Manase

I Manase dia mpanjakan'i Jodà izay nitondra tamin'ny taona 687 hatramin'ny taona 642 tal. J.K.

Manasseh's Sin and Repentance (Bible Card)
Ny vavaka sy ny fifonan'i Manase, taona 1904.

Ny anarany

Amin'ny fiteny hebreo dia soratana hoe מְנַשֶּׁה‬ / Menasheh, amin'ny fiteny grika dia Μανασσῆς / Manassês na Manassís ary amin'ny fiteny latin dia Manasses.

Ny tantarany

Araka ny Baiboly

Resahina ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izy sady voalaza ao fa nitondra tena tahaka ny adala araka ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 21.1-18). Lasa babo izy dia nentina tany Babilona ka tany izy no nibebaka sy nitalaho tamin'Andriamanitra mba havela heloka. Taorian'izany dia tafaverina teo amin'ny fanjakana indray izy araka ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 33.11-13 sy 18-19).

Boky amin'ny anarany

Misy boky apokrifa na pseodepigrafan'ny Baiboly izay mitondra ny anarany, dia ny Vavak'i Manase, izay mirakitra ny vavaka sy ny fiaiken-keloka nataon'ilay mpanjaka nandritra ny figadrany tany Babilona.

Jereo koa:

Mpanjakan'i Jodà

Saoly - Isboseta - Davida - Solomona (na Salômôna) - Rehoboama (na Roboama) - Abiama (na Abia) - Asa - Josafata - Jehorama (na Jorama) - Ahazia (na Okoziasa) - Atalia - Joasy (na Joasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jotama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amona - Josia (na Josiasa) - Joahaza (na Joakaza) -Joiakima (na Joakima) - Joiakina (na Joasina na Jekonia na Jekoniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Amazia

I Amazia na Amaziasa dia mpanjakan'i Jodà nandimby an'i Joasy (na Joasa) rainy ary zanak'ity mpanjaka ity tamin'i Joadana. Nanapaka an'i Jodà nandritra ny 29 taona izy tamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-8 tal. J.K.

Amona (mpanjakan'i Jodà)

I Amona dia mpanjakan'i Jodà nandimby an'i Manase rainy. Ny tena ahatsiarovana an'i Amona dia ny fitiavany manompo sampy izay nahatoga fikomiana nitarika amin'ny famonoana azy tamin'ny taona 641 tal. J.K. Ao amun'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka sy ny Boky faharoan'ny Tantara ao amin'ny Baiboly no ahitana ny tantarany.

Nanjaka tanelanelan'ny taona 643 sy 641 tal. J.K. na 642 sy 640 tal. J.K. izy .

Bney Menase

Ny Bney Menase dia vahoaka aziatika any amin'ireo fanjakana any amin'ny tapany avaratra atsinanan'i India, any amin'ny sisin-tany birmana, dia i Manipur sy i Mizoram, izay fantatra amin'izao fa manam-piaviana jiosy. Hatramin'ny taonjato faha-20 ka hatramin'izao dia ny vondrona atao hoe Chin sy Kuki ary Mizo ao amin'io faritra io no milaza ny tenany fa taranaky ny iray amin'ireo foko folo verin'i Israely ka nadray ny jodaisma ho fivavahany. Tamin'ny faran'ny taonjato faha-20 ny raby Eliyahu Avichail, ao amin'ny vondrona Amishav, dia nanome anarana ireo olona ireo hoe Bnei Menashe ("zanak'i Manase"), araka ny fitantaran'izy ireo ny maha taranak'i Manase azy. Ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ireo fanjakana roa resahina eo ambony ireo, izay miisa maherin'ny 3 700 000 sady manana ny fomba amam-panao azy ireo tsirairay, dia tsy manao ny tenan'izy ireo ho taranaka israelita.

Ny ankamaroan'ny Bney Menase dia nanaraka ny fivavanana kristiana. Nefa tamin'ny taona 1951 dia nilaza ny iray amin'ny mpitarika azy fa nahita tamin'ny nofy ny maha tanindrazan'ny vahoanany an'i Israely. Efa hatramin'ny taona 1950 izy ireo no nanambara fa taranaky ny fokon'i Manase izay nitady fialofana tany amin'ny faritra faran'izay lavitra any Azia. Hatramin'ny faran'ny taonjato faha-20 no mankaty dia misy ny nandray ilay hevitra manao azy ireo ho Jiosy, nefa mitohy ny finoan'izy ireo ny maha Mesia an'i Jesoa (Jodaisma mesianika). Nanomboka tamin'ny taona 1970 ny Bney Menase dia nianatra sy niaina ny jodaisma noho izy ireo maniry ny hiverina amin'izay inoany fa fivavahan-drazany. Araka ny Shavei Israel (fikambanana israeliana mitady ireo foko folo very) dia miisa 10 000 eo ho eo ny Bney Israely.

