Heroda Lehibe

I Heroda Lehibe na Heroda I Lehibe dia mpanjakan'i Jodea (na Jodia) izay notohanan'ny Romana sady lazaina ao amin'ny lovantsofina jiosy sy kristiana fa mpanjaka nanao didy jadona sy ratsy fanahy. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Nanomboka tamin'ny taona 37 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny taona 4 taor. J.K. ny fanjakany.

HerodtheGreat (cropped)
I Heroda Lehibe

Ny anarany

I Heroda Lehibe dia atao hoe הוֹרְדוֹס הַגָּדוֹל / Horedos haGadol amin'ny teny hebreo, sy Ἡρῴδης ὁ Μέγας / Hêrôdês ho Mégas amin'ny teny grika, ary Caius Iulius Herodes amin'ny teny latina.

Ny fianakaviany

Isan'ny taranaka mpanjaka atao hoe Herodiana i Heroda Lehibe. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Teraka tao Palestina atsimo i Heroda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy ary i Kiprosy no reniny.

Ireto avy ireo vehivavy novadiny sy ny zanany tamin'izy ireo:

  1. i Dorisy (na Dorida), renin'i Antipatera II (na Antipatrosy II);
  2. i Mariamna Hasmoneana (na Mariamna I), renin'i Aristobola IV sy Aleksandra;
  3. i Mariamna II, renin'i Heroda Boetosy (na Heroda II);
  4. i Maltake, renin'i Heroda Antipasy sy Heroda Arkelaosy ary i Olimpiasy;
  5. i Kleopatra avy ao Jerosalema (renin'i Heroda Filipo II), renin'i Heroda Filipo (na Filipo Tetrarka) sy Heroda IV;
  6. i Palasy,
  7. i Fedra
  8. i Elpida.

Ny tantarany

Teraka tao Palestina atsimo i Heroda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy izay notendren'i Jolio Kaisara tamin'ny taona 47 tal. J.K. ho mpanapaka an'i Jodea. I Pompeio Lehibe dia efa nanongana azy tao amin'ny fanjakan-taranaka hasmoneana. Na dia nanohitra aza ny Hasmoneana dia nanaiky an'i Heroda ho mpanjaka tamin'ny taona 39 tal. J.K. ny Antenimierandoholona romana, nefa tsy tena nanomboka nanjaka izy raha tsy tamin'ny taona 37 tal. J.K. Nanamafy ny fahefany manoloana ny Jiosy izy tamin'ny nanambadiany an'ilay andriambavy hasmoneana atao hoe Mariamna izay nampamonoiny taty aoriana tamin'ny taona 29 tal. J.K.

Nokorontanin'ny ady nisy teo amin'ny antoko jiosy roa, dia ny Sadoseo (na Sadoseanina) sy ny Fariseo (na Farizianina) ny fiandohan'ny fotoana nanjakan'i Heroda, nanampy trotraka koa ny tsy hafaliam-pon'ireo taranaka hasmoneana sisa izay niombona tamin'ny mpanjakavavin'i Egipta atao hoa Kleopatra. Nandresy ihany i Heroda tamin'ny farany indrindra noho ny faharesen'i Kleopatra sy i Marko Antonio nanoloana an'i Kaio Oktavio (ilay nananajary emperora taty aoriana, dia i Aogosto). Na dia nanohana an'i Marko Antonio aza i Heroda tamin'ny adiny tamin'i Oktavio, dia nanohana an'i Heroda ho mpanjaka i Oktavio tamin'ny taona 31 tal. J.K. satria nihevitra ity farany fa hanapaka araka ny baikon'i Roma i Heroda.

Rehefa maty i Heroda dia nizara telo tamin'ireo zanany lahy telo i Jodea, dia i Heroda Antipasy sy i Arkelaosy ary i Heroda Filipo II. Na dia nanaraka ny fombam-pivavahana jiosy aza i Heroda, ary na dia teo aza ny fiezahany hahazo ny fankasitrahan'ny Jiosy, dia tsy tian'ny Jiosy i Heroda noho izy Jentilisa sady sakaizan'ny Romana.

