teolojia kristiana sy ny kristolojia izay ivony. Izao no voasoratra ao amin'ny literatiora tranain'ny kristianisma, ny Epistola voalohan'i Paoly: "Ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia foana ny finoanay" (Korintiana voalohany 15.14). Izany tenim-pinoana izany dia manambara fa i Jesosy avy any Nazareta dia nitsangana tamin'ny maty tokoa tamin'ny andro fahatelo aorian'ny nanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana. Ao amin'ny fanekem-pinoana nikeana (na niseana) no ahitana indrindra izany tenim-pinoana izany.

Araka ireo Evanjely, taorian'ny nanomboana an'i Jesosy araka ny didin'i Pontio Pilato, sy taorian'ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana, dia nalevina i Jesosy. Roa andro taorian'izany dia hitan'ireo vehivevy namangy ny fasana, indrindra i Maria Magdalena, fa nikodia niala ny vato nanidiana ny fasana izay lasa foana. Niseho tamin'ny mpianany maro i Jesosy taorian'izany, isan'izany ireo Apostoly (jereo: 1Kor. 15. 5-6).

Ankalazain'ny Kristiana izany fitsangan'i Jesosy tamin'ny maty izany amin'ny Alahadin'ny Paska, izany hoe telo andro aorian'ny Zoma masina, izay ahatsiarovana ny nanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana. Zava-dehibe amin'ny fanavotana izany fitsanganan-ko velona izany ho an'ny Kristiana.

Karemy

Ny Karemy dia fotoana anaovana fifadian-kanina sy fieken-keloka izay tandreman'ny Kristiana ka maharitra efapolo andro ho fiomanana amin'ny Paka (na Paska). Tamin'ny taonjato faha-4 no nanombohan'ny Kristiana nanao fifadian-kanina amin'ny Karemy ka 40 andro no faharetan'izany fifadiana izany izay miedrika fanaovana sakafo faran'izay tsotra dia tsotra. Izany dia ahatsiarovana ny fifadian-kanina 40 andro nataon'i Jesoa Kristy tany an-tany efitra. Hamaivanina ny fifadian-kanina amin'ny Alahady sy amin'ny Andron'i Maria. Mifarana amin'ny fifadian-kanina hentitra kokoa sy fankalazana ny Karemy amin'ny Herinandro Masina.

Kristianisma Tandrefana

Ny Kristianisma tandrefana dia ny fitambaran'ny Fiangonana katolika sy ireo Fiangonana Protestanta ao amin'ny tapany andrefan'ny Kontinentan'i Eoropa sy ny Kontinentan'i Amerika ary i Afrika ka hatrany Aostralia. Nanomboka tamin'ny nielezan'ny fivavahana kristiana taorian'ny taonjato faha-16 taty Afrika sy tany Oseania dia tsy tena voafaritra ara-jeografia ny hoe "Kristianisma tandrefana" fa ara-pirehan-kevitra na ara-teolojia sy araka ny fiavian'ny sampan'ny kristianisma arahin'ny fiangonana resahina.

Tsy mitovy ny fiheveran'ny Kristiana tatsinanana sy tandrefana ny amin'ny fahotana lovana sy ny amin'ny fivoahan'ny Fanahy Masina ary ny fotoam-pankalazana ny Paska. Tsy mitovy koa ny tetiandro ampiasaina satria ny Tandrefana mampiasa ny tetiandro gregoriana fa ny Tatsinanana kosa mampiasa ny tetiandro joliana. Tsy mitovy koa ny fotoana ankalazana ny Noely. Ny Kristiana tandrefana no mitana ny laharana voalohany raha ny habetsahan'ny mpino no jerena satria mahatratra 90%n'ny isan'ny Kristiana maneran-tany.

Madagasikara

Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy) dia firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Fitambarana nosy i Madagasikara raha amin'ny lafin'ny firenena no jerena. Madagasikara ihany koa no iantsoina ilay nosy malagasy lehibe miendrika tongotra havia. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany ny nosy Madagasikara. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany).

Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Renala izay ahitana sokajy karazany valo (8) izay tsy hita amin'ny toeran-kafa ny enina (6).

I Madagasikara dia nipoitra tamin'nny fiparitahan'ny kaontinanta Gondwana tamin'ny taona tamin'ny taona -35 tapitrisa talohan'i Jesoa Kristy : voalohany i Madagasikara ary i India dia nisaraka tamin'i Afrika ary dimampolo tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin'i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin'izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afatsy any Madagasikara ny valopolo isan-jaton'izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekolojika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan'ny olombelona (tavy, fandringanana ny ala, fihazana ny biby) ; ankehitriny dimy amin'ny sivipolo isan-jaton'ny ala taloha no voaringana.

Araka ny arkeolojia, ny olona voalohany indrindra tonga tao Madagasikara dia tonga teo amin'ny 300-500 taorian'i Jesoa Kristy. Ireo mponina ireo dia mponina aostrônezianina avy any Borneo, ao Indonesia. Tonga fitonjato taona taty aoriana ireo mponina Bantoa niampita ny lakandranon'i Mozambika, ireo arabo avy any avaratra, ireo karana ary ireo sinoa. Tamin'ny taonjato faha fito ambin'ny folo, nanomboka nanjanaka an'i Madagasikara ny frantsay (Fort-Dauphin, Diego-Suarez). Samy manana ny anjarany ao amin'ny fiainana ara-kolontsaina malagasy ankehitriny ireo mponina nipetraka ary mipetraka tao Madagasikara ireo.

Nandritra ny taonjato faha 19, ny nosin'i Madagasikara dia voazakan'ny Fanjakan'i Madagasikara, nihongana tamin'ny fanafihan'ny frantsay tamin'ny 1895. Ny Governemanta malagasy voalohany dia tamin'ny 10 Oktobra 1958 ary tamin'ny 1960, nahazo ny fahaleovantenany Madagasikara tao aorian'ny tolon'ny tia-tanindrazana. Madagasikara no anisan'ny firenena voalohany nahazo fahaleovantena tao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ary anisan'ny voalohany indrindra tao amin'ny faritra atsimon' Afrika.

Mosesy

I Mosesy na Môizy dia ilay lehilahy hebreo resahina ao amin'ny Baiboly fa nitondra ny Zanak'i Israely ho afaka amin'ny fanandevozana avy tany Egipta ho any amin'ny tany Kanana izay nampanantenain' Andriamanitra. Nitondra azy ireo namakivaky tany efitra izy ka tamin'izany no nivoahan'ny Didy Folo sy ny fototry ny Lalàna nifehy ny Zanak'i Israely. Araka ny Baiboly ihany dia niampita ny Ranomasina Mena koa izy sy ny vahoaka notarihiny. Tsy tafita tany amin'ny tany Kanana anefa i Mosesy fa maty teo amin'ny tendrombohitra Nebo rehefa avy nametraka ny fitarihana ny Israelita tamin'i Josoa (na Josoe).

Nisana (volana hebreo)

Ny Nisana dia volana voalohany amin'ny tetiandro hebreo ampiasaina amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma) izay anarahana ireo andro firavoravoana ao amin'io fivavahana io. Volana fahafito kosa izy ao amin'ny tetiandro hebreo ampiasain'ny olona andavanandro ivelan'ny fivavahana, ka raha miampy volana fahateloambin'ny folo ny taona hebreo dia volana fahavalo ny Nisana. Isan'ny volana amin'ny lohataona ny Nisana izay misy telopolo andro. Eo amin'ny volana Marsa na Avrily ao amin'ny tetiandro gregoriana ny volana Nisana. Ny teny nogasina hoe nisana dia avy amin'ny teny hebreo hoe נִיסָן / nisan.

