Bokin'ny Eksodosy

Ny Bokin'ny Eksodosy na Bokin'ny Eksaody dia boky faharoa ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay mitantara ny fanafahana ireo Hebreo (na Hebrio) avy any Ejipta sy ny fivezivezeny tany an-tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra Sinay.

Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io. Isan'ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly) ny Eksodosy.

1867 Edward Poynter - Israel in Egypt
Ny Zanak'i Israely tao Ejipta - Edward Poynter - 1867

Anaran'ny boky

Ny teny hoe Eksodosy na Eksaody dia fanagasiana ny teny latina hoe Exodus sy ny teny grika hoe Ἔξοδος / Eksodos, izay azo adika hoe "fivoahana", izany hoe fivoahana miala amin'ny tanàna iray. Mitantara ny fialan'ireo zanak'i Israely avy any Ejipta tokoa io boky io. Ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) anefa dia atao hoe שְׁמוֹת ספר / Sefer Shemot ("Bokin'ireo anarana") ny fiantsoana azy noho izy manomboka amin'ny andian-andian-teny hoe Welleh Shemot, izay midika hoe "Ireto ny anarana", izany hoe ny anaran'ireo zanak'i Israely nivoaka avy any Ejipta.

The Crossing fo The Red Sea
Fiampitana ny Ranomasina Mena nataon'i Nicolas Poussin, 1634

Firafitry ny boky

Mizara telo lehibe ny bokin'ny Eksodosy:

Fiomanana amin'ny fivoahana an'i Ejipta

Ny fizaràna voalohany dia mitantara ny fanandevozana nahazo ny zanak'i Israely, ny fiantsoana sy fanendren'Andriamanitra an'i Mosesy (na Moizy), ireo loza folo tao Ejipta, ary ny fihinanana ny zanak'ondry tsy misy kilema tamin'ny Paska.

Fivoahana an'i Ejipta sy ny fizorana mankany Sinay

Ny fizaràna faharoa dia ahitana ny fiaingana avy tao Ejipta, ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ny hira fiderana nataon'i Mosesy, ary ny dian'ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany efitra.

Guido Reni - Moses with the Tables of the Law - WGA19289
I Mosesy mihazona ny vatofisaky misy ny Didy Folo, nataon'i Guido Reni, 1624

Fanekem-pihavanana natao tao Sinay

Ny fizaràna fahatelo dia mitantara ny fisehoan'ny fanatrehan'Andriamanitra tamin'i Mosesy (Teofania), ny nahazoana ny Didy Folo, ary ireo lalàn'ny Fanekem-pihavanana. Mirakitra ny toromarika momba ny fanamboarana ny fitoerana masina (tabernakely na tabernakla), ny fitafiana masina sy ny fanokanana ireo mpisorona koa izy. Ny Eksodosy dia mitantara ny fahotana nataon'ireo zanak'i Israely, ny fivavahana tamin'ny omby volamena, ny nanjeràn'i Mosesy ny vato fisaka misy ny Didy Folo sy ny fanomezan'Andriamanitra azy indray, ary ny fanavaozana ilay Fanekem-pihavanana.

Jereo koa

Abiba (volana hebreo)

Ny Abiba na Aviva dia volana voalohany ao amin'ny tetiandro hebreo talohan'ny fahababoan'ny Jiosy na Jody tany Babilona. Nosoloana ny anarana hoe Nisàna (hebreo: נִיסָן / nisan) ny anaran'io volana io taorian'ny fahababoana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אביב / Aviv na Abib (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") ny anaran'io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Marsa sy Avrily. Ny volana Aviva dia voaresaka ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Amaleka

I Amaleka dia lehilahy iray voalazan'ny Baiboly fa zanak'i Elifaza sy zafikelin'i Esao, araka ny hita ao aminan'ny Bokin'ny Tantara. Lohan'ny fokom-pirenenana edomita atao hoe Amalekita (na Amalesita) izy. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe עֲמָלֵק / Amalek izy.

