Kolontsaina

Ny kolontsaina dia ny fitambaran'ny fomban'ny foko iray. Ny siansa mandinika ny kolontsaina dia ny antirôpolojia ary ny siansa ara-tsosialy mikasikan'ny fandinihana ny kolontsaina.

Brezila

Ny Brezila (Brasil amin'ny teny portogey), na Repoblika Federalin'i Brezila, dia firenena ngeza indrindra ary mivelatra indrindra an'i Amerika latina. Miaraka amin'ny velarantany 8 547 400 km² sy miaraka amin'ny isa-mponina maherin'ny 190 tapitrisa, io ny firenena fahadimy amin'ny lafin'ny velarantany sy amin'ny lafin'ny isa-mponina. Amin'ny 2008, ny Brezila dia hery ara-piharian-karena faha 11 manana PIB 1 572 839 Md USD, eo aorian' Espaina na 2,42%-n'ny PIB-n'izao tontolo izao. Azy ny antsasaky ny velaran'i Amerika Atsimo ary mizara sisin-tany amin'ny firenena rehetra ao Amerika Atsimo afa-tsy i Silia sy ny Ekoadora.

Ny Brezila dia zanatany portogey voalohnay mandritry ny taonjato maro, ankehitriny, io irery no lovan'ny Portogaly any amerika, amin'ny fisehon'ny kolontsaina sy ny teny ofisialy, ny teny portogey.

Firenena katôlika sy miteny portogey ngeza indrindra, mpikambana ao amin'ny CPLP izy. Ny fiteny portogey dia teny voalohany any Amerika Atsimo noho ny demôgrafia brezilianina.

Damaskosy

I Damaskosy dia tanàna renivohitr'i Siria. avy amin'ny teny arabo Dimashq, dia firenena lehibe indrindra ao Siria. I Damaskosy no tanàna antitra indrindra mbola ipetrahan'ny mponina. Misy mponina 2,6 tapitrisa izy tamin' ny taona 2004.

I Damakosy dia renivohitry ny kalifaty omaiada tamin'ny taonjato fahafito hatramin'ny taonjato fahavalo. Taorian'ny fandresen'ny dinastia Abasida, dia nafindra tany Bagdada ny renivohitra. Nandritry taonjato faha-13, dia lasa renivohitry ny kalifaty mamaloka, izay nahatonga azy ho tanàna lehibe ary manan-karena amin'ny lafiny ara-kolontsaina ao amin'ny faritra misy azy (Azia andrefana). Nandritry ny taona nanjakan'ny Fanjakambe Osimàna, dia nihakely ny lanjan'i Damaskosy. Amin'izao fotoana izao, i Damaskosy no renivohitr'i Siria. Ary noho ny hareny ara-kolontsaina, izy io no voafidy ho renivohitra ara-kolontsain'ny Arabo ny taona 2008.

Eoropa

Ny Eoropa dia tenenina matetika fa anisan'ny kontinenta enina misy eto an-tany. Izy io dia ny faritra andrefan' Eorazia, faritra avaratry ny kontinentan' Afrô-Eorazia, arakaraky ny fomba fijery. Ny solonanarany dia koe « Tontolo Antitra », satria mifanohitra amin'ny « Tontolo Vao » (ny Amerika). Ao Eoropa dia misy kolontsaina maromaro manana fianjadiana ary lova iraisany.

Ny Eoropa dia kontinenta faharoa kely indrindra eto an-tany amin'ny lafin'ny velarantaniny (10,18 tapitrisa kilometatra efa-mira), na 2%-n'ny velarana tontalin'ny tany na 6,8%-n'ny velarantany tontaliny. Misy firenena fimampolo ao Eoropa, ary ny Rosia no ngeza indrindra amin'ireo na amin'ny lafin'ny isam-ponina na amin'ny lafin'ny velarantaniny, ary ny Vatikana no firenena kely indrindra amin'ireo, na amin'ny lafin'ny isam-ponina na amin'ny lafin'ny velarantany. Ny Vatikana koa no firenena kely indrindra eto an-tany.

Araka ny firenena mikambana, ny anajara ara-isam-ponin' Eoropa dia mety milatsaka ho 7% amin'ny 2050. Kanefa tamin'ny 1900, 25% no anjarany.

