Palestina

I Palestina (amin'ny fiteny arabo السلطة الفلسطينية As-Sulṭa Al-Filasṭīniyya) dia firafitra ara-pandrindrana ao Azia andrefana. Ny faritany irindran'io firafitra io dia i Jordania Andrefana (Cisjordanie amin'ny teny frantsay, West Bank amin'ny teny anglisy), ny Bandin'i Gaza ao amin'ny faritra A sy B an'i Palestina araka ny fifanarahan'i Oslo. Manam-piloha ary antenimiera voafidy amin'ny alalan'ny fifidianana, polisy (fa tsy tafika) ary solotena any amin'ny firenena vahiny maro.

Afovoany Atsinanana

Ny Afovoany Atsinanana na Azia Andrefana dia ny faritra atsimo andrefan'i Azia, miampy an'i Ejipta. Ireo firenena ao Azia Andrefana dia i Arabia Saodita, Iraka, Yemen, Oman, Iran, Siria, Jordania, Ejipta, Israely, Palestina ary Torkia.

Asan'ny Apostoly

Ny Asan'ny Apostoly dia boky fahadimy ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny Asan'ny Apostoly dia mitantara ny fiainan'ny fiangonana kristiana tany am-piandohana. Tohin'ny Filazantsara araka an'i Lioka izy. Mitantara ny fanatanterahan'ireo Apostoly ny iraka nampanaovin'i Jesosy azy ireo hitory ny Vaovao mahafaly ao amin'ny Jiosy sy amin'ny firenena jentilisa (Asa 1.8) ho lasa zanak'Andriamanitra io boky io. Mitantara koa ny fifandirana nisy teo amin'ny Jiosy tsy kristiana sy ireo Kristiana ny amin'i Jesosy ny Asan'ny Apostoly (Asa 4.1-31; 7.1-59). Ny Fanahin'Andriamanitra no hitarika azy ireo hitory ny Vaovao mahafalin'i Jesosy amin'ny firenena rehetra. I Paoly, izay tsy isan'ireo Apostoly roa ambin'ny folo, no tantaraina ao amin'ny Asan'ny Apostoly fa nafana fo indrindra tamin'ny fitoriana ny Vaovao mahafaly taorian'ny niovany fo avy amin'ny fivavahana jiosy ho amin'ny fanarahana an'i Kristy.

Bokin'i Jeremia

Ny Bokin’i Jeremia dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana izay mitantara ny fotoana mahatsiravina taloha kelin'ny hadravan'ny Babiloniana ny Fanjakan'i Jodà sy ny nahatanterahan'izany noho ny tsy fanajan'ireo mpanjakan'i Jodà an'Andriamanitra. Betsaka ny Jiosy natao sesitany nefa nisy ihany koa ireo nijanona tao Palestina teo ambany fanaraha-mason'ny solonten'i Babilona.

Edoma

I Edoma dia anaran'ny firenena tao atsimon'ny Ranomasina Maty ao amin'ny tapany atsimon'i Israely sy Jordania ankehitriny. Araka ny Baiboly dia taranak'i Esao (izay antsoina hoe Edoma koa) ny mponin'i Edoma izay atao hoe Edomita, dia i Esao izay lahimatoan'i Isaka sady kambana tamin'i Jakoba razamben'ny Israelita.

Toy ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy dia nipoitra tamin'ny Andron'ny Vy ny Fanjakan'i Edoma ka naharitra hatramin'ny taonjato faha-8 sy faha-6 tal. J.K.

I Edoma sy i Israely dia samy tao Palestina tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. ka i Edoma tao atsimon'i Israely sy Moaba.

Tsy nifanaraka i Edoma sy ny firenena hafa nanodidina azy fa niady matetika niady tamin'ny Fanjakan'i Jodà sy tamin'ny Fanjakan'i Moaba. Mety nanana mpanjaka talohan'i Israely i Edoma, nefa teo anelanelan'ny taonjato faha-10 sy faha-6 tal. J.K. dia nanjakan'ny Fanjakan'i Israely na ny an'i Jodà matetika izy.

