Eoropa Andrefana

Ny tenenina hoe Eoropa Andrefana dia ireo firenena mikasika ny amorontsiraka Atlantika, ary noho izany ny firenena eo amin'ny faritra andrefan' Eoropa. Ny misy azy dia eo anelanelan'ny ranomasimbe Atlantika sy ny Eoropa Avaratra, ny Eoropa Atsimo, ny Eoropa Afovoany, mety ampidirina ao amin'ny faritany andrefana na atsinanana.

Amin'ny lafiny ara-tantara, ny Eoropa andrefana dia ireo nanana fifandraisana diplômatika tamin' Etazonia nandritry ny Ady Mangatsiaka, fa naitatra izy mba ho tafiditra ao ny firenena tsy mitongilana toy ny Soisa ; manomboka mifafa ilay sary tamin'ny fanitarana ny Vondrona Eoropeanina.

Location-Europe-UNsubregions, Kosovo as part of Serbia
Ny faritan' Eoropa araka ny kaody statistikan'ny Firenena Mikambana :      Eoropa Avaratra      Eoropa Andrefana      Eoropa Atsinanana      Eoropa Atsimo

Jereo koa

Rohy ivelany

Abidy latina

Ny abidy latina na abidy romana dia abidy ahitana litera fototra miisa 26 sady afaka atao sora-baventy na sora-madinika. Litera ao amin'ny abidy latina no mamorona ny abidy malagasy amin'izao fotoana izao. Mampiasa io abidy io hanoratany ny fiteniny ny ao Eoropa Andrefana sy Eoropa Avaratra ary Eoropa Afovoany. Mampiasa azy koa ireo firenena ivelan'i Eoropa indrindra ireo firenena nozanahin'ny Eoropeana, isan'izany ny ao Amerika Avaratra sy Atsimo sy ny ao Afrika ary ny ao Oseania. Ireto avy ny litera fototra ao amin'ny abidy latina amin'ny endriny soramadinika: a - b - c - d - e - f - g - h - i - j - k - l - m - n - o - p - q - r - s - t - u - v - w - x - y - z. Tamin'ny taona 2002 dia ny 39%n'ny mponina maneran-tany no mampiasa ny abidy latina .

Alemaina

Ny Alemaina na Repoblika federalin'i Alemaina amin'ny fampiasana ofisialy, dia firenena ny Eoropa andrefana. Manana amorontsiraka amin'ny Ranomasina Avaratra ny Alemaina, mizara sisin-tany amin'i Danmarka, Polonia, Repoblika Tseky, Nederlandy, ny Belzika, Loksemborga, Frantsa, Soisa, ary Aotrisy.

Ny alemaina dia repoblika federaly, misy faritra 16 any (Bundesländer na oficial Länder amin'ny fiteny Alemana).

Tamin'ny andro taloha, ny Alemaina tahaka ny fantantsika amin'izao fotoana izao dia printsipaotia miisa mahery ny telonjato mizaka tena avokoa.

Tao amin'ny Empira Jermanika Masina ny Alemaina tamin'ny 962 hatramin'ny 1806, tao anatin'ny Konfederasiona Jermanika izy tamin'ny 1814 hatramin'ny 1866.

Tamin'ny nahafaranan'ny ady Frankô-jermanika tamin'ny 1871, Lasa zana-tany Prosy (jereo Prusse amin'ny teny frantsay) izy ary ny empira Prosy no nampiray an'i Alemaina tety aoriana : tamin'izany fotoana izany ny andron'ny Reich faha II na Reich Wilhelminiana.

Ny faharesen'ny Alemaina tamin'ny Ady Lehibe Voalohany tamin'ny 1918 dia nampilatsaka ny Reich Wilhelminiana ary nitondra ny fahatongavan'ny Repoblika tao Alemaina

Nanomboka ny Reich faha III tamin'ny taona 1933 faha nihongana ilay izy tamin'ny taona 1945, teo arinan'ny Ady Lehibe Faharoa.

