Bokin'ny Nomery

Ny Bokin'ny Nomery na Bokin'ny Fanisana na Bokin'ny Fivahiniana izay hafohezina amin'ny hoe Nomery na Fanisana na Fivahiniana dia boky fahefatra ao amin'ny Baiboly izay manohy ny tantara ao amin'ny Eksodosy (na Eksaody) momba ny fivezivezen'ny Israelita tao an-tany efitra notarihin'i Mosesy (na Môizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany Kanaana. Boky ao amin'ny Testamenta Taloha ny Nomery na Fanisana. Ny Bokin’ny Nomery ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny Torah, fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.

Figures A Plague Inflicted on Israel While Eating the Quails
Ny vay nahazo ny Zanak'i Israely nihinana papelika, nataon'i Gerard Hoet (1648-1733), 1728

Anarana sy sokajin'ny boky

Anaran'ny boky

Ny teny hoe Nomery dia avy amin'ny teny latina hoe Numeri, lohatenin'io boky io avy amin'ny teny grika hoe Αριθμοί / Arithmoi izay azo adika hoe "fanisana", izany hoe fanisam-bahoaka. Ny hoe Fanisana kosa dia fandikana amin'ny teny malagasy izany teny grika sy latina izany. Tsy ny fanisam-bahoaka loatra anefa no lohahevitra tena iompanan'io boky io. Ao amin'ny Tanakh izy dia atao amin'ny teny hebreo hoe ספר במדבר / Sefer Be-Midbar ("boky tany an-tany efitra") izay mifanentana kokoa amin'ny zavatra resahiny.

Sokajin'ny boky

Ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) dia boky ao amin'ny sokajy voalohany atao hoe Torah ny Sefer Be-Midbar, fa ao amin'ny Baiboly kristiana kosa dia isan'ny Pentateoka ny Bokin'ny Nomery na Fanisana.

Firafitry ny boky

Azo zaraina telo ny Bokin'ny Nomery:

Ireo roapolo andro farany tao Sinay

Ny fizaràna voalohany (Nom. 1.1 - 10.10) dia mirakitra ny fanisam-bahoaka natao, ny fandaminana ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely, ny sata manokan'ireo Levita, ny fanaovam-panatitra isankarazany, ny fankalazana ny Paska, ary ny fanambaràna ny fanohizana ny dia ho any Kanaana.

Nivezivezy sivy amby telopolo taona

Ity fizaràna faharoa ity (Nom. 10.11 - 21.35) dia mitantara ny fivahinian'ny Zanak'i Israely tao Kadesy, ny fandaminana ny asa'ireo Levita, ny fiaingana avy eo Kadesy, ny sakantsakana tao Edoma, ny nahafatesan'i Arona, ny amin'ilay menarana varahina, ary ny nandresena ny Amalekita sy ny nahazoana an'i Basàna.

Ny fahatongavana teo akaikin'i Kanana

Ny fizaràna farany (Nom. 22 - 36) dia mitantara ny fahatongavan'ny Zanak'i Israely teo amorony atsinanan'i Jordana, teo amin'ny tany Kanana, ireo lalàna isankarazany, ny amin'i Balama, ny ady tamin'ny Madianita, ny nanendrena an'i Josoa ho mpitarika, ary ny fomba hizaràna ny tany.

Jereo koa

Boky ao amin'ny Pentateoka:

Petra-kevitra momba ny fanoratana ny Pentateoka

Fizaràna hafa ao amin'ny Testamenta Taloha:

Bokin'ny Deoteronomia

Ny Bokin'ny Deoteronomia, Bokin'ny Deteronomy na Bokin'ny Deoterônômy, na Bokin'ny Dinampihavanana izay hafohezina amin'ny hoe Deoteronomia na Deteronomy na Deoterônômy na Dinampihavanana, dia boky fahadimy ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Taloha ary boky fahadimy sady farany ao amin'ny Pentateoka, izay manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksodosy, Levitikosy, Nomery). Ny Bokin’ny Deoteronomia ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny Torah, fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.

Bokin'ny Eksodosy

Ny Bokin'ny Eksodosy na Bokin'ny Eksaody dia boky faharoa ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay mitantara ny fanafahana ireo Hebreo (na Hebrio) avy any Ejipta sy ny fivezivezeny tany an-tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra Sinay.

Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io. Isan'ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly) ny Eksodosy. Ny Bokin’ny Eksodosy ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny Torah, fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.

Araka ny lovantsofina jiosy dia i Mosesy na Môizy no lazaina fa nanoratra ny Bokin'ny Eksodosy, na dia tsy misy soratra ao amin'io boky io izay milaza izany. Tsy misy mitazona izany hevitra izany intsony amin'izao fotoana izao ao amin'ny sehatry ny fikarohana, ary ny mpanao heviteny sy ny mpahay tantara dia mihevitra fa nampandrina an-tsoratra tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K. na taty aoriana kokoa aza ilay boky, na dia mety marina fa nifototra tamin'ny loharano tranainy kokoa ny mpanoratra.