Any Eoropa, ny Grisy taloha no toerana nahaterahan'ny kolontsaina eoropeana. Nahazo lanja ny firenena eoropeana tamin'ny taonjato faha 16, indrindra teo aorian'ny fitombohan'ny kôlônialisma. Teo anelanealn'ny taonjato faha 16 sy ny taonjato faha 20, ny hery eoropeana dia nanana zanatany tany Amerika, indrindra tamin'ny taonjato faha 17-18, ny ankabeazann' Afrika, ny Oseania, ary ny singa avaratra sy atsimon' Azia. Ny Ady lehibe rehetra dia niainga avy tao Eoropa, nampahazo lanja ny Etazonia sy ny Vondrona Sovietika teo anivon'ny taonjato faha 20. Nandritry ny Ady mangatsiaka, voazara roa ny Eoropa : ny faritra andrefana dia ao amin'ny OTAN ary ny faritra atsinanana dia entin'ny Fifaneken'i Varsôvia, nampidy ny Fiaro Vy na « Rideau de Fer » amin'ny teny frantsay.

Finlandy

I Finlandy dia firenena any Eoropa Avaratra ao amin'ny Vondrona Eoropeana hatry ny taona 1995.

Ny Finlandy dia manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika, indrindra eo amin'n gôlfan'i Bôtnia ary ny gôlfan'i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an'i Finlandy dia any ivelan'ny tanjona Skandinava, any avaratra andrefan'i Rosia ary any atsinanan'i Soeda ; ny faritra avaratr'i Finlandy dia any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika.

Io toerana io dia tratra ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina, ny 5,3 tapitrisa mponina isain'ny demôgrafiam-pirenena dia manao an'i Finlandy firenena anisan'ny firenena kely hakitroky ny mponina indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan'ny olona mipetraka any Finlandy dia mipetraka any atsimony, misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna lehibe, toy Espoo sy Vantaa, ao amin'ny Faritanin-drenivohitra. Ny finlandey dia manana teny ofisialy roa, ny teny finoa ary ny teny soedoa, ary ao anatin'ireo teny ireo, Suomi sy Finland ny anaram-pirenena.

Nandritry ny ela, ny Finlandy dia entin'ny Fanjakan'i Soeda mifanila aminy, namorona ny renivohitra voalohany, Turky, ny Finlandy dia mbola voamariky ny ady nampifanohitra azy tamin'i Rosia, tanjaka imperialista nampalasa azy diose rosy mizaka tena tamin'ny 1809 ; tamin'ny taonjato faha roapolo ny Finlandy vao nahazo fahaleovantena tamin'i Rosia tao aorian'ny ady an-trano tamin'ny 1917.

Fiteny frantsay

Ny fiteny frantsay dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana (vondrona avy amin'ny fiteny latina taloha - izay ahitana ny espaniola, italianina, sns.) tenenina any Frantsa sy any ampitan-dranomasina aza sy any any Belzika (any Valônia ary any Bruxelles), any Monaco, any Kanada (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan'ny teny ofisialin'i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa any Etazonia (ao Louisiane indrindraindrindra), any Haïti, any Seisela, any amin'ny Nosy Maorisy, any Vanuatu ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ireo mpiteny frantsay avy any Afrika, indrindraindrindra ao amin'ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ara-pehibe Frantsay, Madagasikara).

Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatra ny any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, firenena be mponina indrindra manerana ny frankôfônia ary anisan'ireo firenena 29 mampiasa ny teny frantsay ho teny ofisialy irery na ofisialy miaraka, ny ankamaroan'ny firenena ao Afrika Andrefana. Ireo firenena ankehitriny mampiasa ny fiteny frantsay ireo dia zanatany frantsay ary zanatany beljianina taloha. Vitsy ihany ireo olona nobeazina tamin'ny fiteny frantsay any Afrika, indrindra any Côte d'Ivoire na any Gabon; ireo olona ireo dia matetika mipetraka eny ambonivohitra.

Any Frantsa, ny fiteny frantsay dia anisan'ny famantarana ny maha-frantsay: teny frantsay no teny ofisialin'ny Repoblika frantsay (andininy faharoan'ny lalampanorenan'ny 1958). Fitaovana iparitahan'ny kolontsaina frantsay manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampanam-boambolana frantsay koa ny fiteny frantsay, tamin'ny didi-panjakan'ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampananam-boambolana ny fiteny frantsay.

