Edoma

I Edoma dia anaran'ny firenena tao atsimon'ny Ranomasina Maty ao amin'ny tapany atsimon'i Israely sy Jordania ankehitriny. Araka ny Baiboly dia taranak'i Esao (izay antsoina hoe Edoma koa) ny mponin'i Edoma izay atao hoe Edomita, dia i Esao izay lahimatoan'i Isaka sady kambana tamin'i Jakoba razamben'ny Israelita.

Toy ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy dia nipoitra tamin'ny Andron'ny Vy ny Fanjakan'i Edoma[1] ka naharitra hatramin'ny taonjato faha-8 sy faha-6 tal. J.K.

I Edoma sy i Israely dia samy tao Palestina tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. ka i Edoma tao atsimon'i Israely sy Moaba.

Tsy nifanaraka i Edoma sy ny firenena hafa nanodidina azy fa niady matetika niady tamin'ny Fanjakan'i Jodà sy tamin'ny Fanjakan'i Moaba. Mety nanana mpanjaka talohan'i Israely i Edoma, nefa teo anelanelan'ny taonjato faha-10 sy faha-6 tal. J.K. dia nanjakan'ny Fanjakan'i Israely na ny an'i Jodà matetika izy.

Ny Boky voalohan'ny Mpajaka ao amin'ny Baiboly dia miresaka ny amin'ny andriandahy edomita atao hoe Hadada izay nataon'ny mpanjaka Davida sesitany sady niady tamin'ny mpanjaka Solomona taty aoriana amin'ny fifehezana ny lalana mankany amin'ny seranan'i Eilata sy mankany amin'ny toeram-pitrandraham-barahina ao[2].

Tamin'ny vanimpotoana najakazakan'ny Asiriana sy ny Babiloniana no tena nampamirapiratra ny Edomita[3]. Tamin'ny tapany faran'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nanjaka tao amin'ny tapany atsimon'i Palestina i Edoma. Io no atao hoe Idomea tamin'ny fotoana nampatanjaka ny kolontsaina grika (helenika). Avy ao Idomea i Heroda Lehibe izay nanapaka tao Jerosalema taty aoriana.

Kingdoms around Israel 830 map
Ireo fanjakana tany Atsinanan Akaiky tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K. (Io miloko mavo io ny Fanjakan'i Edoma).

Tantaran'i Edoma

I Edoma dia vahoaka nonina tao amin'ny tany efitra hita teo anelanelan’ny Ranomasina Maty sy ny Helodranon'i Akaba. Ny Baiboly dia milaza fa taranak'i Abrahama ny Edomita amin’ny alalan’i Edoma (hebre: אדם / Adom, midika hoe "mena") izay fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Esao ilay rahalahin'i Jakoba zanak’i Isaka zanak’i Abrahama (Gen. 25.19-30). Indraindray ao amin'ny Baiboly dia atao hoe Seira koa i Edoma[4].

Araka ny lahatsoratra egiptiana (papiry Anastasi VI tamin’ny faran’ny taonjato faha-13 tal. J.K.), ny Edomita dia vahoaka mpivezivezy[5] tao amin’io faritra io mba hampihinana ny biby fiompiny hatrany amin’ny vinanin-dranon’i Nily[6] [7].

I Edoma teo anelanelan'ny taonjato faha-14 sy faha-7 tal. J.K.

Araka ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 36.32-39) dia misy foko maromaro io fanjakana io ka ny mpanjaka dia fidina mifandimby avy amin’ireo foko ireo.

Tamin’ny fivoahan’ny Zanak’i Israely avy any Egipta dia nisakana ny fandalovan’izy ireo ny Edomita (Nom. 20. 14-21) ary taty aoriana dia azon’i Davida ny tanin’ny Edoma (2Sam. 8.13-14) rehefa niady tamin’ny Edomita; nefa ny andriandahy Hadada dia afaka nandositra tany Egipta ka nahazo fanohanana tamin’ny farao tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny andron'i Solomona dia nametraka indray ny fanapahany tao amin’ny tapany atsimon’ny Fanjakan’i Edoma i Hadada (1Mpanj. 11.14-15). Tamin’ny taonjato faha-9 tal J.K. dia nikambana tamin’ny mpanjakan'i Israely sy tamin’ny mpanjakan'i Joda ny mpanjakan'i Edoma mba hiady amin'ny fikomian'ny mpanjakan'i Moaba (2Mpanj. 3.4-9).

