Bokin'ny Genesisy

Bokin'ny Genesisy na Bokin'ny Jenezy na Bokin'ny Genesý (izay hafohezina amin'ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý) no iantsoana ny boky voalohany ao amin'ny Baiboly. Mitantara ny famoronan'Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin'ny safodrano tamin'ny andron'i Noa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny Tilikambon'i Babela. Miresaka momba ireo Razamben'ny Israelita (patriarka) toa an'i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa koa io boky io.

Ny lovantsofina hatramin'izay dia milaza fa i Mosesy na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy izay isan'ny Pentateoka na ny Torah ao amin'ny Baiboly jiosy (na Tanakh), nefa ny fikarohana ankehitriny tsy miombon-kevitra amin'izany.

Ny Bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny Torah, fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.

Criação dos Animais (1506-11) - Vasco Fernandes (Museu de Lamego)
Famoronana ny biby, nataon'i  Grão Vasco (1506–11)
James Jacques Joseph Tissot - Adam and Eve Driven From Paradise - Google Art Project
Voaroaka avy ao amin'ny Paradisa i Adama sy i Eva, nataon'i James Jacques Joseph Tissot (1836-1902)

Ny anaran'ny boky

Ny andian-teny hoe Bokin'ny Genesisy (ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy) na Bokin'ny Jenezy (ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy) dia fandikana ny andian-teny latina hoe Liber Genesis (ao amin'ny Volgata) izay nenti-nandika ny teny grika hoe βιβλίον της Γενέσεως / Biblíon tês Genéseôs (ao amin'ny Septoajinta) izay hafohezina amin'ny hoe γένεσις / génesis ("fiadohana").

Tsy izany anefa no dikan'ny anaran'io boky io amin'ny teny hebreo izay manao azy hoe ספר בראשית / Sefer Berêshît (ao amin'ny Tanakh) izany hoe "Boky Tany am-piandohana" na "Boky Tamin'ny voalohany". Ny teny voalohany ao amin'io boky io no nataon'ny Jiosy anarany, dia ny teny hoe Berêshît izay midika hoe "tamin'ny voalohany" (Gen. 1.1) na "tany am-piandohana".

Firafitry ny boky

Mizara roa lehibe ny tantara ao amin'ny Genesisy, dia ny Tantaran'ny Fiandohana sy ny Tantaran'ireo Razamben'i Israely (na Tantaran'ny Patriarka).

Ny tantaran'ny Fiandohana

Ny Tantaran'ny Fiandohana dia ny tantara voalaza amin'ny toko iraika ambin'ny folo voalohany ao amin'ny Genesisy (Gen. 1-11). Izany dia mahakasika ireo fotoana voalohany nisian'izao tontolo izao.

Mizara dimy izany tantara izany, ka ny fanombohan'ny tsirairay amin'ny fizarany ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) dia ahitana ny teny hoe Toledot.

Ny famoronana ny lanitra sy ny tany (Gen. 1.1 - 4.26)

  • ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy;
  • ny nametrahany ny olombelona voalohany (i Adama sy i Eva) tao amin'ny Saha Edena sy ny nandroahana azy ireo tsy ho eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahotany;
  • ny vonoana olona voalohany: novonoin'i Kaina zanaka lahy voalohan'i Adama sy i Eva ny rahalahiny atao hoe Abela.
Gustave Doré - The Holy Bible - Plate I, The Deluge
Ny Safodrano, nataon'i Gustave Doré, 1866

Ny taranak'i Adama (Gen. 5.1 - 6.8)

  • ny taranak'i Kaina sy ny zava-bitan'izy ireo teo amin'ny fampandrosoana ny tananany;
  • ny taranak'i Seta izay nipoiran'i Noa sy i Abrahama;
  • ireo zanak'Andriamanitra nanambady ny zanakavavin'ny olombelona sy ireo Nefilima taranany izay niteraka fahotana maro.

