Bokin'ny Tantara

Ny Bokin’ny Tantara dia horonam-boky na boky ao amin’ny Baiboly jiosy (Tanakh), ka ny fizaràna azy ho roa no niavian’ny Boky voalohan'ny Tantara sy ny Boky faharoan'ny Tantara ao amin’ny Baiboly kristiana ankehitriny. Io boky io dia manazava ny antony nizaràn'ny firenen'i Israely ho roa ka niteraka ny Fanjakan’i Isiraely any avaratra sy ny Fanjakan’i Jodà any atsimo, ka atombony hatramin’ny famoronana an’i Adama izany ka mifarana amin'ny fahababoan'ny Jiosy sy ny fivereneny indray an-tanindrazana.

Ny anaran’ny boky sy ny fanoratana azy

Ny anaran’io boky tokana io amin’ny fiteny hebreo dia דִּבְרֵי־הַיָּמִים‬, / Divrei ha-Yamim, izay midika hoe "ireo teny (na asa) niseho tao amin’ireo andro". Ny mpisorona hebreo tao Jerosalema no heverin’ny mpandinika fa nanoratra ny Bokin'ny Tantara tany amin’ny taonjato faha-4 tal. J.K.

Ny anaran’io boky io ao amin’ny Septanta na Septoaginta (Baiboly tranainy amin’ny teny grika) dia hoe Παραλειπομένων / Paraleipomenon, izay midika hoe "zavatra navela". Nihevitra ireo mpandika teny tamin’izany fa nisy ny zavatra navela ka tsy voatantaran’ny Boky voalohany sy faharoan’i Samoela ary ny Boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka izay hita ao amin’ny Bokin'ny Tantara.

Ny anarana hoe Tantara dia fandikana ny teny anglisy hoe chronicles na ny teny frantsay hoe chroniques izay avy amin’ny teny latina hoe cronicon. Ao amin’ny heviteny amin’ny teny latina nataon’i Hieronimo (na Jerôma) avy any Stridona, ny lohaten’io boky io dia Cronicon totius divinae historiae, izany no nipoiran’ny anaran’io boky io amin’ny fiteny maro ao Eoropa (ohantra : lat.: Libri Chronicorum; fr. Livres des Chroniques; ang. : Books of Chronicles sns.). Ny teny grika hoe khronikon izay nahazoana ilay teny latina dia midika hoe "fanangonan-java-nitranga tantaraina araka ny fifanarakarahany ara-potoana nisehoany”.

Fizarànan’ny boky

Mizara roa ny boky araka ny hita amin’ny fisian’ny boky roa ao amin’ny Baiboly, dia ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’ny Tantara. Azo zaraina roa ny tsirairay amin’ireo fizaràna roa lehibe ireo.

Ny Boky voalohan'ny Tantara

Ity fizaràna voalohany ity dia manazava ny ny tantaran’ny Fanjakan’i Isiraely sy ny Fanjakan’i Jodà hatramin’ny famoronana an’i Adama. Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao, izay nanao an’i Jerosalema ho ivontoeran’ny fivavahana amin’Andriamanitra.

  • Ireo tetiarana hatramin’i Adama (1Tant. 1 – 9)
  • Ny fanjakan’i Davida (1Tant. 10 – 20)
  • Ny fanomanana ny fanorenana ny Tempoly (1Tant. 21 – 29)

Ny Boky faharoan'ny Tantara

Ity fizaràna faharoa ity dia manomboka amin’ny tantaranan’ny fanjakan’i Solomona na Salômôna. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa. I Hezekia (na Ezekiasa) sy i Josia (na Josiasa) no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.

  • Ny nanjakan’i Solomona (2Tant. 1 – 9)
  • Ny fivakisan’ny firenena sy ny fahababoana (2Tant. 10 – 36)

Jereo koa:

Abiama

I Abiama na Abia dia mpanjakan'i Jodà izay nandimby an'i Rehoboama (na Roboama) rainy tamin'ny taona 913 tal. J.K. I Asa zanany no nandimby azy rehefa maty izy tamin'ny taona 911. tal. J.K.