Ny Boky voalohan'ny Mpajaka ao amin'ny Baiboly dia miresaka ny amin'ny andriandahy edomita atao hoe Hadada izay nataon'ny mpanjaka Davida sesitany sady niady tamin'ny mpanjaka Solomona taty aoriana amin'ny fifehezana ny lalana mankany amin'ny seranan'i Eilata sy mankany amin'ny toeram-pitrandraham-barahina ao.

Tamin'ny vanimpotoana najakazakan'ny Asiriana sy ny Babiloniana no tena nampamirapiratra ny Edomita. Tamin'ny tapany faran'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nanjaka tao amin'ny tapany atsimon'i Palestina i Edoma. Io no atao hoe Idomea tamin'ny fotoana nampatanjaka ny kolontsaina grika (helenika). Avy ao Idomea i Heroda Lehibe izay nanapaka tao Jerosalema taty aoriana.

Eseniana

Ny Eseniana dia ireo olona tao amin'ny antoko mpanaraka ny jodaisma tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa izay niroborobo nanomboka tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin'ny taonjato voalohany tao Palestina.

Araka an'i Flavio Josefa dia iray amin'ireo antoko telo lehibe teo amin'ny fiarahamonina jiosy tao Palestina ny Eseniana (ny roa hafa dia ny Fariseo sy ny Sadoseo). Fikambanan'olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan'andro (sahala amin'ny batisa) sady mifady ny fahafinaretana eto amin'izao tontolo izao.

Nalaza ny Eseniana tamin'izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana ny tahirim-boky ara-pivavahana nanomboka tamin'ny taona 1947 izay nomena ny anarana hoe "Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty", ka zato eo ho eo amin'ny 870 no mety ho soratry ny Eseniana, na an'antoko mitovitovy aminy nitondra ny anarana hoe Yahad ("Firaisana") ao amin'ny soratra miisa telopolo eo. Na dia izany aza dia tsy ifanarahan'ny mpikaroka rehetra izany fampitoviana ny Eseniana amin'ny Iahady izany.

Niparitaka ny Eseniana taorian'ny fandravan'i Tito ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. Mety niisa 4 000 izy ireo tao Palestina sy Egipta ary Siria. Ny fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron'ny Ranomasina Maty. Mahaleo tena ny fikambanana tsirairay izay mivelona amin'ny fambolena sy ny asan-tanana.

Manandrantra avo ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hatsaram-panahy ary ny fitiava-namana ny fampianaran'ny Eseniana. Miombom-pananana izy ireo. Mitandrina ny Sabata sy ny fahadiovana ara-pivavavahana izy ireo ka mandro amin'ny rano mangatsiaka sy mitondra fitafiana fotsy. Tsy mianiana izy ireo afa-tsy alohan'ny hiditra ho mpikambana. Fadîny ny manao sorona biby sy manamboatra fitaovam-piadiana ary ny manao raharaham-barotra.

Fanjakan'i Israely (Samaria)

Ny Fanjakan'i Israely na Fanjakan'i Samaria na Fanjakana Avaratra dia fanjakà-mpanjaka tao Atsinanana-Akaiky taloha izay naorin'ny Israelita tao amain'ny tapany avaratr'i Palestina tamin'ny Andron'ny Vy. Naharitra 200 taona io fanjakana io, izay nisy nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. sy rava tamin'ny taonjato faha-8 tal. J.K. (taona 930 - 720 tal. J.K.).

Ny mpahay tantara dia manome anarana azy hoe "Fanjakan'i Samaria" na "Fanjakana Avaratra" mba tsy hifangaroany amin'ny Fanjakan'i Jodà ao atsimo na ny Fanjakan'i Israely fony mbola nitambatra. Araka ny Baiboly dia nandimby ny Fanjakan'i Israely mitambatra sy ny an'i Jodà izy. Atao hoe "Efraima" koa izy indraindray.