Ny isan'ny mpiteny frantsay manerana izao tontolo izao dia 220 tapitrisa eo ho eo, 72 tapitrisa amin'ireo no mahaihay miteny frantsay (fanakaikezaana nataon'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Frankôfônia: 2010), teny fahenina be mpiteny indrindra ny fiteny frantsay. Anisan'ny teny ofisiany enina an'ny Firenena mikambana (miaraka amin'ny fiteny anglisy) ary teny ofisialy na teny fiasan'ny fikambanana iraisam-pirenena na fikambanam-pirenena. Noho izy teny ofisialin'i Frantsa, firenena mpikamban'ny Vondrona Eoropeana, teny ofisialin'ny Vondrona Eoropeana koa ny fiteny frantsay.

Talohan'ny Ady lehibe voalohany, teny fiasan'ny fianankaviana nanjaka tany Eoropa ny fiteny frantsay; ary fiteny ampiasain'ny diplômata rehefa mihaona.

Indonezia

Indonezia, na Repoblikan' Indonesia (amin'ny fiteny indonezianina Republik Indonesia), dia firenena eo anelanelan-kontinentan' Azia Atsimo Asinanana sy Oseania. Ny firenena Indonezianina dia tamba-nosy manana nosy 17 500, io no tamba-nosy lehibe ary mivelatra indrindra eto an-tany. Ny isam-poniny dia 240 tapitrisa mahery, firenena fahefatra be mponina indrindra i Indonezia ary firenena mozilmana voalohany indrindra amin'ny lafin'ny isan'ny mpino. Ny Indonezia dia Repoblika Demokratika tsy manana fivavaham-panjakana. Jakarta no renivohi-pirenena ary anisan'ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany.

Tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K., ny tamba-nosy indonezianina dia faritany anjadian'ny kolontsaina hindoista avy any India ary ny kolontsaina avy any avarany. Ny lehiben'ny tanàna-fanjakàna eo amin'ny morontsiraka indonezianina dia nisafidy ny endrika ara-kolontsaina sy ara-pinoana ary ara-politika indianina (hindoa). Ary hatry ny taonjato faha valo, nikisaka tany amin'ny fanjakan'i Srivijaya, fanjakana iray lehibe nisy tao atsimon'i Nosy Somatra, ny afovoan'ny fifandraisan'i Azia Atsimo sy Atsinanana. Teo Java indray dia nivoatra ny kolontsain'ny mponina mpamboly vary (noho ny fisian'ny fanjakana ary ny fianjadian'ny haifomba Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangam-batom-pinoana. Teo no fanombohan'ny taona klasika indonezianina.

Ny lakandranon'i Melaka dia lasa toerana be mpandeha sambo satria mankeo ny ankabeazan'ny landy hovarotana any Azia Andrefana sy any Eoropa. Ny tamba-nosy Indonezianina dia mampiharo amin'ny fanaparitahana iraisam-pirenena anjakazakan'ny mpivarotra mozilmana. Mivadika slamo hatrany ny pritsin'ny seranana.

Tamin'ny taonjato faha-16, tamin'ny taonan'ny Fahitam-baovao tany Eoropa Andrefana noho ny fahitana kaontinenta vaovao, hitady lalana hankany Azia Atsimo sy Atsinanana ny hery am-pihariankarena eoropeana, mitady ny lalana hahafahany mividy episy ny eoropeana. Tamin'ny 1511, resin'ny sambo portogey ny Malay tao Melaka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ka toraka noho izany ny fivarotana landy sy episy. Ny Holandey no nandresy ny Portogey tao Melaka tamin'ny 1605 ary nanomboka nozanahan'ny Holandey i Indonezia nanomboka tamin'io taona io. Taona amam-polony tety aoriana, nanomboka nanjanaka nipetraka tany amin'ny Nosin'i Java ny Holandey ary nataony ho renivohitra ny tanànan'i Jayakarta, novainy anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pifandimbiasan'ny fanjakan'i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin'ny mpanjanatany holandey. Tamin'ny taonjato faha-19, manomboka ny fitsentsefana ara-toekarena ataon'ny mpanjanatany holandey, ary mametraka ny lalàny eo amin'ny tamba-nosy. Ka nipoitra tamin'ny taonjato faha-20 ny fihetsehan'ny olona tia tanindrazana. Tamin'ny 1945, i Sukarno ary i Mohammad Hatta dia niady ary nanambara ny fahaleovantenan' Indonezia. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin'ny 1945 ka politika sosialista no nataony ka nihanahantra dia nahantra ny indonezianina tamin'ny taona 1950. Teo aorian'ny zava-nitranga tamin'ny 1965-1966, naka ny fahefana i Suharto. Nandritry ny fanjakany, nisy ny fivoarana ara-toe-karena, fa nampitodika ny Indonezia tany amin'ny demokrasia ny fialan'i Suharto tamin'ny 1998.

