Fiteny anglisy

Ny Fiteny anglisy (English [/ˈɪŋɡlɪʃ/]) dia fiteny jermanika avy any Angletera. Io no tenim-pirenena nahabe ny mponina anatin'ny firenena maro, indrindra any Royaume Uni sy ny zanataniny taloha : Etazonia, Kanada, Aostralia, Afrika Antsimo, India. Ireo zanatany taloha izay mbola mampiasa ny teny anglisy dia lazaina fa ao amin'ny tontolo miteny anglisy, izay manana anarana anglosphere amin'ny teny anglisy.

Isan'ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany ny teny anglisy, ao arian'ny teny Sinoa. Satria izy no teny be mpianatra indrindra. Miteny ny olona sasany hoe "fiteny iraisam-pirenena" ny teny anglisy. Sady io fiteny io no teny fiasana anatin'ny Firenena Mikambana miaraka amin'ny fiteny frantsay

Anglospeak
Anglisy
English

Isan'ny mpiteny mahery ny 380 tapitrisa ho teny nibeazana, 1 miliara raha teny nianarana
Faritany Kaontinenta dimy
Sata Teny ofisialin'ny Firenena Mitambatra ary Fikambanana iraisam-pirenena maro hafa
EN English Language Symbol ISO 639-1 IETF Language Tag Icon
EN (ISO 639-1)

Tantara

Ny fiteny anglisy dia fiteny voasokajy ao amin'ny fiteny rmanika andrefana, any Eoropa. Ny teny anglisy dia avy amin'ny tenin'ny foko jermanika tonga nipetraka ao Britania (Ilay nosin'i Britania) ary nianjadian'ny fitenin'ny mpanjanatany avy any Skandinavia, avy any Normandia ary avy any Frantsa Avaratra tamin'ny Andro Antenantenany (frantsay: Moyen Âge), ary taty aoriana voaanjadin'ny teny frantsay ankehitriny. Tahaka ny fiteny maro ao Eoropa, betsaka ny indran-teny avy amin'ny fiteny latina sy avy amin'ny fiteny grika, hatramin'izay ka hatramin'izao. Ny fiteny romana hafa sy ny fitenin'ny zanatany taloha dia nianjady tamin'ny fiteny anglisy britanika amin'ny fomba tsy dia lalina. Fa ny fianjadian'ny fiteny vahiny dia samihafa eo anivon'ny firenena miteny anglisy maro samihafa (fianjadian'ny fiteny eo an-toerana), ary manao fomba fiteny iray mety manamarika ny anglisy britanika.

Fiteny avy amin'ny fiteny anglisy

Ireto ireo fiteny avy amin'ny fiteny anglisy

  • Ny fiteny anglisy tsotsotra na Basic English dia teny naboarin'i C. K. Ogden sy i I. A. Richards tamin'ny taona 1930. miisa 850 ny teny ao anatiny: ireo izay ilaina anatin'ny fiainana miaraka amin'izay ilaina mba hanazava ny dika anatin'ny firesahana.
  • Ny fiteny anglisy manokana na Special English dia mampiasa teny 2.000 sady tononina moramora kokoa nohon'ny teny anglisy tsotra.

Rohy ivelany

Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena

Ny abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena hafohezina hoe API (Alphabet Phonétique International) amin'ny fiteny frantsay, na IPA (International Phonetic Alphabet) amin'ny fiteny anglisy, dia abidy ampiasaina ho an'ny fanoratana ny feon'ny fiteny tetenina. Izy io dia tsy ohatra ny fomba fanoratana an'ny vondrom-piteny, ny AAI dia abidy natao mba handrakotra ny ankapoben'ny fiteny rehetra. Navelatry ny mpandinika rafi-peo frantsay sy britanika ho an'ny Fikambanana ara-drafipeo iraisam-pirenena, navoaka tamin'ny 1888 izy. Natao tamin'ny 2005 ny famerenana farany.

Afrika Atsimo

I Afrika Atsimo dia firenena ao amin'ny faritra atsimon'i Afrika. Mizara sisin-tany amin'i Namibia, i Botsoana, i Zimbaboe, i Mozambika ary i Soazilandy izy. I Lesoto indray dia firenena rakotra tanteraka ao anatin'ny Firenena ao Afrika tatsimo.