Maro ireo tari-mpanjaka nifandimby nitondra tao amin'io fanjakana io. I Sikema no renivohiny talohan'ny nisafidianan'i Jeroboama an'i Tirtsa (na Tirza). Taty aoriana dia nanorina ny tanànan'i Samaria i Omry ka lasa renivohitry ny fanjakana io tanàna io hatramin'ny nanorenana azy ka hatramin'ny namaboan'ny Asiriana azy.

Tsy tena tsara ny filazan'ny Baiboly ny amin'ity fanjakana ity noho ny vahoaka nonina tao sy ny mpanjakany lazainy fa nanalavitra ny fampianaran'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fanompoan'izy ireo sampy. Lasan'ny Asiriana tamin'ny taona 720 tal. J.K. ny Fanjakan'i Israely.

Fikomian'ny Makabeo

Ny Fikomian'ny Makabeo dia fikomiana nataon'ireo Jiosy tao Palestina notarihin'i Jodasy Makabeo teo anelanelan'ny taona 175 sy 140 tal. J.K., nanoherana ny fampidirana kolontsaina grika ao amin'ny kolontsaina jiosy sy niadian'ny Jiosy mpandala ny fomban-drazana tamin'ny Jiosy helenista, fony ilay seleokida atao hoe Antiokosy IV Epifanesy mpanjakan'i Siria no nifehy koa an'i Jodea (na Jodia). Izany fikomiana izany dia niteraka ny fahazoan'ny Jiosy fahaleovantena indray sy nanadiovana ny fivavahana jiosy tsy hahitana fomba grika ka niteraka ny fiorenan'ny fanapahan'ny fianakaviana hasmoneana. Izany fikomiana izany dia tantaraina ao amin'ireo Bokin'ny Makabeo.

Fiteny arameana

Ny fiteny arameana (na aramaika) dia iray amin'ireo vondrom-piteny hamito-semitika. Misy koa ny manoratra hoe arameo tahaka ny hoe hebreo sy ny hoe aramianina na arameanina. Amin'io fianakaviam-piteny hamito-semitika (na afro-aziatika) io dia isan'ny sampana semitika ny fiteny arameana. Raha ny tena marina dia ampahan'ny fianakaviam-piteny semitika atsimo-andrefana ny fiteny arameana, izay mahafaoka koa ireo fiteny kananeana toy ny fiteny hebreo sy ny fiteny fenisiana (foinikiana na koa foenikiana) ary ny fiteny ogaritika. Ny abidy arameana dia noraisin'ireo fiteny hafa sady razan'ny abidy hebreo sy ny abidy arabo, ary koa ny abidy kharoshity ao avaratra-andrefan'i India, ary mety ho razan'ny abidy brahmy koa.

Nandritra ny 3100 taon'ny tantara voasoratra dia nampiasaina ho fitenim-panjakan'ny empira sy fiteny amin'ny fanompoam-pivavahana ny fiteny arameana. Isan'ireo fiteny andavanandro tao Palestina nandritra ny fotoan'ny Tempoly Faharoa (539 tal. J.K. - 70 taor. J.K.), fiteny niresahan'i Jesoa-Kristy , fitenin'ny ampahany be ao amin'ny Bokin'i Daniela sy ny Bokin'i Ezra (na Esdrasa) ao amin'ny Baiboly, ary fiteny nampiasaina indrindra ao amin'ny Talmoda. Nefa, ny fiteny jodeo-arameana dia hafa noho ny fananany toetra sy fitsipiteny miavaka.