Lasa petrahan'ny tafiky ny firenena nandresy azy ny Alemaina teo arinan'ny Ady Lehibe Faharoa, ary tamin'io fotoana io no nitranga ny RFA na Repoblika Federaly Alemana sy ny RDA na Repoblika Demokratika Alemana.

Nikambana ny RFA sy ny RDA tamin'ny taona 1990 (3 oktobra) tao aorian'ny nahalatsahanan'ny Rindrin'i Berlin. Berlin ny renivohiny nanomboka tamin'ny taona 1991 hatramin'izao.

82 tapitrisa no isam-ponina tamin'ny taona 2007, ary izy no firenena be mponina indrindra ao anatin'ny Vondrona Eoropeanina.

Empira Jermanika Masina

Ny Empira Jermanika Masina na Empira Romana Masina ny Firenena Jermanika (Heiliges Römisches Reich Deutscher Nation amin'ny teny Alemana, Sacrum Romanorum Imperium Nationis Germanicæ amin'ny teny latina) dia firaisana ara-politika ny tany ny Eoropa Andrefana sy Ampivoany tamin'ny taona medievaly, ary etin'ny Mpitondra Romana Jermanika.

Tia hoe mpandovahàte hamaikanan'ny Empira Andrefana ny Karolinjiana nanjavina tamin'ny taonjato faha 10, ary tia koa izy hoe mpandovahâte hamaikana ny Empira Romana talohan'ny Empira Karolinjianina. Tamin'ny fitondran'i Barbarosa ny mpamaritra anarana Masina no nisy (1157).

Amban'ny dinastia ny Otonianina tamin'ny taonjato faha 10 ny Empira nanomboka nisy, avy amin'ny Fransia Atsinanana Karolinjianina. Ilay fitenenina Sacrum imperium nisy tamin'ny taona 1184, ary niasa foana tamin'ny 1254. Ilay fanampiny Deutscher Nation (Nationis Germanicæ amin'ny teny Latina) nipetraka tamin'ny taonjato faha 15. Ny fivelaran'ny faritan'ny Empira Masina nisolosolo foana tamin'ny taonjato manaraka tao, tamin'izy no nivelatra indrindra, ilay empira nivelatra amin'ny Eoropa Ampivoany sy Fariparitrin'ny Eoropa Antsimo

Eoropa Afovoany

Ny Eoropa Afovoany dia faritan' Eoropa eo anelanelan'ny Eoropa Atsinanana sy ny Eoropa Andrefana. Ny tenenina hoe Eoropa Afovoany dia tsy ilay afovoany ara-jeografian' Eoropa fa ny afovoany ara-tantara.

Ireo firenena azo sokajiana ao amin'ny faritan' Eoropa Afovoany dia ny Alemaina, ny Aotrisy, ny Hongaria, ny Polonia, ny Repoblika Tseky, ny Silaovenia ary ny Krôasia.

Ny Kroasia sy ny Romania koa tsindraindray dia sokajiana ao main'ny firenen' Eoropa Afovoany, ny Krôasia dia ao amin'ny faritan'ny Balkana. Araka ny OTAN, ny Romania dia lazainy fa firenena ao amin'ny faritra atsinanan' Eoropa, na dia, nohon'ny antony ara-tantara sy ara-kolontsaina, sokajian'ny tantarata ho ao amin'ny faritan'ny Balkana aza izy ; ny faritra andrefana sy atsimon'i Romania izao dia mety ho ao amin'ny faritany afovoan' Eoropa, noho ireo faritany tao amin'ny Empira Aostrô-Hongariana tamin'ny andro taloha.

Ny Alzasy ny Laoraina koa dia ao amin'ny faritan' Eoropa Afovoany, raha jerena ny fianjadiana ara-kolontsaina sy ara-tantara (amin'ny lafin'ny fiteny, ny fomba sns.).

