Malakia

I Malakia na Malaky dia mpaminany israelita tamin’ny taonjato faha-5 izay heverina, araka ny lovantsofina, fa nanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly izay mitondra ny anarany, dia ny Bokin’i Malakia.

Malachi
Ny mpaminany Malakia, sary rosiana tamin'ny taonjato faha-18.

I Malakia sy ny Bokin'i Malakia

Ny mpanoratra ny Bokin'i Malakia

Manao ny mpanoratra ny Bokin’i Malakia ho i Ezra (Esdrasa) na i Zorobabela na i Nehemia ny lovantsofina sasany. Ny hafa indray mitazona an’i Malakia, izay Levita sady isan’ireo tao amin’ny “Sinagoga Lehibe”. Ny mpikaroka amin’izao andro izao, na dia izany aza, noho ny fitovitovizan’ny lohateny (ampitahao Mal. 1.1 sy Zak. 9.1 ary Zak. 12.1), dia milaza fa tsy fantatra ny anaran’ny olona nanorara ny boky.

Ny anarana hoe Malakia

Araka ny Easton’Bible Diktionary dia mety tsy anaran-tsamirery ny hoe Malakia fa midika fotsiny hoe “mpitondra hafatr’i YHWH” (anglisy: “messenger of YHWH”)[1]. Ny Septoaginta (na Septanta, izay dikan-tenin’ny Testamenta Taloha amin’ny teny grika, dia manoratra azy hoe ἐν χειρὶ ἀγγέλου αὐτοῦ / en kheiri angélou autou, izay midika ho “amin’ny alalan’ny tanan’ny irany”.

Tsy miseho amin’ny toeran-kafa ao amin’ny Baiboly ny anaran’i Malakia, tsy misy firesahana momba azy nataon’i Ezra (na Esdrasa) ary tsy miresaka mivantana ny amin’ny nanaganana indray ny Tempoly izy. Noho izany dia misalasala ny mpikaroka sasany raha nosoratana tokoa ho anaran-tsamirerin’ilay mpaminany ny hoe mal'akhi. Marihina fa tsy manavaka ny sora-baventy (Mal'akhi) sy ny sora-madinika (mal'akhi) ny abidia hebreo. Nefa tsy misy amin’ireo lohatenim-bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh ny tsy mitondra anaran’olona. Ny hoe mal'akhi dia midika hoe “irako” na “mpitondra hafatro”, miseho ao amin’ny Mal. 3.1 io teny io (ampitahao amin’ny Mal. 2.7). Io teny io anefa dia tokony ho sarotra atao anaran-tsamirery raha tsy miaraka amin’ny tapak’anaran’Andriamanitra hoe Yah, izany hoe tokony ho mal’akhyah, “irak’Andriamanitra”. Izay ataon’ny Septoaginta hoe “amin’ny alalan’ny tanan’ny irany” dia ataon’ny Targoma (Targum) hoe “amin’ny alalan’ny tanan’ny anjeliko, izay atao hoe Ezra mpanoradalàna”[2].

Ny fotoana niainana sy niasan'i Malakia

Ny fotoana niainany

Tsy mitovy ny hevitry ny tsirairay raha ny amin’ny fotoana niainan’ny mpaminany, nefa saika ny mpikaroka rehetra no manaiky fa naminany mandritra ny vanim-potoana persiana i Malakia, sady taorian’ny fananganana sy ny fanokanana ny Tempoly faharoa tamin’ny 516 tal. J.K. (ampitahao Mal. 1.10 ; Mal. 3.1; Mal. 3.10). Niteny ny amin’ny “governora” ny mpaminany (hebreo: pekhah, jereo: Mal. 1.8), izay mitovy amin’ny fitenin’i Hagay sy i Nehemia (Hag. 1.1; Neh. 5.14; Neh. 12.26). Ny endriky ny fiarahamonina resahina ao amin'ny boky dia ny an’ilay fotoan’ny Fanavaozam-pivavahana. Tokony ho niaina sy niasa tamin’ny fotoan-dry Ezra (Esdrasa) sy i Nehemia i Malakia. Ireo fanararaotana ratsy izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Malakia dia mitovy amin’izay hitan’i Nehemia tamin’ny fitsidihan’i Nehemia fanindroany an’i Jerosalema tamin’ny 432 tal. J.K. (Neh. 13.7), ka tokony hitombina ny filazana fa naminany tamin’ny fotoan’i Nehemia i Malakia na toriana kelin’izay[2].