Ny tantara lavan'ny fiteny arameana sy ny fampiasana azy amin'ny fomba isankarazany dia nanjary niteraka ny fiforonan'ny fitenim-paritra maro, izay heverina indraindray ho tena fiteny mahaleotena. Noho izany, tsy nisy ny atao hoe fiteny arameana marin-toerana sy tsy miova. Ny vanim-potoana tsirairay sy ny faritra tsirairay dia samy nanana ny karazam-piteny arameanany avy. Nanao ny arameana ho fitenim-pivavaha ny Fiangonana Tatsinanana, amin'ny endriny atao hoe siriaka, izay karazana fiteny arameana nampielezana ny fivavahana kristiana tatsinanana. Ireo fiangonana ireo dia nampiasa ny arameana na karazana arameanam-paritra.

Ny fiteny arameana vaovao dia ampiasaina ho fiteny voalohany ao amin'ny vondro-mponina madinika miparitaka ka mitoka-monina ny ankamaroany, izay Kristiana na Jiosy, sy ampiasain'ny foko mandeana any Azia Atsinanana – ny ankamaroany, ireo Asiriana, dia mampiasa ny fiteny arameana amin'ny endriny vaovao, asiriana arameana vaovao, kaldeana arameana vaovao – ; izy rehetra dia mbola mampiasa fiteny natanjaka ifaneraseran'ny olona tsy mitovy fiteny. Ireo fiteny arameana ireo dia heverina ho fiteny andalam-panjavonana amin'izao fotoana izao.

Fiteny hebreo

Ny fiteny hebreo na fiteny hebrio dia fiteny semitika. Tenin'ny Jiosy io fiteny io. Teny fampiasan'ny Israelita nandritry ny fotoana nitrangan'ny tantara tao amin'ny Baiboly ny teny hebreo. Rehefa resin'i Babilôna i Jodà, dia nentina hatao sesitany tany Babilôna ny Jiosy ka nanomboka niteny aramaika na arameana. Tsy nampiasaina tamin'ny fiainana andavanandro intsony ny teny hebreo fa mbola fantatry ny Jiosy mpanadihady Soratra Masina ihany.

Nanan-kevitra ny hanao ny teny hebreo ho fiteny fampiasa indray ny Jiosy maro tamin'ny taonjato faha-20. Ary lasa tenin'ny firenen'i Israely tamin'ny 1948 ilay fiteny. Avy amin'ny toerana maro ny mponin'i Israely ka nanapa-kevitra ny hianatra hebreo avokoa izy ireo mba hiteny fiteny iray ihany. Ny fikambanana mifehy ny fampiasana ny teny hebreo dia ny Akademian'ny Fiteny Hebreo.

Hebreo (mponina)

Ny Hebreo na Hebrio dia vondrom-poko semitika izay nifindra avy any Mesopotamia nankany Palestina tamin’ny taonarivo faharoa tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben'ny Jiosy ankehitriny.

Avy any Kanana ka nankany Egipta ny ampahany amin’ireo Hebreo, dia ireo taranak’i Jakoba, atao hoe Israelita na Zanak’i Israely, ka lasa andevon’ny Egiptiana. Rehefa afaka tamin’ny fanandevozana izy ireo teo ambany fitarihan’i Mosesy (na Moizy) dia nivezivezy tany an-tany efitr’i Sinay hankany Kanana indray. I Josoa (na Josoe) no nandimby an’i Mosesy alohan’ny hanafihany sy honenan’ireo Hebreo tao amin’ny tany Kanana atao hoe koa Palestina.

Jeremia (mpaminany)

I Jeremia dia mpaminany tao amin'ny Fanjakan'i Joda izay heverina araka ny lovantsofina fa nanoratra ny Bokin'i Jeremia ao amin'ny Tanakh sy ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly. Teraka tokony ho tamin’ny taona 650 tal. J.K. tao akaikin’i Jerosalema i Jeremia. Mbola tanora izy no nantsoin’Andriamanitra hitondra ny teniny, mety mbola tsy ampy 20 taona, tamin’ny andron’i mpanjaka Josia. Fotoan’ady teo amin’ireo firenena maro ny andro niainan’i Jeremia satria ireo fanjakan-dehibe vaovao dia niezaka nandresy ireo taloha.

