Farao

Ny farao na faraona dia ny mpanjakan'i Egipta tamin'ny Andro Taloha. Ao amin'ny Baiboly dia lasa anaran-tsamirerin'ny mpanjakan'i Egipta ny teny hoe Farao na Faraona. 345 ny isan'ny farao fantatra anarana izay nifandimby nanjaka nandritra ny taonarivo telo, teo anelanelan'ny taona 3150 tal. J.K. sy 30 tal. J.K. (taona nahataperan'ny fahaleovan-tenan'i Egipta izay azon'ny Fanjakana romana). Sady mpanjaka ny farao no natao hoe koa andriamanitra sady mpisorona. Ny malaza indrindra amin'ireo farao ireo dia ilay resahina ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ao amin'ny Baiboly, dia ilay mpanjaka voalaza fa nanohitra ny fikendren'Andriamanitr'i Mosesy sady heverina ho i Ramses II (na Rameses II).

Ramesses II in the Turin Museum24
Sarivongan'i Ramses II

Ny teny hoe farao na faraona

Ny teny hoe farao (ao amin'ny Baiboly protestanta malagasy) na faraona (ao amin'ny Baiboly katolika malagasy) dia fandikana amin'ny teny malagasy ny teny latina hoe Pharao izay lasa anaran-tsamirerin'ny mpanjaka egiptiana rehetra. Io teny latina io kosa dia nindramina tamin'ny teny grika hoe Φαραώ / Pharaố sy ny teny hebreo hoe פַּרְעֹה / par‘ōh, izay avy amin'ny teny egiptiana tranainy hoe perāa izay nanondro ny "tranobe", izany hoe ny lapa, avy eo ny olona tompon'ny lapa, izany hoe ny mpanjaka[1].

Ny farao ao amin'ny Baiboly

Ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Taloha, dia misy filazana ny amin'ny farao maro, tao amin'ny Vanimpotoana Fahatelo anelanelany sy tamin'ny Vanimpotoana Ambany (tapany voalohany amin'ny taonarivo voolohany tal. J.K.).

Ny farao Sheshonq I

Ilay farao libiana Sheshonq I (dinastia faha-22) dia nitondra ny anarana hoe Sesaq na Shishak. Sisaka no anoratana izany anarana izany ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy. Ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpanj. 11.40)[2], dia nandray an'i Jeroboama izy, i Jeroboama mpanompo niodina tamin'i Solomona. Taorian'ny fahafatesan'i Solomona dia niverina tany Jodà i Jeroboama nefa niady tamin'i Roboama (na Rehoboam) zanak'i Solomona izy ka nanorina ny Fanjakan'i Israely (na Fanjakan'i Samaria). Araka ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 12.1-16)[3] dia nanararaotra ny fisarahan'ireo Hebreo i Sheshonq ka nanafika an'i Roboama (na Rehoboama). Nanao fahirano an'i Jerosalema izy ary afaka namerina ny fandriam-pahalemana tamin'ny nandefasany ny fanaky ny Tempoly, afa-tsy ny Fiaran'ny Fanekena. Taorian'izany dia nanafika an'i Jeroboama, ilay namany taloha, ny farao ka nandositra nankany Jordania i Jeroboama. Ny arkeolojia dia manamarina ny fisian'izany fanafihana izany satria nijanona tao Megido i Sheshonq ka nanorina tsangambato fahatsiarovana izay manambara ny fandreseny[4].

Ny farao Osorkon IV

Araka ny voasoratra ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 17. 1-6)[5] dia nikambana tamin'ny farao So i Osea (na Hosea) mpanjakan'i Israely mba hanafaka ny fireneny amin'ny fanjanahan'ny fanjakana asiriana azy. Tsy hita ao amin'ireo soratra egiptiana io anarana hoe So io nefa mety ho fanafohezana ny anaran'ny farao Osorkon IV izany.

Ny farao Taharqa

Ny anaran'i Taharqa, mpanjaka tao amin'ny dinastia faha-25, dia hita ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 19.9)[6] sy ny Bokin'i Isaia (Is. 37.9)[7] amin'ny firesahana ny amin'ny ady tamin'i Asiria faha Senakeriba (137). Tiraka no anoratan'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy izany anarana izany.

Ny farao Nekao II

Hita ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 23.29)[8] sy ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 35.20-25) koa ny anaran'i Nekao II, mpanjaka tamin'ny dinastia faha-26, ka voalaza fa tomponanadraikitra tamin'ny nahafatesan'i Josia, mpanjaka faha-16n'i Jodà, tamin'ny ady tao Megido tamin'ny taona 609 tal. J.K.[9]. Atao hoe Neko io anarana io ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy.

Sady olombelona ny farao no adriamanitra

Sady andriamanitra ny farao, amin'ny maha zanaky ny andriamanitra masoandro, Rê, azy, mpanjaka olombelona koa (heverina fa mpandimby ara-dalàna an'i Horus izay mpanjaka voalohany tany Egipta, araka ny fedrà). Ninoana fa ny farao no misahana ny fiakarana sy fidinan'ny ranon'i Nily (na Neily) mandritra ny fahavelomany fa aorian'ny fahafatesany izy vao miova ho andriamanitra rehefa avy nandalo fitsarana ka mendrika izany[10].

Ny farao dia manana fomba (natiora) roa ka ny iray fomban'olombelona fa ny iray hafa fomban'andriamanitra. Nivoatra araka ny vanimpotoana ny fiheverana ny farao no andriamanitra. Tamin'ny Empira Tranainy dia andriamanitra nisahana ny filaminana sy ny famoronana ny farao. Araka ny teolojia nanjaka tamin'izay dia sahala amin'ny andriamanitra masoandro Rê izay lazaina fa rainy izy. Taorian'ny fikorontanan'ny politika tamin'ny Vanimpotoana voalohany antenantenany, tamin'ny Empira Afovoany, dia nanakaiky ny vahoakany ny farao. Voafidin'i Rê izy sady nisahana ny anjara asan'ny mpanelanelana. Tamin'ny Empira Vaovao dia zanaka ara-nofon'i Rê avy amin'ny tsirinainy ny farao. Ny rohim-pianakaviana nisy teo amin'ny farao sy ireo andriamanitra dia nisongadina kokoa. Nanomboka tamin'i Toutmôsis III dia nanjary fitaovana politika ny maha andriamanitra ny farao ary ny fahamarinan'izany dia porofoin'ny fedrà momba ny fivadian'ny andriamanitra amim-behivavy (grika: Θεογάμια / theogamia) na ankatoavina amin'ny alalan'ny fanehoana faminaniana ao amin'ny tempolin'i Amon. Amin'ny vanimpotoana rehetra dia notrandrahana amin'ny lafiny politika sy amin'ny fanaovana fampielezan-kevitra ny maha andriamanitra ny farao. Raha tsy ampy ny fanaporofoana ny maha ara-drariny ny fiakaran'ny farao eo amin'ny seza fiandrianany dia miezaka mafy ny farao manjaka haneho ny maha voafidin'ny andriamanitra azy teo anivon'ny maro ka indraindray dia atao hoe efa hatramin'ny nahaterahany izany fifidianana azy izany[11].