PikiWiki Israel 34719 Lower level of the northern palace in Masada
Lapa avaratr'i Masada namboarin'i Heroda Lehiba tamin'ny taona 25 tal. J.K.

Zava-bitany

Teo anelanelan'ny taona 25 sy 13 tal. J.K. dia niroborobo ara-toekarena i Jodea. Nanao asa fanorenana maro i Heroda, ka isan'izany fanorenana teatra sy anfiteatra ary toeram-pilalaovana tao Jerosalema sy tao Jeriko ary tao Kaisarea (na Sezarea na Kaisaria) mba hanomezam-boninahitra an'i Aogosto. Nanamboatra na nanao fanarenana toeram-pamaharana i Heroda mba hiarovany an'i Jodea amin'ny fanafihan'ny Arabo. Isan'ny namboariny i Masada. Nanao fanitarana ny Tempolin'i Jerosalema izy izay nantsoina hoe Tempolin'i Heroda rehefa vita. Ratsy fiafara ny fanjakany noho ny fisian'ny fiokoana tao an-dapa ka nahafaty azy tamin'ny taona 4 taor. J.K.

Lovantsofina kristiana

I Heroda Lehibe dia voalaza ao amin'ny lovantsofina kristiana, araka ny Evanjelin'i Matio (Mat. 2.16) ho nandripaka zazalahy kely tsy manan-tsiny mba hahafaty an'i Jesosy zaza tao Betlehema.

Boky fahadimin'ny Makabeo

Ny Boky fahadimin'ny Makabeo dia boky ara-pivavahana jiosy izay tsy isan'ireo boky ao amin'ny Tanakh na amin'ny Baiboly kristiana. Apokrifa io boky io fa tsy deoterokanonika na ho an'ny Katolika na ho an'ny Ortodoksa. Ny Protestanta dia manasokajy azy ho pseodepigrafa.

Edoma

I Edoma dia anaran'ny firenena tao atsimon'ny Ranomasina Maty ao amin'ny tapany atsimon'i Israely sy Jordania ankehitriny. Araka ny Baiboly dia taranak'i Esao (izay antsoina hoe Edoma koa) ny mponin'i Edoma izay atao hoe Edomita, dia i Esao izay lahimatoan'i Isaka sady kambana tamin'i Jakoba razamben'ny Israelita.

Toy ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy dia nipoitra tamin'ny Andron'ny Vy ny Fanjakan'i Edoma ka naharitra hatramin'ny taonjato faha-8 sy faha-6 tal. J.K.

I Edoma sy i Israely dia samy tao Palestina tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. ka i Edoma tao atsimon'i Israely sy Moaba.

Tsy nifanaraka i Edoma sy ny firenena hafa nanodidina azy fa niady matetika niady tamin'ny Fanjakan'i Jodà sy tamin'ny Fanjakan'i Moaba. Mety nanana mpanjaka talohan'i Israely i Edoma, nefa teo anelanelan'ny taonjato faha-10 sy faha-6 tal. J.K. dia nanjakan'ny Fanjakan'i Israely na ny an'i Jodà matetika izy.

Ny Boky voalohan'ny Mpajaka ao amin'ny Baiboly dia miresaka ny amin'ny andriandahy edomita atao hoe Hadada izay nataon'ny mpanjaka Davida sesitany sady niady tamin'ny mpanjaka Solomona taty aoriana amin'ny fifehezana ny lalana mankany amin'ny seranan'i Eilata sy mankany amin'ny toeram-pitrandraham-barahina ao.

Tamin'ny vanimpotoana najakazakan'ny Asiriana sy ny Babiloniana no tena nampamirapiratra ny Edomita. Tamin'ny tapany faran'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nanjaka tao amin'ny tapany atsimon'i Palestina i Edoma. Io no atao hoe Idomea tamin'ny fotoana nampatanjaka ny kolontsaina grika (helenika). Avy ao Idomea i Heroda Lehibe izay nanapaka tao Jerosalema taty aoriana.

