Bokin'ny Deoteronomia

Ny Bokin'ny Deoteronomia, Bokin'ny Deteronomy na Bokin'ny Deoterônômy, na Bokin'ny Dinampihavanana izay hafohezina amin'ny hoe Deoteronomia na Deteronomy na Deoterônômy na Dinampihavanana, dia boky fahadimy ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Taloha ary boky fahadimy sady farany ao amin'ny Pentateoka, izay manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksodosy, Levitikosy, Nomery).

Figures Moses Promulgates the Law
Manazava ny Lalàn'Andriamanitra amin'ny Zanak'i Israely i Mosesy, nataon'i Gerard Hoet (1648-1733), 1728

Anaran'ny boky

Ny hoe Deoteronomia na Deoterônômy dia avy amin'ny teny grika hoe Δευτερονόμιον / Deuteronómion, izay avy amin'ny teny roa nakambana hoe Δευτερος ("faharoa") sy νόμoς ("lalàna). "Lalàna faharoa" ny dika ara-bakitenin'ny hoe Δευτερονόμιον. Raha ny marina dia tsy lalàna faharoa no hita ao amin'ity boky mitondra io lohateny io ity fa firesahana fanindroany sy fanamafisana ny lalàna efa voalaza rahateo ao amin'ireo boky mialoha azy. Ny Tanakh dia manondro azy amin'ny hoe ספר דְּבָרִים / Sefer Devarim ("ireo teny") izay avy amin'ny andian-teny fanombohan'ilay boky manao hoe "Aleh ha-devarim", midika hoe "Izao ireo teny". Hafohezina amin'ny hoe דְּבָרִים / Devarim ("Teny") izany.

Fizaràn'ny boky

Ny Bokin’ny Deotronomia dia azo zaraina dimy ka ny fizaràna telo afovoany dia mirakitra ireo lahateny telo nataon’ny Mosesy teo amin’ny lemak’i Moaba talohan’ny hahafatesany.

Ny lahateny fampidirana (1 – 4)

Ampahatsiahivina indray eto ny dian'ny Zanak'i Israely tao amin’ny tany efitra, izay niainga avy eo amin’ny tendrombohitra Horeba (na Sinay) hatrany Kadesy ka hatrany Moaba.

Ny didy folo sy ny fanazavana ny fampiharana azy (5 – 11)

Ampahatsiahivina ireo zava-nitranga teo amin’ny tendrombohitra Horeba, sady natolotra ny Didy Folo. Nodidiana mba samy hampianatra ny lalàna amin’ireo izay eo ambany fiahiany ny loham-pianakaviana. Nampitandremina ireo izay mbola hanompo andriamani-kafa afa-tsy i Iahveh. Nankalazaina ilay tany nampanantenaina an’i Israely. Nodidiana ho amin’ny fanajàna an’Andriamanitra sy ny Lalàny ny vahoaka.

Ireo fehezan-dalàna ivon'ny boky (12 – 26)

Natolotra ny fehezan-dalàna deoteronomika: lalàna hifehezana ny fanompoana hataon’i Israely (Deo. 12 – 16). Nomena ireo fitsipika hifehy ny fiangonana sy ireo mpitarika fivavahana (Deo. 17 – 18). Nomena koa ireo fitsipika ara-piarahamonina (Deo. 19 – 25). Natao ny fanekem-pankatoavana (Deo. 26).

Fanavaozana manetriketrika ny fanekena (27 – 30)

Fitahiana no ho an’izay mitandrina ny lalàna fa ozona kosa no ho an’izay mandika izany (Deo. 27 – 28). Nanao lahateny famaranana momba ny fanekena teo amin’ny lemak’i Moaba i Mosesy (na Moizy) izay ahitana ireo lalàna rehetra ao amin’ny Fehezan-dalàna deotronomika (Deo. 12 – 26) taorian’izay nomena tao Horeba. Namporisihina indray i Israely mba hanaja ny lalàn’Andriamanitra (Deo. 29 - 39).