Ny maha andriamanitra ny farao dia miseho amin'ny alalan'ny atao hoe Ka Nesout ("Kan'ny mpanjaka"), dia ny fananan'ny mpanjaka vatana hafa, ny toetra ananany hatrany ambohoka, ny ampahany tsy mety maty. Misy fifandrohizany amin'ireo andriamanitra sady miditra ao amin'ny tari-pianakavian'ireo farao nodimbiasany ny farao amin'ny alalan'ilay Ka. Ao amin'ilay atao hoe fivadian'ny andriamanitra amin'ny olombelona (theogamia) dia miseho miaraka amin'ny vatana ny Ka eo amin'ny fitorontoronana ny farao. Tsy tonga andriamanitra anefa ny farao raha tsy amin'ny fotoana ikambanany amin'ny Ka, rehefa miombona tanteraka amin'ny endrik'olomelona io singa tsy mety maty io. Izany fiombonana izany dia mitranga eo amin'ny fametrahana ny satro-boninahitra amin'ny farao sy amin'ny fotoana ipetrahan'ny farao eo amin'ny seza fiandrianan'i Horus. Fisehoan'ny Kan'i Horus amin'ny endrik'olombelona ny farao. Ny anjara asa maha mpanjaka no maha andriamanitra ny farao, izany hoe amin'ny fotoana itovian'ny farao tanteraka amin'i Horus, zanak'i Osiris, sy amin'i Rê, andriamanitra mpamorona, atao hoe rain'ny farao[12].

Afaka miseho amin'ny endrika maro ny Kan'ny farao. Fisehoana manaitra indridra ilay sarivongana goavambe. I Ramses II no tena nampiasa izany fitaovam-pampielezan-kevitra izany; tao Memphis sy tao Thebes ary tao Pi-Ramses na tao Abu Simbel, tamin'ny fametrahany sarivongana toy izany teo amin'ny fidirana ao amin'ny tempoly. Ireo sarivongana goavana ireo dia nanoatra noho ny maha fitaovam-panaingoana azy satria zavatra natao hanaovan'ny vahoaka fanompoam-pivavahana izy ireo. Izy ireo koa dia misahana ny anjara asan'ny mpanelanelana eo amin'ny olombelona sy ireo andriamanitra satria misy ampahan'ny maha andriamanitra ny farao ao amin'ireo sarivongana ireo[13].

Fanamboarana piramida

Ny Fanjaka Tranain'i Egipta (taona 2700 tal. J.K. hatramin'ny taona 2200 tal. J.K.) no lava indrindra amin'ny fotoana nampisy filaminana ara-politika tao amin'i Egipta tranainy, afa-tsy ny fidiran'ny vahoaka mpifindrafindra toeram-pivelomana tsindraindray. Nantanjaka ny Fanjakana ary nisy fitantanan-draharaha nahomby nanomboka tamin'ny dinastia thinita tamin'ny nanjakan'ny farao tamin'ny dinastia faha-3 sy faha-4. Niroborobo ny fambolena izay nampisana fitarihan-drano tamin'ny lemaka manodidina an'i Nily ka niteraka fahafahana hampandoa hetra betsaka ny vahoaka.

Niriborobo torak'izany koa ny varotra tamin'i Nobia sy tamin'ireo mponina tany Libia. Ny fianakaviana mpanjaka no tompon'ny tombontsoa ka nisy ny fivoarana ara-pivavahana izay nanome anjara asan'andriamanitra ny farao. Noheverina ho mpandimby sady fiovan'ny andriamanitra Horus ho nofo ny farao, ary taty aoriana, nanomboka tamin'ny dinastia faha-5 dia noheverina ho zanaky ny andriamanitra masoandro Rê izy ireo. Voafehy tsara ny fanaovana asa fanorenana sy ny fanaovana sary sokitra. Izany vanimpotoana izany no nampandronso indrindra ny fanamboarana piramida.

Tao amin'ny faritr'i Memfisy, tao amin'ny toeram-pandevennana lehibe tao Gizeh sy Dahchour ary Saqqarah dia natomboka tamin'ny fanamboarana piramida mirefy 62 m ny farao Djeser, avy eo taty aoriana, ny piramida nirefy 105 m ary ny piramida mitohatohatra mirefy 110 m ao Snefru, avy eo ireo piamida telo lehibe dia lehibe ao Kheops sy Khephren ary Mykerinos izay mirefy 147 m sy 144 m ary 66 m. Ireo piramida ireo, izay natao handevenana ny farao, sy ny Sfinksa Lehibe izay manambara ny tanjak'ireo farao sady maneho ny maha ivon'ny fiarahamonina egiptiana azy tamin'izany fotoana izany[14].

Izany fandrosoana izany dia voahelingelina tamin'ny dinastia faha-5 sy faha-4 vokatry ny fihamainanan'ny tany izay nanajary tany efitra sy ny ady an-trano teo amin'ny fianakaviana mpanjaka. Noho izany dia nihavery tsikelikeny ny lazan'ny fanjakan'ny farao. Nihanahazo vahana ireo olona nisahana anjara asa lehibe isam-paritra sady niha nanam-pahefana politika. Vokatr'izany koa angamba no nahatonga ny piramida namboarina taty aoriana nihafohy sy nihatsotra. Ohatra, ny piramida Userkaf sy Sahure: 48 m; Neferirkarê: 72 m; Niuserrê: 50 m[15]. Na dia eo aza izany fahatsoran'ny endrik'ireo piramida ireo izany dia tombony azo tamin'izy ireo ny fitahirizany ny antsa sy ny raikipohy majika tao amin'reo Lahatsoratry ny Piramida teny amin'ny rindrin'ny piramida Unas nirefy 43 m sy Pepi I sy Merenrê ary Pepi II nirefy 52 m eo ho eo. Izany tahirin-kevitra mifangaroharo izany no vavolombelona tranainy indrindra voasoratra momba ny eritreritr'olombelona ny amin'ny fiainana any an-koatra. Voaresaka ao ny fiovan'ny farao ho Osisrisy aorian'ny fahafatesany sy ny fifindran-toeran'ny fanahiny mankany an-danitra[16].

Ny anjara asan'ny farao

Mpisorona fara tampony

Toerana masina ny tempoly egiptiana andraisana eto an-tany ny ampahan'ny mandrakizain'ireo andriamanitra. Ny sarivongan'ny andriamanitra any anatiny indrindra amin'ny tempoly dia iangonan'ny hery miafina miasa eto amin'izao rehetra izao. Amin'ny fotoana tsy miova dia mikarakara an'ilay sarivongana ny mpisorona (pretra). Raha ny tokony ho izy dia ny farao ihany no tokony ho afaka hanakaiky an'ilay sarivongana. Nefa noho izy tsy manatrika eo amin'ny fomba azo tsapain-tanana, dia ny mpisorona no misolo azy. Hita amin'ny toerana rehetra anefa ny farao amin'ny alalan'ny sary. Ny fampihaingoana ny rindrina rehetra dia natokana ho an'ny fihaonany amin'ireo andriamanitra. Misy fanehoam-panatitra maro tanterahina (zava-pisotro, sakafo, firavaka, menaka fanosotra, vatosoa) mba hihazonana ny herin'andriamanitra izay miantoka ny fiadanan'ny fanjakana[17].

