Bokin'i Obadia

Ny Bokin’i Obadia na Bokin'i Abdiasa dia bokim-paminaniana ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Iray amin’ireo atao hoe "mpaminany madinika" ao amin’ny Baiboly izy sady io boky io no fohy indrindra amin’ireo bokin’ny Testamenta Taloha satria tsy ahitana afa-tsy toko tokana misy andininy 21. Maminany i Obadia (na Abdiasa) ny amin’ny hitsaran’Andriamanitra ny Fanjakan’i Edoma izay harodana sy ny amin’ny famaliana izay hataon’i Israely amin’io fanjakana io. Nefa hihatra amin’ny firenena rehetra izany fitsarana izany any amin’ny andron’i Iahveh.

Tissot Obadiah
Ny mpaminany Obadia, nataon'i James Tissot (1836-1902)

Fanoratana ny boky

Araka ny lovantsofina dia ny mpaminany Obadia (na Abdiasa) no nanoratra io boky mitondra ny anarany io. Mety tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-5 tal. J.K. no nanoratana ny boky, teo anelanelan’ny taona 587 sy 460 tal. J.K. Ny boky dia mety nosoratana taty aorian’ny Fahababoana noho ny andininy faha-11 hatramin’ny 14 izay miresaka ankolaka ny amin’ny naharavan’i Jerosalema tanteraka tamin’ny taona 586 tal. J.K.

Testamenta Taloha

Fizaràn’ny boky

Ny Bokin’i Obadia dia azo zaraina roa.

Hosazina i Edoma (1.1 – 1.15)

Taorian’ny faharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 587 tal. J.K., nandroba ilay fanjakana resy i Edoma. Lehibe dia lehibe ny alahelon’ny mpaminany Obadia tamin’izay. Hosazina i Edoma noho ny fitaka nataony tamin’ny Fanjakan’i Joda satria nandray anjara tamin’ny fandravana ny tanàna sy tamin’ny fisamborana ireo Israelita nila fialofana ny Edomita. Hampiharina amin’izy ireo, noho izany, ny maso solon’ny maso.

Ny andron'i Iahveh (1.16 – 1.21)

Manana endrika apokaliptika na eskatolojika io fizarana faharoa io satria miresaka ny amin’ny zavatra hiseho amin’ny andron’i Iahveh. Harodana i Edoma ka izany dia famantarana am-panoharana ny fitsarana sy ny sazy hampijalian’Andriamanitra ireo fahavalon’i Israely rehetra. Hanjaka ao Jerosalema renivohitr’izao tontolo izao Andriamanitra sy ny mpanjakan’i Israely.

Jereo koa :

Bokin'ny Mpaminany 12

Ny Bokin’ny Mpaminany roa ambin’ny folo na Bokin’ny Mpaminany 12, dia boky na horonam-boky ao amin’ny Tanakh, Baiboly hebreo, izay voasokajy ao amin’ny Nevi’im aharonim, zana-tsokajin’ny Nevi’im ("Mpaminany") izay fizaràna faharoa ao amin’ny Tanakh manaraka ny Torah (fizaràna voalohany "Lalàna") sady arahin’ny Ketuvim (fizarana fahatelo farany "Soratra"). Atao hoe Trei Assar ("Mpaminany 12") ny fitambaran'izy ireo. Hita ao amin’ny Baiboly kristiana ireo boky ireo ao amin’ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika" izay ao amin’ny fizaràna fahefatra atao hoe "Mpaminany".

Bokin'ny mpaminany (Baiboly)

Ny bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana dia fitambarana boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay inoan'ny Kristiana fa nosoratan'ny mpaminany nahazo tsindrimandry na fanilovana avy amin'Andriamanitra. Fanasokajiana ao amin'ny Baiboly kristiana io ka tsy tokony hafangaro amin'ny hoe Mpaminany (na Nevi'im) ao amin'ny Baiboly hebreo. Misy sokajy roa ny bokin'ny mpaminany, dia ny atao hoe "mpaminany lehibe" sy ny hoe "mpaminany madinika".

Fitsarana farany

Ny fitsarana farany fitsarana hataon'Andriamanitra ny zavatra noforoniny, indridra ny olombelona, any amin'ny fiafaran'ity tontolo ity, ka hanomezana ny valin'ny nataon'ny tsirairay sy ho androm-pifaliana ho an'ny mpino mahatoky, araka ny fampianaran'nhy ankamaroan'ireo fivavahana abrahamika sy ny fivavahana hafa koa.

Obadia

I Obadia na Abdiasa dia mpaminanin'i Israely voaresaka ao amin'ny Baiboly. Niaro ny ain'ireo mpaminany hafa miisa 100 izay nenjehin'ny mpanjakavavy Jezebela izy nary aminany ny handravana an'i Edoma. Tamin'ny andron-dry Jeremia angamba no fotoana nahavelomany ka mety nahita ny fandravana an'i Jerosalema sy ny Tempoly voalohany tamin'ny fanafihan'i Nebokadnetsara tokony ho tamin'ny taona 600 tal. J.K. Nanan-karena i Obadia nefa nozarainy tan'ireo mpaminany mahantra izany. Nindram-bola misy zanany tamin'i Jorama zanaky ny mpanjaka Ahaba izy hamelomany an'ireo mpaminany ireo. Lazain'ny Baiboly ho nihoatra ny an'i Abrahama ny fatahoran'i Ahaba an'Andriamanitra. Ny lovantsofina jiosy dia manao an'i Obadia ho nanoratra ny Bokin'i Obadia.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.