Talohan'ny fahababoan'ny Jody tany Babilona dia atao hoe Aviva na Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib) araka ny hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Noely

Ny Noely na Krismasy dia andro firavoravoana kristiana izay ankalazana sy ahatsiarovana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy. Aorian’ny Paska (na Paka) dia ny Noely no andro fety manan-danja indrindra amin'ny alimanakan'ny ankamaroan'ny fiangonana kristiana. Ny andron'ny Noely anefa dia tsy fitsingerenan'ny andro nahaterahan’i Jesoa fa daty nifanarahana fotsiny hanaovana ny fankalazana. Ny fiangonana katolika sy ny fiangonana protestanta dia mankalaza ny Noely amin'ny 24 sy 25 Desambra. Tsy misy soratra ao amin'ny Baiboly izay mandidy mivantana ny fankalazana ny Noely. Noho izany dia ao ireo fiangonana mankalaza ary ao koa ireo tsy mankalaza izany.

Nosin'i Paska

Ny Nosin'i Paska (amin'ny fiteny espaniola Isla de Pascua, ary amin'ny fiteny rapa nui Rapa Nui midika « Rapa Be ») dia nosy manirery ao atsimo andrefan'ny Ranomasimbe Pasifika, fantatra manokana amin'ny sarivongany ngeza be (ny moai) sy ny fanoratana oseanianina, ny rôngôrôngô.

Ilay nosy dia 3 700 kilometatry ny amorontsiraka silianina ary efatra arivo kilometratry ny Tahiti. Ny nosy akaiky indrindra dia ny nosy Pircairn roa arivo kilometatra any andrefana. Ny endrik'ilay nosy dia telo zoro, mirefy 23 kilometraka fara faha-betsany, ny velarantaniny dia 162 km². Ny isam-ponina dia 3 304 mponina tamin'ny 2002. Ny renivohiny dia Hanga Roa.

Ny eoropeanina nihazana ny nosin'i Paska voalohany dia ilay mpitondra sambo Jakob Roggeveen, tamin'ny andron'i Paska tamin'ny 5 Aprily 1722, ary niisa efatra arivo mponina ilay nosy tamin'izany fotoana izany. Lasan' Espaina ilay nosy tamin'ny 1770 ary lasa fananana silianina tamin'ny 1888.

Hatry ny 1995, nosoratan'ny UNESCO ao amin'ny fananan' Olmbelona ny haren-tsain'ny Nosin'i Paska. Ny valan-javaboahary, tsindraindray iambesana, manodidin'ny dindona.

Io nosy io, ny nosy any andrefana indrindran'ny ranomasimbe Pasifika, dia nosy malaza amin'ny dindona megalitika navelan'ny Rapanui (haifomba paskoana voalohany) : Ny Moai ; sarivongan'olona miisa sivinjato manerana ny nosy, vita bazalta, manan-kalava efa-metatra (eo ho eo), dia lazaina hoe moai

Paska jiosy

Ny Paska jiosy na Paka jody izay atao hoe Pesa'h amin'ny teny hebreo dia fety lehibe amin'ny Jiosy izay ankalazana sy ahatsiarovana ny fialan'ny Zanak'i Isiraely avy tao Ejipta sy ny niampitan'izy ireo ny Ranomasina Mena teo ambany fitarihan'i Mosesy (na Moizy); izany dia voatantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ao amin'ny Baiboly. Ankalazaina isan-taona anatin'ny fito na valo andro manomboka amin'ny faha-14n'ny volana Nisana amin'ny filentehan'ny masoandro ny Paska jiosy na Pesa'h. Tsy afangaro ny Pesa'h sy ny Paska kristiana.

Pentekosta

Ny Pentekosta na Pentekôty dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny nidinanan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apostoly tamin’ny faha-50 andro taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Amin’ny Alahady fahafito aorian’ny Paska no anatanterahana azy. Io fety io no mamarana ny fetin’ny Paska.

Pentekosta jiosy

Ny Shavuot (hebreo: שבועות "herinandro") na Pentekosta na Pentekôty dia fety ao amin'ny jodaisma ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay na Sinaia sy ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha (atao hoe koa "Fetin'ny lohavokatra"). Ankalazaina amin'ny 6 Sivan ny Shavuot.