Miisa eo amin'ny 48.7 tapitrisa eo ho eo (araka ny lazain'ny census tamin'ny taona 2008) ny mponina ao.

Be harena an-kibon'ny tany i Afrika Atsimo (volamena, diamondra sns.), ireo harena ireo no anisan'ny mahatonga azy ho firenena matanjaka indrindra ao Afrika.

Amerika Avaratra

I Amerika Avaratra dia zana-kaontinanta na kaontinanta iray araka ny fomba fijery. Ny atao hoe Amerika Avaratra dia fikambanan'ny firenena telo: i Etazonia, i Kanada ary i Meksika, na dia sokajiana ao amin'i Amerika Afovoany aza i Meksika aoamin'ny bokin-jeografia somary efa taloha.

Ny Ranomasimbe Pasifika dia any andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika any atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika dia any avaratra.

Ny velarantanin'i Amerika Avaratra dia 23,75 tapitrisa kilometatra toradroa; i Kanada no firenena ngeza indrindra raha araka ny velarantany, dia avy eo arahan' i Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy i Meksika (1,97 tapitrisa km²). Ny isan'ny mponiny dia 443,36 tapitrisa; i Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahan'i Meksika (107 tapitrisa) sy i Kanada (31 tapitrisa).

Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia i Mexico (Meksika), i New York (Etazonia), i Los Angeles (Etazonia) ary i Chicago (Etazonia).

Ny fiteny miasa ao dia ny fiteny anglisy any Kanada sy any Etazonia, ny fiteny espaniola any Meksika sy any Atsimon'i Etazonia ary ny fiteny frantsay ao Québec, any atsinanan'i Kanada.

Andry (fitsipiteny)

Ny andry dia teny ampiasaina hampitohizana ny lazaina amin'ny entimilaza tsy matoanteny. Maro ireo fiteny mampiasa andry ka isan'izany ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Ireo fiteny ireo dia mampiasa matoanteny andry ( être ao amin'ny fiteny frantsay fa be kosa ao amin'ny fiteny anglisy). Tsy ny fiteny rehetra no ahitana teny misahana anjara asa andry ary misy ireo izay tsy mampiasa azy raha tsy amin'ny lafin-javatra sasany ihany. Tsy voatery ho matoanteny ny andry ao amin'ny fiteny iray.

Aostralia

Aostralia, izay mitondra ihany koa ny anarana Commonwealth an'i Aostralia (amin'ny teny anglisy Commonwealth of Australia) dia firenena ao min'ny ila-bolantany atsimo. Ao Oseania, i Aostralia dia ny firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra. Ao amin'ny Commonwealth an'i Aostralia dia ahitana an'i Tasmania ary nosy hafa maro ny Ranomasimbe Atsimo, Pasifika ary Indianina. Ny firenena manodidona azy dia i Indonezia, Timor Atsinanana, ary Papoazia Ginea Vao any avaratra, i Nouvelle-Calédonie any avaratra atsinanana, Zelandy Vaovao any atsimo atsinanana ary ny Tany frantsain'ny nosy Kerguelen any andrefan'ny nosy aostralianina Heard ary McDonald.

Botsoana

Botswana na Repoblikan'i Botsoana (AAI : [bot͡sˈwana] izay azo soratana Bôtsoàna ihany koa) dia firenena iray ao atsimon'i Afrika. Ny anaran'ilay firenena dia avy amin'ny foko lehibe monina ao Botsoana. Ny firenena manodidina azy dia Afrika Atsimo, Namibia, Zambia ary Zimbaboe.

Tamin'i Botsoana mbola protektorata britanika, Bechuanaland no anarany. Ny anarany ankehitriny dia navadika ho ofisialy tamin'ny taona 1966. Ny toe-kareny izay miankina amin'ny toe-karen'i Afrika Atsimo, dia anjakan'ny fiompiana omby ary ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Ny renivohiny dia Gaborone ary ny teny ofisialiny dia ny fiteny anglisy ary ny fiteny tsoana

Connecticut

Ny Kaonektiktioty, na Connecticut (amin'ny fiteny anglisy [kəˈnɛtɪkət]), dia faritany mizaka tena any Inglatera Vao, any avaratra atsinanan' Etazonia, Ny isam-poniny dia misy 3,5 tapitrisa mahery. Ny renivohiny dia Hartford, ary ny tanàna ngeza indrindra dia Bridgeport. Any atsinanan'i New York, ny kaonektikioty dia faritany manan-karena, voalohany any Etazonia ho an'ny karamam-ponina, ary ambony hakitroka amin'ny 270 mpo./km².

