Andro Antenantenany

Ny Andro Antenantenany dia fari-potoan'ny tantaran'i Eoropa eo anelanelan'ny Andro Taloha sy ny Andron'ny Fahateraham-panindroany, nivelatra tanelanelan'ny taonjato faha-5 sy faha-15, teo anelanelan'ny taona 476 taor. J.K. (faharavan'ny Empira romana) sy ny taona 1492 (fotoana nahitan'i Cristoforo Colombo voalohany an'i Amerika). Zarain'ny mpahay tantara ho telo ny Andro Antenantenany, dia ny Andro Antenantenany tapany voalohany (taonjato faha-6 hatramin'ny faha-10) sy ny Andron'ny Tompomenakely (taonjato faha-11 hatramin'ny faha-13) ary ny Andro Antenantenany tapany farany (taonjato faha-14 hatramin'ny faha-15).

Jereo koa:

Afo fandiovana

Ny afo fandiovana, araka ny fampianaran'ny Eglizy katolika indrindraindrindra, dia ny fanavotana ny fanahin'ny olona aorian'ny fahafatesana, izay anadiovana azy hoafaka amin'ny fahotana mila ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra, na izay ianjadian'ny fanasaziana mandalo iaretan'ny mpanota aorian'ny famelana ny fahotana mahafaty nataony. Aorian'izany dia afaka ny hiditra amin'ny fahasambarana ny fanahin'ny olona. Ny Fiangonana tatsinanana sy ny Fiangonana tandrefana dia samy miaiky ny fisian'ny afo fandiovana ary mihevitra izy ireo fa toeram-pijaliana izany. Raha mino ny Fiangonana tandrefana fa handalo fisedrana afo ara-bakiteny ny mpanota, ny Fiangonana tatsinanan kosa tsy manazava ny karazana fijaliana hahazo ny mpanota. Ny Konsily tao Florentia tamin'ny taona 1439 dia nihevitra izany lohahevitra izany ho mbola azo iadian-kevitra.

Ny foto-pampianarana sy ny fanao tamin'ny Andro Antenantenany momba ny afo fandiovana dia niadian-kevitra ary ny mpanavao fiangonana protestanta dia nanda ny fisian'izany. Nilaza ny Protestanta fa ny famonjena ny olombelona rehetra dia efa vitan'i Jesoa Kristy ary izany famonjena izany dia avy amin'ny finoana an'i Kristy irery ihany. Nampianatra ny fisian'ny dingana anelanelany sy ny fotoam-panabeazana sy fisedrana aorian'ny fahafatesana dia nampianarin'ny Fiangonana anglikana.

Ahasoerosy

Ahasoerosy na Asoerosy dia anaran'olona hita ao amin'ny Baiboly. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / Aʾhashwerosh na Aʾhashverosh io anarana io. Heverin'ny maro fa mitovy amin'ny anarana hoe Kserksesy ny hoe Ahasoerosy na Asoerosy noho izy avy amin'ny anarana amin'ny teny persiana tranainy hoe Khšayarša. Tsy vitsy koa anefa ireo mihevitra fa mitovy amin'ny anarana hoe Artakserksesy (indrindra fa i Artakserksesy II) ny hoe Ahasoerosy.

Ireto avy ireo olona nitondra io anarana io:

I Ahasoerosy na Asoerosy ao amin'ny Bokin'i Estera dia heverina fa i Kserksesy I (na Kserksesa I) mpanjakan'i Persia.

Atao hoe Ahasoerosy koa ny anaran'ny mpajakan'i Persia ao amin'ny Bokin'i Ezra (Ez. 4.5-7).

Misy Ahasoerosy na Asoerosy hafa koa ao amin'ny Bokin'i Daniela (Dan. 9.1) izay ataon'io boky io fa rain'i Dariosy Mediana (na Dariosa Meda).

Misy Ahasoerosy na Asoerosy hafa koa ao amin'ny Bokin'i Tobia, mpiara-miasa amin'i Nabokôdônôzôra (na Nebokadnezara), izay misy mihevitra fa i Kiaksaresy (na Kiaksaresa), mpanjakan'ny Mediana tamin'ny taona 625 hatramin'ny 585 tal. J.K. Mety mbola i Ahasoerosy na Asoerosy ao amin'ny Bokin'i Daniela io.

