Famonjena

Ny famonjena dia ny fiarovana na fanafahana na fanavotana ny fanahin'ny olombelona amin'ny fahotana sy amin'ny vokatr'izany mba hahafahany ho velona mandrakizay fa tsy ny fanamelohana mandrakizay. Ny famonjena dia heverina fa vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra (azon'ny olona tsy mendrika izany), na vokatry ny safidy malalaky sy ny ezaky ny olona samirery (azon'ny olona noho ny fahamendrehany), na vokatry ny fikambanan'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny ezaka ataon'ny olombelona. Tsy mitovy ny fiheveran'ny fivavahana samihafa ny atao hoe famonjena.

Jereo koa

Afo fandiovana

Ny afo fandiovana, araka ny fampianaran'ny Eglizy katolika indrindraindrindra, dia ny fanavotana ny fanahin'ny olona aorian'ny fahafatesana, izay anadiovana azy hoafaka amin'ny fahotana mila ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra, na izay ianjadian'ny fanasaziana mandalo iaretan'ny mpanota aorian'ny famelana ny fahotana mahafaty nataony. Aorian'izany dia afaka ny hiditra amin'ny fahasambarana ny fanahin'ny olona. Ny Fiangonana tatsinanana sy ny Fiangonana tandrefana dia samy miaiky ny fisian'ny afo fandiovana ary mihevitra izy ireo fa toeram-pijaliana izany. Raha mino ny Fiangonana tandrefana fa handalo fisedrana afo ara-bakiteny ny mpanota, ny Fiangonana tatsinanana kosa tsy manazava ny karazana fijaliana hahazo ny mpanota. Ny Konsily tao Florentia tamin'ny taona 1439 dia nihevitra izany lohahevitra izany ho mbola azo iadian-kevitra.

Ny foto-pampianarana sy ny fanao tamin'ny Andro Antenantenany momba ny afo fandiovana dia niadian-kevitra ary ny mpanavao fiangonana protestanta dia nanda ny fisian'izany. Nilaza ny Protestanta fa ny famonjena ny olombelona rehetra dia efa vitan'i Jesoa Kristy ary izany famonjena izany dia avy amin'ny finoana an'i Kristy irery ihany. Ny fisian'ny dingana anelanelany sy ny fotoam-panabeazana sy fisedrana aorian'ny fahafatesana dia nampianarin'ny Fiangonana anglikana.

Apokalipsan'i Esdrasa

Ny Apokalipsan'i Esdrasa na Apokalipsa jiosin'i Esdrasa dia soratra apokrifa na pseodepigrafan'ny Baiboly. Io boky io dia mitantara indrindra ny resaka nifanaovan’i Ezra (na Esdrasa) sy ny arikanjely Oriela ao amin’ny fahitana. Tsy i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra io boky io.

Misy fahitana fito niseho tamin'i Ezra (na Esdrasa) ny ao izay miresaka ny amin'ny fahotana sy ny famonjena ary ny andro farany.

Bokin'i Jona

Ny Bokin'i Jona na Bokin'i Jônasa dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Mitantara ny amin’ny mpaminany Jona (na Jônasa) izay nirahin’Andriamanitra any Ninive (renivohitry ny Asiriana) mba hampibebaka ny mponina tao nefa nitady lalan-kafa tsy ho any. Niteraka fahasahiranan ho azy izany ka nandeha tany Ninive ihany izy amin’ny farany. Avotra tamin’ny fahatezeran’Andriamanitra ny mponina tao rehefa nibebaka. Tsy araka ny itiavan’i Jona azy izany famelan-keloka azon’izy ireo izany. Manambara ny boky fa tsy ho an’ny Jiosy ihany ny famonjena fa ho an’ny olombelona rehetra.