Ny anarana « Connecticut » dia avy amin'ny fiteny mohegan Quinnehtukqut midika « isian'ny renirano be » na « amoron-drenirano ».

Costa Rica

Ny Costa Rica na Repoblikan'i Costa Rica, dia firenen' Amerika Latina voafaritry ny Nicaragua any Avaratra, ny Panama any Atsimo atsinanana, ny Ranomasimbe Pasifika any Andrefana asy ny ranomasina Karahiba any atsinanana. Ny Costa Rica no firenena voalohany nanala ny tafiny. Ny renivohiny dia San José. Fiteny Espaniola ny teny ofisialy ary fiteny anglisy no fiteny faharoa ampiasaina any Costa Rica. Ny vola ampiasaina any dia ny colón.

Denver

Denver (amin'ny fiteny anglisy Denver [ˈdɛnvɚ]) dia renivohitr'i Colorado, etazonia. Izy no tanàna ngeza indrindra any Colorado, ny tanànan-dehiben'i Denver dia miisa 2,9 tapitrisa.

Any ampivoany-andrefan'i Etazonia Denver, amin'ny lohasaha ny South Platte, any andrefan'ny Tany Lemaka, 30 kilometatra any antsinanan'i Front Range ilay tanàna. Ny solonanaran'i Denver koa dia Mile-High City satria 1 mily ( 1609 m ) ny haabo an'ilay tanàna.

Firenena Mikambana

Ny Firenena Mikambana (FM) dia fikambanana iraisam-pirenena lehibe.

Ao amin'ny firenena mikambana ny firenena rehetra (afatsy ny firenena sy faritany tsy manam-pahaleovantena sasany) eto an-tany. Misaraka amin'ny firenena mpikambana, ny tanjony dia mitazona ny fandriampahalemana manerana ny tany. Ny tanjony dia manamora ny fiaraha-miasa amin'ny lafin'ny zo iraisam-pirenena, ny fiarovana iraisam-pirenena, ny fivoarana ara-toe-karena, ny fivoarana ara-tsôsialy, ary ny Zon' olombelona. Ny FM dia voaforona tamin'ny 1945 mba hanolo ny Fikambanan'ny firenena (SDN) tsy nanao ny asany noho ny Ady Lehibe Faharoa.

Tamin'ny 2008, firenena 192 no mpikamban'ny FM, saika ny firenena rehetra fantatra eto an-tany. Avy eo amin'ny sezany eo amina tany iraisam-pirenen'ny tanànan'ny New York any Etazonia. Ny FM sy ny masoivoho manokana anaty firenena hafa.

Ny FM dia manana teny ofisialy enina : ny fiteny arabo, ny fiteny sinoa (mandarina) ny fiteny anglisy, ny fiteny frantsay, ny fiteny rosiana ary ny fiteny espaniola.

Fiteny

Ny fiteny dia fomba fampitana ny fampahalalana. Ny dikan'ny fiteny amin'ny fiteny malagasy dia "teny iombonan'ny antokon' olona iray", ny dikany hafa koa dia "zavatra azo tenenina" na "fomba na baiko atao fifandraisana". Ny dika hodinihana ato dia ny dikany volaohany: "teny iombonan'ny antokon' olona iray".

Ny fahefana mampiasa ny fiteny dia nanomboka tamin'ny taona talohanny Tantara. Tahaka ny vondrom-piteny niasa tamin'ny Olombelona nanomboka nanoratra.

Nandritra ny taona môderna, nihabetsaka ny isan'ny foteny foronina. Ny fiteny foronina dia teny mbola tsy nisy taloha, fa noforonin'ny olona iray na olona maro; ny teny foronina dia ilaina sarahana amin'ny teny natioraly; ny fiteny foronina malaza indrindra manerana ny tany dia ny fiteny esperanto. Ny fiteny dia heverina fa fomba fifandraisana manokana ho an'ny olombelona, na dia manana fomba fifandraisana sarotra azo aza ny biby, lazaina hoe fitenin'ny biby.