Amaleka

I Amaleka dia lehilahy iray voalazan'ny Baiboly fa zanak'i Elifaza sy zafikelin'i Esao, araka ny hita ao aminan'ny Bokin'ny Tantara. Lohan'ny fokom-pirenenana edomita atao hoe Amalekita (na Amalesita) izy. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe עֲמָלֵק / Amalek izy.

I Timna no anaran-dreniny izay anabavin'i Lotàna avy amin'ny fokon'ny Horita (na Horeana) izay nanan-tany fonenana nikambana tamin'i Edoma. Ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy dia voatantara fa nanafika ny Zanak'i Israely (izay vao avy nivoaka an'i Egipta) tsy amin'antony ny Amalekita. Nandresy ny Amalekita rehefa nidina ny tanan'i Mosesy (na Moizy) izay nitazona tehina, fa ny Israelita notarihin'i Josoa (na Jôsoe) kosa no nandresy rehefa nakarina ny tanan'i Mosesy izay notazomin'i Hora sy i Aarona.

Bokin'i Samoela

Ny Bokin’i Samoela dia boky ao amin’ny Baiboly hebreo (Tanakh) izay nosarahana roa ao amin’ny Baiboly kristiana ka nahazoana ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’i Samoela. Mitantara ny fanombohan’ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ny Israelita tany Kanana sy ny adiny tamin’ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny ny fahotana nataon’i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ny fitondrany sy ny fireneny. Resahin'io boky io koa na ny herin’ny mpanjaka Davida sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’izany rehetra izany. Nefa na dia tsy fanaperana ny toetr’i Davida dia tsy niala tamin’Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Yahweh izy.

Bokin'ny Mpaminany 12

Ny Bokin’ny Mpaminany roa ambin’ny folo na Bokin’ny Mpaminany 12, dia boky na horonam-boky ao amin’ny Tanakh, Baiboly hebreo, izay voasokajy ao amin’ny Nevi’im aharonim, zana-tsokajin’ny Nevi’im ("Mpaminany") izay fizaràna faharoa ao amin’ny Tanakh manaraka ny Torah (fizaràna voalohany "Lalàna") sady arahin’ny Ketuvim (fizarana fahatelo farany "Soratra"). Atao hoe Trei Assar ("Mpaminany 12") ny fitambaran'izy ireo. Hita ao amin’ny Baiboly kristiana ireo boky ireo ao amin’ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika" izay ao amin’ny fizaràna fahefatra atao hoe "Mpaminany".

Bokin'ny Mpanjaka

Ny Bokin'ny Mpanjaka dia boky ao amin'ny Tanakh izay isan’ireo bokin'ny mpaminany mitantara ny fanjakan’i Solomona sy ny nanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa. Asehony tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Voatantara koa ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana ny fahotan'ireo mpanjaka izay nitarika ny faharavan'ny Fanjakan’i Isiraely sy ny Fanjakan'i Joda. Ny fizaràna an'io boky io ho roa no nahazoana ny Boky voalohan'ny Mpanjaka sy ny Boky faharoan'ny Mpanjaka.

Boky Ezra-Nehemia

Ny Boky Ezra-Nehemia dia boky tokana tany aloha izay nanambatra ny Bokin'i Ezra sy ny Bokin'i Nehemia. Izany boky izany dia mirakitra ny tantaran’i Israely hatramin’ny andron’i Adama. Tsy nanasaraka ny boky roa ny dikan-teny grikan’ny Baiboly hebreo amin'ny teny grika atao hoe Septoaginta (na Septanta). Voasaraka izy ireo tamin’ny taonjato voalohany.

Boky faharoan'ny Tantara

Ny Boky faharoan’ny Tantara na Tantara faharoa dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin'ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma. Ampahany amin'ny boky nozaraina roa io boky io, dia ny Bokin'ny Tantara, ka ny tapany voalohany dia ny Boky voalohan'ny Tantara.