I Timna no anaran-dreniny izay anabavin'i Lotàna avy amin'ny fokon'ny Horita (na Horeana) izay nanan-tany fonenana nikambana tamin'i Edoma. Ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy dia voatantara fa nanafika ny Zanak'i Israely (izay vao avy nivoaka an'i Egipta) tsy amin'antony ny Amalekita. Nandresy ny Amalekita rehefa nidina ny tanan'i Mosesy (na Moizy) izay nitazona tehina, fa ny Israelita notarihin'i Josoa (na Jôsoe) kosa no nandresy rehefa nakarina ny tanan'i Mosesy izay notazomin'i Hora sy i Aarona.

Baiboly

Ny Baiboly dia ilay boky inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ho tenin'Andriamanitra. Ny Baibolin'ny Jiosy na Baiboly hebreo, izay tsy ahitana afa-tsy ny Testamenta Taloha, dia atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran'ireo boky voasoratra talohan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran'ireo boky voasoratra taorian'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin'ny fomba samy hafa ny boky ao amin'ny Baiboly.

Baiboly samaritana

Ny Baiboly samaritana na Torah samaritana na Pentateoka samaritana dia ny soratra masin'ny fivavahana samaritana izay tsy ahitana boky hafa ao amin’ny Baiboly jiosy (Tanakh) afa-tsy ny Lalàna (Torah) na ny Pentateoka. Voasoratra amin'ny fiteny hebreo samaritana sy amin’ny abidy samaritana (karazan'ny abidy hebreo taloha) izany Baiboly izany.

Misy fahasamihafana ny votoatin'ny Torah hebreo amin'ny Torah samaritana. Ny lehibe indrindra amin’ireo dia ny fiheverany fa tsy i Jerosalema fa ny tendrombohitra Garizima no toerana masina. Ny Didy folo ao amin’ny Torah samaritana dia ahitana ao amin’ny didy faha-10 ny fanajana an’i Garizima ho ivon-toeran’ny fanompoam-pivavahana[1]. Narindrany hitovy ny Didy folo ao amin’ny Bokin'ny Eksodosy sy ao amin’ny Bokin'ny Deoteronomia[1]. Mba hitazomany ny isan’ireo didy, ny didy voalohany (“Izaho no IHVH Andriamanitrao, izay nitondra anao avy any amin’ny tanin’i Ejipta, niala tamin’ny tranon’ny fanandevozana") dia heveriny ho fampahafantarana fotsiny, ny didy voalohany ao amin’ny Torah samaritana dia ny didy faharoa ao amin’ny Torah jiosy. Ho an’ny Samaritana, "ny olon-kendry jiosy dia namadika io fampahafantarana io ho didy mba haha folo ny isan’ny didy tamin’ny nanitsian’izy ireo ny Torahny tamin’ny nanesorany ny fahafolo"[2] mifanandrify amin’ny tendrombohitra Gerizima. Ny isan'ireo didy ireo dia voalaza ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy 34.28.

Ankoatr'ireo fahasamihafana lehibe ireo, dia misy koa ny fahasamihafana maivana momba ny fanoratana ny Torah samaritana sy ny Torah jiosy. Io fahasamihafana io dia mampifanakaiky ny Baiboly samaritana amin’ny Septoaginta toy izay amin’ny Torah masoretika[3].

Bokin'ny Jobily

Ny Bokin'ny Jobily dia boky tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly ortodoksa etiopiana. Ny tanjon’ilay boky dia ny hamporisika ny Jiosy amin’ny fifikirana amin’ny Torah, amin’ny fotoana nahatonga ny Jiosy hiharan’ny kolontsaina jentilisa.

