Fiteny hebreo


Ny fiteny hebreo na fiteny hebrio dia fiteny semitika. Tenin'ny Jiosy io fiteny io. Teny fampiasan'ny Israelita nandritry ny fotoana nitrangan'ny tantara tao amin'ny Baiboly ny teny hebreo. Rehefa resin'i Babilôna i Jodà, dia nentina hatao sesitany tany Babilôna ny Jiosy ka nanomboka niteny aramaika na arameana. Tsy nampiasaina tamin'ny fiainana andavanandro intsony ny teny hebreo fa mbola fantatry ny Jiosy mpanadihady Soratra Masina ihany.

Nanan-kevitra ny hanao ny teny hebreo ho fiteny fampiasa indray ny Jiosy maro tamin'ny taonjato faha-20. Ary lasa tenin'ny firenen'i Israely tamin'ny 1948 ilay fiteny. Avy amin'ny toerana maro ny mponin'i Israely ka nanapa-kevitra ny hianatra hebreo avokoa izy ireo mba hiteny fiteny iray ihany. Ny fikambanana mifehy ny fampiasana ny teny hebreo dia ny Akademian'ny Fiteny Hebreo.

עִבְרִית ʿIvrit
Isan'ny mpiteny 8,3 tapitrisa
Faritany Flag of Israel.svg Israely
Sata Teny ofisialin'i Flag of Israel.svg Israely

Fivoaran'ny fiteny hebreo

Hatramin'ny niforonany dia tsy nitsaha-nivoatra ny fiteny hebreo ka tao ny hebreo biblika, ny hebreo misnika (na misnaika), ny hebreon'ny Andro Antenantenany ary ny hebreo vaovao.

Ny fiteny proto-hebreo

Ireo Taratasin'i Amarna na Taratasin'i Tel-Amarna dia taratasim-pifandraisana diplomatika egiptiana tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. Ny sasany amin'ireo taratasy ireo dia avy any Kanana. Voasoratra amin'ny fiteny akadiana izy ireo. Hita anefa fa misy fitovizana amin'ny fiteny hebreo nanoratana ny Torah ny votoatin'izy ireo ka midika izany fa nisy fitenim-paritra proto-hebreo izay notenenina tao Kanana talohan'ny niorenan'ny vahoaka

Hebreo fonenana tao. Ireo taratasy ireo anefa dia tsy miresaka momba ny Hebreo fa ny amin'ny atao hoe Apiro izay tsy tena fantatra mazava nefa misy mampifadray azy amin'ny Hebreo.

Ankoatr'ireo zavatra momba ny fiteny ireo dia tsy fantatra mazava tsara ny tena endrik'ilay na ireo fiteny atao hoe proto-hebreo ireo. Ny azo tenenina dia izao: ireo fitenim-paritra tranain'i Fenisia (Libàna amin'izao fotoana izao) izay fantatra dia misy itovizana amin'ny fiteny hebreo tranainy ka azo atao ny milaza fa fisehon'ny fiteny iray arakaraka ny faritra itenenana azy izy ireo, izay mety notenenina tany amin'ny morontsiraka siro-palestiniana. Ny hebreo biblika dia avy amin'ireo fitenim-paritra ireo.

Tamin'ny volana Jolay 2008 tamin'ny soso-nofon-tany mifandraika amin'ny taona 1050 - 970 tal. J.K. no nahitana ny Ostracon an'i Khirbet Qeiyafa izay mety ho soratra hebreo tranainy indrindra tao amin'ny toeram-pangadiana arkeolojikan'i Khirbet Qeiyafa, tanàna kely tamin'ny Andron'ny Vy II A.  

Ny fiteny hebreo biblika

Fiteny velona ilay atao hoe hebreo biblika teo anelanelan'ny taonjato faha-12 sy faha-2 tal. J.K. Mety nifanahaka amin'ny fiteny fenisiana izy tamin'izany satria mifanakaiky ireo fiteny roa ireo[1]. Ny fiteny hebreo no nanoratana ny Baiboly hebreo (תַּנַ"ךְ / Tanakh). Toraka izany koa ireo soratanana hita tao Komràno teo anelanelan'ny taona 1947 sy 1956. Ny ankamaron’ireo boky apokrifan'ny Baiboly anefa dia tamin'ny fiteny arameana.  

Ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin'ny boky voalohany, ny Genesisy (amin'ny teny hebreo: בְּרֵאשִׁית / Bereshit), dia ahitana ny soratra hoe אברם העברי (Abram ha-’ibri izay midika hoe "Abrama ilay Hebreo" nefa tsy milaza io lahatsoratra io fa niteny hebreo i Abrama na ny taranany. Ny teny hoe hebreo na hebrio dia mety avy amin'ny fitenenana hoe מעבר לנהר / me-’eber la-nahar ("avy eny am-pitan'ny ony"), izay manondro ny fiavian'i Abrahama. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-3 tal. J.K. dia nampiasa ny fiteny arameana ny Jiosy tao Palestina tamin'ny fiainany andavanandro sy tamin'ireo literatiora ivelan'ny fivavahana[1].

Fiteny ampiasanina amin'ny fivavahana izao ny hebreo biblika ka hafa fa tsy mitovy amin'izay tenenin'ny vahoaka. Tsy ampy voambolana ny fiteny hebreo biblika izay tsy ahitana afa-tsy voan-teny latsaky ny 8 000 ka ny 2 000 dia voan-teny tsy miseho ao amin'ny Baiboly hebreo afa-tsy indray mandeha monja, ary ireo teny ireo dia voaforona tamin'ny fototeny miisa 500. Ny voambolana grika tamin'izany fotoana izany anefa dia efa nahatratra 120 000 isa[2]. Azo antoka fa nisy voambolana hafa maro kokoa nampiasain'ny vahoaka ho fanampin'izay hita ao amin'ny Tanakh nefa nanjavona izany.

Ny fiteny hebreo misnaika

Ity endriky ny fiteny hebreo iray ity dia mifanandrify amin'ny fotoana feran'ny taonjato volohany sy faha-5 taor. J.K. izay mifanandrify koa amin'ny fotoan'ny Talmoda (taonjato faha-2 hatramin’ny faha-5). Atao hoe "hebreo rabinika" na "fitenin'ny Olonkendry" koa ity fiteny ity.

Fiteny velona nampiasaina tamin'ny fiainana andavanandro sy tao amin'ny literatiora jiosy izy io, araka ny hita amin'ireo tahirin-tsoratra hitan'ireo arkeologa tao Israely[3]. I Abraham Geiger no nanomboka nanao fanadihadiana ara-kaifiteny tamin'izy ireo tamin'ny taona 1845. 

Ny hebreo misnika (na misnaika) dia ahitana zava-baovao raha mitaha amin'ny hebreon'ny Baiboly izay taloha lavitra noho izy. Momba ny fandrafetana fehezanteny sy ny voambolana izany ka hita ireo teny nindramina tamin'ny fiteny nanjaka ara-politika na ara-kolontsaina tamin'izany fotoana izany, dia ny fiteny arameana sy grika ary persana.

Ny fiteny hebreon'ny Andro Antenantenany

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 dia tany ivelan'i Palestina any am-pielezana no nitohizan'ny fampiasana ny fiteny hebreo ka mandraka amin'ny nahaterahan'io fiteny io indray tao Israely tamin'ny taonjato faha-20.

Amin'ny fiainana andavanandro dia niteny ny fitenin'ny firenena nonenany ny Jiosy, ka tsy nampiasa ny fiteny hebreo afa-tsy tamin'ny sehatry ny fivavahana. Tamin'izany fiteny hebreo izany no nanatanterahan'ny Jiosy am-pielezana ny fivavahany sy amakiany ny Torah ary andinihany ireo hevi-teny isan-karazany amin'io boky masina io. Tamin'ny fiteny hebreo koa no nifandraisan'ireo Olonkendry jiosy tamin'ny firenena samihafa. Hita araka ireo zava-bokarina ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ary amin'ny tontolon'ny asa ireo ny fivoaran'ny fiteny hebreo nandritra ny fotoana lava.  