Nampitandrina ireo mpanjakan’i.Joda i Jeremia talohan’ny fandravana an'i Joda sy ny fahalavoan'i Jerosalema nefa nolazaina fa mpamadika. Noho izany dia nisy fotoana nanaovana azy an-tranomaizina. Niaritra fahoriana i Jeremia nefa nanamafy ny fifaneraserany tamin’Andriamanitra izany. Nitarainan amin’Andriamanitra ny amin’izany fahasahiranany izany i Jeremia ka izany no nivoahan’ilay atao hoe "Fanekem-pinoan'i Jermia".

Nanatrika ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda sy ny fandoroana ny Tempoly ary ny fanaovana sesitany ny ampahany amin’ny mponin’i Jerosalema koa izy. Tapitra tamin’izany ny maha firenena afaka an’i Joda satria azon’i Babilonia.

Nisafidy ny hitoetra tao Palestina izy fa tsy tany Babilona nandritra ny fotoanan’ny Fahababoana nefa noho ilay Kaldeana solontenan’ny fanjakana babiloniana nisy namono tao Jerosalema dia niaraka tamin’ireo izay nandositra tany Ejipta izy ka tany no nanohizany ny asany ary tany koa no mety nahafatesany.

Jesosy

I Jesosy na Jesoa dia Jiosy tany Palestina izay inoan'ny Kristiana ho zanak'Andriamanitra nirahina ho ety ambonin'ny tany hanavotra ny olombelona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona indray. Izy no foto-pisian'ny Fivavahana kristiana. Antsoina koa hoe Jesoa Kristy na Jesosy Kristy izy.

Mpanjakan'i Israely

Ny mpanjakan'i Israely dia ireo mpanjaka avy amin'ny fokon'i Israely lazaina ao amin'ny Baiboly fa nanapaka ny tanin'i Israely ao Palestina, nanomboka tamin'ny taona 1051 tal. J.K. hatramin'ny taona 721 tal. J.K. Nanomboka tamin'ny nisarahan'ny Fanjakan'i Israely sy ny Fanjakan'i Jodà dia ireto ny mpanjakan'i Israely nifandimby raha tsy isaina i Saoly na Saola (שאול - Shā’ûl) sy Isboseta (אִֽישְׁבֹּשֶׁת‬ / Ishboshet) sy i Davida (דָּוִד / Dāwîḏ) ary i Solomona (שְׁלֹמֹה‬ / Shlomoh).

Jeroboama I (hebreo: יָרָבְעָם‬ / Yaraḇe‘am);

Nadaba (hebreo: נָדָב‬ / Naḏaḇ);

Baasa na Basa (hebreo: בַּעְשָׁא‬, / Baʿashaʾ);

Ela (hebreo: אֵלָה‎ /’Elah);

Zimry (hebreo: זִמְרִי / Zimri,);

Omry (hebreo: עמרי‬ / ‘Omri);

Ahaba (hebreo: אַחְאָב / ʼAḥʼaḇ);

Ahazia na Okoziasa (hebreo: אֲחַזְיָה‎ / ’Aḥazyah);

Jorama (hebreo: יְהוֹרָם‎ / Yehoram);

Jeho (hebreo: יֵהוּא‬ /Yehu);

Joahaza na Joakaza (hebreo: יְהוֹאָחָז‎ / Yeho’aḥaz);

Joasy na Joasa (hebreo: יהואש / Yeho’ash na יואש / Yo’ash);

Jeroboama II (hebreo: יָרָבְעָם‎ / Yaraḇe‘am);

Zakaria (hebreo: זְכַרְיָה‎ / Zeḵaryah);

Saloma (hebreo: שַׁלּ֤וּם‎ / Shallum);

Menahema (hebreo: מְנַחֵם / Menaẖem);

Pekahia na Faseia (hebreo: פקחיה‎ / Peqaḥyah);

Peka na Fasea (hebreo: פֶּ֨קַח‎ / Peqaḥ);

Hosea na Osea (hebreo: הושע / Hoshea‘).