Ny teny hoe fiteny dia voapetraka anaty dika maro. Ny fiseho hita indrindra dia ny teny tenenina toy ny fiteny anglisy na ny fiteny sinoa tenenina. Na dia izany misy koa ny fiteny soratana ary fomba hafa fifandraisana tsy mila feo toy ny fiteny moana.

Fiteny frantsay

Ny fiteny frantsay dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana (vondrona avy amin'ny fiteny latina taloha - izay ahitana ny espaniola, italianina, sns.) tenenina any Frantsa sy any ampitan-dranomasina aza sy any any Belzika (any Valônia ary any Bruxelles), any Monaco, any Kanada (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan'ny teny ofisialin'i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa any Etazonia (ao Louisiane indrindraindrindra), any Haïti, any Seisela, any amin'ny Nosy Maorisy, any Vanuatu ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ireo mpiteny frantsay avy any Afrika, indrindraindrindra ao amin'ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ara-pehibe Frantsay, Madagasikara).

Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatra ny any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, firenena be mponina indrindra manerana ny frankôfônia ary anisan'ireo firenena 29 mampiasa ny teny frantsay ho teny ofisialy irery na ofisialy miaraka, ny ankamaroan'ny firenena ao Afrika Andrefana. Ireo firenena ankehitriny mampiasa ny fiteny frantsay ireo dia zanatany frantsay ary zanatany beljianina taloha. Vitsy ihany ireo olona nobeazina tamin'ny fiteny frantsay any Afrika, indrindra any Côte d'Ivoire na any Gabon; ireo olona ireo dia matetika mipetraka eny ambonivohitra.

Any Frantsa, ny fiteny frantsay dia anisan'ny famantarana ny maha-frantsay: teny frantsay no teny ofisialin'ny Repoblika frantsay (andininy faharoan'ny lalampanorenan'ny 1958). Fitaovana iparitahan'ny kolontsaina frantsay manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampanam-boambolana frantsay koa ny fiteny frantsay, tamin'ny didi-panjakan'ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampananam-boambolana ny fiteny frantsay.

Ny isan'ny mpiteny frantsay manerana izao tontolo izao dia 220 tapitrisa eo ho eo, 72 tapitrisa amin'ireo no mahaihay miteny frantsay (fanakaikezaana nataon'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Frankôfônia: 2010), teny fahenina be mpiteny indrindra ny fiteny frantsay. Anisan'ny teny ofisiany enina an'ny Firenena mikambana (miaraka amin'ny fiteny anglisy) ary teny ofisialy na teny fiasan'ny fikambanana iraisam-pirenena na fikambanam-pirenena. Noho izy teny ofisialin'i Frantsa, firenena mpikamban'ny Vondrona Eoropeana, teny ofisialin'ny Vondrona Eoropeana koa ny fiteny frantsay.

Talohan'ny Ady lehibe voalohany, teny fiasan'ny fianankaviana nanjaka tany Eoropa ny fiteny frantsay; ary fiteny ampiasain'ny diplômata rehefa mihaona.

Kanada

Ny Kanada dia firenena any amerika avaratra. Any avaratry ny Etazonia ny misy azy. Tenenina « [kanada] » ny anarany amin'ny fiteny frantsay ary « [ˈkʰænəda] » amin'ny fiteny anglisy.

Hitan'i Jacques Cartier tamin'ny 1534 ny amorontsiraka atsinanan'i Kanada, ary ny faritanin'i Quebec manodidin'ny renirano Saint-Laurent no lasa zanatany frantsain'ny Tontolo Vaovao. Teo moron'io renirano io no natsanganan'i Samuel Champlain ny tanànan'i Québec tamin'ny 1608.

Ny tompontany aloha no nipetraka teo, ary nanana fifandraisana diplômatika tsaratsara ny frantsay tamin'izy ireo. Nitondra mpanjanatany (colons) sivy arivo sy enina alina ny frantsay tany amerika avaratra nanomboka tamin'ny nahatongavan'i Jacques Cartier hatramin'ny 1763.

Nohon'ny taty aoriana dia lasan'ny Britanika nohon'ny fandreseny ny frantsay ny faritra avaratr'i Nouvelle-France. Vitsy ny mponina anglisy tao Kanada tamin'izany fotoana izany, ary nanomboka tonga kelikely taorian'ny fahaleovantenan'i Etazonia, ny ankamaroan'ny mpanjanatany britanika izay nandositra noho ny tolom-piavotana amerikana.