Taorian'io fikambanana izay tsy nahomby io dia niala tsikelikely tamin’ny vahohon’i Joda ka naka indray ny seranan'i Eilata ny Edomita (2Mpanj. 8.20-22), ka nifehy ny lalana mankany Aravà[8]. Ny mpanjakan'i Joda atao hoe Amasia (2Tant. 25.11-12) sy i Ozia (atao hoe koa Azaria na Azariasa) (2Mpanj. 14.22) dia nandroaka ny Edomita ka naka an'i Eilata indray. Azon’ny Edomita ihany tamin’ny farany io tanàna io tamin’ny andron’ny mpanjaka Ahaza (2Mpanj. 16.6) ka nandroso dia nandroso ny fanjakan’i Edoma sady nanana tafika matanjaka taorian’izany fotoana izany.

Maro ireo mpanjaka Edomita nalaza ka isan’ireny i Kosmalaka sy i Aiaramo ary i Kosgabry[6].

I Edoma teo anelanelan'ny taonjato faha-7 – volohany tal. J.K.

Tamin’ny tapany farany amin’ny taonjato faha-7 tal. J.K. dia nandray anjara niaraka tamin’i Joda sy i Moaba tamin’ny fanoherana ny Babiloniana (Jer. 27.3) i Edoma nefa nivadika tamin’ireo fanjakana niaraka aminy izy ireo fotoana kely taty aoriana ka naka ny faritr’i Negeva sy ny faritra atsimon’ny tendrombohitr’i Joda (taona 597 tal. J.K.)[9]. Taorian’ny fahazoan’ny Babiloniana an’i Jerosalema dia lasa tanàn’ny Edomita i Hebrona sy i Lakisy ary i Maresa[6] [10]. Tsy naharitra anefa izany fanitaram-panjakana izany: tsy nahaleo tena intsony ny fanjakan’i Edoma fa nitambatra tao amin’ny fiombonam-poko arabo notarihin’ny mpanjakan'i Kedara[6].

Taty aoriana dia nahatafidirana tao amin’ny Fanjakana nabateana ny tanin’ny Edoma alohan’ny haha lasa isan’ny faritanin’i Jodea azy faha Joany Hirkàna tamin’ny taona 109 tal. J.K. Fantatra tamin’ny anarana hoe Idomea[11] i Edoma tamin’izany izay lasa faritany nalaza noho izy nipoiran’ny fianakavian'ireo mpajaka atao hoe Heroda, indrindra i Heroda Lehibe (taona 37 – 4 tal. J.K.)[6].

Fiarahamonina sy kolontsaina edomita

Tanàna

Ny vahoaka tao Edoma dia vahoaka tambanivohitra. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-8 tal. J.K. dia nitombo izaitsizy ny mponin'i Edoma. Nisy tanàna madinika maro tsy voaro manda niforona[12]. Ny tanànan'i Botseira izay nirefy 8 ha eo no lehibe indrindra izay nahitana lapa sy tempoly[13]. Ny fitomboan'ny mponina haingana dia vokatry ny fisian'ny fitrandrahana varahina tao Aravà sy ny fisian'ny Asiriana ary ny varotra nataon'ny Arabo.

Fanjakana

Nisy ny fanjakà-mpanjaka mahaleo tena tokana nefa tsy fanjakana tena niray izany fa fiombonam-bondron'olona miara-miasa sy nanaja izany fanjakana tokana izany. Mifindrafindra monina ireo foko ireo ka nifampikasoka tamin'ny mponina tao amin'ny lohasahan'i Ber-Seba (na Ber-Seva) izay notadiavin'ny Fanjakan'i Joda hofehezina[14]. Izany endrika ara-pokon'ny fiarahamonina edomita izany dia naharitra hatramin'ny andro nampamirapiratra ny kolontsaina grika sy tamin'ny andron'ny Romana[15].

Mpanjaka

Ny anaran'ny mpanjaka edomita maro tamin'ny taonjato faha-8 sy faha-7 tal. J.K. dia fantatra tamin'ny sora-pandraka asiriana sy edomita[16] [17].