Araka ny lahatsoratra sasany dia manankina ny momba azy amin'ireo andriamanitra amim-pahazotoana sy amim-pahatsorana ny farao. Nanomboka tamin'ny dinastia faha-4 dia maneho ny farao sahala amin'ny andevo ny sarivongana; mandohalika sady mihazona zavatra fenti-manao fombafombam-pivavahana na manandratra izany ho fanatitra na fitsaohana. Manana andraikitra hampihatra ny baiko azony avy amin'ireo andriamanitra ireo ny farao. Izany baiko izany dia isan-karazany: manamboatra tempoly, mandefa tafika, manangana tsangambato roa, mihady vovon-drano any amin'ny tany efitra, sns.

Ny fiainan-javamanan'ain'ireo andriamanitra dia sahala amin'ny an'ny olombelona: matory sy mifoha ary mila sakafo. Anjara asan'ny farao ny manao ny hampaharitra izany fahavelomana izany. Ny harena rehetra, ny fitafiana rehetra, ny sakafo rehetra izay entina ao amin'ny tempoly sy ny toeram-pitehirizana dia adidy ifanarahan'ny andriamanitra sy ny olombelona nefa ny farao irery ihany no antoka sy tomponandraikitra amin'izany[18]. Amin'ny maha fenitra ny Maât dia ahafahan'ny farao mihazona ny fifandraisana akaiky amin'ireo herin'andriamanitra avy any an-danitra miasa eto an-tany izy. Ao amin'ny sarisary ao amin'ny tempoly, ny sarin'ny fanaovana fanatitra ny maât dia maneho ny fanoloran'ny farao amin'ny andriamanitra iray ny harona ipetrahan'ny Maât. Izany fihetsika izany dia ahafahan'ny farao mampanomboka ny fitsingerenam-potoana izay miantoka ny fiainana. Ny fanomezana ny Maât ho sakafo dia maneho amin'ilay andriamanitra anoloran'ny farao izany fa afaka miantoka ny fiadanan'ny rehetra ny farao. Ho valin'io fanomezana tsara indrindra io dia izao no azo'ny farao avy amin'ireo andriamanitra: ny faharetan'ilay lamina noho ny fandefasana ny Maât mahenika an'izao tontolo izao, dia ny tsingerin'ny fotoana sy ny tsingerin'ny fizaran-taona[19].

Mpanome sakafo

Niorina tamin'ny ranon'i Nily ny firoborobo ara-toekaren'i Egipta. Isan-taona amin'ny volana Jona dia andrasana fatratra ny fiakaran'ny ranon'i Nily. Antenaina ny hisian'ny tondrandrano antonony. Tsy nieritreritra ny farao ho afaka hibaiko ny tondradrano tahaka ny andriamanitra ny Egiptiana. Ny anjara asan'ny farao dia kely dia kely ary voafetra ho amin'ny fahazoana ny fitiavan'ireo andriamanitra azy; ny tsy fiovaovan'ny hamaron'ny rano dia iantohan'ny fanaovana fanatitra amin'ny fivavahana. Ny fiaraha-miasa eo amin'ny farao sy ny andriamanitra dia iankinan'ny ain'izy roa toko. Ao amin'ireo tempoly dia miankina amin'ny fiakaran'ny rano ny hamaron'ny fanaovana fanatitra ary izany fiakaran'ny rano izany dia tsy azo raha tsy misy fanompoana ara-dalàna sy fanaovana fanomezana betsaka[20].

Miantoka ny fahavokaran'ny tany sy ny fiterahan'ny biby fiompy maro ny farao amin'ny maha isan'ny fianakavian'andriamanitra azy. Ny fiadanan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny dia miakina amin'ny fanatanterahana fombafomba miharo firavoravoana isan-taona izay atao hiteraka fanambinana ho an'ny fambolena alohan'ny hambolena ny tany. Rehefa miakatra ny rano dia mitarika ny fanaovana fombafomba izay mamporisina ny hery mampahavokatra avy amin'i Hâpy ny farao amin'ny alalan'ny fanaterana mofo, voninkazo, voankazo ary sarisokitra madinika maneho an'ilay andriamanitra. Amin'ny maha mpisorona fara tampony azy dia afaka mampanao sorona fanampiny izy raha toa ka tsy ampy ny fitomboan'ny ranon'i Nily. Tao amin'ny Empira Tranainy anefa dia voateny indraindray ny mosary. Ny faritany onenan'ny farao anefa dia aseho ho mifanohitra tanteraka amin'izany lozan'ny mosary izany. Afaka manapitra ny fahantrana ny farao amin'ny alalan'ny fanokafany ny toeram-pitehirizana ary izany hery tsy araka ny an'ny natiora izany dia miantoka ny fahavokisan'ny rehetra[21].

Mpiantafika

Ny kisary an-tsain'ny Egiptiana dia anjakan'ny fedrà momba ny adin'i Rê tamin'ilay bibilava Apophis. Tandindomin-doza hatrany izao tontolo izao ka ny hoe "tora-pasik'i Apophis" dia manambara ny mosary sy ny fahoriana. Ao amin'ireo fedrà dia nandresy an'i Apophis i Rê fa aty an-tany kosa dia ny farao no mandresy ny mosary sy ny areti-mifindra sy ny fikmiana ary ny ady ifanaovan'ny firenena. Ny mpikomy sy ny mpanani-bohitra ary ny mpandroba dia fisehon'ny fikorontanana tany am-boalohany. Ny tanjaka an'adin'ny farao no andresena izany fikorontanana izany[22].

Ny sarin'ny "fandripahana ny fahavalo" dia maneho ny fabndresen'ny farao izay mampateza ny sivilizasiona egiptiana nandritra ny arivotaona telo. Aseho mitsangana ny farao, mitondra kanonta sady mihazona amin'ny volony ilay fahavalo mandohalika. Ny kanonta dia ingain'ny farao avo sady ampandihiziny, iandrasany ny hanapotehany ny lohan'ilay fahavalo voasambotra izay mataotra, manandra-tanana hiaro tena farany. Nampidirina tao Egipta nandritra ny Vanimpotoana antenantenany faharoa ny kalesim-piadiana rehefa teo ambany fanapahan'ireo Hyksôs ny Telolafin'i Nily. Ireo Hyksôs ireo dia voaroaka ka niala an'i Egipta tamin'ny andron'ny farao Ahmôsis tamin'ny fiandohan'ny dinastia faha-18.