Kolombia

Ny Kolombia, na repoblikan'i Kolombia, (amin'ny fiteny espaniola : República de Colombia), dia firenena any avaratra andrefan'ny Amerika Atsimo. Izy irery ny firenena manana amorontsirata amin'ny Ranomasina Karaiba sy amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Bogotá ny renivohiny, fiteny espaniola ny teny ofisialiny ary peso ny vola ampiasainy. Ny kolombia dia firenena miteny espaniola ngeza indrindra eo aorian'ny Meksika sy ny Espaina.

Korea Atsimo

Korea Atsimo dia firenena ao amin'ny faritra atsimon'ny tanjona koreanina, amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Azia. Ny renivohiny dia Seoul. Ny anarana ofisialin'ny Repoblikan'i Korea Atsimo dia Repoblikan'i Korea amin'ny teny malagasy ary 대한민국 (Daehan Minguk) amin'ny fiteny koreanina. Miaina ao amin'ny renivohi-pirenena ny Seoul ny 50%n'ny koreanina tatsimo. Anisan'ny tanàna be mponina indrindra eto an-tany ny tanànan'i Seoul, ary ny lahatsoratra sasany dia milaza fa izy io no tanàna lehibe indrindra eto an-tany manaraka an'i Tokyo ao Japana.

London

London (avy amin'ny fiteny anglisy London - [ˈlʌndən]), any atsimo atsinanan'ny Onaiteda Kingdoma, dia renivohitra ary tanànan ngeza indrindra any Onaiteda Kingdoma. Mandritry ny taonjato maro, io ny renivohitry ny Empira Britanika, empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa nisy roa arivo taona mahery izay io tanàna io no noforonin'ny romana. Amin'ny lafin'ny isam-pinina, efa betsaka ny isan'ny tanàna lehibe ngeza noho izy. Anivo ara-politika, renivohitry ny Commonwealth, ny tanànan'ny Londona dia hery ara-piharian-karena lehibe, noho ny maha-centre financier voalohany azy.

Ny London be (Greater London) dia manana isam-ponina 7 512 400, ny olona mipetraka ao Londona dia tenenina hoe londonianina. Ny lanjan'i Londona dia 19%-n'ny vokatra anaty akorany dia. Ny tanàn-dehibe dia miisa 8 278 251 mponina. Araka ny fepetra isan-karazany, mety any amin'ny 12-14 tapitrisa any ho any isan'ny mponina ianjadian'ny tanànan'ny London. Any Eoropa, ny tanànan'ny Moskva, Paris sy Istanbul ihany no manana lanja ara-demôgrafia mitovy.

Ny tanànan'ny Londona dia mihetsiketsika ary maro an'isa amin'ny lafin'ny kolontsaina. Manana anjara lehibe izy ao amin'ny taozavatra sy ny lamôdy. Tanàna be mpizahantany koa izy. 27 tapitrisa ny isan'ny mpizahantany mandalo ato isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy anaty ny haren-tsain'ny tontolo (patrimoine mondial) ary misy moniomenta maromaro malaza manerana ny tany, toy ny lapan'i Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Lapan'i Buckingham, ny fikambanana toy ny British Museum na ny National Gallery.

Lovantsofina

Ny lovantsofina dia ny fampitana mitohy ny singan-kolontsaina iray na maro mandritra ny tantara hatramin'ny zava-mitranga mpanorina na hatramin'ny zava-nitranga tamin'ny fotoana lasa lavitra dia lavitra. Izany lova tsy azo tsapain-tanana izany dia mirakitra ny maha izy azy ny vondron'olona iray, ka mety ho izany no namorona ny foko iray. Ny lovantsofina dia fitadidiana ny zavatra izay nisy ka tokony hampitaina amin'ny taranaka mandimby sady hohatevenin'izy ireo. Ny lovantsofina dia mety am-bava na efa voasoratra.