  • I Kôsmalka (izay midika hoe "mpanjaka i Kôsy", i Kôsy no anaran'ny andriamanitr'i Edoma), izay nandoa hetram-panompoana tamin'i Teglata Falasara III (taona 729 tal. J.K.) izay velona tamin'ny andron'i Ahaza (na Akaza) mpanjakan'i Joda[18];
  • I Aiaramo, izay nandoa hetram-panompoana tamin'i Senakeriba tamin'ny taona 712 tal. J.K. tamin'ny andron'i Hezekia (na Ezekiasa) mpanjakan'i Joda[19];
  • I Kôsgabara (izay midika hoe "mahery i Kôsy"), izay voaresaka ao amin'ny boky firaketan'i Asaradona tamin'ny taona 673-672 tal. J.K. izay niaina tamin'ny andron'i Manase mpanjakan'i Joda. Resahina izy amin'ny ady misesy voalohany nataon'i Asorbanipala tamin'i Egipta tamin'ny taona 667[20].

Mampiahiahy ny mpahay tantara ny anara-mpanjaka resahina ao amin'ny Baiboly, toa an'i Bela zanak'i Beora, i Jobaba, i Hasama, i Hadada, i Samla, i Saoly, i Baala Hanana (Genesisy 36.31; 1Mpaj. 11.14) ary mety ho vokatry ny fampifangaroana ny anarana hoe "Edoma" amin'ny hoe "Arama". Maro amin'ireo anarana ireo mantsy no anarana arameana sady tsy misy mikambana amin'anaran'andriamanitra edomita toa an'i Kôsy (Qôsh) izay fahita matetika amin'ny sora-tsokitra asiriana[21].

Fivavahana

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-8 tal. J.K. dia i Kôsy (arameana: קוס / Qôsh) no andriamanitry ny Edomita[22] ary nivavaka tamin'i Baala sy andriamanitra hafa sady mety nivavaka tamin'andriamanibavy koa izy ireo. Ny fivavahan'ny Edomita dia resahina ao amin'ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 25.14) nefa mety tsy tena mahalala ny fivavahana narahin'ny Edomita tany amin'ny taonjato roa talohan'ny nanoratana io boky io ny mpanoratra[23].

Jereo koa:

