Bokin'i Samoela

Ny Bokin’i Samoela dia boky ao amin’ny Baiboly hebreo (Tanakh) izay nosarahana roa ao amin’ny Baiboly kristiana ka nahazoana ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’i Samoela. Mitantara ny fanombohan’ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ny Israelita tany Kanana sy ny adiny tamin’ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny ny fahotana nataon’i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ny fitondrany sy ny fireneny. Resahin'io boky io koa na ny herin’ny mpanjaka Davida sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’izany rehetra izany. Nefa na dia tsy fanaperana ny toetr’i Davida dia tsy niala tamin’Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Yahweh izy.

Ny anaran’ny boky

Amin’ny teny hebreo dia Sefer Shamuel no iantsoana io boky. Ny Septanta (na Septoaginta) no nanasaraka ny Bokin’i Samoela ho roa (tahaka ny Bokin'ny Mpanjaka koa) – ka ny boky tsirairay azo araka izany dia nataony hoe Bokin’ny Fanjakana. Ny Boky voalohany sy faharoan’i Samoela sy ny Boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka dia natao hoe Boky voalohany ka hatramin’ny Boky fahefatry ny Fanjakana. Natao izany fizaràna izany satria ho lava loatra raha mbola nitambatra. Ny Samoela voalohany sy ny Samoela faharoa sy ny Mpanjaka voalohany ary ny Mpanjaka faharoa dia atao hoe Boky voalohany sy faharoa sy fahatelo ary fahefatry ny Fanjakana.

Septoaginta sy Volgata Baiboly hebreo Baiboly kristiana ankehitriny
Bokin'ny Fanjakana

(Libri Regnum)

Boky voalohan'ny Fanjakana

(Α' Βασιλειών)

Bokin'i Samoela

(Sefer Shamuel)

Boky voalohan'i Samoela
Boky faharoan'ny Fanjakana

(Β' Βασιλειών)

Boky faharoan'i Samoela
Boky fahatelon'ny Fanjakana

(Γ' Βασιλειών)

Bokin'ny Mpanjaka

(Sefer Melakhim)

Boky voalohan'ny Mpanjaka
Boky fahefatry ny Fanjakana

(Δ' Βασιλειών)

Boky faharoan'ny Mpanjaka

Ny fanoratana ny boky

Ny mpanoratra

Araka ny lovantsofina dia telo ny olona atao hoe nanoratra ny boky : i Samoela sy i Gada ary i Natana. Ny mpikarona momba ny Baiboly anefa dia milaza fa olona marobe no nanoratra ny boky.

Ny fotoana nanoratana

Araka ny fikarohan’ireo manam-pahaizana dia tsy tamin’ny fotoana mitohy iray fa tanatin’ny taonjato maro (faha-8 sy faha-7 ary fah-6 tal. J.K.) no naniratana ny boky.

Jereo koa :

Bokin'ny Fanjakana (Baiboly)

Bokin'ny Fanjakàna no anarana iantsoana ireo boky efatra ao amin'ny Baiboly dia ny Boky voalohan'i Samoela hatramin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka ao amin'ny dikan-teny grikan'ny Testamenta Taloha atao hoe Septanta na Septoaginta. Ao amin'ny Septanta ny Boky voalohan'i Samoela dia atao hoe Boky voalohan'ny Fanjakana (grika: Α' Βασιλειών), ny Boky faharoan'i Samoela dia Boky faharoan'ny Fanjakana (grika: Β' Βασιλειών), ny Boky voalohan'ny Mpanjaka dia ny Boky fahatelon'ny Fanjakana (grika: Γ' Βασιλειών) ary ny Boky faharoan'ny Mpanjaka dia Boky fahefatry ny Fanjakana (grika: Δ' Βασιλειών).