Ao amin'ny fivavahana kristiana dia atao hoe lovantsofina na lovam-pinoana (hoy ny Katolika malagasy) ny fanambaràna mitohy ny Vaovao Mahafaly amin' ny Fiangonana amin'ny alalan' ny fifandimbiasan' ny apostoly (lovam-pinoana apostolika). Raha mampitovy lanja ny lovam-pinoana amin' ny Soratra Masina ny Katolika sy ny Ortodoksa, ny Protestanta kosa dia tsy mandray ho tenin' Andriamanitra afa-tsy izay voasoratra ao amin' ny Baiboly (jereo: Sola scriptura).

Montréal

Montréal dia tanàna lehibe an'ny Québec any Kanada. Toerana anaovana varotra, taozava-baventy, kolontsaina, ny vola sy ny varotra iraisam-pirenena ilay tanàna. Nandray ny Fampisehoana Oniversaly tamin'ny 1967 sy ny Lalao olimpika 1976 iulay tanàna. Azontsika jerena ao koa ny festivalin'ny Filman'ny Tontolo ao Montréal, ny Festivaly Iraisam-pirenena ny Jazz ao Montréal, ny Festival ny Juste pour Rire, ny Festival Montréal en lumière ary ny klioba hockey ara-asa, ny Kanadianin'ny Montreal. Ny Vieux-Montréal (Montréal Antitra) dia voasokajy ao amin'ny fivondronan'ny tantara tamin'ny 1964.

Montréal dia tanàna fahaefatra miteny frantsay teny ofisialy eto an-tany eo aorian'ny Paris (11,77 tapitrisa mponina ho an'i Paris). Na dia misy tanàna afrikanina ohatran' Alger, Kinshasa sy Abidjan, mbola ngeza nohon' Montreal. Ny teny frantsay dia tsy lazaina fa tenin-dreny fa tenin'ny varotra sy ny fandraharahana ao Montréal. Izy irery ny tanàna lehibe miteny frantsay ao Amerika Avaratra. Izy koa, eo aorian'i Toronto, ny tanàna kanadianina ngeza indrindra.

Ny tanànan'i Montreal dia eo amin'ny nosy mitondra ny anarana mitovy amin'ny anaran-tanàna, eo amin'ny nosy ngeza indrindra an'ny tamba-nosy Hochelaga (482 km2) eo amin'ny sakeli-dranon'ny Saint-Laurent sy ny Rivière des Outaouais, any andrefan-tanàna.

Québec

Ny Quebec (API : /kebɛk/) dia faritany miteny frantsay any atsinanan'i Kanada. Ny renivohiny dia Québec, kanefa Montréal ny metropole-ny.

Voafaritra ny hoalan'i Ungava sy ny detroit-n'ny Hudson ny Quebec any avaratra, voafariry ny hoalan'i Hudson sy ny Ontario any andrefana, ny faritany mizaka-tenan'i Maine, ny New Hampshire, ny Vermont sy New York, ary voafaritran'ny Nouveau Brunswick, ny Terre-Neuve-et-Labrador sy ny golfe ny Saint-Laurent any atsinanana. Mihampita ny faritan'ny Quebec ny renirano Saint-Laurent.

Ny isam-pinina any Quebec tamin'ny taona 2008 dia nisy 7 750 000, misy gropy ara-kolontsaina sy ara-piteny maro any Quebec, misy nation tompontany raika ambin'ny folo izao miaina any Quebec. Ny teny ofisialiny dia fiten frantsay. Tamin'ny 2006, ny proportion ny olona miteny frantsay any izao dia lasa 79.6 isan-jato. Kanefa 81.8 isan-jaton'ny olona hono miteny fa mampiasa ny fiteny frantsay any an-tranony izy. Talohan'izany manan-tanjona mampidina ny mpiteny frantsay ny politique d'assimilation linguistique ny Acte d'union natao tamin'ny 1840.

Ranomasina Mediteranea

Ny Ranomasina Mediteranea dia ranomasina any atsimo andrefan'i Eorazia, ary ranomasina any avaratr'i Afrika. Ny halavany avy any andrefana hatrany atsinanana dia misy 4 000 km kilometatra, ary 1 800 km ny halalany.