Ny fiteny hebreo vaovao

Ny fiteny hebreo vaovao dia karazan'ny fiteny hebreo izay ampiasaina na am-bava na an-tsoratra nanomboka tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-19. Miavaka izy noho izy lasa fiteny velona, notenenin'ireo Sionista aloha, avy eo nampiasain'ny ankamaroan'ny Israeliana, taorian'ny taonjato maro nahafaty ny fiteny hebreo sy naha fitenim-panompoam-pivavahana fotsiny azy. Nahazo aina toy ny nateraka indray ny fiteny hebreo tamin'ny taonjato faha-20 vokatry ny asan'i Eliezer Ben Yehudah tamin'ny andron'ny atao hoe Haskala (השכלה).

Jereo koa:

Loharano

  1. 1,0 et 1,1 "Hebreu, langue", Microsoft Encarta 2009
  2. Jean Soler, La violence monothéiste , De Fallois, 2009, 469 p. (ISBN 978-2-87706-675-4)
  3. 1, CD-Rom an'ny Hebrew Language Historical Dictionary Project, Jérusalem, 1998.
Abidy hebreo

Ny Abidy hebreo dia fitambarana litera miisa 22 tsy ahitana zanatsoratra izay anoratana ny fîteny hebreo. Amin’ny fiteny hebreo, io abidy io dia atao hoe אָלֶף־בֵּית עִבְרִי‬ / Alefbet Ivri na האלפבית העברי / Ha-ˈAlefbet ha-Ivri. Tsy misy ny fanavahana ny sorabaventy sy ny soramadinika. Taty aoriana vao nisy marika miendri-teboka atao hoe nikkud izay amantarana ny zanapeo. Vakina avy

ankavana miankavia ny soratra hebreo.

Ny abidy hebreo no nanoratana ny boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo), izany hoe izy no nanoratana ny fiteny fototry ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly. Izy koa no anoratana ny fitenin'ny Jiosy hafa ankehitriny.

Abidy samaritana

Ny abidy samaritana dia abidy ampiasain'ny Samaritana hanoratany ny fiteny hebreo samaritana (izay atao hoe fiteny hebreo samaritana) ary ny fiteny arabo. Ny abidy samaritana, raha ny marina, dia abjady, izany hoe abidy tsy ahitana afa-tsy renisoratra ary tsy anoratana afa-tsy ny renifeo, sahala amin'ireo abidy hafa ampiasaina hanoratana ny fiteny semitika. Ahitana tarehin-tsoratra (litera) miisa 22 ao amin'io abidy io, ka ny tarehin-tsoratra tsirairay afaka atao tarehimarika koa. Avy ankavanana miankavia ny fanoratana. Ny abidy samaritana dia karazan'ny abidy hebreo tranainy, izay avy amin'ny abidy fenisiana. Io abidy hebreo tranainy io dia efa navelan'ny Jiosy ka tsy nampiasainy nanomboka tamin'ny tenantenan'ny taonarivo voalohany tal. J.K. ary nosoloany ny abidy hebreo ampiasaiana amin'izao fotoana izao, nefa ny Samaritana nitahiry azy.

Anarana

Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana, na toerana na fotoana. Raha ilazana sokajin'olona na biby na zavatra na hevitra sns mitovy toetra ny anarana dia izany no atao hoe anarana iombonana. Raha anondroana singan'olona na biby na zavatra na hevitra sns manokana ny anarana dia izany no atao hoe anaran-tsamirery.

Baiboly

Ny Baiboly dia ilay boky inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ho tenin'Andriamanitra. Ny Baibolin'ny Jiosy na Baiboly hebreo, izay tsy ahitana afa-tsy ny Testamenta Taloha, dia atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran'ireo boky voasoratra talohan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran'ireo boky voasoratra taorian'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin'ny fomba samy hafa ny boky ao amin'ny Baiboly.

Bokin'i Daniela

Ny Bokin'i Daniela na Bokin'i Daniely dia boky hita ao amin’ny Baiboly hebreo sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Amin’ny voalohany ny boky dia mitantara ny amin’ny zatovolahy hebreo efatra izay samy avy ao amin’ny fanjakan’i Joda, indrindra fa i Daniela (na Daniely), izay lasa babo avy tany Jerosalema ka nasesitany tany Babilonia tamin’ny taona 606 tal. J. K. Lasa mpiasam-panjakana tao Babilona i Daniela sy ireo namany telo rehefa hitan’ny mpanjaka ny fahendreny. Tsy nivadika tamin’ny finoana an’ Andriamanitra anefa izy ireo na dia teo ny fanerena samihafa nahazo azy mba hanompo sampy ary na saika ho namoizany ny ainy aza izany. Resin’ireo Mediana sy Persiana ny Babiloniana nefa nanohy ny asany tao amin’ny fanjakana ihany i Daniela.