Iray amin'ny anaran'ilay "Jiosy mpirenireny" amin'ny angano tamin'ny Andro Antenantenany koa ny hoe Ahasoerosy.

Anatolia

I Azia Minora na Asia Minora na Anatolia dia faritra tao Azia izay mifanandrify amin'ny ampahany lehibe amin'i Torkia ankehitriny. Saikanosin'ny faritra Atsinanana Akaiky izy ka hodidinin'ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo sy ny Ranomasina Mainty ao avaratra sy ny Ranomasina Egea ao andrefana ary ny onin'i Eofrana sy ny tandavan-tendrombohitra Taorosy ao antinanana.

Faritra ao amin'ny tendrony adrefana amin'i Azia i Anatolia. Ara-jeografia dia anondroana ny faritra ao andrefan'ny tsipika Tchorokhi-Oronte, izay avy any amin'ny Ranomasina Mediteranea mankany amin'ny Ranomasina Mainty, ary sarahan'ny Ranomasin'i Marmara amin'i Eoropa avy ao avaratra-andrefana. Ara-politika kosa dia andondroana ny faritra aziatikan'i Torkia i Anatolia. Ny 97%n'ny tanin'i Torkia dia ao Anatolia fa ny 3% monja no ampahan'i Eoropa, ao Trakia atsinanana.

Andro Taloha

Ny hoe Andro Taloha dia ilazana vanim-potoan'ny Tantara izay nialoha ny Andro Antenantenany na ny Andro Vaovao. Miovaova ny fivelaran'io vanim-potoana io arakaraka ny sivilizasiona heverina. Amin'ny tantara eoropeana dia fotoana mifanandrify amin'ny sivilizasionan'ny soratra nanodidina ny Ranomasina Mediteranea ny Andro Taloha ka ny ankamaroan'ny mpahay tantara dia mametraka ny fiantombohany eo amin'ny taonarivo faha-4 tal. J.K. (anelanelan'ny taona 3500 tal. J.K. sy 3000 tal. J.K.) miaraka tamin'ny famoronana ny soratra tany Mesopotamia (ny soratra miendri-pantsika.) sy tany Egipta. Nanova tanteraka ny tantaran’ny olombelona ny fahitana ny soratra izay nitranga tamin’ny taona 3300 tal. J.K. Ny fiafaran'ny Andro Taloha dia heverin'ny mpahay tantara ho manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. (anelanelan'ny taona 300 sy 600).

Tamin’ny taona 476 taor. J.K. dia rava ny empira farany tamin’ireo lehibe tamin’izay nisy manodidina an’i Mediretanea, tsy iza izany fa ny Empira romana. Izany faharavàn’ny Empira romana izany dia nahatapaka tanteraka ny tantaran’ny tandrefana nefa tsy nisy vokany tamin’ny tantaran’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao.

Andro Vaovao

Ny Andro Vaovao dia vanimpotoana teo anelanelan'ny Andro Antenantenany sy ny Adro Ankehitriny feran'ny fotoana nahitan'i Cristoforo Colombo an'i Amerika tamin'ny taona 1492 (na ny fahalavoan'i Konstantinopoly tamin'ny taona 1453) sy ny Revolosiona frantsay tamn'ny taona 1789.

Antitrinitarisma

Ny antitrinitarisma na nontrinitarianisma dia ilazana ny fampianarana teo amin'ny teolojia kristiana izay mandà ny tenim-pinoana ny amin'Andriamanitra tokana misy persona telo (ny Trinite), ka manao izay hahitana izay heveriny ho tena fifandraisana eo amin'Andriamanitra (ny Mpamorona, izay efa ekena ao amin'ny lovantsofina hebreo araka ny Testamenta Taloha) sy i Jesosy (izay heverina ho zanak'Andriamanitra ao amin'ny lovantsofina kristiana araka ny Testamenta Vaovao) sy ny Fanahy Masina.

