Josoa

I Josoa na Josoe na Jôsoe dia ilay lehilahy nanampy an'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fitarihana ny Zanak'i Israely avy any Ejipta hankany amin'ny tany Kanana sady lasa mpitarika an'io vahoaka io taorian'ny nahafatesan'i Mosesy. Izy no ataon'ny lovantsofina jiosy sy kristiana ho nanoratra ny Bokin'i Josoa. Ny mpitsara Otniela no mandimby azy teo amin'ny fitarihana ny Israelita.

Dore joshua sun
Nangataka amin'Andriamanitra ny hijanonan'ny masoandro i Josoa, nataon'i Gustave Doré.

Jereo koa

Fifandimbiasan'ny mpitsaran'i Israely:

Otniela - Ehoda - Samgara - Debora (vehivavy) - Gideona - Abimeleka - Tola - Jaira - Jefta - Ibzana - Elona - Abdona - Samsona - Ely - Samoela.

Abiama

I Abiama na Abia dia mpanjakan'i Jodà izay nandimby an'i Rehoboama (na Roboama) rainy tamin'ny taona 913 tal. J.K. I Asa zanany no nandimby azy rehefa maty izy tamin'ny taona 911. tal. J.K.

Arona

I Arona na Aharôna na Aarona dia olona resahina ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Bokin’ny Eksodosy sy ny Levitikosy ary ny Nomery. Nanampy an’i Mosesy (na Môizy) tamin’ny fanafahana ny Zanak’i Israely tamin’ny fanadevozan’ny Egiptiana izy. Izy no mpisorombe voalohany ao amin’ny fivavahana jiosy sady mpanorina ny raharahan’ny mpisorona teo amin’ny Hebreo. Nanan-janaka an’i Nadaba sy i Abiho sy i Eleazara ary i Itamara tamin’i Eliseba (na Elizabeta) vadiny izy. I Arona dia zanak’i Amrama sy i Iokebeda, izany hoe taranak’i Levy. Rahalahin’i Mosesy sy i Miriama izy. Atao hoe אַהֲרֹן / Aharone io anarana io amin’ny teny hebreo fa Ἀαρών / Aarôn kosa amin’ny teny grika.

Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy sy i Mosesy teo anatrehan’ny Egiptiana izy. Isan’izany fahagagana izany ny niovan’ny tehiny ho menarana teo anatrehan’ny Farao. Satria i Mosesy tsy havanana tamin’ny fitenenana dia izy no nanampy azy amin’ny fitondrana teny raha nifampiresaka tamin’ny Farao izy ireo ny amin’ny tokony hanafahana ny Zanak’i Israely amin’ny fanandevozana. I Arona sy i Mosesy no namoaka ny Zanak’i Israely avy tao Egipta.Navelan’i Mosesy tamin’i Arona ny Zanak’i Israely tamin’ny niakarany tany an-tendrombohitra Sinay niaraka amin’i Josoa (na Jôsoe) mba haka ny vatofisaka nisy ny Didy Folo. Nefa i Arona, rehefa norahonan’ny vahoaka dia nanamboatra famantarana hita maso an’Andriamanitra, dia ny ombilahy kely volamena (Eks. 32.1-24) izay nahatezitra an’Andriamanitra taminy satria fanompoan-tsampy izany.

Araka ny Baiboly dia Arona no mpisorombe voalohany. Maty teo akainkin’ny sisin-tanin’i Kanana i Arona tamin’ny faha-123 taonany satria tsy natoky ny herin’Andriamanitra. Nandimby azy avy eo i Eleazara zanany.

Bokin'i Ezra

Ny Bokin'i Ezra na Bokin'i Esdrasa dia boky ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana. Mitantara ny fiverenan’ireo babo an-tanidrazana voalohany avy any Babilona, ny nahavitana ny Tempoly vaovao ao Jerosalema, ny iraka notanterahin’i Ezra tao Jerosalema ary ny ezaka nataony hanadiovana ireo Jiosy (na Jody) nanambady vehivavy tsy Jiosy ny Bokin’i Ezra. Mampiseho ny fomba nampihamatanjaka ireo rafitry ny fivavahana jiosy niforona nandritra ny Fahababoana, dia ny sinagoga, ny famakiana ireo Bokin'ny Lalàna sy ny Bokin’ny Mpaminany, ny mpanoradalàna, ny Sinedriona, sns koa io boky io.

Bokin'i Hagay

Ny Bokin’i Hagay na Bokin’i Akjea dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Isan’reo atao hoe “mpaminany madinika” i Hagay na Akjea.

Ny boky dia fitambarana faminaniana efatra izay ampitain’i Hagay amin’i Zorobabela, governoran’ny faritanin’i Jodea, sy amin’i Josoa mpisorom-be mandritra ny fanamboarana ny Tempoly faharoa tao Jerosalema tamin’ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny mpaminany Hagay dia isan’ireo izay namelona ny fahatongavan-tsain’ireo Jiosy nantsoina taorian’ny Fahababoana mba hanamboatra indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin’ny taona 516 tal. J.K. Ao amin’ireo faminaniana ireo, i Hagay dia mamboraka ny faniriany hahita ny hahavitan’ny Tempoly haingana.