Ny famindram-pitantanana sy ny nahafatesan’i Mosesy (31 – 34)

Napetraka handimby an’i Mosesy i Josoa (na Jôsoe). Natolotr’i Mosesy an’ireo Levita (foko-mpisorona) ny Lalàna. Niakatra teny amin’ny tendrombohitra Nebo (na Pisgah) i Mosesy ka teo no nahafatesany sy nandevenan’Andriamanitra azy. Mifarana amin’ny tonon-kira atao hoe Hiran’i Mosesy sy Tsodranon'i Mosesy ny fitantarana izany zava-nitranga izany (Deo. 31-34).

Jereo koa

Abiba (volana hebreo)

Ny Abiba na Aviva dia volana voalohany ao amin'ny tetiandro hebreo talohan'ny fahababoan'ny Jiosy na Jody tany Babilona. Nosoloana ny anarana hoe Nisàna (hebreo: נִיסָן / nisan) ny anaran'io volana io taorian'ny fahababoana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אביב / Aviv na Abib (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") ny anaran'io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Marsa sy Avrily. Ny volana Aviva dia voaresaka ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Baiboly

Ny Baiboly dia ilay boky inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ho tenin'Andriamanitra. Ny Baibolin'ny Jiosy na Baiboly hebreo, izay tsy ahitana afa-tsy ny Testamenta Taloha, dia atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran'ireo boky voasoratra talohan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran'ireo boky voasoratra taorian'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin'ny fomba samy hafa ny boky ao amin'ny Baiboly.

Baiboly samaritana

Ny Baiboly samaritana na Torah samaritana na Pentateoka samaritana dia ny soratra masin'ny fivavahana samaritana izay tsy ahitana boky hafa ao amin’ny Baiboly jiosy (Tanakh) afa-tsy ny Lalàna (Torah) na ny Pentateoka. Voasoratra amin'ny fiteny hebreo samaritana sy amin’ny abidy samaritana (karazan'ny abidy hebreo taloha) izany Baiboly izany.

Misy fahasamihafana ny votoatin'ny Torah hebreo amin'ny Torah samaritana. Ny lehibe indrindra amin’ireo dia ny fiheverany fa tsy i Jerosalema fa ny tendrombohitra Garizima no toerana masina. Ny Didy folo ao amin’ny Torah samaritana dia ahitana ao amin’ny didy faha-10 ny fanajana an’i Garizima ho ivon-toeran’ny fanompoam-pivavahana[1]. Narindrany hitovy ny Didy folo ao amin’ny Bokin'ny Eksodosy sy ao amin’ny Bokin'ny Deoteronomia[1]. Mba hitazomany ny isan’ireo didy, ny didy voalohany (“Izaho no IHVH Andriamanitrao, izay nitondra anao avy any amin’ny tanin’i Ejipta, niala tamin’ny tranon’ny fanandevozana") dia heveriny ho fampahafantarana fotsiny, ny didy voalohany ao amin’ny Torah samaritana dia ny didy faharoa ao amin’ny Torah jiosy. Ho an’ny Samaritana, "ny olon-kendry jiosy dia namadika io fampahafantarana io ho didy mba haha folo ny isan’ny didy tamin’ny nanitsian’izy ireo ny Torahny tamin’ny nanesorany ny fahafolo"[2] mifanandrify amin’ny tendrombohitra Gerizima. Ny isan'ireo didy ireo dia voalaza ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy 34.28.

Ankoatr'ireo fahasamihafana lehibe ireo, dia misy koa ny fahasamihafana maivana momba ny fanoratana ny Torah samaritana sy ny Torah jiosy. Io fahasamihafana io dia mampifanakaiky ny Baiboly samaritana amin’ny Septoaginta toy izay amin’ny Torah masoretika[3].

Bokin'ny Genesisy

Bokin'ny Genesisy na Bokin'ny Jenezy na Bokin'ny Genesý (izay hafohezina amin'ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý) no iantsoana ny boky voalohany ao amin'ny Baiboly. Mitantara ny famoronan'Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin'ny safodrano tamin'ny andron'i Noa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny Tilikambon'i Babela. Miresaka momba ireo Razamben'ny Israelita (patriarka) toa an'i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa koa io boky io.

Ny lovantsofina hatramin'izay dia milaza fa i Mosesy na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy izay isan'ny Pentateoka na ny Torah ao amin'ny Baiboly jiosy (na Tanakh), nefa ny fikarohana ankehitriny tsy miombon-kevitra amin'izany.

