Fokon'i Efraima

Ny fokon'i Efraima dia vakiny iray ao amin'ny fokon'i Josefa izay isan'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely. Ny vakiny faharoa dia ny fokon'i Manase. Tamin'ny ady nifanaovan'ny fokon'i Efraima sy tamin'ny sisan'ny fokon'i Israely dia ampy hahafantarana ny Efraimita ny tsy fahaizany manonona ny hoe shibboleth izay tononiny hoe sibbolet.

Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Efraima

I Efraima (hebreo: אֶפְרַיִם na אֶפְרָיִם / Efrayim) dia zanaka lahy faharoan'i Josefa tamin'i Asnata vadiny ary i Manase no rahalahiny. Ireto ny zanany lahy: Sotela, Bekera, Tahana (Nomery 26.35), Ezera, Eleada ary Beria (1Tantara 7.20-23).

Olona isan'ny fokon'i Efraima

Isan'ny fokon'i Efraima i Josoa (na Jôsoe) sy i Jeroboama I mpanorina ny Fanjakan'i Samaria.

Anisan'ireo fokon'i Israely nanjavona

Isan'ny Fanjakan'i Samaria ny fokon'i Efraima tamin'ny fisarahan'ny Fanjakan'i Israely ho fanjakana roa. Tamin'ny nandravan'ny Asiriana ny io fanjakana io dia natao sesitany niaraka amin'ny foko sivy hafa tany Asiria vahoaka tao amin'ny fokon'i Efraima ka lazaina fa isan'ireo foko nanjavona izy. Ireo Samaritana amin'izao fotoana izao dia milaza fa taranak'i Efraima sy Manase.

Jereo koa:

Bokin'ny Mpitsara

Ny Bokin'ny Mpitsara dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady ao amin'ny boky masin'ny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataon'ireo mpitsara voatendrin'Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany Kanana taorian'ny nahafatesan'i Josoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan'ireo mpitsara ireo sy ny fangejan'ny firenena hafa ny Zanak'i Israely noho ny fialany an'Andriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isan'ireo atao hoe bokin'ny mpaminany ny Bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Tanakh, fa voasokajy ho bokim-pitantarana na boky ara-tantara kosa izy ao amin'ny Baiboly kristiana.

Efraima (zanak'i Josefa)

I Efraima dia zanaka lahin'i Josefa tamin'i Asnata, sy zafikelin'i Jakoba, ary zandrin'i Manase. Ireto ny zanany lahy: Sotela, Bekera, Tahana (Nomery 26.35), Ezera, Eleada ary Beria (1Tantara 7.20-23).

Ny taranak'i Efraima no namorona ny iray amin'ireo fokon'i Israely roa ambin'ny folo, dia ny fokon'i Efraima izay zana-pokon'i Josefa. Isan'ny taranak'i Efraima i Josefa zanak'i Nona sy i Jeroboama zanak'i Nebata. Isan'ny fokon'i Efraima koa i Josoa (na Jôsoe).

Ny Samaritana amin'izao fotoana izao dia milaza ny tenan'izy ireo ho taranak'i Efraima sy Manase.

Fanjakan'i Israely (Samaria)

Ny Fanjakan'i Israely na Fanjakan'i Samaria na Fanjakana Avaratra dia fanjakà-mpanjaka tao Atsinanana-Akaiky taloha izay naorin'ny Israelita tao amain'ny tapany avaratr'i Palestina tamin'ny Andron'ny Vy. Naharitra 200 taona io fanjakana io, izay nisy nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. sy rava tamin'ny taonjato faha-8 tal. J.K. (taona 930 - 720 tal. J.K.).

Ny mpahay tantara dia manome anarana azy hoe "Fanjakan'i Samaria" na "Fanjakana Avaratra" mba tsy hifangaroany amin'ny Fanjakan'i Jodà ao atsimo na ny Fanjakan'i Israely fony mbola nitambatra. Araka ny Baiboly dia nandimby ny Fanjakan'i Israely mitambatra sy ny an'i Jodà izy. Atao hoe "Efraima" koa izy indraindray.

Maro ireo tari-mpanjaka nifandimby nitondra tao amin'io fanjakana io. I Sikema no renivohiny talohan'ny nisafidianan'i Jeroboama an'i Tirtsa (na Tirza). Taty aoriana dia nanorina ny tanànan'i Samaria i Omry ka lasa renivohitry ny fanjakana io tanàna io hatramin'ny nanorenana azy ka hatramin'ny namaboan'ny Asiriana azy.

Tsy tena tsara ny filazan'ny Baiboly ny amin'ity fanjakana ity noho ny vahoaka nonina tao sy ny mpanjakany lazainy fa nanalavitra ny fampianaran'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fanompoan'izy ireo sampy. Lasan'ny Asiriana tamin'ny taona 720 tal. J.K. ny Fanjakan'i Israely.

