Fiteny

Ny fiteny dia fomba fampitana ny fampahalalana. Ny dikan'ny fiteny amin'ny fiteny malagasy dia "teny iombonan'ny antokon' olona iray", ny dikany hafa koa dia "zavatra azo tenenina" na "fomba na baiko atao fifandraisana". Ny dika hodinihana ato dia ny dikany volaohany: "teny iombonan'ny antokon' olona iray".

Ny fahefana mampiasa ny fiteny dia nanomboka tamin'ny taona talohanny Tantara. Tahaka ny vondrom-piteny niasa tamin'ny Olombelona nanomboka nanoratra.

Nandritra ny taona môderna, nihabetsaka ny isan'ny foteny foronina. Ny fiteny foronina dia teny mbola tsy nisy taloha, fa noforonin'ny olona iray na olona maro; ny teny foronina dia ilaina sarahana amin'ny teny natioraly; ny fiteny foronina malaza indrindra manerana ny tany dia ny fiteny esperanto. Ny fiteny dia heverina fa fomba fifandraisana manokana ho an'ny olombelona, na dia manana fomba fifandraisana sarotra azo aza ny biby, lazaina hoe fitenin'ny biby.

Ny teny hoe fiteny dia voapetraka anaty dika maro. Ny fiseho hita indrindra dia ny teny tenenina toy ny fiteny anglisy na ny fiteny sinoa tenenina. Na dia izany misy koa ny fiteny soratana ary fomba hafa fifandraisana tsy mila feo toy ny fiteny moana.

Cuneiform script2
Ny sora-pantsika (cunéiforme) dia anisan'ny fomba fanoratana voalohany indrindraha misy eto an-tany.

Jereo koa:

Afrika Atsimo

I Afrika Atsimo dia firenena ao amin'ny faritra atsimon'i Afrika. Mizara sisin-tany amin'i Namibia, i Botsoana, i Zimbaboe, i Mozambika ary i Soazilandy izy. I Lesoto indray dia firenena rakotra tanteraka ao anatin'ny Firenena ao Afrika tatsimo.

Miisa eo amin'ny 48.7 tapitrisa eo ho eo (araka ny lazain'ny census tamin'ny taona 2008) ny mponina ao.

Be harena an-kibon'ny tany i Afrika Atsimo (volamena, diamondra sns.), ireo harena ireo no anisan'ny mahatonga azy ho firenena matanjaka indrindra ao Afrika.

Anarana

Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana, na toerana na fotoana. Raha ilazana sokajin'olona na biby na zavatra na hevitra sns mitovy toetra ny anarana dia izany no atao hoe anarana iombonana. Raha anondroana singan'olona na biby na zavatra na hevitra sns manokana ny anarana dia izany no atao hoe anaran-tsamirery.

Andro

Ny andro dia fe-potoana na tsingerim-potoana mifandraika amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny tenany. Amin'ny ankapobeny dia ny fiverenan'ny Masoandro amin'ny toerana efa nisy azy no amantarana ny fahafenoan'izany tsingerina izany. Izany dia misy 24 ora eo ho eo ka ny fanombohany dia miovaova arakaraka ny fahazarana sy ny tetiandro ampiasaina.

Ny teny hoe andro koa dia ilazana ilay fotoana ahitana na tokony hahitana ny Masoandro eny amin'ny habakabaka ka ahafahany manazava ny Tany, eo anelanelan'ny fiposahany sy ny filentehany, ka izany dia mifanohitra amin'ny atao hoe alina izay fotoana tsy ahitana ny Masoandro eo anelanelan'ny filentehany sy ny fiposahany. Ny andro resahina eny ambony izany dia ny fitambaran'ny andro (mazava) iray sy ny alina iray mifanarakarana na ny mifamadika amin'izany. Ventin-kalavam-potoana ampiasaina matetika handrefesana ny halavan'ny volana na ny taona ny andro.

Aotrisy

Ny Aotrisy na Repoblikan’ Aotrisy, dia firenena any eoropa ampivoany, tsy manana amorontsiraka, voafaritry n Soisa sy ny Liechtenstein any andrefana, ny Italia sy ny Slovenia any atsimo, ny Hongaria sy ny Slovakia any atsinanana ary ny Alemaina any ny Repoblika Tseky any avaratra. Firenenan’ny Vondrona Eoropeanina mampiasa ny sandam-bola Euro. Vienne ny renivohiny ary ny teny ofisialiny dia fiteny Alemana.