Fahaterahan'i Jesoa

Ny fahaterahan'i Jesoa na fahaterahan'i Jesosy dia ny fahaterahan'i Jesoa (na Jesosy) zanak'i Maria tao Betlehema teo anelanelan'ny taona 9 sy 3 tal. J.K. sady inoan'ny Kristiana fa fahaterahan'ny Mpamonjy na Mesia ary ankalazain'ny ankamaroany amin'ny Noely na Krismasy. Tsy ny 1 Janoary na ny 25 Desambra anefa no andro nahaterahan'i Jesoa.

Heroda Antipasy

I Heroda Antipasy na Heroda Antipatera dia tertrarkan'i Galilea sy i Perea (faritra ao avaratra-antsinanan'ny Ranomasina Maty, ao atsinanan'i Jordàna) tamin'ny taona 4 tal. J.K. hatramin'ny taona 39 taor. J.K., zanak'i Heroda Lehibe sy ilay vehivavy samaritana atao hoe Maltake, vady fahefany. Teraka tamin'ny taona 21 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 39 taor. J.K. Atao hoe Ἡρῴδης Ἀντίπατρος / Hêrôdês Antipatros izy amin'ny teny grika fa הורדוס אנטיפס kosa amin'ny teny hebreo.

I Heroda Antipasy no nanamboatra ny tananan'i Tiberiasy na Tiberiada izay miorina eo amorona atsinanan'ny farihin'i Galilea, mba ho fanomezany voninahitra ny emperora Tiberio.

Nanambady vehivavy nabateana atao hoe Fasaelisy, zanak'i Aretasy IV, mpanjakan'i Nabatea avy any Petra, i Heroda Antipasy, nefa nisarahany io mba hanambadiany an'i Herodiada na Herodiasy, zanaky ny rahalahiny Aristobola IV tsy iray reny aminy. Tamin'izany dia vadin'i rahalahy tsy iray reny amin'i Heroda Antipasy, atao hoe Heroda Boetosy (atao hoe Heroda Filipo), i Herodiada izay nandao an'i Heroda Boetosy mbola velona, ka niteraka fahatafintohinana izany ka nahatonga ady ara-tafika teo amin'i Heroda Antipasy sy i Aretasy IV rafozany. I Herodiada no renin'i Salome izay resahina ao amin'ny Evanjelin'i Marka (Mar. 6.14-29) fa antony nahatapa-doha an'i Joany Batista noho i Joany nitsikera izany fanambadian'i Heroda Antipasy an'i Herodiada izany.

Resin'i Aretasy IV rafozany i Heroda Antipasy tamin'ny ady namoizany ny tafika nentiny. Nanolo-tsaina an'i Heroda Antipasy handeha any Roma hangataka ny anaram-boninahitra mpanjaka amin'ny emperora Kaligola i Herodiada. Naongan'ny emperora Kaligola izy tamin'ny taona 39 taor. J.K. Tezitra noho ny fanararaotam-pahefana nataon'i Antipasy ny Romana ka tapa-kevitra ny hanao sesitany azy any antsimon'i Galia (latina: Gallia; Frantsa ankehitriny) any Logdonoma (i Lyon any Frantsa ankehitriny izany). Nanaraka azy tany i Herodiada.

I Heroda Antipasy no niandraikitra ny Tempoly tamin'i Jesosy nohelohina ho faty tao Jerosalema, tanàna ao Jodea izay tsy notapahin'ny Romana mivantana. Araka ny Evanjelin'i Lioka (Lio. 23.7-15) dia tany amin'i Heroda Antipasy no nandefasan'i Pontio Pilato an'i Jesosy.