Tamin'ny 1867, voaforon'ny Britanika ny Dominion-n'ny Kanada, teraka avy amin'ny fivondronan'ny zanatany Britanika telo : Ny Kanada navondrona, ny New-Brunswick ary ny Nouvelle-Écosse.

Ny « Acte de l'Amérique du Nord britannique », lalàna britanika natao tamin'ny 1867 dia naverina tany Angletera tamin'ny 1980 mba hanomezana lalam-panorenana ho an'i Kanada. Ankehitriny dia firenena manana faritany mizaka tena i Kanada ary manana faritany folo ary tany telo. Ireo faritany folo sy tany telo ireo dia samy manana ny praiminisiny sy ny ary ny antenimierany.

Nahazo ny fahaleovantenany avy amin'ny Fanjakana Mitambatra i Kanada, ary tsy nisy ady natao ho an'io fahaleovantena io. Anefa dia tsy ohatra ny zanatany anglisy nahaleotena taty aoriana ny fomba nahaleovan'i Kanada tena : azony tsikelikely ny fahaleovantenany nanomboka tamin'ny 1867 hatramin'ny taona 1982.

Ankehitriny, ny Kanada dia fanjakana izay manana ny mpanjakan'i Angletera ho mpanjaka. Ny tena fahefana kosa anefa dia eo am-pelantanan'ny governera jeneraly ary ny praiminisitra kanadianina izay fidian'ny vahoaka.

Mitonon-tena fa firenena miteny fiteny roa ary manan-kolotsaina maro samihafa i Kanada. Samy teny ofisialy ary tenim-pirenena ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy. Ny Quebec irery ny faritany be mpiteny frantsay, ary izy irery ny faritany tsy manana ny fiteny anglisy teny ofisialy. Miteny anglisy faholo ny ankabeazan'ny faritany rehetra. Tany Kanada tamin'ny 2006, 9,6 tapitrisa ny mpiteny frantsay (30,7%) ary 26,6 tapitrisa ny mpiteny anglisy (85 %).

London

London (avy amin'ny fiteny anglisy London - [ˈlʌndən]), any atsimo atsinanan'ny Onaiteda Kingdoma, dia renivohitra ary tanànan ngeza indrindra any Onaiteda Kingdoma. Mandritry ny taonjato maro, io ny renivohitry ny Empira Britanika, empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa nisy roa arivo taona mahery izay io tanàna io no noforonin'ny romana. Amin'ny lafin'ny isam-pinina, efa betsaka ny isan'ny tanàna lehibe ngeza noho izy. Anivo ara-politika, renivohitry ny Commonwealth, ny tanànan'ny Londona dia hery ara-piharian-karena lehibe, noho ny maha-centre financier voalohany azy.

Ny London be (Greater London) dia manana isam-ponina 7 512 400, ny olona mipetraka ao Londona dia tenenina hoe londonianina. Ny lanjan'i Londona dia 19%-n'ny vokatra anaty akorany dia. Ny tanàn-dehibe dia miisa 8 278 251 mponina. Araka ny fepetra isan-karazany, mety any amin'ny 12-14 tapitrisa any ho any isan'ny mponina ianjadian'ny tanànan'ny London. Any Eoropa, ny tanànan'ny Moskva, Paris sy Istanbul ihany no manana lanja ara-demôgrafia mitovy.

Ny tanànan'ny Londona dia mihetsiketsika ary maro an'isa amin'ny lafin'ny kolontsaina. Manana anjara lehibe izy ao amin'ny taozavatra sy ny lamôdy. Tanàna be mpizahantany koa izy. 27 tapitrisa ny isan'ny mpizahantany mandalo ato isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy anaty ny haren-tsain'ny tontolo (patrimoine mondial) ary misy moniomenta maromaro malaza manerana ny tany, toy ny lapan'i Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Lapan'i Buckingham, ny fikambanana toy ny British Museum na ny National Gallery.