Sederan'ny Paska

Ny Sederan'ny Paska na Sedera dia fombafomba ao amin'ny fivavahana jiosy mifamatotra amin'ny hevitra ara-tandindona miaraka amin'ny fetin'ny Paska jiosy, izay mikendry ny fampiainana ny mpandray anjara, indrindra ny zaza, ny fahazoana tampoka ny fahafahana taorian'ny taona maro nahandevozan'ny Zanak'i Israely tany Egipta, izany hoe ny fivoahan'ny Zanak'i Israely avy tao Egipta. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe סדר / Seder izay mlidika hoe "filaminana" izany. Anaovana sakafo sakafo fito ny Sederan'ny Paska.

Amin'ny faha-14n'ny volana Nisàna no ankalazana ny Sedera ao amin'ny tanin'i Israely, fa any amin'ireo Jiosy am-pielezana dia amin'ny faha-14 sy faha-15n'ny volana Nisàna no anaovana izany, araka ny Hagadà novolavolaina nandritra ny taonjato maro. Ao amin'ny Misnà no ahitana ny foibem-panorenana io fomba io. Naka ampahany tamin'ny fomba fanao babiloniana koa izany nandritra ny vanimpotoan'ny Amoraima sy ny Geonima, ka nanaovana fandraiketana an-tsoratra nandritra ny Andro Antenantenany sady notovanana tamin'ny hira maro tamin'ny taonjato faha-16. Taty aoriana dia samy manana ny fivoasany azy ny Jiosy sionista sy ny Jiosy komonista.

Sim'hat Torah

Ny Sim'hat Torah (hebreo: שמחת תורה / "hafalian'ny Lalàna") dia fety jiosy ankalazana ny Torah ("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy. Tanterahina amin'ny 22 sy 23 Tishri izany fety izany.

Taom-piangonana

Ny taom-piangonana na tetiandro litorjika kristiana na kalandrie litorjika kristiana na taona litorjika dia tetiandro manondro ny daty raikitra na miovaova ankalazana ny fetim-piangonana na ahatsiarovana ny zava-dehibe niseho teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristiana ary ny daty ahatsiarovana ny olomasina isan-karazany.

Avy amin'ny datin'ny Paska (izay miovaova) sy ny datin'ny Noely (izay tsy miova) no iaingan'ny fitsipika ahafahana mamantatra ny fotoana litorjika sy ny daty ankalazana ny fety litorjika hafa rehetra. Nivoatra ny tetiandro litorjika nandritra ny taonjato maro nisian'ny fivavahana kristiana ka niteraka fahasamihafana isam-piangonana izany (tetiandro litorjika katolika, ortodoksa, protestanta, sns.).

Ny firavoravoana sasany dia miseho amin'ny daty gregoriana raikitra tsy miova, isan'izany ny Noely, nefa ny sasany miovaova daty, tahaka ireo izay miankina amin'ny andro fankalazana ny Paska. Ireto avy ireo fety lehibe ao amin'ny taom-piangonana: ny Advento (na Fiaviana), ny Noely (na Krismasy), ny Epifania, ny Zoma masina, ny Paska (na Paka), ny Adro niakarana, ny Pentekosta ary ny Trinite.

Misy loko litorjika manavaka azo ampifandraisina amin’ny fizaran-taona samihafa ao amin’ny taona litorjika. Ny datin’ny fety dia miova kely eo amin’ny fiangonana samihafa, na dia mitovy ihany amin’ny ankapobeny ny fifanarakarahana sy ny anton’izany.

Tetiandro hebreo

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy sy ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny Volana sy ny Masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'i Metona. Avy amin'io tetiandro io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.

Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355. Marihina fa ny salan'ny taona manaraka ny fihodin'ny Masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4 eo ho eo.

Tu bi-Shevat

Ny Tu bi-Shevat (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin'ny folo andron'ny Shevat") dia fety jiosy ankalazana ny taom-baovaon'ny hazo izay tanterahina amin'ny 15 Shevat.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.