Bokin'ny Genesisy

Bokin'ny Genesisy na Bokin'ny Jenezy na Bokin'ny Genesý (izay hafohezina amin'ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý) no iantsoana ny boky voalohany ao amin'ny Baiboly. Mitantara ny famoronan' Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin'ny safodrano tamin'ny andron'i Noa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian' Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny Tilikambon'i Babela. Miresaka momba ireo Razamben'ny Israelita (patriarka) toa an'i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa koa io boky io.

Ny lovantsofina hatramin'izay dia milaza fa i Mosesy na Môizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy izay isan'ny Pentateoka na ny Torah ao amin'ny Baiboly jiosy (na Tanakh), nefa ny fikarohana ankehitriny mitsipaka izany.

Ny Bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny Torah, fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.

Bokin'ny Levitikosy

Ny Bokin'ny Levitikosy na Bokin'ny Levitika na Bokin'ny Fisoronana izay hafohezina amin'ny hoe Levitikosy na Levitika na Fisoronana dia boky fahatelo ao amin'ny Baiboly, hita ao amin'ny Testamenta Taloha, izay miresaka sy mitantara ny amin'ny fanompoam-pivavahan'ny Israelita izay nankinina tamin'ny fokon'i Levy. Boky mitambatra ao amin'ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly) na ny Torah ny Levitikosy, isan'ireo atao hoe bokim-pisoronana na bokin'ny mpisorona.

Bokin'ny Olona Goavambe

Ny Bokin'ny Olona Goavambe dia boky apokrifa jiosy izay manitatra ireo fitantarana ao amin'ny Baiboly hebreo. Ny fahitana azy tao Komrano dia ahafaha-milaza fa nosoratana talohan'ny taonjato faha-2 tal. J.K. izy.

Io boky io dia mirakitra tantaran-javatra niseho talohan'ny Safodrano izay noraisina indrindra tao amin'ny literatiora manikeana sady fantatra tao Turpan. Na dia izany aza dia avy amin'ny dika mitovy arameanan'ny boky io tao amin'ny Ranomasina maty no nahafantarana ilay boky tamin'ny voalohany. Ankoatra izany dia ahitana famerenan-tsiahy avy ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 6.1-4) ao amin'ny Bokin'i Henoka ary fahitana ao amin'ny Bokin'i Daniela (Dan. 7.9-14) io boky io. Mitantara ny lasa sy ny hoavin'ireo Nefilima tao amin'ny Safodrano ilay boky.

Fokon'i Zebolona

Ny fokon'i Zabolôna na fokon'i Zebolona dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.

Josoa

I Josoa na Josoe na Jôsoe dia ilay lehilahy nanampy an'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fitarihana ny Zanak'i Israely avy any Ejipta hankany amin'ny tany Kanana sady lasa mpitarika an'io vahoaka io taorian'ny nahafatesan'i Mosesy. Izy no ataon'ny lovantsofina jiosy sy kristiana ho nanoratra ny Bokin'i Josoa (na Bokin'i Jôsoe). Ny mpitsara Otniela no mandimby azy teo amin'ny fitarihana ny Israelita.

Kanaana (faritra)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia faritra tao andrefan'i Jordana (na Jordany) izay resahina ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady anaran'ny razamben'ireo mponina tao amin'io firenena io koa ny hoe Kanana na Kanaana na Kanahana, ka izany no iantsoana ilay firenena hoe Tany Kanaana indraindray mba hiavahany amin'ilay razambe. Taty aoriana ny Tany Kanana dia niova anarana ho Palestina na Palestinina. Izy ilay tany nampanantenain'Andriamanitra ny Israelita araka ny Baiboly. Nonina tsikelikely tao Kanana ny Israelita nanomboka tamin'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. na mety efa talohan'io aza. Angamba koa avy amin'ny fitenin'ireo Kananita no nahazoan'ny Israelita ny fiteny hebreo.

Kerobima

Ny kerobima dia zavamanan'aina any an-danitra voalaza ao amin'ny Baiboly izay manam-batana fifangaroana liona sy ombilahy sy vorona ary olona. Ny kerobima no nasain'Andriamanitra niambina ny saha Edena taorian'ny fahotan'i Adama sy i Eva.

Menarana varahina

Ny menarana varahina dia sari-menarana vita amin'ny metaly voasokitra izay nataon'i Mosesy na Moizy araka ny nandidian'Andriamanitra, mba hahasitrana ny ferin'ireo nokaikerin'ny menarana tany an-tany efitra. Itoeran'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fahefany izany menarana varahina izany ka nahasitrana izay mijery azy. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe נחשתן / neḥushtān izany, izay midika hoe "varahina".

Hita ao amin'ny Bokin'ny Nomery (Nom. 21.4-9) sy ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 18.4) izany tantara izany ary ampahatsiahivina ao amin'ny Evanjelin'i Joany (Joa. 3.14-16) amin'ny fampitahana azy amin'i Jesosy nihantona teo amin'ny hazofijaliana.

Pentateoka

Pentateoka, Boky dimin'i Mosesy na Boky dimin'i Moizy no iantsoana ny fitambaran'ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, izany hoe ao amin'ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an'io ao amin'ny Testamenta Taloha dia ireo Boky ara-tantara sy ireo Bokim-pahendrena ary ireo Bokin'ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak'izany. Ny Pentateoka no ataon'ny Jiosy amin'ny teny hebreo hoe Torah ("lalàna").

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.