Ny kalasim-piadiana dia nitana ny anjara toerany lehibe nandritra ireo fanafihana miaramila ka lasa tandindon'ny fahefan'ny farao. mitsangana ny farao rehefa mitaingina kalesy sady mitifitra amin'ny tsipika maro ireo fahavalony. Tsy dia maro ny fanehoana ara-tantara izany zavatra izany hatramin'ny farao Thoutmôsis III nefa nihamaro izany faha Ramses II tao Karnak, ao Louxor, ao amin'ireo tempolin'i Ramses sy ny tempoly nobiana. Tandindon'ny famoretana egiptiana ny sarin'ny farao mitaingina kalesy ka naseho ho resy izany ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy tamin'ny niteleman'ny ranomasina ireo kalesin'i Egipta izay ravan'ny herin'ny andriamanitr'i Mosesy[23].

Mpanao lalàna

Sivilizasiona tsy nanana mpitsara matianina i Egipta tamin'ny Andro Taloha. Ny mpiasam-panjaka tao amin'ny farao dia afaka nanao ny asan'ny fitsarana izay mifandray amin'ny andraikiny na inona laharam-boninahiny. Tsy nisy fiavahany ny raharaham-pitsarana sy ny raharaham-pivavahana ary torak'izany koa ny lalàna famaizana sy ny lalàna tsotra. Nanjaka ny fanaovana kabary ka vahaolana avy amin'ny fanelanelanana no notadiavina hiantohana ny fiadan'ny fiarahamonina. Mba hahafantara na marina na diso ny lazain'ny voampanga, dia nanao fianianana amin'ny ain'ny farao na amin'ny ain'ireo andriamanitra ny voampanga. Ny fianianana nataotao foana dia miteraka fanamelohana ho faty. Raha tsy mahafa-po ny fitsaran'ireo mpiasam-panjakana dia ny farao no mpitsara fara tampony, indrindra amin'ny fampiharana ny fanamelohana ho faty. Tamin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. dia nisy matetika ny fangatahana an'ireo andriamanitra mba hitsara amin'ny alalan'ny fanao maneho fanambaran'andriamanitra[24].

Fandaminana miorina amin'ny lalàna maro dia maro voatahiry ao amin'ny tahirin-tsoratra teo ambany fiadidian'ny viziry, mpiara-miasa akaiky tamin'ny farao, ny Fanjakana egitiana tamin'ny Andro Taloha. Amin'ny ankapobeny dia mamporisika ny farao hanamafy ny lalàna sy hanao izay hahatonga lafatra azy ireo ary hanao izay hampiharana izany ireo antsa maneho fiarovan-kevitra. Antohan'ny lalàna (hepu) amin'ny alalan'ny didim-panjakana (udu nesut: "didin'ny mpanjaka") ny fampandehanan-draharaha eo amin'ny fanjakan'ny farao.

Mahasahana sehatra toe-javatra maro anapahan-kevitra toy ny fanambaràna ny fiandrianana vaovao, ny taratasy alefa amin'ny mpiasam-panjakana na amin'ny tandapa, ny didy fanendrena na fanonganana, ny baiko atao amin'ny fitrantanan-draharaha momba ny fandaminana ny fanafihana ataon'ny miaramila, na fanafihana toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany, na fananganana tsangam-bato, na fanangonan-ketra tsy araka ny mahazatra. Afaka manapa-kevitra ny amin'ny fisafidianana tempoly ho hatsaraina manokana ny farao amin'ny alalan'ny fanomezana azy tany sy fitaovana hnamorana ny fitaterana ary biby fiompy hanampiny, na koa mandidy ny hanatsarana azy sy hanavaozana na hanamboarana azy tanteraka indray.

Mahakasika ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana atao amin'ny fandevenana tandapa akaiky ny mpanjaka koa ny didim-panjakana, ka voresaka amin'izany ny amin'ny fanomezana vatam-paty voasokitra, fasana (mastaba) na tanimboly natokana hamokarana ireo sakafo hatao fanatitra. Hita araka izany fa mety mahakasika sehatra ankapobeny toy ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ny didim-panjakana na mahakasika sehatra manokana toy ny tsy fampandoavan-ketra ny tompon'ny tany iray. Ny votoatin'ireo didim-panjakana ireo dia mila ny fahiratan-tsain'ny farao aorian'ny ady hevitra sy fakàn-kevitra eo amin'ireo toteny sy ireo tandapa ary koa fijerena ny zava-boarakitra ao amin'ireo tahirin-tsoratra[25].

Faraovavy

Amin’ireo farao miisa 345 dia 4 no fantatra fa vehivavy. Araka ny mpahay tantara Manethon avy ny Sebennytos (taonjato faha-3 tal. J.K.) dia neken'ny Egiptiana ny hahafahan'ny vehivavy ho lasa farao tamin'ny nanjakan'i Ninetjer, ilay farao faha-3 tamin’ny dinastia faha-2 (taonjato faha-28 tal. J.K.). Tamin'ny vanimpotoana rehetra dia nisongadina ny fanjakan'ny lehilahy. Noho izany dia niaraka tamin'ny fikorosy fahan'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny fitohizan'ny dinastia tra-pahasahiranana ny fahazoan'ny vehivavy fitondrana[26].

Nitokris

Ny faraovavy Nitokris dia mety ho olona ao amin’ny angano fotsiny. Ny anarana hoe Nitokris dia mety avy amin'ny anarana egiptiana hoe Netikerti, mpanjaka tamin'ny faran'ny dinastia faha-6 izay azo heverina fa ny mpanjaka Netjerkarê. Araka ny lovantsofina grika dia nanjaka tamin’ny faramparan'ny dinastia faha-6 taorian'ny famonoana ny anadahiny Merenrê II i Nitokris. Tamin-kafetsena no namaliany faty an'izany vonoan'olona izany tamin'ny famonoana Egiptiana maro, avy eo izy namono tena, mba hialana amin'ny valifaty hahazo azy[27].

Neferusobek

Ny fisian'i Neferousobek dia tsy azo lavina; zanakavavin’ny farao Amenemhat III sady anabavy no vadin'i Amenemhat IV izay nodimbiasiny. Ny fiafaran'ny fanjakany dia nanamarika ny fiafaran'ny dinastia faha-12 sady nanombohan'ny dinastia faha-13. Ny fanbjakany dia naharitra telo taona sy folo volana. Nitafy akanjom-behivavy izy izay nasiany salakan-dehilahy an'ny farao. Nalevina tao amin'ny piramida kely ao Mazghuma izy[28].

Hatchepsut

Ny tena nalaza tamin'ireo faraovavy efatra ireo dia i Hatchepsout tamin’ny dinastia faha-18. Zanak'i Thoutmôsis I izy sady vadin'ny anadahy tsy niray tampo aminy Thoutmôsis II. Nitantana ny fanjakan'i Thoutmôsis III izay mbola kely taon aizy tamin'ny nahafatesan'ny vadiny. Tamin’ny fahafito taonan'ny fitantanany ny fanjakana dia nalainy ho azy an-keriny ny fitondrana ka nisatroka ny satro-boninahitry ny mpanjaka izy ka lasa farao. Nahatazona ny fanjakana hatramin'ny nahafatesany tamin'ny taona faha-22 i Hatchepsout. Tsy namabo tany izy fa nanarina ireo zavatra miorina tao Thebes sy tany amin'ny faritany. Mirakitra ny tantaran'ny fandehanana an-dranomasina nankany Pount ny rindrin'ny tempolin'ny fandevenana azy ao Der el-Bahari. Heverin'ireo mpandimby azy ho mpisandoka fitondrana izy ka nosimbaina ireo faritra misy ny anarany ao ambanin’ny sarisokitra maneho azy sady nesorina tsy ho ao amin'ny fitahirizana ny tantara isan-taonan'ny mpanjaka izy[29].

