Andron'ny Alimo

Ny Andron'ny Alimo dia vanimpotoana tany alohan'ny fotoana nandraiketana voalohany ny tantara, izay miavaka noho ny lanjan'ny fanefena alimo. Izany vanimpotoana izany dia mahatratra 2 000 taona eo ho eo, manomboka amin'ny taona 3000 hatramin'ny 2000 tal. J.K., ao amin'ireo faritra miavaka indrindra, dia ny any Atsinanana Akaiky, ny any Eoropa ary ny any Azia. Miovaova izany arakaraka ny faritra eto an-tany resahina izany ka sarotra ny mamaritra azy any amin'ny faritra sasany eto amin'izao tontolo izao sahala amin'ny any Amerika nisian'ny sivilizasiona prekolobiana izay nahafantatra ny fanefena volamena sy varahina hatramin'ny fahazoan'ny Espaniola ilay faritra nefa tsy hita tao ny fanefana alimo.

Ny alimo dia anarana mahafaobe iantsoana ny vokatry ny fanatsonihana miaraka ny varahina sy ny firapotsy. Amin'izao fotoana izao dia ekena fa mandimby ny Andron'ny Varahina ny Andron'ny Alimo sady dimbiasin'ny Andron'ny Vy, any amin'ny faritr'izao tontolo izao izay ahitana miavaka ireo vanimpotoana ireo. Miova be ny fari-potoan'ny Andron'ny Alimo arakaraka ny faritra sy ny kolontsaina heverina.

Anatolia

I Azia Minora na Asia Minora na Anatolia dia faritra tao Azia izay mifanandrify amin'ny ampahany lehibe amin'i Torkia ankehitriny. Saikanosin'ny faritra Atsinanana Akaiky izy ka hodidinin'ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo sy ny Ranomasina Mainty ao avaratra sy ny Ranomasina Egea ao andrefana ary ny onin'i Eofrana sy ny tandavan-tendrombohitra Taorosy ao antinanana.

Faritra ao amin'ny tendrony adrefana amin'i Azia i Anatolia. Ara-jeografia dia anondroana ny faritra ao andrefan'ny tsipika Tchorokhi-Oronte, izay avy any amin'ny Ranomasina Mediteranea mankany amin'ny Ranomasina Mainty, ary sarahan'ny Ranomasin'i Marmara amin'i Eoropa avy ao avaratra-andrefana. Ara-politika kosa dia andondroana ny faritra aziatikan'i Torkia i Anatolia. Ny 97%n'ny tanin'i Torkia dia ao Anatolia fa ny 3% monja no ampahan'i Eoropa, ao Trakia atsinanana.

Andron'ny Varahina

Ny Andron'ny Varahina dia vanimpotoana ao amin'ny Neolitika izay nahafahezan'ny olombelona ny fanefena varahina, talohan'ny fanefena alimo. Nandritra ny ampahany be amin'ny Neolitika dia niara-nisy amin'ny taozavatra amin'ny vato sy ny taolana ny fanefena varahina izay metaly malemy loatra amin'ny fanamboarana fitaovam-piasana sy fitaovam-piadiana. Tamin'ny Andron'ny Varahina dia nisy metaly hafa toy ny volamena sy ny volafotsy izay notefena koa hanamboarana fihaingoana, nefa ny famokarana fiotaovam-piasana sy fitaovam-piadiana dia natao indrindra tamin'ny vato sy ny taolana.

Andron'ny Vy

Ny Andron'ny Vy dia vanimpotoana miavaka noho ny fahefehezan'ny olombelona ny fanefena vy, izay nandimby ny Andron'ny Alimo. Miovaova be ihany anefa ny fari-potoan'ny Andron'ny Vy arakaraka ny faritra eto an-tany sy ny faritra misy ny kolontsaina resahina. Noho izany dia azo heverina ho mbola ao amin'ny vanipotoana alohan'ny tantara na ao amin'ny vanimpotoan'ny tantara ny Andron'ny Vy arakaraka ny faritra eto ambonin'ny tany resahina. Ny Andron'ny Vy dia manomboka amin'ny taona 11000 tal. J.K. ao amin'ny faritra mediteraneana, fa amin'ny taona 800 na 700 tal. J.K. izany any amin'ny tapany avaratr'i Eoropa, ary amin'ny taona 1000 tal. J.K. aty Afrika. Ny fanefena vy dia mila hafanana ambny dia ambony noho ny an'ny alimo, izay tratra noho ny fivoaran'ny fahaizana momba ny lafaoro.

Fiteny hitita

Ny fiteny hitita na fiteny heteana izay fantatra koa amin'ny hoe fiteny nesita dia fiteny indo-eoropeana izay notenenin'ny Hitita na Heteana tamin'ny Andron'ny Alimo tao Anatolia. Ireo Hitita ireo dia namorona fanjakana lehibe ka ny ivony dia i Hatosa (Hattusa), izay ao amin'ny tapany avaratry ny Tany Atsinanana sy i Mesopotamia Ambony. Efa maty efa ela ny fiteny hitita ka ny soratra miendri-pantsika tavela no ahafantarana azy, izay voasoratra tany amin'ny taonjato faha-16 hatramin'ny taonjato faha-13 tal. J.K.