Biôgrafia

Ny Biôgrafia (amin'ny teny frantsay : biographie na bio), raha amin'ny teny grika dia (βίος, «aina» et γραφή, «soratra»), araka izany ny biôgrafia dia filazana an-tsoratra na am-bava ny tantaram-piainan'ny zavatra iray, ohatra: olombelona, biby, zava-maniry,sns. Fa matetika dia ny tantaran'ny olona no tena ampiasana azy io.

Botsoana

Botswana na Repoblikan'i Botsoana (AAI : [bot͡sˈwana] izay azo soratana Bôtsoàna ihany koa) dia firenena iray ao atsimon'i Afrika. Ny anaran'ilay firenena dia avy amin'ny foko lehibe monina ao Botsoana. Ny firenena manodidina azy dia Afrika Atsimo, Namibia, Zambia ary Zimbaboe.

Tamin'i Botsoana mbola protektorata britanika, Bechuanaland no anarany. Ny anarany ankehitriny dia navadika ho ofisialy tamin'ny taona 1966. Ny toe-kareny izay miankina amin'ny toe-karen'i Afrika Atsimo, dia anjakan'ny fiompiana omby ary ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Ny renivohiny dia Gaborone ary ny teny ofisialiny dia ny fiteny anglisy ary ny fiteny tsoana

Faritany

Ny faritany dia fitambaran'ny tanàna na toerana maromaro ao anatin'ny firenena iray, voatsinjara araka ny izay toetra ifandraisan'izy ireo, toy ny toe-trandro, ny vokatry ny fambolena, ny fomban-drazana, ny fiteny.

Ny faritany kosa dia voatsinjara ho fivondronana.

Misy faritany enina eto Madagasikara:

Antananarivo

Antsiranana

Fianarantsoa

Mahajanga

Toamasina

Toliara

Fiteny anglisy

Ny Fiteny anglisy (English [/ˈɪŋɡlɪʃ/]) dia fiteny jermanika avy any Angletera.

Io no tenim-pirenena nahabe ny mponina anatin'ny firenena maro, indrindra any Royaume Uni sy ny zanataniny taloha : Etazonia, Kanada, Aostralia, Afrika Antsimo, India. Ireo zanatany taloha izay mbola mampiasa ny teny anglisy dia lazaina fa ao amin'ny tontolo miteny anglisy, izay manana anarana anglosphere amin'ny teny anglisy.

Isan'ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany ny teny anglisy, ao arian'ny teny Sinoa. Satria izy no teny be mpianatra indrindra. Miteny ny olona sasany hoe "fiteny iraisam-pirenena" ny teny anglisy. Sady io fiteny io no teny fiasana anatin'ny Firenena Mikambana miaraka amin'ny fiteny frantsay

Fiteny frantsay

Ny fiteny frantsay dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana (vondrona avy amin'ny fiteny latina taloha - izay ahitana ny espaniola, italianina, sns.) tenenina any Frantsa sy any ampitan-dranomasina aza sy any any Belzika (any Valônia ary any Bruxelles), any Monaco, any Kanada (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan'ny teny ofisialin'i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa any Etazonia (ao Louisiane indrindraindrindra), any Haïti, any Seisela, any amin'ny Nosy Maorisy, any Vanuatu ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ireo mpiteny frantsay avy any Afrika, indrindraindrindra ao amin'ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ara-pehibe Frantsay, Madagasikara).

Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatra ny any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, firenena be mponina indrindra manerana ny frankôfônia ary anisan'ireo firenena 29 mampiasa ny teny frantsay ho teny ofisialy irery na ofisialy miaraka, ny ankamaroan'ny firenena ao Afrika Andrefana. Ireo firenena ankehitriny mampiasa ny fiteny frantsay ireo dia zanatany frantsay ary zanatany beljianina taloha. Vitsy ihany ireo olona nobeazina tamin'ny fiteny frantsay any Afrika, indrindra any Côte d'Ivoire na any Gabon; ireo olona ireo dia matetika mipetraka eny ambonivohitra.

Any Frantsa, ny fiteny frantsay dia anisan'ny famantarana ny maha-frantsay: teny frantsay no teny ofisialin'ny Repoblika frantsay (andininy faharoan'ny lalampanorenan'ny 1958). Fitaovana iparitahan'ny kolontsaina frantsay manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampanam-boambolana frantsay koa ny fiteny frantsay, tamin'ny didi-panjakan'ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampananam-boambolana ny fiteny frantsay.