Eoropa Avaratra

Ny Eoropa avaratra dia midika ny firenena any avaratr' Eoropa, manana ny kolontsaina ny ny fiteny skandinavy (Norvezy, Danemarka, Soeda sy Islandy) sy ny fiteny fennika (Finlandy sy Estonia). Amin'ny ankapobeny, ny Eoropa avaratra dia manonona ny ila avaratra an' Eoropa.

Fanjakana Mitambatra

Ny Fanjakana Mitambatra na Fanjakana Mitambatr'i Britaina sy Irlanda Avaratra, dia fanjakana mahaleotena ao Eoropa andrefana niorina tamin'ny 1801. Ireo fanjakana nanorina ilay Fanjakana Mitambatra dia i Britaina Be (Great Britain) (Englanda, Ekôsy, ary Valesa) sy i Irlandy Avaratra.

Sahabo 66,921,307 amin'ny 2019 ny mponina. Anglisy ny teny ofisiely. Renivohitra ny antanandehibe London.

Fiangonana katolika tatsinanana

Ny Fiangonana katolika tatsinanana dia fitambaran'ireo fiangonana any Atsinanana izay miombona amin'i Papa ao Roma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana (kopta, siriaka tandrefana, maronita, siriaka tatsinanana, bizantina, armeniana ary gezy). Atao hoe "Fiangonana mizaka tena" na "Fiangonana manana ny lalànany manokana" (latina: sui iuris) izy ireo ao amin'ny voambolana katolika, nefa heverina fa Fiangonana katolika feno sahala amin'ny Fiangonana latina. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy Fiangonana ortodoksa izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana grika katolika" na "Fiangonana katolika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin'ny fomban'ny Kristianisma ortodoksa an'ny Fiangonana katolika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian'ny Papa ihany no tsy maha Ortodoksa azy ireo.

Isan'ny Fiangonana katolika tatsinana ny Fiangonana katlika maronita, kopta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiopiana. Tsy any Atsinana sy ao Eoropa Atsinanana ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka ireo am-pielezana ka misy any Amerika sy Oseania ary Eoropa Andrefana koa.

Fiangonana ortodoksa tatsinanana

Ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana na Fiangonana ortodoksa katolika izay fantatra indrindra amin'ny anarana fohy hoe Fiangonana ortodoksa dia fiangonana faharoa, raha ny hamaron'ny mpino ao aminy no jerena. Iray amin'ireo fiangonana tranainy indrindra izy. Fiombonam-piangonana ortodoksa maromaro izay samy niorina araka ny Kosily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan'ny konsily fito" izy. Ny ankamaroan'ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana dia hita ao Eoropa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy. Ahitana mpivavaka ortodoksa koa ny tapany atsinanan'i Mediteranea sy ao Afrika. Vitsy dia vitsy ny mpino ortodoksa any Atsinanana Afovoany noho ny fisian'ny fanenjehana. Amin'izao fotoana izao dia miisa 250 000 000 any ho any ny mpino ortodoksa maneran-tany.

Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana

Ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana dia ny vatana mpampihatra ao amin'ny Firenena Mikambana. Nofaritana ho manana andraikitra amin'ny fitazomana ny fandriam-pahalemana ary ny filaminana iraisam-pirenena izy io araky ny Dinan'ny Firenena Mikambana ary manana fahefana manokana toy ny fitazomana ny fandriampahalemana, ny fametrahana sazy iraisam-pirenena ary ny fanomezan-dalàna hanafika.

Frantsa

Frantsa na Repoblika Frantsay (amin'ny teny frantsay: République Française) dia firenena mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeana. Any Eoropa andrefana no misy azy. Manana zanatany maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin'izy ireo dia i Guyane Française.

Ny renivohiny, Paris, dia anisan'ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan'ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-belarana 675 417 km2 i Frantsa raha isaina ny fivelaran'ny zanatany. Ny isan'ny mponiny dia miisa 65,1 tapitrisa tamin'ny 1 Janoary 2009.