Tamin'ny Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny raby lehibe sefarada ao Israely (Rabbi Shlomo Amar) dia resy lahatra ny amin'ny maha taranak'i Israely ny Bney Menase, ka nanaiky ny fitakian'izy ireo ny maha taranaka jiosy.

Ny 1000 amin'izy ireo dia monina ao Israely amin'izao fotoana izao, sady efa niova finoana ho amin'ny jodaisma. Ny 7000 hafa dia mbola monina any Mizoram (fanjakana any India avaratra atsinanana) miandry ny fiovam-pinoany ho amin'ny jodaisma ofisialy.

Boky deoterokanonika

Ny boky deoterokanonika na deoterôkanônika dia boky filamatry ny finoana (na kanonika) hita ao amin'ny Baiboly sasany (indrindra ny an'ny Katolika sy ny an'ny Ortodoksa) nefa tsy isan'ny boky filamatry ny finoana ao amin'ny Baiboly hafa (indrindra ny an'ny Protestanta). Amin'ny Katolika sy ny Ortodoksa, ny boky deoterokanonika dia mitovy lanja amin'ireo atao hoe boky protokanonika izay samy filamatry ny finoana mitovy aminy. Ny Testamenta Taloha no tena fantatra fa misy boky deoterokanonika. Tsy hita ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) izy ireo. Ny Kanona katolika sy ortodoksa dia fitambaran'ny boky protokanonika sy ny boky deoterokanonika. Samy manana ny lisitry ny boky izay ataony hoe deoterokanonika ny Fiangonana katolika sy ny ireo Fiangonana ortodoksa ary ny Fiangonana anglikana.

Miantso ny ankamaroan'izy ireo hoe "boky apokrifa" ny Protestanta. Ireo boky tsy ao anatin'ny lisitry ny boky apokrifa protestanta dia ataony hoe boky pseodepigrafa. Ny boky tsy isan'ny protokanonika sy deoterokanonika no ataon'ny Katolika hoe boky apokrifa. Mitovitovy hevitra izany ny hoe pseodepigrafa (protestanta) sy ny hoe apokrifa (katolika).

Efraima (zanak'i Josefa)

I Efraima dia zanaka lahin'i Josefa tamin'i Asnata, sy zafikelin'i Jakoba, ary zandrin'i Manase. Ireto ny zanany lahy: Sotela, Bekera, Tahana (Nomery 26.35), Ezera, Eleada ary Beria (1Tantara 7.20-23).

Ny taranak'i Efraima no namorona ny iray amin'ireo fokon'i Israely roa ambin'ny folo, dia ny fokon'i Efraima izay zana-pokon'i Josefa. Isan'ny taranak'i Efraima i Josefa zanak'i Nona sy i Jeroboama zanak'i Nebata. Isan'ny fokon'i Efraima koa i Josoa (na Jôsoe).

Ny Samaritana amin'izao fotoana izao dia milaza ny tenan'izy ireo ho taranak'i Efraima sy Manase.

Fahababoana tany Asiria

Ny fahababoana tany Asiria na sesitany tany Asiria dia fotoana teo amin'ny tantaran'i Israely taloha sy i Joda izay nanaovan'ny Asiriana sesitany olona israelita anarivony avy tao amin'ny Fanjakan'i Israely avaratra (Samaria). Isan'ireo famindram-ponenana maro izay nataon'ny Empira asiriana vaovao izany. Ny Fanjakan'i Israely avaratra dia babon'ilay mpanjakan'i Asiria atao hoe Teglatfalasara III (na Tiglato-pilesera) sy i Salmanazara V (Salmanesera). Ny mpanjaka asiriana faramparany, dia i Sargona II sy ny zanany mpandimby azy Senakeriba, dia tompon'andraikitry ny fiafaran'ny roapolo taona naharava ny Fanjakan'i Israely any avaratra nonenan'ny foko folon'i Israely, na dia tsy afaka nandrava ny Fanjakan'i Jodà any atsimo aza izy ireo. Natao fahirano i Jerosalema nefa tsy azon'ny mpanao fahirano. Ireo foko nataon'i Asiria sesitany no atao hoe "Foko folo very" taty aoriana.

Fokon'i Efraima

Ny fokon'i Efraima dia vakiny iray ao amin'ny fokon'i Josefa izay isan'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely. Ny vakiny faharoa dia ny fokon'i Manase. Tamin'ny ady nifanaovan'ny fokon'i Efraima sy tamin'ny sisan'ny fokon'i Israely dia ampy hahafantarana ny Efraimita ny tsy fahaizany manonona ny hoe shibboleth izay tononiny hoe sibbolet.