Tausert

Tsy dia nalaza ny faraovavy Taousert izay nanjaka farany tamin'ny dinastia faha-19, dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Ramses II izay mety ho raibeny. Zanakavavin'i Merenptah izy ka nanambady ny anadahy tsy iray tampo aminy atao hoe Seti II ary naka ny fanjakana taorian'ny nahafatesan'i Siptah. Nanorina tempolim-pandevenana tao Thebes izy. Nesorina tsy ho ao amin'ny fitahirizana ny tantara isan-taonan'ny mpanjaka izy ary ny fasany dia nampiasain'i Sethnakht mpandimby azy tamin'ny dinastia faha-20 (105)[30].

Loharano sy fanamarihana

  1. "Pharaon", araka ny Dictionnaire de l'Académie française, ao amin'ny Centre national de ressources textuelles et lexicales (sens 1). (tahiry)
  2. 1Mpanj. 11.40: "Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona." (Ny Baiboly)
  3. 2Tant. 12.2-9: "2 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany, (..) 5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka. (...) 7 Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako. (...) 9 Dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon'i Solomona." (Ny Baiboly)
  4. Peter A. Clayton (trad. Florence Maruéjol), Chronique des Pharaons : L'histoire règne par règne des souverains et des dynasties de l'Égypte ancienne, Casterman, 1995, 224 p. (ISBN 2203233044), p. 185-186.
  5. 2Mpanj. 17. 4: "4 Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina." (Ny Baiboly)
  6. 2Mpanj. 19.9: "Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy (...)" (Ny Baiboly)
  7. Is. 37.9: "Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia (...)" (Ny Baiboly)
  8. 2Mpanj. 23.29: "Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy." (Ny Baiboly)
  9. Peter A. Clayton (trad. Florence Maruéjol), Chronique des Pharaons : L'histoire règne par règne des souverains et des dynasties de l'Égypte ancienne,, Casterman, 1995, 224 p. (ISBN 2203233044) p. 196,
  10. "Pharaon", Microsoft Encarta 2009. 1993-2008.
  11. Colette J. Manouvrier, Ramsès le dieu et les dieux ou la théologie politique de Ramsès II, Lille, Diffusion ANRT, 1996, 745 p. ISBN 9782729515454, vakio eto [tahiry], pp. 564-567.
  12. Colette J. Manouvrier, Ramsès le dieu et les dieux ou la théologie politique de Ramsès II, Lille, Diffusion ANRT, 1996, 745 p. ISBN 9782729515454, p. 464 et 556.
  13. Colette J. Manouvrier, Ramsès le dieu et les dieux ou la théologie politique de Ramsès II, Lille, Diffusion ANRT, 1996, 745 p. ISBN 9782729515454, pp. 464-466 sy 556.
  14. Peter A. Clayton (trad. Florence Maruéjol), Chronique des Pharaons : L'histoire règne par règne des souverains et des dynasties de l'Égypte ancienne, Casterman, 1995, 224 p. (ISBN 2203233044), p. 31-59
  15. Peter A. Clayton (trad. Florence Maruéjol), Chronique des Pharaons : L'histoire règne par règne des souverains et des dynasties de l'Égypte ancienne, Casterman, 1995, 224 p. (ISBN 2203233044), p. 60-67
  16. Claude Carrier, Textes des Pyramides de l'Égypte ancienne, Paris, Cybèle, 2009-2010 (ISBN 9782915840100), "Préambule".
  17. Marie-Ange Bonhême et Annie Forgeau, Pharaon : Les secrets du Pouvoir, Paris, Armand Colin, 1988, 349 p. (ISBN 2200371209) p. 124-127.
  18. Sylvie Cauville, L'offrande aux dieux dans le temple égyptien, Paris-Leuven (Belgique), Peeters, 2011, 291 p.(ISBN 9789042925687), pp. 11-17
  19. Bernadette Menu (préf. Charles de Lespinay et Raymond Verdier), Égypte pharaonique : Nouvelles recherches sur l'histoire juridique, économique et sociale de l'ancienne Égypte, Paris, L'Harmattan, 2004, 391 p. (ISBN 2747577066), p. 95-97.
  20. Georges Posener, "De la divinité du pharaon", Cahiers de la Société Asiatique, Paris, N° 15,‎ 1960, p. 60-61.
  21. Marie-Ange Bonhême et Annie Forgeau, Pharaon : Les secrets du Pouvoir, Paris, Armand Colin, 1988, 349 p. (ISBN 2200371209), p. 164-166.
  22. Marie-Ange Bonhême et Annie Forgeau, Pharaon : Les secrets du Pouvoir, Paris, Armand Colin, 1988, 349 p. (ISBN 2200371209), p. 42.
  23. Renaud Pietri, "Le roi en char au Nouvel Empire" in Collectif, Horemheb : Grand serviteur de l'État et pharaon, Égypte, Afrique et Orient, Montségur,‎ 2014 (ISSN 1276-9223), , p. 13-22
  24. Bernadette Menu, Recherches sur l'histoire juridique, économique et sociale de l'ancienne Égypte. II, Le Caire, coll. « Bibliothèque d'étude » (N° 122), 1998 (réimpr. 2008), 423 p. (ISBN 9782724702170), p. 233-245.
  25. Marie-Ange Bonhême et Annie Forgeau, Pharaon : Les secrets du Pouvoir, Paris, Armand Colin, 1988, 349 p.(ISBN 2200371209), p. 181-182.
  26. Jean Leclant (directeur), Dictionnaire de l'Antiquité, Paris, PUF, 2005 (réimpr. 2011), 2390 p.(ISBN 9782130589853), p. 1878-1879.
  27. Christiane Desroches Noblecourt, La Femme au temps des Pharaons, Paris, Stock / Pernoud, 1986(réimpr. 2000), 255 p. (ISBN 2234052815), p. 92
  28. Pascal Vernus et Jean Yoyotte, Dictionnaire des pharaons, Paris, Éditions Noêsis, 1988 (réimpr. 1998), 226 p. (ISBN 2702820018), p. 64, 146.
  29. Joyce Tyldesley, Hatshepsout : La femme pharaon, Monaco, Éditions du Rocher, 1997, 289 p.(ISBN 9782268025162)
  30. Frédéric Servajean, Mérenptah et la fin de la XIXe dynastie, Paris, Pygmalion, 2014, 399 p.(ISBN 9782756409917)
Andriamanitra (tokana)

Andriamanitra, araka ny finoana ao amin'ireo fivavahana monoteista, dia ilay fisiana ambony indrindra, tokana, mpamorona ny zavatra rehetra ary loharanon'ny zavatra misy rehetra. Tonga lafatra izy, tsy manam-petra, tsy miova, mandrakizay, tsara indrindra, mahalala ny zava-drehatra ary mahefa ny zava-drehetra ary andriamanitra misahana izao rehetra izao. Mpamonjy ny olombelona sy ny zavaboary rehetra, ary nanambara tena nandritra ny Tantara izy.