Bokin'ny Fitomaniana

Ny Bokin’ny Fitomaniana dia boky hita ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Tonon-kiram-pisaonana lava narafitra amin’ny fomba kanto no ao anatiny, izay mamisavisa ny fahoriana lehibe vokatry ny fahirano, ny fandravana an’i Jerosalema sy ny Tempoly. Mafonja ny tonon’ireo Fitomaniana ireo izay maneho ny fahoriana lalina vokatry ny fahantrana sy ny mosary sy ny fandripahana ary ny loza hafa koa. Ireo rehetra ireo dia fisehon’ny famaizan’Andriamanitra noho ny fahotan’ny vahoaka sy ny mpaminany ary ny mpisorona. Na dia izany aza dia mifarana amin’ny tonon-kiram-panantenana ny Bokin’ny Fitomaniana.

Navondrona ireo tonon-kira ireo, angamba mba hatao ho fahatsiarovana sady harahina fifadian-kanina. Ny fiangonana kristiana sasany dia nampiditra ny Fitomaniana ao amin’ny litorjian’ny Herinandro masina.

Boky fahatelon'ny Mekabiana

Ny Boky fahatelon'ny Mekabiana dia boky ao amin'ny Baibolin'ny Fiangonana ortodoksa etiopiana. Deoterokanonika io boky io ao amin'io Baiboly io fa apokrifa izy ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa hafa ary pseodepigrafa ho an'ny Protestanta. Izy no fohy indrindra amin'ireo Bokin'ny Mekabiana satria misy toko 10 fotsiny.

Manomboka amin'izao teny izao ilay boky: "Ary ireo nosin'i Ejipta dia hihoby ...". Misy fitantarana ankapobeny momba famonjena sy famaizana ny ao amin'io boky io, izay ahitana ohatra avy amin'ny fiainan'ny patriarka samihafa ao amin'ny Baiboly, toa an'i Adama sy i Joba ary i Davida mpanjaka.

Ao amin'ny litorjian'ny Fiangonana ortodoksa etiopiana dia mitambatra ho boky iray ny Boky faharoa sy ny Boky fahatelon'ny Mekabiana.

Epistily ho an'ny Efesiana

Ny Epistily ho an'ny Efesiana na Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny Efezianina dia boky hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Vaovao izay isan'ny atao hoe epistily. Taratasy nalefan'ny Apostoly Paoly ho an'ny fiangonana kristiana tany Efesosy na Efezy na Efeso izany. Tokony ho teo anelanelan'ny taona 60 sy 63 no nanoratana azy.

Fahasoavana (finoana)

Ny fahasoavana dia fitahiana omen'Andriamanitra malalaka ho an'ny olona izay mahazo ny famonjena sy fanamasinana maimaimpoana. Hita ombieniombieny io teny io ao amin'ny teolojia kristiana. Zava-dehibe koa ny fahasoavana ao amin'ny fivavahana jiosy (ny Jodaisma) araka izay hita amin'ireo boky ao amin'ny Tanakh ary toraka izany koa ny ao amin'ny finoana silamo sy ny sikisma izay manana ny ataony hoe "fahasoavana".

Fahotana

Ny fahotana dia fandikana an-tsitrapo na tsy an-tsitrapo ny didin'Andriamanitra ka heloka eo anatrehan'Andriamanitra izany. Ny fahotana dia mety ho ny tsy fanoavana na ny fandavana na ny fisakanana ny famonjena, na mety ho ny antony itrangan'ny fahafatesanan'ny fanahy. Mety hiseho amin'ny alalan'ny asa azo tsapain-tanana ny fahotana na koa amin'ny alalan'ny eritreritra manimba ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra.

Fahotana ny zavatra rehetra misakana ny fahatratrarana ny tanjona tsara tokony ho tratra araka ny fampianaran'ny fivavahana iray (mety ho ny famonjena izany tanjona izany na zavatra hafa). Tsy fahotana ny fandikana ny lalàna nataon'olombelona.

Ny olona tsy mino an'Andriamanitra dia tsy mino koa ny fisian'ny fahotana nefa tsy amin'ny fivavahana rehetra no ahitana ny atao hoe fahotana fa amin'ny sasantsasany ihany. Ny tontolon'ny finoana jiosy sy kristiana ary silamo no tena iresahana betsaka ny amin'ny fahotana.