Boky voalohan'ny Makabeo

Ny Boky voalohan'ny Makabeo dia boky ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Io boky io dia mitantara ny zavatra nataon'ny fianakaviana Hasmoneana nandritra ny tolona nataon'ireo Jiosy ho an'ny fahaleovantenany teo anelanelan'ny taona 175 sy 135 tal. J.K. Tsy hita ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny fiteny hebreo ny Boky voalohan'ny Makabeo. Boky deoterokanonika izy ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa fa apokrifa kosa ho an'ny Protestanta.

Didy Folo

Ny Didy Folo dia fitambaran-tsoratra mirakitra toromarika momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana izay hita ao amin'ny Baiboly sady voalaza ao fa nosoratan'ny "tanan'Andriamanitra" tamin'ny vato fisaka sy nomeny an'i Mosesy (na Môizy) tao amin'ny tendrombohitra Sinay (na Horeba). Amin'ny teny hebreo dia atao hoe עֲשֶׂרֶת הַדִּבְּרוֹת / ʿAsereth ha-Diberoth izay midika hoe "teny folo" ny Didy Folo, ary amin'ny teny grika dia δεκάλογος / dekálogos izay midika hoe "teny folo" ihany koa (Jereo: Eksodosy 34:28; Deoteronomy 4:13).

Fanekem-pinoana

Ny fanekem-pinoana na fiekem-pinoana dia lahatsoratra natao ho tononin'ny mpino ampahibemaso mba hanambaràny sy hamaritany mazava ary hamintinany ny fototry ny finoany. Ny Jiosy sy ny Fiangonana kristiana sasany (katolika sy ortodoksa ary protestanta sasany) ary ny Silamo dia manana fanekam-pinoana.

Filistina ao amin'ny Baiboly

Ny Filistina dia firenena tamin'ny Andro Taloha izay resahina amin'ny Baiboly, nanorim-ponenana tamin'ny tany atsimo andrefana manamorona ny Ranomasina Mediteranea ao Kanaana izy ireo, izany hoe amin'ny morontsiraka avy ny Gaza hatrany Jaffa ankehitriny. Hatramin'ny Bokin'ny Genesisy ka hatramin'ny Boky voalohan'ny Makabeo dia ahitana firesahana ny Filistina sy ny taniny ny ao amin'ny Baiboly. Niady matetika tamin'ny Israelita ny Filistina tamin'ny andron'ny mpitsaran'i Israely sy tamin'ny vanimpotoana faha mpanjaka, nefa tamin'ny farany dia resin'ny fanjakan'i Jodà izy ireo ka nifangaro tamin'ny mponin'ny firenena resin'ny mpanjakan'i Jodà taty aoriana. Filistina i Goliata, ilay lehilahy goavambe niady tamin'i Davida.

Hiran'i Mosesy

Ny Hiran'i Mosesy na Fihirana natain'i Mosesy na Hiran'i Moizy dia ilay tononkalo hita ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia (Deo. 32.1-43) ao amin'ny Baiboly izay nivoaka talohan'ny hahafetesan'i Mosesy (na Moizy) teo amin'ny tendrombohitra Nebo. Indraindray dia ny toko faha-32 iray manontolo no atao hoe Hiran'i Mosesy na dia ny ampahan'io toko io ihany aza no tena tondroina amin'izany, ny andininy faha-44 hatramin'ny faha-52 dia tsy isan'izany. Araka ny Baiboly dia i Mosesy no namorona an'io tononkira io.

Jebosita

Ny Jebosita na Jeboseana na Jebosiana dia vahoaka voaresaka ao amin'ny Baiboly. Ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (na Jenezy) (Gen. 10.15-18) dia voalaza fa taranak'i Kanaana, izay zanak'i Noa (na Nôe), izy ireo. Iray amin'ny foko fito avy amin'ny tany Kanaana resahina ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ny Jebosita ( Deo. 7.1). Ao amin'ny Boky faharoan'i Samoela dia atao hoe Jebosy izy ireo ary voalaza ao fa izy ireo no nanorina an'i Jerosalema sady mponina voalohany tao talohan'ny nahazoan'ny mpanjaka Davida an'io tanàna io tamin'ny taona 1004 tal. J.K. (2Sam. 5.6-10);

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe יְבוּסִי / Yĕvūsi na Yebusi izy ireo.

