Bokin'i Josoa

Ny Bokin'i Josoa na Bokin'i Jôsoe dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sy ao amin'ny boky masin'ny Jiosy (Tanakh). Mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra ny razambeny, dia i Kanana, ny Bokin'i Josoa. Maneho ny tsy fivadihan'Andriamanitra amin'ny fampanantenana nataony io boky io. Asehony koa anefa fa izay mivadika amin'Andriamanitra dia ho resy. Amin'ny teny fohy dia maneho ny fitondrana sy ny famonjen'Andriamanitra ny olony ilay boky.

Ny Bokin'i Josoa dia isan'ireo atao hoe bokim-pitantarana na boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly kristiana, fa bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana (hebreo: Nevi'im) kosa izy ao amin'ny Tanakh, izay manasokajy azy ho isan'ireo "mpaminany taloha". Tokony ho tany an-tenantenan'ny taonjato faha-10 tal. J.K. no nanoratana ny ankabeazan'ny lahatsoratra hita ao amin'ny boky.

Joshuah Ordering the Sun to Stand Still. ca 1743-1744. Joseph Marie Vien
Nampijanona ny masoandro i Josoa, nataon'i Joseph-Marie Vien

Fiforonan-teny

Ny hoe Bokin'i Josoa na Bokin'i Jôsoe dia fanagasiana ny anaran'ny boky amin'ny teny hebreo hoe ספר יהושע / Sefer Yehoshua. Ny hoe Yehoshua dia atao amin'ny teny anglisy hoe Joshua ka izany no nakan'ny Baiboly protestanta malagasy ny hoe Josoa fa amin'ny teny frantsay kosa dia Josué ka avy amin'io indray no nakan'ny Baiboly katolika malagasy ny hoe Jôsoe.

Ny amin'ny fanoratana ny Bokin'i Josoa

Ny nanoratana ny boky, araka ny lovantsofina

Ny lovantsofina jiosy dia milaza fa i Josoa (na Jôsoe) no nanoratra io boky io. Nampitondraina ny anaran'i Josoa ilay boky satria izy no olona voaresaka betsaka sady manana ny maha izy azy indrindra ao anatiny. I Josoa dia ilay lehilahy nanampy an'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fitarihana ny Zanak'i Israely avy any Ejipta hankany amin'ny tany Kanana sady lasa mpitarika an'io vahoaka io taorian'ny nahafatesan'i Mosesy.

Ny fanoratana ny boky, araka ny fikarohana ankehitriny

Ny sasany amin'ny mpikaroka momba ny Baiboly dia milaza fa fitambaran-tsoratr'olona samihafa sady avy amina loharano samihafa ny Bokin'i Josoa. Toy izao ny fisehon'izany ara-potoana:

  1. Fanoratana voalohany izay ahitana indrindra ny toko voalohany hatramin'ny toko faha-12 tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K., tamin'ny andron'ny mpanjaka Josia.
  2. Fanampiana lahatsoratra deoteronomista tamin'ny taonjato faha-6 sy faha-5 tal. J.K.
  3. Fanampiana lahatsoratra momba ny asan'ny mpisorona indrindraindrindra tamin'ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. (Toko 3-5; 20-22; 24).
  4. Fanampiana lahatsoratra samihafa tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K.

Ny fizaràna ny boky

Azo zaraina roa na telo ny Bokin'i Josoa, ka ny fizaràna voalohany dia mahafaoka ny toko voalohany hatramin'ny toko faha-12.

Ny fizaràna faharoa dia manomboka eo amin'ny toko faha-13 hatramin'ny toko faha-21. Ny fizarana fahatelo dia manomboka eo amin'ny toko faha-22. Raha fizaràna roa fotsiny no atao dia manomboka amin'ny toko faha-13 ka miafara amin'ny toko faha-24 ny fizaràna faharoa. Misy koa ny mizara ny boky ho efatra na mihoatra aza.

Ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany Kanana (Jos. 1 - 12)

Tissot The Taking of Jericho
Ny fakana ny mandan'i Jeriko, nataon'i James Jacques Joseph Tisso

Ny fizaràna voalohany izay mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra azy, dia ny tany Kanana. Betsaka ireo tanàna azon'ny Israelita noho ny fanampian'Andriamanitra azy ka ny sasany amin'izany dia azo tamin'ny fomba mahagaga. Ohatra amin'izany ny nandrodanana ny mandan'i Jeriko (na Jerikao) tamin'ny alalan'ny fitsofana trompetra, ny nampijanonan'Andriamanitra ny masoandro sy ny volana mba hanohizan'ny Israelita ny ady ka handreseny, ny nandatsahan'Andriamanitra havandra handripaka ny miaramilan'ireo firenena fahavalo, sns. Io fizaràna io ihany koa no maneho fa tsy manampy ny Zanak'i Israely Andriamanitra rehefa tsy manaja ny Fanekem-pihavanana izy ireo. Izany, ohatra, no naharesy azy tamin'ny ady nataony tao Ay (na Hay) (Jos. 7.1-12).

Ny fizaràna ny tany tamin'ireo fokon'i Israely (Jos. 13 - 21)

Amin'ity fizaràna ity no ilazana ny foko roa ambin'ny folo sy ny antsipiriany momba ny anjara tany nomena azy ireo tsirairay. Nisy ny foko izay efa nahazo ny anjarany tamin'i Mosesy (na Môizy) talohan'ny nidirana tao Kanana. Ambara ao koa ny fomba nizarana ny tany, dia ny fanaovana antsapaka. Nisy koa ny fanokanana tanàna fialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy. Ny Levita ihany no tsy nahazo anjara tany manokana fa nomena tanàna ao amin'ny foko hafa rehetra.

Ny hafatra farany nataon'i Josoa (Jos. 21 - 24)

Efa antitra i Josoa tamin'ny nahavitana ny fakàna sy ny fizaràna ny tany Kanana ka nanao hafatra farany ny amin'ny tsy tokony hakan'ny Zanak'i Israely tahaka ny fanaon'ireo firenena manodidina azy, ny tsy hifangaroany aminy, ny tokony hitandremany ny lalàna ary ny fampahatsiahivany ny halehiben'ny herin'Andriamanitra sy ny fanatanterahany ireo fampanantenana izay nataon'Andriamanitra. Nilaza koa i Josoa fa raha misaraka amin'Andriamanitra ny Israelita ka manompo andriamani-kafa dia ho tonga ireo firenena manodidina ka handripaka azy. Nitady ny valin-tenin'ireo Israelita i Josoa ho fanamafisana ilay Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Zanak'i Israely. Nilaza iretsy farany fa hanompo an'Andriamanitra.

Jereo koa

Abiama

I Abiama na Abia dia mpanjakan'i Jodà izay nandimby an'i Rehoboama (na Roboama) rainy tamin'ny taona 913 tal. J.K. I Asa zanany no nandimby azy rehefa maty izy tamin'ny taona 911. tal. J.K.

Bokin'i Rota

Ny Bokin’i Rota dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha, ao amin’ny Baiboly, sy ao amin’ny Tanakh, boky masin'ny Jiosy. Mitantara ny fiainan’ny fianakaviana iray tamin’ny andron’ny mpitsara ny boky, ka manasongadina ny fifikiran’ny vehivavy moabita iray, atao hoe Rota, amin’ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ny firenena hafa aza, noho ny niterahany ny razamben’i Davida mpanjaka.

Avondrona ao amin’ny atao hoe boky ara-tantara ny Bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly kristiana fa isan’ireo atao hoe Ketuvim ("soratra") kosa ao amin’ny boky masina hebreo Tanakh. Atao hoe מגילת רות / Megilath Ruth ("horonam-bokin’i Rota") io boky io ao amin’ny Tanakh.

