Euro

Ny euro dia ny sandam-bola ofisialin'ny firenena mpikambana 19 ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ary vola tokana sy iraisan'ireo firenena 19 ireo. Ny fikambanan'ny firenena rehetra mampiasa ny vola euro dia atao hoe faritra euro.

Euro banknotes
Euro
European union emu map fr
Euro 2015      firenen'ny faritra euro (19)      firenena mpikambana ao amin'ny VE sy ny MCE II (1)      firenena mpikambana ao amin'ny VE fa any ivelan'ny MCE II (8)      firenena hafa mampiasa ny euro (2)
Geldstücke
Euro

Ankoatran'ny firenena ao amin'ny faritra euro, misy firenena ao Eoropa mampiasa ilay sandam-bola na dia tsy vola ofisialy any amin'ny fireneny aza ny euro, ny Montenegro sy ny Kosovo ohatra mampiasa azy, noho ny fianjadian'ny faritra euro.

Ny euro dia nanomboka niasa tamin'ny 1999 ary nandimby ny ECU (European Currency Unit), sandam-bola eoropeana noforonina tamin'ny 1979. Ankehitriny, izy izao ny sandam-bola faharoa miasa indrindra eto an-tany ary voalohany amin'ny isan'ny vola taratasy voaprinty (610 miliara euro).

EUR-USD v2
Ny taham-panakalozana euro/dollar ny taona 1999-2011
Euro logo plus character
Euro

Rohy Ivelany

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.