I Noa sy ny safodrano (Gen. 6 - 9.28)

  • ny antony nahatonga ny safodrano, ny fampiomanana an'i Noa hanamboatra sambofiara;
  • ny tantaran'ny fandripahana tamin'ny alalan'ny safodrano;
  • ny fanekena teo amin'Andriamanitra sy i Noa ny amin'ny tsy handringanana intsony ny olona amin'ny safodrano, ny famantarana izany dia ny avana;
  • ny amin'i Noa sy ny ankohonany, ny nahitana voalohay ny divay, ny ozona nahazo an'i Kanana.
Pieter Bruegel the Elder - The Tower of Babel (Vienna) - Google Art Project - edited
Ny Tilikambon'i Babela, nataon'i Pieter Bruegel the Elder, 1563

Ny taranak'i Noa (Gen. 10.1 - 11.9)

  • ireo firenena taranak'i Noa, ny nanaparitahan'Andriamanitra azy ireo eran'izao tontolo izao taorian'ny nanamboaran'izy ireo ny Tilikambon'i Babela.

Ny taranak'i Sema (11.10 - 26)

Ny Tantaran'ireo Patriarkan'i Israely (Gen. 12-50)

Ny Tantaran'ireo Patriarkan'i Israely dia ny tantaran'ny fotoana niainan'ireo Razambe (na Patriarka) telo dia i Abrahama, i Isaka ary i Jakoba. Izany tantara izany dia hita ao amin'ny Genesisy toko faha-12 hatramin'ny faha-50.

Ny tantaran'i Tera sy i Abrahama (Gen. 11.27 - 25.11)

Zanak'i Nahora taranak'i Sema i Tera. Izy no rain'i Abrahama sy i Nahora II sy i Haràna ary i Saraha (izay ho lasa vadin'i Abrahama). I Ora any Kaldea no tanàna fiaviany.

Nanompo andriamanitra maro izy ireo. Nofidin'Andriamanitra i Abrahama taty aoriana ka noho ny haben'ny finoany no nilazan'Andriamanitra aminy fa hanan-taranaka maro sady nampanantenainy tany mahavokatra ho an'ireo taranany ireo izy, dia ny tany Kanaana. Nanambady an'i Saraha sy i Ketora izy sady niteraka tamin'i Hagara, araka ny Baiboly.

Ny tantaran'i Ismaela (Gen. 25.12 - 18)

I Ismaela no zanak'i Abrahama voalohany raha mbola tsy niteraka an'i Isaka i Saraha. I Hagara, vehivavy Egiptiana mpanompovavin'i Saraha, no reniny. Taty aoriana dia teraka i Isaka. Tamin'ny farany i Abrahama dia nandroaka an'i Hagara sy ny zanany hiala avy eo aminy araka ny sitrapon'i Saraha izay tsy te-hizara ny lovan-janany amin'i Ismaela.

Ny tantaran'i Isaka (Gen. 25.19 - 35.29)

Zanak'i Abrahama sy i Saraha sady rahalahy tsy iray reny amin'i Ismaela i Isaka. Nanambady an'i Rebeka izy ka niteraka an'i Esao sy i Jakoba. Nanohy ny fivavahan-drainy amin'Andriamanitra tokana izy sady nampita izany tamin'ireo zanany koa, indrindra tamin'i Jakoba. Niampita taminy ny tsodrano azon'i Abrahama sy ny fampanantenan'Andriamanitra ny tany Kanaana ho an'ny taranany koa izy.

Ny tantaran'i Esao (Gen. 36.1 - 43)

Zanak'i Isaka sy i Rebeka i Esao (na Edoma) sady kambana tamin'i Jakoba. Tian-drainy kokoa izy nefa tsy azony ny tsodranon-drainy tokony ho azy noho ny hafetsen'i Jakoba rahalahiny. Tamin'ny fahalehibeazany dia nifindra fonenana izy sy ny ankohonany mbamin'ny biby fiompiny. Namela heloka an'i Jakoba ihany i Esao tamin'ny farany. Araka ny Baiboly dia izy no razamben'ny Edomita.