Ny teny frantsay no tenim-pirenenan'i Frantsa. Kanefa ny teny hafa tenenina any frantsa dia miisa dimy ambin'ny folo raha isaina ny teny tenenin'ny vahiny. Any Frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian'i Repoblika Demokratikan'i Kongo.

Ny fiangonana any Frantsa dia fiangonana katôlika, 51-64 isan-jaton'ny Frantsay no vita batemy. Fa milaza ho agnôstika ny 32 isan-jaton'ny Frantsay, ary mitovy isa ny isan'ny tsy mpino.

Ny endriky ny toe-karenan'i Frantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan'ny firenena teo aorian'ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin'ny torkareny. Fa tamin'ny 1980, nisy fanavaozana be dia be natao mba hivarotana ny orinasam-panjakana amin'ny tsy miankina. Tamin'ny 2008, i Frantsa no firenena matanjaka fahadimy eo an-tany, eo i Etazonia, i Japana, i Sina ary i Alemaina.

Galia

I Galia na Gaola dia faritra tao Eoropa Andrefana nonenan'ny vahoaka seltika sy vahoaka akitaniana, izay mahafaoka an'i Frantsa, i Luxembourg, i Balzika ny ampahany lehibe amin'i Soisa, ny tapany avaratr'i Italia ary faritra maro amin'i Holandy ary amin'i Alemaina: ny lemaka andrefan'ny renirano Rhin. Mahatratra eo amin'ny 494 000 km2 eo ny velarany.

Indonezia

Indonezia, na Repoblikan' Indonesia (amin'ny fiteny indonezianina Republik Indonesia), dia firenena eo anelanelan-kontinentan' Azia Atsimo Asinanana sy Oseania. Ny firenena Indonezianina dia tamba-nosy manana nosy 17 500, io no tamba-nosy lehibe ary mivelatra indrindra eto an-tany. Ny isam-poniny dia 240 tapitrisa mahery, firenena fahefatra be mponina indrindra i Indonezia ary firenena mozilmana voalohany indrindra amin'ny lafin'ny isan'ny mpino. Ny Indonezia dia Repoblika Demokratika tsy manana fivavaham-panjakana. Jakarta no renivohi-pirenena ary anisan'ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany.

Tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K., ny tamba-nosy indonezianina dia faritany anjadian'ny kolontsaina hindoista avy any India ary ny kolontsaina avy any avarany. Ny lehiben'ny tanàna-fanjakàna eo amin'ny morontsiraka indonezianina dia nisafidy ny endrika ara-kolontsaina sy ara-pinoana ary ara-politika indianina (hindoa). Ary hatry ny taonjato faha valo, nikisaka tany amin'ny fanjakan'i Srivijaya, fanjakana iray lehibe nisy tao atsimon'i Nosy Somatra, ny afovoan'ny fifandraisan'i Azia Atsimo sy Atsinanana. Teo Java indray dia nivoatra ny kolontsain'ny mponina mpamboly vary (noho ny fisian'ny fanjakana ary ny fianjadian'ny haifomba Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangam-batom-pinoana. Teo no fanombohan'ny taona klasika indonezianina.

Ny lakandranon'i Melaka dia lasa toerana be mpandeha sambo satria mankeo ny ankabeazan'ny landy hovarotana any Azia Andrefana sy any Eoropa. Ny tamba-nosy Indonezianina dia mampiharo amin'ny fanaparitahana iraisam-pirenena anjakazakan'ny mpivarotra mozilmana. Mivadika slamo hatrany ny pritsin'ny seranana.

