Akademia Malagasy

Ny Akademia Malagasy dia trano fihaonan'ireo mpandinika ny haitsikerafiteny ary ny foko ao Madagasikara.

Rohy ivelany:

http://www.tenymalagasy.gov.mg/

Abidy malagasy

Ny abidy malagasy dia abidy ampaisaina rehefa manoratra amin'ny teny malagasy. Io abidy io dia avy amin'ny abidy latina, ampiasaina amin'ny fanoratana ny ankabeazan'ny fiteny, tsy ao Eoropa ihany, fa aty Afrika sy any Amerika koa.

Ny abidy malagasy dia abidy noforonin-dRadama I tamin'ny 23-26 Martsa 1823, natao ho solon'ny sorabe (soratra miendrika arabo ampiasain'ny fiteny any atsimo atsinanan'i Madagasikara, indrindra ny fiteny antemoro).

Ny abidy malagasy dia manana litera 21. Ny abidy noforonin-dRadama dia tsy mampiasa ny litera c, sy q, sy u, sy w ary x.

Ener Lalandy

Andriarimalala René no tena anaran'i Ener Lalandy.

Mpanoratra sady poety, mpikambana mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy izy.

Fandrafetana ny fiteny

Ny fandrafetana ny fiteny iray dia fanandramana mianjady amin'ny fampiasana ny fiteny iray. Natao izany mba hahafahana mampiasa ilay fiteny anaty taranja maromaro kokoa. Ny tanjona, dia hanova ny fomba fampiasana ny fiteny iray. Ho an'ny fiteny maro dia maro, misy ireo fikambanana manokana izay manan-tanjona ny handrafitra ny fiteny. Azontsika alaina ho ohatra ireo Académie Française ny teny frantsay na ny Akademia Malagasy ny teny malagasy.

Amin'ny ankapobeny, betsaka ireo fomba fandrafetana fiteny :

Fandrafetana ny fiteny : izay mamorona ary manavao ny voambolana ampiasaina. Natao hamorona ny rafibikan'ilay (stantard) fiteny ny ny mpandrafi-piteny, toa ny tsipelina na ny fitsipi-pitenenana. Ny fahadiovana ny fiteny (purisme linguistique) indray dia mikasika ny fanalana ny fianjadian'ny teny vahiny noho izy ireo "mandoto" ny fiteny. An'ny fandrafetana ny fiteny ihany koa izany hetsika izany.

Ny fandrafetana ny sata dia hanova ny fomba fampiasana ilay fiteny. Izy io dia manan-tanjona ny hanaovana ireo tenim-paritra ho teny ofisialy. Ary matetika koa ny asa ataon'ny mpandrafitra ny sata dia mamorona ny soratry ny teny izay mbola tsy nosoratana tany aloha.

Ny fandrafetana ny fianarana dia mikasika ny ampianarana ny fiteny iray. Mba hahamora ny fampianarana ary mba hanintona ny hafa hianatra ilay fiteny.

Fiteny malagasy

Ny fiteny malagasy dia tenim-pirenen'ny Repoblikan'i Madagasikara. Ny teny malagasy dia ao amin'ny fianankavian-tenin'ny teny barito (ao amin'ny teny aostronezianina). Any Banjarmasin, nosin'i Kalimantan (Indonezia) nfo foiben'ny fiteny barito. Ny teny akaikikaikin'ny teny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Ny fiteny malay izao no teny miasa eo amin'io nosy io.

Georges Andriamanantena

Anarana : ANDRIAMANANTENA

Fanampin'anarana : Georges

Teraka tamin’ny : 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo

Nodimandry: 11 septambra 2008

Ray : ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina (efa-maty)

Reny : RAZAFINDRAFARA (efa maty)

Fiaviana : lafin-dray : Betsizaraina - Antananarivo

Lafin-dreny : Amboanana - Arivonimamo

Solon’anarana amin’ny asa soratra : Rado, noho ny fitiavany ilay Ohabolana hoe : "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado" (mitory hatsaran-tarehy)

Vady : RAVOLOLONA Edwige

Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy)

Zafikely : 14

Zafiafy : 12

Sekoly nianarana :

1929 - 1931 : École Officielle Faravohitra

1932 - 1940 : Ambohijatovo Atsimo (FFMA)

1941 - 1942 : Kolejy Paul Minault

1943 : Chambre de Commerce (fianarana comptabilité)

1959 - 1960 : Centre International d’Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg- France)Asa natao :

1943 - 1955 : Préservatrice Assurances

1955 - 1966 : Gazety Hehy (nanao gazety)

1967 - 1974 : Talen’ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra

1975 - 1977 : Niverina tao amin’ny Gazety Hehy

1977 - 1989 : Tale tao amin’ny Ministeran’ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto RevolisioneraAsa soratra : « Dinitra » (1973) ; « Ando » (1977) ; « Zo » (1980) ; « Sedra » (1993) ; « Ny Teny Malagasy » (1994) ; « Tsy maintsy mipoaka » (2002) ; « Voninkazo adaladala » (2003) ; « Fiteny roa - En deux Langues » (2005)

Manana tononkalo voadika amin’ny teny : Rosiana, Anglisy, Frantsay, Alema. Fikambanana misy azy : Havatsa - Upem : Union des Poètes et Écrivains Malgaches Filohamboninahitry ny Fikambananan’ny Mpikabary eto Madagasikara, Mpikambana Mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy (Membre Titulaire)

Talenta hafa : Sary hosodoko, paik’afo (pyrogravure), kiky fitaratra (gravure sur verre), tosi-by (métal repoussé), famoronana hiram-bavaka. Ala voly : Jono (ranomamy sy ranomasina), filalaovana amin-jafikeliny Mariboninahitra : (nomen’ny Fanjakana fa tsy nangatahana) : Chevalier, Officier, Commandeur, Grand Officier, Grand Croix de 2ème classe de l’Ordre National Malagasy Toerana nanaovany fampirantiana Zavakanto : Antananarivo, Francoville, Paris (Frantsa)

Fanolokoloana : Tao an-tokantranon’ny raiamandreninay, ankoatra ny fitaizana kristiana izay tena nimasoan’izy ireo fatratra, dia nisy koa fanabeazana sy fanolokoloana noraisina tamin’izy ireo.