Ny tantaran'i Jakoba sy ny zananilahy Josefa (Gen. 37.1- 50)

Zanak'i Isaka sy i Rebeka i Jakoba. Antsoina hoe Israely izy taorian'ny fitolomany tamin'ny "anjelin'Andriamanitra" ka ny taranany dia atao hoe Israelita na Zanak'i Israely. Nanompo an'Andriamanitra tokana izy ka nandova ny fampanantenana natao tamin'ireo razany dia ny hanana taranaka maro homena tany mahavokatra, dia ny Tany Kanaana. Nanambady efatra izy ka niteraka an'ireo zanilahy nipoiran'ny foko roa ambin'ny folo. I Jakoba sy i Rahely niteraka an'i Josefa sy i Benjamina. Namidin'ireo rahalahiny izay nialona azy ho andevo izy nefa lasa manam-pahefana tany Egipta taty aoriana. Nantsoiny honina any Egipta ireo fianakaviany tamin'ny fotoana nahamosarena ny tany. Taorian'ny nahafatesan'i Josefa sy ilay Farao natoky azy dia niharan'ny fanandevozana ireo taranak'i Jakoba alohan'ny hiverenan'izy ireo any Kanaana.

Jereo koa

Boky hafa isan'ny Pentateoka:

Bokin'ny Mpaminany

Boky ara-tantara

Bokim-pahendrena

Amona (fanjakana)

I Amona dia fanjakana na firenena tamin'ny Andro Taloha tao Atsinanana Akaiky teo anelanelan'ny tany efitr'i Siria sy ny ony Jordana. Ny vahoak'i Amona dia atao hoe Amonita. Araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 19.38) dia taranak'i Bena Amy zanak'i Lota no sady havana akaikin'ny Moabita.

Tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-6 tal J.K. dia nandroso ny sivilizasionan'ny Amonita. Ny tananan'i Rabata Amona no renivohitry ny Moabita. Ny Israelita sy ny Amonita dia niady matetika. Tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-10 tal. J.K., araka ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam. 12.26-31), dia resin'ny mpanjaka Davida ka nandevoziny ny Amonita.

Tamin'ny taona 721 tal. J.K. taorian'ny faharavan'ny Fanjakan'i Israely dia nanorim-ponenana tao amin'ny atsinanan'ny ony Jordana ny Amonita. Ny Fanjakan'i Amona mahaleotena dia rava teo antenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taty aoriana dia nifangaro tao amin'ireo foko arabo ny Amonita.

Bila

I Bila (hebreo: בִּלְהָה / Bilhâ) dia olona resahina ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly. Mpanompovavin'i Rahely vadin'i Jakoba izy nefa lasa vadin'i Jakoba ihany koa araka ny fanomezan-dalan'i Rahely izay kivy noho ny tsy nanany zanaka. I Dana sy i Naftaly no zanany izay nalain'i Rahely ho zanany koa. Raha ny marina dia nanan-janaka ihany i Rahely taty aoriana.

Dina

I Dina (hebreo: דינה ) dia zanakavavin'i Jakoba tamin'i Lea araka ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly.

Niverina any amin'ny tany Kanana niaraka amin'ny vady aman-janany i Jakoba rehefa avy nandany taona maro tao amin'i Labana rafozany. Nividy tany tao amin'ny faritr'i Sikema na Sekema izy honenany (Gen. 33.19). Hitan'i Sekema zanakalahin'ny lehiben'io tanàna io ny hatsaran-tarehn'i Dina ka nalainy an-keriny sy naolany ity zazavavy ity. Raiki-pitia tamin'i Dina izay nampitoeriny tao aminy izy ka niteny tamin-drainy mba hangataka azy ho vady tany amin'i Jakoba.

Nankany amin'i Jakoba sy ireo zananilahy izay tezitra mafy i Hamora rain'i Sekema mba hangataka azy ho vadin-janany sy hanao fanekem-pihavanana aminy. Nitaky ny hanaovana famoràna ny lehilehy rehetra tao Sikema ireo zanak'i Jakoba mba hanatanterahana izany fanekem-pihavanana izany. Nanaiky an'izany i Hamora sy i Sekema ka noforana avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanànany. Kanjo raha mbola tsy sitrana ny fery tamin'ny andro fahatelo dia tonga tany Sikema i Simeona sy i Levy ka namono ny lehilahy tao tamin'ny sabatra sy nandroba ny tanàna ary nitondra an'i Dina nody.