Loharano sy fanamarihana

  1. Lester L. Grabbe, Ancient Israel: What Do We Know and How Do We Know It?, Londres et , T&T Clark, 2007 (ISBN 978-0-567-03254-6), p. 96 et 97
  2. Tom Higham (dir.) et Thomas Evan Levy(dir.), The Bible and Radiocarbon Dating: Archaeology, Text and Science, 2005 (ISBN 978-1845530563), « Lowland and the High and Low Chronologies »
  3. Ephraim Stern, Archeology of the land of the Bible, volume II : The Assyrian, Babylonian and Persian Periods 732-332 BCE, 2001 (ISBN 978-0-300-14057-6), p. 275
  4. John R. Bartlett, "Edom", dans Eric M. Meyers (dir.), Oxford Encyclopaedia of Archaeology in the Near East, Oxford et New York, Oxford University Press, 1997 (ISBN 0-19-506512-3), p. 189
  5. Tom Higham (dir.) et Thomas Evan Levy (dir.), The Bible and Radiocarbon Dating: Archaeology, Text and Science (ISBN 978-1845530563), « Lowland and the High and Low Chronologies », p. 131
  6. 6,0 6,1 6,2 6,3 et 6,4 "Edom" in Encyclopædia Universalis 1996.
  7. André Lemaire, « Edom and the Edomites », dans André Lemaire et Baruch Halpern (dir.), The Books of Kings: Sources, Composition, Historiography and Reception, Leyde et Boston, Brill, coll. « Supplements to Vetus Testamentum », 2010 (ISBN 978-9004177291), p. 226
  8. Ephraim Stern, Archeology of the land of the Bible, volume II : The Assyrian, Babylonian and Persian Periods 732-332 BCE, 2001 (ISBN 978-0-300-14057-6), p. 269
  9. André Lemaire, « Edom and the Edomites », dans André Lemaire et Baruch Halpern (dir.), The Books of Kings: Sources, Composition, Historiography and Reception, Leyde et Boston, Brill, coll. « Supplements to Vetus Testamentum », 2010 (ISBN 978-9004177291), p. 238
  10. Lester L. Grabbe, A History of the Jews and Judaism in the Second Temple Period: Yehud: A History of the Persian Province of Judah, vol. 1, T&T Clark International, 2004 (ISBN 978-0567043528), p. 165
  11. Ny hoe Idomea dia fanagasiana ny anarana latina hoe Idumæa na Idumea izay fanoratana latina ny arana grikan'i Edoma hoe Ἰδουμαία / Idoumaía.
  12. John R. Bartlett, "Edom", dans Eric M. Meyers (dir.), Oxford Encyclopaedia of Archaeology in the Near East, 5 vol., Oxford et New York, Oxford University Press, 1997 1997, p. 190
  13. Bradley L. Crowell, "Nabonidus, as-Silaʿ, and the Beginning of the End of Edom", Bulletin of the American Schools of Oriental Research, no 348,‎ 2007, p. 75 à 88 (JSTOR 25067039)
  14. Piotr Bienkowski et Eveline van der Steen, "Tribes, Trade, and Towns: a new framework for the Late Iron Age in Southern Jordan and the Negev", Bulletin of the American Schools of Oriental Research, no 323,‎ 2001, p. 21-47 (JSTOR 1357590), p. 21-47
  15. Richard A. Horsley, "The expansion of Hasmonean rule in Idumea and Galilee: toward a historical sociology", dans Philip R. Davies et John M. Halligan (dir.), Second Temple Studies III: Studies in Politics, Class and Material Culture, Sheffield Academic Press, coll. « Journal for the study of the Old Testament / Supplement series » (no 340), 2002(ISBN 0-8264-6030-5) p. 145, p. 148, p. 152
  16. Jacques Briend et Marie-Joseph Seux, Textes du Proche-Orient ancien et histoire d'Israël, Les Éditions du Cerf, 1977 (ISBN 9782204011693)
  17. Ephraim Stern, Archeology of the land of the Bible, volume II: The Assyrian, Babylonian and Persian Periods 732-332 BCE, 2001(ISBN 978-0-300-14057-6), p. 268
  18. Jacques Briend et Marie-Joseph Seux, Textes du Proche-Orient ancien et histoire d'Israël, Les Éditions du Cerf, 1977 (ISBN 9782204011693), p. 104
  19. Jacques Briend et Marie-Joseph Seux, Textes du Proche-Orient ancien et histoire d'Israël, Les Éditions du Cerf, 1977 (ISBN 9782204011693), p. 119
  20. Jacques Briend et Marie-Joseph Seux, Textes du Proche-Orient ancien et histoire d'Israël, Les Éditions du Cerf, 1977 (ISBN 9782204011693) p. 128 et p. 132
  21. André Lemaire, "Edom and the Edomites", dans André Lemaire et Baruch Halpern (dir.), The Books of Kings: Sources, Composition, Historiography and Reception, Leyde et Boston, Brill, coll. « Supplements to Vetus Testamentum », 2010(ISBN 978-9004177291), p. 228
  22. E. A. Knauf, "Qôs", dans K. van der Toorn, B. Becking et P. W. van der Horst (dir.), Dictionary of Deities and Demons in the Bible, Leyde, Boston et Cologne, Brill, 1999 (ISBN 978-90-04-11119-6), p. 674 à 677
  23. Justin Kelley, "Toward a new synthesis of the god of Edom and Yahweh", Antiguo Oriente, vol. 7,‎ 2009, p. 270
Ahaza

I Ahaza na Akaza dia mpanjakan'i Jodà teo anelanelan'ny taona 735 sy 715 tal. J.K. Zanak'i Jotama izy. Izy no mpanjakan'i Jodà faha-12. I Hezekia na Ezekiasa zanany no nandimby azy.

Amaleka

I Amaleka dia lehilahy iray voalazan'ny Baiboly fa zanak'i Elifaza sy zafikelin'i Esao, araka ny hita ao aminan'ny Bokin'ny Tantara. Lohan'ny fokom-pirenenana edomita atao hoe Amalekita (na Amalesita) izy. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe עֲמָלֵק / Amalek izy.

I Timna no anaran-dreniny izay anabavin'i Lotàna avy amin'ny fokon'ny Horita (na Horeana) izay nanan-tany fonenana nikambana tamin'i Edoma. Ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy dia voatantara fa nanafika ny Zanak'i Israely (izay vao avy nivoaka an'i Egipta) tsy amin'antony ny Amalekita. Nandresy ny Amalekita rehefa nidina ny tanan'i Mosesy (na Moizy) izay nitazona tehina, fa ny Israelita notarihin'i Josoa (na Jôsoe) kosa no nandresy rehefa nakarina ny tanan'i Mosesy izay notazomin'i Hora sy i Aarona.