Nisana (volana hebreo)

Ny Nisana dia volana voalohany amin'ny tetiandro hebreo ampiasaina amin'ny fivavahana jiosy (jodaisma) izay anarahana ireo andro firavoravoana ao amin'io fivavahana io. Volana fahafito kosa izy ao amin'ny tetiandro hebreo ampiasain'ny olona andavanandro ivelan'ny fivavahana, ka raha miampy volana fahateloambin'ny folo ny taona hebreo dia volana fahavalo ny Nisana. Isan'ny volana amin'ny lohataona ny Nisana izay misy telopolo andro. Eo amin'ny volana Marsa na Avrily ao amin'ny tetiandro gregoriana ny volana Nisana. Ny teny nogasina hoe nisana dia avy amin'ny teny hebreo hoe נִיסָן / nisan.

Talohan'ny fahababoan'ny Jody tany Babilona dia atao hoe Aviva na Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib) araka ny hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Pentateoka

Pentateoka, Boky dimin'i Mosesy na Boky dimin'i Moizy no iantsoana ny fitambaran'ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, izany hoe ao amin'ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an'io ao amin'ny Testamenta Taloha dia ireo Boky ara-tantara sy ireo Bokim-pahendrena ary ireo Bokin'ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak'izany. Ny Pentateoka no ataon'ny Jiosy amin'ny teny hebreo hoe Torah ("lalàna").

Robena

I Robena na Reobena (hebreo: ראובן / Reʾuben na Reʾuven) dia zanak'i Jakoba voalohany tamin'i Lea araka ny fitantaran'ny Baiboly ao amin'ny Bokin'ny Genesisy.

I Robena no niangavy ireo rahalahiny mba tsy hamono an'i Josefa fa hanipy azy ao amin'ny lavaka fantsakana. Tamin'ny dian'izy ireo tany Ejipta dia nieritreritra ny hamonjy an'i Benjamina i Robena nefa i Josefa, izay lasa mpitantan-draharaha tao Ejipta nefa tsy fantatr'izy ireo, dia nandidy ny tsy maintsy hahatongavan'i Benjamina any Ejipta. Tsy nanaiky ny hampitondra an'i Benjamina an'i Robena i Jakoba. Na dia lahimatoa aza i Robena dia tsy izy no mpitarika ireo rahalahiny ireo. Tsy nankasitraka azy i Jakoba rainy noho izy nanao firaisana ara-nofo tamin'ny Bilha (iray amin'ireo vadin'i Jakoba, ilay niteraka an'i Dana sy i Naftaly) araka ny Bokin'ny Genesisy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Gen. 35.22 sy 49.3-4; Deo. 21.17). I Robena no razamben'ny fokon'ny Robenita izay nonina tao Misora.

Tahirin-kevitra deoteronomista

Ny tahirin-kevitra deoteronomista na loharano deoteronomista, izay hafohezina amin'ny litera D, dia mahafaoka ny Bokin'ny Deoteronomia manontolo izay niavian'ny anarany. Hita ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara anefa ny fomba fanorany sy ny foto-pampianarany: ireo lahatsoratra ireo sy ny Bokin'ny Deoteronomia dia manome zavatra miendrika tahirin-kevitra tokana. Hita koa ao amin'ny bokin'ny mpaminany, indrindra ao amin'ny Bokin'i Hosea sy ny Bokin'i Jeremia koa ny hevitra sy ny toetra mampiavaka indrindra io tahirin-kevitra io. Hita matetika sy miharihary mazava ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ny fomba fiheverana sy ny fomba fanaovan-javatra ao aminy izay nakana ny aingam-panahin'ny faminaniana ao amin'i Israely, ka izany no anaovana ny anaran'io tahirin-kevitra io hoe "deoteronomista".

Ny tahirin-kevitra deoteronomista dia lahatsoratra vinavinaim-pisiana araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (i Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin'ny taonjato faha-18 nefa misy ireo mpikaroka taty amin'ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy. Araka ny mpomba io petra-kevitra io dia iray amin'ireo loharano na tahirin-kevitra nakana singa nakambana hiforonan'ny Baiboly hebreo (Tanakh) izy io, ka ny telo hafa dia ny tahirin-kevitra elohista sy ny iahvista ary ny an'ny mpisorona.