Fanavaozam-piangonana

Ny Fanavaozam-piangonana, izay atao hoe koa Reformasiona na Reforma, dia fihetsiketsehana ara-pivavahana tamin'ny taonjato faha-16 tao amin'ny Fiangonana Tandrefana izay nanapitra ny fahambonian'ny Papa eo amin'ny fitondram-piangonana sady niafara tamin'ny fiforonan'ny Fiangonana protestanta maro. Ny Fanavaozam-piangonana dia vokatry ny faniriana ny hiverina amin'ny loharano nipoiran'ny Kristianisma. Te hanome lanja ny fivavahana sy ny fiainana ara-tsosialy amin'ny fomba fijery hafa koa ireo mpanavao fiangonana (na reformatora).

Ny Reformasiona dia ahitana taratra ny fanahian'ny fanahin'olombelona, ny amin'ny famonjena, izay ivon'ny fisaintsainan'ireo mpanavao finoana, izay namaky bantsilana ny fahasimban'ny fiarahamonina manontolo nateraky ny fivarotana ny indolzansa. Nanararaotra ny firoborobon'ny fanaovana pirinty ny mpanavao finoana mba hanaparitahany ny Baiboly amin'ny fitenin'ny olona andavanandro (indrindra amin'ny fiteny alemàna taorian'ny fandikan-teny nataon'i Martin Lotera), sady naneho fa ny Baiboly dia tsy miresaka ny amin'ny olo-masina, na ny amin'ny fanaovana fotoam-pivavahana amin'ny Maria Virjina, na ny amin'ny afo fandiovana. Ny fakana hevitra avy amin'ny Baiboly ho filamatra anefa no isan'ny zavatra nanetsika ireo mpanavao finoana. Izany foto-kevitra izany, izay fantatra amin'ny teny latina hoe Sola scriptura ("ny Soratra Masina irery ihany"), no nitari-dalana azy ireo.

Natombok'i Martin Lotera fony izy monka (na moanina) katolika tamin'ny 31 Oktobra 1517 tao amin'ny Empira Masina sy i Ulrich Zwingli tao Zorika, avy eo i Martin Bucer tao Strasborga ary taty aoriana i Jean Calvin tao Parisy sy tao Jeneva ny Reformasiona ka nahazo ny ampahany be tamin'i Eoropa Avaratra-Andrefana. Nandamoka ny ezaka fampihavanana natao tamin'izay ka teraka ny fivakisana teo amin'ny Fiangonana katolika romana sy ireo Fiangonana protestanta. Ny Reforma nataon'ny Fiangonana katolika hanoherana izany nonomboka tamin'ny konsily tao Tridentio (na Trento) dia tsy nahatafaverina afa-tsy ampahany amin'ny mponina efa niova ho protestanta.

Nanana endrika politika koa ilay Reformasiona protestanta satria lasa fitaovana nentin'ireo andriandahy tany Eoropa haneho ny fahaleovantenany manoloana ny fahefan'ny Papa izay lazaina fa fitondram-pajakan'Andriamanitra (teokrasia) manerana izao tontolo izao. Nentin'ireo mponina maro hikomy manoloana ny andriamanjaka tsy ankasitrahany toa izay nisy tao Ekosy sy tao Holanda aspaniola koa ny Reformasiona. Maro ny vokatr'ilay fihetsiketsehana tamin'ny taonjato faha-16, dia disadisa teo amin'ny emperora Habsbourg sy ireo andriandahy alemàna, ary koa ireo ady an-trano tao Frantsa sy tao Angletera ary tao Ekosy.

Fanavotana

Ny fanavotana dia famonjena entin'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny teny nadika amin'ny teny malagasy hoe "fanavotana" dia teny ampisaina amin'ny raharaham-pitsarana izay ilazana ny zavatra atao mba hividianana ny fisitrahana zo.

Ny teny nadika hoe "fanavotana", izay midika hoe "fividianana indray", dia fomba fiteny teolojika ao amin'ny fivavanhana kristiana, izay manantitra ny endriky ny zava-miafin'ny famonjena ny olombelona. Avotan'Andriamanitra amin'ny fanandevozan'ny ratsy sy ny fahotana azy ny olombelona mba hahanomezany azy indray fahafahana. Voavonjy ny olombelona satria navotan'Andriamanitra.