Manomboka amin'ny tantaranan'ny fanjakan'i Solomona ny boky. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa: Fanjakan’i Jodà any atsimo sy Fanjakan’i Israely any avaratra. Derain'ny mpanoratra ho ilay mpanjaka tonga lafatra i Solomona (na Salômôna) ao amin’ny boky. Voaresaka ao amin'ny Boky faharoan’ny Tantara fa ny vahoakan’i Israely dia vahoaka mpanota sady tsy niverina tamin’Andriamanitra. I Hezekia (na Ezekiasa) sy i Josia (na Josiasa) no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.

Boky voalohan'i Samoela

Ny Boky voalohan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny fanombohan’ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ny Israelita sy ny adiny tamin’ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny koa ny fahotana nataon’i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ny fitondrany sy ny fireneny.

Boky voalohan'ny Tantara

Ny Boky voalohan'ny Tantara na Tantara voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin’ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma. Ampahany amin'ny boky izay nozaraina roa io boky io – dia ny Bokin'ny Tantara – ka ny tapany faharoa dia ny Boky faharoan'ny Tantara. Ireo boky ireo dia manazava ny ny tantaran'ny Fanjakan'i Israely sy ny Fanjakan'i Joda hatramin'ny famoronana an'i Adama izay asehony amin'ny fomba hafa raha ampitahaina amin'ny voalaza ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka na dia misy tantara izay hita fa naverin'ny mpanoratra tantaraina.

Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao. Izy no nanao an'i Jerosalema ho ivontoeran'ny fivavahana amin'i Iahveh Andriamanitra. Deraina ho ilay mpanorina ny Tempoly izy na dia i Solomona zanany, raha ny marina, no tena nanatanteraka izany.

Ao amin’ny Boky voalohan'ny Tantara, i Davida dia aseho ho olona modely amin'ny fanompoana amim-pinoana sy fanajana an'Andriamanitra. Tamin'ny fotoana farany nanjakany dia nidera an’Andriamanitra izy teo anatrehan'i Israely manontolo ka nanao hoe :

"Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao". (1Tant. 29.10-12a) (Ny Baiboly)

Jeroboama I

I Jeroboama I dia ilay mpanjaka nanorina ny Fanjakan'i Israely (atao hoe Fanjakan'i Samaria koa) tao amin'ny tapany avaratry ny Fanjakan'i Israely taloha izay tafasaraka tamin'ny Fanjakan'i Jodà any atsimo, araka ny Baiboly. Nanjaka teo anelanelan'ny taona 931 sy 910 tal. J.K. izy. Niteraka fisarahana ara-pivavahana teo amin'ny fanjakana avaratra sy atsimo koa izany fisarahana ara-politika izany. Ao amin'ireo Bokin'ny Mpanjaka sy ireo Bokin'ny Tantara no iresahana misimisy kokoa ny momba azy. Isan'ny fokon'i Efraima izy.

Jese (rain'i Davida)

I Jese dia lehilahy voalaza ao amin'ny Baiboly fa rain'ny mpajaka Davida. Atao hoe יִשַׁי / Ishai ny anarany amin'ny teny hebreo. I Jese dia zanaka lahin'i Obeda zanak'i Boaza sy i Rota vehivavy moabita. Ao Betlehema no fonenany izay niompiany ondry maro. Nanan-janaka valo izy ka ny fito no fantatra anarana, araka ny Bokin'ny Tantara, dia i Eliaba, i Abinadaba, i Hama, i Natanaela, i Raday, i Ozema ary i Davida.

Nasain'ny mpaminany Samoela mba hizara ny henan'ny ondry nataony fanatitra tamin'Andriamanitra i Jese. Nandalo teo anatrehan'ny mpaminany ny zanaka lahin'i Jese mandra-pahitany izay hotondroiny ho mpanjaka ka hanosorany izany, ka i Davida ilay faralahy no voafidin'Andriamanitra.

Taty aoriana dia naniraka an'i Davida hitondra sakafo ho an'ireo rahalahiny isan'ny miaramilan'i Saoly miady amin'ny Filistina i Jese. Tamin'izany no nahatanteraka no namonoan'i Davida an'ilay Filistina goavambe atao hoe Goliata.