Bokin'ny Mpitsara

Ny Bokin'ny Mpitsara dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady ao amin'ny boky masin'ny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataon'ireo mpitsara voatendrin'Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak'i Israely tao amin'ny tany Kanana taorian'ny nahafatesan'i Josoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan'ireo mpitsara ireo sy ny fangejan'ny firenena hafa ny Zanak'i Israely noho ny fialany an'Andriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isan'ireo atao hoe bokin'ny mpaminany ny Bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Tanakh, fa voasokajy ho bokim-pitantarana na boky ara-tantara kosa izy ao amin'ny Baiboly kristiana.

Boky ara-tantara (Baiboly)

Ny boky ara-tantara na bokin-tantara dia fitambarana boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly izay mirakitra amin'ny ankapobeny ny tantaran'ny Zanak'i Isiraely tao amin'ny tany Kanana hatrany amin'ny fahababoany tany Babilona.

Ireto avy ireo boky ireo: Josoa (na Jôsoe), ny Mpitsara, ny Rota, ny Samoela voalohany, ny Samoela faharoa, ny Mpanjaka voalohany, ny Mpanjaka faharoa, ny Tantara voalohany, ny Tantara faharoa, ny Ezra (na Esdrasa) ny Nehemia ary ny Estera. Ny Baiboly katolika dia ahitana boky deoterokanonika dia ny Tobià, ny Jodita ary ny Makabeo voalohany sy ny Makabeo faharoa.

Boky faharoan'i Samoela

Ny Boky faharoan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny momba an’i Davida, mpanjaka israelita izay isan’ireo malaza indrindra, ny boky. Resahin'io boky io koa na ny heriny sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’izany rehetra izany.

Ambarany fa na dia tsy fanaperana aza ny toetr’i Davida dia tsy niala amin’Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Iahveh.

Boky faharoan'ny Mpanjaka

Ny Boky faharoan'ny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana na ara-tantara. Ao amin’ny Tanakh izy dia isan’ireo bokin'ny mpaminany. Manohy ny tantaran’ny Fanjakan'i Joda sy ny an'i Isiraely izay niantomboka tao amin’ny Mpanjaka voalohany ity boky ity.

Io boky io dia mitantara ny nanjakan’ireo mpanjaka tsirairay hatramin’i Ahazia (na Okoziasa) ka hatramin’ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda. Aseho tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy ny an'i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Ny Fanjakan’i Isiraely dia rava voalohany ka ny Asiriana no nahavita izany, fa ny Fanjakan’i Joda kosa no rava farany tokony ho 130 taona taorian’izany tamin’ny fanafihan’ny Babiloniana.

Asehon’ny boky fa navela ho rava ny Fanjakan’i Israely sy ny Fanjakan’i Joda noho izy ireo nanjakan’ny tsy finoana an’Andriamanitra. Talohan’izany dia nandefa mpaminany Andriamanitra mba hananatra ny vahoaka sy ireo mpanjaka tsy hanompo andriamani-kafa fa hiverina amin’ny finoana marina, nefa tsy nisy vokany firy izany.

Boky voalohan'i Samoela

Ny Boky voalohan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny fanombohan’ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ny Israelita sy ny adiny tamin’ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny koa ny fahotana nataon’i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ny fitondrany sy ny fireneny.

Boky voalohan'ny Mpanjaka

Ny Boky voalohan'ny Mpanjaka na Mpanjaka voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana. Ny Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’i Solomona (na Salômôna) ho mpanjaka, ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa, ny fahotan'ireo mpanjaka ary ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana izany.

Raha mbola tsy maty i Davida dia efa nisy tamin’ireo zanany no niady handimby azy nefa i Solomona ihany no voatendrin’i Davida handimby azy. Nanao fahotana lehibe i Solomona tamin'ny naha-mpanjaka azy ka ho setrin’izany dia nivaky roa ny firenena taorian’ny nahafatesany. Ny tapany avaratra dia natao hoe Fanjakan’i Joda fa ny ilany atsimo kosa dia natao hoe Fanjakan’i Israely (na Fanjakan’i Samaria). Ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin’ny boky dia tsaraina araka ny fifikirany na tsia amin’Andriamanitra.