Ao amin'ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo dia tsy mifangaro amin'izao tontolo izao sady ambonin'izao tontolo izao (mihoa-draha) Andriamanitra. Tokana sy manan-tsitrapo manokana izy (latina: persona). Ivelan'ny sehatry ny fivavahana dia nisy koa ny fiheveran'ireo filozofa ny amin'Andriamanitra tokana, ka efa hatramin'ny filozofa grika tamin'ny Andro Taloha izany ka hatramin'izao.

Antiokosy III Megasy

I Antiokosy III Megasy dia mpanjaka seleokida nanapaka an'i Siria tamin'ny taona 223 hatramin'ny 187 tal. J.K. izay nandimby ny rahalahiny Seleokosy III.

Ny mpanjaka Seleokosy II no rain'i Antiokosy III. Teraka tamin'ny taona 242 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Laodike II no reniny ary i Laodike III no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy IV, i Antiokosy IV, i Laodike IV (izay vady nifandimbiasan'ny anadahiny telo), i Kleopatra I (izay lasa mpanjakavavin'i Egipta taty aoriana) ary i Antiokisy III izy.

Lasa firenena nanompo azy i Partia sy i Baktriana ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i Palestina iray manontolo sy i Libàna tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia) izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny Ranomasina Mediteranea.

Saika handroba ny herena ao amin'ny tempoly tao Elimaida (na Elimaisy) i Antiokosy III, mba handoavany onitra hono, nefa nikomy ny mponina tao amin'io tanàna io ka namono azy tahaka ny famono jiolahy tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Seleokosy IV no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Antiokosy II Teosy

I Antiokosy II Teosy dia mpanjaka seleokida fahatelo izay nanapaka tamin'ny taona 261 hatramin'ny 246 tal. J.K. Izy no nandimby an'i Antiokosy I Sotera rainy.

Teraka tamin'ny taona 287 ary maty tamin'ny taona 246 tal. J.K. izy. I Stratonike I no reniny. I Laodike I sy i Berenike Sira zanaky ny farao Ptolemeosy II Filadelfosy no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy II sy i Antiokosy Hieraksa ary i Laodike A izy.

Niantso azy hoe Θέος / Theos, izay midika hoe "Andriamanitra", ny mponin'i Miletosy taorian'ny nanafahany azy ireo tamin'ilay mpanjaka jadona atao hoe Timarkosy tamin'ny taona 258 tal. J.K.

Rehefa niady tamin'ny farao Ptolemeosy II Filadelfosy, mpanjakan'i Egipta, nandritra ny dimy taona (260-255 tal. J.K.) izy dia azony ny ankabeazan'ny tanin-drainy lasan'ny farao tany aloha. Tamin'ny taona 250 tal. J.K. izy dia niady tamin'ny governorany (satrapa) iray tao hoe Diodotosy I Sotera (mpanjaka tamin'ny taona 256 - 235 tal. J.K.), izay nandrombaka ny faritany sirianan'i Baktria (na Baktriana). Taorian'izay dia lasan'ny fahavalony koa ny faritanin'i Partia.

Tamin'ny taona 246 tal. J.K. tany Efesosy i Antiokosy II no maty ka ny lahimatoany Seleokosy II no nandimby azy.

Antiokosy IV Epifanesy

I Antiokosy IV Epifanesy dia mpanjaka seleokidan'i Siria tamin'ny taona 175 tal. J.K. hatramin'ny taona 163 tal. J.K. Teraka tamin'ny taona 215 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 163 tal. J.K. I Antiokosy III Megasy no rainy. I Laodike IV anabaviny sady vady navelan'ny rahalahiny no novadiny.

Tamin'ny taona 171 tal. J.K. hatramin'ny taona 168 tal. J.K. izy dia niady tamin'i Egipta izy ka nandresy ny farao Ptolemeosy VI Filometora sy ny farao Ptolemeosy VII Evergeto II. Nandresy ny Jiosy izy ka naka an'i Jerosalema sady nandrara ny fivavahana jiosy ary niezaka hametraka ny fivavanana amin'ireo andriamanitra grika. Nikomy sady nanenjika an'i Antiokosy Epifanesy ny Jiosy notarihin'ny mpisorona atao hoe Matatià (na Matatiasy) sy ireo zanany atao hoe Makabeo.

Taty aoriana dia nandresy ny Armeniana sy ny Persiana i Antiokosy Epifanesy. Nanenina tamin'ny fanenjeany ny Jiosy i Antiokosy Epifanesy rehefa akaiky ho faty. I Antiokosy V Eopatora zanany no nandimby azy teo amin'ny fitondrana tamin'ny nahafatesany tamin'ny taona 163 tal. J.K.

Arona

I Arona na Aharôna na Aarona dia olona resahina ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Bokin’ny Eksodosy sy ny Levitikosy ary ny Nomery. Nanampy an’i Mosesy (na Môizy) tamin’ny fanafahana ny Zanak’i Israely tamin’ny fanadevozan’ny Egiptiana izy. Izy no mpisorombe voalohany ao amin’ny fivavahana jiosy sady mpanorina ny raharahan’ny mpisorona teo amin’ny Hebreo. Nanan-janaka an’i Nadaba sy i Abiho sy i Eleazara ary i Itamara tamin’i Eliseba (na Elizabeta) vadiny izy. I Arona dia zanak’i Amrama sy i Iokebeda, izany hoe taranak’i Levy. Rahalahin’i Mosesy sy i Miriama izy. Atao hoe אַהֲרֹן / Aharone io anarana io amin’ny teny hebreo fa Ἀαρών / Aarôn kosa amin’ny teny grika.

Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy sy i Mosesy teo anatrehan’ny Egiptiana izy. Isan’izany fahagagana izany ny niovan’ny tehiny ho menarana teo anatrehan’ny Farao. Satria i Mosesy tsy havanana tamin’ny fitenenana dia izy no nanampy azy amin’ny fitondrana teny raha nifampiresaka tamin’ny Farao izy ireo ny amin’ny tokony hanafahana ny Zanak’i Israely amin’ny fanandevozana. I Arona sy i Mosesy no namoaka ny Zanak’i Israely avy tao Egipta.Navelan’i Mosesy tamin’i Arona ny Zanak’i Israely tamin’ny niakarany tany an-tendrombohitra Sinay niaraka amin’i Josoa (na Jôsoe) mba haka ny vatofisaka nisy ny Didy Folo. Nefa i Arona, rehefa norahonan’ny vahoaka dia nanamboatra famantarana hita maso an’Andriamanitra, dia ny ombilahy kely volamena (Eks. 32.1-24) izay nahatezitra an’Andriamanitra taminy satria fanompoan-tsampy izany.