Ny isan'ny mpiteny frantsay manerana izao tontolo izao dia 220 tapitrisa eo ho eo, 72 tapitrisa amin'ireo no mahaihay miteny frantsay (fanakaikezaana nataon'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Frankôfônia: 2010), teny fahenina be mpiteny indrindra ny fiteny frantsay. Anisan'ny teny ofisiany enina an'ny Firenena mikambana (miaraka amin'ny fiteny anglisy) ary teny ofisialy na teny fiasan'ny fikambanana iraisam-pirenena na fikambanam-pirenena. Noho izy teny ofisialin'i Frantsa, firenena mpikamban'ny Vondrona Eoropeana, teny ofisialin'ny Vondrona Eoropeana koa ny fiteny frantsay.

Talohan'ny Ady lehibe voalohany, teny fiasan'ny fianankaviana nanjaka tany Eoropa ny fiteny frantsay; ary fiteny ampiasain'ny diplômata rehefa mihaona.

Fiteny grika

Ny fiteny grika dia fiteny indo-eoropeanina. Izy no fiteny ofisialy ao Grisy sy Kipra. Ny toerana nitenenana io fiteny io voalohany dia tao Grisy sy tao amin’ny morontsirak'i Azia Minora, ary tao amin’ny faritra atsimon’i Italia. Nisy fotoana nampiasana ny fiteny grika ihany koa tao Azia Andrefana sy tao Afrika Avaratra. Ny anaran’ny fiteny grika amin’ny teny grika dia Ελληνικά (elliniká).

Mampiasa ny abidy grika ny Grika rehefa manoratra ny teniny. Avy amin’ny abidy grika ny abidy latina izay anoratana ny teny malagasy sy ny teny frantsay ary ny ankamaroan’ny teny eoropeanina tandrefana. Abidy hafa maro ihany koa no avy amin’ny abidy grika toy ny abidy sirilika. Io abidy grika io kosa dia avy amin’ny abidy fenisianina.

Ny fiteny grika dia manana tantara an-tsoratra tsy tapaka nandritry ny telo arivo taona. Izany dia maharitra kokoa noho ny teny indo-eoropeana tenenina ankehitriny. Mizara telo toko izany tantara izany: grika taloha, grika tamin'ny Andro Antenantenany, ary ny grika ankehitriny. Ny grikan'ny fotoana anelanelan’ny taona 330 sy 1453 dia antsoina hoe grika tamin’ny Andro Antenantenany izay nanjakan’i Empira Bizantina.

Ankehitriny dia eo amin’ny 15 tapitrisa eo ho eo no olona miteny grika. Ao Grisy sy Kipra (na Kiprosy) no misy ny ankamaroan’izy ireo. Misy ihany koa ny olona miteny grika any amin’ny firenena maro. Ny anton’izany dia ny fifindra-monin’ireo mpiteny grika. Maro dia maro ireo Grika lasa nifindra monina tany Aostralia.

Fiteny hebreo

Ny fiteny hebreo na fiteny hebrio dia fiteny semitika. Tenin'ny Jiosy io fiteny io. Teny fampiasan'ny Israelita nandritry ny fotoana nitrangan'ny tantara tao amin'ny Baiboly ny teny hebreo. Rehefa resin'i Babilôna i Jodà, dia nentina hatao sesitany tany Babilôna ny Jiosy ka nanomboka niteny aramaika na arameana. Tsy nampiasaina tamin'ny fiainana andavanandro intsony ny teny hebreo fa mbola fantatry ny Jiosy mpanadihady Soratra Masina ihany.

Nanan-kevitra ny hanao ny teny hebreo ho fiteny fampiasa indray ny Jiosy maro tamin'ny taonjato faha-20. Ary lasa tenin'ny firenen'i Israely tamin'ny 1948 ilay fiteny. Avy amin'ny toerana maro ny mponin'i Israely ka nanapa-kevitra ny hianatra hebreo avokoa izy ireo mba hiteny fiteny iray ihany. Ny fikambanana mifehy ny fampiasana ny teny hebreo dia ny Akademian'ny Fiteny Hebreo.