Foko folo very

Ny foko folo very, araka ny Baiboly hebreo, dia foko nonina tao amin'ny Fanjakan'i Israely, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe Fanjakan'i Samaria, talohan'ny faharavan'ity fanjakana ity tamin'ny 722 tal. J.K. ka tsy hita intsony hatramin'izay.

Fokon'i Benjamina

Ny fokon'i Benjamina dia iray amin'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely.

Fokon'i Israely

Ny fokon'i Israely dia ireo foko taranaky ny zanaka lahy roa ambin'ny folon'i Jakoba araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly izay mifarana amin'ny fitantarana ny nanorenan'ireo Zanak'i Israely fonenana tao amin'ny Kanaana. Ireo zanak'i Jakoba ireo dia i Robena (na Reobena), i Simeona, i Levy, i Joda, i Isakara, i Zabolona, i Dana, i Naftaly, i Gada, i Asera, i Josefa ary i Benjamina. Tamin'ny faharavan'ny Fanjakan'i Samaria dia lazaina fa nanjavona ka tsy hita intsony ny foko folo, dia ireo nonina tao amin'io fanjakana io.

Fokon'i Josefa

Ny fokon'i Josefa dia iray amin'ireo fokon'i Israely. Nizara ho foko roa izy dia ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Manase.

Fokon'i Manase

Ny fokon'i Manase dia vakiny iray amin'ny fokon'i Josefa ka ny faharoa dia ny fokon'i Efraima. Isan'ny fokon'i Israely izy. Matetika ao amin'ny Baiboly dia isaina ho foko iray manokana ny fokon'i Manase ka asolo ny an'i Josefa. Toy izany koa ny fokon'i Efraima.

Isboseta

I Isboseta izay atao hoe Isbaala dia zanak'i Saoly nasandratra ho mpanjakan'i Israely tamin'ny taona 1007 tal. J.K. nandimby an-drainy nefa tsy nanjaka afa-tsy tamin'ny foko 11 izy satria i Davida koa dia nasandratra ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà tamin'io fotoana io ihany. Maty nisy namono izy tamin'ny taona 1005 tal. J.K. Roa taona no naharetan'ny fanjakany. Ao amin'ny Boky faharoan'i Samoela ao amin'ny Baiboly no ahitana ny tantarany.

Jefta

I Jefta na Jiftà na Jefte dia mpitsara tao Israely araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 10.7-12-7). Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Amin'ny teny hebreo dia tononina hoe יפתח / Yip̄tāḥ io anarana io. I Jaira no mpitsara nodimbasany ary i Ibzana no nandimby azy.

Notendren'ireo mpitondra an'i Gileada i Jefta mba hitarika ny ady tamin'ny Amonita izay nandrahona azy ireo. Nandresy izy ka niteraka fialonana teo amin'ny fokon'i Efraima izany. Nanafika azy ny Efraimita nefa tsy nahomby ka nahatonga an'i Gileada ho afaka nizaka tena, ary angamba tsy niankina tamin'ny firenen'i Manase raha tsy taorian'ny fandresen'i Gideona ny Midianita.

Jeroboama I

I Jeroboama I dia ilay mpanjaka nanorina ny Fanjakan'i Israely (atao hoe Fanjakan'i Samaria koa) tao amin'ny tapany avaratry ny Fanjakan'i Israely taloha izay tafasaraka tamin'ny Fanjakan'i Jodà any atsimo, araka ny Baiboly. Nanjaka teo anelanelan'ny taona 931 sy 910 tal. J.K. izy. Niteraka fisarahana ara-pivavahana teo amin'ny fanjakana avaratra sy atsimo koa izany fisarahana ara-politika izany. Ao amin'ireo Bokin'ny Mpanjaka sy ireo Bokin'ny Tantara no iresahana misimisy kokoa ny momba azy. Isan'ny fokon'i Efraima izy.

Jiosy igbo

Ny Jiosy igbo na Jiosy ibo dia isan'ny foko igbo ao Nizeria izay manaraka ny fivavahana jiosy sady milaza ny tenany fa tavy amin'ny fifindra-monin'ny Hebreo sy ny Jiosy taty aoriana, avy tany Afrika Avaratra sy tany Egipta ka nankany Afrika Andrefana. Ny lovantsofina ao amin'ireo Igbo ireo dia mitantara fa io fifindra-monina io dia niseho tany amin'ny 1500 taona tany aloha. Ny ankamaroan'ny Jiosy anefa dia tsy mihevitra ny Igbo ho tena Jiosy.