Napetrak'i Davida tany amin'ny mpanjakan'i Moaba vonjimaika ny ray aman-dreniny taty aoriana. Isan'ny olona lava andro iainana indrindra tamin'ny androny i Jese, nefa mety tsy nahita ny naha mpanjaka an'i Davida.

Ny firesahan'ny Baiboly taty aoriana ny anaran'i Jese dia miaraka foana amin'ny anaran'i Davida zanany. Izany no ahitana ny anarany ao amin'ny faminanian'i Isaia (na Izaia) manambara ny fiavian'ny Mesia, manao hoe: "

1 Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; [...] 10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra. (Isaia 11.1,10. ).

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Ketuvim

Ny Ketuvim na Ketubim ("soratra") dia fitambaran’ireo boky iraika ambin’ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin’ny Baiboly hebreo (na Tanakh).

Natàna (mpaminany)

I Natàna dia iray amin'ireo mpaminany tao amin'ny lapan'i Davida. Nanakiana an'i Davida izy tamin'ny nakan'i Davida vady an'i Batseba (na Betsabe) vadin'ilay miaramilany hitita na heteana), dia i Oria, sy ny nanaovany izay hahafaty an'ity tompom-bady ity. Niteraka korontana anatiny izany fahotan'i Davida izany. Ao amin'ny Boky faharoan'i Samoela (indrindra 2Sam. 7.2-17 sy 12.1-25) sy ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka ary ao amin'ny Bokin'ny Tantara no ahitana ny asa nataon'i Natàna.

Ofira

I Ofira dia seranan-tsambo na faritra resahina ao amin'ny Baiboly izay fantatra amin'ny filazana azy fa nanana harem-be, indrindra ny volamena. Voalaza ao amin'ny Baiboly fa naharay volamena sy hazo sarobidy sy vatosoa sy vangin'elefanta ary vorombola mameno sambo avy any Ofira isaky ny telo taona ny mpanjaka Solomona. Hatramin'izao dia tsy fantatra marina ny toerana eto amin'izao tontolo izao nisy an'i Ofira nefa maro ireo nandroso petra-kevitra nanondro faritra na firenena na tanàna izay heveriny ho nisy an'i Ofira: any Amerika, any Azia, aty Afrika sns.

Paska jiosy

Ny Paska jiosy na Paka jody izay atao hoe Pesa'h amin'ny teny hebreo dia fety lehibe amin'ny Jiosy izay ankalazana sy ahatsiarovana ny fialan'ny Zanak'i Isiraely avy tao Ejipta sy ny niampitan'izy ireo ny Ranomasina Mena teo ambany fitarihan'i Mosesy (na Moizy); izany dia voatantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ao amin'ny Baiboly. Ankalazaina isan-taona anatin'ny fito na valo andro manomboka amin'ny faha-14n'ny volana Nisana amin'ny filentehan'ny masoandro ny Paska jiosy na Pesa'h. Tsy afangaro ny Pesa'h sy ny Paska kristiana.

Rehoboama

I Rehoboama na Roboama dia mpanjakan'i Israely fony ity fanjakana ity mbola tsy nivaky taorian'ny nahafatesan'i Solomona (na Salômôna) rainy izy (taona 932 tal J.K.) ary lasa mpanjakan'i Jodà taorian'izany (nifarana tamin'ny taona 915 tal. J.K.). Izy no niteraka ny fisarahan'ny Fanjakan'i Israely ho fanjakana roa tsy nifanaraka, araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly. Resahina indrindra ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpanj. 12–14) sy ny Boky faharoan'ny Tantara (2Tant. 10–12) ny ady maharitra nifanaovan'ny fanjakan'i Jodà tarihin'i Rehoboama sy ny fanjakan'i Israely tarihin'ny mpanjaka Jeroboama.

Tanakh

Ny Tanakh, Tanak na Thanak izay atao hoe koa Baiboly hebreo dia fitambaran'ny boky mitovy amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta ka ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma).

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.