Herodiana (fianakavia-mpitondra fanjakana)

Ny Herodiana na dinastia herodiana dia fianakavia-mpitondra fanjakana manam-piaviana idomeana. Ny ankamaroan'ny mpanjaka tao amin'io fianakaviana io dia nanjaka tao Palestina sy Israely. Ny mpanjaka herodiana farany tao Israely dia i Heroda Agripa II. Matetika dia ampiasaina ny teny hoe "herodiana" mba hanondroana vanimpotoana, indrindra momba an'i Palestina. Ny tena nalaza tamin'ire Herodiana dia i Heroda Lehibe (73 tal. J.K. - 4 tal. J.K.), i Heroda Antipasy (21 tal. J.K. - 39 taor. J.K.), i Heroda Agripa I (10 tal. J.K. - 44 taor. J.K.), i Heroda Agripa II (27 taor. J.K. - 93 taor. J.K.).

Idomea

I Idomea dia faritra tao atsimon'i Jodea (na Jodia) tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa, hatramin'ny tenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. ka hatramin'ny taonjato voalohany taor. J.K. Mivelatra avy any amin'ireo tendrombohitr'i Jodà mankany avaratr'i Negeva izy. I Idomea dia vokatry ny fihakelezana sy fikisahana mianavaratry ny tanin'ny Edoma taty aoriana ka ny mponina ao dia tsy natao hoe Edomita intsony fa Idomeana. I Heroda Lehibe, izay nanapaka an'i Jodea, dia mpanjaka idomeana.

Jodea

I Jodea na Jodia dia faritra be tendrombohitra resahina ao amin'ny Baiboly izay mifanandrify amin'ny ampahan'i Jodrania Andrefana sy ny ampahan'ny faritra atsimon'i Israely ankehitriny. Izany hoe ao amin'ny tapany atsimon'i Palestina sady voafetran'ny Ranomasina Maty ao atsinanana ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana no misy azy.

Avy amin'ny anaran'ny fokon'i Jodà (hebreo: שֵׁבֶט יְהוּדָה / Shevet Yehudah) io anarana Jodea na Jodia io. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe יהודה / Yehudah i Jodea.

Tamin'ny Andro Taloha dia ivon'ny fanjakana sy faritany maro i Jodea, ka isan'izany ny Fanjakan'i Jodà tamin'ny Andron'ny Vy, ny faritany persianan'i Jodea Medinata (hebreo: / Yehud Medinata), ny fanjakam-pianakaviana hasmoneana ary ny fanjakam-pianakavina herodiana, ary taty aoriana ny faritany romanan'i Jodea (latina: Iudaea).

Ny fari-tanin'i Jodea dia tsy nitsaha-niova nandritra ny tantara vokatry ny fanjakana nifandilby nifehy azy.

Ny ampahany lehibe amin'i Jodea dia ao Jordania Andrefana amin'izao (izay nobodoin'i Israely hatramin'ny taona 1967 no mankaty). Faritra be havoana sy tany karankaina Jodea sady ahitana tany lemaka mahavokatra manamorona ny Ranomasina Mediteranea izay miteraka ny fandrosoan'ny fambolena isan-karazany mety amin'ny faritra mediteraneana (varimbazaha, oliva, voasary, aviavy ary voaloboka indrindraindrindra). Ao atsinanan'ireo havoana ireo no ahitana ny tany efitr'i Jodea. Ahitana harena an-kibon'ny tany roy ny kobalta sy ny brôma koa ny ao amin'io faritra io. Amin'izao fotoana izao dia i Jerosalema sy i Betlehema ary i Hebrona no tanàna foibem-pivavahana.

Talohan'ny fahababoana tany Babilona sy ny fanafahana ny Jiosy tamin'ny taona 538 tal. J.K. dia niforona ny Fanjakan'i Jodà taloha, ka i Jerosalema no natao renivohiny. Azon'ny Babiloniana ny ny Fanjakan'i Jodà tamin'ny taona 586 tal. J.K. ka rava i Jerosalema sy ny Tempoliny dia natao sesitany ny akamaroan'ny mponina tao. Rehefa avy nanjaka tamin'io faritra io ny Persiana sy ny fianakaviana Ptolemeo dia ny Seleokida tao Siria indray no nanjaka taminy avy eo izy nahazo fahaleovan-tena indray tamin'ny taona 141 tal. J.K. teo ambany fitarihan'ny Makabeo (izany hoe ny Hasmoneana) izay nadroaka ny tsy Jiosy sy ny Siriana. Tamin'ny taona 63 tal. J.K. dia azon'ny Romana i Jodea ka i Heroda Lehibe no mpanjaka voalohany nanapaka azy tamin'ny taona 37 tal. J.K. Rehefa naongana i Arkelaosy zanak'i Heroda dia nakambana tamin'i Siria mba hiankina aminy i Jodea. Hatramin'ny taona 41 taor. J.K. ka hatramin'ny 44 taor. J.K. dia natolotra ny mpanjaka Heroda Agripa I izy alohan'ny hanambarana azy amin'ny Fanjakana romana tamin'ny taona 44 taor. J.K.