Filazantsara

Ny Filazantsara na Evanjely na Vaovao Mahafaly dia fitambaran'ny boky efatra (Matio, Marka, Lioka, Jaona (na Joany)) hita ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly, natokana hizaràna amin'ny olona rehetra ny momba ny Fanjakan'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mamaky sy mihaino ny Filazantsara satria mino fa hahazo fanampiana amin'ny fiainany manontolo ary hifandray amin'ny Mpahary sy ny voary. Atao hoe Evanjelista na Evanjelistra ny mpanoratra ny Filazantsara. Amin'ny heviny mivelatra dia ilazana ny Testamenta Vaovao ihany koa ny teny hoe filazantsara na vaovao mahafaly.

Filazantsara araka an'i Lioka

Ny Filazantsara araka an'i Lioka, na Vaovao Mahafaly araka an'i Lioka, na Evanjely araka an'i Masindahy Lioka dia fahatelo amin'ny Filazantsara na Evanjely ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly. Sahala amin'ny mpanoratra ny Vaovao Mahafaly araka an'i Matio dia mitantara koa ny amin'ilay fahaterahan'ny Mpamonjy ity Evanjely fahatelo ity: "fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo." (Lio. 2.11) izay manambara sahady ny antony niavian'i Jesoa ety an-tany.

Porofoin'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fanasitranana maro ara-batana sy ara-panahy nataony ny maha marina ny asany: "Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very" (Lio. 19.10). Izany famonjena izany anefa dia tsy maintsy ialohavan'ny hazofijaliana. Manomboka eo amin'ny toko faha-9 dia efa mitombo ny fanoherana an'i Jesoa izay tonga amin'ny fara tampony tamin'ny famantsihana azy tamin'ny hazofijaliana (toko faha-22 sy 23). Taorian'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia naniraka ny mpianany izy hanambara amin'ny olombelona rehetra fa izy no Mpamonjy.

Isan'ireo Filazantsara sinoptika ny Vaovao Mahafaly araka an'i Lioka. Teo anelanelan'ny taona 70 sy 100 no mety nanoratana azy.

Gnostisisma

Ny gnostisisma dia firehan-kevitra na rafi-pisainana ara-pilozofia sy ara-pivavahana tsy natao ho fanta-bahoaka izay mihambo hanam-pahalalana feno an'Andriamanitra sy ny zava-drehetra sady manankina ny famonjena amin'izany fahalalana izany. Nivoatra tamin'ny taonjato faha-2 sy faha-3 taor. J.K. ny gnostisisma. Nivoy hevitra mifanohitra amin'izay ataon'ny ankamaroan'ny Kristiana hoe "finoana marina" ny gnostisisma na dia nisy ampahany amin'ny mpanaraka azy aza isan'ny Kristiana ihany. Ny mpanaraka ny gnostisisma dia atao hoe Gnostika.

Mampanantena fahalalàna miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny gnostisisma ka milaza fa misy pitik'afo araka an'Andriamanitra milatsaka avy amin'izany fanjakana mihoa-draha izany manketo amin'ity tontolon'ny zaka ity, izay eo ambany fanapahan'ilay Ratsy, sady migadra ao amin'ny vatan'ny olombelona. Voafohan'ny fahalalana ilay singan'andriamanitra ao amin'ny olombelona ka miverina any amin'ny toerana tokony hisy azy, dia ny fanjakana mihoa-draha any an-danitra. Ny olombelona dia noforonin'ny andriamanitra ambany tsy tonga lafatra, dia ilay Mpahary izay taon'ny Gnostika hoe Demiorga na Iahveh koa. Ity andriamanitra ratsy ity dia mifanohitra amin'ilay andriamanitra ambony izay sady tonga lafatra no mihoa-draha nefa mifandray amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny fahalalana nomeny.

Martin Lotera

Martin Lotera dia teolojiana alemàna isan'ireo nitarika ny Fanavaozam-piangonana na Reformasiona protestanta tamin'ny taonjato faha-16, teraka tamin'ny 10 Novambra 1483 tao Eisleben ary maty tamin'ny 28 Febroary 1546 tao Eisleben ihany koa.