Amona (fanjakana)

I Amona dia fanjakana na firenena tamin'ny Andro Taloha tao Atsinanana Akaiky teo anelanelan'ny tany efitr'i Siria sy ny ony Jordana. Ny vahoak'i Amona dia atao hoe Amonita. Araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 19.38) dia taranak'i Bena Amy eanak'i Lota ny sady havana akaikin'ny Moabita.

Tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-6 tal J.K. dia nandroso ny sivilizasionan'ny Amonita. Ny tananan'i Rabata Amona no renivohitry ny moabita. Ny Israelita sy ny Amonita dia niady matetika. Tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-10 tal. J.K., araka ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam. 12.26-31), dia resin'ny mpanjaka Davida ka nandevoziny ny Amonita.

Tamin'ny taona 721 tal. J.K. taorian'ny faharavan'ny Fanjakan'i Israely dia nanorim-ponenana tao amin'ny atsinanan'ny ony Jordana ny Amonita. Ny Fanjakan'i Amona mahaleotena dia rava teo antenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taty aoriana dia nifangaro tao amin'ireo foko arabo ny Amonita.

Arama (faritra)

I Arama dia faritra tao avaratra-atsinanan'ny Atsinana Akaiky eo anelanelan'ny tangoron-tendrombohitr'i Libàna (na Libanona) sy ny ony Eofrata izay mifanandrify amin'i Siria ankehitriny. Atao hoe Arameana ny mponina tamin'io faritra io tamin'ny Andro Taloha tamin'ny taonjato faha-11 tal. J.K. hatram'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny fiteny arameana no fiteniny. Resahina ao amin'ny Baiboly ny faritr'i Arama.

Tamin'ny andron'ny Empira akadiana sy ny Empira someriana vaovao ary ny Empira asiriana taloha dia "Tanin'ny Amoro" no nahalalana azy satria ny Amorita no betsaka nonina tao. Tamin'ny andron'ny Empira asiniana vaovao sy ny Empira babiloniana ary ny Empira akemenida dia fantatra tamin'ny anarana hoe Ebera-Nary ny faritr'i Arama.

Bokin'i Amosa

Ny Bokin'i Amosa na Bokin'i Amôsy dia bokim-paminaniana ao amin’ny Baiboly hebreo (Tanakh) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Ao amin’ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika roa ambin’ny folo" izay ao amin’ny sokajy atao hoe "Mpaminany" io boky io. Mirakitra faminaniana ny amin’ny tsy fisian’ny fahamarinan’ny fiarahamonina tao amin’ny Fanjakan’i Israely sy ny ho setrin’izany, ny amin’ny fanamelohana ny fahotan’i Israely sy i Joda ary ireo firenana mpifanolo-bodirindrina aminy, ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra sy ny hamerenana indray ny fiadanan’i Israely aorian’izany ny boky. Mankalaza ny maha tsy hay tohaina an’Andriamanitra koa io boky io. Tamin’ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II (788-747) izay nampamirapiratra ny Fanjakan’i Isiraely nefa nisian’ny fangejana ny mahantra no nanambaràn’i Amosa (na Amôsy) ny hafatr’Andriamanitra. Nifanandrify amin’ny nanjakan’i Ozia (atao hoe koa Azaria) tany amin’ny Fanjankan’i Joda izany.

Bokin'i Malakia

Ny Bokin'i Malakia na Bokin'i Malaký dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Isan’ireo atao hoe Mpaminany madinika izy. Ahitana ireo tenin’ny mpaminany mahazatra toy ny fampahatsiahivana ny nifidian’Andriamanitra an’i Israely ho vahoakany, ny fahamasinan’Andriamanitra, ny fahamarinana ara-piaraha-monina ary ny tokony hanajana ny fanompoam-pivavahana. Ny hafatra eskatolojika ny amin'ny Andron'i Iahveh dia mikasika an’i Israely ihany fa tsy ny firenena rehetra. Miresaka misimisy momba ny fanambadiana koa ny Bokin'i Malakia.

Bokin'i Obadia

Ny Bokin’i Obadia na Bokin'i Abdiasa dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Iray amin’ireo atao hoe "mpaminany madinika" ao amin’ny Baiboly izy sady io boky io no fohy indrindra amin’ireo bokin’ny Testamenta Taloha satria tsy ahitana afa-tsy toko tokana misy andininy 21. Maminany i Obadia (na Abdiasa) ny amin’ny hitsaran’Andriamanitra ny Fanjakan’i Edoma izay harodana sy ny amin’ny famaliana izay hataon’i Israely amin’io fanjakana io. Nefa hihatra amin’ny firenena rehetra izany fitsarana izany any amin’ny andron’i Iahveh.