Ny fomba fijery tsy trinitariana dia miavaka amin'ny an'ny fiangonana trinitariana raha ny amin'ny fomban'Andriamanitra sy ny an'i Jesosy ary ny an'ny Fanahy Masina. Maro ireo fiheverana tsy trinitariana ka isan'izany ny adoptianisma, ny monarkianisma, ny sobordinatianisma izay nisy talohan'ny foto-pampianarana momba ny Trinite tamin'ny taona 325 sy 381 ary 431, tamin'ny konsilin'i Nikea sy ny konsilin'i Konstantinopoly ary ny konsilin'i Efeso. Ny katarisma dia namoha indray ny antitrinitarianisma tamin'ny taonjato faha-11 hatramin'ny faha-13, tao amin'ny fikambanana manana firehana onitariana, nandritra ny Fanavaozam-piangonana protestanta, tamin'ny Taonjaton'ny Fahazavana (taonjato faha-18), sy tao amin'ny vondrona niseho nandritra ny Fifohazam-panahy lehibe faharoa (taonjato faha-19).

Askenazy

Ny Askenazy dia iray amin'ireo fizaràna lehiben'ny vahoaka jiosy izay navahana noho ny toerana niaviany sy ny fombam-pivavahana aman-kolontsaina arahiny. Ny vahoaka jiosy maro anisa manampy an'io dia ny Sefarada.

Ny teny hoe Askenazy dia nampiasaina tamin'ny Andro Antenantenany mba hanondroana ny vahoaka jiosy nonina tao Eoropa Avaratra, avy any Afovoany ka hatrany Atsinanana ary koa anondroana ny taranany na dia tsy mipetraka amin'ireo faritra ireo aza. Tamin'ny taonjato faha-10 no nampiasana voalohany ny anarana hoe Askenazy hanondroana an'i Alemaina izay nanombohan'ny vondrom-bahoaka jiosy maro niorim-ponenana. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, any Polonia sy any Litoania ary any Rosia tamin'ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin'ny Jiosy askenazy ny nifindra monina any Amerika Avaratra sy tany Israely tamin'ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin'ny fiteny jodeo-alemàna atao hoe fiteny idisy ny Askenazy.

Evanjelin'i Nikodemo

Ny Evanjelin'i Nikodemo, na Filazantsaran'i Nikodemosy, sy ny Asan'i Pilato dia anaran'ny evanjely apokrifa nosoratana amin'ny teny grika tamin'ny taonjato faha-4. Ao amin'ny endriny voalohany dia mitantara ny fitsarana sy ny fahafatesan'i Jesosy izy, avy eo ny fitsanganany tamin'ny maty (amin'ny alalalan'ny fitantaran'i Josefa avy any Arimatea sy ny Galiliana telolahy). Ampahatsiahiviny ny evanjely kanonika sady manamafy ny fanatanterahan'ny faminanian'ny Testamenta Taloha izy.

Ao amin'ny fandikana an'io evanjely io amin'ny teny latina dia notovanana ny fitantarana ny fidinan'i Jesosy tany amin'ny fiainantsihita. Nisy akony teo amin'ny kolontsaina tandrefana ny Evanjelin'i Nikodemo; matetika dia anaovana fampahatsiahivana ny andalana ao aminy tamin'ny Andro Antenantenany, na tao amin'ny raki-pahalalana tamin'izany fotoana izany na tao amin'ny boky fitantarana na tao amin'ireo boky fampianarana mitoriteny. Isan'ny nipoiran'ny fitantarana ny Graal izy.

Fiangonana Latina

Ny Fiangonana latina dia ny ampahany manaraka ny fomba tandrefana ao amin'ny Fiangonana katolika ka ny Fiangonana katolika tatsinanana no ampahany mifameno aminy. Amin'ny Fiangonana katolika rehetra dia izy no lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin'ny Kristianisma tandrefana. Nampiasa ny fiteny latina izy tamin'ny Andro Antenantenany ka hatra taty aoriana fa tsy ny fiteny grika na hafa. Ny Fiangonana latina isam-pirenena amin'izao fotoana izao dia samy mampiasa ny fiteny eo amin'ny toerana misy azy fa tsy voatery ho ny fiteny latina ihany.

Indraindray koa ny Fingonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana tandrefana" na "Fiangonana katolika romana" na "Eglizy katolika romana". Mahalankalana ihany no iantsoana azy hoe "Fiangonana katolika tandrefana". Ny hoe "Fiangonana tandrefana" koa dia indraindray mety hanondro avy hatrany ny Fiangonana latina.