Mpanjakan'i Jodà

Ny mpanjakan'i Jodà dia ireo mpanjaka avy amin'ny fokon'i Israely lazaina ao amin'ny Baiboly fa nanapaka ny tapany atsimon'ny tanin'i Israely ao Palestina, izay atao hoe Fanjakan'i Jodà, taorian'ny fisarahan'ny Fanjakan'i Israely ho roa nanomboka tamin'ny taona 930 tal. J.K. hatramin'ny taona 586 tal. J.K. Nanomboka teo amin'ny fanjakan'i Rehoboama na Roboama ka hatramin'ny fanjakan'i Zedekia na Sedekiasa ny mpanjakan'i Jodà. I Saoly (na Saola) sy i Isboseta sy i Davida ary i Solomona (na Salomona) dia mpanjakan'i Israely tamin'ity fanjakana ity mbola tokana tsy mivaky. Nisy roapolo ny isan'ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà, raha tsy isaina i Saoly (שאול / Shā’ûl) sy i Davida (דָּוִד / Dāwîḏ) ary i Salomona (שְׁלֹמֹה‬ / Shlomoh).

Rehoboama na Roboama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);

Abiama na Abia (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);

Asa (hebreo: אסא / ’Asa);

Josafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);

Jehorama na Jorama (hebreo: יהורם / Yehoram);

Ahazia na Okoziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);

Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);

Joasy na Joasa (hebreo: יהואש / Yehoash);

Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);

Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);

Jotama (hebreo: יותם / Yotam);

Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);

Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);

Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):

Amona (hebreo: אמון / ’Amon);

Josia na Josiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);

Joahaza na Joakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);

Joiakima na Joakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);

Joiakina na Joasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) na Jekonia na Jekoniasa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);

Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Nebokadnetsara II

I Nebokadnetsara II na Nebokadnezara II na Nabokôdônôzôra II dia mpanjakan'i Babilona tanelanelan'ny taona 605 sy 562 tal. JK. Nitarika ny tafika babiloniana izy rehefa hifarana ny fitondran'i Nabopolasara rainy ka tamin'ny taona 605 dia resiny tao Karkemisa ao Siria ny Egiptiana. Nanafika matetika niankandrefana tany Siria sy Palestina sy Egipta ary Arabia izy. Resiny ny tafik'i Jodà tamin'ny taona 597 tal. J.K. ka azony i Jerosalema ary nentiny ho babo any Babilona ny mpanjaka Joiakima sy ny vahoakany maro koa. Nisy ny fikomiana nanohitra azy tao amin'ny Fanjakan'i Jodà tamin'ny taona 599-587 tal. J.K. ka famaizana mahatsiravina no nasetrin' izany izay nanaovany sesitany Jiosy maro indray tany Babilona. Nataony fahirano mandritra ny 13 taona ny tananan'i Tiro any Foinikia ary nanafika an'i Egipta koa izy tamin’ny taona 568 tal J.K. Maty tamin'ny taona 562 tal J.K. i Nebokadnetsara ka i Avela-Mardoka (na Amela-Merodaka) no nandimby azy.

Palestina (São Paolo)

I Palestina (São Paulo) dia kaominina ao Brazila, ao amin'i São Paulo, ao amin'i São José do Rio Preto, São José do Rio Preto.

Ranomasina Maty

Ny Ranomasina Maty dia farihy masira ao Palestina any Atsinanana-Akaiky eo anelanelan'i Jordania sy i Israely any andrefana. mivarina ao aminy ny ony Jordana (na Joridany). Mirefy 1015 km2 ny velarany, 85 km ny halavany ary 17 km ny sakany. Any amin'ny 392 m ambanin'ny haavon'ny ranomasina ny misy azy. Farihy be sira loatra (275 g/l raha tokony ho 2,4 g/l) ny Ranomasina Maty ka tsy ahitana trondro na lomotra maitso afaka mivelo ao. Teo akaikin'ny morony, tao Kirbeta Komrano no nahitana ireo soratanam-piraketana manana ny lanjany lehibe amin'ny tantaran'ny Eseniana.