Fokon'i Israely

Ny fokon'i Israely dia ireo foko taranaky ny zanaka lahy roa ambin'ny folon'i Jakoba araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly izay mifarana amin'ny fitantarana ny nanorenan'ireo Zanak'i Israely fonenana tao amin'ny Kanaana. Ireo zanak'i Jakoba ireo dia i Robena (na Reobena), i Simeona, i Levy, i Joda, i Isakara, i Zabolona, i Dana, i Naftaly, i Gada, i Asera, i Josefa ary i Benjamina. Tamin'ny faharavan'ny Fanjakan'i Samaria dia lazaina fa nanjavona ka tsy hita intsony ny foko folo, dia ireo nonina tao amin'io fanjakana io.

Fokon'i Josefa

Ny fokon'i Josefa dia iray amin'ireo fokon'i Israely. Nizara ho foko roa izy dia ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Manase.

Fokon'i Manase

Ny fokon'i Manase dia vakiny iray amin'ny fokon'i Josefa ka ny faharoa dia ny fokon'i Efraima. Isan'ny fokon'i Israely izy. Matetika ao amin'ny Baiboly dia isaina ho foko iray manokana ny fokon'i Manase ka asolo ny an'i Josefa. Toy izany koa ny fokon'i Efraima.

Gideona

I Gideona na Gidehôna dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe tao amin'ny Israely araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 6-8). Giḏʻôn (גדעון) no fanononana io anarana io amin'ny teny hebreo. Atao hoe Yĕrubba`al ("hiaro tena anie i Baala" / "hiady anie i Baala") koa izy. Ity nanarana ity dia soratana hoe Jerobaala ao amin'ny Baiboly malagasy. Zanak'i Soara avy any Ofra izy. I Debora no mpitsara nodimbasiny ary i Abimeleka zanany no nandimby azy.

I Gideona no mpitarika ny fokon'i Manase, ary nitarika ny ady tamin'ny Midianita izay mpandroba avy any atsimo sy atsinanana nampiasa rameva. Voatosiny izy ireo nandritra ny ady voalohany tany ivelan'ny tanin'i Isiraely, tao Eina-Haroda. Novonoin'ny Efraimita izay nanakana ny fiampitana an'i Jordana i Orebita sy i Zeba, mpitarika ny tafiny. Taorian'ny fanafihana nataon'ny Midianita teo akaikin'ny Tendrombohitr'i Tabora dia nanenjika azy ireo i Gideona tany atsinanan'ny reniranon'i Jordana ary namono ny mpitarika azy dia i Zebaha sy i Salmona. Nandritra ity ady faharoa ity no nandresen'i Gideona ny mpanohitra an'i Penoela sy i Sokota tao amin'ny lohasahan'i Jordana. Nisy ireo namporisika azy ho mpanjaka, taorian'ireo fahombiazana ara-tafika ireo, nefa nanda izany izy.

Hezekia

I Hezekia na Ezekiasa dia mpanjaka tao amin'ny Fanjakan'i Jodà nandritra ny taona 715-687 tal. J.K. Izy no nandimby an'i Ahaza (na Akaza).

Isboseta

I Isboseta izay atao hoe Isbaala dia zanak'i Saoly nasandratra ho mpanjakan'i Israely tamin'ny taona 1007 tal. J.K. nandimby an-drainy nefa tsy nanjaka afa-tsy tamin'ny foko 11 izy satria i Davida koa dia nasandratra ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà tamin'io fotoana io ihany. Maty nisy namono izy tamin'ny taona 1005 tal. J.K. Roa taona no naharetan'ny fanjakany. Ao amin'ny Boky faharoan'i Samoela ao amin'ny Baiboly no ahitana ny tantarany.

Jefta

I Jefta na Jiftà na Jefte dia mpitsara tao Israely araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 10.7-12-7). Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Amin'ny teny hebreo dia tononina hoe יפתח / Yip̄tāḥ io anarana io. I Jaira no mpitsara nodimbasany ary i Ibzana no nandimby azy.

Notendren'ireo mpitondra an'i Gileada i Jefta mba hitarika ny ady tamin'ny Amonita izay nandrahona azy ireo. Nandresy izy ka niteraka fialonana teo amin'ny fokon'i Efraima izany. Nanafika azy ny Efraimita nefa tsy nahomby ka nahatonga an'i Gileada ho afaka nizaka tena, ary angamba tsy niankina tamin'ny firenen'i Manase raha tsy taorian'ny fandresen'i Gideona ny Midianita.