Bokin'ny Genesisy

Bokin'ny Genesisy na Bokin'ny Jenezy na Bokin'ny Genesý (izay hafohezina amin'ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý) no iantsoana ny boky voalohany ao amin'ny Baiboly. Mitantara ny famoronan'Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin'ny safodrano tamin'ny andron'i Noa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny Tilikambon'i Babela. Miresaka momba ireo Razamben'ny Israelita (patriarka) toa an'i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa koa io boky io.

Ny lovantsofina hatramin'izay dia milaza fa i Mosesy na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy izay isan'ny Pentateoka na ny Torah ao amin'ny Baiboly jiosy (na Tanakh), nefa ny fikarohana ankehitriny tsy miombon-kevitra amin'izany.

Bokin'ny Mpaminany 12

Ny Bokin’ny Mpaminany roa ambin’ny folo na Bokin’ny Mpaminany 12, dia boky na horonam-boky ao amin’ny Tanakh, Baiboly hebreo, izay voasokajy ao amin’ny Nevi’im aharonim, zana-tsokajin’ny Nevi’im ("Mpaminany") izay fizaràna faharoa ao amin’ny Tanakh manaraka ny Torah (fizaràna voalohany "Lalàna") sady arahin’ny Ketuvim (fizarana fahatelo farany "Soratra"). Atao hoe Trei Assar ("Mpaminany 12") ny fitambaran'izy ireo. Hita ao amin’ny Baiboly kristiana ireo boky ireo ao amin’ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika" izay ao amin’ny fizaràna fahefatra atao hoe "Mpaminany".

Bokin'ny Nomery

Ny Bokin'ny Nomery na Bokin'ny Fanisana na Bokin'ny Fivahiniana izay hafohezina amin'ny hoe Nomery na Fanisana na Fivahiniana dia boky fahefatra ao amin'ny Baiboly izay manohy ny tantara ao amin'ny Eksodosy (na Eksaody) momba ny fivezivezen'ny Israelita tao an-tany efitra notarihin'i Mosesy (na Moizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany Kanaana. Boky ao amin'ny Testamenta Taloha ny Nomery na Fanisana.

Esao

I Esao dia olona tantaraina ao amin'ny Baiboly. Zanak'i Isaka sy i Rebeka izy sady kambana tamin'i Jakoba. Tian-drainy kokoa izy nefa nivarotra ny fizokiany sady tsy azony koa ny tsodranon-drainy tokony ho azy noho ny hafetsen'i Jakoba. Nikasa ny hamono an'i Jakoba i Esao. Nefa tamin'ny fahalehibeazany dia nifindra fonenana izy sy ny ankohonany mbamin'ny biby fiompiny. Namela heloka an'i Jakoba ihany i Esao tamin'ny farany. Araka ny Baiboly dia atao hoe koa Edoma i Esao ka izy no voalaza fa razamben'ny Edomita.

Fahababoana tany Babilona

Ny fahababoana tany Babilona na fahababoana babiloniana na sesitany tany Babilona dia fotoana teo amin'ny tantaran'ny Jiosy izay nanaovana sesitany olona maro avy amin'ny Fanjakan'i Jodà rava ho any Babilona.

Taorian'ny ady tao Karkemisa tamin'ny taona 605 tal J.K., ny mpanjakan'i Babilona, Nebokadnetsara, dia nanao fahirano an'i Jerosalema, ka nampandoa "hetra" ny mpanjaka Joiakima (na Joakima). Nanda ny hanome haja an'i Nebokadnetsara i Joiakima tamin'ny faha-4 taona nitondran'i Nebokadnetsara, ka niteraka fahirano vaovao tamin’ny faha-7 taona nitondran'i Nebokadnetsara, izay nahafaty an'i Joiakima sy ny fanaovan-tsesitany ny mpanjaka Joiakina (na Joasina) sy ny tandapany ary ny hafa koa. Ny mpandimby an'i Joiakina, dia i Zedekia, sy ny olona hafa koa dia nasesitany tamin'ny faha-18 taona nanjakan'i Nebokadnetsara; nisy koa ny fanaova-tsesitany taty aoriana tamin'ny faha-23 taona nitondran'i Nebokadnetsara. Ny daty sy ny isan'ny fanaovan-tsesitany ary ny isan'ny natao sesitany voalaza ao amin’ny Baiboly dia miovaova. Ireo sesitany ireo dia niseho voalohany tamin'ny taona 597 tal. J.K. ka narakarahin’ny hafa tamin’ny taona 587.586 tal. J.K. ary tamin'ny taona 582/581 tal. J.K..