Talmoda

Ny Talmoda dia fanangonan-dalàna izay ahitana ny fivoasana ny Torah. Ny Talmoda dia fitambaran'ny fehezan-dalàna atao ho Misnà (hebreo: מִשְׁנָה / Mishnah) sy ny fivoasana ny Misnà atao hoe Gemarà (hebreo: גמרא / Gemarah). Ny zavatra ao amin'ny Talmoda izay mikasika ny fanapahan-kevitry ny raby momba ireo zavatra mahakasika ny lalàna nefa misy tsy itovizan-kevitra no mamorona ny atao hoe Halakà (hebreo: הֲלָכָה / Halakha), ary ny angano sy fitantarana madinika ampiasaina ho enti-manome ohatra momba ny lalàna dia atao hoe Agadà (hebreo: אגדה / Agadah).

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe תַּלְמוּד / Talmud, izay moidika hoe "fandalinana" ny Talmoda.

Misy karazany roa ny Talmoda, dia ny Talmodan'i Palestina sy ny Talmodan'i Babilona. Ikambanan'ireo endrika roan'ny Talmoda ireo ny Misnà, nefa samy manana ny Gemaràny izy roa ireo. Ny Talmodan'i Palestina, izay atao hoe koa Talmodan'i Jerosalema, dia nosoratan'ny manampahaizana jiosy tao Palestina teo anelanelan'ny tanonjato faha-3 taor. J.K. sy ny fiantombohan'ny taonjato faha-5. NyTalmodan'i Babilona dia vita soratra tamin'ny taonjato faha-5. Izy no lasa soratra manam-pahefana noho ireo sekolin'ny raby tany Babilona tsy ravan'ny zava-niseho rehetra mandritra ny taonjato maro, raha miohatra amin'ny an'i Palestina.

Ny Talmoda, amin'ny hevitra mifintin'io teny io, dia ireo asa soratry ny manampahaizan'ny Talmoda, sy ny fivoasana ataony dia fandraisanana anjara lehibe indrindra amin'ny literatioran'ny raby teo amin'ny tantaran'ny jodaisma. Isan'ny malaza indrindra ilay atai hoe Mishna Torah nosoratan'ilay raby sy filozofa ary dokotera jiosy espaniola atao hoe Mimonida. Famintinana ny literatiora rabinika momba ny lalàna tamin'ny androny izany. Ny fivoasana fantatra indrindra dia ny an'ny Talmodan'i Babilona izay fantatra noho ny asan'ny raby atao hoe Shlomo ben Itzhak na Rashi sy ireo manampahaizana jiosy atao hoe tosapista izay niaina tao Frantsa sy tao Alemaina teo anelanelan'ny taonjato faha-12 sy faha-15, ka isan'izy ireo ny zafikelin'i Rashi.

Talmodan'i Jerosalema

Ny Talmodan'i Jerosalema, izay antsoina hoe koa Talmodan'i Palestina na Talmodan'i Israely, dia fanangonan-dahatsoratra mirakitra ny fivoasana ny Misnà sy ny ady hevitra ny amin'izany izay nosoratan'ireo raby tao Palestina hatramin'ny taonjato faha-2 ka hatramin'ny taonjato faha-5. Tsy tao Jerosalema akory no nanoratana an'io Talmoda io fa tany Galilea ny ankamaroany. Manampy ny Talmodan'i Babilona ny Talmodan'i Jerosalema nefa io voalohany io no tena ampiasaina ao amin'ny fivoasan'ny jodaisma ny Torah.

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe תַּלְמוּד יְרוּשַׁלְמִי / Talmud Yerushalmi ny Talmodan'i Jerosalema.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.