Fiteny latina

Ny fiteny latina (amin'ny teny latina lingua latīna) dia fiteny taloha notenenin'ny mponina tao amin'ny faritr'i Latium, eo amin'ny misy an'i Roma ankehitriny. Io fiteny io dia avy amin'ny fiteny indo-eoropeana voalohany tahaka ny ankabeazan'ny fiteny notenenina tao Eoropa. Ny fiteny latina dia avy ao amin'ny saikanosy italianina. Na dia lazaina fa fiteny maty aza io fiteny io, ny fiteny rômana izay mbola ampiasaina ankehitriny (frantsay, espaniola, italiana, romaniana) dia endrika nivoatra avy amin'io fiteny io. Na dia fiteny maty aza izy io, betsaka ireo olona mahafehy azy, mianatra azy ary mampianatra azy eran'izao tontolo izao.

Mbola ampiasain'ny fiteny ankehitriny amin'ny famoronana voambolana vaovao ny fiteny latina, ary mbola ampiasaina amin'ny fanomezana anarana siantifika ny zava-miaina.

Noho ny herin'ny tafika romana tamin'ny fotoan'androny ary noho ny fahefana omen'ny fifehezana ny fiteny latina, dia niparitaka eran'i Mediteranea ny fiteny latina, izay nipoiran'ny fitenim-paritra nanome ireo fiteny rômana ankehitriny.

Taorian'ny fanjavonan'ny Empira rômana tamin'ny taonjato fahadimy, dia nihavitsy hatrany ny isan'ireo olona nahay ny fiteny latina, ary noho izay havitsian'ny fampianarana dia feno teny avy amin'ny fiteny jermanika ary rômana tamin'izany fotoana izany ny fiteny latina nampiasaina tamin'ny Andro Antenantenany.

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-15 hatramin'ny taonjato faha-18 dia nesorin'ireo mpanoratra latina eoropeanina ireo teny avy amin'ny teny jermanika ary ireo teny avy amin'ny fiteny rômana. Nandritry ny taonjato telo dia nampiasaina ho teny iraisam-pirenena, teny iofanana ary teny ampiasain'ny siansa ny fiteny latina.

Fiteny malagasy

Ny fiteny malagasy dia tenim-pirenen'ny Repoblikan'i Madagasikara. Ny teny malagasy dia ao amin'ny fianankavian-tenin'ny teny barito (ao amin'ny teny aostronezianina). Any Banjarmasin, nosin'i Kalimantan (Indonezia) nfo foiben'ny fiteny barito. Ny teny akaikikaikin'ny teny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Ny fiteny malay izao no teny miasa eo amin'io nosy io.

Frantsa

Frantsa na Repoblika Frantsay (amin'ny teny frantsay: République Française) dia firenena mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeana. Any Eoropa andrefana no misy azy. Manana zanatany maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin'izy ireo dia i Guyane Française.

Ny renivohiny, Paris, dia anisan'ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan'ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-belarana 675 417 km2 i Frantsa raha isaina ny fivelaran'ny zanatany. Ny isan'ny mponiny dia miisa 65,1 tapitrisa tamin'ny 1 Janoary 2009.

Ny teny frantsay no tenim-pirenenan'i Frantsa. Kanefa ny teny hafa tenenina any frantsa dia miisa dimy ambin'ny folo raha isaina ny teny tenenin'ny vahiny. Any Frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian'i Repoblika Demokratikan'i Kongo.

Ny fiangonana any Frantsa dia fiangonana katôlika, 51-64 isan-jaton'ny Frantsay no vita batemy. Fa milaza ho agnôstika ny 32 isan-jaton'ny Frantsay, ary mitovy isa ny isan'ny tsy mpino.

Ny endriky ny toe-karenan'i Frantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan'ny firenena teo aorian'ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin'ny torkareny. Fa tamin'ny 1980, nisy fanavaozana be dia be natao mba hivarotana ny orinasam-panjakana amin'ny tsy miankina. Tamin'ny 2008, i Frantsa no firenena matanjaka fahadimy eo an-tany, eo i Etazonia, i Japana, i Sina ary i Alemaina.

Iràna

Iràna (amin'ny fiteny persana: ایران‎ [ʔiˈɾɒn]) na Repoblika Islamikan'i Iràna (ami'ny fiteny persana: جمهوری اسلامی ایران‎, Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān) dia firenena ao Azia Andrefana. Ny anarana "Iran" dia avy amin'ny fiteny persana izay midika "Tanin'ny Arianina", ary efa nampiasain'ny foko persiana hatry ny taona taloha, tamin'ny fotoan'ny Sasanida.