Bokin'ny Mpaminany 12

Ny Bokin’ny Mpaminany roa ambin’ny folo na Bokin’ny Mpaminany 12, dia boky na horonam-boky ao amin’ny Tanakh, Baiboly hebreo, izay voasokajy ao amin’ny Nevi’im aharonim, zana-tsokajin’ny Nevi’im ("Mpaminany") izay fizaràna faharoa ao amin’ny Tanakh manaraka ny Torah (fizaràna voalohany "Lalàna") sady arahin’ny Ketuvim (fizarana fahatelo farany "Soratra"). Atao hoe Trei Assar ("Mpaminany 12") ny fitambaran'izy ireo. Hita ao amin’ny Baiboly kristiana ireo boky ireo ao amin’ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika" izay ao amin’ny fizaràna fahefatra atao hoe "Mpaminany".

Bokin'ny Mpanjaka

Ny Bokin'ny Mpanjaka dia boky ao amin'ny Tanakh izay isan’ireo bokin'ny mpaminany mitantara ny fanjakan’i Solomona sy ny nanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa. Asehony tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Voatantara koa ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana ny fahotan'ireo mpanjaka izay nitarika ny faharavan'ny Fanjakan’i Isiraely sy ny Fanjakan'i Joda. Ny fizaràna an'io boky io ho roa no nahazoana ny Boky voalohan'ny Mpanjaka sy ny Boky faharoan'ny Mpanjaka.

Bokin'ny Tantara

Ny Bokin’ny Tantara dia horonam-boky na boky ao amin’ny Baiboly jiosy (Tanakh), ka ny fizaràna azy ho roa no niavian’ny Boky voalohan'ny Tantara sy ny Boky faharoan'ny Tantara ao amin’ny Baiboly kristiana ankehitriny. Io boky io dia manazava ny antony nizaràn'ny firenen'i Israely ho roa ka niteraka ny Fanjakan’i Isiraely any avaratra sy ny Fanjakan’i Jodà any atsimo, ka atombony hatramin’ny famoronana an’i Adama izany ka mifarana amin'ny fahababoan'ny Jiosy sy ny fivereneny indray an-tanindrazana.

Boky faharoan'i Samoela

Ny Boky faharoan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny momba an’i Davida, mpanjaka israelita izay isan’ireo malaza indrindra, ny boky. Resahin'io boky io koa na ny heriny sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’izany rehetra izany.

Ambarany fa na dia tsy fanaperana aza ny toetr’i Davida dia tsy niala amin’Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Iahveh.

Boky faharoan'ny Mpanjaka

Ny Boky faharoan'ny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana na ara-tantara. Ao amin’ny Tanakh izy dia isan’ireo bokin'ny mpaminany. Manohy ny tantaran’ny Fanjakan'i Joda sy ny an'i Isiraely izay niantomboka tao amin’ny Mpanjaka voalohany ity boky ity.

Io boky io dia mitantara ny nanjakan’ireo mpanjaka tsirairay hatramin’i Ahazia (na Okoziasa) ka hatramin’ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda. Aseho tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy ny an'i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Ny Fanjakan’i Isiraely dia rava voalohany ka ny Asiriana no nahavita izany, fa ny Fanjakan’i Joda kosa no rava farany tokony ho 130 taona taorian’izany tamin’ny fanafihan’ny Babiloniana.

Asehon’ny boky fa navela ho rava ny Fanjakan’i Israely sy ny Fanjakan’i Joda noho izy ireo nanjakan’ny tsy finoana an’Andriamanitra. Talohan’izany dia nandefa mpaminany Andriamanitra mba hananatra ny vahoaka sy ireo mpanjaka tsy hanompo andriamani-kafa fa hiverina amin’ny finoana marina, nefa tsy nisy vokany firy izany.

Boky voalohan'i Samoela

Ny Boky voalohan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny fanombohan’ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ny Israelita sy ny adiny tamin’ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny koa ny fahotana nataon’i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ny fitondrany sy ny fireneny.

Boky voalohan'ny Mpanjaka

Ny Boky voalohan'ny Mpanjaka na Mpanjaka voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana. Ny Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’i Solomona (na Salômôna) ho mpanjaka, ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa, ny fahotan'ireo mpanjaka ary ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana izany.