Ny fotoana niasany

Ny mpanonta ny Jewish Encyclopedia tamin’ny 1906 dia manatsoa-kevitra fa naminany taorian’i Zakaria sy i Hagay i Malakia (Mal. 1.10; 3.1; 3.10) sady mandroso hevitra fa nanambara izany faminaniany izany izy tokony ho tamin’ny taona 420 tal. J.K., izany hoe taorian’ny fiverenan’i Nehemia fanindroany avy any Persia ho any Jerosalema (Neh. 13.6) na talohan’izany, raha ampitahaina amin’ny voalaza ao amin’ny Bokin’i Malakia sy amin’ny Bokin’i Nehemia (Mal. 2.8 amin’ny Neh. 13.15 na Mal. 2.10-16 amin’ny Neh. 13.23).

Jereo koa :

Tsiahy:

  1. Easton, Matthew George (1897). "Malachi". Easton's Bible Dictionary (New and revised ed.). T. Nelson and Sons.
  2. 2,0 et 2,1 www.Bibler.org - Dictionary - Malachi". 2012-08-07.
Apokrifan'ny Baiboly

Atao hoe Apokrifan'ny Baiboly na Boky apokrifa na Soratra apokrifa na Apokrifa fotsiny ireo boky nosoratana ho boky masina nefa tsy voaray ho ao amin'ny lisitry ny boky ekena ho filamatry ny finoana ao amin'ny Baiboly kristiana na amin'ny Baiboly jiosy. Izany lisitra izany no atao hoe kanona. Tsy mitovy ny fampiasan'ny Katolika sy ny Protestanta ny teny hoe apokrifa. Samy manana ny lisitry ny boky ataony hoe apokrifa ny fanontana Baiboly tsirairay.

Baiboly

Ny Baiboly dia ilay boky inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ho tenin'Andriamanitra. Ny Baibolin'ny Jiosy na Baiboly hebreo, izay tsy ahitana afa-tsy ny Testamenta Taloha, dia atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran'ireo boky voasoratra talohan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran'ireo boky voasoratra taorian'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin'ny fomba samy hafa ny boky ao amin'ny Baiboly.

Bokin'i Hagay

Ny Bokin’i Hagay na Bokin’i Akjea dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Isan’reo atao hoe “mpaminany madinika” i Hagay na Akjea.

Ny boky dia fitambarana faminaniana efatra izay ampitain’i Hagay amin’i Zorobabela, governoran’ny faritanin’i Jodea, sy amin’i Josoa mpisorom-be mandritra ny fanamboarana ny Tempoly faharoa tao Jerosalema tamin’ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny mpaminany Hagay dia isan’ireo izay namelona ny fahatongavan-tsain’ireo Jiosy nantsoina taorian’ny Fahababoana mba hanamboatra indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin’ny taona 516 tal. J.K. Ao amin’ireo faminaniana ireo, i Hagay dia mamboraka ny faniriany hahita ny hahavitan’ny Tempoly haingana.

Bokin'i Jeremia

Ny Bokin’i Jeremia dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana izay mitantara ny fotoana mahatsiravina taloha kelin'ny hadravan'ny Babiloniana ny Fanjakan'i Jodà sy ny nahatanterahan'izany noho ny tsy fanajan'ireo mpanjakan'i Jodà an'Andriamanitra. Betsaka ny Jiosy natao sesitany nefa nisy ihany koa ireo nijanona tao Palestina teo ambany fanaraha-mason'ny solonten'i Babilona.