Tamin'ny tapany farany amin'ny Andron'ny Alimo dia nanomboka nanome toerana ny fiteny loviana izay mifanakaiky aminy ny fiteny hitita. Tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. dia ny fiteny loviana na lovita no notenenina indrindra tao Hatosa renivohitry ny Hitita. Taorian'ny firodanan'ny Empira hitita tamin'ny tapany farany tamin'ny Andron'ny Alimo dia ny fiteny loviana no be mpiteny indrindra tao amin'ny fanjakana atao hoe siro-hitita tao amin'ny tapany atsimo-andrefan'i Anatolia sy ao amin'ny tapany avaratr'i Siria. Ny fiteny hitita no fiteny fantatra indrindra amin'ireo fiteny anatoliana izay isan'ny fiteny indo-eoropeana.

Fiteny ogaritika

Ny fiteny ogaritika dia fiteny hamito-semitika tsy misy mpiteny intsony (fiteny maty) izay isan'ny fiteny kananeana, ao amin'ny vondrona avaratra-andrefan'ny fiteny semitika, notenenina tao amin'ny tanànan'i Ogarita tamin'ny Andron'ny Alimo tapany farany (taonjato faha-15 hatramin'ny faha-12 tal. J.K.). Ny abidia ogaritika, izay abidy tsy ahitana afa-tsy renisoratra (abjady), no nanoratana ny fiteny ogaritika.

Ny fiteny ogaritika dia fitenim-paritry ny fiteny amorita ka izy no sisa fantatra amin'ny endriky ny fiteny amorita voasoratra) izay fantatra tamin'ny alalan'ny nahitan'ny arkeologa frantsay ny lahatsoratra ogritika maro tamin'ny taona 1929 tao amin'ny sisam-paharavàn'ny tananan'i Ogarita (izay antsoina hoe Ras Shamra ao Siria ankehitriny). Nampiasian'ny mpikaroka io fiteny io mba hitadiavana fanazavana ny lahatsoratry ny Baiboly ka nahitana ny fifanindranan-dalan'ny kolontsain'ny vahoaka tao amin'ny fanjakàn'i Israely sy ny fanjakàn'i Jodà tamin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo.

Fiteny semitika

Ny fiteny semitika dia vondrom-piteny nampiasaina tamin'ny Andro Taloha any Atsinana Akaiky (Azia Atsimo Andrefana) sy ao Afrika Avaratra ary ao amin'ny Tandrok'i Afrika. Isan'ireo fiteny atao hoe hamito-semitika na afro-aziatika na afraziana izy ireo ka miely avy amin'ny tapany avaratr'i Afrika hatrany Atsinana Akaiky. Nanomboka tamin'ny taona 1781 no nanomezan'ilay Alemàna atao hoe August Ludwig von Schlözer anarana toy izany ireo fiteny ireo araka ny anaran'olona iray ao amin'ny Baiboly, dia i Sema zanak'i Noa (na Nôe). Amin'izao fotoana izao dia ireto avy ny lehibe amin'ireo fiteny ireo: ny fiteny arabo, amarîka, tigrinia, hebreo, soreta na arameana tatsinana vaovao, arameana tandrefana vaovao, maltey ary siriaka. Mampiavaka ny fiteny semitika ny fampiasana fototeny foronina renifeo telo sy ny fampiasana renifeo tononina am-bavatraoka sy an-janadela ary anterina mafy.

Horita (vahoaka)

Ny Horita dia vahoaka nonina tao Azia Minora (na Anatolia) tamin'ny Andro Taloha. Nanorina ny fanjakan'i Horý na Harý izy ireo tamin'ny fiandohan'ny taonarivo faharoa, tao amin'ny faritra mifanila ao avaratr'i Mesopotamia.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Kafarnahoma

I Kafarnahoma na Kapernaomy dia tanana kely onenana mpanjono ao amin'ny faritanin'i Galilea (na Galilia), eo ampita avaratra-andrefan'ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy izay atao hoe koa Genesareta na Jenezareta) ao amin'ny tapany avaratry ny Fanjakan'i Israely. Tamin'ny fitondran'ireo Hasmoneana, dia teo anelanelan'ny 6 sy 10 ha ny velaran'ity tanàna ity ary miisa 1 700 eo ho eo ny mponina ao aminy .

Kanaana (faritra)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia faritra tao andrefan'i Jordana (na Jordany) izay resahina ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly sady anaran'ny razamben'ireo mponina tao amin'io firenena io koa ny hoe Kanana na Kanaana na Kanahana, ka izany no iantsoana ilay firenena hoe Tany Kanaana indraindray mba hiavahany amin'ilay razambe. Taty aoriana ny Tany Kanana dia niova anarana ho Palestina na Palestinina. Izy ilay tany nampanantenain'Andriamanitra ny Israelita araka ny Baiboly. Nonina tsikelikely tao Kanana ny Israelita nanomboka tamin'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. na mety efa talohan'io aza. Angamba koa avy amin'ny fitenin'ireo Kananita no nahazoan'ny Israelita ny fiteny hebreo.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.