Raha mbola tsy maty i Davida dia efa nisy tamin’ireo zanany no niady handimby azy nefa i Solomona ihany no voatendrin’i Davida handimby azy. Nanao fahotana lehibe i Solomona tamin'ny naha-mpanjaka azy ka ho setrin’izany dia nivaky roa ny firenena taorian’ny nahafatesany. Ny tapany avaratra dia natao hoe Fanjakan’i Joda fa ny ilany atsimo kosa dia natao hoe Fanjakan’i Israely (na Fanjakan’i Samaria). Ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin’ny boky dia tsaraina araka ny fifikirany na tsia amin’Andriamanitra.

Boky voalohan'ny Tantara

Ny Boky voalohan'ny Tantara na Tantara voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin’ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma. Ampahany amin'ny boky izay nozaraina roa io boky io – dia ny Bokin'ny Tantara – ka ny tapany faharoa dia ny Boky faharoan'ny Tantara. Ireo boky ireo dia manazava ny ny tantaran'ny Fanjakan'i Israely sy ny Fanjakan'i Joda hatramin'ny famoronana an'i Adama izay asehony amin'ny fomba hafa raha ampitahaina amin'ny voalaza ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka na dia misy tantara izay hita fa naverin'ny mpanoratra tantaraina.

Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao. Izy no nanao an'i Jerosalema ho ivontoeran'ny fivavahana amin'i Iahveh Andriamanitra. Deraina ho ilay mpanorina ny Tempoly izy na dia i Solomona zanany, raha ny marina, no tena nanatanteraka izany.

Ao amin’ny Boky voalohan'ny Tantara, i Davida dia aseho ho olona modely amin'ny fanompoana amim-pinoana sy fanajana an'Andriamanitra. Tamin'ny fotoana farany nanjakany dia nidera an’Andriamanitra izy teo anatrehan'i Israely manontolo ka nanao hoe :

"Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao". (1Tant. 29.10-12a) (Ny Baiboly)

Davida (mpanjaka)

Davida dia mpajakan'i Israely teraka tokony ho tamin'ny taona 1040 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 970 tal.J.K. tao Jerosalema. Araka ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly dia mpanjaka faharoan'i Israely nandimby an'i Saoly (na Saola) i Davida teo anelanelan'ny taona 1000 sy 970 tal. J.K. Taranany ireo mpanjakan'i Jodà nifandimby. I Davida no mpanjaka nahatanteraka ny firaisan'ny Israelita rehetra sady nanao an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany. Amin'ny Kristiana dia tandindn'ny Mesia izy. Ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka ary ny Boky voalohan'ny Tantara no tena ahitana ny tantarany ao amin'ny Baiboly.

Ely (mpitsara)

I Ely dia mpitsara talohan'ny farany tao amin'i Israely araka ny Boky voalohan'i Samoela (1Samoela 7.15). Izy no nandimby an'i Samsona ary nodimbasan'i Samoela. Nisahana ny asan'ny atao hoe mpisoron-dehibe, mpisorom-be na mpisoronabe izy.

Mpitsara ao amin'ny Baiboly

Ny mpitsara ao amin'ny Baiboly dia olona nomen'Andriamanitra fahefana ka tsy hoe hitsara fotsiny fa indrindraindrindra hitondra ara-politika na ara-tafika ihany koa mba hanafaka ny firenena israelita amin'ny fangejan'ireo firenena miady aminy. Amin'ny teny hebreo dia שופט‬ / shofet (raha tokana) na שופטים‬ / shoftim (raha maro) no ilazana ny mpitsara.