Tamin'ny taonjato faha-16, tamin'ny taonan'ny Fahitam-baovao tany Eoropa Andrefana noho ny fahitana kaontinenta vaovao, hitady lalana hankany Azia Atsimo sy Atsinanana ny hery am-pihariankarena eoropeana, mitady ny lalana hahafahany mividy episy ny eoropeana. Tamin'ny 1511, resin'ny sambo portogey ny Malay tao Melaka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ka toraka noho izany ny fivarotana landy sy episy. Ny Holandey no nandresy ny Portogey tao Melaka tamin'ny 1605 ary nanomboka nozanahan'ny Holandey i Indonezia nanomboka tamin'io taona io. Taona amam-polony tety aoriana, nanomboka nanjanaka nipetraka tany amin'ny Nosin'i Java ny Holandey ary nataony ho renivohitra ny tanànan'i Jayakarta, novainy anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pifandimbiasan'ny fanjakan'i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin'ny mpanjanatany holandey. Tamin'ny taonjato faha-19, manomboka ny fitsentsefana ara-toekarena ataon'ny mpanjanatany holandey, ary mametraka ny lalàny eo amin'ny tamba-nosy. Ka nipoitra tamin'ny taonjato faha-20 ny fihetsehan'ny olona tia tanindrazana. Tamin'ny 1945, i Sukarno ary i Mohammad Hatta dia niady ary nanambara ny fahaleovantenan' Indonezia. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin'ny 1945 ka politika sosialista no nataony ka nihanahantra dia nahantra ny indonezianina tamin'ny taona 1950. Teo aorian'ny zava-nitranga tamin'ny 1965-1966, naka ny fahefana i Suharto. Nandritry ny fanjakany, nisy ny fivoarana ara-toe-karena, fa nampitodika ny Indonezia tany amin'ny demokrasia ny fialan'i Suharto tamin'ny 1998.

Magreba

Ny Magreba, na Maghreb (amin'ny teny arabo al-Maghrib, amin'ny teny berbera Tamazgha) dia faritany any Afrika Avaratra eo anelanelan'ny ranomasina Mediteranea, ny Sahara ary ny ranomasimbe Atlantika.

Ny mpanjanatany arabo voalohany tonga teo amin'io faritany io dia nanonona io faritany io Jazirat al-Maghrib. Ankehitriny. Ny Magreba dia mivondrona ny Tonizia, ny Aljeria ary ny Maroka. Ankehitriny, mba tsy hifangaro, lazaina hoe Magreba kely ny na Magreba Anivo ny firenena telo mala ny saikanosy atlasianina any Afrika Avaratra. Ao amin'ny Magreba Be dia misy ny Maoritania, ny Sahara Andrefana ary ny Libia.

Ny velarantanin'ny Magreba dia 5 tapitrisa kilometatra efa-mira voazara eo anelanelan'ny dobo Mediteraneanina sy ny faritany Saharianina. Ny tanimatin'i Sahara dia maka ny ankabeazan'ny Magreba. Ny isam-ponina ao Magreba dia misy 73 tapitrisa mponina, eo amin'ny amorontsiraka, be latsakorana kokoa, ny ankabeazan'ireo 73 tapitrisa ireo. Betsaka ny harena an-kibon'ny tany toy ny fôsfaty sy vy ary ara-angôvy (etona sy solitany).

Ny Magreba dia mandritry ny arivo taona mahery vondrona ara-jeôgrafia, fa tsy ara-piteny (betsaka n fiteny ao : ny fiteny arabo sy berbera). Samihafa amin'ny sisan'ny tontolo arabo sy afrikanina izy noho ny fahasamihafana ny fiavian'ny mponiny ary noho izany, ny kolontsainy. Na dia mifanalavitra aza ny Maghreb sy ny Machrek, ny teny arabo sy maha-silamo no mamatotra ireo tontolo roa irao. Ny tantarany ankehitriny dia voakasiky ny fanjanatany frantsay, italianina, espaniola ary italianina. Ny Eoropa Andrefana koa manana fianjadiana eo amin'ny Magreba, ary mbola betsaka nohon'ny fianjadian' Eoropa any Atsinanan'i Mediteranea ny fianjadiany eo Magreba.