Misy ny tantaran’izao tontolo izao (ny niandohany sy ny hiafarany) araka ny nitantaran’ny “anjelin’ny fanatrehana” an’izany tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay io boky io. Ny ampahany be amin’ny fitantarana, izay miendrika angano, dia manampy ny fitantarana ao amin’ny Bokin'ny Genesisy sy ny Bokin'ny Eksodosy (hatramin’ny toko faha-12) mba haneho ny maha ambony lanja indrindra ny Torah. Voatantara ao hatramin’ny Famorona izao tontolo izao ka hatramin’ny nanorenana ny fetin'ny Paska jiosy. Voaresaka koa ny amin’ireo Patriarka hebreo. Ny fahotana nataon’ny Hebreo izay voasoratra ao amin’ny Baiboly dia tsy voaresaka firy ao. Ahitana lohahevitra momba ny fiafaran’izao tontolo izao (apokaliptika sy eskatolojika) ny ao amin’ilay boky ka ahafahana mahazo bebe kokoa ireo lohahevitra eskatolojikan’ny boky ao amin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao. Asehon’ny boky fa ireo Patriarka dia efa nanaja ny Lalàn’i Mosesy.

Ny Bokin’ny Jobily dia tsy hita na ao amin’ny Baiboly hebreo (Tanakh) na ao amin’ny Septoaginta na Septanta koa. Ny Katolika sy Protestanta ary ny Ortodoksa tatsinanana dia manasokajy azy ho apokrifa na pseodepigrafa.

Didy Folo

Ny Didy Folo dia fitambaran-tsoratra mirakitra toromarika momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana izay hita ao amin'ny Baiboly sady voalaza ao fa nosoratan'ny "tanan'Andriamanitra" tamin'ny vato fisaka sy nomeny an'i Mosesy (na Môizy) tao amin'ny tendrombohitra Sinay (na Horeba). Amin'ny teny hebreo dia atao hoe עֲשֶׂרֶת הַדִּבְּרוֹת / ʿAsereth ha-Diberoth izay midika hoe "teny folo" ny Didy Folo, ary amin'ny teny grika dia δεκάλογος / dekálogos izay midika hoe "teny folo" ihany koa (Jereo: Eksodosy 34:28; Deoteronomy 4:13).

Farao

Ny farao na faraona dia ny mpanjakan'i Egipta tamin'ny Andro Taloha. Ao amin'ny Baiboly dia lasa anaran-tsamirerin'ny mpanjakan'i Egipta ny teny hoe Farao na Faraona. 345 ny isan'ny farao fantatra anarana izay nifandimby nanjaka nandritra ny taonarivo telo, teo anelanelan'ny taona 3150 tal. J.K. sy 30 tal. J.K. (taona nahataperan'ny fahaleovan-tenan'i Egipta izay azon'ny Fanjakana romana). Sady mpanjaka ny farao no natao hoe koa andriamanitra sady mpisorona. Ny malaza indrindra amin'ireo farao ireo dia ilay resahina ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ao amin'ny Baiboly, dia ilay mpanjaka voalaza fa nanohitra ny fikendren'Andriamanitr'i Mosesy sady heverina ho i Ramses II (na Rameses II).

Filistina ao amin'ny Baiboly

Ny Filistina dia firenena tamin'ny Andro Taloha izay resahina amin'ny Baiboly, nanorim-ponenana tamin'ny tany atsimo andrefana manamorona ny Ranomasina Mediteranea ao Kanaana izy ireo, izany hoe amin'ny morontsiraka avy ny Gaza hatrany Jaffa ankehitriny. Hatramin'ny Bokin'ny Genesisy ka hatramin'ny Boky voalohan'ny Makabeo dia ahitana firesahana ny Filistina sy ny taniny ny ao amin'ny Baiboly. Niady matetika tamin'ny Israelita ny Filistina tamin'ny andron'ny mpitsaran'i Israely sy tamin'ny vanimpotoana faha mpanjaka, nefa tamin'ny farany dia resin'ny fanjakan'i Jodà izy ireo ka nifangaro tamin'ny mponin'ny firenena resin'ny mpanjakan'i Jodà taty aoriana. Filistina i Goliata, ilay lehilahy goavambe niady tamin'i Davida.