Ao amin'ny Baiboly hebreo dia voalaza fa shofet ("mpitsara") teo amin'ny Israelita i Mosesy ary nanendry mpitsara hafa izay nomeny fahefana amin'ny zavatra sasany araka ny tolokevitr'i Jetro, rafozan-dahiny madianita (Eksodosy 18.13-26), izy. Ny Bokin'ny Mpitsara dia miresaka ny amin'ny mpitsara roa ambin'ny folo izay nitsara an'i Israely: i Otniela, i Ehoda, i Samgara, i Debora (vehivavy), i Gideona, i Tola, i Jaira, i Jefta, i Ibtsana (na Ibzana), i Elona, i Abdona ary i Samsona. Ny Boky voalohan'i Samoela dia miresaka an'i Ely sy i Samoela, ary koa i Joela (na Jôely) sy i Abia (izay samy zanaka lahin'i Samoela). Ny Boky voalohan'ny Tantara dia miresaka an'i Kenania sy ireo zanany lahy. Ny Boky faharoan'ny Tantara dia miresaka an'i Amaria sy i Zebadia (zanak'i Ismaela).

Amin'ny ankapobeny dia tsy manao ireo mpitarika ireo ho "mpitsara" ny lahatsoratry ny Baiboly, fa milaza fotsiny fa "nitsara an'i Israely" izy ireo, amin'ny fampiasana ny matoanteny hoe שָׁפַט / sh-f-t. Ohatra, "nitsara an'i Israely" i Otniela (Mpits. 3.10), "nitsara an'i Israely i Tola nandritra ny telo amby roapolo taona" (Mpits. 10.2) ary i Jaira nitsara an'i Israely nandritra ny roa amby roapolo taona (Mpits. 10.3).

Nevi'im

Ny Nevi'im na Nebi'im ("mpaminany") dia ilazàna ireo boky izay mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ny Baiboly hebreo (atao hoe Tanakh) manomboka eo amin’ny Bokin’i Josoa ka miafara amin’ny Bokin’i Malakia. Ny fizaràna atao hoe Torah no eo alohany fa ny fizaràna atao hoe Ketuvim koasa no ao aoriany.

Samoela

I Samoela dia sady mpaminany no mpitsara. Izy no farany amin'ireo mpitsara tao Israely nandimby an'i Ely. Atao hoe שְׁמוּאֶל / Shemūʼēl) izy amin'ny teny hebreo. Ny lovantsofina dia milaza fa izy no nanoratra ny Boky voalohany sy faharoan'i Samoela niaraka amin'i Gada sy i Natana. Niala amin'ny maha mpitsara azy izy tamin'ny nanosorany an'i Saoly ho mpanjaka, araka ny Boky voalohan'i Samoela (1Sam. 8-15) ary tapitra teo ny andron'ny mpitsara. Izy koa no nanosotra an'i Davida ho mpanjaka (1Sam. 16-31).

Septoaginta

Ny Septoaginta na Septanta na Septoajinta izay hafohezina amin'ny tarehimarika romana hoe LXX (midika hoe "fitopolo"), dia dikan-tenin'ny Baiboly jiosy amin'ny fiteny grika koine. Niitatra ny zavatra tondroin'ny teny hoe Septoaginta ka nahafaoka ny ny dikan-tenin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) manontolo fa tsy ny Torah ihany. Ny Jodaisma anefa tsy nandray ny Septoaginta fa nitoky tamin'ny Baiboly amin'ny teny hebreo ihany, sy amin'ny dikan-teny grika na arameana (Targoma) manakaiky kokoa ilay amin'ny teny hebreo.

Araka ny lovantsofina taterin'ny Taratasin’i Aristea tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K., ny fandikan-teny ny Torah, hono, dia notanterahin'ny mpandika teny miisa 72 tao Aleksandria, tokony ho tamin'ny taona 270 tal. J.K. araka ny fangatahan'i Ptolemaiosy II.

Mampiavaka ny Septoaginta amin'ny Tanakh ny fanoloana ny teny hebreo hoe יהוה‬ / Ihwh (ilay nogasina hoe Jehovah na Iahveh) ho Kύριος / Kúrios fotsiny amin'ny teny grika (izay midika hoe "Tompo").

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.