Matoanteny andry

Ny matoanteny andry dia matoanteny ampiasaina hampitohizana ny lazaina amin'ny entimilaza tsy matoanteny. Maro ireo fiteny mampiasa matoanteny andry ka isan'izany ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Ny fiteny frantsay dia mampiasa indrindra ny matoanteny être fa ny fiteny anglisy kosa dia mampiasa ny matoanteny be. Tsy afangaro amin'ny anjara asa mpanampy ny anjara asa andry. Ny fiteny rehetra no manana matoanteny andry ary misy ireo izay tsy mampiasa azy raha tsy amin'ny lafin-javatra sasany ara-pitsipiteny ihany. Ny fiteny rosiana dia tsy mampiasa matoanteny andry amin'ny fehezanteny amin'ny filazam-potoana ankehitriny sy amin'ny endri-pehezanteny manambara.

Matoanteny mpanampy

Ny matoanteny mpanampy dia matoanteny ampiasaina miaraka amin'ny endriky ny matoanteny toy ny ova-matoanteny mba hanehoana filazam-potoana na fanehoan-javatra ao amin'ny fiteny sasany. Ao amin'ny fiteny frantsay dia ampiasaina ho matoanteny mpanampy ny matoanteny être sy avoir. Ao amin'ny fiteny anglisy dia ampiasaina ho mpanampy ny matoanteny be sy have. Tsy ireo ihany no matoanteny afaka misahana ny anjara asa mpanampy fa ao koa ireo matoanteny entina milaza fotoana toy ny aller sy venir sy ny hafa koa ao amin'ny fiteny frantsay sy ny matoanteny go sy ny hafa koa ao amin'ny fiteny anglisy. Tsy matoanteny ny mpanampy ao amin'ny fiteny malagasy fa sokajin-teny hafa. Tsy afangaro ny hoe matoateny mpanampy sy ny hoe matoanteny andry.

Ireto avy ireo karazana matoanteny mpanampy: ny matoanteny mpanampy fotoana sy ny matoantany mpanampy fanehoan-javatra sy ny matoanteny mpanampy filaza ary ny matoanteny mpanampy fiendrika.

Mpisolo mampifandray

Ny mpisolo mampifandray dia mpisolo afaka mampiditra fehezankevitra vaovao miakina. Sady mpisolo izy no mitovy lenta amin'ny mpampiankina fehezankevitra. Ny fiteny malagasy, ohatra, dia tsy ahitana mpisolo mampifadray maro ka ny tena fantatra dia ny hoe izay fa ny hafa dia mety iadian-kevitra. Ny fiteny frantsay dia manana ny hoe qui, que, dont sns. Ny fiteny anglisy ahitana ny hoe who, that, sns.

Nizeria

Nizeria, Nijeria (amin'ny fiteny anglisy : Nigeria) izany hoe Repoblika Federalin'i Nizeria (amin'ny teny anglisy Federal Republic of Nigeria) dia firenena ao amin'ny faritra afovoan'i Afrika ary firenena be mponina indrindra ao Afrika. Ny isam-poniny tamin'ny toana 2011 dia 162 tapitrisa mponina. Na dia firenena manan-karena aza i Nizeria amin'ny famokarany solintany be dia be, mahantra ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ilay firenena. Ny antony mahatonga izay dia fisian'ny kolikoly. Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra ara-toekarena i Nizeria, aorian'i Afrika Atsimo ary eo alohan'i Ejipta. Ny fifidianana izay nitranga tamin'ny taona 2011 no lazain'ny fianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka, ary mangarahara indrindra hatry ny fahaleovantenan'ilay firenena tamin'ny 1960.

Manomboka ny taona 1991, Abuja no renivohitr'i Nizeria. Ny fiteny ofisialy dia ny fiteny anglisy, ireo lazaina fa tenim-pirenena dia ny fiteny yoroba sy ny fiteny igbo ao Atsimo ary ny fiteny haosa izay tenenina any amin'ny faritra avaratr'i Nizeria.

Valesa Atsimo Vaovao

Valesa Atsimo Vaovao (amin'ny fiteny anglisy : New South Wales izay afohezina hoe NSW) dia faritany mizaka-tena ao Atsinanan'i Aostralia. Ny faritany manodidona azy dia Queensland, Victoria, ary Aostralia Atsimo. Ny renivohi-paritany dia Sydney izay tanàna be mponina indrindra ao amin'ilay faritany ary ao Aostalia. Ny isam-ponina dia 7,23 tapitrisa mponina izay 34,5%-n'ny isam-ponin'i Aostralia.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.