Iràna dia firenena faha-18 mivelatra indrindra (velarantany: 1,468 tapitrisa kilometatra toradroa); ny isan'ny mponiny dia 75 tapitrisa. Any avaratra, ny firenena manodidina azy dia Armenia, Azerbaijàna, Torkmenistàna; any atsimo dia misy ny Helodrano Persika; any andrefana, ireo firenena manodidina azy dia Iràka, Torkia; any atsinanana dia voadidin'i Pakistàna ary Afganistàna ilay firenena. Ny renivohiny dia i Teheran; ny anaran'ny sandam-bola dia Rial; ny kalandrie ofisialy dia ny kalandrie persana ary ny teny ofisialy dia ny fiteny persana.

Ny fiantsoan'ny tandrefana an'i Iràna dia Persia nanomboka tamin'ny Andro Taloha hatramin'ny taona 1935. I Reza Shah no nanova azy ho Iràna tamin'io taona io amin'ny alalan'ny fangatahana ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an'ilay firenena hoe "Iràna".

Kanada

Ny Kanada dia firenena any amerika avaratra. Any avaratry ny Etazonia ny misy azy. Tenenina « [kanada] » ny anarany amin'ny fiteny frantsay ary « [ˈkʰænəda] » amin'ny fiteny anglisy.

Hitan'i Jacques Cartier tamin'ny 1534 ny amorontsiraka atsinanan'i Kanada, ary ny faritanin'i Quebec manodidin'ny renirano Saint-Laurent no lasa zanatany frantsain'ny Tontolo Vaovao. Teo moron'io renirano io no natsanganan'i Samuel Champlain ny tanànan'i Québec tamin'ny 1608.

Ny tompontany aloha no nipetraka teo, ary nanana fifandraisana diplômatika tsaratsara ny frantsay tamin'izy ireo. Nitondra mpanjanatany (colons) sivy arivo sy enina alina ny frantsay tany amerika avaratra nanomboka tamin'ny nahatongavan'i Jacques Cartier hatramin'ny 1763.

Nohon'ny taty aoriana dia lasan'ny Britanika nohon'ny fandreseny ny frantsay ny faritra avaratr'i Nouvelle-France. Vitsy ny mponina anglisy tao Kanada tamin'izany fotoana izany, ary nanomboka tonga kelikely taorian'ny fahaleovantenan'i Etazonia, ny ankamaroan'ny mpanjanatany britanika izay nandositra noho ny tolom-piavotana amerikana.

Tamin'ny 1867, voaforon'ny Britanika ny Dominion-n'ny Kanada, teraka avy amin'ny fivondronan'ny zanatany Britanika telo : Ny Kanada navondrona, ny New-Brunswick ary ny Nouvelle-Écosse.

Ny « Acte de l'Amérique du Nord britannique », lalàna britanika natao tamin'ny 1867 dia naverina tany Angletera tamin'ny 1980 mba hanomezana lalam-panorenana ho an'i Kanada. Ankehitriny dia firenena manana faritany mizaka tena i Kanada ary manana faritany folo ary tany telo. Ireo faritany folo sy tany telo ireo dia samy manana ny praiminisiny sy ny ary ny antenimierany.

Nahazo ny fahaleovantenany avy amin'ny Fanjakana Mitambatra i Kanada, ary tsy nisy ady natao ho an'io fahaleovantena io. Anefa dia tsy ohatra ny zanatany anglisy nahaleotena taty aoriana ny fomba nahaleovan'i Kanada tena : azony tsikelikely ny fahaleovantenany nanomboka tamin'ny 1867 hatramin'ny taona 1982.

Ankehitriny, ny Kanada dia fanjakana izay manana ny mpanjakan'i Angletera ho mpanjaka. Ny tena fahefana kosa anefa dia eo am-pelantanan'ny governera jeneraly ary ny praiminisitra kanadianina izay fidian'ny vahoaka.

Mitonon-tena fa firenena miteny fiteny roa ary manan-kolotsaina maro samihafa i Kanada. Samy teny ofisialy ary tenim-pirenena ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy. Ny Quebec irery ny faritany be mpiteny frantsay, ary izy irery ny faritany tsy manana ny fiteny anglisy teny ofisialy. Miteny anglisy faholo ny ankabeazan'ny faritany rehetra. Tany Kanada tamin'ny 2006, 9,6 tapitrisa ny mpiteny frantsay (30,7%) ary 26,6 tapitrisa ny mpiteny anglisy (85 %).