Bokin'i Josoa

Ny Bokin'i Josoa na Bokin'i Jôsoe dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sy ao amin'ny boky masin'ny Jiosy (Tanakh). Mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra ny razambeny, dia i Kanana, ny Bokin'i Josoa. Maneho ny tsy fivadihan'Andriamanitra amin'ny fampanantenana nataony io boky io. Asehony koa anefa fa izay mivadika amin'Andriamanitra dia ho resy. Amin'ny teny fohy dia maneho ny fitondrana sy ny famonjen'Andriamanitra ny olony ilay boky.

Ny Bokin'i Josoa dia isan'ireo atao hoe bokim-pitantarana na boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly kristiana, fa bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana (hebreo: Nevi'im) kosa izy ao amin'ny Tanakh, izay manasokajy azy ho isan'ireo "mpaminany taloha". Tokony ho tany an-tenantenan'ny taonjato faha-10 tal. J.K. no nanoratana ny ankabeazan'ny lahatsoratra hita ao amin'ny boky.

Bokin'ny Mpitsara

Ny Bokin'ny Mpitsara dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady ao amin'ny boky masin'ny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataon'ireo mpitsara voatendrin'Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany Kanana taorian'ny nahafatesan'i Josoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan'ireo mpitsara ireo sy ny fangejan'ny firenena hafa ny Zanak'i Israely noho ny fialany an'Andriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isan'ireo atao hoe bokin'ny mpaminany ny Bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Tanakh, fa voasokajy ho bokim-pitantarana na boky ara-tantara kosa izy ao amin'ny Baiboly kristiana.

Boky ara-tantara (Baiboly)

Ny boky ara-tantara na bokin-tantara dia fitambarana boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay mirakitra amin'ny ankapobeny ny tantaran'ny Zanak'i Isiraely tao amin'ny tany Kanana hatrany amin'ny fahababoany tany Babilona.

Ireto avy ireo boky ireo: Josoa (na Jôsoe), ny Mpitsara, ny Rota, ny Samoela voalohany, ny Samoela faharoa, ny Mpanjaka voalohany, ny Mpanjaka faharoa, ny Tantara voalohany, ny Tantara faharoa, ny Ezra (na Esdrasa) ny Nehemia ary ny Estera. Ny Baiboly katolika dia ahitana boky deoterokanonika dia ny Tobià, ny Jodita ary ny Makabeo voalohany sy ny Makabeo faharoa.

Fokon'i Asera

Ny fokon'i Asera dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely. Isan'ireo foko lazaina hoe very ny fokon'i Asera.

Fokon'i Israely

Ny fokon'i Israely dia ireo foko taranaky ny zanaka lahy roa ambin'ny folon'i Jakoba araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly izay mifarana amin'ny fitantarana ny nanorenan'ireo Zanak'i Israely fonenana tao amin'ny Kanaana. Ireo zanak'i Jakoba ireo dia i Robena (na Reobena), i Simeona, i Levy, i Joda, i Isakara, i Zabolona, i Dana, i Naftaly, i Gada, i Asera, i Josefa ary i Benjamina. Tamin'ny faharavan'ny Fanjakan'i Samaria dia lazaina fa nanjavona ka tsy hita intsony ny foko folo, dia ireo nonina tao amin'io fanjakana io.

Hebreo (mponina)

Ny Hebreo na Hebrio dia vondrom-poko semitika izay nifindra avy any Mesopotamia nankany Palestina tamin’ny taonarivo faharoa tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben'ny Jiosy ankehitriny.

Avy any Kanana ka nankany Egipta ny ampahany amin’ireo Hebreo, dia ireo taranak’i Jakoba, atao hoe Israelita na Zanak’i Israely, ka lasa andevon’ny Egiptiana. Rehefa afaka tamin’ny fanandevozana izy ireo teo ambany fitarihan’i Mosesy (na Moizy) dia nivezivezy tany an-tany efitr’i Sinay hankany Kanana indray. I Josoa (na Josoe) no nandimby an’i Mosesy alohan’ny hanafihany sy honenan’ireo Hebreo tao amin’ny tany Kanana atao hoe koa Palestina.

Ibzana

I Ibzana na Ibtsàna dia mpitsara tao Israely. Iḇṣān (אִבְצָן‎) no fiantsoana azy amin'ny teny hebreo. Ny teny grika manao azy hoe Ἀβαισσάνn / Abaissanê fa ny teny latina kosa Abesan. I Betlehema any Galilea no fiaviany, araka ny Bokin'i Josoa (Jos. 19.10-15). Nandimby an'i Jefta izy ka nitsara nandritra ny fito taona, araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpit. 12.18-10). I Elona no nandimby azy.

Jeriko

I Jeriko na Jerikao dia tanàna miorina eo andrefan’ny ony Jordana ao avaratra atsinanan’i Jerosalema, akaikin’ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty, ao amin’ny lohasahan’i Jordana. Amin’ny teny hebreo dia יריחו / Yerīḥo fa amin’ny teny grika kosa dia Iεριχώ / Ierikhô. Iericho no fiantsoana azy amin’ny teny latina.