Nederlandy

Ny Nederlandy dia firenena any Eoropa Andrefana. Mihoatra ny 17 tapitrisa ny olona miaina ao. Ho any avaratra sy andrefan'ny Nederlandy dia ny Ranomasina Avaratra. Ny any atsinanana dia ny Alemaina ary any atsimo dia Belzika. Ny Nederandy dia iray amin'ireo firenena izay nanomboka ny Vondrona Eoropeana. Olona izay miaina any Nederlandy dia antsoina hoe "Anarana". Ny fitenin'ny Nederlandy antsoina koa hoe Holandey. Ny tena renivohitry ny Nederlandy dia Amsterdam. Izany anefa, dia tsy ny toerana izay misy ny governemanta mipetraka. Amin'ny Antenimeram-Pirenena (ao amin'ny fiteny nerlandey: 'Tweede Kamer') dia any La Haye.

Neo-ortodoksia

Ny neo-ortodoksia na teolojia dialektika dia firehana ara-teolojia ao amin'ny protestantisma izay nandroso taorian'ny Ady Lehibe Faharoa. Mampiavaka azy ny fanoherana ny fampianaran'ny teolojia liberaly tamin'ny taonjato faha-19 sy ny fanamafisana ny fahefan'ny fampianaran'ny Reformasiona izay nihalefy hery nanomboka tamin'ny taonjato faha-18, indrindra tao Eoropa Andrefana. Ny teolojian'ny pastora soisa roa lahy Karl Barth sy i Heinrich Emil Brunner no santionan'izany teolojia neo-ortodoksa izany. Tsy azoazon'izy ireo anefa ny iantsoana azy hoe "neo-ortodoksa" satria tsipahiny ny foto-pampianarana momba ny fandraisana ara-bakiteny ny Baiboly, izay antsoina indraindray hoe "ortodoksia". Ao Etazonia dia i Karl Paul Reinhold Niebuhr no nitarika ny neo-ortodoksia.

Ranomasina Mediteranea

Ny Ranomasina Mediteranea dia ranomasina any atsimo andrefan'i Eorazia, ary ranomasina any avaratr'i Afrika. Ny halavany avy any andrefana hatrany atsinanana dia misy 4 000 km kilometatra, ary 1 800 km ny halalany.

Ny ranomasina Mediteranea dia manasaraka ny kontinenta Afrikanina sy ny kontinenta Eoropeanina. Ny andilan-tanin'i Suez fotsiny ny tany ifandraisan'i Afrika sy ny kontinenta Eorazianina. Ny andilan-drfanomasin'i Gibraltar dia manasaraka an'i Espaina sy i Afrika Avaratra, 14 kilometatra monja ny halaviran'i Afrika avaratra sy i Eoropa Andrefana.

Ny anarana Mediteranea dia midika "ranomasina eo anivon'ny tany", na mare medi tera amin'ny teny latina (araka an'i Isidora avy any Sevila tamin'ny taonjaoto faha 7).

Nandritra ny Andro Taloha, ny ranomasina Mediteranea dia lalan'ny sambo sy lalan'ny entan-barotra, ahafahan'ny fifandraisana ara-barotra sy ara-kolontsaina eo amin'ny mponina mipetraka manodidina an'i Mediteranea - ny kolontsain'i Mezôpôtamia, i Ejipta, ny kolontsaina semitika, persana, fenisianina, kartajinianina, grika ary romana. Ny tantaran'i Mediteranea dia zava-dehibe amin'ny fiaviana sy ny fivoaran'ny haifomba any Andrefana.

Soeda

Ny Soeda (Sverige), na fanjakan'i Soeda (Konungariket Sverige ; AAI : [ˈko:.nɵ.ŋa.ˌri:.kət ˈsvær:.jə]), dia firenena ao Eoropa avaratra ao amin'ny faritanin'i Skandinavia. Ny renivohiny dia Stockholm, ny isam-poniny dia 9 223 766 tenenina hoe soedoa. Ny teny tenenina dia ny fiteny soedoa. Ny fiteny finoa sy ny fiteny sami koa dia tenenina, indrindra any avarany. Misy matetika ny fitenim-paritra.