- Isaky ny Alarobia hariva, alohan’ny hatoriana, dia misy fotoam-pivavahana iombonanay mianakavy, ka ifandimbiasana isan-kerinandro ny ftarihana azy. Tena nahasoa anay mianadahy isany izany. Ivelan’ny fitaizana azonay teo anivon’ny Fiangonana isan’alahady mantsy dia manatanjaka ny fijoroanay ho kristiana teo anivon’ny fiarahamonina izany, mandraka ankehitriny.

- Aorian’io fiaraha-mivavaka io koa dia ampianarina ny fomba amam-panao maha Malagasy izahay. Indrindra ho tia sy hahay ny Teny Malagasy. Izay tena nimasoan’Idada tamin’izay dia ny fampahatantarana ohabolana Malagasy taminay. Tsy maintsy mahay sy mahafantatra iray isan-kerinandro izahay, ary raha ilaina aza dia hiverenena amin’ny manaraka iny raha mbola tsy mazava.

- Ankoatra’ireo dia nampianarina ho tia hira, tantara, angano, mozika, sary, sol-fa, zava-maneno. Azoko lazaina fa ny fampitiavany anay ireny kanto ireny no nitarika anay ho amin’izao toerana misy anay ankehitriny izao : mpanoratra, mpanao gazety, mpamoronkiram-bavaka, mpanao sary, mpamorona zava-kanto. Nezahiny ny nividy harmonia hianaranay mitendry, na dia elaela ihany aza ny fanefana izany, fa naloa tsikelikely.

- Nampidirina tany amin’ny Fitaizana Tily koa izahay mirahalahy. Manampy ny fitaizana maha olona koa izany : hahay mihafy, mahay mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahaleo tena ary hahalala ny tontolon’ny fiaraha monina, ho tia tanindrazana sy hatahotra an’Andriamanitra.

- Izany rehetra izany mitambatra no lasitra nibeazanay mianadahy avy. Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin’ny andron’ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan’olona tsy misy ilana azy ny firenena.

Raki-pahalalana

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona. Ny raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy ny Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Histoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny taona 77 tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha-17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (an-tranonkala na amin'ny CD), toy ny Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium.

Siméon Rajaona

I Siméon Rajaona dia mpahay teny malagasy teraka tao Antananarivo tamin'ny 18 Febroary 1926 ary maty tamin'ny 23 Jona 2013. Izy no sojabe voalohany tao amin'ny Lalam-piofanana Soratra sy Siansan'ny Fiolonana ao amin'ny Anjerimanontolo eto Madagasikara tamin'ny taona 1972. Mpikambana ao amin'ny Akademia malagasy koa izy. Ny anarany feno dia Siméon Régis Rajaona. Izy no nitarika ny haiteny ara-drafitra sy araka anjara asa tamin'ny fandalinana ny fiteny malagasy ka fantatra indrindra amin'izany ilay boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe Structure du malgache, étude des formes prédicatives izay vitany soratra tamin'ny taona 1972.

Ireto koa ny boky hafa sasany nosoratany:

Takelaka notsongaina, Tome 1, 1962

Takelaka notsongaina, Tome 2, 1963

Problèmes de morphologie malgache, 1977

Mon corps soupire après toi, œuvre posthume, 2016

Taom-baovao malagasy

Ny Taom-baovao malagasy dia ny fiandohan'ny taona malagasy sy ny fankalazana izany izay mitranga eto Madagasikara sy any ivelany koa amin'ny andro voalohan'ny taona voafaritra araka ny tetiandrom-panandroam-bolana na amin'ny fomba hafa.

Amin'izao taonjato faha-21 izao dia mizara ny hevitr'ireo mpankalaza ny taom-baovao malagasy. Ao ny mitazona ny daty amin'ny fizaran-taona fararano, izay heverin'ny mpomba izany hevitra izany fa mifanandrify amin'ny Alahamadibe taloha, ka mankalaza ny taom-baovao amin'ny volana Marsa na Avrily. Ao koa ireo mitana ny daty ao amin'ny lohataona ka amin'ny volana Septambra no ankalazana izany. Ity vanim-potoana faharoa ity dia fantatra koa amin'ny anarana hoe Volambita, araka ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity. Ao koa ireo manaraka ny tetiandro malagasy manara-bolana tanteraka ka tsy mihazona volana na daty gregoriana raikitra hankalazany ny taom-baovao malagasy.

Misy ny mihevitra izany tsy fifanarahan-kevitry ny mpankalaza ny taom-baovao malagasy izany ho olana tokony ho vahana, nefa ao koa ireo mihevitra izany fahamaroan'ny andro fankalazana izany ho fananan'ny Malagasy harena ara-kolontsaina.

Ny tena mafana fo amin'ny fankalazana ny taom-baovao, indrindra ilay heverina fa mifanadrify amin'ny tsinanana Alahamady, dia ireo lazaina fa taranak'andriana merina ao Antananarivo sy ny manodidina, nefa misy koa matetika ny fanasana ireo ampanjaka sy tangalamena sns avy any ivelan'Antananarivo.

Amin'ny tenim-pirenena hafa

This page is based on a Wikipedia article written by authors (here).
Text is available under the CC BY-SA 3.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.