Tsy nahafaly an'i Jakoba izany zavatra nitranga izany ka niala ilay toerana nonenany izy sy ireo vady aman-janany mba tsy hiharan'ny valifaty. Nankany amin'i Josefa any Ejipta i Dina sy ny fianakavin'i Jakoba rehetra taty aoriana. Tamin'ny nanomezan'i Jakoba tsodrano farany ireo zanany alohan'ny hahafatesany dia mbola nampahatsiahivin'i Jakoba an'ireo zananay roalahy ny zavatra nataony.

Ebera

I Ebera na Hebera dia olona resahina ao amin'ny Baiboly. Izy no razamben'ny Hebreo (Gen. 10.21) sy ny Ismaelita araka ny Bokin'ny Genesisy (Gen.10 -- 11) sy ny Boky voalohan'ny Tantara (1Tant. 1). Zanak'i Sela izay taranak'i Seta izy. I Pelega sy i Joktana (na Ioktana) no zanany (Gen. 10.25).

Edena

I Edena na ny Saha Edena dia toeram-piadanana teto ambonin'ny tany nametrahan'Andriamanitra ny olombelona voalohany (dia i Adama sy i Eva) izay voalaza ao amin'ny Baiboly. Ny Bokin'ny Genesisy (toko faha-2 sy faha-3) no ahitana io tantara io.

Famoronana (finoana sy fedrà)

Ny Famoronana dia ilay asan' Andriamanitra tamin'ny alalan'ny teniny nampisy izao rehetra izao tany am-boalohany. Tantara miendrika angano (fedrà) ao amin'ny bokim-pivavahan'ny Jodaisma sy ny Kristianisma izany, dia ny Bokin'ny Genesisy (na Jenezy). Ny Bokin'ny Genesisy dia maneho fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao avy tamin'ny tsy misy, ka nametraka ny olona ho tampon'ny asa famoronana nataony. Ao amin'ny Bokin'ny Salamo dia voalaza fa nandahatra sy nandamina an'izao tontolo izao Andriamanitra ka nampisy fifandraisana mivantana eo amin'ny zavaboary rehetra.

Indroa miantoana ny tantaran'ny Famoronana ao amin'ny toko voalohan'ny Bokin'ny Genesisy. Amin'ny fitantarana voalohany dia i Elohim, anarana iombonana amin'ny teny hebreo lasa anaran-tsamirery iantsoana an'Andriamanitra, dia namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy tao anatin'ny enina andro, avy eo niala sasatra, ary nitahy sy nanamasina ny andro fahafito. Ao amin'ny fitantarana faharoa, Andriamanitra, izay antsoina amin'ny anarana hoe Iahveh, dia namorona an'i Adama, ilay lehilahy voalohany, avy amin'ny vovo-tany sady nametraka azy tao amin'ny Saha Edena, izay nanaovany azy ho manam-pahefana amin'ny biby rehetra. Noforonina avy amin'i Adama i Eva, ilay vehivavy voalohany sady "mpanampy" ho an'i Adama.

Ny fivavahana katolika dia mihevitra ny olombelona ho taratry ny sitrapon'Andriamanitra izay tokony hihary ny zavaboary ary mandray anjara amin'ny zavaboary koa ny olombelona.

Filistina ao amin'ny Baiboly

Ny Filistina dia firenena tamin'ny Andro Taloha izay resahina amin'ny Baiboly, nanorim-ponenana tamin'ny tany atsimo andrefana manamorona ny Ranomasina Mediteranea ao Kanaana izy ireo, izany hoe amin'ny morontsiraka avy ny Gaza hatrany Jaffa ankehitriny. Hatramin'ny Bokin'ny Genesisy ka hatramin'ny Boky voalohan'ny Makabeo dia ahitana firesahana ny Filistina sy ny taniny ny ao amin'ny Baiboly. Niady matetika tamin'ny Israelita ny Filistina tamin'ny andron'ny mpitsaran'i Israely sy tamin'ny vanimpotoana faha mpanjaka, nefa tamin'ny farany dia resin'ny fanjakan'i Jodà izy ireo ka nifangaro tamin'ny mponin'ny firenena resin'ny mpanjakan'i Jodà taty aoriana. Filistina i Goliata, ilay lehilahy goavambe niady tamin'i Davida.