Manana ny fehezan-dalàny manokana izy, dia ny Lalàna kanonika izay tsy ampiharina amin'ireo Fiangonana katolika tatsinanana manaiky ny fahefan'ny Papa koa.

Fiteny anglisy

Ny Fiteny anglisy (English [/ˈɪŋɡlɪʃ/]) dia fiteny jermanika avy any Angletera.

Io no tenim-pirenena nahabe ny mponina anatin'ny firenena maro, indrindra any Royaume Uni sy ny zanataniny taloha : Etazonia, Kanada, Aostralia, Afrika Antsimo, India. Ireo zanatany taloha izay mbola mampiasa ny teny anglisy dia lazaina fa ao amin'ny tontolo miteny anglisy, izay manana anarana anglosphere amin'ny teny anglisy.

Isan'ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany ny teny anglisy, ao arian'ny teny Sinoa. Satria izy no teny be mpianatra indrindra. Miteny ny olona sasany hoe "fiteny iraisam-pirenena" ny teny anglisy. Sady io fiteny io no teny fiasana anatin'ny Firenena Mikambana miaraka amin'ny fiteny frantsay

Fiteny grika

Ny fiteny grika dia fiteny indo-eoropeanina. Izy no fiteny ofisialy ao Grisy sy Kipra. Ny toerana nitenenana io fiteny io voalohany dia tao Grisy sy tao amin’ny morontsirak'i Azia Minora, ary tao amin’ny faritra atsimon’i Italia. Nisy fotoana nampiasana ny fiteny grika ihany koa tao Azia Andrefana sy tao Afrika Avaratra. Ny anaran’ny fiteny grika amin’ny teny grika dia Ελληνικά (elliniká).

Mampiasa ny abidy grika ny Grika rehefa manoratra ny teniny. Avy amin’ny abidy grika ny abidy latina izay anoratana ny teny malagasy sy ny teny frantsay ary ny ankamaroan’ny teny eoropeanina tandrefana. Abidy hafa maro ihany koa no avy amin’ny abidy grika toy ny abidy sirilika. Io abidy grika io kosa dia avy amin’ny abidy fenisianina.

Ny fiteny grika dia manana tantara an-tsoratra tsy tapaka nandritry ny telo arivo taona. Izany dia maharitra kokoa noho ny teny indo-eoropeana tenenina ankehitriny. Mizara telo toko izany tantara izany: grika taloha, grika tamin'ny Andro Antenantenany, ary ny grika ankehitriny. Ny grikan'ny fotoana anelanelan’ny taona 330 sy 1453 dia antsoina hoe grika tamin’ny Andro Antenantenany izay nanjakan’i Empira Bizantina.

Ankehitriny dia eo amin’ny 15 tapitrisa eo ho eo no olona miteny grika. Ao Grisy sy Kipra (na Kiprosy) no misy ny ankamaroan’izy ireo. Misy ihany koa ny olona miteny grika any amin’ny firenena maro. Ny anton’izany dia ny fifindra-monin’ireo mpiteny grika. Maro dia maro ireo Grika lasa nifindra monina tany Aostralia.

Fiteny hebreo

Ny fiteny hebreo na fiteny hebrio dia fiteny semitika. Tenin'ny Jiosy io fiteny io. Teny fampiasan'ny Israelita nandritry ny fotoana nitrangan'ny tantara tao amin'ny Baiboly ny teny hebreo. Rehefa resin'i Babilôna i Jodà, dia nentina hatao sesitany tany Babilôna ny Jiosy ka nanomboka niteny aramaika na arameana. Tsy nampiasaina tamin'ny fiainana andavanandro intsony ny teny hebreo fa mbola fantatry ny Jiosy mpanadihady Soratra Masina ihany.

Nanan-kevitra ny hanao ny teny hebreo ho fiteny fampiasa indray ny Jiosy maro tamin'ny taonjato faha-20. Ary lasa tenin'ny firenen'i Israely tamin'ny 1948 ilay fiteny. Avy amin'ny toerana maro ny mponin'i Israely ka nanapa-kevitra ny hianatra hebreo avokoa izy ireo mba hiteny fiteny iray ihany. Ny fikambanana mifehy ny fampiasana ny teny hebreo dia ny Akademian'ny Fiteny Hebreo.