Filistia

I Filistia dia fanjakana naorin'ny Filistina, izay isan'ireo atao hoe "Vahoakan'ny ranomasina", manodidina ny taona 1200 tal. J.K. tao amin'ny morontsiraky ny Ranomasina Mediteranea manodidina ny tananan'i Gaza sy Askelona. Fikambanan-tanàna mahaleo tena ara-politika i Filistia tamin'ny voalohany, avy eo nanjary fanjaka-mpanjaka tamin'ny taonjato faha-11 tal. J.K. Niady tamin'ny Fanjakan'i Israely matetika i Filistia. Atao hoe פלשת / Pleshet i Filistia amin'ny teny hebreo.

Ny sisin-taniny ao avaratra dia ny ony Iarkona, ny ao andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, i Joda no ao atsinanana ary i Wadu El-Arish ny ao atsimo. Tanàn-dehibe dimy, izay samy manana ny tompo mpanampaka azy avy, no mitambatra ka niteraka an'i Filistia, dia i Askelona, i Asdoda, i Ekroa, i Gata ary i Gaza ao amin'ny amin'ny tapany atsimo andrefan'ny Atsinanana Akaiky. Ao amin'ny Bokin'i Josoa (Jos. 13.3) ao amin'ny Boky voalohan'i Samoela (1Sam. 6.17) no miresaka izany.

Ireo mpanapaka dimy ny Filistina ireo dia resahina ao amin'ny Baiboly hebreo fa nifanerasera sy niady matetika amin'ireo Israelita mpifanolo-bodirindrina aminy sy ny Kananita ary ny Egiptiana.

Tsy voaresaka ny amin'ny Filistina taorian'ny famaboan'ny Empira asiriana vaovao ny faritry ny Atsinanana Akaiky (taona 911 - 605 tal. J.K.). Hatramin'izao dia mbola iadian'ireo mpahay tantara hevitra ny fiavian'ny Filistina na avy amin'i Kanaana Taloha na mpifindra monina avy any Afrika Avaratra, avy any Anatolia na avy any Kreta.

Fokon'i Asera

Ny fokon'i Asera dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely. Isan'ireo foko lazaina hoe very ny fokon'i Asera.

Fokon'i Israely

Ny fokon'i Israely dia ireo foko taranaky ny zanaka lahy roa ambin'ny folon'i Jakoba araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly izay mifarana amin'ny fitantarana ny nanorenan'ireo Zanak'i Israely fonenana tao amin'ny Kanaana. Ireo zanak'i Jakoba ireo dia i Robena (na Reobena), i Simeona, i Levy, i Joda, i Isakara, i Zabolona, i Dana, i Naftaly, i Gada, i Asera, i Josefa ary i Benjamina. Tamin'ny faharavan'ny Fanjakan'i Samaria dia lazaina fa nanjavona ka tsy hita intsony ny foko folo, dia ireo nonina tao amin'io fanjakana io.

Fokon'i Jodà

Ny fokon'i Jodà dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.

Fokon'i Simeona

Ny fokon'i Simeona dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.

Fokon'i Zebolona

Ny fokon'i Zabolôna na fokon'i Zebolona dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.

Galilea (faritra)

I Galilea na Galilia dia faritra ao amin'ny tapany avaratr'i Israely, izay eo anelanelan'ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana sy i Siria ao avaratra ary ny lemak'i Esdrelona ao atsimo.

Josoa

I Josoa na Josoe na Jôsoe dia ilay lehilahy nanampy an'i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fitarihana ny Zanak'i Israely avy any Ejipta hankany amin'ny tany Kanana sady lasa mpitarika an'io vahoaka io taorian'ny nahafatesan'i Mosesy. Izy no ataon'ny lovantsofina jiosy sy kristiana ho nanoratra ny Bokin'i Josoa.