Gada

I Gada (hebreo: גָּד‬ / Gad) dia olona resahina ao amin'ny Baiboly, zanaka fahafiton'i Jakoba sady zanany tamin'i Zilpa mpanompovavin'i Lea vadiny izay mbola tsy afa-niteraka. Tantaraina ao amin'ny toko faha-30n'ny Bokin'ny Genesisy ny nahaterahany. Atao hoe Gadita ny taranany.

Gomora

I Gomora dia tanàna kananita taloha voalaza ao amin'ny Baiboly izay nodoran'Andriamanitra niaraka amin'ny tananan'i Sodoma tamin'ny afo sy ny solifara noho ny fahotana mihoapampana nataon'ireo mponina ao, araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 18.20-21). Araka ny Baiboly, io tanàna io dia niorina tao akaikin'ny Ranomasina Maty. Tanàna mifanakaiky i Sodoma sy i Gomora sy i Adma sy i Zoara (na Tsoara) ary i Zeboima (na Tseboima).

Joda (zanak'i Jakoba)

I Joda (hebreo: יְהוּדָה‎ / Yehudah) dia lehilahy voaresaka ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly. Zanaka fahefatr'i Jakoba tamin'i Lea izy, dia i Jakoba zanak'i Isaka. Izy ilay nandresy lahatra ireo rahalahiny hivarotra an'i Josefa tamin'ireo Ismaelita mpividy olona fa tsy hamono azy (Gen. 36.26-27); izy no niantoka ny hampodiana an'i Benjamina faralahin'i Jakoba eo amin-drainy mba hahafahana mitondra azy any Egipta, araka ny sitrapon'ilay manampahefana egiptiana (izay tsy iza fa

i Josefa ihany); izy no nano-lotena tamin'io manampahefanagejtpsiana io mba ho tazomina ho solon'i Benjamina voampanga ho nangalatra nefa tokony hampodina any amin-drainy.

I Joda, fa tsy i Robena lahimatoa, no nahazo ny tsodranon'i Jakoba ho lehiben'ireo zokiny izay tsy nanaja an-drain'izy ireo satria i Robena namadika an-drainy noho ny nadriany tamin'i Bila vadin-drainy ary i Simeona sy i Levy nahatezitra an-drainy tamin'ny namonoan'izy ireo ny lehilahy rehetra tao Sikema.

Lea (vadin'i Jakoba)

I Lea (hebreo : לֵאָה / Leah ) dia vehivavy resahina ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly, vadin'i Jakoba voalohany izy. I Labana no rainy ary i Rahely, izay mbola vadin'i Jakoba ihany koa, dia zandriny iray tampo aminy. Niteraka zazalahy enina tamin'i Jakoba izy, dia i Robena, i Simeona, i Levy, i Joda, i Isakara ary i Zebolona -- sy zazavavy iray, dia i Dina.

Naftaly

I Naftaly na Neftaly (hebreo: נַפְתָּלִי‬ / Naftali) dia lehilahy resahina ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly; zanaka fahenin'i Jakoba sady zanany faharoa tamin'i Bila mpanompovavin'i Rahely. I Rahely vadin'i Jakoba no nanome anarana an'i Naftaly.

Pentateoka

Pentateoka, Boky dimin'i Mosesy na Boky dimin'i Moizy no iantsoana ny fitambaran'ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, izany hoe ao amin'ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an'io ao amin'ny Testamenta Taloha dia ireo Boky ara-tantara sy ireo Bokim-pahendrena ary ireo Bokin'ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak'izany. Ny Pentateoka no ataon'ny Jiosy amin'ny teny hebreo hoe Torah ("lalàna").

Rahely

I Rahely (hebreo רָחֵל / raḥel) dia vehivavy resahina ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly. Vadin'i Jakoba faharoa izy sady zokin'i Lea izay mbola vadin'i Jakoba koa sady samy zanak'i Labana. Roa ny zanany dia i Josefa sy i Benjamina.

Robena

I Robena na Reobena (hebreo: ראובן / Reʾuben na Reʾuven) dia zanak'i Jakoba voalohany tamin'i Lea araka ny fitantaran'ny Baiboly ao amin'ny Bokin'ny Genesisy.