Fiteny hebreon'ny Andro Antenantenany

Ny fiteny hebreon'ny Andro Antenantnany dia endriky ny fiteny hebreo teo anelanelan'ny taonjato faha-10 hatramin'ny taonjato faha-20. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 dia tany ivelan'i Palestina any am-pielezana no nitohizan'ny fampiasana ny fiteny hebreo ka hatramin'ny nahaterahan'io fiteny io indray tao Israely tamin'ny taonjato faha-20.

Amin'ny fiainana andavanandro dia niteny ny fitenin'ny firenena nonenany ny Jiosy, ka tsy nampiasa ny fiteny hebreo afa-tsy tamin'ny sehatry ny fivavahana. Tamin'izany fiteny hebreo izany no nanatanterahan'ny Jiosy am-pielezana ny fivavahany sy amakiany ny Torah ary andinihany ireo heviteny isan-karazany amin'io boky masina io. Tamin'ny fiteny hebreo koa no nifandraisan'ireo Olonkendry jiosy tamin'ny firenena samihafa. Hita araka ireo zava-bokarina ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ary amin'ny tontolon'ny asa ireo ny fivoaran'ny fiteny hebreo nandritra ny fotoana lava.

Fiteny latina

Ny fiteny latina (amin'ny teny latina lingua latīna) dia fiteny taloha notenenin'ny mponina tao amin'ny faritr'i Latium, eo amin'ny misy an'i Roma ankehitriny. Io fiteny io dia avy amin'ny fiteny indo-eoropeana voalohany tahaka ny ankabeazan'ny fiteny notenenina tao Eoropa. Ny fiteny latina dia avy ao amin'ny saikanosy italianina. Na dia lazaina fa fiteny maty aza io fiteny io, ny fiteny rômana izay mbola ampiasaina ankehitriny (frantsay, espaniola, italiana, romaniana) dia endrika nivoatra avy amin'io fiteny io. Na dia fiteny maty aza izy io, betsaka ireo olona mahafehy azy, mianatra azy ary mampianatra azy eran'izao tontolo izao.

Mbola ampiasain'ny fiteny ankehitriny amin'ny famoronana voambolana vaovao ny fiteny latina, ary mbola ampiasaina amin'ny fanomezana anarana siantifika ny zava-miaina.

Noho ny herin'ny tafika romana tamin'ny fotoan'androny ary noho ny fahefana omen'ny fifehezana ny fiteny latina, dia niparitaka eran'i Mediteranea ny fiteny latina, izay nipoiran'ny fitenim-paritra nanome ireo fiteny rômana ankehitriny.

Taorian'ny fanjavonan'ny Empira rômana tamin'ny taonjato fahadimy, dia nihavitsy hatrany ny isan'ireo olona nahay ny fiteny latina, ary noho izay havitsian'ny fampianarana dia feno teny avy amin'ny fiteny jermanika ary rômana tamin'izany fotoana izany ny fiteny latina nampiasaina tamin'ny Andro Antenantenany.

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-15 hatramin'ny taonjato faha-18 dia nesorin'ireo mpanoratra latina eoropeanina ireo teny avy amin'ny teny jermanika ary ireo teny avy amin'ny fiteny rômana. Nandritry ny taonjato telo dia nampiasaina ho teny iraisam-pirenena, teny iofanana ary teny ampiasain'ny siansa ny fiteny latina.

Hasidisma tamin'ny Andro Antenantenany

Ny hasidisma tamin'ny Andro Antenantenany na hasidiman'ny Askenaza dia fihetsiketsehan'ireo tia vavaka jiosy alemàna atao amin'ny teny hebreo hoe חסידי אשכנז / Hasidei Ashkenaz. Nanoratra ny literatiorany izy taorian'ny fandripahana azy nanomboka tamin'ny kroazada voalohany.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan'ny Israelita taorian'ny faharavan'ny Tempolin'i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian'ny fahababoan'ny Jiosy avy tany Babilona (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an'Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin'io fivavahana io. Dimy ambin'ny folo tapitrisa no isan'ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin'ireo no mipetraka any Israely. Isan'ireo finoana nolovana tamin'i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin'ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin'i Abrahama (izay atao hoe rain'ny mino) sy amin'i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn'i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin'ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Mosesy amin'ny ankamaroany teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin'ny Talmoda, asa soratra nataon'ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin'ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben'ny Hebreo no rain'ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan'ny fanandevozana tao. Nampian'Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin'ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin'izay ka hatramin'ny fandravan'ny Romana azy ireo tamin'ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoampivavahana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoampivavahana ao amin'ny sinagoga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.