Amin’ny tapany faharoa ny boky dia mitantara ny fahitana maro izay nasehon’Andriamanitra an’i Daniela sy ny hevitr’ireo fahitana ireo araka ny nambaran’ny anjely taminy.

Sady bokin-tantara no bokim-paminaniana ny Bokin’i Daniela. Ny boky manontolo dia maneho ny fifehezan’Andriamanitra ny tantaran’ny zanak’olombelona sy izao tontolo izao.

Bokin'ny Ekleziastika

Ny Bokin'ny Ekleziastika na Fahendren'i Bena Siràka dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly katolika sy ortodoksa izay voasokajy ho isan'ireo bokim-pahendrena. Ny lohahevi-dehiben'ny boky dia ny Fahendrena izay anaovan'ny mpanoratra fitanisana ohabolana sy famelabelarana voalamina. Ny fatahorana an'Andriamanitra no fisehoan'izany Fahendrena izany. Izany dia nataon'ny mpanoratra mba hanoherany ny fihanaky ny kokontsaina grika (indrindra ny filozofia) izay mila hanototra ny kolontsaina sy ny fivavahana jiosy nolovana tamin'ireo razana. Ny Fahendrena dia sady reny no vady no anabavy ka ny fikatsahana azy dia fikatsahana an'Andriamanitra ary ny fiainana miaraka aminy dia fiainana miaraka amin'Andriamanitra.

I Jesoa zanak'i Siràka (hebreo: Yeshua ben Sira) no hoe nanoratra an'io boky io tamin'ny fiteny hebreo. Ny zafikeliny no nandika an'ilay boky ho amin'ny fiteny grika.

Ny Jiosy ny ny Protestanta dia tsy manao an'io boky io ho filamatry ny finoana (kanonika) fa mihevitra azy ho tsara vakina ihany.

Bokin'ny Jobily

Ny Bokin'ny Jobily dia boky tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly ortodoksa etiopiana. Ny tanjon’ilay boky dia ny hamporisika ny Jiosy amin’ny fifikirana amin’ny Torah, amin’ny fotoana nahatonga ny Jiosy hiharan’ny kolontsaina jentilisa.

Misy ny tantaran’izao tontolo izao (ny niandohany sy ny hiafarany) araka ny nitantaran’ny “anjelin’ny fanatrehana” an’izany tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay io boky io. Ny ampahany be amin’ny fitantarana, izay miendrika angano, dia manampy ny fitantarana ao amin’ny Bokin'ny Genesisy sy ny Bokin'ny Eksodosy (hatramin’ny toko faha-12) mba haneho ny maha ambony lanja indrindra ny Torah. Voatantara ao hatramin’ny Famorona izao tontolo izao ka hatramin’ny nanorenana ny fetin'ny Paska jiosy. Voaresaka koa ny amin’ireo Patriarka hebreo. Ny fahotana nataon’ny Hebreo izay voasoratra ao amin’ny Baiboly dia tsy voaresaka firy ao. Ahitana lohahevitra momba ny fiafaran’izao tontolo izao (apokaliptika sy eskatolojika) ny ao amin’ilay boky ka ahafahana mahazo bebe kokoa ireo lohahevitra eskatolojikan’ny boky ao amin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao. Asehon’ny boky fa ireo Patriarka dia efa nanaja ny Lalàn’i Mosesy.

Ny Bokin’ny Jobily dia tsy hita na ao amin’ny Baiboly hebreo (Tanakh) na ao amin’ny Septoaginta na Septanta koa. Ny Katolika sy Protestanta ary ny Ortodoksa tatsinanana dia manasokajy azy ho apokrifa na pseodepigrafa.