Ny Igbo dia milaza ny tenany fa avy amin'ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Naftaly sy ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Levy sy ny fokon'i Zebolona ary ny fokon'i Gada. Izany fiheverana izany anefa tsy voamarin'ny fandalinana tsara ny tantara. Ny mpahay tantara dia nandinika ny literatiora ara-tantaran'i Afrika Andrefana tamin'ny vanimpotoan'ny fanjanahantany sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin'izany fiheverabna izany ho an'ireo olona manohana sy nanoratra izany .

Amin'izao fotoana izao dia misy sinagoga miisa 26 ny any Nizeria ary ny vahoaka jiosy igbo dia heverina fa miisa 40 000 any ho any, raha miisa 140 000 000 ny Nizeriana. Ny Igbo any Abuja no betsaka indrindra ary no ahitana ny singogan'i Gihon sy ny an'i Port Harcourt ao amin'ny tapany atsimon'i Nizeria. Ny fivavahan'ny Jiosy igbo dia tarihin'ny raby Hoxard Gorin.

Tsy ny Jiosy igbo ihany no foko ao Nizeria miaiky ny tenany fa taranaka jiosy, fa ao koa ny foko hafa izay samy manaraka ny jodaisma ka ny sasany aminy dia ao amin'ny foko Iôroba.

Josefa (zanak'i Jakoba)

I Josefa (hebreo: יוֹסֵף‬ / Iosef) dia olona voatantara ao amin'ny Baiboly. Zanak'i Jakoba sy i Rahely izy. I Benjamina no rahalahy iray reny aminy. Manana rahalahy folo hafa tsy iray reny aminy izy. Namidin'ireo rahalahiny izay nialona azy izy nefa lasa manampahefana tany Egipta taty aoriana. Nantsoiny honina any Egipta ny fianakaviany, fantatra amin'ny hoe Zanak'i Israely, tamin'ny fotoana nahamosarena ny tany manontolo. Taorian'ny nahafatesany sy ilay Farao natoky azy no nanombohan'ny fahasahiranan'ny Zanak'i Isaraely izay nandevozin'ny Egiptiana. Manana ny fomba fitantarany an'i Josefa koa ny boky masin'ny silamo atao hoe Kor'any.

Samaritana

Ny Samaritana dia vahoaka monina ao Israely sy Sisjordania ka ao Samaria, tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i Palestina, no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho Jiosy izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny Israelita fahiny nonina tao amin'ny Fanjakan'i Israely tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny Testamenta Vaovao dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny Fanjakan'i Israely amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy.

Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny fivavahana jiosy azy manokana, atao hoe samaritanisma, ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly ihany (atao hoe Pentateoka), fa tsy ny Baiboly hebreo manontolo, no ekeny ho Soratra Masina. Ny tendrombohitra Gerizima no tendrombohira masina fa tsy i Ziona na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny abidy samaritana izay tsy mitovy amin'ny abidy hebreo. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.

Ny Samaritana dia mihevitra fa taranaky ny foko folo lazaina fa very, indrindra fa ireo foko roan'i Josefa, dia ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Efraima, ary koa ny fokon'i Levy.

Tahirin-kevitra elohista

Ny tahirin-kevitra elohista na loharano elohista, izay hafohezina amin'ny litera E, dia iray amin'ireo lahatsoratra efatra vinavinaim-pisiana niforonan'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin'ny taonjato faha-18. Ny telo hafa dia ny tahirin-kevitra iahvista sy deoteronomista ary ny an'ny mpisorona. Misy anefa ireo mpikaroka taty amin'ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy.

Tsodranon'i Mosesy

Ny Tsodranon'i Mosesy na Tsodranon'i Moizy dia anarana iantsoana ny tononkalom-paminaniana hita ao amin’ny Bokin'ny Deoteronomia (Deo. 33.2-27), izay miseho ho fitsofan-drano natan'i Mosesy (na Moizy) an'ireo fokon'i Israely. Mitovy ny lohahevitr'io tononkalo io sy ny an'ny Tsodranon'i Jakoba, nefa tsy dia misy fitovizany firy ny votoatin'ireo tononkalo roa ireo, afa-tsy ny fampitahany ny iray amin'ireo foko ireo ho toy ny mpitsara ary ny iray hafa ho toy ny "zana-diona", na dia i Gada no zana-diona ary i Dana no mpitsara ao amin'ny Tsodranon'i Mosesy fa i Dana no mpitsara ary i Jodà no zana-diona ao amin'ny Tsodranon'i Jakoba. Mitovy amin'ny Tsodranon'i Jakoba ny Tsodranon'i mosesy ka tsy ahitana filazàm-pitahiana firy ny ao amin’ny Tsodranon’i Mosesy, ny ankamaroan'ny andalan-tononkalo dia manoritsoritra ny ho fomban'ny foko tsirairay amin'ny fotoana hoavy.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.