I Robena no niangavy ireo rahalahiny mba tsy hamono an'i Josefa fa hanipy azy ao amin'ny lavaka fantsakana. Tamin'ny dian'izy ireo tany Ejipta dia nieritreritra ny hamonjy an'i Benjamina i Robena nefa i Josefa, izay lasa mpitantan-draharaha tao Ejipta nefa tsy fantatr'izy ireo, dia nandidy ny tsy maintsy hahatongavan'i Benjamina any Ejipta. Tsy nanaiky ny hampitondra an'i Benjamina an'i Robena i Jakoba. Na dia lahimatoa aza i Robena dia tsy izy no mpitarika ireo rahalahiny ireo. Tsy nankasitraka azy i Jakoba rainy noho izy nanao firaisana ara-nofo tamin'ny Bilha (iray amin'ireo vadin'i Jakoba, ilay niteraka an'i Dana sy i Naftaly) araka ny Bokin'ny Genesisy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Gen. 35.22 sy 49.3-4; Deo. 21.17). I Robena no razamben'ny fokon'ny Robenita izay nonina tao Misora.

Simeona (zanak'i Jakoba)

I Simeona (hebreo: שִׁמְעוֹן‬ / Shim'ôn na Shime‘ôn) dia zanaka faharoan'i Jakoba amin'ireo zanakalahiny roa ambin'ny folo izay zanany tamin'i Lea araka ny Bokin'ny Genesisy. Namaly faty ny anabaviny izy sy i Levy, dia ilay anabaviny atao hoe Dina izay naolan'ny zanaky ny mpanjaka tao Sikema. Novonoin'i Simeona sy i Levy tamin'ny sabatra ny lehilahy rehetra tao amin'io tanàna io. Tsy nankasitraka izany i Jakoba rain'izy ireo (Genesis 34.25-29).

Tamin'ny nivarotana an'i Josefa tamin'ireo mpividy olona sy taorian'ny nahalasa mpanapaka an'i Josefa tao Ejipta dia naniraka nampaka an'i Benjamina rahalahin'izy ireo tany amin'i Jakoba i Josefa izay tsy fantatr'izy ireo tamin'izay, ka i Simeona no notazomina tsy navela handeha mandra-pahatongan'i Benjamina any Ejipta.

Isan'ny taranak'i Simeona i Jodita, ilay vehivavy ivon'ny resaka ao amin'ny Bokin'i Jodita.

Sodoma

I Sodoma dia tanàna kananita taloha izay voatonona miaraka amin'ny tanana hafa atao hoe Gomora izay voaresaka ao amin'ny Baiboly, izay noravan'Andriamanitra tamin'ny fandatsahana afo sy solifara araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 18 sy 19) tokony ho tamin'ny taonjato faha-19 tal. J.K. Misy tanàna hafa koa izay nifanakaiky tamin'izy ireo, dia i Adma sy i Tseboima (na Zeboima) ary i Tsoara (na Zoara). Nodoran'Adriamanitra ireo tanàna ireo noho ny hadalan'ny filan'ny nofon'ny mponina tao. I Lota sy ny zanany no sisa velona fa afa-nandositra niala ny tanàna.

Ny Baiboly dia milaza fa tao atsimon'ny Ranomasina Maty no nisy an'i Sodoma, tao amin'ny misy an'i Jordania ankehitriny, tokony manoloana ny mandan'i Masada.

Tilikambon'i Babela

Ny Tilikambon'i Babela na Tilikambo tao Babela, araka ny Baiboly, dia tilikambo avo dia avo nataon'ny olombelona mba hanakarana ny lanitra. Ny fanamboarana an'io tilikambo io dia tsy nahafaly an'Andriamanitra ka nahatonga azy nanamaro ny fitenin'ny olombelona mba tsy hifankahazoany sady hampitsahatra ny fanamboarana ilay tilikambo no hampiparitaka ny olombelona manerana ny tany. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe Migdal Babel ny anaran'io tilikambo io. Ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 11.1-9) no ahitana ny tantara momba an'ilay tilikambo.

Zilpa

I Zilpa (hebreo: זִלְפָּה / Zilpāh) dia olona resahina ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly. mpanompovavin'i Lea vadin'i Jakoba izy sady lasa vady fahefatr'i Jakoba ihany koa araka ny fanomezan-dalan'i Lea. Niteraka an'i Gada sy i Asera izy.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.