Bokin'i Joela

Ny Bokin'i Joela na Bokin'i Jôely dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Iray amin’ireo atao hoe "mpaminany madinika roa ambin'ny folo" izy. Tetezamita mampitohy ny faminaniana israelita sy ny apokaliptika jiosy ny Bokin’i Joela. Ny boky dia mitantara ny fahorian'ireo Jiosy nody ao Joda avy any am-pahababoana, sy mirakitra ny faminanian'i Joela (na Jôely) izay mitaona ny vahoaka hibebaka sady mampanantena azy ireo fahasambarana ho avy amin'ny Andron'i Iahveh.

Bokin'i Malakia

Ny Bokin'i Malakia na Bokin'i Malaký dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Isan’ireo atao hoe Mpaminany madinika izy. Ahitana ireo tenin’ny mpaminany mahazatra toy ny fampahatsiahivana ny nifidian’Andriamanitra an’i Israely ho vahoakany, ny fahamasinan’Andriamanitra, ny fahamarinana ara-piaraha-monina ary ny tokony hanajana ny fanompoam-pivavahana. Ny hafatra eskatolojika ny amin'ny Andron'i Iahveh dia mikasika an’i Israely ihany fa tsy ny firenena rehetra. Miresaka misimisy momba ny fanambadiana koa ny Bokin'i Malakia.

Bokin'i Nahoma

Ny Bokin'i Nahoma dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana voasoratra tamin’ny taonjato faha-7 tao Jerosalema. Ao amin’ity boky ity ny mpaminany Nahoma dia manambara ny hitsarana sy ny hanamelohana an’i Ninive renivohitr’i Asiria (na Asora) noho ny fangejany ireo firenen-kafa. Maneho anefa i Nahoma fa Andriamanitra hamindra fo amin’izay miverina aminy. Fanehoan’Andriamanitra ny famindram-pony amin’ny olona ny fanasaziana ny fahavalony sy ny famotsorany ny vahoakany ho afaka amin’ny fifehezan’ny fahavalony. Vitan’Andriamanitra izany satria izy no mpanapaka ny tany rehetra.

Bokin'i Obadia

Ny Bokin’i Obadia na Bokin'i Abdiasa dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Iray amin’ireo atao hoe "mpaminany madinika" ao amin’ny Baiboly izy sady io boky io no fohy indrindra amin’ireo bokin’ny Testamenta Taloha satria tsy ahitana afa-tsy toko tokana misy andininy 21. Maminany i Obadia (na Abdiasa) ny amin’ny hitsaran’Andriamanitra ny Fanjakan’i Edoma izay harodana sy ny amin’ny famaliana izay hataon’i Israely amin’io fanjakana io. Nefa hihatra amin’ny firenena rehetra izany fitsarana izany any amin’ny andron’i Iahveh.

Bokin'i Zefania

Ny Bokin'ny Zefania na Bokin'i Sôfônia dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Io boky io dia mirakitra ny faminanian’i Zefania na Sôfônia. Nieritreritra ny vahoakan’i Joda fa amin’ny andro ho avy dia hahatonga azy ireo ho firenana matanjaka Andriamanitra ka ho afaka mandresy ireo fahavalony sy hampanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana. Diso anefa ny fiheverany, fa hosazin’Andriamanitra ny vahoakan’i Joda sy ny firenena rehetra izay tsy nanaja azy. Izany no andro fitsarana, andron’i Iahveh. Ny hany fomba hanafahana an’i Joda dia ny fanajana an’Andriamanitra sy ny fivavahana aminy irery ihany.

Isan'ireo atao hoe mpaminany madinika roa ambin'ny folo ao amin'ny sokajy Bokin'ny mpaminany amin'ny Baiboly kristiana i Zefania fa ao amin'ny Nevi'im kosa izy ao amin'ny Tanakh.