Languedoc-Roussillon

I Languedoc-Roussillon dia faritra frantsay isiana departemanta dimy. I Espaina, Andôra, ny Ranomasina Mediteranea, ary ireo faritra frantsay ireo no mamaritra azy : Provence-Apes-Côte-d'Azur, Rhône-Alpes, Auvergne ary Midi-Pyrénées.

Misy tenim-paritra roa tenenina any amin'ny faritra Languedoc-Roussillon ; ny fiteny ôksitana (languedocien, auvergnat, provençal) ary ny fiteny katalana (any atsimo indrindra indrindra, ao amin'ny faritra misy an'i Perpignan). Ny anaran'i Languedoc-Roussillon amin'ny fiteny ôksitana dia Lengadòc-Rosselhon [ˌleŋgɔˈðɔk rruseˈʎu] ary amin'ny fiteny katalana Llenguadoc-Rosselló [ˌʎeŋgwəˈðɔk rrusəˈʎo]

Nizeria

Nizeria, Nijeria (amin'ny fiteny anglisy : Nigeria) izany hoe Repoblika Federalin'i Nizeria (amin'ny teny anglisy Federal Republic of Nigeria) dia firenena ao amin'ny faritra afovoan'i Afrika ary firenena be mponina indrindra ao Afrika. Ny isam-poniny tamin'ny toana 2011 dia 162 tapitrisa mponina. Na dia firenena manan-karena aza i Nizeria amin'ny famokarany solintany be dia be, mahantra ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ilay firenena. Ny antony mahatonga izay dia fisian'ny kolikoly. Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra ara-toekarena i Nizeria, aorian'i Afrika Atsimo ary eo alohan'i Ejipta. Ny fifidianana izay nitranga tamin'ny taona 2011 no lazain'ny fianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka, ary mangarahara indrindra hatry ny fahaleovantenan'ilay firenena tamin'ny 1960.

Manomboka ny taona 1991, Abuja no renivohitr'i Nizeria. Ny fiteny ofisialy dia ny fiteny anglisy, ireo lazaina fa tenim-pirenena dia ny fiteny yoroba sy ny fiteny igbo ao Atsimo ary ny fiteny haosa izay tenenina any amin'ny faritra avaratr'i Nizeria.

Wikipedia amin'ny teny malagasy

Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy dia tetikasa iray an'i Wikimedia Foundation. Ny kaodim-piteny ampiasainy dia « mg », ampiasain'ny fiteny malagasy amin'ny ankapobeny.

Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy dia nosokafana tamin'ny taona efatra sy roa arivo (2004) ary izy ankehitriny no Wikipedia amin'ny teny afrikanina lehibe indrindra ao anoloan'ny fiteny afrikaans, ny fiteny soahily ary ny fiteny iôroba. Ny isan'ny mpikambana nisoratra anarana ao amin'izao fotoana izao dia manakaiky ny iray alina fa vitsy amin'ireo no tena mpikambana mavitrika. Ny isan'ny mpandrindra dia roa.

Wikipedia lehibe indrindra amin'ny fiteny any Afrika ny Wikipedia malagasy. Ary izy irery ankehitriny no tetikasa Wikipedia soratana amin'ny fiteny barito.

Ny toerana misy ny mpiteny malagasy dia any Madagasikara amin'ny ankapobeny (roapolo tapitrisa). Na dia izany aza raha oharina amin'ny fiteny hafa izay manana teny teratany ho teny ofisialy, vitsy ny mpitsidika avy any Madagasikara mitsidika ny Wikipedia amin'ny teny malagasy, ary vitsy ny mpitsidiky ny Wikipedia amin'ny teny malagasy avy any Madagasikara.

Zavatra ara-kainkintana

Ny zavatra ara-kainkintana (amin'ny fiteny frantsay : objet astronomique), na ny zava-kabakabaka, dia zavatra iray hita eo amin'i Habakabaka ; ny zon-kabakabaka no mifehy ny fitsipi-pampiasana ireny zavatra ireny.

Ireo zavatra ara-kainkintana dia mety vato lehibe izay hita eo amin'ny fehin-kibon'asteroida izay eo anelanelan'ny fajiry Mars ary Jupiter. Misy vondrona iray hafa ihany koa aorian'ny orbite an'i Neptune.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.