Ny ranomasina Mediteranea dia manasaraka ny kontinenta Afrikanina sy ny kontinenta Eoropeanina. Ny andilan-tanin'i Suez fotsiny ny tany ifandraisan'i Afrika sy ny kontinenta Eorazianina. Ny andilan-drfanomasin'i Gibraltar dia manasaraka an'i Espaina sy i Afrika Avaratra, 14 kilometatra monja ny halaviran'i Afrika avaratra sy i Eoropa Andrefana.

Ny anarana Mediteranea dia midika "ranomasina eo anivon'ny tany", na mare medi tera amin'ny teny latina (araka an'i Isidora avy any Sevila tamin'ny taonjaoto faha 7).

Nandritra ny Andro Taloha, ny ranomasina Mediteranea dia lalan'ny sambo sy lalan'ny entan-barotra, ahafahan'ny fifandraisana ara-barotra sy ara-kolontsaina eo amin'ny mponina mipetraka manodidina an'i Mediteranea - ny kolontsain'i Mezôpôtamia, i Ejipta, ny kolontsaina semitika, persana, fenisianina, kartajinianina, grika ary romana. Ny tantaran'i Mediteranea dia zava-dehibe amin'ny fiaviana sy ny fivoaran'ny haifomba any Andrefana.

Repoblika Entim-bahoakan'i Sina

Ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina dia firenena any Azia atsinanana. Ny isan'ny mponina ao aminy dia mihoatra ny 1,3 lavitrisa, 1/5 ny isan'ny mponina eto an-tany, izy noho izany no firenena be olona indrindra eto an-tany. Hatry ny 1979, mba tsy « hipoaka » ilay firenena noho ny habetsaky ny olona, ferana ho tokana ny isan'ny zaza anatin'ny tokantrano iray ho an'ny Sinoa Han. Nanomboka tamin'ny taona 2013, dia nomena alalana hiteraka zaza 2 ireo mpivady izay nateraka ho zaza tokana. Amin'ny velarantaniny misy 9 641 144 km², firenena ngeza indrindra any Azia atsinanana ny Sina, ary izy ny firenena fahatelo lehibe indrindra ara-kangeza ao aorian'ny Rosia, sy ny Kanada.

Voaantso tamin'ny 1 Oktobra 1949 ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina, nanaraka ny fandresen'ny antoko komonista sinoa tamin'ny Guomindang. Kanefa, ny Sina dia sivilizasiôna antitra indrindra mbola misy eto an-tany amin'izao tontolo izao, efa nisy 5 000 taona lasa izy. Ankehitriny, miseho ho repoblika sosialista izy, antoko iray no mitondra, manana hasina amin'ny faritany 22 ary faritany mizaka tena dimy, kaominina efatra ary faritany administrativa manokana (Hong-Kong sy Macao).

Rosia

Ny Rosia (amin'ny fiteny rosiana : Россия , Rossija?) na amin'ny endrika ofisialy Federasionan'i Rosia (Российская Федерация, Rossijskaja Federacija?) dia firenena ngeza indrindra eo an-tany, manana isam-ponina 142 tapitrisa (araka ny census natao tamin'ny 2007). Eo anelanelan'ny Eoropa jeografika (25,3%n-ny fivelarany) sy ny Azia atsinanana (74,7%). Ny firenena rosy dia manam-pivelarana 17 tapitrisa km2 (in-2 ny Etazonia ary in-30 ny Madagasikara). Manana faritra ora raika ambin'ny folo izy. Ny renivohiny dia Moscou, fiteny Rosy ny teny ofisialy any ary Rouble ny sandam-bola ampiasainy.

Na dia misy ranomasina maromaro aza ny manodidon'i Rosia, manana toetrandro ara-kontinenta ny rosia amin'ny tany mangatsiaka sy sarotra ipetrahan'ny olona.

Betsaka ny harena an-kibon'ny tany any Rosia : Misy ny solika sy ny vato. Mivoatra be ny industrie mikasika ny fanamboarana sambon-danitra sy ny fanamboarana basy. Ny fanamboarana sambon-danitra ny nampavoalohan'ny Rosia nizaha ny habakabaka toalohany tamin'ny 1957.

Ny repoblika sosialista federativan'i Rosia (RSFSR) dia repoblika lehibe indrindran'i Vondrona Sovietika.

Tamin'ny faran'ny taona 1991, misy firenena vaovao dimy ambin'ny folo avy amin'ny URSS taloha, ao koa ny Rosia, nandova ny 3/4 ny (17 tapitrisa km²) URSS taloha, ny antsasaky ny mponiny, 2/3 ny industria-ny ary ny antasaky ny sahany.

