Fiteny katalàna

Ny fiteny katalàna dia fiteny romana izay tenenin'ny olona miisa any amin'ny 10.000.000 any ho any ao amin'ny faritry ny fanjakan'i Aragona taloha, dia ao Katalonia, ao Valensia, ao amin'ireo nosy Baleara, amin'ny faritra kely ao Aragona, ao Andora, ao amin'ny ampahany be amin'ny Pirenea Atsinanana ary ao Algero any Sardaina.

Filaza toe-javatra

Ny filaza toe-javatra dia endriky ny matoanteny izay matetika afaka mitana ny anjara asan'ny fameno toe-javatra. Ahitana filaza toe-javatra ny fiteny latina, frantsay, anglisy, espaniola, portogey, rosiana, italiana, romaniana, katalàna, sns, nefa tsy mitovy ny anjara asa sahanin'ny matoanteny amin'ny filaza toe-javatra ao amin'ny fehezanteny isam-piteny.

Fiteny jodeo-katalàna

Ny fiteny jodeo-katalàna dia fiteny katalàna nifangaro amin'ny fiteny hebreo nampiasain'ny Jiosy tao Katalonia sy tao Baleara ary tao Valensia ao Espaina talohan'ny taonjato faha-16. Efa tsy misy mampiasa intsony io fiteny io amin'izao fotoana izao.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.