Ny Soeda dia mizara sisintany amin'i Finlandy any avaratra atsinanana, amin'i Norvezy any avaratra sy any andrefana ary amin'i Danmarka any atsimo.

Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeanina ny Soeda hatra ny 1995, fa tsy ao amin'ny faritra euro izy.

Miaraka amin'ny velarantaniny 449 967 km2, ny Soeda dia firenena fahatelo ngeza indrindra any Eoropa Andrefana. Ny hakitroky ny mponina any Soeda dia kely raha oharina amin'ny hakitroky ny mponin'ny firenena manodidina azy ; ankoatran'ny tanàna sy ny faritra manodidina azy ireo, ny hakitroky ny mponina dia latsaky ny 4,3 mponina/km2. 84%-n'ny soedoa no miaina any an-tanàna kanefa 1,3%-n'ny velarantany tontaliny fotsiny ny tontalin'ny velarantanin'ny tanàna rehetra. Manan-danja amin'ny mpanao pôlitika sy ho an'ny ankabeazan'ny mponina ny olana mikasika ny tontolo iainana.

Ny Soeda dia hatra ny ela mpamoaka vy, varahina ary hazo. Ny fivoarana ara-indostria sy ara-toe-karena dia nanomoka tamin'ny taona 1890, nahafahan'ny soeda nivoatra, ary manana toerana tsara ao amin'ny filaharana eoropeanina momban'ny IDH. Ny Soeda dia manana ranomamy be dia be eo amin'ny tany, fa tsy ampy solitany sy angôvo fosily (énergie fossile) izy toy ny solitany na ny arintany.

Ny Soeda ankehitriny dia avy amin'ny Vondron'i Kalmar, noforonina tamin'ny 1397. Nataon'i Gustav Vaasa ho tokana ilay firenena tamin'ny taonjato faha 16. Tamin'ny taonjato faha 17, nahazo tany vaovao ny Soeda. Ary mitsangana ny Empira Soedoa. Fa, ny ankabeazan'ny tany nahazoany dia tsy maintsy navela tmain'ny taonjato faha 18. Tamin'ny fitombohan'ny taonjato faha 19, ny Finlandy sy ny tany hafa ny ho very. Tao aorian'ny adiny farany, tamin'ny 1814, miadana ny Soeda, tsy mitandahatra rehefa misy fandriampahalemana, ary tsy mitongilana rehefa misy ady.

Araka ny famantarana ny Demôkrasian'i The Economist, ny Soeda dia tamin'ny 2008 ny firenena demokratika indrindra teto an-tany, miaraka amin'ny famantarana 9,88/10.

Tarehin-tsoratra latina

Ny tarehin-tsoratra latina na dia tarehin-tsoratra avy amin'ny abidy latina. Litera ao amin'ny tarehin-tsoratra latina no mamorona ny abidy malagasy amin'izao fotoana izao. Mampiasa ireo tarehin-tsoratra ireo hamoronany ny abidiny ny fiteniny ny ao Eoropa Andrefana sy Eoropa Avaratra ary Eoropa Afovoany. Mampiasa azy koa ireo firenena ivelan'i Eoropa indrindra ireo firenena nozanahin'ny Eoropeana, isan'izany ny ao Amerika Avaratra sy Atsimo sy ny ao Afrika ary ny ao Oseania. Ireto avy ny litera fototra ao amin'ny vondron-tarehin-tsoratra latina amin'ny endriny soramadinika: a - b - c - d - e - f - g - h - i - j - k - l - m - n - o - p - q - r - s - t - u - v - w - x - y - z. Tamin'ny taona 2002 dia ny 39%n'ny mponina maneran-tany no mampiasa ny tarehin-tsoratra latina .

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.