Boky voalohan'ny Makabeo

Ny Boky voalohan'ny Makabeo dia boky ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Io boky io dia mitantara ny zavatra nataon'ny fianakaviana Hasmoneana nandritra ny tolona nataon'ireo Jiosy ho an'ny fahaleovantenany teo anelanelan'ny taona 175 sy 135 tal. J.K. Tsy hita ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny fiteny hebreo ny Boky voalohan'ny Makabeo. Boky deoterokanonika izy ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa fa apokrifa kosa ho an'ny Protestanta.

Fanampin'ny Bokin'i Daniela

Ny fanampin'ny Bokin'i Daniela na fanampin'ny Bokin'i Daniely dia soratra fanampiny hita ao amin'ny Bokin'i Daniely ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa. Ity tovana ity, izay tsy voasoratra tamin’ny fiteny hebreo na arameana fa tamin’ny fiteny grika, dia tsy noraisin’ny Protestanta sy ny Jiosy any Palestina ho kanonika ao amin’ny Baiboliny.

Fanehoan-javatra efa sy tsy efa

Ny fanehoanj-avatra efa sy ny fanehoan-javatra efa dia fanehoan-javatra mampifanohitra asa na toetra nitsahatra amin'ny asa na toetra tsy mitsahatra.

Ny fiteny hebreo dia tsy manana endri-matoanteny mifandray amin'ny fotoana afa-tsy ny endriky ny efa sy ny endriky ny tsy efa, ka ataon'ny fitsipiteny mahazatra ho filazam-potoan' ny fiteny hebreo izany.

Fiteny amorita

Ny fiteny amorita na fiteny amoreana dia fiteny semitika notenenin'ny vahoaka amorita izay nonina tao Siria, tao Mesopotamia Ambony sy Ambany teo anelanelan'ny fiafaran'ny taonarivo faha-3 tal. J.K. sy ny foantombohan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Somary ntaolontaolo kokoa ny fiteny amorita raha heverina ny fomba fanononan-javatra izay manakaiky ny an'ny fiteny akadiana. Ny fifanahafan'ny voambolany amin'ny an'ny fiteny hebreo sy ny fiteny arameana na ny fiteny ogaritika no iantsoana ny fiteny amorita ho fiteny kananita (na kananeana).

Fiteny arameana

Ny fiteny arameana (na aramaika) dia iray amin'ireo vondrom-piteny hamito-semitika. Misy koa ny manoratra hoe arameo tahaka ny hoe hebreo sy ny hoe aramianina na arameanina. Amin'io fianakaviam-piteny hamito-semitika (na afro-aziatika) io dia isan'ny sampana semitika ny fiteny arameana. Raha ny tena marina dia ampahan'ny fianakaviam-piteny semitika atsimo-andrefana ny fiteny arameana, izay mahafaoka koa ireo fiteny kananeana toy ny fiteny hebreo sy ny fiteny fenisiana (foinikiana na koa foenikiana) ary ny fiteny ogaritika. Ny abidy arameana dia noraisin'ireo fiteny hafa sady razan'ny abidy hebreo sy ny abidy arabo, ary koa ny abidy kharoshity ao avaratra-andrefan'i India, ary mety ho razan'ny abidy brahmy koa.

Nandritra ny 3100 taon'ny tantara voasoratra dia nampiasaina ho fitenim-panjakan'ny empira sy fiteny amin'ny fanompoam-pivavahana ny fiteny arameana. Isan'ireo fiteny andavanandro tao Palestina nandritra ny fotoan'ny Tempoly Faharoa (539 tal. J.K. - 70 taor. J.K.), fiteny niresahan'i Jesoa-Kristy , fitenin'ny ampahany be ao amin'ny Bokin'i Daniela sy ny Bokin'i Ezra (na Esdrasa) ao amin'ny Baiboly, ary fiteny nampiasaina indrindra ao amin'ny Talmoda. Nefa, ny fiteny jodeo-arameana dia hafa noho ny fananany toetra sy fitsipiteny miavaka.