Josefa (zanak'i Jakoba)

I Josefa (hebreo: יוֹסֵף‬ / Iosef) dia olona voatantara ao amin'ny Baiboly. Zanak'i Jakoba sy i Rahely izy. I Benjamina no rahalahy iray reny aminy. Manana rahalahy folo hafa tsy iray reny aminy izy. Namidin'ireo rahalahiny izay nialona azy izy nefa lasa manampahefana tany Egipta taty aoriana. Nantsoiny honina any Egipta ny fianakaviany, fantatra amin'ny hoe Zanak'i Israely, tamin'ny fotoana nahamosarena ny tany manontolo. Taorian'ny nahafatesany sy ilay Farao natoky azy no nanombohan'ny fahasahiranan'ny Zanak'i Isaraely izay nandevozin'ny Egiptiana. Manana ny fomba fitantarany an'i Josefa koa ny boky masin'ny silamo atao hoe Kor'any.

Josia (mpanjakan'i Jodà)

I Josia na Josiasa dia mpajaka faha-16 tao amin'ny Fanjakan'i Jodà nandimby an'i Amona. Nanjaka tamin'ny taona 639 hatramin'ny 609 tal. J.K. nahafaty azy atao Megido tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny farao Neko II. Izy no rain'ny mpajakan'i Jodà telolahy izay nandimby azy, dia i Joahaza sy i Joiakima (na Joakima) ary i Zedekia. Niara-belona taminy ny mpaminany Zefania (na Sôfônia) ary natao hoe Davida vaovao.

Manase (zanak'i Josefa)

I Manase dia zanaka lahin'i Josefa voalohany tamin'i Asnata, sy zafikelin'i Jakoba. i Efraima no zandriny, araka ny Baiboly. Rain'i Mahira (na Makira) i Manase ary ny taranany dia namorona foko iray isan'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely, dia ny fokon'i Manase. Araka ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 41.51) dia avy amin'ny teny hebreo hoe nashah izay midika hoe "manadino" io anarana io. Atao hoe מְנַשֶּׁה / Menasheh i Manase amin'ny teny hebreo.

Isan'ny taranak'i Manase i Gideona (na Gedeona).

Ny Samaritana amin'izao fotoana izao dia milaza ny tenan'izy ireo ho taranak'i Efraima sy Manase.

Mpanjakan'i Jodà

Ny mpanjakan'i Jodà dia ireo mpanjaka avy amin'ny fokon'i Israely lazaina ao amin'ny Baiboly fa nanapaka ny tapany atsimon'ny tanin'i Israely ao Palestina, izay atao hoe Fanjakan'i Jodà, taorian'ny fisarahan'ny Fanjakan'i Israely ho roa nanomboka tamin'ny taona 930 tal. J.K. hatramin'ny taona 586 tal. J.K. Nanomboka teo amin'ny fanjakan'i Rehoboama na Roboama ka hatramin'ny fanjakan'i Zedekia na Sedekiasa ny mpanjakan'i Jodà. I Saoly (na Saola) sy i Isboseta sy i Davida ary i Solomona (na Salomona) dia mpanjakan'i Israely tamin'ity fanjakana ity mbola tokana tsy mivaky. Nisy roapolo ny isan'ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà, raha tsy isaina i Saoly (שאול / Shā’ûl) sy i Davida (דָּוִד / Dāwîḏ) ary i Salomona (שְׁלֹמֹה‬ / Shlomoh).

Rehoboama na Roboama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);

Abiama na Abia (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);

Asa (hebreo: אסא / ’Asa);

Josafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);

Jehorama na Jorama (hebreo: יהורם / Yehoram);

Ahazia na Okoziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);

Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);

Joasy na Joasa (hebreo: יהואש / Yehoash);

Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);

Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);

Jotama (hebreo: יותם / Yotam);

Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);

Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);

Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):

Amona (hebreo: אמון / ’Amon);

Josia na Josiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);

Joahaza na Joakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);

Joiakima na Joakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);

Joiakina na Joasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) na Jekonia na Jekoniasa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);

Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Vavak'i Manase

Ny Vavak'i Manase dia boky ao amin’ny Baiboly ortodoksa sasany izay manasokajy azy ho deoterokanonika. Vavaka fanenenana sy fanoneran-keloka nataon’i Manase mpanjakan’i Joda izay babo tany Babilona no hita ao amin'io boky io. Rehefa lasa gadran’ireo Asiriana izy dia nivavaka mafy mba hahazo famelan-keloka amin’Andriamanitra noho ny fanompoany sampy tao Joda. Ny Vavak'i Manase dia ahitana andalana mitovitovy amin’ny ao amin’ny Salamo faha-50. Tsy ahitana afa-tsy andininy 15 io boky io.

Tsy kanonika ny Vavak'i Manase ho an’ny ankamaroan’ny fiangonana kristiana (Katolika sy Protestanta) sy ho an’ny Jiosy. Hita tamin’ny fanontana ny Septoaginta na Septanta sasany sy amin’ny Volgata sasany anefa io boky io.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.