Soeda

Ny Soeda (Sverige), na fanjakan'i Soeda (Konungariket Sverige ; AAI : [ˈko:.nɵ.ŋa.ˌri:.kət ˈsvær:.jə]), dia firenena ao Eoropa avaratra ao amin'ny faritanin'i Skandinavia. Ny renivohiny dia Stockholm, ny isam-poniny dia 9 223 766 tenenina hoe soedoa. Ny teny tenenina dia ny fiteny soedoa. Ny fiteny finoa sy ny fiteny sami koa dia tenenina, indrindra any avarany. Misy matetika ny fitenim-paritra.

Ny Soeda dia mizara sisintany amin'i Finlandy any avaratra atsinanana, amin'i Norvezy any avaratra sy any andrefana ary amin'i Danmarka any atsimo.

Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeanina ny Soeda hatra ny 1995, fa tsy ao amin'ny faritra euro izy.

Miaraka amin'ny velarantaniny 449 967 km2, ny Soeda dia firenena fahatelo ngeza indrindra any Eoropa Andrefana. Ny hakitroky ny mponina any Soeda dia kely raha oharina amin'ny hakitroky ny mponin'ny firenena manodidina azy ; ankoatran'ny tanàna sy ny faritra manodidina azy ireo, ny hakitroky ny mponina dia latsaky ny 4,3 mponina/km2. 84%-n'ny soedoa no miaina any an-tanàna kanefa 1,3%-n'ny velarantany tontaliny fotsiny ny tontalin'ny velarantanin'ny tanàna rehetra. Manan-danja amin'ny mpanao pôlitika sy ho an'ny ankabeazan'ny mponina ny olana mikasika ny tontolo iainana.

Ny Soeda dia hatra ny ela mpamoaka vy, varahina ary hazo. Ny fivoarana ara-indostria sy ara-toe-karena dia nanomoka tamin'ny taona 1890, nahafahan'ny soeda nivoatra, ary manana toerana tsara ao amin'ny filaharana eoropeanina momban'ny IDH. Ny Soeda dia manana ranomamy be dia be eo amin'ny tany, fa tsy ampy solitany sy angôvo fosily (énergie fossile) izy toy ny solitany na ny arintany.

Ny Soeda ankehitriny dia avy amin'ny Vondron'i Kalmar, noforonina tamin'ny 1397. Nataon'i Gustav Vaasa ho tokana ilay firenena tamin'ny taonjato faha 16. Tamin'ny taonjato faha 17, nahazo tany vaovao ny Soeda. Ary mitsangana ny Empira Soedoa. Fa, ny ankabeazan'ny tany nahazoany dia tsy maintsy navela tmain'ny taonjato faha 18. Tamin'ny fitombohan'ny taonjato faha 19, ny Finlandy sy ny tany hafa ny ho very. Tao aorian'ny adiny farany, tamin'ny 1814, miadana ny Soeda, tsy mitandahatra rehefa misy fandriampahalemana, ary tsy mitongilana rehefa misy ady.

Araka ny famantarana ny Demôkrasian'i The Economist, ny Soeda dia tamin'ny 2008 ny firenena demokratika indrindra teto an-tany, miaraka amin'ny famantarana 9,88/10.

Tantara Voajanahary

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoratan'i Pliniosy Ilaibe, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny versiona tanteraka ary ny fanontana nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469, izay tsy dia nisy nahalala. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo.

Tanàna

Ny tanàna dia vohitra lehibe honenan'olona maro ary efa hary voatra (toy ny làla-migodàna, trano lehibe, kianja malalaka, sns)

Araka ny Firenena Mikambana, ny tanàna dia velarana be olona mipetraka (tokony latsaky ny roanjato metatra ny halaviran'ny trano roa farafahabetsany), izay ahitana ireo varotra, indostria, fianarana, politika, kolontsaina...

Milaza ihany koa ny FM tamin'ny 2008 fa mahery ny dimampolo isan-jaton'ny olombelona no miaina any ambonivohitra.

Varsôvia

52.23700°N 21.01467°E / 52.23700; 21.01467

Varsôvia (fiteny poloney : Warszawa) dia renivohitr'i Polonia, ny isam-poniny dia 1,7 tapitrisa mponina eo ho eo (1 726 581 (2014)).

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.