Jesosy

I Jesosy na Jesoa dia Jiosy tany Palestina izay inoan'ny Kristiana ho zanak'Andriamanitra nirahina ho ety ambonin'ny tany hanavotra ny olombelona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona indray. Izy no foto-pisian'ny Fivavahana kristiana. Antsoina koa hoe Jesoa Kristy na Jesosy Kristy izy.

Kanaana (faritra)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia faritra tao andrefan'i Jordana (na Jordany) izay resahina ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady anaran'ny razamben'ireo mponina tao amin'io firenena io koa ny hoe Kanana na Kanaana na Kanahana, ka izany no iantsoana ilay firenena hoe Tany Kanaana indraindray mba hiavahany amin'ilay razambe. Taty aoriana ny Tany Kanana dia niova anarana ho Palestina na Palestinina. Izy ilay tany nampanantenain'Andriamanitra ny Israelita araka ny Baiboly. Nonina tsikelikely tao Kanana ny Israelita nanomboka tamin'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. na mety efa talohan'io aza. Angamba koa avy amin'ny fitenin'ireo Kananita no nahazoan'ny Israelita ny fiteny hebreo.

Nevi'im

Ny Nevi'im na Nebi'im ("mpaminany") dia ilazàna ireo boky izay mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ny Baiboly hebreo (atao hoe Tanakh) manomboka eo amin’ny Bokin’i Josoa ka miafara amin’ny Bokin’i Malakia. Ny fizaràna atao hoe Torah no eo alohany fa ny fizaràna atao hoe Ketuvim koasa no ao aoriany.

Otniela

I Otniela na Hôtniela dia mpitsara israelita. Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Otniel Ben Knaz (עתניאל בן קנז) no anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina hoe Otniela zanak'i Kenaza, araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpit. 3.8-11). Mety hidika hoe "Heriko Andriamanitra" na "Namonjy ahy Andriamanitra" io anarana io. I Kosama-Riseataima, mpanjakan'i Arama no nifanandrina taminy. Tamin'ny androny dia nandry fehizay tanatin'ny 40 taona i Israely. I Ehoda no nandimby azy.

Isan'ny fokon'i Joda izy ary i Kenaza izay zandrin'i Kaleba no rainy. Izy no mpitsara voalohany nandimby an'i Josoa (na Josoe) ary i Ehoda no nandimby azy. Ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 1 sy 3) no ahitana ny tantarany.

Nandresy an'i Hebrona teo akaikin'i Beni-Anaka i Kaleba tao atsimo, izay avy amin'ny fokon'i Jodà. Naka ny tananàna Kiriata-Seferay ny zana-drahalahiny atao hoe Otniela, zanak'i Kenaza. Izy koa dia niady amin'ny Edômita. Niditra tao amin'ny tany Kanana i Kosama-Riseataima, mpanjaka avy any amin'ny faritr'i Eofrata, mba hanafika sy haka koa an'i Ejipta. Resin'i Farao anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Otniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.

Tahirin-kevitra deoteronomista

Ny tahirin-kevitra deoteronomista na loharano deoteronomista, izay hafohezina amin'ny litera D, dia mahafaoka ny Bokin'ny Deoteronomia manontolo izay niavian'ny anarany. Hita ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara anefa ny fomba fanorany sy ny foto-pampianarany: ireo lahatsoratra ireo sy ny Bokin'ny Deoteronomia dia manome zavatra miendrika tahirin-kevitra tokana. Hita koa ao amin'ny bokin'ny mpaminany, indrindra ao amin'ny Bokin'i Hosea sy ny Bokin'i Jeremia koa ny hevitra sy ny toetra mampiavaka indrindra io tahirin-kevitra io. Hita matetika sy miharihary mazava ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ny fomba fiheverana sy ny fomba fanaovan-javatra ao aminy izay nakana ny aingam-panahin'ny faminaniana ao amin'i Israely, ka izany no anaovana ny anaran'io tahirin-kevitra io hoe "deoteronomista".

Ny tahirin-kevitra deoteronomista dia lahatsoratra vinavinaim-pisiana araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (i Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin'ny taonjato faha-18 nefa misy ireo mpikaroka taty amin'ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy. Araka ny mpomba io petra-kevitra io dia iray amin'ireo loharano na tahirin-kevitra nakana singa nakambana hiforonan'ny Baiboly hebreo (Tanakh) izy io, ka ny telo hafa dia ny tahirin-kevitra elohista sy ny iahvista ary ny an'ny mpisorona.

Tanakh

Ny Tanakh, Tanak na Thanak izay atao hoe koa Baiboly hebreo dia fitambaran'ny boky mitovy amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta ka ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma).

Testamenta Taloha

Atao hoe Testamenta taloha ny fitambaran'ny boky ao amin'ny Baiboly voasoratra talohan'i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mampiasa an'io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin'ny Baiboly, izay voasoratra talohan'i Jesoa Kristy sady antsoin'ny Jiosy hoe Tanakh. Ny Vavolombelon'i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe "Soratra Hebreo sy Aramianina".

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.