Kanaana (faritra)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia faritra tao andrefan'i Jordana (na Jordany) izay resahina ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady anaran'ny razamben'ireo mponina tao amin'io firenena io koa ny hoe Kanana na Kanaana na Kanahana, ka izany no iantsoana ilay firenena hoe Tany Kanaana indraindray mba hiavahany amin'ilay razambe. Taty aoriana ny Tany Kanana dia niova anarana ho Palestina na Palestinina. Izy ilay tany nampanantenain'Andriamanitra ny Israelita araka ny Baiboly. Nonina tsikelikely tao Kanana ny Israelita nanomboka tamin'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. na mety efa talohan'io aza. Angamba koa avy amin'ny fitenin'ireo Kananita no nahazoan'ny Israelita ny fiteny hebreo.

Lalàn'i Mosesy

Ny lalàn'i Mosesy na lalàn'i Môizy , izay hafohezina indraindray amin'ny hoe Lalàna, dia fitambaran'ny fitsipika sy fampianaraha tokony harahina nomen'i Mosesy (na Môizy) ny vahoakan'i Israely, izay voaoratra ao amin'ny Torah (na Pentateoka).

Ny lalàn'i Mosesy dia nomen'i Iahveh ny Israelita, araka ny Bokin'ny Eksodosy na Eksaody (Eks. 19.5-6). Ny lalàn'i Mosesy dia miantsy ho amin'ny firahalahiana eo amin'ny samy Israelita (na samy Jiosy) izay mitandrina ny lalàna. Mametraka ny fototry ny kolontsaina jiosy taloha izay manome lanja ny samy Jiosy.

Loza folo tao Egipta

Ny loza folo tao Egipta dia ireo sazy folo nahazo an'i Farao sy ny Egiptiana, araka ny Bokin'ny Eksodosy (na Eksaody) ao amin'ny Baiboly noho i Farao tsy namela ny Zanak'i Israely handao an'i Egipta.

Ireto avy ireo loza folo tao Egipta ireo:

Ny niovan'ny ranon'i Nily ho ra (Eks. 7.14-23);

Ny sahona maro izay nameno ny tany (Eks. 7.26-29; 8.1-11);

Ny niovan'ny vovoka tamin'ny tany ho moka marobe (Eks. 6.12-15);

Ny nidiran'ny lalitra tsy hita isa tao an-tanàna (Eks. 8.16-28);

Ny nisian'ny areti-mandringana nahazo ny biby fiompy (Eks. 9.1-7);

Ny vay izay nahazo ny olona sy ny biby fiompy (Eks. 9.8-12);

Ny havandra izay nandrava sy namono (Eks. 9.13-35);

Ny valala izay nandrakotra ny tany (Eks. 10.1-20);

Ny aizimpito naharitra telo andro (Eks. 10.21-28);

Ny nahafatesan'ny voalohan-teraky ny biby sy ny olona (Eks. 11.1-10; 12.29-32).

Nisana (volana hebreo)

Ny Nisana dia volana voalohany amin'ny tetiandro hebreo ampiasaina amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma) izay anarahana ireo andro firavoravoana ao amin'io fivavahana io. Volana fahafito kosa izy ao amin'ny tetiandro hebreo ampiasain'ny olona andavanandro ivelan'ny fivavahana, ka raha miampy volana fahateloambin'ny folo ny taona hebreo dia volana fahavalo ny Nisana. Isan'ny volana amin'ny lohataona ny Nisana izay misy telopolo andro. Eo amin'ny volana Marsa na Avrily ao amin'ny tetiandro gregoriana ny volana Nisana. Ny teny nogasina hoe nisana dia avy amin'ny teny hebreo hoe נִיסָן / nisan.

Talohan'ny fahababoan'ny Jody tany Babilona dia atao hoe Aviva na Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib) araka ny hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Ombilahy kely volamena

Ny ombilahy kely volamena dia ombilahy kely namboarina tamin'ny volamena ka nivavahan'ny Hebreo tany an-tany efitra rehefa tsy teo fa niakatra tany an-tendrombohitra Sinay i Mosesy naka ny vato fisaky ny Lalàna. Ao amin'ny Baiboly dia tandindon'ny fanompoan-tsampy ilay omby volamena.