Araka ny Baiboly dia Arona no mpisorombe voalohany. Maty teo akainkin’ny sisin-tanin’i Kanana i Arona tamin’ny faha-123 taonany satria tsy natoky ny herin’Andriamanitra. Nandimby azy avy eo i Eleazara zanany.

Artakserksesy

Artakerksesy dia anarana nampitondraina ireo mpajaka lehibe persiana tao amin'ny fianakavia-mpajaka akemenida. Atao hoe Ἀρταξέρξης, / Artaksérksês io anarana io amin'ny teny grika, izay avy amin'ny anarana amin'ny teny persana tranainy hoe Artaxšacā. (amin'ny teny persana: اردشیر یکم / Ardeshir) Ho an'ny Egiptiana dia manondro ireo farao tamin'ny dinastia faha-27 sy faha-31 izany. Ireto avy ireo Artakserksesy ireo:

Artakserksesy I

Artakserksesy II

Artakserksesy III

Artakserksesy IV (na Arsesy)

Artakserksesy V (na Besosy)

Fianakavia-mpanjaka lagida

Ny fianakavia-mpanjaka lagida na dinastia lagida na dinastia ptolemaika dia fianakavia-mpanjaka helenistika nipoitra avy amin'ilay mpitari-tafika makedoniana atao hoe Ptolemaiosy I, zanak'i Lagosy (grika: Λαγός / Lagós) (niavian'ny teny hoe lagida), izay nanjaka tao Egipta tamin'ny taona 323 tal. J.K. hatramin'ny taona 30 tal. J.K. Atao hoe basileosy (grika: Βασιλεύς / Basileús) na farao (grika: φαραώ / pharaō) ny andriamanjaka lagida. Nanapaka an'i Kirenaika sy i Plestina ary i Kiprosy koa ireo Ptolemaiosy tamin'ny fotoana sasany.

Ny faharesen'i Kleopatra VII mbamin'i Marko Antonio raha niady tamin'i Oktavio (atao hoe Aogosto) tao Aktioma tamin'ny taona 31 tal. J.K. no namarana ny dinastia ptolemaika sy ny namarana koa ny fisian'ny faraon'i Egipta, ary koa namarana ny vanimpotoana helenistika, amin'ny mpahay tantara sasany. Fianakaviana grika sady nitonon-tena ho izany ny Lagida ka tsy niteny egiptiana, afa-tsy i Kleopatra VII izay nahay fiteny maro.

Joahaza (mpanjakan'i Jodà)

I Joahaza na Joakaza dia mpanjakan'i Jodà nandimy an'i Josia (na Josiasa) rainy tamin'ny taona 609 tal J.K. tamin'ny faha-23 taonany. Telo volana monja no nanjakany. Mpiara-belona taminy ny mpaminany Jeremia.

Josefa (zanak'i Jakoba)

I Josefa (hebreo: יוֹסֵף‬ / Iosef) dia olona voatantara ao amin'ny Baiboly. Zanak'i Jakoba sy i Rahely izy. I Benjamina no rahalahy iray reny aminy. Manana rahalahy folo hafa tsy iray reny aminy izy. Namidin'ireo rahalahiny izay nialona azy izy nefa lasa manampahefana tany Egipta taty aoriana. Nantsoiny honina any Egipta ny fianakaviany, fantatra amin'ny hoe Zanak'i Israely, tamin'ny fotoana nahamosarena ny tany manontolo. Taorian'ny nahafatesany sy ilay Farao natoky azy no nanombohan'ny fahasahiranan'ny Zanak'i Isaraely izay nandevozin'ny Egiptiana. Manana ny fomba fitantarany an'i Josefa koa ny boky masin'ny silamo atao hoe Kor'any.

Josia (mpanjakan'i Jodà)

I Josia na Josiasa dia mpajaka faha-16 tao amin'ny Fanjakan'i Jodà nandimby an'i Amona. Nanjaka tamin'ny taona 639 hatramin'ny 609 tal. J.K. nahafaty azy atao Megido tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny farao Neko II. Izy no rain'ny mpajakan'i Jodà telolahy izay nandimby azy, dia i Joahaza sy i Joiakima (na Joakima) ary i Zedekia. Niara-belona taminy ny mpaminany Zefania (na Sôfônia) ary natao hoe Davida vaovao.

Loza folo tao Egipta

Ny loza folo tao Egipta dia ireo sazy folo nahazo an'i Farao sy ny Egiptiana, araka ny Bokin'ny Eksodosy (na Eksaody) ao amin'ny Baiboly noho i Farao tsy namela ny Zanak'i Israely handao an'i Egipta.

Ireto avy ireo loza folo tao Egipta ireo:

Ny niovan'ny ranon'i Nily ho ra (Eks. 7.14-23);

Ny sahona maro izay nameno ny tany (Eks. 7.26-29; 8.1-11);

Ny niovan'ny vovoka tamin'ny tany ho moka marobe (Eks. 6.12-15);

Ny nidiran'ny lalitra tsy hita isa tao an-tanàna (Eks. 8.16-28);

Ny nisian'ny areti-mandringana nahazo ny biby fiompy (Eks. 9.1-7);

Ny vay izay nahazo ny olona sy ny biby fiompy (Eks. 9.8-12);

Ny havandra izay nandrava sy namono (Eks. 9.13-35);

Ny valala izay nandrakotra ny tany (Eks. 10.1-20);

Ny aizimpito naharitra telo andro (Eks. 10.21-28);

Ny nahafatesan'ny voalohan-teraky ny biby sy ny olona (Eks. 11.1-10; 12.29-32).

Megido

I Megido dia tanàna tamin'ny Andro Taloha tao Palestina izay nisy olona tamin'ny faramparan'ny taonarivo faha-4 tal. J.K. hatramin'ny taona 350 tal. J.K. any ho any. Niitatra fatratra ilay tanàna noho ny toerana misy azy izay eo amin'ny lalana mampitohy an'i Egipta sy i Siria, atao hoe "Lalan'ny Ranomasina" (hebreo: דרך הים / Derekh HaYam).

Tamin'ny fiandohan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. dia azon'ny Amorita, izay vahoaka siriana, ilay tanàna. Azon'ny farao Totmosisy III tamin'ny Siriana ilay tanàna (taonjato hafa-15 tal. J.K.). Maro ny fandravana nahazo an'ilay tanàna, i Solomona (Salômôna) no nanamboatra azy indray taty aoriana ka nanisy azy manda lehibe. Nisy tonelina nampitohy azy amin'ny loharano avy any ivelany izay niantoka ny famatsian-drano raha misy fahirano. Nalain'ny Asiriana i Megido tamin'ny taona 753 tal. J.K., avy eo azon'ny Egiptiana koa tamin'ny taona 609 tal. J.K. (tamin'ny alalan'ny ady nifanaovan'ny farao Nekao II sy ny mpanjaka Josia izay maty tain'izany) ary fotoana kely taty aoriana dia azon'ny Persiana koa.

I Megido amin'izao fotoana izao dia tanàna miorina any amin’ny 40 km ao atsimo atsinanan'ny tapany atsimon'ny Ranomasin'i Galilia, ao amin’ny lembalamban’ny renirano Kisona ao Israely.