Magy ao amin'ny Baiboly

Ny magy na majy dia ilazan'ny Filazantsara araka an'i Matio ireo mpivahiny izay notarihin'ny kintana iray avy any atsinanana ho any Israely mba hitsaoka ny Kristy vao teraka.

Masada

I Masada dia toerana voaaro manda any Palestina tamin'ny Andro Taloha izay niorina teo ambony vato granita an-tampon-tendrombohitra eo amin'ny tevana atsinanan'ny tany efitr'i Jodea. tokony ho 50 km any atsimo-atsinanan'i Jerosalema. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מצדה / Mitsada, izay midika hoe "toerana voaro manda", io toerana io.

Tantaran'ny vahoaka jiosy

Ny tantaran'ny vahoaka jiosy dia tantaran'ny Jiosy na vahoakan'i Israely izay maharitra eo amin'ny 3 000 taona eo, nanomboka tamin'ny taona 1200 tal. J.K. hatramin'izao fotoana izao. Ny firesahana voalohany ny fisiany ivelan'ny fitantaràn'ny Baiboly dia hita amin'ny tsangambaton'i Merenptah izay naorina tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. Araka ny lovantsofina jiosy dia i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba no nipoiran'izy ireo.

Tempolin'i Heroda

Ny Tempolin'i Heroda dia ny Tempoly Faharoan'i Jerosalema ihany fa nasian'i Heroda Lehibe fanitarana goavana nanomboka tamin'ny taona 19 tal. J.K. ka tsy nitsahatra izany raha tsy tamin'ny taona 63 taor. J.K.

Araka ny Bokin'i Ezra (na Bokin'i Esdrasa) dia ny mpanjaka Kirosy Lehibe no nanome alalana ny Jiosy hanamboatra ny Tempoly faharoa (hebreo: בֵּית־הַמִּקְדָּשׁ הַשֵּׁנִי‬ / Beit HaMikdash HaSheni) izay nanomboka tamin'ny taona 538 tal. J.K. iray taona taorian'ny faharavan'ny Fanjakana babiloniana.Naorina tamin'ny taona 536 tal. J.K. ny Tempoly faharoa, taona niverenan'ny Jiosy (Jodeana) avy any Babilona nahababoan'izy ireo. Vita tamin'ny taona 515 tal. J.K. ilay tempoly. Natokana io tempoly io afaka roapolo taona (taona 516 tal. J.K.) taorian'ny fanombohan'ny asa. Nanao fanitarana lehibe ny tempoly i Heroda I taty aoriana ka nomena ny anarana hoe "Tempolin'i Heroda" izany endrika vaovaon'ny Tempolin'i Jerosalema izany.

Zelota

Ny Zelota dia firehana na antoko ara-politika sy ara-pivavahana jiosy izay nalaza tamin'ny fanoherana ny Romana tao Jodea (na Jodia) tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K. ka namporisika ny vahoaka jiosy tao amin'ny faritanin'i Jodea hikomy amin'ny Fanjakana romana sady handroaka azy amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana. Ireo Zelota ireo no lohany tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny Fikomiana lehibe (hebreo: המרד הגדול / ha-Mered ha-Gadol) nataon'ny Jiosy tamin'ny taona 66 hatramin'ny taona 70 taor. J.K.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.