Ny tantara lavan'ny fiteny arameana sy ny fampiasana azy amin'ny fomba isankarazany dia nanjary niteraka ny fiforonan'ny fitenim-paritra maro, izay heverina indraindray ho tena fiteny mahaleotena. Noho izany, tsy nisy ny atao hoe fiteny arameana marin-toerana sy tsy miova. Ny vanim-potoana tsirairay sy ny faritra tsirairay dia samy nanana ny karazam-piteny arameanany avy. Nanao ny arameana ho fitenim-pivavaha ny Fiangonana Tatsinanana, amin'ny endriny atao hoe siriaka, izay karazana fiteny arameana nampielezana ny fivavahana kristiana tatsinanana. Ireo fiangonana ireo dia nampiasa ny arameana na karazana arameanam-paritra.

Ny fiteny arameana vaovao dia ampiasaina ho fiteny voalohany ao amin'ny vondro-mponina madinika miparitaka ka mitoka-monina ny ankamaroany, izay Kristiana na Jiosy, sy ampiasain'ny foko mandeana any Azia Atsinanana – ny ankamaroany, ireo Asiriana, dia mampiasa ny fiteny arameana amin'ny endriny vaovao, asiriana arameana vaovao, kaldeana arameana vaovao – ; izy rehetra dia mbola mampiasa fiteny natanjaka ifaneraseran'ny olona tsy mitovy fiteny. Ireo fiteny arameana ireo dia heverina ho fiteny andalam-panjavonana amin'izao fotoana izao.

Fiteny foinikiana

Ny fiteny fenisiana na fiteny foinikiana na fiteny foenikiana dia fiteny avy ao amin'ny morontsirak'i Libàna, ao amin'ny faritra atao hoe "tanin'i Kanaana" na "tany Kanana" (araka ny fiantsoan'ny Fenisiana sy ny Arabo sy ny Hebreo ary ny Arameana), na Fenisia na Foinikia na Foenikia (araka ny fiantsoan'ny Grika sy ny Romana), na Pūt amin'ny fiteny egiptiana taloha. Ny fiteny fenisiana dia fiteny semitika ao amin'ny zana-bondron'ny fiteny kananeana, dia vondrona ipoiran'ny fiteny hebreo. Ny fiteny fenisiana dia notenenina tao Libàna, tamin'ny morontsirak'i Siria, tao Palestina, tao amin'ny tapany avaratr'i Israely ankehitriny, ary tao amin'ny ampahan'ny nosy Kiprosy (ka nifanakaiky amin'ny fiteny grika izy tao). Niteny fenisiana koa ny faritra sasany tany Anatolia (Azia Minora) noho izy fiteny manan-kaja. Niteny fenisiana koa ny faritra voakasiky ny fanjanahan-tany fenisiana: ny morontsiraka atsimo-andrefan'i Mediteranea, ary indrindra ny tao Tonizia ankehitriny, ny tao Marôka, ny tao Malta, ny faritra andrefan'i Sisilia, ny ao Sardinia, ny tao Korsa, ny tao amin'ny Andrin'i Heraklesy.

Ny fiteny fenisiana dia nosoratana tamin'ny abidy fenisiana. Ny fiteny fenisiana dia fantatra noho ireo soratra vitsivitsy, noho ny fitenenana raikitra momba ny fivavahana na ny fitantanan-draharaham-panjakana, sy noho ny rakibolana tsotra amin'ny teny roa nataon'ny mpanoratra grika na latina.

Fiteny hebreo samaritana

Ny fiteny hebreo samaritana dia karazana fiteny hebreon'ny Baiboly izay mbola ampiasaina sy soratan'ny Samaritana. Ankehitriny io fiteny io dia lasa fiteny ampiasaina amin'ny fotoam-pivavahana (fiteny litorjika) ka tsy ampiasaina hifaneraserana andavanandro. Miteny hebreo vaovao ny Samaritana monina ao Holon fa ny ao Nablosa kosa dia miteny arabo palestiniana. Soratana amin'ny karazana abidy fenisiana, izay abidy tranain'ny fiteny hebreo tranainy izay navelan'ny Jiosy ka tsy nampiasainy intsony hatry ny Andro Taloha, ny fiteny hebreo samaritana.