Ny fanavaozam-piangonana notorin'i Martin Lotera dia nisy vokany lehibe teo amin'ny fandrosoan'ny kristianisma ary ny foto-pampianarana nipoitra tamin'izany dia nisy akony teo amin'ny fianinan'ny vahoakan'i Eoropa, tsy amin'ny ara-pivavahana ihany fa amin'ny lafiny ara-politika sy ara-toekarena koa.

Nisahirana ny amin'ireo fanontaniana momba ny fahafatesana sy ny famonjena izay nampiavaka ny kristianisma tamin'ny Andro Antenantenany i Lotera, ka nanovo valinteny avy tao amin'ny Baiboly, indrindra ao amin'ny Epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Romana. Araka ny hevitr'i Lotera, ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia fanomezana malalaka avy amin' Andriamanitra izay raisina amin'ny alalan'ny fibebahana amin-kitsim-po sy amin'ny finoana marina an'i Jesosy Kristy ho Mesia, tsy misy fanelanelanan'ny Fiangonana. Nihantsy fahefan'ny papa i Lotera amin'ny filazany fa ny Baiboly no hany loharanon'ny fahefana kristiana.

Sola fide

Ny andian-teny latina hoe Sola fide , izay midika ara-bakiteny hoe "amin'ny alalan'ny finoana irery", dia ainga fototra protestanta milaza fa ny asa tsara ataon'ny olona dia tsy mandray anjara amin'ny fanavotana azy. Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika io andian-teny io hoe "Finoana irery ihany". Iray amin'ireo andian-teny latina dimy manomboka aminin'ny hoe Sola ny Sola fide.

Izany finoana izany dia ny finoana ny fahafatesan'i Jesosy Kristy mitondra fanavotana teo amin'ny hazofijaliana noho ny fahotan'ny olombelona izay miaiky azy ho mpamonjy. Mamerina ny fihavanan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny finoana izay hany fomba ahafahana mahazo famonjena, amin'ny Kristiana izany dia midika fiainana mandrakizay aorian'ny fahafatesana.

Ny finoana dia fanomezan'Andriamanitra tamin'ny fihaonan'ny isam-batan'olona amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Ny finoana irery ihany fa tsy ny foto-pampianaram-pinoana (latina: doctrina) na ny asan'olombelona. Tsy mitovy ny fomba mahatonga io finoana io ao amin'ny olona tsirairay ka mety miseho tampoka izany na miandalana. Samy miaina izany finoana izany amin'ny fombany manokana ny olona tsirairay satria valin'ny fanehoan'Andriamanitra fitiavana ny finoana.

Ny foto-pampianarana ny amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana (izay atao hoe koa "fanamarinana amin'ny alalan'ny finoana") dia nandray anjara betsaka tamin'ny fotoana nampisy ny Reformasiona (na Fanavaozam-piangonana) protestanta; rehefa i Martin Lotera izay nisahirana tamin'ny famonjena ny tenany sady tsy afa-po tamin'ny valintenin'ny Fiangonana tamin'ny fotoanandrony, nahafantatra amin'izay fa ny lanjan'ny Soratra Masina, raha namaky ny epistilin'ny Paoly ho an'ny Romana izy. Noho izany dia io foto-pampianarana io no vatofehizoron'ny Reformasiona protestanta. Io foto-pampianarana ny amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana irery ihany io no mampiavaka ny protestantisma amin'ny fiangonana hafa, dia ireo izay manome lanja ny asa tsara na ny fombafombam-pivavahana hanatsarana ny olombelona mba hahafahany mandray anjara amin'ny famonjena ny tenany.

Sola gratia

Ny andian-teny latina hoe Sola gratia, izay midika hoe "amin'ny alalan'ny fahasoavana irery", dia enti-manondro ny ainga fototra kristiana izay milaza fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany, izany hoe amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany. Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika an'io andian-teny latina io hoe "Fahasoavana irery ihany".

Tsy mendrika ny famonjena azony avy amin' Andriamanitra ny olombelona, nefa nomen'Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina.