Mosesy

I Mosesy na Môizy dia ilay lehilahy hebreo resahina ao amin'ny Baiboly fa nitondra ny Zanak'i Israely ho afaka amin'ny fanandevozana avy tany Egipta ho any amin'ny tany Kanana izay nampanantenain' Andriamanitra. Nitondra azy ireo namakivaky tany efitra izy ka tamin'izany no nivoahan'ny Didy Folo sy ny fototry ny Lalàna nifehy ny Zanak'i Israely. Araka ny Baiboly ihany dia niampita ny Ranomasina Mena koa izy sy ny vahoaka notarihiny. Tsy tafita tany amin'ny tany Kanana anefa i Mosesy fa maty teo amin'ny tendrombohitra Nebo rehefa avy nametraka ny fitarihana ny Israelita tamin'i Josoa (na Josoe).

Otniela

I Otniela na Hôtniela dia mpitsara israelita. Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Otniel Ben Knaz (עתניאל בן קנז) no anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina hoe Otniela zanak'i Kenaza, araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpit. 3.8-11). Mety hidika hoe "Heriko Andriamanitra" na "Namonjy ahy Andriamanitra" io anarana io. I Kosama-Riseataima, mpanjakan'i Arama no nifanandrina taminy. Tamin'ny androny dia nandry fehizay tanatin'ny 40 taona i Israely. I Ehoda no nandimby azy.

Isan'ny fokon'i Joda izy ary i Kenaza izay zandrin'i Kaleba no rainy. Izy no mpitsara voalohany nandimby an'i Josoa (na Josoe) ary i Ehoda no nandimby azy. Ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 1 sy 3) no ahitana ny tantarany.

Nandresy an'i Hebrona teo akaikin'i Beni-Anaka i Kaleba tao atsimo, izay avy amin'ny fokon'i Jodà. Naka ny tananàna Kiriata-Seferay ny zana-drahalahiny atao hoe Otniela, zanak'i Kenaza. Izy koa dia niady amin'ny Edômita. Niditra tao amin'ny tany Kanana i Kosama-Riseataima, mpanjaka avy any amin'ny faritr'i Eofrata, mba hanafika sy haka koa an'i Ejipta. Resin'i Farao anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Otniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.

Ptolemaiosy XIII

I Ptolemaiosy XIII, izay atao hoe Ptolemaiosy XIII Teosy Filopatora, dia iray amin'ireo farao faraparany tao Egipta tamin'ny andron'ny fitondran'ny dinastia lagida nialoha kely ny vanimpotoana romana. Nandimby an'i Ptolemaiosy XII Neosy Dionisosy izy tamin'ny taona 51 tal. J.K. sady niara-nanjaka tamin'i Kleopatra VII anabaviny sady vadiny. Mbola 13 taona izy raha nandray ny fitondrana. Satria samy mbola kely izy ireo dia ny ministra no tompon-kevitra tamin'ny zavatra maro. Niady tamin'ny anabaviny izy ary nampamono an'i Pompeio sady niady koa tamin'i Jolio Kaisara alohan'ny hahafatesany raha nandositra. Teraka tamin'ny taona 61 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 47 teo akain'ny tanàna atao hoe Alkama any Egipta. Atao hoe Πτολεμαῖος Θεός Φιλοπάτωρ / Ptolemaĩos Theós Philopátôr izy amin'ny tany grika. Ny hoe Theós Philopátôr dia midika hoe "Andriamanitra tian'ny rainy".

Rehoboama

I Rehoboama na Roboama dia mpanjakan'i Israely fony ity fanjakana ity mbola tsy nivaky taorian'ny nahafatesan'i Solomona (na Salômôna) rainy izy (taona 932 tal J.K.) ary lasa mpanjakan'i Jodà taorian'izany (nifarana tamin'ny taona 915 tal. J.K.). Izy no niteraka ny fisarahan'ny Fanjakan'i Israely ho fanjakana roa tsy nifanaraka, araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly. Resahina indrindra ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpanj. 12–14) sy ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 10–12) ny ady maharitra nifanaovan'ny fanjakan'i Jodà tarihin'i Rehoboama sy ny fanjakan'i Israely tarihin'ny mpanjaka Jeroboama.

Seleokosy II Kalinikosy

I Seleokosy II Kalinikosy dia mpanjaka seleokida nanapaka tamin'ny taona 247 hatramin'ny 226 tal. J.K. Teraka tamin'ny taona 265 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 226 tal. J.K. I Antiokosy II Teosy no rainy ary i Laodike I no reniny. Nanambady an'i Laodike II izy dia niteraka zaza dimy ka isan'izany i Antiokisy (vehivavy) sy i Seleokosy III Sotera ary i Antiokosy III Lehibe.

Tsy afaka nisakana an'ny farao Ptolemeosy III izay nitsofoka tao Siria sy i Mesopotamia i Seleokosy II nandritra ny ady fahatelo tao Siria izay naharitra hatramin'ny taona 246 tal. J.K. ka hatramin'ny taona 241 tal. J.K. Nomeny fahaleovan-tena ny Baktriana sy ny Partiana (na Parta) tao atsinanana ary lasan'ny rahalahiny Antiokosy Hieraksa ny taniny tany Azia Minora.

Maro ny korontana izay tsy maintsy nalaminy ka isan'izany ny tany amin'ny faritra andrefana izay nisakana azy tsy hanohy ny fanitarany ny fanjakany. Nampamonoiny ny vadiny Stratonike II izay nikononkonona ny hamono azy. Nianjera avy eny ambony soavaly izy tamin'ny taona 226 tal J.K. ka maty ary ny zanany Seleokosy III no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Solomona

I Solomona na Salômôna dia mpanjaka fahatelo tao Israely nandimby an'i Davida teo anelanelan'ny taona 970 sy 931 tal. J.K. Ny Baiboly no ahitana ny ankabeazan'ny tantaran'i Solomona, izay voalaza fa mpanjaka hendry, araka ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Nanjakan'ny fandriam-pahalemana sady nanan-karena ny fanjakany ary izy no voalazan'ny Baiboly fa nanorina ny Tempolin'i Jerosalema voalohany izay atao hoe Tempolin'i Solomona izay natolony ho an'i IHVH Andriamantr'i Israely (1Mpanj. 5.3; 8.20).

Teraka tamin'ny taona 1011 tal. J.K. tao Jerosalema ary maty ny tamin'ny taona 931 tal. J.K. tao ihany koa izy. I Davida no rain'i Solomona. Ny vadiny dia Naama, zanakavavin'ny farao Siamona. Ny zanany dia i Rehoboama sy i Menelika I.

Maro ireo boky izay lazain'ny lovantsofina fa nosoratan'i Solomona ka ny fantatra indrindra dia ireo ao amin'ny Baiboly, dia ny Bokin'ny Ohabolana sy ny Tononkiran'i Solomona ary ny Bokin'ny Mpitoriteny. Ao koa ireo boky apokrifa izay mitondra ny anarany.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.