Fiteny semitika

Ny fiteny semitika dia vondrom-piteny nampiasaina tamin'ny Andro Taloha any Atsinana Akaiky (Azia Atsimo Andrefana) sy ao Afrika Avaratra ary ao amin'ny Tandrok'i Afrika. Isan'ireo fiteny atao hoe hamito-semitika na afro-aziatika na afraziana izy ireo ka miely avy amin'ny tapany avaratr'i Afrika hatrany Atsinana Akaiky. Nanomboka tamin'ny taona 1781 no nanomezan'ilay Alemàna atao hoe August Ludwig von Schlözer anarana toy izany ireo fiteny ireo araka ny anaran'olona iray ao amin'ny Baiboly, dia i Sema zanak'i Noa (na Nôe). Amin'izao fotoana izao dia ireto avy ny lehibe amin'ireo fiteny ireo: ny fiteny arabo, amarîka, tigrinia, hebreo, soreta na arameana tatsinana vaovao, arameana tandrefana vaovao, maltey ary siriaka. Mampiavaka ny fiteny semitika ny fampiasana fototeny foronina renifeo telo sy ny fampiasana renifeo tononina am-bavatraoka sy an-janadela ary anterina mafy.

Fiteny semitika afovoany

Ny fiteny semitika afovoany dia sampan'ny fiteny semitika tenenina ao ao afovoan'i Azia Andrefana, izay ahitana ny fiteny hebreo, ny fiteny ogaritika, ny fiteny moabita, ny fiteny fenisiana, ny fiteny arameana (isany ny fiteny siriaka), ny fiteny arabo sy ny fitenim-paritra avy aminy ary ny fiteny maltey.

Fiteny semitika andrefana

Ny fiteny semitika andrefana dia sampan'ny fiteny semitika hita amin'ny tapany andrefan'ny faritr'i Azia Andrefana. Ireto avy ireo fiteny semitika andrefana: ny fiteny amorita (na amoreana), ny fiteny ogaritika, ireo fiteny tao Kanàna (dia ny fiteny fenisiana, ny fiteny ponika, ny fiteny hebreo, ny fiteny amonita, ny fiteny moabita, ny fiteny edomita), ny fiteny arameana, ny fiteny arabo, sy ireo fiteny ao atsimon'i Arabia, ary ireo fiteny semitikan'i Etiopia sy Eritrea.

Fiteny semitika avaratra-andrefana

Ny fiteny semitika avaratra-andrefana dia sampana jeografikan'ny fiteny semitika izay hita any avaratra andrefan'ny amin'ny faritr'i Azia Andrefana, izay sampan'ny fiteny semitika andrefana. Ny fiteny semitika avaratra-andrefana dia manisy tovona rehefa hanao anarana milaza maro.

Ireto avy ireo fiteny semitika avaratra-andrefana: ny fiteny amorita (na amoreana), ny fiteny ogaritika, ireo fiteny tao Kanàna (dia ny fiteny fenisiana, ny fiteny ponika, ny fiteny hebreo, ny fiteny amonita, ny fiteny moabita, ny fiteny edomita) ary ny fiteny arameana.

Tendrombohitra Garizima

Ny tendrombohitra Garizima na tendrombohitra Gerizima dia tendrombohitra ao Jordania Andrefana eo akaikin'i Nablosa ao amin'ilay faritra atao hoe Samaria ao amin'ny Baiboly. Io tendrombohitra io dia toerana masina ho an'ny Samaritana. Voasoratra ao amin'ny Torah samaritana io tendrombohitra io fa tsy hita ao amin'ny Torah jiosy.

Amin'ny fiteny hebreo samaritana izy dia atao hoe Ar-Garzim io tendrombohitra io, amin'ny fiteny arabo dia جبل جرزيم / Jabal Jarizīm, na جبل الطور‎ / Jabal et Tur, amin'ny fiteny hebreo jiosy kosa dia הַר גְּרִיזִּים / Har Gerizim.

Mirefy 881 metatra ny tendrombohitra Garizima ary mideza dia mideza ny ao amin'ny tahezany avaratra sady rakotra ahitra ny tampony. Isan'ireo tendrombohitra avo indrindra ao Jordania Andrefana sy ao Israely izy. Misy loharano mangatsiatsiaka mivoaka ny eny amin'ny fotony rehefa lohataona. Tanàna madinika roa no miorina eo amin'ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har Brakha (tanàna jiosy) (hebreo: הַר בְּרָכָה, izay midika hoe "Tendrombohitry ny Fitahiana").

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.