Taorian'ny fandavoan'ny mpanjakan'i Persia (Kirosy Lehibe) an'i Babilona tamin'ny taona 539 tal. J.K. dia nahazo alalana hiverina any Jodà (izay niova anarana ho Jodea) ireo Jiosy nasesitany . Araka ny Bokin'i Ezra (na Bokin'i Esdrasa) dia nanomboka tokony ho tamin'ny taona 537 tal. J.K. ny fanamboarana indray ny Tempolin'i Jerosalema. Izany zava-nitranga rehetra izany dia heverina ho zava-dehibe eo amin'ny tantaran'ny Jiosy sy ny kolontsainy sady nisy vokany lehibe tamin'ny fivoaran'ny jodaisma.

Misy fikarohana arkeolojika izay naneho fa tsy ny mponin'i Jodà rehetra tsy akory no nasesitany ary na dia noravana tanteraka aza i Jerosalema, nisy ampahany amin'i Jodà izay nonenan'olona nandritra ny fotoan'ny fahababoana. Ny fiverenana avy any am-pahababoana dia niandalana fa tsy indray mandeha, ary maro ireo olona nasesitany na ny taranany izay tsy niverina tany Jodà ka lasa razamben'ireo Jiosy irakiana.

Fanjakan'i Israely (Samaria)

Ny Fanjakan'i Israely na Fanjakan'i Samaria na Fanjakana Avaratra dia fanjakà-mpanjaka tao Atsinanana-Akaiky taloha izay naorin'ny Israelita tao amain'ny tapany avaratr'i Palestina tamin'ny Andron'ny Vy. Naharitra 200 taona io fanjakana io, izay nisy nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. sy rava tamin'ny taonjato faha-8 tal. J.K. (taona 930 - 720 tal. J.K.).

Ny mpahay tantara dia manome anarana azy hoe "Fanjakan'i Samaria" na "Fanjakana Avaratra" mba tsy hifangaroany amin'ny Fanjakan'i Jodà ao atsimo na ny Fanjakan'i Israely fony mbola nitambatra. Araka ny Baiboly dia nandimby ny Fanjakan'i Israely mitambatra sy ny an'i Jodà izy. Atao hoe "Efraima" koa izy indraindray.

Maro ireo tari-mpanjaka nifandimby nitondra tao amin'io fanjakana io. I Sikema no renivohiny talohan'ny nisafidianan'i Jeroboama an'i Tirtsa (na Tirza). Taty aoriana dia nanorina ny tanànan'i Samaria i Omry ka lasa renivohitry ny fanjakana io tanàna io hatramin'ny nanorenana azy ka hatramin'ny namaboan'ny Asiriana azy.

Tsy tena tsara ny filazan'ny Baiboly ny amin'ity fanjakana ity noho ny vahoaka nonina tao sy ny mpanjakany lazainy fa nanalavitra ny fampianaran'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fanompoan'izy ireo sampy. Lasan'ny Asiriana tamin'ny taona 720 tal. J.K. ny Fanjakan'i Israely.

Fanjakan'i Israely (mitambatra)

Ny Fanjakan'i Israely (mitambatra) na Fanjakana mitambatr'i Israely sy i Jodà dia fanjaka-mpanjaka naorin'ny Israelita tamin'ny taona 1050 tal. J.K. any ho any. Nandimby ny vanim-potoan'ny mpitsaran'i Israely io fanjakana io ka i Saoly (na Saola) no mpanjaka voalohany nanapaka azy.

Araka ny Boky voaolohan'i Samoela ao amin'ny Baiboly dia vokatry ny fanirian'ny Zanak'i Israely hanana mpanjaka sahala amin'ireo firenena hafa izay neken'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany Samoela no nampisy io fanjakana io (1Sam. 8).

Nivaky roa izany fanjakana izany taty aoriana ka ny avaratra dia ny Fanjakan'i Samaria fa ny atsimo kosa dia ny Fanjakan'i Jodà. Telo fotsiny ny mpanjaka nitondra an'io fanjakana io talohan'ny hizaràny roa, dia i Saoly sy i Davida ary i Solomona.