Bokin'ny Mpaminany 12

Ny Bokin’ny Mpaminany roa ambin’ny folo na Bokin’ny Mpaminany 12, dia boky na horonam-boky ao amin’ny Tanakh, Baiboly hebreo, izay voasokajy ao amin’ny Nevi’im aharonim, zana-tsokajin’ny Nevi’im ("Mpaminany") izay fizaràna faharoa ao amin’ny Tanakh manaraka ny Torah (fizaràna voalohany "Lalàna") sady arahin’ny Ketuvim (fizarana fahatelo farany "Soratra"). Atao hoe Trei Assar ("Mpaminany 12") ny fitambaran'izy ireo. Hita ao amin’ny Baiboly kristiana ireo boky ireo ao amin’ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika" izay ao amin’ny fizaràna fahefatra atao hoe "Mpaminany".

Bokin'ny mpaminany (Baiboly)

Ny bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana dia fitambarana boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay inoan'ny Kristiana fa nosoratan'ny mpaminany nahazo tsindrimandry avy amin'Andriamanitra. Fanasokajiana ao amin'ny Baiboly kristiana io ka tsy tokony hafangaro amin'ny hoe Mpaminany (na Nevi'im) ao amin'ny Baiboly hebreo. Misy sokajy roa ny bokin'ny mpaminany, dia ny atao hoe mpaminany lehibe sy mpaminany madinika.

Fokon'i Levy

Ny fokon'i Levy dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely. Tsy nahazo anjara tany azy manokana ny fokon'i Levy fa niparitaka tamin’ny tanana miisa 48 miaraka amin’ireo foko sisa ao amin’ny Zanak’i Israely.

Hagay

I Hagay na Akjea dia mpaminany resahina ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo nanetsiketsika ny fahatongavan-tsain’ny Jiosy taorian’ny Fahababoana mba hanamboatra indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin’ny taona 516 tal. J.K. Tsy dia misy zavatra firy fantatra ny amin’ny tantaran’i Hagay manokana. Tokony ho iray amin’ireo nentin’i Nebokadnetsara babo tany Babilona izy.

Nonomboka ny asany tokony ho enina taona taorian’ny fiverenan’ny Jiosy tao Joda izy (520 tal. J.K.). Niverina avy tany Babilona niaraka tamin’i Zerobabela sy naminany tao Jerosalema tokony ho tamin’ny taona 521-520 tal. J.K. tamin’ny nanjakan’i Dariosa I i Hagay. Nitovitovy fotoana nahavelomana tamin’i Zakaria sy i Malakia. Satria ny fanamboarana indray ny Tempoly dia nijanona tanatin’ny valo taona vokatry ny zavatra nataon’ireo Samaritana. Niezaka izy sy i Zakaria namporisika ny vahoaka ka nanaitra azy ireo hifoha amin’ny torimasony, sady nitarika azy ireo mba hanararaotra ny fiovan’ny fitantanan’ny Persiana tamin’ny andron’i Dariosa I.

Nampahatsiahiviny fa ny Tempoly dia tsy hahamasina vahoaka manao asa tsy madio. Naminany izy fa ho faharava ny fanjakana persiana aorian’ny ady an-trano. I Hagay dia heverin’ny maro fa nanoratra ny boky mitondra ny anarany, dia ny Bokin’i Hagay.

Kanonan'ny Baiboly

Kanona na Kanôna no iantsoana ny lisitra na fitambaran'ireo boky inoan'ny Jiosy na ny Kristiana ho Soratra Masina ka mitambatra ao amin'ny Baiboly ampiasainy. Ny fivavahana na fiangonana tsirairay dia mety samy manana ny kanonany. Misy ohatra ny kanonan'ny Baiboly hebreo, ny kanonan'ny Baiboly protestanta, ny kanonan'ny Baiboly katolika sy ny sisa.