Kanaana (faritra)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia faritra tao andrefan'i Jordana (na Jordany) izay resahina ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady anaran'ny razamben'ireo mponina tao amin'io firenena io koa ny hoe Kanana na Kanaana na Kanahana, ka izany no iantsoana ilay firenena hoe Tany Kanaana indraindray mba hiavahany amin'ilay razambe. Taty aoriana ny Tany Kanana dia niova anarana ho Palestina na Palestinina. Izy ilay tany nampanantenain'Andriamanitra ny Israelita araka ny Baiboly. Nonina tsikelikely tao Kanana ny Israelita nanomboka tamin'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. na mety efa talohan'io aza. Angamba koa avy amin'ny fitenin'ireo Kananita no nahazoan'ny Israelita ny fiteny hebreo.

Otniela

I Otniela na Hôtniela dia mpitsara israelita. Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Otniel Ben Knaz (עתניאל בן קנז) no anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina hoe Otniela zanak'i Kenaza. (Mpit. 3.8-11). Mety hidika hoe "Heriko Andriamanitra" na "Namonjy ahy Andriamanitra" ny hevir'i anarana io. I Kosama-Riseataima, mpanjakan'i Arama no nifanandrina taminy. Tamin'ny androny dia nandry fehizay tanatin'ny 40 taona i Israely. Izy no mpitsara voalohany tao Israely ary i Ehoda no nandimby azy.

Isan'ny fokon'i Joda izy ary i Kenaza izay zandrin'i Kaleba no rainy. Izy no mpitsara voalohany nandimby an'i Josoa (na Josoe). Ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 1 sy 3) no ahitana ny tantarany.

Nandresy an'i Hebrona teo akaikin'i Beni-Anaka i Kaleba tao atsimo, izay avy amin'ny fokon'i Joda. Naka ny tananàna Kiriata-Seferay ny zana-drahalahiny atao hoe Otniela, zanak'i Kenaza. Izy koa dia niady amin'ny Edômita. Niditra tao amin'ny tany Kanana i Kosama-Riseataima, mpanjaka avy any amin'ny faritr'i Eofrata, mba hanafika sy haka koa an'i Ejipta. Resin'i Farao anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Otniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.

Tahirin-kevitra deoteronomista

Ny tahirin-kevitra deoteronomista na loharano deoteronomista, izay hafohezina amin'ny litera D, dia mahafaoka ny Bokin'ny Deoteronomia manontolo izay niavian'ny anarany. Hita ao amin'ny Bokin'i Josoa sy ny Bokin'ny Mpitsara anefa ny fomba fanorany sy ny foto-pampianarany: ireo lahatsoratra ireo sy ny Bokin'ny Deoteronomia dia manome zavatra miendrika tahirin-kevitra tokana. Hita koa ao amin'ny bokin'ny mpaminany, indrindra ao amin'ny Bokin'i Hosea sy ny Bokin'i Jeremia koa ny hevitra sy ny toetra mampiavaka indrindra io tahirin-kevitra io. Hita matetika sy miharihary mazava ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ny fomba fiheverana sy ny fomba fanaovan-javatra ao aminy izay nakana ny aingam-panahin'ny faminaniana ao amin'i Israely, ka izany no anaovana ny anaran'io tahirin-kevitra io hoe "deoteronomista".

Ny tahirin-kevitra deoteronomista dia lahatsoratra vinavinaim-pisiana araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (i Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin'ny taonjato faha-18 nefa misy ireo mpikaroka taty amin'ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy. Araka ny mpomba io petra-kevitra io dia iray amin'ireo loharano na tahirin-kevitra nakana singa nakambana hiforonan'ny Baiboly hebreo (Tanakh) izy io, ka ny telo hafa dia ny tahirin-kevitra elohista sy ny iahvista ary ny an'ny mpisorona.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.