Lahatsoratra masoretika

Ny lahatsoratra masoretika na soratra masoretika dia ny lahatsoratry ny Baiboly hebreo nampitain'ireo Masorah, vokatry ny asan'ireo manam-pahaizana jiosy atao hoe Masoreta tamin'ny Andro Taloha sy tamin'ny Andro Antenantenany. Mety tao amin'ny lahatsoratra atao hoe "proto-masoretika" voasoratra tamin'ny faran'ny taonjato voalohany tal. J.K. Tamin'ny fanombohan'ny vanim-potoana kristiana dia noraisina hatao fototra hiaingana amin'ny fandikan-tenin'ny Baiboly maro ny lahatsoratra masoretika, ka isan'izany ny Peshitta.

Mosesy Maimonida

I Maimonida na Maimonidesy na Moshe ben Maimon na Mosesy Maimonida dia filôzôfy jiosy sy dokotera sy mpandinika nanana ny maha izy azy ao amin'ny jodaisma tamin'ny Andro Antenantenany mizaka ny zom-pirenen'i Espaina teraka ny 1 Janoary 1138 ary maty ny 12 Desambra 1204 tao Kairo ao Egipta. Anarany amin'ny teny hebreo ny hoe משה בן מימון / Moshe ben Maimon. Ataon'ny Arabo hoe أبو عمران موسى بن ميمون بن عبد الله القرطبي اليهودي / Abu Imran Musa ibn Maimun I ibn Abdallah al-Kurtubi al-Yahudi izy. Nataony amin'ny fiteny arabo sy hebreo ny asasorany. Rehefa nanomboka ny fanenjehan'ny Miozolmana ny Jiosy sy ny Kristiana dia nanapa-kevitra ny hifindra monina any Fez na Fès tamin'ny taona 1160 ny fianakavian'i Maimonida, avy eo nifindra tany Palestina tamin'ny taona 1165 alohan'ny hanorenany fonenany ao Kairo any Egipta. Taty aoriana i Maimmonida dia tonga raby lehibe sy mpitsabo tao an-dapan'ny soltàna Saladina I (arabo: صلاح الدين يوسف / Ṣalāḥ ad-Dīn Yūsuf).

Sefarada

Ny Sefarada na Jiosy sefarada dia iray amin'ireo fizarana lehiben'ny vahoaka jiosy araka ny toerana niaviany ka manondro ny Jiosy tamin'ny Andro Antenantenany nonina tao amin'ny saikanosy Iberika (Espaina indrindraindrindra) sy tao Afrika Avaratra ary manondro koa ny taranak'izy ireo, izany hoe ny fitambaran'ny vahoaka jiosy tsy Askenazy.

Ny Jiosy tao amin'ny faritra be Kristiana tao amin'ny saikanosy Iberika dia voenjika mafy, tsy nitovy amin'ireo Jiosy tamin'ny faritra be Miozolmana, ka nitsoaka avy ao tamin'ny taona 1492 taorian'ny nahazoan'ny Kristiana ny faritra sisa farany nisy Miozolmana sy tamin'ny fanambarana an'i Espaina. Nitsoaka nankany Afrika Avaratra sy tany amin'ireo fari-tany any atsinanana amin'ny Empira otomàna izy ireo, avy eo nanorina vondron'olona maro tany Frantsa, tany Holanda, tany Angletera, tany Italia, tany ami'ireo Balkàna, sns.

Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia ny fiteny jodeo-kastilàna, atao hoe fiteny ladino. Manaraka ny fomban'ny Jiosy babiloniana izy ireo, fa tsy tahaka ny Askenazy izay mifikitra amin'ny fomban'ny Jiosy palestiniana.

Anondroana ireo Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any Atsinanana Akaiky miteny arabo sy persàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin'ny faritra eoropeana koa ny teny hoe Sefarada. Ny ankamaroan'izy ireo dia nanaraka ny fomba jiosy babiloniana noho ny fifampikasohany amin'ny Sefarada, ka izany no antony anondroana azy ireo amin'ny anarana hoe Sefarada koa.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.