Fanjakan'i Jodà

Ny Fanjakan'i Jodà na Fanjakan'i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjaka-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin'ny Israelita tamin'ny Andron'ny Vy. Araka ny Baiboly dia teo anelanelan'ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian'io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin'ny Fanjakan'i Samaria (na Fanjakan'i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan'ny Fanjakan'i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan'i Samaria taorian'ny nahafatesan'i Solomona (Salômôna). Taorian'ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan'ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan'ny Babiloniana izy tamin'ny andron'i Nebokadnetsara II tamin'ny ady nifanaovan'i Egiptiana sy ny Babiloniana.

Idomea

I Idomea dia faritra tao atsimon'i Jodea (na Jodia) tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa, hatramin'ny tenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. ka hatramin'ny taonjato voalohany taor. J.K. Mivelatra avy any amin'ireo tendrombohitr'i Jodà mankany avaratr'i Negeva izy. I Idomea dia vokatry ny fihakelezana sy fikisahana mianavaratry ny tanin'ny Edoma taty aoriana ka ny mponina ao dia tsy natao hoe Edomita intsony fa Idomeana. I Heroda Lehibe, izay nanapaka an'i Jodea, dia mpanjaka idomeana.

Moaba (fanjakana)

I Moaba dia firenena iray tao Atsinanana Akaiky tamin'ny Andro Taloha izay hita teo atsinanan'ny Ranomasina Maty, ao amin'ny atao ankehitriny hoe Jordania. Vahoaka nifanakaiky amin'ny Hebreo ny Moabita. Lasa mpanompon'i Israely tamin'ny andron'i Davida sy i Solomona tamin'ny taonjato faha-11 sy faha-10 tal. J.K. Araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly dia nanorina fitoerana masina ho an'i Kamosy andriamanitry ny Moabita tao Jersosalema i Solomona.

Rahefa nahazo fahaeovan-tena indray i Moaba dia resin'ny mpanjakan'i Israely Omry tamin'ny taonjato faha-9. Lasa mpanompon'ny Asiriana ny Moabita, sahala amin'ireo fanjakana manakaiky ny Fanjakan'i Jodà, tamin'ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taorian'io dia nifangaro tamin'ireo vahoakan'ny firenena hafa ny Moabita ka tsy niavaka intsony.

Araka ny Bokin'i Rota sy ny Filazantsaran'i Matio dia vehivavy moabita i Rota razamben'ny mpaniaka Davida sy i Jesosy.

Obadia

I Obadia na Abdiasa dia mpaminanin'i Israely voaresaka ao amin'ny Baiboly. Niaro ny ain'ireo mpaminany hafa miisa 100 izay nenjehin'ny mpanjakavavy Jezebela izy nary aminany ny handravana an'i Edoma. Tamin'ny andron-dry Jeremia angamba no fotoana nahavelomany ka mety nahita ny fandravana an'i Jerosalema sy ny Tempoly voalohany tamin'ny fanafihan'i Nebokadnetsara tokony ho tamin'ny taona 600 tal. J.K. Nanan-karena i Obadia nefa nozarainy tan'ireo mpaminany mahantra izany. Nindram-bola misy zanany tamin'i Jorama zanaky ny mpanjaka Ahaba izy hamelomany an'ireo mpaminany ireo. Lazain'ny Baiboly ho nihoatra ny an'i Abrahama ny fatahoran'i Ahaba an'Andriamanitra. Ny lovantsofina jiosy dia manao an'i Obadia ho nanoratra ny Bokin'i Obadia.

Tendrombohitra Sinay (Baiboly)

Ny Tendrombohitra Sinay na Tendrombohitra Sinaia dia ilay tendrombohitra lazain'ny Baiboly fa nandraisan'i Mosesy (na Moizy) ny didy folo avy tamin'Andriamanitra. Indraindray io tendrombohitra io dia atao hoe Tendrombohitra Horeba amin'ny andininy sasany ao amin'ny Baiboly. Ao amin'ny saikanosy Sinay ao Ejipta no misy ilay tendrombohitra izay foronina tangoron-karambato avo dia avo sady mivelatra saika mameno ny velaran'ilay saikanosy. Roa ny tendrony miavaka ao atsimon'ilay saikanosy, dia i Jebel Hatharina sy i Jebel Musa ka ity farany ity no heverina araka ny lovantsofina fa ilay toerana an'i Mosesy ny didy folo.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.