Levita

Ny Levita dia ireo taranak'i Levy, izay nisahana ny asam-pisoronana tamin’ny andro talohan'ny Fahababoana tany Babilona. I Levy dia zanak’i Jakoba sady zafikelin’i Isaka izay zanak’i Abrahama. Iray amin’ireo foko roa ambin'ny folo taranak’i Jakoba ny Levita. Hatramin’ny naharavan’ny Fanjakan'i Joda tamin’ny taona 586 tal. J.K. dia mitovy hevitra ny teny hoe mpisorona sy levita. Amin’ireo Levita dia i Mosesy (na Moizy) no tena nalaza ary ny taranak’i Arona no nisahana indrindra ny fisoronana. Ny Bokin'ny Levitikosy ao amin'ny Testamenta Taloha no boky ao amin'ny Baiboly miresaka misimisy kokoa ny amin'ireo Levita.

Tsy nanana anjara tany ho azy manokana ny Levita rehefa natao ny fizarana ny tany voababo, dia ny tany Kanana, fa niparitaka miaraka amin’ireo foko sisa ao amin’ny Zanak’i Israely ka nonina tamin’ny tanana miisa 48. Satria izy ireo tsy nanao asa hafa afa-tsy ny raharaha momba ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fitantanan-draharaha ary ny fampianarana ny Lalàna, dia nanome ny ampahafolon-karenany azy ny sisa amin’ny Israelita mba hivelomany sy hanamboarana na hanarenana ny tempoly. Nisy koa ireo Levita nisahana ny fitendrena sy ny fitsofana zavamaneno ao amin’ny tempoly.

Betsaka ireo mpaminany nivoaka avy amin’ny Fokon'i Levy, dia i Mosesy (na Moizy), i Samoela, i Elia, i Ezekiela, i Ezra (na Esdrasa), i Hagay (na Akjea), i Jeremia, i Zakaria zanak’i Jehoiada, i Zakaria zanak’i Berekia, i Malakia ary i Jaona (na Joany) mpanao batisa. Nanana ny marika famantarana azy manokana ny Levita, dia famantarana misy vatosoa roa ambin’ny folo misolo ireo Israelita roa ambin’ny folo.

Nevi'im

Ny Nevi'im na Nebi'im ("mpaminany") dia ilazàna ireo boky izay mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ny Baiboly hebreo (atao hoe Tanakh) manomboka eo amin’ny Bokin’i Josoa ka miafara amin’ny Bokin’i Malakia. Ny fizaràna atao hoe Torah no eo alohany fa ny fizaràna atao hoe Ketuvim koasa no ao aoriany.

Noely

Ny Noely na Krismasy dia andro firavoravoana kristiana izay ankalazana sy ahatsiarovana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy. Aorian’ny Paska (na Paka) dia ny Noely no andro fety manan-danja indrindra amin'ny alimanakan'ny ankamaroan'ny fiangonana kristiana. Ny andron'ny Noely anefa dia tsy fitsingerenan'ny andro nahaterahan’i Jesoa fa daty nifanarahana fotsiny hanaovana ny fankalazana. Ny fiangonana katolika sy ny fiangonana protestanta dia mankalaza ny Noely amin'ny 24 sy 25 Desambra. Tsy misy soratra ao amin'ny Baiboly izay mandidy mivantana ny fankalazana ny Noely. Noho izany dia ao ireo fiangonana mankalaza ary ao koa ireo tsy mankalaza izany.

Tanakh

Ny Tanakh, Tanak na Thanak izay atao hoe koa Baiboly hebreo dia fitambaran'ny boky mitovy amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta ka ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma).

Testamenta Taloha

Atao hoe Testamenta taloha ny fitambaran'ny boky ao amin'ny Baiboly voasoratra talohan'i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mampiasa an'io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin'ny Baiboly, izay voasoratra talohan'i Jesoa Kristy sady antsoin'ny Jiosy hoe Tanakh. Ny Vavolombelon'i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe "Soratra Hebreo sy Aramianina".

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.