Paska jiosy

Ny Paska jiosy na Paka jody izay atao hoe Pesa'h amin'ny teny hebreo dia fety lehibe amin'ny Jiosy izay ankalazana sy ahatsiarovana ny fialan'ny Zanak'i Isiraely avy tao Ejipta sy ny niampitan'izy ireo ny Ranomasina Mena teo ambany fitarihan'i Mosesy (na Moizy); izany dia voatantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ao amin'ny Baiboly. Ankalazaina isan-taona anatin'ny fito na valo andro manomboka amin'ny faha-14n'ny volana Nisana amin'ny filentehan'ny masoandro ny Paska jiosy na Pesa'h. Tsy afangaro ny Pesa'h sy ny Paska kristiana.

Pentateoka

Pentateoka, Boky dimin'i Mosesy na Boky dimin'i Moizy no iantsoana ny fitambaran'ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, izany hoe ao amin'ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an'io ao amin'ny Testamenta Taloha dia ireo Boky ara-tantara sy ireo Bokim-pahendrena ary ireo Bokin'ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak'izany. Ny Pentateoka no ataon'ny Jiosy amin'ny teny hebreo hoe Torah ("lalàna").

Tabernakely

Ny tabernakely, izay atao hoe koa tranolain'ny fihaonana, dia tranolay nisy ny Fiaran'ny Fanekena tamin'ny andron'i Mosesy (na Moizy). Ny nikarakara ny fanorenana azy dia i Beseleela izay notondroin'Andriamanitra tamin'i Mosesy.

Ny teny hebreo ilazana ny tabernakely dia ny hoe משכן / mishkan, izany hoe "fonenana" na אוהל מועד / izay midika hoe "tranolay fihaonana". Teo amin'ireo Hebreo dia toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ny tabernakely taorian'ny fivoahan'izy ireo avy tany Egipta sy tamin'ny nakan'izy ireo ny tany Kanaana izay tantaraina ao amin'ny Bokin'ny Mpitsara, mandra-pahavitan'ny Tempoly tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. Avy amin'ny teny latina hoe tabernaculum izay midika hoe "tranolay" na "tranotomboka" ny hoe tabernakely.

Ao amin'ny Testamenta Taloha dia voalaza fa fonenan'Andriamanitra vonjimaika ny tabernakely sady toerana fihaonan'ny vahoakany. Fonenana hita maso eo amin'ny firenena nanao azy ho andriamaniny, araka ny Bokin'ny Eksodosy (Eksaody) (Eks. 25.8).

Tendrombohitra Horeba

Ny Tendrombohitra Horeba dia toerana voalaza ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ao amin'ny Baiboly izay nanoloran'Andriamanitra an'i Mosesy (na Môizy) ny Didy Folo. Lazaina hoe "Tendrombohitr'Andriamanitra" koa io toerana io ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Teo koa no voalaza fa toerana nihaonan'ny mpaminany Elia tamin'Andriamanitra.

Tendrombohitra Sinay (Baiboly)

Ny Tendrombohitra Sinay na Tendrombohitra Sinaia dia ilay tendrombohitra lazain'ny Baiboly fa nandraisan'i Mosesy (na Moizy) ny didy folo avy tamin'Andriamanitra. Indraindray io tendrombohitra io dia atao hoe Tendrombohitra Horeba amin'ny andininy sasany ao amin'ny Baiboly. Ao amin'ny saikanosy Sinay ao Ejipta no misy ilay tendrombohitra izay foronina tangoron-karambato avo dia avo sady mivelatra saika mameno ny velaran'ilay saikanosy. Roa ny tendrony miavaka ao atsimon'ilay saikanosy, dia i Jebel Hatharina sy i Jebel Musa ka ity farany ity no heverina araka ny lovantsofina fa ilay toerana an'i Mosesy ny didy folo.

Tetiandro hebreo

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy sy ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny Volana sy ny Masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'i Metona. Avy amin'io tetiandro io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.

Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355. Marihina fa ny salan'ny taona manaraka ny fihodin'ny Masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4 eo ho eo.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.