Ity foto-pampianarana ity dia nipoitra avy amin'ny hevitr'i Aogostino ny amin'ny famonjena ny fanahin'ny olombelona, famonjena izay tsy afaka ho avy tokoa raha tsy amin'ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra.

Niezaka ny tsy hanala tao amin'ny teolojiany ny fahafahan'ny olombelona izay miseho amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa anefa i Aogostino na dia mihena dia mihena kely ny fahafahan'ny olombelona misafidy noho ny fahotan'i Adama.

Nambaran'ny Fiangonana katolika tamin'ny Konsily faharoa tao Orange tao Frantsa tamin'ny taona 529 io ainga fototra io izay nanameloka koa ny petrakevitry ny fanendrena rahateo ny ho voavonjy sy ny tsy ho voavonjy. Ao amin'ny protestantisma dia iray amin'ireo andian-teny fototra dimy manomboka amin'ny hoe Sola ny Sola gratia.

Solae dimy

Ny Solae na Solae dimy dia ilazana ireo andian-teny latina miisa dimy izay andry na filamatry ny protestantisma sy ny kristianisma evanjelika momba ny famonjena, izany hoe ireo no ainga fototra iorenan'ny famonjena ny olombelona. Ny andian-teny tsirairay dia samy manomboka amin'ny mpamari-toetra latina hoe solus izay midika hoe "tokana", "irery". Ireto avy ireo Solae ireo: Sola scriptura, Sola fide, Sola gratia, Solus Christus ary Soli Deo gloria.

Solus Christus

Ny andian-teny latina hoe Solus Christus, izay midika ara-bakiteny hoe "Kristy irery", dia manambara fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia tsy maitsy mandalo amin'i Kristy mivantana sy amin'ny alalany irery ihany. Adika amin'ny teny malagasy hoe "Kristy irery ihany" na "Jesosy irery ihany" io andian-teny io. Izany dia midika fa i Jesosy Kristy no hany mpanelanelana fa tsy ny mpitondra fivavahana. Ity ainga fototra ity, izay mampiavaka manokana ny protestantisma dia isan'ireo andian-teny filamatra dimy manomboka amin'ny teny hoe Sola izay andrin'ny soteriolojia protestanta. Azo soratana hoe Solo Christo izay mlidika hoe "amin'ny alalan'i Kristy irery" io andrian-teny io.

Tsy mitovy amin'ny lahateny mahazatra ny toritenin'i Lotera izay tsy miakina amin'ny foto-pampianarana sy ny lovantsofina na lovam-pinoan'ny Fiangonana katolika tao Roma. Mihevitra i Lotera fa ao amin'ny Baiboly no misy ny foto-pivoasana ao amn'ny Filazantsara (na Evajely) sy ny Epistily (na Taratasy) momba an'i Jesosy Kristy, indrindra ao amin'ny Epistily ho an'ny Romana; ho an'ny Protestanta miorina amin'ny Solus Christus, izany dia mifandray amin'ireo fanambaràna lehibe ao amin'ny Fanekem-pinoana apostolika sy ny fanekem-pinoana hafa rehetra noraisin'ny ankamaroan'ny protestanta toy ny Fanekem-pinoana aogostana. Ny hoe Solus Christus dia manambara fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia tsy amin'ny alalan'ny fanelanelanan'ny andrim-pivavahana (latina: institutio) na ny olona masina na ny sisan-javatra navelan'ny maty (latina: reliquiae).

Soteriolojia

Ny soteriolojia dia sampan'ny teolojia izay andalinana ny amin'ny famonjena. Ny soteriolojia dia teolojian'ny famonjena. Tsy ny Kristianisma ihany no azo anaovana soteriolojia fa ireo fivavahana hafa koa izay ahitana ny firesahana ny amin'ny famonjena. Avy amin'ny teny grika hoe σωτηρία / sôtêria izay midika hoe "famonjena" sy ny hoe λόγος / logos izay midika hoe "resaka" na "fandalinana" na "fahalalàna". Ny teny hoe σωτηρία / sôtêria dia nisampana avy amin'ny hoe σωτήρ / sôtêr izay midika hoe "mpamonjy".

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.