Tempolin'i Jerosalema

Ny Tempolin'i Jerosalema, araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin'ny Israelita tao Jerosalema mba hampitoerana ny Fiaran'ny fanekena. Noravan'ny tafik'i Babilona izy ary natsangana indray teo ambany fitarihan'i Ezra (na Esdrasa) fitopolo taona taty aoriana ary farany naravan'ny Romana tanteraka tamin'ny taona 70 taor. J.K.

Hita ao amin'ny Bokin'ny Mpanjaka ao amin'ny Baiboly ny antsipiriany momba ny Tempoly voalohany. Nampahafantarin'Andriamanitra mialoha ny mpanjaka Davida fa ny taranany no hanamboatra io tempoly io, araka ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam. 7), ary vita izany tamin'ny andro nanjakan'i Solomona izay nanatanteraka ny fanorenana araka ny toromarika nomen'Andriamanitra. I Hirama, mpanjakan'i Tiro no nanome ny hazo sedera sy kipresy sy ny volamena ary ny olona ilaina amin'ny fanamboarana ny tempoly.

Ny anarana omena ny tempoly ao amin'ny Baiboly hebreo dia Beit IHVH ("Tranon'i Iahveh") na Beit HaElohim ("Tranon'Andriamanitra") na Beiti ("Tranoko") na Beitekhah ("Tranonao"). Ao amin'ny literatiora rabinika dia atao hoe Beit HaMikdash ("Trano Masina" na "Tempoly Masina").

Tempolin'i Solomona

Ny Tempolin'i Solomona (hebreo: מקדש שלמה / Mikdash Shlomo), na Tempoly Voalohany araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin'i Solomona mpanjaka tao Jerosalema tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. (taona 957 tal. J.K.) mba hampitoerana ny Fiaran'ny fanekena. Noravan'ny tafik'i Babilona izany tempoly izany. Nasolo an'ilay Tabernakely namboarina tany an-tany efitr'i Sinay ny Tempoly, araka ny Bokin'ny Deoteronomia (Deo. 12.2-27).

Tendrombohitra Horeba

Ny Tendrombohitra Horeba dia toerana voalaza ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ao amin'ny Baiboly izay nanoloran'Andriamanitra an'i Mosesy (na Môizy) ny Didy Folo. Lazaina hoe "Tendrombohitr'Andriamanitra" koa io toerana io ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Boky voalohan'ny Mpanjaka. Teo koa no voalaza fa toerana nihaonan'ny mpaminany Elia tamin'Andriamanitra.

Tetiandro hebreo

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy sy ny Fanjakan'i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny Volana sy ny Masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'i Metona. Avy amin'io tetiandro io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.

Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355. Marihina fa ny salan'ny taona manaraka ny fihodin'ny Masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4 eo ho eo.

Tsodranon'i Mosesy

Ny Tsodranon'i Mosesy na Tsodranon'i Moizy dia anarana iantsoana ny tononkalom-paminaniana hita ao amin’ny Bokin'ny Deoteronomia (Deo. 33.2-27), izay miseho ho fitsofan-drano natan'i Mosesy (na Moizy) an'ireo fokon'i Israely. Mitovy ny lohahevitr'io tononkalo io sy ny an'ny Tsodranon'i Jakoba, nefa tsy dia misy fitovizany firy ny votoatin'ireo tononkalo roa ireo, afa-tsy ny fampitahany ny iray amin'ireo foko ireo ho toy ny mpitsara ary ny iray hafa ho toy ny "zana-diona", na dia i Gada no zana-diona ary i Dana no mpitsara ao amin'ny Tsodranon'i Mosesy fa i Dana no mpitsara ary i Jodà no zana-diona ao amin'ny Tsodranon'i Jakoba. Mitovy amin'ny Tsodranon'i Jakoba ny Tsodranon'i mosesy ka tsy ahitana filazàm-pitahiana firy ny ao amin’ny Tsodranon’i Mosesy, ny ankamaroan'ny andalan-tononkalo dia manoritsoritra ny ho fomban'ny foko tsirairay amin'ny fotoana hoavy.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.